Teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2025
Banjino i Kristy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36
Ny teny filamaky ny zatovo ho an’ny taona 2025 dia hanampy anao hisafidy ny hatoky fa tsy hiahiahy ary hanam-pinoana fa tsy hatahotra.
I Kailey izay fito ambin’ny folo taona dia tao anatin’ny ekipa mpanao fanentanana iray hatramin’ny fotoana nitrangan’ny loza iray izay namela takaitra tamin’ny atidoha. Nanakana azy tsy handeha hianatra ny fotoana niandrasany ho sitrana ka nanomboka nahatsapa ho nitoka-monina sy irery izy. Sahirana ara-pihetseham-po izy ary tsy fantany izay tokony hitodihana mba hahitana fanampiana. Nandroso hevitra ny namana iray mba hihainoany ireo misiônera. Nampianatra azy momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izy ireo. Nanome fanantenana azy ny fianarana misimisy kokoa momba an’i Kristy ary nahatsapa izy fa toy ireny hoe Andriamanitra ireny mihitsy no nanolo-tanana azy.
Hoy i Kailey tamin-dreniny hoe: “Tsy mbola nahatsapa velively aho hoe tia ahy Andriamanitra. Saingy ankehitriny dia fantatro fa tia ahy Izy.”
Somary taitra kely i Michelle reniny. Niala tamin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ Ny Olomasin’ny Andro Farany izy sy i Brock vadiny fony i Kailey mbola fito taona noho ireo fanontaniana sy ahiahy ary olana isan-karazany. Nihevitra izy ireo fa ho faly kokoa ny zanany vavy raha tsy nisy ireo fivoriana sy didy rehetra. Tsy nihevitra mihitsy izy ireo hoe hanakana an’i Kailey tsy hifandray akaiky amin’ Andriamanitra ny safidy nataon’izy ireo. Rehefa nijery ny fomba niovan’i Kailey i Michelle sy i Brock dia tsapan’izy ireo fa efa ela ny fotoana farany nahatsapan’izy ireo ho akaiky an’ Andriamanitra ary te hahatsapa izany indray izy ireo.
Nihaona tamin’ny evekany izy ireo ary vetivety dia niverina tany am-piangonana ilay fianakaviana anisan’izany i Braeden anadahin’i Kailey. Namerina ny finoan’izy ireo tamin’ny laoniny, indrindra tamin’ny alalan’ny vavaka ny fahatsapana ho akaiky an’ Andriamanitra sy ny fifandraisana Taminy indray. Tsy namaha ny fanontaniana na ny olan’izy ireo rehetra ny fiverenana tany am-piangonana saingy tsapan’izy ireo kosa fa ny fananana fifandraisana matanjaka kokoa amin’ Andriamanitra dia manan-danja kokoa noho ny tsy finoan’izy ireo.
Izany rehetra izany dia nanomboka rehefa nanasa an’i Kailey hibanjina an’i Kristy ny namana iray, izay zatovo iray tahaka anao. Dia izany tokoa no nataony!
Hoy i Kristy: “Banjino aho amin’ny saina rehetra, aza miroanahana, aza matahotra” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36). Izany no fankaherezana ao ambadiky ny teny filamatra ho an’ny zatovo ho an’ny taona 2025. Mamelà anay hizara ny fomba ahafahanao misafidy ny fahatokisana fa tsy ahiahy ary ny finoana fa tsy tahotra rehefa mibanjina an’i Kristy ianao:
Ankavia mankany ankavanana: Rahavavy Runia, Filoha Freeman, Rahavavy Spannaus
Tamara W. Runia
Rehefa sahirana aho dia manampy ahy foana ny maka sary an-tsaina an’i Jesoa Kristy maninjitra ny sandriny. Rehefa mibanjina Azy aho dia tsaroako ny tonon’ilay hira hoe: “Raha manaraka [an’i Jesoa] aho”: “Tsy hahafoy ahy mihitsy Izy, na lavo aza aho.”
Emily Belle Freeman
Rehefa mamaky io soratra masina natao lohahevitra io aho dia mahatsiaro an’i Petera teny amin’ny Ranomasin’i Galilia. Ny fifantohana tamin’ilay tafio-drivotra dia nampitombo ny tahony sy ny ahiahiny hany ka nahatonga azy hilentika tao anatin’ireo alondrano arahin’oram-baratra. Kanefa ny fifantohana tamin’ny Mpamonjy dia nahafahany nanatanteraka zavatra izay tsy mbola nataony hatrizay: nandeha teo ambony rano izy! Tena mahavariana izany. Inona no mety ho vitanao rehefa mibanjina Azy ianao?
Andrea Muñoz Spannaus
Rehefa manomboka mahatsapa tahotra aho, na aiza na aiza misy ahy, na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra misy ahy dia mieritreritra amim-piniavana momba ny fifandraisako amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aho. Averiko imbetsaka ao an-tsaiko ny hoe: ZANAKAVAVIN’ ANDRIAMANITRA AHO. Manohy manao izany aho mandra-pahazoko aina kokoa. Mahomby foana izany!
Ankavia mankany ankavanana: Rahalahy Wilcox, Filoha Lund, Rahalahy Nelson
Bradley R. Wilcox
Manontania tena hoe iza no miraharaha momba anao sy tia anao indrindra. Moa ve ireo ray aman-dreninao sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izany? Moa ve ireo olona ao amin’ny tambajotra ifaneraserana izay mijery anao ho toy ny tarehimarika fotsiny izany? Banjino ny Ray any An-danitra sy i Kristy. Tena miraharaha ny momba anao Izy Ireo!
Steven J. Lund
Tsarovy ny zavatra ampahatsiahivana anao rehefa mitanisa ireo teny filamatry ny Kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny an’ny Zatovovavy ianao: Zanakalahy na zanakavavy malalan’ Andriamanitra ianao. Manàna finoana fa manana drafitra ho anao ny Raintsika. Ny hoe mibanjina an’i Kristy dia midika fa mahita ny Sorompanavotany ho tena ivon’izany drafitra izany.
Michael T. Nelson
Ny famakiana soratra masina dia midika hoe mibanjina an’i Kristy! Mihena ho azy ny ahiahy sy ny tahotra rehefa ampahatsiahivina antsika ireo fahagagana sy fampianaran’i Jesoa. Sambatra isika manana fahafahana hahazo ny teniny. Mihatra amin’ny toe-javatra rehetra iainantsika eo amin’ny fiainantsika izy ireo.