Boky torolalana sy antso
22. Manome ireo zavatra ilaina ara-batana ary manorina fizakan-tena


“22. Manome ireo zavatra ilaina ara-batana ary manorina fizakan-tena,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“22. Manome ireo zavatra ilaina ara-batana ary manorina fizakan-tena,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
lehilahy miasa

22.

Manome ireo zavatra ilaina ara-batana ary manorina fizakan-tena

22.0

Teny fanolorana

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia manao fanekempihavanana “hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay, … hiara-malahelo amin’izay malahelo…, ary hampionona ireo izay mila fampiononana” (Môzià 18:8–9). Anisan’ny ao anatin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny fikarakarana ireo izay sahirana eo amin’ny zavatra ilaina ara-batana (jereo ny 1.2). Miantefa amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra izany andraikitra izany rehefa mifanompo izy ireo.

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia toroina hevitra mba hanamafy orina ny fizakan-tenany manokana amin’ny alalan’ny asa feno fahavitrihana sy ny fanampian’ny Tompo. Ny fizakan-tena dia ny fahafahana sy ny fanolorantena ary ny fiezahana hamatsy ireo zavatra ilaina ara-panahy sy ara-batana eo amin’ny fiainana ho an’ny tena manokana sy ny fianakaviana. Rehefa lasa mizaka tena ireo mpikambana dia lasa afaka manompo sy mikarakara kokoa ny hafa izy ireo.


EZAKA ATAON’NY TENA MANOKANA SY NY FIANAKAVIANA


22.1

Manorina fizakan-tena

Manorina fizakan-tena amin’ireto fomba manaraka ireto ny mpikambana miaraka amin’ny fanampiana avy amin’ny Tompo:

  • Mampitombo ny tanjaka ara-panahy sy ara-batana ary ara-pihetsehampo.

  • Manovo fianarana sy miasa.

  • Manatsara ny fiomanana amin’ireo zavatra ilaina ara-batana.

22.1.1

Tanjaka ara-panahy

Nampianatra ny Tompo hoe: “Ny zavatra rehetra dia ara-panahy, ary tsy nisy fotoana nanomezako ho anareo ny lalàna izay ara-nofo.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:34). Mampitombo tanjaka ara-panahy ny mpikambana rehefa manao ireto manaraka ireto izy ireo:

  • Mampihatra finoana an’i Kristy.

  • Mivavaka.

  • Mifady hanina.

  • Mandalina ny soratra masina sy ireo tenin’ny mpaminany velona.

  • Mankatò ny didy.

  • Manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ireo fivoriam-piangonana hafa.

  • Manompo ny hafa.

  • Mandray anjara amin’ireo ôrdônansy masina ary miezaka mitandrina ireo fanekempihavanana mifandray amin’izany.

Rehefa manao ireo zavatra ireo ny mpikambana dia mandray fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina izy ireo mikasika ny fomba hamahana ny olan’izy ireo sy hanompoana amim-pahombiazana ny hafa.

22.1.2.

Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetsehampo

Tian’ny Ray any An-danitra mba hampitombo ny tanjaka ara-batana sy ara-panahy ireo zanany. Izany dia ahitana ny fanaovana ireto zavatra manaraka ireto:

  • Manaja ny Tenin’ny Fahendrena (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89; jereo koa ny 38.7.14 ato amin’ity boky torolalana ity).

  • Miezaka mihinana safako mahavelona, manao fanatanjahan-tena tsy tapaka, ary manao izay hananana torimaso ampy.

  • Misoroka ny fandraisana zavatra sy fomba fanao izay manimba na mampiankin-doha.

  • Midio tsara ary mitsabo tena araka ny tokony ho izy.

  • Mampitombo sy mampatanjaka fifandraisana mahasoa amin’ny fianakaviana sy ny hafa.

  • Miezaka mifehy ny fahaketrahana ara-tsaina.

  • Mitady fanampiana eo anatrehan’ny olana ara-tsaina na ara-pihetsehampo rehefa ilaina izany.

Sary
mpivady mihazakazaka

22.1.3.

Fianarana sy asa

Nampianatra ny Mpamonjy fa ny “voninahitr’ Andriamanitra dia ny faharanitan-tsaina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:36). Nampianatra koa Izy hoe: “Katsahonareo ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118; jereo koa ny 130:18). Ny fianarana na ny fanarahana fanofanana hifehezana asa iray dia afaka ny hitondra any amin’ny fahitana asa tsara kokoa mba hahafahan’ireo mpikambana mahazo ireo zavatra ilainy manokana sy ilain’ny fianakaviany.

Ny fampivelarana ny fahafahana miasa dia hanampy ireo mpikambana hitondra anjara biriky eo amin’ny fianakavian’izy ireo sy ny Fiangonana ary izao tontolo izao. Toroina hevitra ny mpikambana mba hiasa mafy sy hahitsy fo aman-tsaina amin’ny zavatra rehetra ataony.

22.1.4.

Fiomanana ara-batana

Mampianatra ny maha-zava-dehibe ny fiomanana ny soratra masina (jereo ny Ezekiela 38:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:30). Toroina hevitra ny mpikambana hahavita fiomanana mba hahafahan’izy ireo mikarakara ny tenany sy ny fianakaviany ary ny olona hafa amin’ny fotoam-pahasahiranana.

Mampitombo ny fiomanan’izy ireo ara-bola ny mpikambana amin’ny alalan’ny:

  • Fandoavana fahafolonkarena sy fanatitra (jereo ny Malakia 3:8–12).

  • Fanafoanana sy fisorohana ny trosa araka izay tratra.

  • Fiomanana sy fiainana amin’izay vola eo am-pelatanana.

  • Fanaovana tahiry ho an’ny hoavy.

  • Fanovozana fianarana mifanaraka amin’izay ilaina mba hanampiana azy ireo eo amin’ny fahazoana izay zavatra ilain’ny tenany sy ny fianakaviany (jereo ny 22.3.3).

Ny fiomanana koa dia ahitana ny fandrafetana drafitra iray mikasika ny fomba handrindrana ireo zavatra fototra ilaina ao anatin’ny voina tampoka. Amporisihina ny mpikambana hanokana vatsin-tsakafo, sy rano ary kojakoja hafa ilaina sady ho an’ny fotoana fohy no ho an’ny fotoana maharitra.

Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa dia jereo ny Personal Finances for Self-Reliance sy ny “Temporal Preparedness Resources.”

22.2

Manompo an’ireo izay mila fanampiana ara-batana sy ara-pihetsehampo

Nampianarina ireo mpianatry ny Tompo mba “hifankatia … sy hifanompo” ary “hanampy ireo izay mila … [fanampiana]” (Môzià 4:15–16). Miezaka ny mpikambana mba hijery ny hafa amin’ny fomba fijerin’ny Mpamonjy azy ireo, ka manao izay hahatakarana ny tanjaka miavaka ananan’izy ireo sy ny zavatra ilain’izy ireo. Rehefa manao izany ny mpikambana dia ho taomim-panahy hahafantatra ny fomba hanompoana ireo izay mila fanampiana ara-batana sy ara-pihetsehampo. Ireo zavatra ilaina ireo dia mety ahitana sakafo, fitafiana, trano fonenana, fianarana, asa, fahasalamana ara-batana, fahatomombanana ara-pihetsehampo.

22.2.1

Ny trano fitehirizan’ny Tompo

Nampianatra ny Tompo hoe: “[I]zarao amin’ny fanananao [ny] mahantra … ary izany dia hapetraka eo anoloan’ny eveka … [ary] hotehirizina ao an-trano fitehirizako mba hozaraina ho an’ny mahantra sy ny sahirana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:31, 34). Ireo loharanom-panampiana rehetra misy ao amin’ny Fiangonana mba hanampiana ireo izay mila fanampiana ara-batana dia antsoina hoe trano fitehirizan’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:18–19). Tafiditra ao anatin’izany ny fanoloran’ireo mpikambana fotoana, talenta, fangorahana, fitaovana ary fanampiana ara-bola mba hanampiana ireo izay sahirana.

Ny trano fitehirizan’ny Tompo dia misy isaky ny paroasy sy ny tsatòka tsirairay. Ny mpitarika dia afaka manampy ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hahita vahaolana mahakasika ny zavatra ilain’izy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao ary ny fahafaha-manompo atolotr’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy sy tsatòka.

Ankoatra ireo loharano ao amin’ny trano fitehirizan’ny Tompo dia matetika afaka mahazo ny fanampiana ilaina amin’ny alalan’ireo loharanom-panampiana eo anivon’ny fitondram-panjakana sy ny fiarahamonina ny mpikambana (jereo ny 22.12).

Sary
vehivavy iray manolotra sakafo ho an’ny lehilahy iray

22.2.2

Ny lalàn’ny fifadian-kanina sy ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina

Ny Tompo dia nametraka ny lalàn’ny fifadian-kanina sy ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina mba hitahiana ny vahoakany sy hanolorana fomba iray hahafahan’izy ireo manompo ireo izay sahirana. Ny lalàn’ny fifadian-kanina dia sady mitahy ny mpanome no mitahy ny mpandray. Mihamanakaiky ny Tompo ny mpikambana ary mitombo tanjaka ara-panahy rehefa miaina ny lalàn’ny fifadian-kanina izy ireo. Manamafy orina ny fizakan-tenany manokana koa izy ireo ary maneho fangorahana bebe kokoa. (Jereo ny Isaia 58:6–12; Malakia 3:8–12.)

