Boky torolalana sy antso
20. Fiaraha-mientana


“20. Fiaraha-mientana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“20. Fiaraha-mientana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
zatovovavy mampiasa fantsona fitifirana amin’ny rano

20.

Fiaraha-mientana

20.1

Tanjona

Ireo fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana dia mampivondrona ireo mpikamban’ny Fiangonana sy ny hafa ho toy ny “mpiray fanjakana amin’ny olona masina” (Efesiana 2:19). Mety ahitana izao manaraka izao ireo tanjona hanaovana fiaraha-mientana:

  • Manorina finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Manome fahafinaretana sy manatsara ny firaisan-kina.

  • Manome fahafahana hivoaran’ny tena manokana.

  • Mampatanjaka ny tsirairay sy ny fianakaviana.

  • Manampy ireo mpikambana handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny 1.2).

Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’ireo fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana:

  • Asa fanompoana mitahy ny hafa sy manorina ny fifandraisana eo anivon’ny fiarahamonina.

  • Asa fitoriana, asa atao any amin’ny tempoly, ary fanaovana tantaram-pianakaviana.

  • Fahafahana manovo fahaiza-manao momba ny fizakan-tena sy ny fahaiza-mitarika.

  • Fanabeazana sy fiofanana arak’asa.

  • Fiaraha-mientana eny ankalamanjana.

  • Fahafahana mampitombo talenta sy fankafizana ireo zavakanto ara-kolontsaina.

  • Fanatanjahantena sy fitaizam-batana.

  • Fankalazana fotoana miavaka toy ny andro fety na ireo fotoana miavaka teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana na ny tantara eo an-toerana.

Ato amin’ity boky torolalana ity, ny fampiasana ny teny hoe fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana dia entina ilazana fiaraha-mientana iray tohanan’ny rantsana, na ny kôlejy, na ny rafitra iray ao amin’ny Fiangonana.

20.2

Fandaminana ireo fiaraha-mientana

Alohan’ny handaminana fiaraha-mientana iray dia tokony hihevitra ireo zavatra ara-panahy sy ara-nofo ilain’ny mpikambana ireo mpitarika. Mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy ireo mpitarika rehefa manapa-kevitra hoe karazana fiaraha-mientana toy ny ahoana no ahafahana miatrika an’ireo zavatra ilaina ireo.

20.2.1

Andraikitra amin’ny fandaminana ireo fiaraha-mientana

Raha te hahalala mikasika ny fanomanana ireo fiaraha-mientana ataon’ny tsatòka sy ireo tsatòka mitambatra dia jereo ny 20.3.

Azo omanina amin’ny iray amin’ireto fomba manaraka ireto ireo fiaraha-mientana eo anivon’ny paroasy arakaraka ny filàna eo an-toerana:

  • Afaka manara-maso ilay fanomanana ny filankevitry ny paroasy.

  • Afaka manendry rafitra manokana ny filankevitry ny paroasy hanampy amin’ny fanomanana fiaraha-mientana iray na maromaro.

  • Raha ilaina ary ampy tsara ny isan’ny mpikambana dia afaka manangana kômity misahana ny fiaraha-mientana eo anivon’ny paroasy ny episkôpà. Azo antsoina ho mpikambana ao amin’ny kômity ny zatovo. Miasa eo ambany fitarihan’ny filankevitry ny paroasy io kômity io. Manendry ny iray amin’ireo mpikambana ao aminy ny filankevitry ny paroasy mba hifandray tsy tapaka amin’ny kômity misahana ny fiaraha-mientana.

Ho fampahalalana mikasika ny fanomanana ireo fiaraha-mientan’ny zatovo eo anivon’ny paroasy dia jereo ny 10.2.1.3 sy ny 11.2.1.3.

20.2.2

Fanasana ny rehetra handray anjara

Ireo izay manomana fiaraha-mientana dia tokony hanatona ny rehetra, indrindra fa ireo mpikambana vaovao, ireo mpikambana malaindaina, ireo zatovo, ireo tanora tokan-tena, ireo olona manana fahasembanana, ary ireo olona hafa finoana. Tokony hahafantatra ireo sakana ara-batana misy eo amin’ireo mpandray anjara ireo olona mpanomana ny fiaraha-mientana. Tokony hahalala tsara ny fahasamihafan’ny kolontsaina sy ny fiteny ihany koa izy ireo.

Mitady fomba hampandraisana anjara ireo mpanatrika ny fiaraha-mientana ireo olona mpanomana ny fiaraha-mientana. Ohatra, afaka manasa mpikambana sy olona hafa izy ireo hampiasa ny fahaiza-manaony sy ny talentany mandritra ilay fiaraha-mientana.

Na dia mety ho fitahiana aza ny fiarahana mivory amin’ireo fiaraha-mientana dia tsy tokony hatao mahatsapa ho voatery hanatrika ny fiaraha-mientana rehetra ny mpikambana. Tsy tokony hitondra vesatra tsy ilaina eo amin’ireo mpitarika sy ny mpikambana ireo fiaraha-mientana.

20.2.3

Ireo fenitra

Ny fiaraha-mientan’ny Fiangonana dia tokony hampahery sy hanamafy ireo zavatra izay “mendrika, maha-te ho tia, tsara na mendri-piderana” (Fanekem-pinoana 1:13). Tsy tokony hahitana zavatra mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Fiangonana ao anatin’ireo fiaraha-mientana. Tsy tokony hahitana haino aman-jery na fialam-boly hafa izay mahatonga ny zavatra tsy mendrika ho toy ny azo ekena ao anatin’ireo fiaraha-mientana.

Raràna ny fampiasana zavatra mifanohitra amin’ny tenin’ny fahendrena mandritra ireo fiaraha-mientan’ny Fiangonana na ao amin’ireo faritry ny Fiangonana. Ireo olona izay vao avy nisotro zava-pisotro misy alikaola na zava-mahadomelina hafa dia tsy tokony handray anjara amin’ireo fiaraha-mientan’ny Fiangonana. Raha mitranga ny toe-javatra toy izany dia tokony handray andraikitra amim-pangorahana ireo mpitarika.

20.2.4.

Fampifandanjana sy karazany

Manomana fiaraha-mientana mifandanja tsara ireo mpitarika, izay ahitana fanaovana asa fanompoana, zavakanto ara-kolontsaina, ary fanatanjahantena (jereo ny 20.1). Tokony hanana fahafahana ireo mpikambana hanohana amin’ny zavatra izay mahaliana ny hafa. Tokony hanampy ny hafa amin’ny zavatra mahaliana azy ireo koa izy ireo.

Ireto fizarana manaraka ireto dia manome ohatra amin’ireo fiaraha-mientana tsara.

20.2.4.1

Asa fanompoana

Ny fiaraha-mientana fanaovana asa fanompoana dia manome fahafahana haneho fitiavana ny hafa sy hahatsapa ny fifaliana avy amin’ny fanampiana azy ireo ary hampivoatra ny fiarahamonina.

Ireo fiaraha-mientana ireo dia mety ahitana famangiana ireo olona marary na manirery, fanatsarana ny endrik’ireo trano fiangonana sy ireo tokotanim-piangonana, ary fandraisana anjara amin’ireo tetikasa eo anivon’ny fiarahamonina. Any amin’ny toerana misy izany ny JustServe.org dia manolotra soso-kevitra ho an’ny fanompoana eo anivon’ny fiarahamonina.

Tokony hanaraka ireo toromarika momba ny fiarovana amin’ny loza ireo fiaraha-mientana hanaovana asa fanompoana (jereo ny 20.7.6.1

20.2.4.2

Zavakanto ara-kolontsaina

Ireo fiaraha-mientana momba ny zavakanto ara-kolontsaina dia manome fahafahana ireo mpikambana hampitombo sy hizara ny talentany. Ireo fiaraha-mientana ireo dia mamporisika ihany koa ny fahaiza-mamorona, ny fahatokian-tena, ary ny fiaraha-miasa. Mety ho hita ao anatin’izany ny fampirantiana haikanto sy asa tanana, fampisehoana talenta na dihy sy hira ary filalaovana tantara. Mety ho hita ao anatin’izany ihany koa ny fankalazana kolontsaina, fety, na zava-manan-danja eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana eo an-toerana na maneran-tany.

