2025
Banjino Izy
Janoary 2025


Teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2025

Banjino Izy

Jereo ny horonan-tsary maneho ny teny filamatry ny zatovo amin’ity taona ity ary jereo ny fomba ahafahanao mibanjina an’i Kristy.

Indraindray dia mety ho sarotra ny fiainana. Na mampatahotra. Na sarotra.

Afaka mitodika any amin’i Jesoa Kristy isika mandritra ireny fotoana ireny (sy amin’ny fotoana hafa rehetra).

Manasa antsika Izy hibanjina Azy, tsy hiroanahana ary tsy hatahotra.

Jereo ny horonan-tsary maneho ny teny filamatry ny zatovo amin’ity taona ity ary eritrereto ny zavatra azonao atao mba hibanjinana Azy.

Te hanampy anao i Kristy. Hitari-dalana anao Izy, hanome fiadanana ny sainao ary hameno fifaliana anao!