Azo tanterahina amin’ny fotoana rehetra ny fifadian-kanina. Na izany aza, dia natokan’ny mpikambana araka ny mahazatra ho andro fifadian-kanina ny Sabata voalohany ao anatin’ny volana. Ahitana izao manaraka izao raha ny mahazatra ny andro fifadian-kanina iray:

  • Mivavaka

  • Tsy mihinana sy misotro mandritra ny 24 ora (raha mahavita izany ny vatana)

  • Manome fanatitra amin’ny fifadian-kanina amim-pahalalahan-tanana

Ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia fanomezana hanampiana ireo izay sahirana. Rehefa mifady hanina ny mpikambana dia angatahina mba hanome fanatitra izay farafahakeliny mitovy amin’ny vidin’ireo sakafo tsy nohanina. Amporisihina ny mpikambana mba halala-tanana sy hanome bebe kokoa noho ny vidin’ireo sakafo roa raha azony atao.

Azon’ny mpikambana omena ny eveka na ny iray amin’ireo mpanolotsainy ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina avy amin’izy ireo ary ny taratasy fanoratana ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa izay nofenoina. Any amin’ny faritra sasany dia azon’izy ireo atao koa ny manolotra ny fanomezan’[izy] ireo en ligne. Any amin’ny paroasy sasany dia afaka manome lalana ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna ny eveka hanangona ireo fanatitra amin’ny fifadian-kanina (jereo ny 34.3.2).

22.2.3.

Asa fanompoana

Mikatsaka ny hanompo ny hafa toy ny nataon’ny Mpamonjy ny mpikambana (jereo ny Jaona 13:35). Miezaka ny samy hahalala ny tanjaky ny tsirairay sy ny zavatra ilain’ny tsirairay izy ireo. Mifanompo amim-pitiavana sy amim-pahatakaran-tsaina izy ireo.

Azo arindra eo anivon’ny paroasy, na tsatòka, na fiarahamonina ny asa fanompoana. Any amin’ny toerana misy ny JustServe.org dia afaka mampiasa izany ny mpikambana sy ny olona hafa mba hitadiavana fahafahana azo araraotina hanaovana asa fanompoana eo anivon’ny fiarahamonina. Ny mpikambana sy ny olona hafa koa dia afaka manolotra fanampiana hanamaivanana ny vokatry ny loza na manao asa fanompoana eo anivon’ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny tetikasa iantohan’ny Fiangonana.

22.2.4

Asa fanampiana olona

Manatanteraka asa fanampiana olona manerana an’izao tontolo izao ny Fiangonana. Sady manao izany mivantana izy no miara-miasa amin’ireo fikambanana hafa mpanolotra fanampiana koa. Tsy anavahana firazanana na antokom-pinoana na firenena niaviana ny fanampiana atao.

Ny mpikambana sy ny olona hafa maniry ny hanohana izany ezaka atao izany dia afaka mandrotsaka fanomezana ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny asa fanampiana olona ataon’ny Fiangonana. Azon’ny mpikambana omena ny eveka na ny iray amin’ireo mpanolotsainy ny fanomezana avy amin’izy ireo ary ny taratasy fanoratana ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa izay nofenoina. Any amin’ny faritra sasany dia azon’izy ireo atao koa ny manolotra ny fanomezan’[izy] ireo en ligne.


EZAKA ATAON’NY MPITARIKA


22.3

Lamina ho an’ny fanorenana fizakan-tena sy ny fanompoana an’ireo izay sahirana

Misolo tena ny Mpamonjy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana rehefa mikarakara an’ireo izay mila fanampiana ara-batana sy ara-pihetsehampo (jereo ny 22.3.4). Rehefa manao izany izy ireo dia manampy ny mpikambana hanamafy orina ny fizakan-tenany.

Mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina ireo mpitarika mba hahafahan’izy ireo manampy miaraka amin’ny toetra antra fo sy feno fangorahana. Ity lamina manaraka ity dia hanampy ireo mpitarika hisahana ireo zavatra ilain’ny mpikambana amin’ny fomba izay manorina fizakan-tena:

  • Mitady ireo izay sahirana.

  • Manampy azy ireo hanombantombana sy hisahana ireo zavatra ilaina mandritra ny fotoana fohy.

  • Manampy azy ireo mba hanorina fizakan-tena maharitra.

  • Manompo an’ireo izay mila fanampiana ara-pihetsehampo.

22.3.1

Mitady ireo izay sahirana

Manana andraikitra masina ny eveka hikaroka sy hikarakara ireo sahirana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:112). Ireto avy ireo olona hafa manana anjara asa manan-danja eo amin’ny fanampiana ny eveka ao anatin’izany andraikitra izany:

  • Rahalahy mpanompo sy rahavavy mpanompo.

  • Ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny Loholona.

  • Ireo mpanolotsain’ny eveka.

  • Ireo mpikambana hafa ao anatin’ny filankevitry ny paroasy.

Afaka miantso tompon’andraikitra manokana misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena eo anivon’ny paroasy ny episkôpà mba hanohanana ireo ezaka atao ireo (jereo ny 22.6.4).

Ao anatin’ny toe-tsaina feno fitiavana sy fiahiana no hitondran’ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy sy ireo miara-manompo amin’izy ireo fanampiana amin’ny fitadiavana ireo mpikambana izay mety mila fanampiana. Tsy ampy ny hoe rehefa angatahina mba hanampy ihany vao manampy. Tokony hifampiresaka amin’ireo rahalahy mpanompo sy rahavavy mpanompo ireo mpitarika mba hakana antoka fa mahazo fikarakarana araka ny tokony ho izy ireo mpikambana sahirana.

22.3.2.

Manampy ireo mpikambana hanombantombana sy hisahana ireo zavatra ilaina mandritra ny fotoana fohy.

Miezaka mahazo ireo zavatra fototra ilain’izy ireo ny mpikambana amin’ny alalan’ny ezaka manokana ataon’izy ireo, sy ny fanampiana avy amin’ireo fianakaviana akaiky. Rehefa tsy ampy izany dia mety mila fanampiana avy amina loharano hafa ny mpikambana, toy ny:

  • Loharanom-panampiana eo anivon’ny fitondram-panjakana sy ny fiarahamonina (jereo ny 22.12).

  • Fanampiana avy amin’ny Fiangonana

Ny fanampiana avy amin’ny Fiangonana dia mety ahitana fanampiana miompana amin’ireo zavatra ilaina mandritra ny fotoana fohy toy ny sakafo, fitaovam-pidiovana, akanjo, trano fonenana ary zavatra fototra hafa. Azon’ireo eveka ampiasaina ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina mba hanolorana ireo zavatra ilaina ireo. Any amin’ny toerana ahitana ny rafitra fanafaran-javatra ampiasain’ny eveka, dia mampiasa azy ireny ireo eveka amin’ny ankapobeny mba hanomezana sakafo sy ireo kojakoja fototra ilaina (jereo ny “Bishops’ Orders and Referrals” ao amin’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers [DDG]).

Rehefa manolotra fanampiana avy amin’ny Fiangonana dia manaraka ireo fitsipika ao amin’ny fizarana 22.4 sy 22.5 ireo mpitarika.

22.3.3

Manampy ireo mpikambana hanorina fizakan-tena maharitra

Mety mila fanohanana mitohy ireo mpikambana mba hiatrehana ireo fanamby hiseho maharitra. Ny fianarana, na ny fanarahana fanofanana hifehezana asa iray, na ireo loharano hafa dia afaka manampy azy ireo hanorina fizakan-tena sy hahazo izay zavatra ilain’izy ireo mandritra ny fotoana maharitra. Afaka manampy ireo mpikambana mba hahita ireo loharanom-panampiana ireo ireo mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona ary ireo rahalahy mpanompo sy rahavavy mpanompo.

Ny Plan d’autonomie (Drafitra mahakasika ny fizakan-tena) dia manampy ireo mpikambana hamantatra ny tanjaka ananan’izy ireo sy ny zavatra ilain’izy ireo. Manampy azy ireo koa izany hahita loharanom-panampiana mahasoa. Tokony hampiasaina io drafitra io isaky ny mihevitra ny hangataka fanampiana avy amin’ny Fiangonana. Afaka manendry ireo mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, na ireo mpitarika ao amin’ny kôlejin’ny loholona, na ireo rahalahy mpanompo sy rahavavy mpanompo, na olona hafa ny eveka mba hanampy ireo mpikambana hameno ilay drafitra.

Afaka manoro hevitra an’ireo mpikambana ireo mpitarika mba handray anjara ao amin’ny groupe d’autonomie (vondrona mifantoka amin’ny fizakan-tena), noho izany tafiditra ao amin’ny drafitra mikasika ny fizakan-tena. Ireo vondrona ireo dia manampy azy ireo hampivelatra ny fahaiza-manaon’izy ireo sy ireo loharano hahitana fianarana na asa na fomba fitantanam-bola tsara kokoa (jereo ny 2.13). Ireo filankevitra eo anivon’ny tsatòka na eo anivon’ny paroasy no mandrindra ireo vondrona amin’ny ankapobeny (jereo ny 22.10.2, 22.7).

