Boky torolalana sy antso
27. Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny velona


“27. Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny velona,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, (2020).

“27. Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny velona,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
mpanambady

27.

Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny velona

27.0

Teny fanolorana

Hatry ny fahiny, isak’izay nisy vahoaka nahatoky teto ambonin’ny tany, dia nitahy azy ireo tamin’ny fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny tempoly Andriamanitra. Indraindray Izy dia namela ny hanaovana ireo ôrdônansiny masina tany ivelan’ny tempoly rehefa tsy nisy tempoly voatokana (jereo ny Genesisy 28:12–22; Eksodosy 24; Eksodosy 25:8–9; Etera 3). Kanefa isak’izay nanorina ny Fiangonany ny Tompo dia nandidy ny vahoakany Izy mba hanangana trano “ho an’ny anara[ny].” Ao amin’ny tempoly no anambarany ny ôrdônansiny sy ny voninahitry ny fanjakany ary ampianarany ny fomba hahazoana famonjena. (Jereo ny 2 Tantara 3–5; 2 Nefia 5:16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:10–16; 124:29–39.)

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo. Mampitodika antsika any amin’i Jesoa Kristy izany. Mandray anjara amin’ireo ôrdônansy masina sy manao fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra izay mamatotra antsika Aminy sy amin’ny Mpamonjintsika isika ao amin’ny tempoly. Ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy ireo dia manomana antsika hiverina ho eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy ho voafehy miaraka ho fianakaviana mandrakizay.

Ao amin’ny tempoly dia misy fitahiana lehibe ihany koa ho azon’ireo zanak’ Andriamanitra mahatoky eto amin’ity fiainana ity. “Miharihary … ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20) ao amin’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny tempoly. Ny tempoly dia toerana masina ahafahan’ny mpikambana mitsaoka, mianatra, ary mandray fitarihana sy fankaherezana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:13–16). Ireo izay mankany amin’ny tempoly dia afaka mahazo ny herin’ Andriamanitra mba hanatontosana ny asany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22–23; jereo koa ny 3.5 ato amin’ity boky torolalana ity).

Masina ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly. Tsy tokony horesahana any ivelan’ny tempoly ireo mari-pamantarana mifandray amin’ny fanekempihavanan’ny tempoly. Ary tsy tokony horesahantsika ihany koa ny fampahalalana masina izay nampanantenaintsika manokana tao amin’ny tempoly fa tsy hambarantsika. Na izany aza, dia azontsika resahana ireo tanjona sy fotopampianarana fototr’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny tempoly ary ny fahatsapana ara-panahy azontsika ao anatin’ny tempoly.

Resahan’ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka amin’ireo mpikambana izay miomana ny handray ny ôrdônansin’ny fanafiana masina na ny famehezana ny fampahalalana ato amin’ity toko ity.

27.1

Fandraisana ireo ôrdônansin’ny tempoly

27.1.1

Fiomanana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly

Tokony hiomana ara-panahy ireo mpikambana mba handray ireo ôrdônasin’ny tempoly sy hanao ireo fanekempihavanan’ny tempoly.

Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanampiana ireo zanany hiomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Manohana ny ray aman-dreny amin’izany anjara asa izany ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka sy ny paroasy, ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo, ary ireo fianakaviana lavitra.

Mamporisika tsy tapaka ireo mpikambana mba hiomana handray ny ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo ny mpitarika eo anivon’ny tsatòka sy ny paroasy. Ny mpitarika dia manamafy ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fanajana ireo fanekempihavanan’ny tempoly sy ny fijanonana ho mendrika ny hanana sy hihazona fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

Ireo loharanom-pitaovana hanampiana ny mpikambana hiomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly dia hita ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org

Ny mpikambana izay miomana ny handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany na hofehezina amin’ny vadiny dia amporisihina mba hianatra ny lesona fiomanana ho any amin’ny tempoly (jereo ny 25.2.8).

Mihaona amin’ny evekany sy ny filohan’ny tsatòkany ny mpikambana mba hahazoana fahazoan-dalana hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona rehefa:

  • Handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany.

  • Hofehezina amin’ny vadiny.

Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fanomezana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ao anatin’ireo toe-javatra iainana ireo, dia jereo ny 26.1 sy ny 26.3.1.

Sary
ankizy manao akanjo fotsy

27.1.2

Famandrihana fotoana hanaovana ireo ôrdônansin’ny tempoly

Ny mpikambana izay miomana ny handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany na hofehezina na hanambady dia tokony hamandrika mialoha ny fotoana hanaovana ilay ôrdônansy any amin’ny tempoly izay kasainy handehanana. Jereo ny temples.ChurchofJesusChrist.org mba hahitana ny laharan-telefaonina hahazoana ny tompon’andraikitra tsirairay ao amin’ny tempoly.