Sary
vehivavy iray manjaitra

20.2.4.3

Fialam-boly, fahasalamana, fitaizam-batana, ary fanatanjahantena

Ny mpikambana, na ny isam-batan’olona izany na ny fianakaviana na ireo vondrona ao amin’ny Fiangonana, dia amporisihina handray anjara amin’ireo fiaraha-mientana izay manatsara ny fahasalamana sy ny toe-batan’izy ireo. Azo atao ny manomana fiaraha-mientana mampiala voly ao amin’ny Fiangonana mba hahafahan’ireo olona ao amin’ny fianakaviana miara-mandray anjara.

Raha te hahalala kokoa mikasika ireo fiaraha-mientana momba ny fanatanjahantena dia jereo ny 20.5.9.

20.2.5.

Fandrindrana ny fotoana hanaovana ireo fiaraha-mientana

Tokony homanina mialoha araka izay azo atao ireo fiaraha-mientan’ny Fiangonana. Mampahafantatra ireo fiaraha-mientana ho an’ny ankizy sy ny zatovo amin’ireo ray aman-dreny ny mpitarika.

Tokony hatao amin’ny ora mety tsara amin’izany ireo fiaraha-mientana. Tokony hifarana aloha tsara izany mba hahafahan’ireo mpandray anjara mody soa aman-tsara.

Raha ho atao ao amin’ny trano fiangonana iray ny fiaraha-mientana iray, na ao amin’ny trano hafa an’ny Fiangonana, dia tokony hofandrihina mialoha ilay trano mba hisorohana ny fifanontonana eo amin’ny fandaminana ny fotoana.

Ny alatsinainy hariva dia natokana ho an’ny fiaraha-mientan’ny mpianakavy (jereo ny 20.5.3).

20.2.6.

Ny famatsiam-bola ho an’ireo fiaraha-mientana

Tokony ho tsotra sy tsy dia mandany vola na tsy hampiasana vola mihitsy aza ny ankamaroan’ireo fiaraha-mientana. Ny fandaniana rehetra amin’izany dia tsy maintsy ahazoana fankatoavana mialoha avy amin’ny episkôpà na ny fiadidian’ny tsatòka.

Tsy tokony hiantoka ny saran’ny fandaniana raha ny mahazatra ireo mpikambana mba hanatrehany ireo fiaraha-mientana. Raha te hahalala ireo fitsipika sy torolalana momba ny famatsiam-bola ireo fiaraha-mientana dia jereo ny 20.6.

20.3

Ireo fiaraha-mientana ataon’ny tsatòka sy ataon’ireo tsatòka mitambatra ary ataon’ny vondrom-paritra

20.3.1

Torolalana ankapobeny

Ny ankamaroan’ireo fiaraha-mientana ato amin’ny Fiangonana dia atao eo anivon’ny paroasy. Amporisihina ihany koa ireo mpitarika mba hanao fiaraha-mientana matetika eo anivon’ny tsatòka sy ireo tsatòka mitambatra rehefa hanampy amin’ny fanatanterahana ireo tanjona ao amin’ny 20.1 ny fiaraha-mientana toy izany.

Hahitan’ireo zatovo sy ireo mpikambana tokan-tena ary vehivavy tombotsoa manokana ireo fiaraha-mientana eo anivon’ny tsatòka sy ireo tsatòka mitambatra, indrindra fa any amin’ireo faritra izay ahitana mpikambana vitsy. Ireo fiaraha-mientana eo anivon’ny tsatòka sy ireo tsatòka mitambatra voaomana tsara dia afaka manome an’ireo mpikambana sehatra lehibe kokoa ho an’ny finamanana. Mamantatra ny zavatra ilain’ireo izay tompoiny ireo mpitarika ary mandinika raha toa ka hanome ireo zavatra ilaina ireo ny fiaraha-mientana toy izany. Dia manolotra ireo fiaraha-mientana amin’ny fiadidian’ny tsatòka ireo mpitarika avy eo.

20.3.2

Fiaraha-mientana eo anivon’ny tsatòka

Ireo fiadidian’ny Zatovolahy, ny an’ny Zatovovavy, ny an’ny Fikambanana Ifanampiana, ary ny an’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka no manomboka ny dingana fandaminana ireo fiaraha-mientana eo anivon’ny tsatòka ho an’ireo rafitra misy azy ireo.

Ny kômitin’ny tanora tokan-tena eo anivon’ny tsatòka no manomboka ireo dingana amin’ny fandaminana ireo fiaraha-mientana eo anivon’ny tsatòka ho an’ny tanora tokan-tena.

Raha misy kômitin’ny olon-dehibe tokan-tena eo anivon’ tsatòka naorina, dia manomboka ny dingana handaminana ireo fiaraha-mientana ho an’ny olon-dehibe tokan-tena ny mpikambana ao amin’ilay kômity.

Raha misy ny fananganana kômitin’ny fiaraha-mientana ao amin’ny tsatòka, dia afaka manampy amin’ny fandaminana ireo fiaraha-mientana eo anivon’ny tsatòka izy ireo sy ho loharanon-kevitra ho an’ireo rafitra eo anivon’ny tsatòka amin’ny fandaminana ny fiaraha-mientana ataon’izy ireo araka ny voalaza ao amin’ny 20.3.2.1.

Ilàna ny fankatoavan’ny fiadidian’ny tsatòka ny fiaraha-mientana rehetra eo anivon’ny tsatòka. Arindra mandritra ireo fivorian’ny filankevitry ny tsatòka izy ireo.

Mampahafantatra mialoha be ireo fiaraha-mientana eo anivon’ny tsatòka amin’ireo mpitarika ao amin’ny paroasy ireo mpitarika ao amin’ny tsatòka. Maka antoka ihany koa izy ireo fa mifameno amin’ireo fiaraha-mientana eo anivon’ny paroasy ireo fiaraha-mientana eo anivon’ny tsatòka fa tsy mifaninana amin’izany.

20.3.2.1

Ny kômitin’ny fiaraha-mientana ao amin’ny tsatòka

Ny fiadidian’ny tsatòka dia mahazo manorina kômitin’ny fiaraha-mientana ao amin’ny tsatòka mba hanampiana ny filankevitry ny tsatòka handamina ireo fiaraha-mientana eo anivon’ny tsatòka. Ny kômitin’ny fiaraha-mientana ao amin’ny tsatòka dia ahitana filoha (mpikambana ao amin’ny filankevitra avo iray), sy ireo mpikambana ao amin’ny kômity (jereo ny 20.3.2.2 sy ny 20.3.2.3). Azon’ny fiadidian’ny tsatòka atao ihany koa ny manasa mpikambana hafa hanampy amin’ny fandaminana fiaraha-mientana iray na maromaro.

20.3.2.2

Ny filohan’ny kômitin’ny fiaraha-mientana ao amin’ny tsatòka

Raha manorina kômitin’ny fiaraha-mientana ao amin’ny tsatòka ny fiadidian’ny tsatòka dia manendry mpikambana ao amin’ny filankevitra avo iray izy ireo mba ho filohan’ilay kômity. Mety ahitana izao manaraka izao ny andraikitra sahaniny:

  • Mitantana tetiandron’ireo fiaraha-mientana eo anivon’ny tsatòka.

  • Miahy ireo mpikambana ao amin’ny kômity amin’ny fandaminana ireo fiaraha-mientana eo anivon’ny tsatòka.

  • Manolotra tetibola voalaza amin’ny antsipiriany ho an’ireo fiaraha-mientana eo anivon’ny tsatòka amin’ny fiadidian’ny tsatòka alohan’ny fiantombohan’ny taona tsirairay. Tsy tafiditra ao amin’io tetibola io ireo fiaraha-mientana natao ho an’ireo rafitra tsirairay eo anivon’ny tsatòka.

  • Loharanon-kevitra ho an’ireo mpitarika ny rafitra eo anivon’ny tsatòka rehefa manomana fiaraha-mientana izy ireo.

20.3.2.3

Ireo mpikambana ao amin’ny kômitin’ny fiaraha-mientana ao amin’ny tsatòka

Afaka miantso mpikambana hanompo ao amin’ny kômitin’ny fiaraha-mientana ao amin’ny tsatòka ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay voatendry. Manompo eo ambany fitarihan’ny filohan’ilay kômity izy ireo. Manampy amin’ny fanomanana sy ny fandaminana ireo fiaraha-mientana ao amin’ilay tsatòka ireo mpikambana ao amin’ny kômity.