Ny eveka na ny mpitarika iray hafa notendreny dia mampiasa ny Guide de l’évêque pour le plan d’autonomie rehefa manolotra fanampiana. Io taratasy io dia manampy ireo mpitarika mba hanara-maso ny fivoaran’ireo mpikambana mankany amin’ny fizakan-tena.

22.3.4

Manompo an’ireo izay mila fanampiana ara-pihetsehampo

Maro ireo mpikambana izay miaina olana ara-pihetsehampo. Afaka ny ho fitaovana eo amin’ny fanampiana ireo mpikambana manana izany olana izany ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo ary ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy.

Mety hisy fiantraikany eo amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviany ny olana ara-pihetsehampo ananan’ny olona iray. Tokony hamantatra tsara ny zavatra ilain’ireo olona ao amin’ny fianakaviana, indrindra ny vady ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy. Manolotra fanohanana sy fahatakarana an-tsaina amin’izy ireo ireo mpitarika.

Ny Fiangonana dia manolotra “Counseling Resources (Loharanom-pitaovana ahitana fanoroana hevitra)” mba hanampiana ireo mpitarika hanohana ireo mpikambana eo anatrehan’ireo olana ara-pihetsehampo sy ara-tsôsialy isan-karazany. Ireo loharanom-panampiana fanampiny ho an’ireo mpikambana dia ahitana an’ireto manaraka ireto:

Jereo koa ny “Fahasalamana ara-pihetsehampo” ao amin’ny 22.13.

Ny eveka dia afaka maka torohevitra any amin’ireo mpiasa ao amin’ny Family Services (Sampana manolotra fanampiana mahakasika ny fianakaviana) mba hahatakarana tsara kokoa ireo olana ara-pihetsehampo atrehan’ny mpikambana iray ary mba hahitana izay loharanom-pitaovana sy fanolorana asa fanampoana misy. Afaka maka torohevitra any amin’ny Family Services (Sampana manolotra fanampiana mahakasika ny fianakaviana) koa ireo filohan’ny tsatòka sy misiôna. Tafiditra ao anatin’izany fakana torohevitra izany ny mety hanampian’ny Family Services an’ireo mpitarika ireo hanao tombantombana raha toa ilay mpikambana manana olana lehibe ara-pihetsehampo na olana lehibe ara-piarahamonina ka mila maka torohevitra any amin’ny olona matihanina misahana ny fanoroana hevitra. Afaka mangataka fakana torohevitra ireo mpitarika ireo amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ny biraon’ny Family Services any amin’izy ireo na ny tale misahana ny fifanampiana sy fizakan-tena any amin’izy ireo. Jereo ny 31.3.6 mba hahitana ny fomba ahafahana mifandray.

Afaka mandefa an’ireo mpikambana izay mila torohevitra any amin’ny olona matihanina ao amin’ny Family Services ny eveka raha misy izany. Ataon’izy ireo izany amin’ny alalan’ny fampiasana ny rafitra fangatahan’ny eveka fanampiana (jereo ny “Commandes de l’évêque ” ao amin’ny DDG). Raha tsy izany dia afaka mitady fanampiana any amin’ireo mpanoro hevitra matihanina izay azo antoka eo amin’ny fiarahamonina ireo mpikambana.

Indraindray ny eveka dia manoro hevitra an’ireo mpikambana izay mila fanampiana mba hibebaka noho ny fitondrantena tsy mendrika. Izany fitondrantena izany dia mety ahitana fahotana misy ifandraisany amin’ny fiankinan-doha amin-javatra na vokatry ny fiankinan-doha amin-javatra. Eo anatrehan’ireo toe-javatra ireo dia tokony hamaky ireo torololalana ao amin’ny 32.8.1 sy ny 32.8.2 ny eveka.

Sary
mpivady mijery antontan-taratasy

22.4

Fitsipika momba ny fanomezana fanampiana avy amin’ny Fiangonana

Ny mpikambana dia mikatsaka ny hamatsy ireo zavatra ilain’ny tenan’izy ireo sy ny fianakaviany, miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo. Amporisihina ireo havana mba hanampy araka izay ilaina. Rehefa mila fanampiana fanampiny ny mpikambana dia azon’izy ireo atao ny miantehitra amina loharanom-panampiana hafa toy ny:

  • Loharanom-panampiana eo anivon’ny fitondram-panjakana sy ny fiarahamonina (jereo ny 22.12).

  • Fanampian’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina na ny rafitra fanafaran-javatra ampiasain’ny eveka mba hangatahana sakafo sy ireo kojakoja fototra ilaina (jereo ny 22.3.2).

Natao hanampiana ireo mpikambana mba ho lasa mahaleo tena izany fanampiana avy amin’ny Fiangonana izany fa tsy ho lasa miankin-doha. Izay fanampiana atolotra dia tokony hanamafy orina ny ezaka ataon’ireo mpikambana mba ho lasa mizaka tena.

Rehefa manolotra fanampiana avy amin’ny Fiangonana, dia manaraka ireo fitsipika ao amin’ny fizarana 22.4.1 ka hatramin’ny 22.4.5 ireo mpitarika. Entanina ireo episkôpà sy mpitamboky hijery ilay horonantsary hoe “Vola masina, andraikitra masina.”

22.4.1

Mamporisika ny fandraisan’andraikitry ny tena manokana sy ny fianakaviana

Ny mpitarika dia mampianatra fa ny olona tsirairay sy ny fianakaviana no manana andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ny mahasoa azy ireo ara-batana sy ara-pihetsehampo ary ara-panahy. Hanana fahafahana kokoa hahazo ireo zavatra ilaina any aoriana amin’ny alalan’ny tenany manokana ireo mpikambana, amin’ny alalan’ny fiainana ireo fitsipiky ny fizakan-tena (jereo ny 22.1).

Mialoha ny hanolorana fanampiana avy amin’ny Fiangonana, dia miaraka mandinika amin’ireo mpikambana ny eveka (na mpitarika iray hafa na mpikambana hafa notendreny) mikasika ireo loharanom-panampiana ampiasain’izy ireo hahazoany ireo zavatra ilain’izy ireo manokana. Io olona io dia afaka manolotra loharanom-panampiana hafa hodinihin’ireo mpikambana, ka tafiditra ao anatin’izany ireo loharanom-panampiana any amin’ny fitondram-panjakana na ao amin’ny fiarahamonina (jereo ny 22.12).

22.4.2

Manolotra fanampiana tsy maharitra hanomezana ireo zavatra fototra ilaina

Ny tanjon’ny fanampiana avy amin’ny Fiangonana dia ny hamatsy mandritra ny fotoana tsy maharitra ireo zavatra fototra ilaina eo am-piezahan’ny mpikambana mba ho lasa mizaka tena. Ny fanampiana avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina raha ny mahazatra no ampiasaina mba hividianana ireo zavatra fototra ilaina, toy ny sakafo sy ny akanjo. Na izany aza dia azo ampiasaina handoavan-javatra mahakasika ny trano na ny jiro sy rano izany. Izany koa dia azo ampiasaina handoavan-javatra hikarakarana manokana ny olona toy ny fakana torohevitra, na fitsaboana na fanarahana fampiofanana mandritra ny fotoana fohy hifehezana fahaiza-manao na asa iray.

Ny fanampiana avy amin’ny Fiangonana dia natao hamatsiana ireo zavatra tena ilaina mba hahavelona fa tsy natao hihazonana karazana fomba fiainana iray. Mety mila fanohanana na fanehoana fahatakarana an-tsaina ireo mpikambana eo am-pampihenan’izy ireo na eo am-panalan’izy ireo ireo zavatra hamoahana vola mba hahafahana tsara kokoa mamatsy ireo zavatra ilainy.

Tokony hahay handanjalanja tsara ny eveka ary hikatsaka fitarihana ara-panahy rehefa mandinika ny vola kasaina homena sy ny faharetan’ny fanomezana fanampiana. Tokony haneho fangorahana sy fahalalahan-tanana izy nefa koa tsy mamboly fiankinana tanteraka.

22.4.3

Manolotra loharanom-panampiana na fikarakarana toy izay lelavola

Raha azo atao dia tokony hisoroka ny fanomezana lelavola ny eveka. Fa tokony hampiasa ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina izy na ny bishops’ orders (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka) mba hanomezana ireo sakafo sy kojakoja ao an-tokantrano na fikarakarana ilain’ireo mpikambana. Amin’izay ireo mpikambana dia afaka mampiasa ny volan’izy ireo manokana handoavana ireo zavatra hafa ilaina.

Raha tsy ampy izany dia afaka manampy ny eveka amin’ny alalan’ny fampiasana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina mba handoavana mandritra ny fotoana tsy maharitra ireo faktiora ilaina aloa (jereo ny 22.5.2). Raha azo atao dia tokony haloa mivantana any amin’ilay mpanao raharaha izany (jereo ny 22.5.3).

22.4.4

Manolotra fahafahana miasa na manao asa fanompoana

Asain’ny eveka ireo izay mandray fanampiana mba hiasa na hanao asa fanompoana araka izay vitany. Manampy ny mpikambana izany mba hihazona ny maha-izy azy. Mampitombo koa ny fahafahan’izy ireo ho lasa mizaka tena izany. Any amin’ny toerana misy ny JustServe.org dia azo ampiasaina izany mba hitadiavana fahafahana azo araraotina hanaovana asa fanompoana eo anivon’ny fiarahamonina.