27.1.3

Ireo mpikambana manana fahasembanana ara-batana

Afaka mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly rehetra ny mpikambana mendrika izay manana fahasembanana ara-batana (jereo ny 38.2.5). Amporisihina ireo mpikambana ireo mba ho any amin’ny tempoly miaraka amin’ny havany na namany efa nandray fanafiana masina, izay lehilahy raha lehilahy izy ary vehivavy raha vehivavy izy, ka afaka manampy azy ireo. Tsy maintsy manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery ireo olona manampy. Raha toa ka tsy misy olona ao amin’ny fianakaviana na namana afaka miaraka amin’ireo mpikambana any amin’ny tempoly dia afaka miantso any amin’ny tempoly mialoha izy ireo mba hahitana izay fandaminana azo atao. Jereo ny temples.ChurchofJesusChrist.org mba hahitana ny laharan-telefaonina hahazoana ny tompon’andraikitra tsirairay ao amin’ny tempoly.

Ny biby mpanampy sy ireo biby manampy aminʼny olana ara-pihetseham-po dia tsy mahazo miditra ny tempoly. Ny filohan’ny tsatòka dia afaka mifandray amin’ny Departemanta misahana ny Tempoly ao aminʼny TempleDepartment@ChurchofJesusChrist.org raha manana fanontaniana.

27.1.4

Fanampiana mikasika ny fandikan-teny an-tsoratra sy am-bava

Raha mila fanampiana mikasika ny fandikan-teny an-tsoratra na am-bava ireo mpikambana dia tokony hifandray mialoha amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tempoly izy ireo mba hijerena raha misy izany fanampiana izany. Jereo ny temples.ChurchofJesusChrist.org mba hahitana ny laharan-telefaonina hahazoana ny tompon’andraikitra tsirairay ao amin’ny tempoly.

27.1.5

Ny akanjo anaovana rehefa mankany amin’ny tempoly

Tokony hanao fitafy izay fanaon’izy ireo rehefa mamonjy fanasan’ny Tompo ny mpikambana rehefa mankany amin’ny tempoly. Tokony hosorohan’izy ireo ny fanaovana akanjo fitena na tsy maharakotra ny garmentan’ny tempoly. Tokony hosorohan’izy ireo koa ny fanaovana fitafy diso mihaja loatra, toy ny “smoking”. Tsara indrindra raha ampianarin’ireo ray aman-dreny sy ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo, ary ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka io torolalana io rehefa miomana ny hitsaoka any amin’ny tempoly ireo mpikambana.

Jereo ny 27.3.2.6 mba hahitana fampahalalana momba ny akanjo tokony hanaovana raha hamonjy fanambadiana na famehezana any amin’ny tempoly.

Jereo ny 38.5 hijerena fampahalalana momba ny:

  • Akanjo tokony hanaovana mandritra ny fanafiana masina sy ireo ôrdônansy famehezana.

  • Fahazoana sy ny fanaovana ary ny fikarakarana ireo fitafy fitondra amin’ireo fanatanterahana ôrdônansy ao amin’ny tempoly sy ny garmenta.

27.1.6

Fitaizana ny ankizy

Tsy maintsy misy olon-dehibe manara-maso ny ankizy rehefa eo amin’ny faritry ny tempoly izy ireo. Amin’ireto toe-javatra ireto ihany no misy mpiasan’ny tempoly afaka manara-maso ny ankizy:

  • Raha hofehezina amin’ny ray aman-dreniny izy ireo

  • Raha manatrika ny famehezana ny iray tampo, na ny iray ray, na ny iray reny aminy izay mbola velona amin’ireo ray aman-dreniny izy ireo

27.1.7

Fihaonana amin’ireo mpikambana rehefa avy mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly izy ireo

Matetika ny mpikambana no manana fanontaniana rehefa avy nandray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Afaka mihaona amin’ireo mpikambana ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay efa nandray fanafiana masina, ny eveka, ireo mpitarika hafa ao amin’ny paroasy, ary ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo mba hiresadresaka ny zavatra niainan’izy ireo tany amin’ny tempoly.

Mamporisika ny mpikambana koa ireo mpitarika mba hitady ny valin’ny fanontanian’izy ireo amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Afaka manome ny valin’ny maro amin’ireo fanontaniana mety ananan’ny mpikambana momba ny zavatra niainan’izy ireo tany amin’ny tempoly ny Fanahy ao amin’ny tempoly.

Misy loharanom-pitaovana hanampiana amin’ny famaliana ireo fanontaniana ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org.

