Boky torolalana sy antso
36. Fananganana sy fanovana ary fanomezana anarana rantsana vaovao


“36. Fananganana sy fanovana ary fanomezana anarana rantsana vaovao,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“36. Fananganana sy fanovana ary fanomezana anarana rantsana vaovao,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
lehilahy manao lahateny ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo

36.

Fananganana sy fanovana ary fanomezana anarana rantsana vaovao

36.0

Teny fanolorana

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia ao anatina vondrona iray mifototra amin’ny toerana izay onenan’izy ireo (jereo ny Môzià 25:17–24). Ireo vondrona ireo dia ilaina amin’ny fanorenana sy ny fanatanterahana ny asan’ny Fiangonana eo ambanin’ny fahefan’ny fisoronana mifandraika amin’izany. Ireo mpitarika vondrona dia omena fanalahidin’ny fisoronana mba hanomezana lalana ny hanatanterahana ôrdônansin’ny fisoronana. Ireo vondrona dia manampy ihany koa ireo mpikambana hifankahery finoana eo ampitsaohan’izy ireo an’ Andriamanitra, sy eo am-pianaran’izy ireo ny fampianaran’i Jesoa Kristy ary eo am-panompoana.

Ireo vondrona ao amin’ny Fiangonana (antsoina koa hoe rantsana) dia ahitana ny tsatòka sy ny distrika sy ny paroasy ary ny sampana. Tsy sokafana izy ireny na ovaina, na akatona raha tsy efa ilaina izany.

Miasa ireo mpitarika mba hampitomboana ny tanjaka ara-panahin’ireo mpikambana alohan’ny handrosoana ny hanokafana rantsana iray vaovao na hanovana ny sisin-tanin’ny rantsana iray. Tsy tokony hosokafana ny rantsana vaovao raha tsy efa ampy tanjaka tsara ireo rantsana efa misy.

Ho fanampiana ho an’ireo any Etazonia sy Kanadà dia antsoy ny 1-801-240-1007. Raha any ivelan’i Etazonia sy Kanadà dia antsoy ny biraon’ny vondromparitra.

36.1

Fananganana na fanovana tsatòka sy distrika

Ny tsatòka dia atsangana avy amin’ny distrika na amin’ny alalan’ny fizarana tsatòka efa misy. Ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna dia afaka mandroso ny hananganana tsatòka vaovao. Maka antoka aloha izy fa hahafeno ireo fepetra kely indrindra takina izay hita ao amin’ny tabilao etsy ambany izany.

Fepetra takina farafahakeliny alohan’ny hananganana tsatòka

Etazonia sy Kanadà

Firenena hafa rehetra

Isan’ny mpikambana (na mazoto na malaindaina)

Etazonia sy Kanadà

3.000

Firenena hafa rehetra

1.900

Isan’ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka mazoto sy mpandoa fahafolonkarena feno afaka manompo amina antsona mpitarika

Etazonia sy Kanadà

180

Firenena hafa rehetra

120

Isan’ny paroasy

Etazonia sy Kanadà

5

Firenena hafa rehetra

5

Ireo distrika dia atsangana avy amina sampana ao anatina misiôna na tsatòka efa misy. Tsy misy isan’ny mpikambana na sampana farany ambany tratrarina ny fananganana distrika iray.

Ny distrika iray dia tsy maintsy manana ny halehiben’ny tanjaka ilaina ho an’ny tsatòka mandritra ny enim-bolana farafahakeliny izay vao afaka mandroso ny hananganana izany ho tsatòka ny filohan’ny misiôna.

Ny sisin-tanin’ny tsatòka na distrika iray dia manaraka ny sisin-tanin’ireo rantsana izay ao anatiny. Raha handroso ny hanovana ny sisin-tanin’ny tsatòka na distrika na ny hamindrana rantsana iray ho amina tsatòka na distrika mifanila eo, dia mamolavola sy mandrindra ny hevitra aroso ireo filohan’ny tsatòka na misiôna izay voakasik’izany.

Ao amin’ny “Proposition de limites (Boundary and Leadership Proposals)” ny filohan’ny tsatòka na misiôna no manomboka fangatahana vaovao. Raha tsy afaka mampiasa ilay rafitra fanaovana izany ao amin’ny internet izy dia afaka misintona ireo taratasy ho fenoina amin’ny fikitihana ny rohy ho an’izany.

Ny fankatoavana ireo fangatahana fanovana tsatòka dia azo avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Amin’ny ankapobeny dia ao anatin’ny enina herinandro nandraisana ny fangatahana feno izy ireo no manapa-kevitra.