Mety voafetra ny fahafahan’ireo mpikambana sasany izay efa antitra na manana fahasembanana miasa na manao asa fanompoana. Tokony hahatakatra ny toe-javatra iainan’izy ireo ireo mpitarika ary manolotra safidy izay ahafahan’izy ireo manao izay azony atao ao anatin’ny toe-javatra iainany.

22.4.5

Mihazona ny momba ny fanampiana avy amin’ny Fiangonana ho tsiambaratelo

Ny eveka sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny paroasy dia mihazona ho tsiambaratelo izay fampahalalana momba ireo mpikambana izay mety mila fanampiana avy amin’ny Fiangonana. Miaro ny fiainan’ny mpikambana manokana izany sy ny maha-izy azy ireo. (Jereo ny 31.3.)

Ireo mpikambana izay mandray fanampiana dia tokony hahafantatra ny toetoetra masina fonosin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina sy ny bishops’ orders (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka). Tokony handray izay fanampiana azon’izy ireo amin’ny fomba mangingina sy amim-panajana izy ireo.

Indraindray dia mety manampy ny filankevitry ny paroasy na ny hafa ny mahafantatra ireo zavatra ilain’ny olona iray na ny fianakaviana iray. Ohatra, rehefa mitady asa ny mpikambana iray. Amin’ny tranga toy izany dia mazana ny eveka sy ny mpitarika hafa no mangataka fahazoan-dalana amin’ilay mpikambana mba hizara fampahalalana toy izany.

22.5

Fitsipika mikasika ny fanomezana fanampiana avy amin’ny Fiangonana

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia tokony hanaraka ireo fitsipika novelabelarina ato anatin’ity fizarana ity rehefa manolotra fanampiana amin’ny alalan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina na ny bishops’ orders (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka) mba hanomezana sakafo sy kojakoja fototra hafa.

22.5.1

Fitsipika mikasika ireo izay mandray fanampiana avy amin’ny Fiangonana

22.5.1.1

Fanampiana an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy

Amin’ny ankapobeny ireo mpikambana izay mandray fanampiana avy amin’ny Fiangonana dia tokony hipetraka ao amin’ireo faritra ao anatin’ilay paroasy ary tokony ho ao amin’ny paroasy ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana azy ireo. Ny fanomezana fanampiana dia tsy miankina amin’ny hoe miangona tsy tapaka ilay mpikambana na tsia, na manaja ireo fitsipiky ny Fiangonana ilay mpikambana na tsia.

Raha toa ka vao haingana ilay mpikambana no nifindra tao amin’ilay paroasy dia mifandray amin’ilay evekany teo aloha ny eveka mba hiresahana mikasika ny toe-javatra iainan’ilay olona mialoha ny hanomezana fanampiana. Afaka mijery koa izay fanampiana efa nomena tao anatin’ny telo taona lasa ny eveka ao amin’ny fizarana hoe “Finance” ao amin’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG).

22.5.1.2

Fanampiana ho an’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka

Misy fotoana mety mila fanampiana avy amin’ny Fiangonana ny eveka na ny olona ao amin’ny fianakaviany mivantana na akaiky izay mipetraka ao amin’ilay paroasy. Rehefa mitranga izany dia miara-mandinika amin’ny filohan’ny tsatòka ny amin’ireo zavatra ilaina sy ny fanampiana atolotra ny eveka. Takina ny fankatoavana an-tsoratra avy amin’ny filohan’ny tsatòka mialoha ny hahafahan’ny eveka mampiasa ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina na manao fankatoavana ny bishop’s order (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka) ho an’ny tenany na ho an’ny fianakaviany.

Raha toa ka ampiasaina ny kitapom-bolan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia hamarinin’ny filohan’ny tsatòka ireo faktiora sy ireo fandaniana hafa mialoha ny hanomezana lalana ny handoavana izany. Ny eveka dia tsy afaka manao fankatoavana ny fandoavan-javatra ho an’ny tenany na ho an’ny fianakaviany.

Rehefa mila fanampiana ny filohan’ny tsatòka na ny olona ao amin’ny fianakaviany mivantana na akaiky izay mipetraka ao amin’ny paroasiny, dia miresaka amin’ny eveka izy. Arahin’ny eveka ireo fitsipika sy toromarika mikasika ny fanampiana avy amin’ny Fiangonana izay mitovy amin’ny hataony amin’izay mety ho mpikambana hafa. Na izany aza, raha vao nankatoavin’ny eveka ilay fangatahana, dia tsy maintsy alefan’ny filohan’ny tsatòka any amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra izany. Miandry ny fankatoavana avy amin’ny mpikambana iray ao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka mialoha ny hanatanterahana ilay famoaham-bola na fanafaran-javatra. (Raha mila fanampiana ny filohan’ny distrika iray dia any amin’ny filohan’ny misiôna no angatahana ny fankatoavana fa tsy any amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra.)

22.5.1.3

Fanampiana ireo olona mandalo na tsy manan-kialofana

Afaka manampy mpikambana sy olona hafa izay mandalo na tsy manan-kialofana ny eveka. Na izany aza dia mandinika amim-pitandremana ny karazana fanampiana sy ny vola tokony homena izy ireo. Amporisihina izy ireo mba hiresaka amin’ny evekan’ilay olona tany amin’ny paroasiny teo aloha mialoha ny hanomezana fanampiana.

Amin’ny ankapobeny dia asain’ny eveka ireo mpikambana mandalo na tsy manan-kialofana izay mandray fanampiana mba hanaiky hiasa na hanao asa fanompoana. Ny eveka koa dia afaka mandefa ireo mpikambana ireo hanatona ireo loharanom-panampiana eo anivon’ny fiarahamonina izay ary fitaovana mba hamaly ireo zavatra ilain’izy ireo.

Afaka manendry eveka iray ny filohan’ny tsatòka raha ilaina mba hisahana ireo fangatahana miseho rehetra eo anivon’ny tsatòka avy amin’ireo olona izay mandalo na tsy manan-kialofana. Any amin’ny faritra sasany dia misy tsatòka maro izay ahitana olona maro dia maro izay mandalo na tsy manan-kialofana. Eo anatrehan’ireo toe-javatra ireo dia afaka miantso misiônera manao asa fanompoana mba hisahana ny fangatahan’izy ireo fanampiana ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Io lehilahy io dia tokony ho efa avy eveka.

22.5.1.4

Fanampiana ny olona izay tsy mpikamban’ny Fiangonana

Ny olona tsy mpikamban’ny Fiangonana dia mazana asaina manatona any amin’ireo loharanom-panampiana eo anivon’ny fiarahamonina eo an-toerana mba hahazo fanampiana. Tena mahalana ary rehefa tarihin’ny Fanahy ny eveka vao mahazo manampy azy ireo amin’ny alalan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina na ny bishops’ orders (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka). Ohatra, afaka mieriteritra ny hanampy ray aman-dreny na mpitaiza izay tsy mpikamban’ny Fiangonana fa manana zanaka iray na mihoatra izay mpikambana ny eveka.

22.5.2

Fitsipika mikasika ny fampiasana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina

22.5.2.1

Fitsaboana na fikarakarana ara-pahasalamana hafa

Ny vondromparitra tsirairay dia efa nametraka ny fetram-bola azo ekena eo amin’ny fampiasana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina mba handoavana ny saram-pitsaboana, na ny saran’ny fitsaboana nify na ny saran’ny fitsaboana ara-tsaina. Ny Fiadidian’ny Vondromparitra no manolotra ireo fetram-bola ireo. Ny kômity mpanatanteraka misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena no manao ny fankatoavana izany. Miovaova arakaraka ny faritra na ny firenena ao anatin’ilay vondromparitra ny fetram-bola.

Rehefa mampiasa ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina ny eveka mba handoavana saram-pitsaboana, na ny saran’ny fitsaboana nify na ny saran’ny fitsaboana ara-tsaina, dia tsy tokony hihoatra ireo fetram-bola ireo izany raha tsy misy fankatoavana mazava. Mba hahitana ny fankatoavana saram-pitsaboana sy toromarika dia jereo ny “Use of Fast Offerings for Medical Expenses.”

22.5.2.2

Trosa avy amin’ny fanjifana zavatra sy noho ny orinasa na fampiasam-bola tsy nahomby

Ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia tsy azo ampiasaina mba handoavana trosa avy amin’ny fanjifana zavatra toy ny fampiasana kara-pitrosana na findramam-bola nataon’ny tena manokana. Ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina koa dia tsy azo handoavana ny vola tokony haloa vokatry ny tsy fahombiazan’ny orinasa na fampiasam-bola.

22.5.2.3

Famerenana ny vola avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina

Tsy mamerina ny vola fanampiana avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina azon’izy ireo avy amin’ny Fiangonana ny mpikambana.

22.5.2.4

Vola mivoaka avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina eo anivon’ny paroasy

Tsy takina ny eveka mba hametra ny fanampiana avy amin’ny fifadian-kanina an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy amin’izay totalim-bolan’ny fanatitra voaray eo anivon’ny paroasy.

22.5.3

Fitsipika momba ny fandoavam-bola

Raha azo atao dia tokony haloa mivantana any amin’ilay sampana mpamatsy entana sy mpanao raharaha ny vola. Tsy ilay olona ampiana mihitsy raha ny mahazatra no hanomezana vola.