20.3.3

Fiaraha-mientana ataon’ireo tsatòka mitambatra sy an’ny vondromparitra

Any amin’ireo faritra izay vitsy ny zatovo ao aminy, dia tokony hanao matetika fiaraha-mientana ho an’ny zatovo ataon’ny tsatòka mitambatra ireo mpitarika mba hahafahan’ny zatovo mahazo tombontsoa avy amin’ny fifaneraserana ao anatina vondron’olona maro. Azo atao tsindraindray ihany koa ny fiaraha-mientana eo anivon’ny vondromparitra ho an’ny zatovo.

Tokony hisy ny fanaovana matetika fiaraha-mientana ataon’ny tsatòka mitambatra ho an’ny tanora tokan-tena any amin’ny toerana fiaraha-mivory izay tsy mitaky fotoana na fandaniana be loatra. Azo atao tsindraindray ihany koa ny fiaraha-mientana ho an’ny tanora tokan-tena eo anivon’ny vondromparitra.

Mba hahazoana fampahalalana momba ireo fiaraha-mientana ataon’ny tsatòka mitambatra ho an’ny mpikambana tokan-tena, dia jereo ny 14.2.1.3.

Tokony ho tsotra sy isan-karazany ireo fiaraha-mientana ataon’ny tsatòka mitambatra.

Raha mahatsapa ireo filohan’ny tsatòka fa hitondra tombontsoa ho an’ireo mpikambana ao amin’ny tsatòkany ny fiaraha-mientana iray ataon’ny tsatòka mitambatra dia azon’izy ireo atao ny miera amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Alohan’ny hanolorana fiaraha-mientana ataon’ny tsatòka mitambatra dia tokony hanapa-kevitra ireo filohan’ny tsatòka raha toa ka izay no fomba tsara indrindra hanomezana ireo zavatra ilaina izay hitan’izy ireo. Ireo filohan’ny tsatòka dia mihevitra ny fandaniana sy ny fotoana ary ny dia atao izay takin’ilay fiaraha-mientana. Dinihin’izy ireo koa ny lafiny fiarovana (jereo ny 20.7.6).

Azo atao aloha na aorian’ny fivorian’ny filankevitry ny vondromparitra sy ny filankevitra fandrindrana ireo fivoriana handrindrana ny fandaminana ireo fiaraha-mientana ataon’ny tsatòka mitambatra (jereo ny 5.2.3 sy ny 5.2.4). Raha ilaina dia azo asaina mba hanatrika izany ireo mpitarika hafa, ka isan’izany ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny an’ny Zatovolahy ary ny an’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka.

Ny Fiadidian’ny Vondromparitra dia afaka manendry ny filohan’ny tsatòka na ny Fitopololahin’ny Vondromparitra mba hitarika ireo kômity izay manomana sy manatanteraka ireo fiaraha-mientana ataon’ireo tsatòka mitambatra na eo anivon’ny vondromparitra. Afaka miantso ireo mpikambana ao amin’ny tsatòkany ireo fiadidian’ny tsatòka mba hanompo ao amin’ireo kômity ireo.

Ny famatsiam-bola ho an’ny ankamaroan’ireo fiaraha-mientana ataon’ny tsatòka mitambatra dia azo avy amin’ireo famatsiam-bola avy amin’ireo tsatòka mpandray anjara. Ny famatsiam-bola ho an’ireo fiaraha-mientana eo anivon’ny vondromparitra dia mety ho azo avy amin’ny teti-bolan’ny vondromparitra na ny foiben’ny Fiangonana rehefa nahazoana lalana.

20.3.4

Manaraka ireo fitsipiky ny Fiangonana mikasika ny fanaovana dia lavitra

Ireo fiaraha-mientana eo anivon’ny tsatòka sy ny tsatòka mitambatra ary ny vondromparitra dia tokony hanaraka ireo fitsipiky ny Fiangonana mikasika ny fanaovana dia lavitra (jereo ny 20.7.7). Ny dia atao amin’ireo fihaonambe HZM dia tokony hanaraka ireo fitsipiky ny Fiangonana mikasika ny fanaovana dia lavitra raha tsy hoe manome torolalana hafa an’ireo mpitarika eto an-toerana ny tompon’andraikitra iray amin’ny HZM.

Sary
olona miresaka

20.4

Ny fihaonamben’ny Zatovo

Manomboka ny janoary amin’ny taona izay mahafeno 14 taona azy ireo, ny zatovolahy sy ny zatovovavy dia asaina hiara-handray anjara amina fihaonamben’ny zatovo iray. Ireo fihaonamben’ny zatovo mazàna dia atao indray mandeha isan-taona eo anivon’ny paroasy na ny tsatòka. Azo atao eo anivon’ny tsatòka mitambatra na vondrom-paritra ihany koa izy ireo. Tsy tokony hanao fihaonamben’ny zatovo ny tsatòka sy ny paroasy ao anatin’ny taona iray izay hanomezana andraikitra ny zatovo hanatrika fihaonambe HZM iray.

Ny tanjon’ny fihaonamben’ny zatovo dia ny hanampy ny zatovo:

  • Hanorina finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona.

  • Hampitombo talenta.

  • Hahazo namana vaovao.

  • Hiara-hiala voly amin’ireo zatovo hafa izay mitovy finoana sy fenitra arahana aminy.

Afaka mianatra ny fahaiza-mitarika ihany koa ny zatovo rehefa manampy amin’ny fanomanana ireo fihaonamben’ny zatovo.

Ireo fihaonamben’ny zatovo eo anivon’ny paroasy dia omanina sy tanterahin’ny kômitin’ny zatovo ao amin’ny paroasy, eo ambany fitarihan’ny episkôpà (jereo ny 29.2.6). Maka ny fankatoavan’ny fiadidian’ny tsatòka ny episkôpà amin’ny ny drafitra hanaovana ny fihaonamben’ny zatovo.

Ireo fihaonamben’ny zatovo eo anivon’ny tsatòka dia omanina sy tanterahin’ny kômitin’ny mpitarika ny zatovo eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 29.3.10). Tokony hasaina ireo zatovo hanampy ny kômity araka izay vitany.

Ny teti-bolan’ny tsatòka na ny an’ny paroasy no hamatsiana vola ireo fihaonamben’ny zatovo. Tsy tokony hangatahana hiantoka ny fandaniana amin’ny fihaonamben’ny zatovo ireo mpikambana (jereo ny 20.6).

Rehefa manomana fihaonamben’ny zatovo ireo mpitarika sy ireo zatovo dia tokony hanaja ireo fitsipika ato amin’ity fizarana ity sy ireto torolalana manaraka ireto izy ireo:

  • Misafidy lohahevitra iray ao amin’ny filazantsara, toy ny soratra masina, izay hanazava ny saina amam-panahin’ireo zatovo sy hanampy azy ireo hahatakatra ny zavatra andrasana amin’izy ireo avy amin’ilay fihaonambe. Azo ampiasaina ho lohahevitr’ilay fihaonambe ny fanevan’ny zatovo isan-taona ao amin’ny Fiangonana. Tokony hanome fankatoavana ilay lohahevitra ny episkôpà na ny fiadidian’ny tsatòka.

  • Manomana fiaraha-mientana mifanaraka amin’ilay lohahevitra.

  • Mahazo fankatoavana avy amin’ny episkôpà na ny fiadidian’ny tsatòka ho an’ireo mpanao lahateny sy ireo zavatra atao rehetra. Tokony ho mpikamban’ny Fiangonana izay mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy ireo mpanao lahateny. Jereo ny 38.8.18 raha te hahita torolalana hafa momba ireo mpanao lahateny.

  • Raha nomanina hatao ny alahady ny hetsika iray dia tokony hifanaraka amin’ny andro Sabata izany. Azo atao ny fivoriana fijoroana ho vavolombelona, ny fifanakalozan-kevitra atao miaraka amin’ny episkôpà, na ireo fivoriana mitovy amin’izany. Ny fivoriana fanasan’ny Tompo anefa dia tsy azo atao, ary ny fanasan’ny Tompo dia tsy azo atao any ivelan’ireo trano fiangonana ao amin’ny paroasy na ny tsatòka. Izay mety ho tranga maningana dia tsy maintsy ho ana fiaraha-mientana tohanan’ny Fiangonana ary tsy maintsy ahazoana fankatoavana avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Tsy tokony hisy dia lavitra mankany na avy any amin’ny fihaonamben’ny zatovo ataon’ireo vondrona amin’ny andro Alahady.

  • Alaivo antoka fa misy olon-dehibe mpanara-maso araka ny tokony ho izy manatrika izany amin’ny fotoana rehetra (jereo ny 20.7.1).