36.2

Fananganana na fanovana paroasy sy sampana ao anatina tsatòka

Ireo paroasy sy sampana ao anatina tsatòka dia atsangana avy amina rantsana efa misy. Ny filohan’ny tsatòka no afaka mandroso ny hananganana paroasy na sampana vaovao. Maka antoka aloha izy fa hahafeno ireo fepetra kely indrindra takina ilay rantsana vaovao, araka ny hita ao amin’ireto tabilao manaraka ireto.

Fepetra takina farafahakeliny ahafahana manangana paroasy

Etazonia sy Kanadà

Firenena hafa rehetra

Isan’ny mpikambana (na mazoto na malaindaina)

Etazonia sy Kanadà

300

Firenena hafa rehetra

150

Isan’ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka mazoto sy mpandoa fahafolonkarena feno afaka manompo amina antsona mpitarika

Etazonia sy Kanadà

1 isaky ny mpikambana 20 (na mazoto na malaindaina). Tsy maintsy misy 20 farafahakeliny.

Firenena hafa rehetra

1 isaky ny mpikambana 20 (na mazoto na malaindaina). Tsy maintsy misy 15 farafahakeliny.

Fepetra takina farafahakeliny ahafahana manangana sampana ao anatina tsatòka

Isan’ny mpikambana (na mazoto na malaindaina)

20

Isan’ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka mazoto sy mpandoa fahafolonkarena feno afaka manompo amina antsona mpitarika

4

Ny filohan’ny tsatòka dia afaka mandroso ny hanovana sampana iray ho lasa paroasy rehefa mahafeno ireo fepetra kely indrindra takina ilay rantsana ary rehefa nahita olona iray izy izay mety ho afaka hanompo amin’ny toeran’ny eveka.

Ny filohan’ny tsatòka dia afaka mandroso ny hanitsiana na ny hanakatonana paroasy sy sampana rehefa tena ilaina izany.

Ao amin’ny “Proposition de limites (Boundary and Leadership Proposals)” ny filohan’ny tsatòka no manomboka fangatahana vaovao. Raha tsy afaka mampiasa ilay rafitra fanaovana izany ao amin’ny internet izy dia afaka misintona ireo taratasy ho fenoina amin’ny fikitihana ny rohy ho an’izany.

Ny Fiadidiana Voalohany ihany no afaka manome fankatoavana ilay fangatahana. Amin’ny ankapobeny izy ireo dia mandray fanapahan-kevitra ao anatin’ny efatra herinandro aorian’ny nandraisana ilay fangatahana feno.

36.3

Fananganana sy fanovana sampana ao anatina misiôna

Afaka mangataka ny hanangana sampana vaovao ao amin’ny misiôna ny Filohan’ny misiôna. Tsy misy isan’ny mpikambana farany ambany tratrarina ny fananganana sampana iray ao anatina misiôna. Na izany aza ny sampana vaovao amin’ny ankapobeny dia tokony hisy mpihazona fisoronana efatra farahakeliny. Farafahakeliny ny iray dia tokony ho mpihazona Fisoronana Melkizedeka mazoto sy mpandoa fahafolonkarena feno.

Ao amin’ny “Proposition de limites (Boundary and Leadership Proposals)” ny filohan’ny misiôna no manomboka fangatahana vaovao. Raha tsy afaka mampiasa ilay rafitra fanaovana izany ao amin’ny internet izy dia afaka misintona ireo taratasy ho fenoina amin’ny fikitihana ny rohy ho an’izany.

Ny Fiadidian’ny Vondromparitra no tompon-teny farany manome fankatoavana na mandà ny fangatahan’ny Filohan’ny misiôna:

  • Hananganana sy hanomezana anarana ny sampana iray vaovao ao anatin’ny misiôna.

  • Hanafoanana sampana iray ao anatin’ny misiôna.

  • Hanovana ny sisin-tanin’ny sampana iray ao anatin’ny misiôna raha toa izany ka tsy misy fiantraikany amina tsatòka na distrika na misiôna hafa.

Tsy maintsy alefan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra any amin’ny foiben’ny Fiangonana ny fangatahana nahazoana fankatoavana mba ho karakaraina alohan’ny hahafahana manangana na manova ilay sampana ao anatin’ireo rafitry ny Fiangonana.

Ny Fiadidian’ny Vondromparitra dia afaka manohana fa tsy manome ny fankatoavana farany amin’ny fangatahan’ny filohan’ny misiôna:

  • Hamindrana ny sampana iray ho ao anatina tsatòka na disitrika na misiôna hafa.

  • Hanovana ny anaran’ny sampana iray efa misy ao anatin’ny misiôna.

  • Hanovana ny sisin-tanin’ny sampana iray ao anatin’ny misiôna raha toa izany ka misy fiantraikany amina tsatòka na distrika na misiôna hafa.

