Ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana
Ny Apôstazia lehibe
Sary nataon’i Katy Dockrill
Mivadika amin’ny Mpamonjy sy ireo Apôstôliny ny olona. Lavo ara-panahy ny Fiangonana ary tsy teo an-tany intsony izany.
1820
Ny Fahitana Voalohany: Niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith, izay 14 taona monja, Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy.
1823
Niseho tamin’ny Joseph Smith ny anjely Môrônia ary nilaza taminy momba ireo takela-bolamena.
1829–1830
Naverina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna sy ny Fisoronana Melkizedeka.
Nadikan’i Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna (tao anatin’ny telo volana teo ho eo!) ary navoaka izany.
Naorina tamin’ny fomba ôfisialy tamin’ny 6 aprily 1830 ny Fiangonana.
Niisa 6 ireo mpikambana ôfisialy tamin’ ny voalohany; fotoana fohy taorian’izay dia lasa 280
1835–1836
Natsangana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.
Navoaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.
Niseho tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ny Mpamonjy sy i Mosesy ary i Elia ary i Elisa ary namerina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110).
Mpikambana mihoatra ny 13.000
tempoly 1
1840–1842
Nampianarina ampahibemaso ny momba ny batisa ho an’ny maty.
Naorina ny Fikambanana Ifanampiana.
Fotoana voalohany nanomezana ny fanafiana masina feno ao amin’ny tempoly.
1869–1880
Narafitra ireo fandaharam-pianaran’ny Zatovovavy sy Zatovolahy voalohany.
Nekena ho soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana ny Voahangy Lafo Vidy.
Mpikambana mihoatra ny 133.000
tempoly 1
1936
Nanomboka ny fandaharan’asa fifanampiana an’ny Fiangonana voalohany.
Mpikambana mihoatra ny 760.000
Tempoly 7
1978
Notolorana an’ireo olon-dehibe mendrika rehetra ireo ôrdônansin’ny tempoly ary notolorana ireo lehilahy mendrika rehetra ny fanendrena ho amin’ny fisoronana.
Mihoatra ny 4 tapitrisa ny isan’ny mpikambana
tempoly 17, tafiditra ao anatin’izany ny ao Pays-Bas, Nouvelle Zélande, Angletera ary Brezila
1995
Navoaka ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo izao”.
Mihoatra ny 9,25 tapitrisa ny isan’ny mpikambana
tempoly 47, miparitaka manerana ny kaontinanta 6
2012
Nampidinina ho lasa 18 taona fa tsy 19 taona intsony ho an’ny lehilahy ary 19 taona fa tsy 21 taona intsony ho an’ny vehivavy ny taona ahafahana mitory ny filazantsara.
Mpikambana mihoatra ny 14,5 tapitrisa
Temploly 140
2018–2020
Nomena fahafahana hanompo mivelatra kokoa any amin’ny tempoly ireo zatovo.
Ny fandaharam-potoana isaky ny alahady dia nohafohezina ho lasa 2 ora fa tsy 3 ora intsony.
Mihoatra ny 16,5 tapitrisa ny isan’ny mpikambana
Temploly 168
2025
Mbola mitohy ny Famerenana amin’ny laoniny! Misy mpikamban’ny Fiangonana any amin’ny firenena sy faritra mihoatra ny 200, izay miteny amin’ny fiteny mihoatra ny 700!
Tamin’ny aprily 2024: tempoly 189 voatokana, 161 hafa no nambara (350 ny totaliny).
Mihoatra ny 17,25 tapitrisa ny isan’ny mpikambana