  • Araho ireo torolalana momba ny fiarovana amin’ny loza rehetra ao amin’ny 20.7.6.

Asaina hanatrika ilay fihaonambe araka izay azony atao ireo olon-dehibe mpitarika. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpikambana ao amin’ny episkôpà na ny fiadidian’ny tsatòka, ny fiadidian’ny Zatovovavy eo anivon’ny paroasy na ny an’ny tsatòka, ary ny fiadidian’ny Zatovolahy eo anivon’ny tsatòka. Azo asaina hanatrika izany koa ireo mpanoro hevitra ao amin’ny Zatovovavy sy ny Zatovolahy.

20.5

Fitsipika sy torolalana momba ny fisafidianana sy ny fandaminana ireo fiaraha-mientana

Ireo mpitarika dia maka antoka fa hajaina mandritra ny fisafidianana sy ny fandaminana ireo fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana ireto fitsipika sy torolalana manaraka ireto.

20.5.1

Ireo hetsika ara-barotra sy ara-pôlitika

Raràna ireo hetsika atao noho ny antony ara-barotra na ara-pôlitika (jereo ny 35.5.6.1 sy ny 35.5.6.3).

20.5.2

Fandihizana sy hira

Mandritra ireo fandihizana rehetra dia tokony hitondra anjara biriky amin’ny famoronana tontolo iray ahafahan’ny Fanahin’ny Tompo manatrika eo ny fomba fitafy, ny endrika ivelany, ny jiro hanazavana, ny fomba fandihy, ny tonon-kira, ary ny feon-kira (jereo ny bokikely Ho zatovo mahery!).

Mampiasa ilay taratasy fenoina Performance Contract (Fifanarahana mikasika ny filalaovana na fanehoana zavakanto) ireo mpitarika rehefa maka tarika mpihira, na rodoben-javamaneno, na disc jockey. Io fifanarahana io dia manampy amin’ny fakana antoka fa mety amin’ireo fandihizana ao am-piangonana ny fihetsika aseho sy ny hira. Ny mpitarika dia manao fifanarahana an-tsoratra mazava izay hanaovan’ireo mpandefa hira fanolorantena hanaraka ireo fitsipiky ny Fiangonana mandritra ireo fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana.

20.5.3.

Alatsinainy hariva

Amporisihina ireo mpikambana hanao fiaraha-mientan’ny mpianakavy isaky ny alatsinainy na amin’ny fotoana hafa. Tsy tokony hisy fiaraha-mientana, na fivoriana, na fotoam-bavaka amin’ny batisa ataon’ny Fiangonana aorian’ny amin’ny 6 ora hariva isaky ny alatsinainy.

Ireo mpitarika dia maka antoka fa mihidy ireo tranon’ny Fiangonana sy ireo trano hafa rehefa alatsinainy hariva. Tsy azo atao ny mikarakara lanonana na hetsika mitovy amin’izany ao amin’ireo tranon’ny Fiangonana rehefa alatsinainy hariva.

Ho tranga maningana, dia afaka manao fiaraha-mientana ny alatsinainy hariva ny tanora tokan-tena eo anivon’ny paroasy sy ny olon-dehibe tokan-tena eo anivon’ny paroasy, tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana izany ao amin’ireo tranon’ny Fiangonana. Azo atao tranga maningana ihany koa rehefa mitontona alatsinainy ny alin’ny faran’ny taona (jereo ny 20.5.4).

20.5.4

Fiaraha-mientana amin’ny alin’ny faran’ny taona

Raha manomana fiaraha-mientana amin’ny alin’ny faran’ny taona ny paroasy na ny tsatòka, ary raha mitontona sabotsy, alahady, na alatsinainy ny alin’ny faran’ny taona, dia tokony hanaja ireto torolalana manaraka ireto ny mpitarika.

Sabotsy. Mahazo manomana alahady iray hafa ny filohan’ny tsatòka mba hanajana ny andron’ny fifadian-kanina. Azo tohizana mihoatra ny misasakalina ilay fiaraha-mientana. Kanefa tokony hifarana vetivety aorian’izay ilay izy mba hahafahan’ireo mpandray anjara manatrika ireo fivoriana alahady.

Alahady. Azo atao ny manomana fiaraha-mientan’ny Fiangonana hatao ny sabotsy faha-30 desambra. Mihatra ireo torolalana ao amin’ilay andiam-pehezan-teny etsy ambony. Azo amporisihina hankalaza ny faran’ny taona any an-tokantranony ireo fianakaviana. Tokony ho mety tsara amin’ny andro Sabata ireo fiaraha-mientana.

Alatsinainy. Afaka manome lalana ny hampiasana ireo tranon’ny Fiangonana ny alatsinainy alina ny filohan’ny tsatòka na ny eveka.

20.5.5

Ireo fiaraha-mientana atao amin’ny alina

Takina ny fanomezan-dalana avy amin’ny ray aman-dreny na ireo mpiantoka ho an’ireo fiaraha-mientana rehetra amin’ny alina izay handraisan’ny zatovo anjara (jereo ny 20.7.4).

Ireo fiaraha-mientana amin’ny alina ataon’ny Fiangonana ho an’ireo vondrona zatovolahy sy zatovovavy mitambatra dia tsy maintsy ahazoana lalana avy amin’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka. Mitombina ihany koa izany ho an’ireo fiaraha-mientana ho an’ireo mpikambana tokan-tena lahy sy vavy. Tokony ho mahalana ny fiaraha-mientana toy izany. Isan’ny ohatra amin’izany ireo fihaonamben’ny zatovo, ireo fihaonambe HZM, na ny fankanesana any amin’ny tempoly izay mitaky ny hanaovana dia lavitra.

Tokony hisaraka ny trano hatorian’ireo lehilahy sy vehivavy, na mpandray anjara izany na mpitarika. Kanefa afaka mitambatra efitrano na trano lay ny mpivady. Tokony hanana ny fandriany na ny lasaka fatoriany azy manokana ny zatovo tsirairay.

Amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia tsy miara-mitoetra amin’olon-dehibe ao amin’ny trano lay na efitrano iray ny zatovo iray raha tsy hoe ray aman-dreniny na mpiantoka azy ilay olon-dehibe. Azo ekena ny tranga maningana raha toa ka misy olon-dehibe roa farafahakeliny ao amin’ilay trano lay na ilay efitrano, izay samy lehilahy raha lahy ilay zatovo ary samy vehivavy raha vavy ilay zatovo.

Raha toa ka miara-mitoetra ao amin’ny trano iray mandritra ny alina ireo olon-dehibe mpitarika sy ireo zatovo, ohatra hoe trano falafa, dia tsy maintsy misy olon-dehibe roa farafahakeliny ao anatin’ny trano tsirairay, ary tsy maintsy lahy raha toa ka lahy ireo zatovo ary vavy raha toa ka vavy ireo zatovo miray toerana aminy.

Ny fiaraha-mientana rehetra ataon’ny Fiangonana amin’ny alina dia tsy maintsy ahitana olon-dehibe mpitarika miisa roa farafahakeliny.

Tsy maintsy misy olon-dehibe mpihazona ny fisoronana ampy isa tsara manatrika amin’ny fotoana rehetra mandritra ireo fiaraha-mientana atao amin’ny alina mba hanampy sy hiaro. Amin’ireo fiaraha-mientan’ny Zatovovavy dia tsy maintsy misara-toerana amin’ireo Zatovovavy ireo mpihazona ny fisoronana.

Mameno taratasy iray antsoina hoe Event and Activity Plan form (taratasy fanaovana drafitra momba ny hetsika sy ny fiaraha-mientana) ireo mpitarika.

Voarara ny fanaovana fiaraha-mientana amin’ny alina ao amin’ireo trano fiangonana na ny tokotanim-piangonana.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny “FAQ – Que dois-je faire ?” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

20.5.6.

Filalaovana eo amin’ny toeran’Ny Andriamanitra

Tsy azo atao ny milalao eo amin’ny toeran’ Andriamanitra Ray sy ny Fanahy Masina mandritra ireo fivoriana, na tantara an-tsehatra, na fanaovana hira an-tsehatra.

Raha lalaovina an-tsehatra ny toeran’ny Mpamonjy dia tsy maintsy amim-panajana lalina sy amim-boninahitra no hanaovana izany. Lehilahy manana toetra mendrika ihany no tokony ho heverina hilalao eo amin’izany toerana izany. Tsy tokony hihira na handihy ilay olona milalao eo amin’ny toeran’ny Mpamonjy. Rehefa miteny izy dia tokony ho teny mivantana notsongaina tao amin’ny soratra masina izay nolazain’ny Mpamonjy ihany no holazainy. Raha vantany vao mifarana ilay filalaovana an-tsehatra dia tokony hanolo avy hatrany ny fitafiny amin’ny fitafy mahazatra izy.

