Boky torolalana sy antso
21. Fanompoana


“21. Fanompoana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“21. Fanompoana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
lehilahy maro mibata vato

21.

Fanompoana

21.0

Teny fanolorana

Ny fanompoana dia midika hoe manompo ny hafa tahaka ny nataon’ny Mpamonjy (jereo ny Matio 20:26–28). Nitia, nampianatra, nivavaka, nampionona, ary nitahy ireo izay nanodidina Azy Izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 10:38). Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia miezaka isika ny hanompo ireo zanak’ Andriamanitra.

Tian’ny Tompo ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonany mba hahazo fikarakarana toy izany. Noho izany antony izany, dia notendrena ireo mpihazona ny fisoronana mba ho rahalahy mpanompo ny tokantranon’ny mpikambana tsirairay. Tendrena mba hisahana rahavavy olon-dehibe ireo rahavavy mpanompo. Ireo fanendrena ireo dia manampy amin’ny fakana antoka fa ireo mpikamban’ny Fiangonana dia tsaroana sy voakarakara (jereo ny Môrônia 6:4).

Ny fanompoana dia fomba manan-danja iray entina hitandremana ireo didy mba hitia an’ Andriamanitra sy hitia ny namantsika (jereo ny Matio 22:36–40). Fomba iray tena manan-danja koa izany mba hanampiana amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

Ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana dia manampy ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo amin’ny fianarana ny fomba fanompoana ny hafa. Manolotra fitaomam-panahy sy fitarihana ary fanohanana koa izy ireo. Afaka manao izany izy ireo mandritra ny dinidinika momba ny fanompoana (jereo ny 21.3), sy mandritra ny fivoriana isaky ny alahady ary mandritra ny fifampiresahana manokana. Mikatsaka fitaomam-panahy avy amin’ny soratra masina sy avy amin’ity toko ity ary avy ao amin’ny ministering.ChurchofJesusChrist.org izy ireo.

21.1

Ireo andraikitr’ireo rahavavy sy rahalahy mpanompo

Misolo tena ny Tompo ireo rahavavy sy rahalahy mpanompo. Izy ireo koa dia manampy ireo mpikambana hahatsapa ny fitiavana sy ny fanohanana avy amin’ny eveka sy ireo mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana na kôlejy. Natao “[h]itandrina]” ny mpikamban’ny Fiangonana izy ireo sy “[h]iaraka amin’izy ireo sy [h]anatanjaka azy” ireo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:53).

Ireo rahavavy sy rahalahy mpanompo dia manana ireto andraikitra manaraka ireto eo anatrehan’ireo olona tsirairay sy ny fianakaviana nasaina iandraiketan’izy ireo.

  • Manampy azy ireo hampatanjaka ny finoan’izy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Manampy azy ireo hiomana sy hanao fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra rehefa mandray ôrdônansy. Manampy ireo ray aman-dreny, raha ilaina, hanomana ny zanany handray ôrdônansy sy hitandrina izany.

  • Mamantatra ireo zavatra ilaina ary maneho fitiavana sy fiahiana ary fanompoana tahaka ny an’i Kristy. Manolotra fanampiana sy fampaherezana amin’ny fotoam-pahasahiranana ara-panahy na ara-batana. Miresaka mikasika ireo zavatra ilaina mandritra ny dinidinika momba ny fanompoana na mandritra ny fotoana hafa.

  • Manampy azy ireo mba ho lasa mizaka tena ara-panahy sy ara-batana.

Raha hijery misimisy kokoa ny andraikitr’ireo rahavavy sy rahalahy mpanompo dia jereo ny Jakoba 1:27, Môzià 23:18, ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:47, 59.

Mikatsaka ombam-bavaka ny fitarihan’ny Fanahy ireo rahavavy sy rahalahy mpanompo. Mifampiresaka amin’ireo tompoiny koa izy ireo mba hahatakarana ny fomba tena tsara hanampiana azy ireo mba hanomezana izay zavatra ilainy.

Mampifanaraka ny ezaka ataon’izy ireo amin’izay zavatra ilain’ireo tompoin’izy ireo sy ireo toe-javatra iainan’izy ireo ireo rahavavy sy rahalahy mpanompo. Amporisihina ny fanaovana famangiana, saingy ilaina ny fandinihina ireo lafin-javatra toy ny fiarovana ny tena, ny halaviran-toerana ary ny zavatra mifanaraka amin’ny kolontsaina. Afaka manolo-tanana amin’ny fomba hafa foana ireo rahavavy sy rahalahy mpanompo. Tafiditra ao anatin’izany ny antso amin’ny telefaonina, ny antso misy famoahana sary sy feo, ny fandefasana hafatra fohy amin’ny finday, ny email, ny tambajotran-tserasera, ny fifaneraserana any am-piangonana ary ny fanaovana asa mifono fanompoana.

