Ho zatovo mahery!
Inona no atao hoe fahafenoan’ ny filazantsara.
Janoary 2025


Valiny fohy sy mivantana

Inona no atao hoe fahafenoan’ ny filazantsara.

I Jesoa Kristy tao Getsemane

Jesus in Gethsemane [I Jesoa tao Getsemane], nataon’i Dan Burr

Nilaza ny Tompo fa ny fahafenoan’ny filazantsara dia ny “fanekempihavanana maharitra mandrakizay”, izay “nalefa[ny] ho an’ny zanak’olombelona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:2). Tafiditra ao anatin’izany ny zava-drehetra ilain’ireo zanak’ Andriamanitra ahafahana miditra amina fifandraisana fehezin’ny fanekempihavanana Aminy sy mandray ny famonjena sy ny fisandratana.

Ny filazantsara no ilay “vaovao mahafaly” momba an’i Jesoa Kristy. Izany no “Drafitry ny famonjen’ Andriamanitra, azo tanterahina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Tafiditra ao amin’ny filazantsara ny fahamarinana na ny lalàna mandrakizay, ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy ilaina ho an’ny olombelona mba hiverenana eo anatrehan’ Andriamanitra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Filazantsara”). Maro tamin’ireo zavatra ireo no very. Kanefa ankehitriny dia mamerina amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsarany ny Tompo amin’ny alalan’ny fanambarana omeny ireo mpaminany, nanomboka tamin’i Joseph Smith.

Amin’ny alalan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ ny filazantsarany i Jesoa Kristy no “manasa antsika rehetra hanatona Azy sy ny Fiangonany, handray ny Fanahy Masina sy ireo ôrdônansin’ ny famonjena ary hahazo fifaliana maharitra” (“Ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona,” Médiathèque de l’Évangile).