Tsy azon’ny ankizy lalaovina an-tsehatra ny toeran’ny Mpamonjy afa-tsy amin’ny fanehoana ny fotoana nahaterahan’ny Mpamonjy ihany.

20.5.7

Ireo vavaka sy vatsim-panahy ao anatin’ireo fiaraha-mientana

Ny fiaraha-mientana tsirairay dia tokony hatomboka amin’ny alalan’ny vavaka, ary rehefa mety ny hanaovana izany, dia faranana amin’ny vavaka. Azo ampidirina ao anatin’izany ny hira iray ao amin’ny fihirana, na vatsim-panahy, na fanamarihana ataon’ny mpitarika iray na ny mpandray anjara iray.

20.5.8

Ny fitandremana ny andro Sabata

Tsy misy lasy, na hetsika ara-panatanjahantena, na hetsika fialana voly ataon’ny Fiangonana azo atao ny alahady. Tsy tokony handeha any amin’ny filasiana na ny fihaonamben’ny zatovo, na hiverina hody avy amin’izany koa ireo vondron-jatovo sy ny hafa rehefa alahady.

Ho tranga maningana, rehefa olana goavana ny lafiny fiarovana sy ny saran’ny dia atao, dia azo atao avy hatrany aorian’ireo fivoriam-bavaka ny alahady ny fiaraha-mientana sasany ataon’ny zatovo. Tokony hiavaka tsara amin’ny fivoriana fanao isaky ny alahady ireo fiaraha-mientana ireo. Tokony hifanaraka amin’ny toe-panahy manaja ny Sabata izy ireny. Ilàna fankatoavana avy amin’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka izany.

20.5.9

Fanatanjahantena

Ireo hetsika ara-panatanjahantena ataon’ny Fiangonana dia manome fahafahana hanao hetsika ara-batana sy fiarahana amin’ny namana. Manamafy ny fandraisana anjara sy ny toe-tsaina mahay manindry fo ary ny fampivelarana ny fahaiza-manao izany. Rehefa ahitana fifaninanana ao anatin’ny fiaraha-mientana dia tokony atao ny ezaka rehetra hisorohana ny fifandirana. Tokony hanana fahafahana hilalao daholo ireo olona rehetra ao anatin’ny ekipa na manao ahoana na manao ahoana ny fahaiza-manao ananany.

Ny fiadidian’ny tsatòka no manara-maso ireo hetsika ara-panatanjahantena izay tohanan’ny tsatòkany. Izy ireo dia mametraka ihany koa toromarika izay (1) mamaritra tsara ireo sokajin-taona ahafahan’ireo mpilalao mandray anjara amin’ireo fanatanjahantena karakarain’ny Fiangonana ary (2) manapaka ny amin’izay fepetra hifantenana ny mpilalao handray anjara amin’izany. Ny fanapahan-kevitra toy izany dia tokony hatao alohan’ny fiantombohan’ny taom-pilalaovana.

Raha misy hetsika ara-panatanjahantena ataon’ny tsatòka maromaro mitambatra dia ny Fiadidian’ny Vondromparitra na ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra voatendry no manara-maso izany. Ireo fiaraha-mientana ireo dia tantanan’ireo manam-pahaizana manokana momba ny fanatanjahantena izay antsoin’ireo filohan’ny tsatòka mpiandraikitra notendren’ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Tsy azo atao ny fifaninanana ara-panatanjahantena eo anivon’ny vondrom-paritra.

Ireo mpandray anjara amin’ireo hetsika ara-panatanjahantena karakarain’ny Fiangonana dia tsy voatery ho mpikamban’ny Fiangonana. Tokony hipetraka eo amin’ny faritr’ilay rantsana anefa izy ireo ary manaiky hanaraka ireo fitsipika sy lalàn’ny Fiangonana mandritra ireo fiaraha-mientana.

Raha misy ny fampiasana fanamian’ny ekipa dia tokony ho tsotra, tsy lafo, ary sahaza an’ilay fiaraha-mientana atao. Mazàna dia T-Shirt na akanjo lava tanana fanaovana fanatanjahantena miloko dia efa ampy. Tokony ho avy amin’ny teti-bolan’ny tsatòka na ny paroasy no hividianana ireo fanamiana.

Tsy amporisihina ny fanomezana loka na amboara ho an’ny ekipa na ny olona iray.

Sary
lehilahy milalao baolina kitra

20.5.10

Fitsidihana tempoly

Ny fitsidihana tempoly dia alamina eo anivon’ny paroasy na ny tsatòka ao anatin’ny fetran’ny faritry ny tempoly natao ho an’izany toerana izany.

Tsy amporisihina ny fandaminana fitsidihana tempoly ataon’ny paroasy na tsatòka any ivelan’ny faritry ny tempoly voatendry ho an’izany toerana izany. Ny fitsidihana toy izany dia ilàna ny fankatoavan’ny fiadidian’ny tsatòka. Ny fitsidihana tempoly amin’ny alina ihany koa dia ilàna ny fankatoavan’ny fiadidian’ny tsatòka.

Ny fitsidihana tempoly dia tsy maintsy manaja ireo fitsipika mikasika ny fanaovana dia lavitra ao amin’ny 20.7.7. Ireo fitsidihana tempoly izay ilana fatoriana amin’ny alina koa dia tsy maintsy manaja ireo fitsipika ao amin’ny 20.5.5.

20.5.11

Ireo fiaraha-mientana tsy ahazoana fankatoavana

Tsy mahazo manohana fiaraha-mientana tsy mifanaraka amin’ireo torolalana ato amin’ity fizarana ity ireo rantsana ao amin’ny Fiangonana. Tafiditra ao anatin’izany:

  • Ireo fiaraha-mientana izay mety hiteraka fahavoazana lehibe na aretina (jereo ny 20.7.6).

  • Ireo fiaraha-mientana mitaky fandaniana na dia atao mihoatra noho ny mahazatra (jereo ny 20.7.7).

  • Ireo fandaharan’asa fampiasam-batana izay misy hira, tonon-kira, fitafy, na zavatra hafa izay tsy mifanaraka amin’ireo fenitry ny Fiangonana.

Raha manana fanontaniana mikasika ny azo atao ve ny fiaraha-mientana iray sa tsia ny eveka iray, dia manontany ny filohan’ny tsatòka izy. Mahazo mametraka fanontaniana amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ireo filohan’ny Tsatòka.

20.6

Fitsipika sy torolalana momba ny famatsiam-bola amin’ireo fiaraha-mientana

Ireo mpitarika dia maka antoka fa voahaja ireto fitsipika sy torolalana manaraka ireto rehefa mamatsy ara-bola ho an’ireo fiaraha-mientana rehetra ataon’ny Fiangonana.

20.6.1

Ireo fiaraha-mientana tontosaina amin’ny volan’ny tetibolan’ny paroasy na ny tsatòka

Ny volan’ny teti-bolan’ny paroasy na ny an’ny tsatòka no tokony hampiasaina hiantohana ny vola ilaina amin’ireo fiaraha-mientana rehetra, ankoatra ireo tranga maningana azo heverina voatanisa ao amin’ny 20.6.2.

Ny mpikambana dia tsy tokony hiantoka amin’ny volan’izy ireo manokana ny fitaovana, na vatsy, na hofan-javatra, na saram-pidirana amin’ny zavatra iray, na saram-pitaterana hanaovana dia lavitra. Mahazo mitondra sakafo ireo mpikambana raha tsy enta-mavesatra ho azy ireo ny fanaovana izany.

20.6.2

Famatsiam-bola ho an’ireo lasin’ny zatovo

Raha tsy ampy ho an’ireto fiaraha-mientana voatanisa eto ambany ireto ny vola ao amin’ny teti-bolan’ny paroasy na ny tsatòka dia azon’ireo mpitarika atao ny mangataka ireo mpandray anjara handoa ny ampahany amin’ny fandaniana na izy iray manontolo:

  • Lasy maharitra kokoa an’ny Fisoronana Aharôna indray mandeha isan-taona na fiaraha-mientana mitovy amin’izany

  • Lasy maharitra kokoa an’ny Zatovovavy indray mandeha isan-taona na fiaraha-mientana mitovy amin’izany

Tsy tokony hihoapampana ireo fandaniana na dia atao ho an’ny lasy fanao isan-taona. Tsy tokony hanakana ny mpikambana iray tsy handray anjara amin’izany ny tsy fananany vola.