27.2

Ny fanafiana masina

Ny andian-teny hoe fanafiana masina dia midika hoe “fanomezana.” Ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia fanomezana ara-bakiteny avy amin’ Andriamanitra izay hitahiany ireo zanany. Ao amin’ireo tempoly masina ihany no ahafahana mandray ny fanafiana masina. Ny sasany amin’ireo fanomezana azon’ireo mpikambana amin’ny alalan’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia ahitana ny:

  • Fahalalana lehibe kokoa momba ireo tanjon’ny Tompo sy ireo fampianarany.

  • Hery hanaovana izay rehetra tian’ny Ray any An-danitra hataon’ireo zanany.

  • Torohevitra avy amin’ Andriamanitra rehefa manompo ny Tompo sy ny fianakavian’izy ireo ary ny hafa.

  • Fanantenana sy fampaherezana ary fiadanana mitombo.

Ireo fitahiana rehetra nampanantenaina avy amin’ny fanafiana masina dia manan-kery na eto amin’izao fiainana izao na mandrakizay. Miankina amin’ny fahatokiana amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny fahatanterahan’ireo fitahiana ireo.

Ny fandraisana ny fanafiana masina dia misy ampahany roa. Amin’ilay ampahany voalohany ilay olona dia mandray ôrdônansy natao hiomanana antsoina hoe ôrdônansy fiomanana. Ahitana ôrdônansy anankitelo ny ôrdônansy fiomanana: ny fanasana, ny fanosorana, ary ny fampitafiana (jereo ny Eksodosy 29:4–9). Ahitana fitahiana miavaka mifandray amin’ny lovan’ilay olona avy amin’ Andriamanitra sy ny fahafahany ho tonga tahaka an’ Andriamanitra izany.

Manao fanekempihavanana ny hitafy ny garmentan’ny tempoly ilay mpikambana mandritra ny ôrdônansy fiomanana. Ny garmenta dia maneho ny fifandraisany manokana amin’ Andriamanitra sy ny fanoloran-tenany hankatò ireo fanekempihavanana natao tao amin’ny tempoly. Rehefa mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataony ireo mpikambana ary manao ny garmenta araka ny tokony ho izy mandritra ny androm-piainany, dia lasa fiarovana ihany koa izany. Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fanaovana sy ny fikarakarana ny garmenta dia jereo ny 38.5.5.

Amin’ilay ampahany faharoa amin’ny fanafiana masina dia ampianarina ny drafitry ny famonjena, ka tafiditra ao anatin’izany ny Fahariana, ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny Apôstazia, ary ny Famerenana amin’ny laoniny. Mahazo torolalana mikasika ny fomba hiverenana ho eo anatrehan’ny Tompo ihany koa ny mpikambana.

Mandritra ilay fanafiana masina dia asaina ireo mpikambana hanao fanekempihavanana masina araka izao manaraka izao:

  1. Hiaina ny lalàn’ny fankatoavana sy hiezaka ny hitandrina ny didin’ny Ray any An-danitra.

  2. Hankatò ny lalàn’ny fahafoizana, izay midika hoe mahafoy zavatra mba hanohanana ny asan’ny Tompo ary mibebaka amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina.

  3. Hankatò ny lalàn’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay midika hoe:

    • Mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy.

    • Mibebaka isan’andro.

    • Manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

    • Maharitra hatramin’ny farany amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana.

    • Miezaka miaina ireo didy roa lehibe indrindra. Izany dia ny hoe “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra” sy ny hoe “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Matio 22:37, 39).

  4. Mitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, izay midika ho tsy fanaovana firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadian’ny lehilahy iray sy vehivavy iray, izay araka ny lalàn’ Andriamanitra.

  5. Hitandrina ny lalàn’ny fanokanana, izay midika fa manokana ny fotoan’izy ireo, ny talentany, ary ny zavatra rehetra izay nitahian’ny Tompo azy ireo ny mpikambana mba hananganana ny Fiangonan’i Kristy eto an-tany.

Ho tambin’izany, ny Ray any An-danitra dia mampanantena fa ireo izay mitoetra ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo tao amin’ny tempoly dia hotafiana “amin-kery avy any ambony” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:32, 38; jereo koa ny Lioka 24:49; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:16).

27.2.1

Iza no afaka mandray ny fanafiana masina

Asaina mba hiomana amin’ny fanafiana masina ho an’ny tenany sy handray izany ny mpikambana olon-dehibe tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny Fiangonana. Tsy maintsy tanterahina sy raketina aloha ireo ôrdônansy takina izay vao afaka mandray ilay fanafiana masina ireo mpikambana (jereo ny 26.3.1). Jereo ny 27.2.2 mba hahitana fampahalalana momba ny fanapahan-kevitra mikasika ny fotoana handraisana ny fanafiana masina.

27.2.1.1

Mpikambana vao vita batisa

Afaka mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany ireo mpikambana vaovao olon-dehibe mendrika rehefa afaka herintaona katroka farafahakeliny aorian’ny daty nandraisana azy ireo ho mpikambana (jereo ny 26.5.2).