Mety misy zavatra ilaina izay tsy vitan’ireo rahalahy na rahavavy mpanompo samirery ny fanomezana azy. Ao anatin’ny tranga toy izany dia mifampiresaka amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana na ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona izy ireo.

21.2

Fandrindrana ny fanompoana

Nampiandraiketin’ny Mpamonjy asa manan-danja ireo mpianany (jereo ny Lioka 10:1–17; jereo koa ny 4.2.6 ao amin’ity boky torolalana ity). Amin’ny alalan’ny fanarahana io lamina io dia mandray asa ampiandraiketina isika mba hanompo olona sy fianakaviana manokana. Ny rafitra iray narindra mba hanompoana ny hafa dia manome fahafahana ny olona tsirairay hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy.

21.2.1

Fandrindrana ireo asa ampiandraiketina

Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy Fikambanana Ifanampiana dia mandinika ombam-bavaka ireo asa ampiandraiketina an’ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo. Ampidirin’izy ireo ao anatin’izany ireo lafiny mampatanjaka ireo mpikambana sy ireo zavatra manahirana azy ireo. Dinihin’izy ireo koa ireo zavatra ilain’ireo zanaka ao anatin’ny fianakaviana. Manendry rahalahy roa na rahavavy anankiroa izy ireo raha ny mahazatra mba ho mpiara-manompo. Mangataka ny fankatoavan’ny eveka izy ireo mikasika ireo olona voatendry hiara-manompo ary ireo izay ampandraiketina hotompoin’izy ireo.

Rehefa mandray izany fanapahan-kevitra izany ireo mpitarika dia tokony handinika ireto zavatra manaraka ireto:

  • Rahalahy mpanompo sy rahavavy mpanompo feno fanolorantena no tokony hotendrena hiandraikitra ireo mpikambana izay mila fanampiana lehibe indrindra. Izany dia mety hahitana mpikambana vaovao, ray na reny tokan-tena, vehivavy maty vady, lehilahy maty vady, ary mpikambana malaindaina.

  • Azo atao mpiara-manompo amin’ny olon-dehibe ny zatovo araka ny torolalana ao amin’ny 21.2.2.

  • Azo tendrena hiara-hanompo olona iray na fianakaviana iray ny mpivady iray.

  • Ireo fiadidian’ny tsatòka sy episkôpà dia miahy ireo mpikambana rehetra ao amin’ny tsatòka na paroasy. Noho izany antony izany dia tsy tendrena ho rahalahy mpanompo izy ireo amin’ny ankapobeny. Ny filohan’ny tsatòka no mandinika raha toa hotendrena na tsia ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo sy ireo patriarika am-perinasa.

Rehefa avy nanome fankatoavana ny eveka, ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona dia manolotra asa ampiandraiketina ireo rahalahy mpanompo, ka tafiditra ao anatin’izany ireo zatovolahy. Ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana dia manolotra asa ampiandraiketina an’ireo rahavavy mpanompo, ka tafiditra ao anatin’izany ireo zatovovavy.

Mifampiresaka amin’ireo rahalahy na rahavavy mpanompo ireo mpitarika ireo mikasika ireo lafiny mampatanjaka an’ireo olona izay hotompoin’izy ireo sy ny zavatra ilain’izy ireo ary ireo olan’izy ireo. Amporisihin’ireo mpitarika ireo rahalahy na rahavavy mpanompo mba hahatakatra ireo zavatra ilain’ireo olona nasaina niandraiketan’izy ireo, ary hikatsaka fitaomam-panahy avy eo mikasika ny fomba tsara indrindra hanompoana.

Tsy antsoina na tohanana na atokana ireo rahalahy na rahavavy mpanompo. Tafiditra ao anatin’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ny batisany ny asa fanompoana ataon’izy ireo (jereo ny Môzià 18:8–11).