Raha tsy ampy ho an’ireo lasy ny vola avy amin’ny teti-bolan’ny paroasy sy ny tsatòka ary avy amin’ireo mpandray anjara, dia mahazo manome lalana ny hanaovana hetsika fanangonam-bola indray mandeha isan-taona eo anivon’ny paroasy ny eveka. Io hetsika io dia tokony hifanaraka amin’ireo torolalana ao amin’ny 20.6.5.

Raha te hahalala mikasika ny famatsiam-bola ireo hetsika goavana ataon’ny tsatòka maromaro mitambatra na ny vondromparitra ho an’ireo tanora tokan-tena dia jereo ny 14.2.1.3.

20.6.3

Famatsiam-bola ireo fihaonambe HZM

Azo angatahina ny zatovo hitondra anjara biriky amin’ny fanefana saran-javatra mba hanatrehana ireo fihaonambe Ho Zatovo Mahery (HZM). Raha hanakana ilay zatovo tsy handray anjara ilay saram-pandraisana anjara, dia mahazo mampiasa ny volan’ny teti-bolan’ny paroasy ny eveka mba handoavana ilay saram-pandraisana anjara manontolo na amin’ny ampahany. Jereo ny FSY.ChurchofJesusChrist.org.

20.6.4

Famatsiam-bola natokana ho an’ireo fitaovana sy kojakoja

Raha azo atao dia vidina amin’ny volan’ny teti-bolan’ny paroasy ireo fitaovana sy kojakoja izay ilain’ny paroasy mahakasika ireo lasin’ny zatovo fanao isan-taona. Raha tsy ampy ireo vatsim-bola ireo dia mahazo manome lalana ny hanaovana hetsika fanangonam-bola indray mandeha isan-taona eo anivon’ny paroasy ny eveka. Io hetsika io dia tokony hifanaraka amin’ireo torolalana ao amin’ny 20.6.5.

Ireo fitaovana sy kojakoja izay novidiana tamin’ny vola avy amin’ny teti-bolan’ny paroasy, na vola voangona avy amin’ny hetsika fanangonam-bola dia natao hampiasain’ny Fiangonana irery ihany. Tsy natao hampiasaina ho tombontsoan’ny tena manokana izany.

20.6.5

Hetsika fanangonam-bola

Mazàna ny fandaniana handoavana ny zavatra lany amin’ireo fiaraha-mientan’ny tsatòka sy ny paroasy no efaina amin’ny vola avy amin’ny tetibola. Na izany aza dia azon’ny filohan’ny tsatòka na ny eveka atao ny manome lalana ny hanaovana hetsika fanangonam-bola indray mandeha isan-taona noho ireto antony ireto ihany:

  • Hanampiana amin’ny fandoavana ny fandaniana amin’ireo fiaraha-mientana voatanisa ao amin’ny 20.6.2 sy 20.6.3.

  • Hanampiana amin’ny fividianana fitaovana izay ilain’ny rantsana amin’ireo lasy fanao isan-taona araka ny voalaza ao amin’ny 20.6.4.

Raha misy ny fanaovana fanangonam-bola dia tokony hanome zavatra manan-danja na fanompoana ho tombontsoan’izay manampy izany.

Maka antoka ireo mpitarika fa voatsinjara ara-drariny ny vola voangona. Ny tetibola ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna dia mifototra amin’ny isan’ny zatovolahy ao amin’ny paroasy. Ny tetibola ho an’ny zatovovavy dia mifototra amin’ny isan’ny zatovovavy ao amin’ny paroasy.

Tsy terena ny fandraisana anjara amin’ireo hetsika fanangonam-bola. Maka antoka ny mpitarika fa tsy mahatsapa ho voatery handray anjara ny mpikambana.

Ireo rantsana izay manohana ireo hetsika fanangonam-bola dia tsy tokony hanao dokam-barotra na hanao fangatahana any ivelan’ny faritra misy azy ireo. Tsy tokony hivarotra zavatra na hanao asa hahazoana karama isan-tokantrano ihany koa izy ireo.

Isan’ireo ohatra amin’ireo hetsika fanangonam-bola tsy hahazoana fankatoavana ireto manaraka ireto:

  • Hetsika handoavan-ketra.

  • Ireo hetsika tanterahina amin’ny alalan’ny asa handraisan-karama, na izany amin’ny alalan’ny mpiasa na amin’ny alalan’ny fifanarahana.

  • Fialam-boly izay hanomezan’ny tsatòka na ny paroasy karama an’ireo mpandray anjara ho tambin’ny asa nataon’izy ireo.

  • Fivarotan-javatra na asa nataona orinasa ara-barotra.

  • Ireo kilalao filokàna toy ny tômbôlà, lôteria ary lôtô.

  • Ireo fiaraha-mientana mampidi-doza.

Izay mety ho tranga maningana amin’ireo torolalana ireo dia tsy maintsy ahazoana fankatoavana avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra.

20.7

Fitsipika sy torolalana momba ny fiarovana mandritra ireo fiaraha-mientana

Ireo mpitarika dia maka antoka fa voahaja mandritra ireo fiaraha-mientana rehetra atao ao amin’ny Fiangonana ireto fitsipika sy torolalana momba ny fiarovana ireto.

20.7.1

Fanatrehan’ny olon-dehibe mpanara-maso

Tsy maintsy misy olon-dehibe roa farafahakeliny manatrika amin’ny fiaraha-mientana rehetra karakarain’ny Fiangonana izay atrehin’ankizy sy zatovo. Mety ilaina ny hanampiana ny isan’ny olon-dehibe arakaraka ny isan’ny olona ao anatin’ilay vondrona, na ny fahaiza-manao ilaina amin’ilay fiaraha-mientana, na noho ny antony hafa. Amporisihina hanampy ireo ray aman-dreny.

Ny olona rehetra miara-miasa amin’ny ankizy sy ny zatovo dia tsy maintsy mamita ilay fiofanana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo. Jereo ny ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org.

20.7.2

Taona takina mba hahafahana mandraisana anjara amin’ireo fiaraha-mientan’ny zatovo

Rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny ray aman-dreniny dia afaka manatrika ireo lasy ilana fatoriana any an-toerana ny zatovo manomboka ny volana janoary amin’ny taona izay handraisan’izy ireo 12 taona. Afaka manatrika fandihizana, sy fihaonamben’ny zatovo, ary fihaonambe HZM izy ireo manomboka ny volana janoary amin’ny taona izay handraisan’izy ireo 14 taona.

20.7.3

Ny fiantohana

20.7.3.1

Fiantohana ny fiaran’ny tena manokana

Jereo ny 20.7.7.

20.7.3.2

Ny fiantohana ara-pahasalama ho an’ny tena manokana sy ny fiantohana amin’ny loza

Any amin’ny faritra maro eto amin’izao tontolo izao dia mety ho azo avy amin’ny mpampiasa na amin’ny alalan’ireo fandaharan’asa ataon’ny fitondram-panjakana ny fiantohana ara-pahasalamana sy fiantohana amin’ny loza. Ireo mpikambana manana izany fiantohana izany dia tokony hanao izay hisitrahana ireo tombontsoa rehetra izay misy raha misy voina manjo azy mandritra ny fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana alohan’ny hitadiavany fanampiana avy amin’ny fiantohana amin’ny fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana (jereo ny 20.7.3.4).