27.2.1.2

Ireo mpikambana manambady olona tsy nandray fanafiana masina

Ny mpikambana iray izay mendrika kanefa tsy nandray fanafiana masina ny vadiny dia afaka mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany manokana, raha toa ka feno ireto fepetra manaraka ireto:

  • Manome ny fankatoavany ilay vady tsy nandray fanafiana masina.

  • Matoky ilay mpikambana sy ny eveka ary ny filohan’ny tsatòka fa ny andraikitra izay raisina araka ireo fanekempihavanana natao tao amin’ny tempoly dia tsy hanelingelina ilay fanambadiana.

Mihatra ireo fepetra ireo na mpikamban’ny Fiangonana ilay vady na tsia.

27.2.1.3

Ireo mpikambana izay manana fahasembanana ara-tsaina

Afaka mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany ireo mpikambana manana fahasembanana ara-tsaina raha:

  • Efa nandray ny ôrdônansy rehetra takina mialoha izy ireo (jereo ny 26.3.1).

  • Manana fahafahana ara-tsaina ny hahatakatra, hanao, ary hitandrina ireo fanekempihavanana miaraka amin’izany izy ireo.

Mifampidinika amin’ilay mpikambana ny eveka, ary raha azo atao dia mifampidinika amin’ireo ray aman-dreniny. Mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy koa izy. Afaka mifampidinika amin’ny filohan’ny tsatòka izy. Afaka mandefa taratasy mivantana any amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka raha ilaina. Jereo ny 38.2.4.

27.2.2

Fanapahan-kevitra ny amin’ny fotoana handraisana ny fanafiana masina

An’ny tena manokana ny fanapahan-kevitra handray ny fanafiana masina ka tokony hatao ombam-bavaka. Fanomezana hery sy fanambarana ho an’ireo rehetra izay miomana handray izany ny fanafiana masina. Afaka misafidy ny handray fanafiana masina ho an’ny tenany ny mpikambana rehefa mahafeno ireto fepetra rehetra manaraka ireto:

  • 18 taona izy ireo farafahakeliny.

  • Nahavita ny fianarana tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa izy ireo na efa tsy mianatra any amin’ny lisea, na sekoly ambaratonga faharoa, na izay mitovy amin’izany intsony.

  • Efa feno herintaona katroka ny nandraisana azy ireo ho mpikambana.

  • Manana faniriana ny handray sy hanaja ireo fanekempihavanana masin’ny tempoly mandritra ny fiainany izy ireo.

Ireo mpikambana izay efa nandray antso hanao asa fitoriana na miomana ny hofehezina ao amin’ny tempoly dia tokony handray ny fanafiana masina. Ny eveka dia mifampidinika ihany koa amin’ireo mpikambana olon-dehibe izay maniry ny handray fanafiana masina.

Alohan’ny hanomezana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ny mpikambana iray mba handraisany ny fanafiana masina, dia tokony hahatsapa ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka fa vonona ny hahatakatra sy hitandrina ireo fanekempihanana masin’ny tempoly ilay olona. Io fahafahan’ny olona handray ny fanafiana masina io dia faritana tsirairay isaky ny olona. Tsy mampiasa fepetra ankapobeny tahaka ireto voatanisa eto ambany ireto ireo mpitarika rehefa mamaritra hoe vonona handray ny fanafiana masina ny olona iray na tsia:

  • Fahatratrarana fetran-taona iray

  • Fialana ao an-tokantrano hamonjy oniversite, asa, na fanompoana any amin’ny tafika.

  • Faniriana ny hanatrika ny famehezana olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray any amin’ny tempoly

27.2.3

Fiomanana sy fandrindrana ny fotoana hanaovana ny fanafiana masina

27.2.3.1

Fandraisana fahazoan-dalana hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona

Tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona ny mpikambana iray mba hidirana ny tempoly sy handraisana ny fanafiana masina. Ho fampahalalana mikasika ireo fahazoan-dalana ireo dia jereo ny 26.5.1.

27.2.3.2

Fifandraisana amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tempoly

Ireo mpikambana izay miomana ny handray ny fanafiana masina dia tokony hifandray mialoha amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tempoly mba handrindrana ny fotoana hanatanterahana ireo ôrdônansy (jereo ny 27.1.2). Hanome torolalana ny tempoly, tafiditra ao anatin’izany ny fampahalalana mikasika ny akanjo fanao any amin’ny tempoly, rehefa voarindra ny fotoana hanaovana ny fanafiana masina.

27.2.3.3

Olona mpanaraka ho an’ireo mpikambana mandray ny fanafiana masina

Ireo mpikambana mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany dia afaka manasa mpikambana efa vita fanafiana masina izay lahy na vavy mitovy aminy mba ho olona mpanaraka sy hanampy azy ireo mandritra ny fotoana handraisana ny fanafiana masina. Tsy maintsy manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery ny olona mpanaraka. Afaka manome olona mpanaraka ny tempoly raha ilaina.