21.2.2

Fampiandraiketana fanompoana ho an’ny zatovo

Na dia mialoha ny handraisan’izy ireo asa ampiandraiketina eo amin’ny fanompoana aza, dia manompo ny hafa ny zatovo amin’ny alalan’ny fanompoana azy ireo amin’ny fomba tahaka ny an’i Kristy. Ny fanompoana ataon’ny zatovo iray amin’ny maha-rahavavy na rahalahy manompo azy dia afaka ny ho ampahany tena manan-danja ao anatin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

Afaka ny ho mpiara-manompo amin’ny rahavavy iray ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ny zatovovavy iray rehefa vonona sy afaka ny hanao izany izy. Afaka manomboka manompo izy amin’ny taona izay handraisany 14 taona. Mifampiresaka amin’ilay zatovovavy sy ny ray aman-dreniny ary ny fiadidian’ny Zatovovavy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana rehefa mandinika ireo asa ampiandraiketina eo amin’ny fanompoana izy ireo.

Fitahiana ho an’ny rahavavy iray matetika ny manana zatovovavy manompo azy. Afaka ny ho fitahiana ho an’ilay zatovovavy koa izany.

Miara-manompo amin’ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray ny zatovolahy iray rehefa voatendry ho amin’ny anjara fanompoan’ny mpampianatra na mpisorona izy. Ny eveka no mamaritra raha toa ilay zatovolahy ka mendrika sy vonona ny hotendrena. (Jereo ny 10.1.3.2.) Mifampiresaka amin’ilay zatovovavy sy ny ray aman-dreniny ary ny episkôpà ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona rehefa mandinika ireo asa ampiandraiketina eo amin’ny fanompoana izy ireo.

Ao anatin’ny toe-javatra sasany dia azo tendrena ho mpiara-manompo fahatelo ny zatovo. Azon’ny mpitarika tendrena ilay zatovo mba hanampy amin’ny fanompoana ny sasany na ireo olona sy fianakaviana nampiandraiketina an’ireo mpiara-manompo.

Ny zatovo dia tsy manana rahalahy na rahavavy mpanompo izay miandraikitra azy ireo. Mandray fiahiana avy amin’ny fanompoana ataon’ireo rahalahy mpanompo ny fianakaviany izy ireo. Manompo azy ireo koa ny fiadidian’ny kilasiny na ny kôlejiny ary ireo olon-dehibe mpitarika. Raha toa ka tsy mpikamban’ny Fiangonana ny ray aman-drenin’izy ireo nefa tsy manana olana amin’ny fandraisana fanompoana, dia afaka manendry rahalahy mpanompo mba hiandraikitra ilay fianakaviana ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona. Torak’izany koa, afaka manendry rahavavy mpanompo mba hiandraikitra ilay renim-pianakaviana ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana.

Ilay toromarika omen’ny Fiangonana hoe tokony hisy olon-dehibe tompon’andraikitra anankiroa miaraka amin’ny zatovo dia tsy mihatra amin’ny andraikitr’ireo mpiara-manompo. Ireo mpitarika kosa anefa dia tokony haneho fahendrena ary hikatsaka fanentanam-panahy rehefa manome andraikitra ireo zatovo mba hiara-hiasa amin’ireo olon-dehibe. Mitady tolo-kevitra avy amin’ny eveka koa izy ireo. Rehefa notendrena mba hiara-hanompo amina olona izay tsy rainy na reniny ilay zatovo, dia tokony hamafisin’ireo mpitarika fa tsy misakana an’ilay asa nampiandraiketina ny ray aman-dreniny.

Ireo olon-dehibe iarahana manompo dia tokony hisoroka toe-javatra izay mety hampiahiahy. Maneho fiahiana izy ireo ao anatin’ireo toe-javatra izay atrehan’izy ireo samirery. Manampy ny zatovo hiaina toe-javatra lavitry ny loza sy mitondra soa avy amin’ny fanompoana izy ireo.

Sary
zatovo mikarakara zaridaina

21.2.3

Misiônera manompo amin’ny fotoana feno

Afaka manampy amin’ny fanompoana ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno raha maneho fankatoavana izany ny filohan’ny misiôna. Afaka mangataka ny fankatoavany amin’ny alalan’ny filohan’ny tsatòka ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy. Amin’ny ankapobeny ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno dia tendrena hanompo ireo mpikambana vaovao sy ireo fianakaviana izay ny olona sasany ao aminy ihany no mpikambana ary ireo mpikambana malaindaina.