Manaraka ireo fitsipika momba ny fitantanam-bola voatanisa ao amin’ny 34.5.7 ireo mpikambana ao amin’ny episkôpà sy ireo mpitamboky rehefa:

  • Manomana taratasim-bola.

  • Manomana fandoavam-bola amin’ny fomba eletrônika.

  • Misintona lelavola hanaovana fandoavam-bola avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina.

22.5.4

Fitsipika mikasika ny fandoavam-bola izay hahazoan’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka tombontsoa

Rehefa manolotra fanampiana an’ireo mpikambana avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina, dia tsy azon’ny eveka ampiasaina ny kitapom-bola mba handoavana volan-tsakafo sy kojakoja na raharaha izay hahazoany tombontsoa manokana. Ny tranga mivaona amin’izany dia tsy maintsy mitaky fankatoavana avy amin’ny filohan’ny tsatòka. Ohatra, raha manana trano iray hampanofaina izay ipetrahan’ny mpikambana iray ny eveka, dia tsy afaka mampiasa ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina izy mba handoavana ny hofan-tranon’izany mpikambana izany raha tsy manome fankatoavana aloha ny filohan’ny tsatòka. Mitovy amin’izany koa ny fitsipika mihatra raha toa ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina ka ampiasaina mba hividianana sakafo ho an’ilay mpikambana any amin’ny toeram-pivarotana sakafo sy kojakoja ilaina izay an’ny eveka.

Raha toa ka hahazoan’ny filohan’ny tsatòka tombontsoa na ny orinasany tombontsoa ilay vola aloa avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina, dia takina ny fankatoavana avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Raha vao ankatoavin’ny eveka ilay vola naroso mba haloa, dia alefan’ny filohan’ny tsatòka any amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ilay fangatahana. Miandry fankatoavana an-tsoratra avy amin’ny mpikambana iray ao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka mialoha ny hanatanterahana ilay fandoavam-bola.

22.5.5

Miaro ny kitapom-bolan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina amin’ny fampiasana izany tsy araka ny tokony ho izy

Ny episkôpà sy ny mpitamboky dia tokony hiaro ny kitapom-bolan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina amin’ny fampiasana izany tsy araka ny tokony ho izy. Raha misy fanontaniana na raha hanao tatitra mikasika ny fanararaotana tafahoatra na ny fisolokiana ny fanampiana avy amin’ny Fiangonana, dia afaka miantso ny mpanolotra fanampiana amin’ny alalan’ny antso an-tariby, amin’ny 1-800-453-3860, poste 2-7887 ireo mpikambana ao amin’ny episkôpà na ny mpitantsoratra any Etazonia sy Kanadà. Ireo mpikambana ao amin’ny episkôpà na ny mpitantsoratra any ivelan’i Etazonia sy i Kanadà dia tokony hiantso ny biraon’ny vondromparitr’izy ireo.

22.6

Anjara asan’ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy

22.6.1

Ny eveka sy ireo mpanolotsainy

Manana andraikitra masina ny eveka hikaroka sy hikarakara ireo izay mila fanampiana ara-batana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:112). Mampiandraikitra ny ankamaroan’izany asa izany amin’ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona izy. Na izany aza dia misy andraikitra sasany izay ny eveka ihany no afaka manao azy. Ohatra, ny eveka no:

  • Manapa-kevitra mikasika izay karazana fanampiana ara-batana homena, sy ny totalim-bola tokony homena ary ny faharetan’ny fanomezana izany.

  • Manao ny fankatoavana ny fanampiana avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina (jereo ny 22.4 sy ny 22.5) sy ny bishops’ orders (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka) ho an’ny sakafo sy ireo kojakoja fototra ilaina (jereo ny 22.13).

  • Maka antoka fa ireo fitsipika mikasika ny fanomezana fanampiana ara-batana dia narahina tsara. (Jereo ny 22.4, 22.5) .

  • Mandinika manokana ireo drafitry ny fizakan-tena nataon’ireo mpikambana. Manendry mpitarika hafa ao amin’ny paroasy izy mba hanara-maso ireo drafitra ireo rehefa ilaina. (Jereo ny Plan d’autonomie sy ny Guide de l’évêque pour le plan d’autonomie.)

Manana ireto andraikitra manaraka ireto ny eveka sy ny mpanolotsainy:

  • Mampianatra ireo fitsipika sy fitahiana mifandray amin’ny (1) fikarakarana an’ireo izay mila fanampiana ara-batana sy ara-pihetsehampo sy amin’ny (2) fanorenana fizakan-tena (jereo ny 22.1). Tafiditra ao anatin’izany ny fiomanan’ny tena manokana sy ny fianakaviana.

  • Mampianatra ny lalàn’ny fifadian-kanina sy mamporisika ny mpikambana mba hanome fanatitra amin’ny fifadian-kanina amim-pahalalahan-tanana (jereo ny 22.2.2).

  • Manara-maso ny fanangonana sy ny firaketana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina (jereo ny 34.3.2).

Amin’ny maha-fiadidian’ny Fisoronana Aharôna ny episkôpà, dia mitarika ireo ezaka ataon’ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ireo kilasin’ny Zatovovavy koa izy ireo eo amin’ny fanompoana ireo izay mila fanampiana ara-batana eo anivon’ny paroasy sy ny fiarahamonina (jereo ny 10.2.2 sy ny 11.2.2). Ireo ezaka atao ireo dia arindra mandritra ireo fivorian’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy (jereo ny 22.8) ary mandritra ny fivorian’ny fiadidian’ny kôlejy sy ny kilasy (jereo ny 10.4.3 sy ny 11.3.4.3).

22.6.2

Ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Kôlejin’ny Loholona

Eo ambany fitarihan’ny eveka, ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona dia manana anjara asa lehibe eo amin’ny fikarakarana an’ireo izay mila fanampiana ao amin’ny paroasy (jereo ny 8.2.2 sy ny 9.2.2). Ireo mpitarika ireo dia mampianatra an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy mba:

  • Hanompo an’ireo izay sahirana.

  • Hiaina ny lalàn’ny fifadian-kanina.

  • Hanorina fizakan-tena.

  • Hampitombo ny fiomanan’ny tena manokana sy ny fianakaviana.

Mampihatra ilay lamina voafaritra ao amin’ny 22.3 ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona rehefa manampy amin’ny fikarakarana ireo sahirana.

Any amin’ny faritra sasany dia manana safidy hanolotra fanampiana amin’ny alalan’ny fampiasana ny bishop’s order (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka) mba hamatsiana sakafo sy kojakoja fototra ilaina ireo eveka ho an’ireo mpikambana sahirana (jereo ny 22.13). Amin’ny ankapobeny dia ny eveka no manendry ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mba hihaona amin’ireo mpikambana ary hameno ilay taratasy fangatahana ireo zavatra ilaina (jereo ny 9.2.2.2). Azony atao ihany koa anefa ny manendry ny filohan’ny kôlejin’ny loholona (jereo ny 8.2.2.2). Raha tsy afaka ny filoha dia azo tendrena ny mpanolotsaina iray ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana na ny kôlejin’ny loholona. Ilay mpitarika voatendry no manome ny eveka ilay taratasy efa nofenoina mba hahazoana ny fankatoavany.

22.6.3

Rahalahy mpanompo na rahavavy mpanompo

Ny fanomezana fanampiana ara-panahy sy ara-batana dia matetika manomboka amin’ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo (jereo ny 21.1). Izy ireo dia manao tatitra ny zavatra ilain’ireo izay tompoiny any amin’ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona na ny Fikambanana Ifanampiana mandritra ny dinidinika momba ny fanompoana na mandritra ny fotoana hafa. Afaka mizara mivantana amin’ny eveka ireo zavatra tsiambaratelo izay ilaina izy ireo.

22.6.4

Sary
sary famantarana, loharanom-panampiana tsy voatery ampiasaina
Tompon’andraikitra manokana misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena eo anivon’ny paroasy

Ny epikôpà dia afaka miantso olon-tokana na mpivady mba ho tompon’andraikitra manokana misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena eo anivon’ny paroasy. Ireo tompon’andraikitra ireo dia manohana ireo mpitarika ao amin’ny paroasy eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fikarakarana ny hafa sy ny fanampiana azy ireo hizaka tena kokoa.

Azo ampiandraiketina an’ireo sehatra manokana ifantohana ireo tompon’andraikitra manokana ireo. Mety ahitana izao manaraka izao izany:

  • Anton’asa

  • Fianarana

  • Fiomanana

  • Fahasalamana ara-pihetsehampo

  • Fitantanam-bolan’ny tena manokana

  • Loharanom-panampiana eo anivon’ny fitondram-panjakana sy fiarahamonina eo an-toerana izay manampy ireo sahirana (jereo ny 22.12)

Ny episkôpà koa dia afaka mangataka ireo tompon’andraikitra manokana misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena mba hanampy amin’ny fandrindrana sy ny fanamorana ny fampandehanana ny groupes d’autonomie (vondrona mifantoka amin’ny fizakan-tena). Ny filankevitry ny tsatòka na ny filankevitry ny paroasy no manorina ireo vondrona ireo amin’ny ankapobeny.