27.3

Famehezana ny mpivady

“Tendrin’ Andriamanitra ny fianakaviana. Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tena ilaina eo amin’ny drafitra mandrakizainy” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”). Ny famehezana any amin’ny tempoly dia mampitambatra ny mpivady iray hiaraka ho amin’izao fiainana izao sy ho amin’ny mandrakizay manontolo. Ireo mpivady izay voafehy any amin’ny tempoly dia ampanantenaina voninahitra sy fifalina mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–20 Ho azon’izy ireo ireo fitahiana ireo raha toa ka mahatoky amin’ireo fanekempihavanana ataon’izy ireo any amin’ny tempoly izy ireo. Ny zanak’izy ireo dia ho afaka ny ho isan’ny fianakavian’izy ireo mandrakizay koa amin’ny alalan’io ôrdônansy io.

Manentana ireo mpikambana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hiomana ny hivady sy hofehezina any amin’ny tempoly. Afaka manatanteraka fisoratam-panambadiana ara-panjakana izay arahina famehezana any amin’ny tempoly ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay nahazo lalana na ny olona hafa any amina toerana izay tsy mandray ho ara-dalàna ny fanambadiana ao amin’ny tempoly (jereo ny 38.3). Azo arahina ihany koa io lamina io rehefa mety hiteraka fahatsapana fanilihana ho an’ireo ray aman-dreny na ny fianakaviana akaiky ny fanambadiana ao amin’ny tempoly satria tsy afaka manatrika ilay fanatanterahana ôrdônansy ao amin’ny tempoly izy ireo.

Sary
fianakaviana eo ivelan’ny tempoly

27.3.1

Iza no azo fehezina any amin’ny tempoly

Asaina mba hiomana amin’ny famehezana any amin’ny tempoly ny mpikambana tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny Fiangonana. Ireo izay vita fisoratam-panambadiana ara-panjakana dia amporisihina mba hofehezina ho amin’izao fiainana izao sy ho amin’ny mandrakizay any amin’ny tempoly raha vantany vao vonona izy ireo. Tsy maintsy vita fanafiana masina ny mpikambana vao azo fehezina (jereo ny 27.2).

Ireo olon-droa hofehezina any amin’ny tempoly dia tsy maintsy, na (1) vita fanambadiana ara-panjakana alohan’ny hamehezana azy, na (2) mivady sy fehezina mandritra ilay fotoana hanatanterahana ôrdônansy ao amin’ny tempoly. Jereo ny 27.3.2.

27.3.1.1

Ireo mpikambana nofehezina tamin’ny vady hafa tany aloha

Jereo ny 38.4.1.

27.3.1.2

Ireo mpikambana izay manana fahasembanana ara-tsaina

Ny mpikambana manana fahasembanana ara-tsaina dia azo fehezina amin’ny vadiny, na ny fofombadiny raha:

  • Efa nandray ny ôrdônansy rehetra takina mialoha izy ireo, anisan’izany ny fanafiana masina (jereo ny 27.2.1.3).

  • Manana fahafahana ara-tsaina ny hahatakatra, hanao, ary hitandrina ireo fanekempihavanana miaraka amin’izany izy ireo.

Mifampidinika amin’ilay mpikambana sy ny vadiny, na ny fofombadiny ny eveka. Mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy koa izy. Afaka mifampidinika amin’ny filohan’ny tsatòka izy. Afaka mandefa taratasy mivantana any amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka raha ilaina. Jereo ny 38.2.4.

27.3.2

Fiomanana sy fandrindrana fotoana hanaovana fanambadiana na famehezana any amin’ny tempoly

27.3.2.1

Fandraisana fahazoan-dalana hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona

Tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona ny mpikambana iray mba hofehezina amin’ny vadiny. Ho fampahalalana mikasika ireo fahazoan-dalana ireo dia jereo ny 26.3.

27.3.2.2

Fifandraisana amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tempoly

Ireo mpikambana izay miomana ny hanambady na hofehezina amin’ny vadiny dia tokony hifandray mialoha amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tempoly mba handrindrana ny fotoana hanatanterahana ilay ôrdônansy (jereo ny 27.1.2). Hanome torolalana ny tempoly rehefa voarindra ny fotoana hanaovana ny ôrdônansy.

27.3.2.3

Fahazoana taratasy fanamarinana ny fahafahana manambady

Alohan’ny hivadian’izy ireo dia tsy maintsy mahazo taratasy ara-dalàna fanamarinana ny fahafahana manambady izay manan-kery eo amin’ny toerana hanatanterahana ilay fanambadiana ny olon-droa miaraka. Raha manana fikasana ny sady hivady no hofehezina mandritra ny fotoana iray hanatanterahana ny ôrdônansy ireo olon-droa dia tsy maintsy mitondra taratasy fanamarinana ny fahafahana manambady manan-kery any amin’ny tempoly izy ireo.