21.3

Dinidinika momba ny fanompoana

Nanao dinidinika tsotsotra nefa mifono hevitra lalina tamin’i Petera i Jesoa momba ny famahanana ny ondriny (jereo ny Jaona 21:15–17). Fotoana ahafahana manao izany ny dinidinika momba ny fanompoana. Manome fahafahana an’ireo mpitarika koa izany mba hampiseho ohatra momba ny fanompoana.

Ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny mpanolotsainy no manao dinidinika amin’ireo rahalahy mpanompo. Ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana sy ireo mpanolotsainy no manao dinidinika amin’ireo rahavavy mpanompo. Ny mpivady izay voatendry hiara-hanompo dia afaka mihaona na amin’ireo mpitarika ao amin’ny kôlejin’ny loholona na amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana na amin’izy roa.

Ireo dinidinika ireo dia atao farafahakeliny indray mandeha isaky ny telo volana. Azo tanterahina amin’ny fotoana izay mahamety azy izany mandritra ilay telo volana. Raha ny tena tsara dia atao mivantana ireo dinidinika ireo ary iarahan’ireo mpiara-manompo anankiroa. Ny zatovo izay manana asa iandraiketana eo amin’ny fanompoana dia tokony ho tafiditra ao anatin’izany.

Ireo dinidinika momba ny fanompoana dia tsy voatery ho lava be vao hoe mahomby. Ny tanjon’izy ireo dia:

  • Hifandinihana momba ireo tanjaka sy zavatra ilaina ary olan’ireo fianakaviana sy olona nampiandraiketina.

  • Hifanakalozana hevitra mikasika ireo fomba hanampiana ireo olona hiomana handray ireo ôrdônansy raha ilaina.

  • Handinihana ny fomba ahafahan’ireo kôlejin’ny loholona, ny Fikambanana Ifanampiana, sy ny filankevitry ny paroasy, ary ireo olona hafa manampy.

  • Hampianarana sy hamporisihana ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo.

Eny anelanelan’ireo dinidinika dia mifandray amin’ireo mpitarika ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo rehefa ilaina. Afaka mizara fampahalalana tsiambaratelo mivantana amin’ny eveka izy ireo.

Mampiasa ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers ireo mpitarika mba hanaovana ny tatitra mikasika ireo dinidinika momba ny fanompoana.

21.4

Fandrindrana ireo ezaka atao mahakasika ny fanompoana

Ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kolejin’ny fisoronana dia mizara ny asa mahakasika ny fanompoana. Manao ity asa ity ao anatin’ny firaisan-kina izy ireo.

Mihaona farafahakeliny isan-telo volana ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona. Mamerina mandinika ny zavatra nianarany nandritra ny dinidinika momba ny fanompoana izy ireo (jereo ny 21.3). Mandrindra ireo asa ampiandraiketina eo amin’ny fanompoana koa izy ireo. Mifampizara ny andraikitra amin’ny fandaminana sy fitarihana ilay fivoriana ireo filoha anankiroa.

Any amin’ireo rantsana izay ahitana mpikambana mavitrika vitsy, dia afaka manapa-kevitra ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy kôlejin’ny loholona ny tsy hanendry rahavavy mpanompo no tsy hanendry rahalahy mpanompo hiandraikitra mpikambana sasantsasany. Miaraka mandray izany fanapahan-kevitra izany ireo mpitarika ary mangataka fankatoavana any amin’ny eveka. Raha rahavavy mpanompo ihany no notendrena hiandraikitra rahavavy iray fa tsy nasiana rahalahy mpanompo, dia manao izay hananany olona iray ireo mpitarika izay afaka manome azy tsodranon’ny fisoronana.

Miara-mihaona amin’ny eveka isaky ny telo volana farafahakeliny ireo filohan’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny an’ny kôlejin’ny loholona. Miresaka mikasika ireo zavatra ilain’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy izy ireo. Miresaka koa mikasika ireo fiovana mety hisy ao anatin’ireo asa ampiandraiketina eo amin’ny fanompoana izy ireo.

Raha ilaina, dia resahan’ireo filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana mandritra ny filankevitry ny paroasy izay fampahalalana nozarain’ireo rahavavy sy rahalahy mpanompo. Rehefa manao izany izy ireo dia manaja ny fangatahan’ireo mpikambana mba hihazona tsiambaratelo. Araka izay handrindran’ny eveka azy no hamolavolan’ny mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy ireo drafitra hanompoana sy hitahiana ireo mpikambana ao amin’ny paroasy. Miresaka mikasika ny fanompoana koa ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy (jereo ny 29.2.6).