2025
Mahatakatra ireo fitantarana ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith
Janoary 2025


Avia, hanaraka Ahy

Joseph Smith—Tantara 1:1–20

Mahatakatra ireo fitantarana ny Fahitana Voalohan’ i Joseph Smith

Inona no tsy mitovy ao amin’ireo fitantarana efatra momba ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith? Nahoana no samihafa izy ireo? Ary inona no azon’izany ampianarina antsika?

Joseph Smith

Efa nanandrana nitantara zavatra ara-panahy niainanao tamin’ny olona iray ve ianao? Inona avy ireo antsipiriany manan-danja natsofokao tao anatin’izany? Inona avy ireo antsipiriany tsy nozarainao? Mihevitra ve ianao fa mety amin’ny fomba hafa no hilazanao ilay tantara raha nolazainao tamin’ny namana iray nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo na amin’ny olona iray izay tsy mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany?

Manan-danja ireo fanontaniana ireo rehefa mieritreritra ny fomba nanazavan’i Joseph Smith ilay fahitany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tany New York tamin’ny 1820. Nizara izany zavatra niainana izany imbetsaka i Joseph. Ankehitriny isika dia manana fitantarana efatra mivantana nataon’i Joseph:

  1. Tantara iray manokana nosoratan’i Joseph nanodidina ny fahavaratry ny taona 1832. Nanazava i Joseph fa nandeha tany an’ala mba hivavaka satria sahiran-tsaina momba ny zavatra ara-panahy izy. Naniry ny ho voavela heloka ihany koa izy.

    Joseph Smith zazalahy
  2. Diarin’i Joseph tamin’ny 1835. Nisy mpitory iray nantsoina hoe Robert Matthews izay tonga tao Kirtland, Ohio. Naniry ny hiresaka tamin’i Joseph momba ny raharaha ara-pivavahana izy ka notantarain’i Joseph taminy ilay fahitany. I Warren Parrish, izay nitazona ny diarin’i Joseph dia nanoratra ny zavatra izay nolazain’i Joseph.

    I Joseph Smith mitazona soratra masina
  3. Tantara ôfisialin’ny Fiangonana izay natombok’i Joseph tamin’ny 1838. Niresaka momba ny Fahitana Voalohany izy ka nilaza fa ampahany tamin’ny fomba namerenana ny Fiangonana tamin’ny laoniny izany. Ity tantara ity dia navoaka tao amin’ny Voahangy Lafo Vidy.

    I Joseph Smith manoratra
  4. Taratasy iray nosoratan’i Joseph tamin’ny taona 1842. Nangataka an’i Joseph ny mpanao gazety iray antsoina hoe John Wentworth mba hanazava ny fomba nisian’ny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Namaly tao anaty taratasy iray i Joseph ary nanisy fampahalalana momba ny Fahitana Voalohany tao anatin’izany.

    Tanana manoratra

Ny fitantarana tsirairay dia nozaraina tamin’ny fotoana samihafa ho an’ny mpanatrika samihafa. Nanana tanjona samihafa tao an-tsaina i Joseph momba ny tsirairay amin’ireo. Saingy rehefa miara-mamaky izany isika dia mahazo sary an-tsaina izay feno sy mazava kokoa momba ny zavatra niainan’i Joseph tao amin’ilay Alakely Masina.

Inona no niova?

Samy manana antsipiriany samihafa avokoa ireo tantara ireo. Tao amin’ilay fitantarana tamin’ny 1832 dia mifantoka amin’ny faniriany ny ho voavela amin’ny fahotany i Joseph. Tsy miresaka manokana momba ny faniriany te hahafantatra ilay fiangonana marina izy. Miresaka momba ny fomba nisehoan’ny “Tompo” taminy izy, tsy avahany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ny fitantarana tamin’ny taona 1835 sy 1838 dia miresaka momba ny tafiky ny ratsy izay niezaka nanakana an’i Joseph tsy hivavaka. Ny fitantaran’i Joseph tamin’ny taona 1835 dia milaza fa notsidihan’ny olona roa izy ary koa anjely. Ny fitantarana tamin’ny taona 1838 sy 1842 ihany koa dia miresaka momba ny olona roa, ny iray amin’izy ireo dia voafaritra mazava tsara fa i Jesoa Kristy. Ireo fitantarana roa ireo dia manamafy ny fikarohan’i Joseph ny fiangonana marina.