Tsy voatery mitondra taratasy fanamarinana ny fahafahana manambady any amin’ny tempoly ireo mpivady hofehezina aorian’ny fisoratam-panambadiana ara-panjakana. Omen’izy ireo kosa ny daty sy ny toerana nanaovana ny fanambadiany ara-panjakana mba ho isan’ny dingana amin’ny fanamarinana ny firaketana.

27.3.2.4

Olona mpanaraka ny vehivavy mpanambady sy ny lehilahy mpanambady

Afaka miaraka amin’ny vehivavy mpanambady ny rahavavy iray efa nandray fanafiana masina mba hanampy azy ao amin’ny toerana fisoloana akanjo. Afaka manao izany koa ho an’ny lehilahy mpanambady ny rahalahy iray efa nandray fanafiana masina. Tsy maintsy manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery ny olona mpanaraka. Afaka manome olona mpanaraka ny tempoly raha ilaina.

27.3.2.5

Iza no manatanteraka ny fanambadiana sy ny famehezana any amin’ny tempoly

Mazàna ny fanambadiana na ny famehezana any amin’ny tempoly dia tanterahin’ny mpanao famehezana izay notendrena hiasa ao amin’ny tempoly izay hanambadian’ireo olon-droa na hamehezana azy ireo. Raha misy olona ao amin’ny fianakaviana mihazona ny fahefana ahafahana manao famehezana ary voatendry hiasa ao amin’ny tempoly izay hanambadian’ireo olon-droa na hamehezana azy ireo, dia afaka manasa azy mba hanatanteraka ilay fanambadiana na ilay famehezana izy ireo.

Afaka mangataka ny fankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany ihany koa ny olona iray mpanao famehezana mba hanatanteraka famehezana ho an’ireo taranany mivantana (zanaka, zafikely, sy zafiafy) ao amin’ny tempoly ankoatra ilay iray izay notendrena mba iandraiketany. Tsy maintsy maharay taratasy fanomezan-dalana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany izy mba hanatanterahana izany famehezana izany. Mampiseho io taratasy io ao amin’ny tempoly izy.

Tsy tokony hangataka Manampahefana Ambony hanatanteraka ny fanambadiana na ny famehezana azy ireo any amin’ny tempoly ny mpikambana.

27.3.2.6

Ny fitafiana mety amin’ny fanambadiana sy ny famehezana any amin’ny tempoly

Akanjon’ny vehivavy mpanambady. Ny akanjon’ny vehivavy mpanambady izay anaovana ao amin’ny tempoly dia tokony ho fotsy, maotina na ny didiny na ny lambany, ary tsy misy ravadravaka sy filirony tafahoatra. Tokony hanarona ny garmentan’ny tempoly koa izany. Tokony hasiana sosona ny ravin-damba manify.

Mba hampitoviana izany amin’ireo akanjo fanao ao amin’ny tempoly dia tokony ho lava tanana na misy tanany hatreo amin’ny fisasahan’ny halavan’ny sandry ny akanjon’ny vehivavy mpanambady. Tsy tokony hisy ampahany tarihina mirefarefa amin’ny tany ny akanjo raha tsy hoe azo paingorina hihantona ambony izany na azo esorina mandritra ilay ôrdônansy famehezana.

Afaka manome akanjo ny tempoly raha ilaina na irina.

Ny fitafian’ny lehilahy mpanambady. Manao akanjo fanao mahazatra any amin’ny tempoly ny lehilahy iray mpanambady mandritra ilay fanatanterahana ny fanambadiana na ny famehezana (jereo ny 38.5.1 sy ny 38.5.2). Afaka manao akanjo mihaja izy any ivelan’ny tempoly rehefa maka sary aorian’ny fotoana.

Ny fitafian’ny mpanotrona. Tokony hanao fitafy mitovy amin’ny akanjo izay ho nanaovan’izy ireo rehefa mamonjy fanasan’ny Tompo ireo olona manatrika fanatanterahana fanambadiana na famehezana. Ireo mpikambana izay tonga hanatrika famehezana avy hatrany rehefa avy nanatrika fotoana nandraisana fanafiana masina dia afaka mitafy ireo akanjo fitafy mandritra ny ôrdônansin’ny tempoly.

Tokony hizara izany fampahalalana izany amin’ireo mpanotrona elaela mialoha ilay fanambadiana na ilay famehezana ireo mpanambady.

