Teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2025
Banjino i Kristy
Hira ho an’ny teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2025
Drink and Never Thirst [Sotroy dia tsy hangetaheta intsony], nataon’i Yongsung Kim
Na toa feno haizim-be aza.
‘zay atao toa mafy erý!
Matokia.
Eo Izy, Ilay Mpamonjy.
Aza miala amin’i Kristy,
’Lay fahazavana
[Fiverenan-kira:]
Eny,
Izy no banjino.
Manasitrana Izy raha sendra hakiviana.
Eny,
aoka ianao hino,
aza be ahiahy,
f’Izy no iankino.
Izy no banjino.
Izy no banjino.
Eo ‘Lay Fanantenana.
Rehefa mila tsy ho zaka intsony,
eo Izy hamonjy.
Hampahery anao Izy,
mampitraka anaty fitsapana,
’Lay fahazavana.
[Fiverenan-kira]
[Bridge:]
Mitrakà ka banjino
sy henoy i Kristy.
Izy hanoro hoe iza ianao.
Mivavaha mba ho tony.
Izy hankahery itý fanahy.
Vohay ny fonao.
[Fiverenan-kira]