  • Hananganana na hanovana sampana ho an’ny tanora tokan-tena na ho an’olon-dehibe tokan-tena ao anatin’ny misiôna; na ho an’ireo mpikambana tsy miteny ny fiteny ao an-toerana; ho an’ireo mpikambana izay ao anatina ivon-toerana fikarakarana olona, na manaraka fitsaboana na any am-ponja na mpikambana any amin’ny tafika.

Amin’ireo tranga ireo dia dinihan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ny fangatahana, ary raha manohana izany izy ireo dia mandefa izany mba hangatahana fankatoavana. Ny Fiadidiana Voalohany ihany no afaka manome ny fankatoavana farany. Amin’ny ankapobeny izy ireo dia mandray fanapahan-kevitra ao anatin’ny efatra herinandro aorian’ny nandraisana ilay fangatahana feno.

Sary
fianakaviana any am-piangonana

36.4

Fanomezana anarana an’ireo rantsan’ny Fiangonana

Ny anaran’ny rantsana iray dia tokony hanamora ny hahafantaran’ireo izay monina ao amin’ilay faritra izany. Amin’ny ankapobeny ny anaran’ireo rantsana izay efa misy dia tsy tokony hovaina.

Raha toa ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna ka maniry hanova ny anaran’ny rantsana iray fotsiny ihany dia tsy mila mampiasa ny rafitra ao amin’ny internet izy. Mandefa ny fangatahana izy amin’ny fiantsoana ny 1-801-240-1007. Any ivelan’i Etazonia sy Kanadà dia ny biraon’ny vondromparitra no antsoiny.

Raha misy anarana rantsana ilana fanovana noho ny fanitsiana ny sisin-taniny dia afaka manomboka ny fangatahana vaovao ny filohan’ny misiôna na ny filohan’ny tsatòka amin’ny fampiasana ny rafitra ao amin’ny internet ao amin’ny Proposition de limites (Boundary and Leadership Proposals). Raha tsy afaka mampiasa ilay rafitra fanaovana izany ao amin’ny Internet izy dia afaka misintona ireo taratasy ho fenoina amin’ny fikitihana eo amin’ilay rohy.

Ny Fiadidiana Voalohany ihany no afaka manome ny fankatoavana ho an’ireo fangatahana ireo.

Ireo Fiadidian’ny Vondromparitra dia afaka manome fankatoavana an’ireo fangatahana fananganana sy fanomezana anarana sampana vaovao ao anatina misiôna (jereo ny 36.3).

36.4.1

Fanomezana anarana ireo tsatòka sy distrika

Ny teny voalohany ao amin’ny anarana tsatòka na distrika dia iray amin’ireto manaraka ireto:

  • Ny tanàna izay misy ny foiben’ilay tsatòka na distrika.

  • Tanàna iray hafa ao anatin’ilay tsatòka na distrika izay fantatr’ireo mpikambana tsara.

  • Marika ara-jeôgrafika ao anatin’ny faritry ny sisin-tanin’ilay distrika na tsatòka.

Any Etazonia sy i Kanadà, ny teny faharoa dia ny faritanim-panjakana na ny faritany izay misy an’ilay tsatòka na distrika. Any amin’ny firenena hafa ny teny faharoa dia ny anaran’ilay firenena.

Raha toa ka misy distrika na tsatòka mihoatra ny iray ao amin’ny tanàna iray, ny teny fahatelo dia atao zavatra miavaka manokana ao anatin’ny faritry ny sisin-tanin’ilay rantsana. Anisan’ny zavatra miavaka manokana atao anarana distrika sy tsatòka azo ekena ireto aseho eto ambany ireto:

  • Vazan-tany (avaratra, na atsimo, na atsinanana, na andrefana)

  • Fokontany na faritra

  • Marika ara-jeôgrafika

Anisan’ny zavatra miavaka manokana izay tsy azo ekena ho anarana distrika sy tsatòka ireto aseho eto ambany ireto:

  • Teny hafa fampiasa amin’ny fanondroan-toerana (ohatra, atsimo-andrefana)

  • Anaran’olona

Raha toa ny anaran’ilay tanàna ka mitovy amin’ny anaran’ilay faritanim-panjakana na faritany na firenena dia tsy averina ao anatin’ilay anarana izany. Ohatra:

  • Tsatòkan’i Idaho Falls Taylor Mountain, fa tsy hoe Tsatòkan’i Idaho Falls Idaho Taylor Mountain

  • Tsatòkan’i México City Azteca, fa tsy hoe Tsatòkan’i México City México Azteca

36.4.2

Fanomezana anarana paroasy sy sampana

Ny paroasy na sampana iray dia omena anarana araka ny zavatra iray miavaka manokana ao amin’ny faritry ny sisin-taniny. Anisan’ny zavatra miavaka manokana azo ekena ho anarana paroasy sy sampana ireto aseho eto ambany ireto:

  • Tanàna

  • Fokontany na faritra

  • Lalana na arabe

  • Kianja na valan-javaboary

  • Sekoly

  • Marika ara-jeôgrafika

Anisan’ny zavatra miavaka manokana izay tsy azo ekena ho anarana paroasy sy sampana ireto aseho eto ambany ireto:

  • Vazan-tany (ohatra, atsinanana na avaratra andrefana)

  • Anaran’olona

  • Anarana izay mifototra amin’ny zavatra tazana (ohatra, Mahatazana Tempoly, Mahatazana Tendrombohitra, na Mahatazana Rano)

  • Fampitambarana anarana roa hamoronana anarana vaovao

Anarana zavatra miavaka manokana iray ihany no azo ampiasaina amin’ny anarana paroasy na sampana. Raha toa ka misy paroasy na sampana mihoatra ny iray mitondra anarana mitovy, dia ampiana laharana ao anatin’ilay anarana toy ny hoe Paroasy Voalohan’i Preston sy Paroasy Faharoan’i Preston.

Tokony ho amin’ny fiteny ampiasaina eo amin’ilay faritra ny anaran’ilay paroasy na sampana. Raha toa ka tsy mampiasa abidia Rômana ilay fiteny, dia tokony hasiana dikanteny ampiasana ireo tarehintsoratra Rômana ampiarahana amin’ilay fangatahana.

36.5

Fampiharana ireo fanovana naroso

36.5.1

Fanovana tsatòka sy distrika

Ny taratasy fankatoavana ho fananganana na fanafoanana tsatòka na distrika amin’ny ankapobeny dia ahitana ny daty izay hanaovana ny fanovana. Tsy tokony hatao filazana io daty io raha tsy efa miresaka ny antsipirian’izany amin’ny filohan’ny tsatòka na filohan’ny misiôna ilay Manampahefana Ambony voatendry. Tsy azo atao filazana ilay fanovana raha tsy amin’ny fihaonamben’ny tsatòka na distrika.

Manao tatitra any amin’ny foiben’ny Fiangonana na any amin’ny biraon’ny Vondromparitra ireo filohan’ny tsatòka na misiôna rehefa vita ny fanovana.

36.5.2

Fanovana paroasy sy sampana

Rehefa avy nandray ny fankatoavana ny fanovana paroasy na sampana ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna dia manana 90 andro izy amin’ny ankapobeny hanolorana ireo fanovana mba hotohanan’ny mpikambana. Raha toa ka mila manemotra izany mihoatra ny 90 andro izy dia mangataka fahazoan-dalana any amin’ny biraon’ny Fiadidiana Voalohany.

Manao tatitra any amin’ny foiben’ny Fiangonana na any amin’ny biraon’ny Vondromparitra ireo filohan’ny tsatòka na misiôna rehefa vita ny fanovana. Tsy asiam-panovana ny sarin-tany sy ny rantsana raha tsy efa voarakitry ny foiben’ny Fiangonana izy ireny.

Sary
olona mihira ao am-piangonana

36.6

Fandaharam-pampianarana fototra ho an’ny rantsana

Ny Fiangonana dia namolavola fandaharam-pampianarana fototra ho an’ny rantsana ho ampiasain’ireo sampana madinika sasany na vondrona mpikambana vitsivitsy nahazo lalana antsoina hoe vondrona (jereo ny 37.7 ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny vondrona). Azon’ny Fiadidian’ny Vondromparitra atao ny manome lalana ny hampiasana ny Fandaharam-pampianarana fototra ho an’ny rantsana any amin’ny sampana madinika na vondrona izay ahitana na inona na inona amin’ireto toe-javatra manaraka ireto:

  • Ny Fiangonana dia ao anatin’ny dingana fanombohana.

  • Miparitaka amin’ny toerana mifanalavitra ireo mpikambana.

  • Vitsy ny isan’ny mpikambana, ary vao manomboka mivelatra ny fitarihana.

  • Manana fiteny manokana ireo mpikambana na any amin’ny ivontoerana fikarakarana olona na manaraka fitsaboana na any am-ponja.

Azon’ny Fiadidian’ny Vondromparitra atao ihany koa ny manome lalana ny hampiasana ny Fandaharam-pampianarana fototra ho an’ny rantsana ao anatin’ny misiôna na tsatòka izay ahitana ireo toe-javatra ireo.

Ireo torolalana ho an’io fandaharam-pampianarana io dia hita ao amin’ny Manuel du programme de base de l’unité (Boky torolalana ho an’ny Fandaharam-pampianarana fototra ho an’ny rantsana). Misy fampahalalana hafa omena ao amin’ny Boky Torolalana ho an’ny Sampana,, ny Boky torolalana ho an’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ao amin’ny Vondrona fanampiny, ny Boky torolalana ho an’ny fianakaviana, ary ny Boky torolalana ho an’ny fampianarana..