Voninkazo. Tsy tokony hitondra voninkazo ny mpanambady sy ny mpanotrona azy ireo mandritra ilay fotoana hanatanterahana ny fanambadiana na ny famehezana. Azo entina any ivelan’ny tempoly ireo voninkazo rehefa maka sary aorian’ny fotoana. Tokony hizara izany fampahalalana izany amin’ireo mpanotrona elaela mialoha ilay fanambadiana na ilay famehezana ireo mpanambady.

27.3.2.7

Fifanolorana peratra aorian’ny fanambadiana na ny famehezana any amin’ny tempoly

Ny fifanolorana peratra dia tsy tafiditra ao anatin’ny ôrdônansin’ny famehezana any amin’ny tempoly. Na izany aza dia azon’ny mpivady atao ny mifanolotra peratra aorian’ilay ôrdônansy raha iny mbola ao amin’ny efitrano famehezana iny. Tsy tokony hifanolotra peratra amin’ny fotoana hafa na toerana hafa na aiza na aiza ao amin’ny tempoly na eny an-tokontanin’ny tempoly ireo mpanambady. Tsy mampifantoka amin’ny fanatanterahana ilay ôrdônansy ny fanaovana izany.

Ireo mpivady nanao fanambadiana sy famehezana tao anatin’ny fotoana iray nanatanterahana ôrdônansy dia afaka mifanolotra peratra aorian’izany fotoana izany mba hahatsapan’ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay tsy afaka nanatrika ny fanambadiana tao amin’ny tempoly ho tsy voailikilika. Tokony hatao mifanaraka amin’ny hajan’izany hoe fanambadiana any amin’ny tempoly izany ilay fifanolorana peratra. Tsy tokony hamerenana ampahan-javatra nitranga nandritra ilay fanambadiana tao amin’ny tempoly na ilay ôrdônansin’ny famehezana ao anatin’ilay fifanolorana peratra. Tsy tokony hifanolotra voady ireo mpivady rehefa vita fanambadiana sy famehezana tao amin’ny tempoly.

Ireo olon-droa nanao fisorata-panambadiana ara-panjakana talohan’ny namehezana azy tao amin’ny tempoly dia afaka mifanolotra peratra mandritra ny fanatanterahana ny fisorata-panambadiany, na mandritra ny famehezana azy any amin’ny tempoly, na any amin’izy roa ireo.

27.3.3

Fanambadiana any amin’ny tempoly ho amin’izao fiainana izao fotsiny ihany

Ny antom-pisian’ny tempoly dia ny mba hanatanterahana ireo ôrdônansy ho an’ny mandrakizay. Noho izany dia tsy hotanterahina any amin’ny tempoly intsony ireo fanambadiana ho amin’izao fiainana izao fotsiny ihany.

Momba ny fitsipika mikasika ny famehezana ny mpivady izay nanambady tany amin’ny tempoly ho amin’izao fiainana izao fotsiny ihany, dia jereo ny 38.4.1.6.

27.3.4

Iza no afaka manatrika fanambadiana na famehezana any amin’ny tempoly

Ireo mpanambady dia tsy tokony hanasa afa-tsy ny olona ao amin’ny fianakaviany akaiky sy ny namany akaiky ihany mba hanatrika fanambadiana na famehezana any amin’ny tempoly. Ireo mpikambana tompon’andraikitra dia tsy maintsy efa vita fanafiana masina sy manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery vao afaka manatrika.

Ny mpikambana ao anaty firaketana sasantsasany dia tsy atao batisa noho ny fisian’ny fahasembanana ara-tsaina, ary ny hafa kosa dia vita batisa saingy tsy mandray ny fanafiana masina noho izany antony izany ihany. Afaka manome lalana azy ireo hanatrika ny fanambadiana na ny famehezana any amin’ny tempoly ny mpiray tampo amin’izy ireo mbola velona ny filohan’ny tsatòka, raha toa izy ireo ka:

  • 18 taona farafahakeliny.

  • Afaka maneho fanajana mandritra ilay fotoana hanaovana ny lanonana izy ireo.

Ny filohan’ny tsatòka dia manoratra taratasy milaza fa mahazo lalana ny hanatrika ilay famehezana ilay olona. Haseho any amin’ny tempoly io taratasy io.

Tsy maintsy efa nandray fanafiana masina sy manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery ireo mpikambana vao afaka manatrika ny famehezana ny ray aman-dreniny.

27.3.5

Lanonam-panambadiana

Jereo ny 38.3.4 mba hahitana fampahalalana momba ny fanaovana lanonam-panambadiana ao amin’ireo tranon’ny Fiangonana.

27.4

Famehezana zanaka mbola velona amin’ny ray aman-dreny

Ireo zanaka izay teraka taorian’ny namehezana ny ray aman-drenin’izy ireo tany amin’ny tempoly dia teraka ao anatin’ny fanekempihavanana. Tsy mila mandray ny ôrdônansin’ny famehezana amin’ny ray aman-dreny izy ireo.