20.7.3.3

Fiantohana fanonerana ny fahavoazan’ny tena manokana

Ny Fiangonana dia manoro hevitra ny mpikambana sy ny mpitarika manara-maso ireo fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana mba hiaro ny tenan’izy ireo, raha azo atao, amin’ny alalan’ny fanaovana fiantohana araka izay azo atao mba hanonerana ny fahavoazana. Ny fiantohana fanonerana ny fahavoazan’ny tena manokana dia afaka ny ho azo amin’ny alalan’ny fiantohana ny tranon’ny tena na ireo lalàna hafa mahakasika ny fiantohana. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny “FAQ – Que dois-je faire ?” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

20.7.3.4

Fandaharan’asa vonjy taitra ara-pitsaboana amin’ny fiaraha-mientan’ny Fiangonana

Any Etazonia sy Kanadà, ny fandaharan’asa Fanampiana ara-pitsaboana amin’ny fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana (CAMA) dia manome fanampiana momba ny fitsaboana vatana sy ny fitsaboana nify noho ny ratra nahazo nandritra ny fandraisana anjara tao anatina fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana. Manome fanampiana amin’ny fandevenana ihany koa izany raha ilaina. Io fandaharan’asa io dia natao mba hanampiana fa tsy hanoloana ny fiantohana ara-pahasalamana sy amin’ny loza efa ananan’ny olona iray. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny “FAQ – Que dois-je faire ?” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Raha misy loza mitranga mandritra ny hetsika iray iantohan’ny Fiangonana dia ireo mpitarika no manapaka raha toa ka ilaina ny fampiasana ny CAMA. Ny mpitarika rehetra dia afaka manao tatitra momba ny loza iray ao amin’ny rafitra maneran-tany fanaovana tatitra momba ny loza ao amin’ny incidents.ChurchofJesusChrist.org. Raha lazain’ilay mpitarika ao anatin’izany fa misy fikarakarana ilaina mihoatra noho ny vonjy taitra, dia hahazo fampahafantarana momba izany ny eveka ary haharay fampahalalana momba ny fisoratana anarana. Dinihan’ny eveka ny fahafahan’ny olona iray mandoa ireo fandaniana momba ny fitsaboana amin’ny alalan’ny fomba hafa toy ny fiantohana ara-pahasalamana an’ny tena manokana na loharano hafa. Mahazo manome lalana ny hampiasana ny vola avy amin’ny CAMA (Fanampiana ara-pitsaboana amin’ny fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana) izy raha tsapany fa mety ny hanaovana izany.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny Church Activity Medical Assistance Handbook (Torolalana momba ny fanampiana ara-pitsaboana amin’ny fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana). Raha te hahazo io boky io dia mifandraisa amin’ny:

Deseret Mutual Benefit Administrators

P.O. Box 45530

Salt Lake City, UT84145-0530

Laharana an-tariby: 1-801-578-5650 na 1-800-777-1647

Email: churchactivity@dmba.com

Tranonkala: dmba.com/churchactivity

20.7.3.5

Taratasy fanamarinana ny fiantohana

Matetika ny Fiangonana no angatahina hanome porofon’ny fiantohana mandritra ireo fiaraha-mientana. Misy ireo fangatahana ireo noho ireo fifanarahana momba ny fanofan-javatra, ireo fifanarahana natao, na ireo fahazoan-dalana mifandray amin’ireo fiaraha-mientana.

Any Etazonia sy i Kanadà, ireo mpitarika dia afaka mahazo taratasy fanamarinana maneho porofo momba ny fiantohana ao amin’ny InsuranceCertificates.ChurchofJesusChrist.org. Ho an’ny toerana ivelan’i Etazonia sy i Kanadà dia tokony hiantso ny biraon’ny vondromparitra ireo mpitarika. Tokony ho tafiditra ao anatin’izany fangatahana izany ny:

  • Anarana sy ny adiresin’ilay fikambanana mitaky ilay porofon’ny fiantohana.

  • Famariparitana ilay trano sy ny toerana misy izany, raha toa ka manofa trano.

  • Ny fetran’ny fanonerana takina.

  • Fampahalalana manan-danja hafa momba ilay fiaraha-mientana

Tokony hanomana mialoha be ireo mpitarika mba hanomezana fotoana hanomanana ireo taratasy fanamarinana.

20.7.4

Fanomezan-dalana avy amin’ny ray aman-dreny

Tsy mahazo mandray anjara amin’ny fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana ny ankizy sy ny zatovo raha tsy mahazo lalana avy amin’ireo ray aman-dreniny na ny mpiantoka azy ireo. Ho an’ireo fiaraha-mientana ataon’ny fiangonana izay mitaky fatoriana amin’ny alina any an-toerana, dia lavitra, na mety hitera-doza kokoa noho ny mahazatra, dia ilaina ny fanomezan-dalana an-tsoratra. Mety mitaky fanomanana fanampiny ny fiaraha-mientana sasany mba hampihenana ny mety hisian’ny loza. Tokony ho tena manan-danja ka mila fandinihana foana ny fiarovana. Jereo ny 20.7.6.1.

Ny ray aman-dreny sy ny mpiantoka dia manome io fanomezan-dalana io amin’ny alalan’ny fanaovana sonia ny Autorisation des parents ou du tuteur et décharge médicale. Ilay olona mitarika ilay fiaraha-mientana dia tokony hanana taratasy voasonia ho an’ny mpandray anjara tsirairay.

20.7.5

Tatitra mikasika ny fanararaotana

Ny fanararaotana na herisetra rehetra izay mitranga mandritra ny fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana dia tokony hatao tatitra any amin’ireo manampahefam-panjakana. Tokony ho antsoina avy hatrany ny eveka. Misy toromarika ho an’ny mpikambana ao amin’ny 38.6.2.7. Misy toromarika ho an’ny eveka ao amin’ny 38.6.2.1.

Raha te hijery ireo famaritana ny atao hoe fanararaotana na herisetra, dia jereo ny 38.6.2.3 sy ny 38.6.2.4.

20.7.6

Toromarika mikasika ny fisofohana ny loza, sy ny zavatra atao raha misy loza, ary ny fanaovana tatitra momba ny loza

20.7.6.1

Toromarika mikasika ny fiarovana amin’ny loza

Ny mpitarika sy ny mpandray anjara dia manombantombana tsara ireo fiaraha-mientana mba hisorohana ny mety hisian’ny zavatra mampidi-doza mety hiteraka ratra na aretina. Ireo fiaraha-mientana dia tsy tokony ahitana ihany koa fanimbana ny fitaovana sy ny trano. Mandritra ireo fiaraha-mientana, dia manao izay ezaka rehetra azo atao ireo mpitarika mba hisorohana ny loza. Ny fanomanana amin’ny fomba mahomby sy ny fanarahana ireo fepetra hisorohana ny loza dia ahafahan’ireo mpitarika mampihena araka izay tratra ny mety hitrangan’ny loza.

Tokony hahitana fanofanana sy fanaraha-maso araka izay ilaina ireo fiaraha-mientana. Tokony hifanaraka amin’ny taona su ny fahafahana manao zavatra, ary ny fahamatoran’ireo mpandray anjara ihany koa izy ireny.

Mampianatra ireo mpandray anjara rehetra momba ny fomba fiarovana amin’ny loza amin’ilay fiaraha-mientana ny mpitarika. Rehefa mitaky fahaiza-manao na traikefa ara-batana ireo fiaraha-mientana, dia mety ilaina ny handraisana fiofanana avy amin’ny manam-pahaizana manokana momba izany na mampiasa mpanoro lalana matihanina.

Tokony ho vonona amin’ny voina tampoka ireo mpitarika. Tokony ho fantatr’izy ireo mialoha ihany koa ny fomba hifandraisana amin’ireo sampan-draharaha misahana ny fampiharana ny lalàna sy ny voina tampoka. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny “FAQ – Que dois-je faire ?” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sary
vondron’olona mihady tany

20.7.6.2

Zavatra atao raha misy loza

Raha misy loza iray na faharatrana mitranga ao amin’ny faritry ny Fiangonana na mandritra ny fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana, dia manaraka ireto torolalana manaraka ireto ireo mpitarika raha mifanandrify amin’ilay loza izany:

  • Ataovy izay hanaovana ny fitsaboana tsotra izay tokony hatao voalohany. Raha mila fikarakarana ara-pitsaboana fanampiny ny olona iray, dia mifandraisa amin’ny sampan-draharaha ara-pahasalamana misahana ny voina tampoka. Antsoy ihany koa ny ray aman-dreny, na ny mpiantoka, na ny havana akaiky sy ny eveka, na ny filohan’ny tsatòka.

  • Raha misy olona tsy hita na maty, dia ampandreneso avy hatrany ny mpitandro ny filaminana eo an-toerana. Miaraha miasa tanteraka amin’izy ireo.

  • Manomeza fanampiana ara-pihetsehampo

  • Aza mamporisika na tsy mamporisika ny olona hanao fitoriana. Aza manao fanolorantena amin’ny anaran’ny Fiangonana.

  • Angony sy tehirizo ny anaran’ireo vavolombelona, ny fampahalalana hifandraisana amin’izy ireo, ny fitantarana ny zava-nitranga, ary ireo sary.

  • Manaova tatitra momba ilay loza (jereo ny 20.7.6.3).