22.6.5

Famintinana ireo antso sy anjara asa

Ity tabilao manaraka ity dia mamintina ireo antso sy anjara asa noresahina ao amin’ny 22.6.

Antso

Mamangy sy mamantatra ireo zavatra ilaina

Mampianatra ireo fitsipiky ny fizakan-tena

Manampy ireo mpikambana amin’ny fanaovana ny drafitry ny fizakan-tena

Manao ny fankatoavana ny fanampiana avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina na ny bishops’ orders (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka)

Antso

Eveka

Mamangy sy mamantatra ireo zavatra ilaina

Afaka manao izany, saingy matetika mampiandraikitra izany amin’olon-kafa

Mampianatra ireo fitsipiky ny fizakan-tena

Eny

Manampy ireo mpikambana amin’ny fanaovana ny drafitry ny fizakan-tena

Afaka manao izany, saingy matetika mampiandraikitra izany amin’olon-kafa

Manao ny fankatoavana ny fanampiana avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina na ny bishops’ orders (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka)

Eny

Antso

Ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona

Mamangy sy mamantatra ireo zavatra ilaina

Eny

Mampianatra ireo fitsipiky ny fizakan-tena

Eny

Manampy ireo mpikambana amin’ny fanaovana ny drafitry ny fizakan-tena

Rehefa asaina manao izany

Manao ny fankatoavana ny fanampiana avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina na ny bishops’ orders (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka)

Tsia

Antso

Rahalahy mpanompo sy rahavavy mpanompo

Mamangy sy mamantatra ireo zavatra ilaina

Eny

Mampianatra ireo fitsipiky ny fizakan-tena

Eny

Manampy ireo mpikambana amin’ny fanaovana ny drafitry ny fizakan-tena

Rehefa asaina manao izany

Manao ny fankatoavana ny fanampiana avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina na ny bishops’ orders (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka)

Tsia

Antso

Tompon’andraikitra manokana misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena (raha voantso)

Mamangy sy mamantatra ireo zavatra ilaina

Rehefa asaina manao izany

Mampianatra ireo fitsipiky ny fizakan-tena

Rehefa asaina manao izany

Manampy ireo mpikambana amin’ny fanaovana ny drafitry ny fizakan-tena

Rehefa asaina manao izany

Manao ny fankatoavana ny fanampiana avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina na ny bishops’ orders (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka)

Tsia

22.7

Anjara asan’ny filankevitry ny paroasy

Anisan’ny anjara asa manandanja sahanin’ny filankevitry ny paroasy ny mandrafitra ny fomba hikarakarana ireo sahirana sy hanampiana azy ireo ho lasa mizaka tena (jereo ny 4.4). Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra dia mampifototra ireo drafitra ireo amin’ny fampahalalana azo avy amin’ireo dinidinika momba ny fanompoana sy avy amin’ny fifandraisan’izy ireo manokana amin’ireo izay sahirana. Rehefa miresaka mikasika ireo zavatra ilain’ireo mpikambana, dia manaja ny fanirian’ireo izay nangataka ny hihazonana ho tsiambaratelo ny zavatra noresahina ny filankevitra.

Rehefa mandinika ny fomba hikarakarana ireo izay mila fanampiana ara-batana sy ara-pihetsehampo ny filankevitry ny paroasy, dia manao izao manaraka izao:

  • Mandrafitra fomba hampianarana ireo mpikambana eo anivon’ny paroasy ny fomba hampiharana ireo fitsipiky ny fizakan-tena (jereo ny 22.1). Ireo fitsipika ireo dia ahitana ny fiomanan’ny tena manokana sy ny fianakaviana.

  • Mandrafitra fomba hanampiana an’ireo izay manana fahasahiranana ilaina vahana haingana toy ny tsy fananan’asa, ary ireo izay manana fahasahiranana izay mitaky fotoana maharitra ny fiatrehana azy toy ny olana ara-pahasalamana na ny fahasembanana.

  • Mamantatra ireo mpikambana ao amin’ny paroasy izay manana fahaiza-manao mety hanampy amin’ilay fahasahiranana ilaina vahana haingana sy ilay fahasahiranana mitaky fotoana maharitra ny famahana azy.

  • Mitady asa na asa fanompoana azo ataon’ireo izay mandray fanampiana avy amin’ny Fiangonana.

  • Mamantatra ireo mpikambana izay afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny fandraisana anjara ao amin’ny groupe d’autonomie (vondrona mifantoka amin’ny fizakan-tena). Ny filankevitry ny tsatòka na ny filankevitry ny paroasy no manorina ireo vondrona ireo amin’ny ankapobeny.

  • Mitady loharanom-panampiana hafa eo anivon’ny fitondram-panjakana na eo anivon’ny fiarahamonina na eo anivon’ny Fiangonana izay mety hitondra tombontsoa ho an’ny mpikambana (jereo ny 22.12 sy ny 22.13).

  • Manao drafitra mba hanaovana asa fanompoana eo anivon’ny fiarahamonina. Any amin’ny toerana misy ny JustServe.org dia azo ampiasaina izany mba hitadiavana fahafahana azo araraotina hanaovana asa fanompoana toy izany.

Ny filankevitry ny paroasy koa dia manomana drafitra an-tsoratra tsotra mba hiatrehana ireo zavatra miseho tampoka. Tokony hampifandrindrana amin’ny drafitry ny tsatòka hiatrehana zavatra miseho tampoka io drafitra io (jereo ny “Stake and Ward Preparedness (Fiomanan’ny tsatòka sy paroasy)”; jereo koa ny 22.9.1.3 ao amin’ity boky torolalana ity).

Azo asaina hanatrika ny fivorian’ny filankevitry ny paroasy ireo tompon’andraikitra manokana misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena rehefa ilaina.

22.8

Anjara asan’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy eo anivon’ny paroasy

Ny tanjon’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy dia ny hanampiana ny zatovo ho tonga tena mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy (jereo ny 29.2.6). Zava-dehibe ny fanompoana an’ireo izay mila fanampiana ara-batana mba hanatanterahana izany tanjona izany. Anisan’ny ao anatin’ireo olona mety mila fanampiana ara-batana ny olona efa antitra, na ny marary, na ny manana fahasembanana.

Eo ambany fitarihan’ny episkôpà, dia mandrafitra fomba hanompoana an’ireo izay mila fanampiana eo anivon’ny paroasiny sy eo anivon’ny fiarahamonina misy azy ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy. Azo arafitra mandritra ireo fivorian’ny fiadidian’ny kôlejy sy ny kilasy ireo hetsika manokana hanaovana asa fanompoana. Any amin’ny toerana misy ny JustServe.org dia azo ampiasaina izany mba hitadiavana fahafahana azo araraotina hanaovana asa fanompoana eo anivon’ny fiarahamonina.

22.9

Anjara asan’ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka

22.9.1

Ny filohan’ny tsatòka sy ireo mpanolotsainy

Ny filohan’ny tsatòka sy ireo mpanolotsainy dia mitarika ny ezaka atao eo amin’ny fanompoana an’ireo izay mila fanampiana ara-batana sy ara-pihetsehampo sy eo amin’ny fanorenana fizakan-tena. Manampy azy ireo ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka, ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo ary ireo mpikambana hafa ao amin’ny filankevitry ny tsatòka.

Ireto manaraka ireto no andraikitry ny filohan’ny tsatòka sy ireo mpanolotsainy:

  • Mampianatra ireo fitsipika sy fitahiana mifandray amin’ny (1) fikarakarana an’ireo izay mila fanampiana ara-batana sy ara-pihetsehampo sy amin’ny (2) fanorenana fizakan-tena (jereo ny 22.1). Tafiditra ao anatin’izany ny fiomanan’ny tena manokana sy ny fianakaviana.

  • Mampianatra ny lalàn’ny fifadian-kanina sy mamporisika ny mpikambana mba hanome fanatitra amin’ny fifadian-kanina amim-pahalalahan-tanana (jereo ny 22.2.2).

  • Mampianatra ireo eveka ny fomba fanomezana araka ny tokony ho izy ny fanampiana avy amin’ny Fiangonana an’ireo izay mila fanampiana ara-batana (jereo ny 22.9.1.1).

  • Maka antoka fa ireo filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ireo filohan’ny Fikambanana Ifanampiana any anivon’ny paroasy dia nampianarina mikasika ny anjara asany eo amin’ny fikarakarana ireo izay sahirana. Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka dia manampy amin’ny fampianarana an’ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy ireo ny andraikitr’izy ireo (jereo ny 22.9.2 sy ny 22.9.3).

  • Mitarika ny ezaka ataon’ny tsatòka mba hiomanana sy hiatrehana ny loza tampoka (jereo ny 22.9.1.3).

Manana ireto andraikitra manaraka ireto koa ny filohan’ny tsatòka:

  • Mandinika ireo fangatahana fanampiana avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina mba handoavana saram-pitsaboana izay mihoatra ny fetram-bola azo ankatoavin’ny eveka. Ny filohan’ny tsatòka dia afaka manao fankatoavana ny fangatahana tsy mihoatra ny fetram-bola azony ankatoavina. Alefany any amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra mba hodinihina ireo fangatahana izay mihoatra ny fetram-bola azony ankatoavina (jereo ny 22.5.2.1).