Nahoana no misy fahasamihafana izany?

Misy antony vitsivitsy amin’ny fisian’ny fahasamihafana ao amin’ireo fitantarana ireo.

Ny toetoetran’ny fitadidiana

Indraindray isika dia mihevitra fa mitovy foana ny fitadidiantsika. Saingy tsy toy izany no fiasan’ny fitadidiana. Miova ny fomba fitadidiantsika zavatra rehefa mihalehibe isika. Ny zavatra nitranga taloha dia mety lasa misy dikany hafa noho ny zavatra niainantsika hafa teo amin’ny fiainana. Mitoetra ny fitadidiana fototra saingy mety hiova kosa ny antsipiriany sasantsasany. Tsy midika akory izany fa tsy marina na tsy mitombina ny fitadidiantsika fa ny ampahany amin’izany kosa miavaka amin’ny fotoana hafa.

Tanjona samihafa

Nanana antony isan-karazany nitantarana ny tantarany i Joseph. Tamin’ny taona 1832 dia nanao fitantarana ho azy manokana izy ka dia nifantoka kokoa tamin’ny dikan’ny Fahitana Voalohany taminy manokana. Tamin’ny taona 1838 sy 1842 dia niresaka momba ny Fahitana Voalohany izy ho isan’ny fomba nisian’ny Fiangonana. Noho izany dia nantitranteriny ny faniriany hahafantatra ny fiangonana marina.

Mpanatrika samihafa

Tsy mpikamban’ny Fiangonana i Robert Matthews sy i John Wentworth. Nila nofariparitan’i Joseph tamin’ny fomba hafa tamin’izy ireo ny zava-nitranga. Niantefa kokoa tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana ilay fitantarana tamin’ny taona 1838. Mety nieritreritra izy fa ny namany sy ny fianakaviany akaiky ihany no hamaky ilay fitantarany tamin’ny taona 1832.

Inona no mitovy?

Ao amin’ireo fitantarana efatra rehetra dia mitovy ny antsipiriany fototra. Nisafotofoto mikasika ny famonjena azy manokana sy ny famonjena an’izao tontolo izao ny sain’i Joseph. Namaky tao amin’ny Jakoba 1:5–6 izy fa afaka ny hahazo valim-bavaka. Nandeha tany anaty ala izy ka nivavaka. Niseho taminy ireo olona avy any an-danitra. Nantsoin’izy ireo tamin’ny anarany izy. Nilaza izy ireo fa tsy nampianatra fotopampianarana marina ireo fiangonana tamin’izany fotoana izany.

Fahitana Voalohany

Ny zavatra ampianarin’ireo tantara ahy

Tiako ny mamaky ireo fitantarana samihafa satria manampy ahy hahatakatra kokoa ny Fahitana Voalohany izy ireo. Hitako mazava kokoa ny antony nampisafotofoto ny sain’i Joseph sy nivavahany. Afaka mahatsapa ny Fanahy kokoa aho rehefa mamaky momba ny dikan’ny Fahitana Voalohany tamin’i Joseph tamin’ireo fotoana samihafa teo amin’ny fiainany. Ireo fitantarana ireo mitambatra dia nanampy ahy hahafantatra fa nilaza ny marina i Joseph. Nahita an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy tao amin’ilay Alakely Masina i Joseph Smith. Mampitombo ny fanantenako izany fa afaka mahazo valim-bavaka ihany koa aho.

Tantara

Nahoana i Joseph no nilaza fa nivavaka izy

Iza no nolazain’i Joseph fa niseho

1832

Ho famelana ny fahotany

Ny Tompo

1835

Mba hahalalana hoe iza no marina ary iza no diso mahakasika ny fivavahana

Olona roa; olona iray aloha, dia avy eo olona; sy ireo anjely

1838

Mba hahafantarana hoe iza no fiangonana marina an’i Kristy

Ny Ray sy i Jesoa Kristy Zanany

1842

Mba hahafantarana hoe iza no fiangonana marina an’i Kristy

“Olona roa be voninahitra”