Afaka ny ho tafiditra ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay anankiray ireo zaza izay tsy teraka tao anatin’ny fanekempihavanana amin’ny alalan’ny famehezana azy ireo amin’ny ray aman-dreny niteraka azy ireo na ny ray aman-dreny nanangana azy. Ireo zanaka ireo dia manana zo mitovy handray ireo fitahiana izay azon’ireo zanaka teraka tao anatin’ny fanekempihavanana.

Jereo ny 38.4.2 mba hahitana ireo fitsipika mikasika ny famehezana ny zanaka amin’ny ray aman-dreny.

27.4.1

Fanomezana fahazoan-dalana mba hamehezana ireo zanaka mbola velona amin’ireo ray aman-dreny

Ireo mpikambana tompon’andraikitra 8 taona no ho miakatra dia mila fahazoan-dalana raha ho fehezina amin’ny ray aman-dreniny. Mila fahazoan-dalana ihany koa izy ireo raha hanatrika ny famehezana ny iray tampo, na ny iray ray, na ny iray reny aminy izay mbola velona amin’ny ray aman-dreniny (jereo ny 27.4.4). Tsy maintsy atao batisa sy raisina ho mpikambana ireo ankizy 8 taona no ho miakatra vao afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Ny lehilahy izay 11 taona farafahakeliny ary efa handray 12 taona amin’ny taona hanaovana ilay ôrdônansy dia tsy maintsy mihazona ny fisoronana.

Ireo mpikambana izay 21 taona no ho miakatra dia tsy maintsy efa nandray fanafiana masina sy mihazona fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly vao azo fehezina amin’ny ray aman-dreniny.

Afaka manome lalana ireo olona izay tsy mbola vita batisa na tsy vita fanafiana masina noho ny fahasembanana ara-tsaina ny filohan’ny tsatòka mba hofehezina amin’ny ray aman-dreniny. Ny filohan’ny tsatòka dia manoratra taratasy milaza fa mahazo lalana ny hofehezina ilay olona. Haseho any amin’ny tempoly io taratasy io.

Jereo ny 26.4.4 mba hahitana fampahalalana mikasika ny fanomezana fahazoan-dalana ho an’ny ankizy.

27.4.2

Fifandraisana amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tempoly

Ireo mpivady izay maniry ny hamehezana ny zanany amin’izy ireo, na ireo zanaka izay maniry ny hofehezina amin’ireo ray aman-dreniny efa maty dia tokony hifandray mialoha amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tempoly mba handrindrana ny fotoana hanatanterahana ilay ôrdônansy (jereo ny 27.1.2). Amin’ny toe-javatra sasany dia mety hilaina ny hanatanterahana ôrdônansin’ny tempoly hafa alohan’ny hanaovana ny famehezana.

Sary
zatovolahy eo ivelan’ny tempoly

27.4.3

Fitaizana ny ankizy

Jereo ny 27.1.6.

27.4.4

Iza no afaka manatrika ny famehezana ireo zanaka mbola velona amin’ireo ray aman-dreny

Ireo mpikambana tsy mbola nandray fanafiana masina izay latsaky ny 21 taona dia tsy maintsy teraka tao anatin’ny fanekempihavanana na efa voafehy tamin’ny ray aman-dreniny vao afaka manatrika ny famehezana ny iray tampo, na ny iray ray, na iray reny aminy izay mbola velona amin’ny ray aman-dreniny. Ankoatra izay dia tsy maintsy atao batisa sy raisina ho mpikambana ireo ankizy 8 taona no ho miakatra ary tsy maintsy manana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly (jereo ny 26.4.4). Ny lehilahy izay 11 taona farafahakeliny ary efa handray 12 taona amin’ny taona hanaovana ilay ôrdônansy dia tsy maintsy mihazona ny fisoronana.

Ireo mpikambana izay 21 taona no ho miakatra dia tsy maintsy efa nandray fanafiana masina sy mihazona fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly vao afaka manatrika famehezana toy izany.

Ireo mpikambana izay efa manambady ka latsaky ny 21 taona dia tsy takina mba handray fanafiana masina vao afaka manatrika famehezana toy izany. Tsy maintsy manana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly anefa izy ireo (Jereo ny 26.4.4).

Ny filohan’ny tsatòka dia afaka manome lalana olona izay tsy mbola vita batisa na tsy vita fanafiana masina noho ny fahasembanana ara-tsaina mba hanatrika ny famehezana ny mpiray tampo, na ny iray ray, na ny iray reny aminy izay mbola velona amin’ny ray aman-dreniny. Ny filohan’ny tsatòka dia manoratra taratasy milaza fa mahazo lalana ny hanatrika ilay famehezana ilay olona. Haseho any amin’ny tempoly io taratasy io.