  • Mandinika izay fangatahana fanampiana avy amin’ny Fiangonana ho an’ny eveka (jereo ny 22.5.1.2).

  • Manompo amin’ny maha-filohan’ny tsatòka mpiandraikitra ireo rafitra mikasika ny fifanampiana sy ny fizakan-tena raha asaina manao izany (jereo 22.9.1.2).

Ny filohan’ny tsatòka dia afaka manendry mpikambana iray na mihoatra ao amin’ny filankevitra avo mba hanara-maso ny ezaka atao eo amin’ny fikarakarana ireo mila fanampiana ara-batana ao amin’ny tsatòka ireo (jereo ny 22.9.2). Afaka miantso tompon’andraikitra manokana misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena eo anivon’ny tsatòka ny filohan’ny tsatòka mba hanohanana ireo ezaka atao ireo (jereo ny 22.9.4).

22.9.1.1

Mampianatra ny eveka ireo fitsipika mikasika ny fanomezana fanampiana avy amin’ny Fiangonana

Maka antoka tsara ny filohan’ny tsatòka fa mikarakara an’ireo izay mila fanampiana ara-batana ao amin’ny paroasin’izy ireo ireo eveka. Mampianatra ny eveka ireo fitsipika mikasika ny fanomezana fanampiana avy amin’ny Fiangonana izy (jereo ny 22.4 sy ny 22.5). Rehefa mampianatra dia mampiasa ohatra tena misy eo amin’ny fiainana sy mora ampiharina izy.

Mandritra ny tafa sy dinika ataony amin’ireo eveka dia mandinika ireo fandoavam-bola natao avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina avy amin’ny tatitra mampiseho ny toe-bolan’ny paroasy isam-bolana izy. Resahiny amin’ny eveka tsirairay koa ireo fitsipika ampiasainy mba hanampiana ireo mpikambana. Ifampiresahany amin’ny eveka ny momba ireo fandavoam-bola na endri-javatra ao amin’ilay tatitra izay mampiseho tsy fahatakarana ireo fitsipika marina.

Resahina koa mandritra ny filankevitr’ireo eveka eo anivon’ny tsatòka ireo fitsipika mikasika ny fanomezana fanampiana avy amin’ny Fiangonana (jereo ny 22.11).

Maka antoka ny filohan’ny tsatòka fa ny eveka tsirairay dia mamerina manaraka ilay fiofanana ao amin’ilay horonantsary “Vola masina, andraikitra masina” raha kely indrindra indray mandeha isan-taona.

22.9.1.2

Manompo amin’ny maha-filohan’ny tsatòka mpiandraikitra ireo rafitra ao amin’ny Fiangonana ho an’ny fifanampiana sy ny fizakan-tena

Raha toa ka azo ampiharina dia manendry filohan’ny tsatòka mpiandraikitra ny rafitra ho an’ny fifanampiana sy ny fizakan-tena any amin’ny faritra misy azy ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Ireto manaraka ireto misy ohatra amin’ireo rafitra tafiditra ao anatin’izany:

  • Trano fitehirizan’ny eveka

  • Biraon’ny Family Services (Sampana manolotra fanampiana mahakasika ny fianakaviana)

  • BYU–Pathway Worldwide

  • Toeram-pivarotana Deseret Industries

Manampy amin’ny fitadiavana mpilatsaka an-tsitrapo mba hanampy amin’ireo zavatra ilain’ilay rafitra ilay filohan’ny tsatòka voatendry. Mety avy amin’ilay tsatòka misy ilay filohan’ny tsatòka mpiandraikitra ireo mpilatsaka an-tsitrapo na avy amin’ireo tsatòka hafa izay sahanin’ilay rafitra.

Ilay filohan’ny tsatòka mpiandraikitra dia afaka manangana kômitin’ny tsatòka mpiandraikitra ny fampandehanana ny rafitra mba hanara-maso ilay rafitra. Ahitana ireto manaraka ireto ireo mpikambana ao amin’ny kômity:

  • Filohan’ny tsatòka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hanao izany

  • Mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo

  • Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka

  • Talen’ilay rafitra

  • Tompon’andraikitra manokana misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena araka izay isany ilaina

22.9.1.3

Fiatrehana ny loza tampoka

Ny filohan’ny tsatòka no manara-maso ny fiatrehan’ny Fiangonana loza tampoka sy ny fifandraisana ao anatin’ny tsatòka. Mandritra ireo loza mitranga izay mahavoa tsatòka mihoatra ny iray dia mety ny Fiadidian’ny Vondromparitra na ny Fitopololahin’ny Vondromparitra voatendry hiandraikitra izany no mitantana ny fiatrehana izany. Ireo tale misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena dia manohana ireo mpitarika eo anivon’ny vondromparitra sy ny tsatòka ao anatin’ireo ezaka atao ireo.

Ireo filohan’ny tsatòka dia afaka miantso tompon’andraikitra manokana misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena mba hanara-maso ny ivon-toerana hiasan’ireo rafitra, na mba handrindra ny fifandraisana, na mba hiandraikitra ireo olana momba ny filaminana. Rehefa ilaina dia afaka manendry tompon’andraikitra toy izany koa ny Fiadidian’ny Vondromparitra na ny Fitopololahin’ny Vondromparitra any amin’ny ambaratongan’ny vondromparitra na any amin’ny ambaratongan’ny filankevitra enti-mandrindra.

Ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo dia manao tatitra ny toe-javatra misy sy ny zavatra ilain’ireo mpikambana any amin’ireo mpitarika ao amin’ny kôlejy sy ny Fikambanana Ifanampiana. Ireo mpitarika ireo dia manao tatitra any amin’ny eveka izay manao tatitra any amin’ny filohan’ny tsatòka.

Ny fiadidian’ny tsatòka dia manao tatitra fampahalalana any amin’ny (1) Fiadidian’ny Vondromparitra na ny Fitopololahin’ny Vondromparitra voatendry hiandraikitra izany sy (2) ny tale misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena. Izany tatitra izany dia ahitana ny zava-misy mahakasika ireo mpikambana, ireo misiônera sy ireo trano sy fananan’ny Fiangonana ary ny fiarahamonina. Raha toa ka nianjadian’ny loza ireo mpikamban’ny Fiangonana, dia afaka mampiasa ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina ny eveka mba hanomezana ireo zavatra fototra tena ilaina. Ny eveka dia manaraka ireo fitsipika voatanisa ao amin’ny 22.4.

Ny filohan’ny tsatòka no manome fankatoavana an’izay torolalana avoakan’ny Fiangonana eo an-toerana ho an’ny daholobe. Mandrindra izany miaraka amin’ny tale misahana ny serasera eo anivon’ny tsatòka izy raha toa ka misy olona voantso amin’izany (jereo ny 6.2.1.7). Maka antoka izy fa marina sy voalaza tsara ara-potoana ireny torolalana ireny. Afaka ny ho mpitondra tenin’ny Fiangonana izy mba hamaly ireo fanontaniana avy amin’ny haino aman-jery. Afaka manendry ny tale misahana ny fifandraisana eo anivon’ny tsatòka koa izy na olona mpitondra teny iray hafa mba hanao izany. Ao anatin’ireo loza izay mahavoa tsatòka mihoatra ny anankiray, dia afaka misahana ny fifandraisana amin’ny daholobe ny Fiadidian’ny Vondromparitra na ny fitopololahin’ny Vondromparitra voatendry hanao izany.

Afaka mamela ireo manampahefana eo anivon’ny fiarahamonina hampiasa ireo loharanom-panampiana misy eo anivon’ny Fiangonana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra dia azo ampiasaina ho fialofana sy ho toby fanaovana fitsaboana tsotsotra, na ho toby fizarana sakafo ireo trano fiangonana (ankoatra ny tempoly). Ny fampiasana ny trano Fiangonana toy izany dia tokony harindra miaraka amin’ny tale misahana ny trano sy ny fananan’ny Fiangonana voatendry hiandraikitra izany. Raha toa ka misy fikambanana mpanao asa soa na fikambanana eo amin’ny fiarahamonina omena lalana hampiasa ny trano dia tsy maintsy misy fifanarahana atao izay soniavina. Jereo ny “Use of Church Buildings in a Disaster” mba hahitana fampahalalana bebe kokoa.

Misy fampahalalana fanampiny ao amin’ny “Emergency Response Procedures.”

22.9.2

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo

Ny mpikambana ao amin’ny filankevitra avo voatendry hiandraikitra ny kôlejin’ny loholona tsirairay dia manohana ny fiadidian’ny kôlejy ao anatin’ny andraikitr’izy ireo mba hikarakara an’ireo izay sahirana ary hanampy azy ireo hanorina fizakan-tena (jereo ny 22.6.2).

Ny fiadidian’ny tsatòka koa dia afaka manendry mpikambana iray na mihoatra ao amin’ny filankevitra avo mba hanao ireto manaraka ireto:

  • Manampy amin’ny fampianarana ireo tompon’andraikitra misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena eo anivon’ny tsatòka sy paroasy hahafantatra ny anjara asan’izy ireo, raha toa ka misy tompon’andraikitra voantso (jereo ny 22.9.4 sy ny 22.6.4).

  • Mandrindra ireo ezaka ataon’ny mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny rafitry ny fifanampiana sy ny fizakan-tena.

