Ho zatovo mahery!
Ny tolona nataoko tamin’ny fomba fijeriko ny tenako
Janoary 2025


Feon’ny zatovo

Ny tolona nataoko tamin’ny fomba fijeriko ny tenako

Paulina M., 18 taona, Podlasie, Pologne

Tia mitendry lokanga sy mitendry pianô ary mamaky boky.

zatovovavy

Tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra aho dia sahirana mafy tamin’ny fomba fijeriko ny tenako ary niezaka ny hitovy tamin’ny hafa. Niezaka hatrany aho hanana endrika iray tiako hananana saingy tsy nety afa-po tsotra izao tamin’ny endrika nananako aho.

Avy teo dia nahazo ny tsodranon’ny patriarika ny zokiko vavy ary nanomboka nieritreritra ny haka ny ahy koa aho. Roa ambin’ny folo taona aho tamin’izay ary tamin’ny voalohany dia nihevitra aho fa mety ho tanora loatra. Saingy nivavaka aho ary niresaka tamin’ny evekako ka nahatsapa fa tsara ny hanaovako izany.

Nampahatsiahy ahy ny tsodranon’ny patriarika nomena ahy fa mahafantatra ahy ny Ray any An-danitra ary fantany ireo olana lalovako. Fantany manokana ny anarako. Eo Izy hanampy ahy raha toa ka vonona fotsiny aho hangataka ny fanampiany.

Indraindray ianao mety mijery ny tenanao dia mieritreritra fa tsy ampy ny hatsarantarehinao raha ny fenitr’izao tontolo izao. Saingy nianatra manokana aho fa ny fomba fijerin’ Andriamanitra ahy dia manan-danja kokoa noho ny fomba fijerin’ny hafa. Ary raha fantatro fa raisin’ Andriamanitra ho toy ny zanany vavy aho, diaampy ahy izay.