20.7.6.3

Fanaovana tatitra momba ny loza

Ireto toe-javatra manaraka ireto dia tokony hatao tatitra an-jotra ao amin’ny incidents.ChurchofJesusChrist.org. Manao avy hatrany ilay tatitra ny eveka, na ny filohan’ny tsatòka, na ny mpikambana izay tondroiny ka mahafantatra momba ilay loza.

  • Nisy loza na faharatrana nitranga teo amin’ny faritry ny Fiangonana na nandritra ny fiaraha-mientana iray nataon’ny Fiangonana.

  • Tsy hita ny olona iray nandray anjara tamin’ny fiaraha-mientana iray nataon’ny Fiangonana.

  • Misy fahasimbana fananan’olona manokana, na iombonana, na an’ny Fiangonana nandritra ny fiaraha-mientana iray nataon’ny Fiangonana.

  • Misy fandrahonana na fikasana hitory.

Raha toa ka miteraka ratra, na fahafatesana, na fanjavonan’olona ny hetsika iray dia manao avy hatrany ny iray amin’ireto zavatra tokony hatao ireto ny filohan’ny tsatòka, na ny eveka, na ny mpikambana iray izay tendreny:

  • Any Etazonia na Kanadà dia ny mampandre ny Risk Management Division (Sampan-draharaha mitantana ny fiarovana amin’ny loza) any amin’ny foiben’ny Fiangonana no atao voalohany (1-801-240-4049 na 1-800-453-3860, extension 2-4049. Aorian’ny ora fiasana na mandritra ny faran’ny herinandro dia miantsoa ny 1-801-240-1000 na ny 1-800-453-3860, ka dia hiantso olona iray avy hatrany ilay mpandray antso). Avy eo dia mifandraisa amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra.

  • Raha any ivelan’i Etazonia sy Kanadà dia ampandreneso ny biraon’ny vondromparitra.

Ny filohan’ny tsatòka na ny eveka dia mitatitra ihany koa ireo faharatrana sy fahasimban-javatra ahatafidiran’ny trano na ny fananan’ny Fiangonana amin’ny mpitantana ny trano sy fananan’ny Fiangonana.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny “FAQ – Que dois-je faire ?” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

20.7.6.4

Fiantohana sy fanontaniana

Raha misy loza mitranga mandritra ny hetsika iray karakarain’ny Fiangonana dia ireo mpitarika no manapaka raha toa ka ilaina ny fandaharan’asa Fanampiana ara-pitsaboana amin’ny fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana (jereo ny 20.7.3.4).

Amin’ny toe-javatra sasany dia mety hanana fanontaniana momba ireo olana na fitarainana atao amin’ny Fiangonana mahakasika ny fiarovana ny filohan’ny tsatòka na ny eveka. Ny filohan’ny tsatòka (na eveka iray eo ambany fitarihany) dia mitatitra ny fanontaniana toy izany any amin’ny Sampan-draharaha mitantana ny Fiarovana amin’ny loza na amin’ny biraon’ny vondromparitra.

20.7.7

Fanaovana dia lavitra

Tokony hahazoana fankatoavana avy amin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ny fanaovana dia lavitra amin’ireo fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana. Tsy tokony ho enta-mavesatra amin’ireo mpikambana io dia lavitra io. Tsy amporisihina ny fanaovana dia lavitra be ho an’ireo fiaraha-mientana.

Amin’ny toe-javatra maningana sasany dia mety hahatsapa ny filohan’ny tsatòka na ny eveka fa mitombina tsara ny hanaovana dia lavitra be. Mandinika ombam-bavaka ny tombontsoa ara-panahy mety ho azo avy amin’ilay fiaraha-mientana izy, sy ny saran’ny fandaniana amin’izany, ary ny fiantraikan’izany eo amin’ny fianakaviana. Raha ankatoaviny ny fanaovana dia lavitra toy izany dia tsy tokony handoa ny saran’izany amin’ny volany ireo mpikambana.

Ny fomba amam-panao mahakasika ny fanaovana dia lavitra sy ny fampiharana ireo torolalana ato amin’ity fizarana ity dia tokony hitovy eo anivon’ireo rantsana ao anatin’ny vondromparitra iray na ao anatin’ny filankevitra enti-mandrindra iray. Ireo filohan’ny tsatòka dia afaka mifanakalo hevitra sy miombon-kevitra amin’ireo fomba amam-panao amin’ny fanaovana dia lavitra mandritra ireo fivorian’ny filankevitra enti-mandrindra.

Mameno taratasy iray antsoina hoe Event and Activity Plan form (taratasy fanaovana drafitra momba ny hetsika sy ny fiaraha-mientana) ireo mpitarika ho an’ireo fiaraha-mientana ahatafidirana fanaovana dia lavitra be.

Rehefa tafiditra ao anatin’ny fiaraha-mientana ho an’ny zatovo izay karakarain’ny Fiangonana ny fanaovana dia lavitra be na ny fijanonana amin’ny alina any amin’izay aleha, dia tsy maintsy manome lalana an-tsoratra ireo ray aman-dreny hahafahan’ireo zanany mandray anjara (jereo ny 20.7.4). Tsy maintsy atao eo ambany fanaraha-mason’ny olon-dehibe tompon’andraikitra izany (jereo ny 20.7.1).

Raha azo atao dia tokony hampiasa fiara fitateram-bahoaka handoavam-bola ireo vondrona ao amin’ny Fiangonana mba hanaovana dia lavitra be. Tokony hanana fahazoan-dalana hitondra fiara sy voaron’ny fiantohana amin’ny fahavoazana izany.

Rehefa mandeha amin’ny fiaran’ny tena manokana ireo vondrona ao amin’ny Fiangonana dia tokony ho voakarakara ka afaka mandeha tsara ny fiara tsirairay. Tokony hampiasa fehikibo aro loza ny olona tsirairay. Ny mpamily tsirairay dia tokony hanana fahazoan-dalana hitondra fiara, ary olon-dehibe tompon’andraikitra. Ny fiara rehetra sy ireo mpamily rehetra dia tokony ho voaron’ny fiantohana amin’ny fahavoazana ho an’ny fiara araka izay ilaina. Tokony hisy drafitra atao mba hakana antoka fa mitandrina sy mailo tsara foana ny mpamily. Raha mbola azo atao, dia tsy tokony ho irery miaraka amin’ny zatovo ao anaty fiara ny olon-dehibe iray raha tsy hoe zanany ilay zatovo.

Mety tsy manana na tsy afaka ny hividy fiara na fiarabe fitaterana olona ho an’ny dia lavitra hataon’ny vondrona ireo rafitra ao amin’ny Fiangonana.

Ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tsy tokony hiara-handeha irery amin’ireo fiaraha-mientana, na fivoriana, na asa ampanaovin’ny Fiangonana raha tsy hoe mpivady izy ireo na samy tsy mbola manambady.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny “FAQ – Que dois-je faire ?” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

20.8

Fitsipika mifehy ny fitantanana ireo fiaraha-mientana

Ireo mpitarika dia maka antoka fa hajaina ireto fitsipika sy torolalana manaraka ireto rehefa mitantana ireo fiaraha-mientana rehetra atao ao amin’ny Fiangonana.

20.8.1

Ireo asa famoronana misy fameran-jo

Jereo ny 38.8.11

20.8.2.

Fanofana trano sy fitaovana tsy an’ny Fiangonana mba hanaovana fiaraha-mientana

Raha tsy mety hanaovana fiaraha-mientana eo anivon’ny tsatòka na ny tsatòka mitambatra ireo tranon’ny Fiangonana dia azo atao ny manofa trano rehefa nahazo fanomezan-dalana avy amin’ny filohan’ny tsatòka. Ny mpitantana ny trano sy ny fananan’ny Fiangonana no mandray an-tanana ny fangatahana toy izany.

Azo atao ny mangataka amin’ireo rantsan’ny Fiangonana eo an-toerana ny haneho fa manana fiantohana fanonerana ny fahavoazana izy ireo rehefa manofa na mampiasa trano tsy an’ny Fiangonana. Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fomba hahazoana taratasy fanamarinana ny fiantohana, dia jereo ny 20.7.3.5.

20.8.3

Ireo fiaraha-mientana handoavan-ketra

Ireo mpitarika dia maka antoka fa ireo fiaraha-mientana dia tsy manafintohina ny satan’ny Fiangonana amin’ny maha-tsy tataovan-ketra azy. Raha mila torolalana, dia jereo ny 34.8.1.