  • Manompo ao anatin’ireo vondrona manao asa manokana izay mandrindra ireo loharanom-panampiana mifandray amin’ny fizakan-tena na fanompoana eo anivon’ny fiarahamonina (jereo ny 22.10.2).

Any amin’ireo tsatòka izay manohana rafitry ny fifanampiana sy fizakan-tena, dia azo angatahina ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo mba hanompo ao amin’ilay kômitin’ny tsatòka mpiandraikitra misahana ny fampandehanana ny rafitra (jereo ny 22.9.1.2).

22.9.3

Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka

Ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka dia manohana ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny paroasy ao anatin’ny andraikitr’izy ireo mba hikarakara an’ireo izay sahirana ary hanampy azy ireo hanorina fizakan-tena (jereo ny 22.6.2).

Ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka dia azo angatahina mba hanompo ao anatin’ireo vondrona manao asa manokana izay mandrindra ireo loharanom-panampiana mifandray amin’ny fizakan-tena na fanompoana eo anivon’ny fiarahamonina (jereo ny 22.10.2). Any amin’ireo tsatòka izay manohana rafitry ny fifanampiana sy fizakan-tena, dia azo angatahina ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana mba hanompo ao amin’ilay kômitin’ny tsatòka mpiandraikitra misahana ny fampandehanana ny rafitra (jereo ny 22.9.1.2).

22.9.4

Sary
sary famantarana, loharanom-panampiana tsy voatery ampiasaina
Tompon’andraikitra manokana misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena eo anivon’ny tsatòka

Rehefa ilaina dia afaka miantso olon-tokana na mpivady ny fiadidian’ny tsatòka mba ho tompon’andraikitra manokana misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena eo anivon’ny tsatòka. Manohana ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo mba hikarakarana ny hafa sy hanampiana azy ireo ho lasa mizaka tena kokoa izy ireo.

Ireo tompon’andraikitra ireo dia azo tendrena mba hisahana sehatra manokana iray ifantohana. Ohatra, azo angatahina izy ireo mba:

Ireo tompon’andraikitra manokana eo anivon’ny tsatòka dia mandrindra ireo ezaka atao miaraka amin’ireo tompon’andraikitra manokana misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena izay voantso eo anivon’ireo paroasy.

22.10

Anjara asan’ny filankevitry ny tsatòka

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny tsatòka dia mifanakalo hevitra mikasika ireo zavatra ilain’ireo mpikambana eo anivon’ny tsatòka sy ny fomba ahafahana manampy ireo mpikambana ho lasa mizaka tena (jereo ny 29.3.8). Mitady loharanom-panampiana eo anivon’ny fiarahamonina sy eo anivon’ny tsatòka izy ireo izay afaka manampy ireo mpitarika ao amin’ny paroasy mba hikarakarana ireo zavatra ilain’ireo mpikambana ara-batana sy ara-pihetsehampo (jereo ny 22.12 sy ny 22.13). Mamolavola drafitra tsotsotra voarakitra an-tsoratra izy ireo hoentin’ny tsatòka hiatrehana ny loza tampoka (jereo ny “Stake and Ward Preparedness”). Ny filankevitry ny tsatòka koa dia afaka mandrafitra fomba hanaovana asa fanompoana eo anivon’ny fiarahamonina.

22.10.1

Sary
sary famantarana, loharanom-panampiana tsy voatery ampiasaina
Ireo loharanom-panampiana arindran’ny tsatòka

Ny filankevitry ny tsatòka dia afaka mampiasa na mametraka ireto loharanom-panampiana manaraka ireto izay tsy voatery ampiasaina. Ireo loharanom-panampiana ireo dia afaka manampy ireo mpikambana ao amin’ny tsatòka mba hanorina fizakan-tena na handray anjara amin’ny asa fanompoana atao eo amin’ny fiarahamonina:

22.10.2

Sary
sary famantarana, loharanom-panampiana tsy voatery ampiasaina
Vondrona manao asa manokana

Mba hitondrana fanampiana eo amin’ny fandrindrana sy fitantanana ireo loharanom-panampiana tsy voatery ampiasaina voafaritra ao amin’ny 22.10.1, dia afaka manendry vondrona manao asa manokana ny tsatòka toy ny vondrona manao asa ao amin’ny JustServe. Ireo vondrona ireo dia mety ahitana mpikambana nofantenina avy ao amin’ny filankevitry ny tsatòka na ny kômitin’ny mpitarika misahana ny olon-dehibe eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 29.3.9). Afaka ny ho anisan’izany koa ireo tompon’andraikitra manokana toy ireto manaraka ireto:

  • Tompon’andraikitra manokana misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena (jereo ny 22.9.4)

  • Tale misahana ny fifandraisana eo anivon’ny tsatòka na ny tompon’andraikitra manokana misahana ny JustServe eo anivon’ny tsatòka (jereo ny JustServe Community Service Guidebook)

  • Ireo hafa raha ilaina

22.11

Anjara asan’ny filankevitry ny eveka eo anivon’ny tsatòka

Ny filankevitry ny eveka eo anivon’ny tsatòka dia tanterahina mba hanoroana hevitra mikasika ireo andraikitra sahanin’ny eveka. Izany dia ahitana fifampiresahana tsy tapaka momba ireo fitsipika mifandray amin’ny (1) fikarakarana an’ireo izay mila fanampiana ara-batana sy ara-pihetsehampo sy amin’ny (2) fanorenana fizakan-tena. (Jereo ny 29.3.11.)

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra dia amporisihina mba:

  • Hifanakalo hevitra sy traikefa ary loharanom-panampiana mba hiatrehana ireo zavatra ilain’ireo mpikambana ara-batana sy ara-pihetsehampo. Tafiditra ao anatin’izany ireo loharanom-panampiana eo anivon’ny fiarahamonina. Tafiditra ao anatin’izany koa ireo hevitra mikasika ny fahafahana miasa sy manao asa fanompoana ho an’ireo mpikambana izay mandray fanampiana ho an’ny Fiangonana.

  • Miresaka mikasika ireo fomba hamporisihana ireo mpikambana mba handray ireo fitahiana avy amin’ny fiainana ny lalàn’ny fifadian-kanina sy ny fanomezana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina.


LOHARANOM-PANAMPIANA EO ANIVON’NY FITONDRAM-PANJAKANA SY FIARAHAMONINA ARY FIANGONANA


22.12

Loharanom-panampiana eo anivon’ny fitondram-panjakana sy ny fiarahamonina

Any amin’ny faritra maro dia manana fahafahana ny hahazo ireo loharanom-panampiana avy amin’ny fitondram-panjakana na ny fiarahamonina ireo mpikambana izay manampy amin’ireo zavatra fototra ilaina. Ny loharanom-panampiana toy izany dia mety ahitana:

  • Fanampiana ara-pitsaboana.

  • Fanampiana ara-tsakafo.

  • Sampan-draharaha manome fanofanana arak’asa sy manolotra asa.

  • Sampan-draharaha misahana ny fahasalamana ara-tsaina.

  • Fandaharan’asa momba ny fampianarana.

  • Fandaharan’asa miompana amin’ny fanampiana ny be antitra.

  • Fanampiana eo amin’ny lafin’ny trano fonenana.

Amporisihina ireo mpikambana mba hitrandraka ireo loharanom-panampiana ireo ankoatra ireo loharanom-panampiana atolotry ny Fiangonana (jereo ny 22.13).

Sary
voankazo sy legioma

22.13

Loharanom-panampian’ny Fiangonana

Ity tabilao manaraka ity dia mitanisa ireo loharanom-panampian’ny Fiangonana izay afaka manohana ireo ezaka ataon’ny mpikambana mba hamatsy ireo zavatra ilain’izy ireo ara-batana sy ara-pihetsehampo ary mba hanorina fizakan-tena. Ny trano fitehirizan’ny Tompo (jereo ny 22.2.1) sy ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina (jereo ny 22.2.2) dia azon’ny eveka ampiasaina any amin’ny paroasy rehetra. Ireo loharanom-panampiana hafa notanisaina dia tsy voatery ampiasaina ary miovaova araka ny toerana.

Sokajy

loharanom-panampiana

Sokajy

Zavatra ilaina haingana

loharanom-panampiana

  • Ny trano fitehirizan’ny Tompo (ny fotoana, ny talenta, ny fangorahana, sy ny fitaovana, ary ireo loharanom-panampiana ara-bola izay atolotr’ireo mpikambana)

  • Fanatitra amin’ny fifadian-kanina

  • Bishops’ orders (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka) ho an’ny sakafo sy ny kojakoja fototra ilaina hafa amin’ny alalan’ny trano fitehirizan’ny eveka na ny toeram-pivarotana sakafo sy kojakoja ilaina.*

  • Bishops’ orders (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka) ho an’ny sakafo sy ny kojakoja ilaina ao an-tokantrano amin’ny alalan’ny toeram-pivarotana Deseret Industries iray.*

* Ny Bishops’ orders (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka) dia alefa amin’ny alalan’ny “Commandes de l’évêque” ao amin’ny DDG.

Sokajy

Fianarana sy asa ivelomana

loharanom-panampiana

Sokajy

Fahasalamana ara-pihetsehampo

loharanom-panampiana

Sokajy

Fiomanana ara-batana

loharanom-panampiana

Sokajy

Fanompoana eo anivon’ny fiarahamonina

loharanom-panampiana