Fanontaniana sy Valiny
“Ahoana no ahafahako mahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa momba an’i Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny?”
“Ny zavatra nataoko mba hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Famerenana amin’ny laoniny dia ny mamaky ny fitantarana ny fahitana voalohany isak’alina alohan’ny hatoriako. Rehefa mamaky momba an’i Joseph natolotra sy nijoro teo anatrehan’ Andriamanitra aho dia mahatsapa ho akaiky kokoa ny fahazavan’ Andriamanitra, ka manampy ahy izany hahafantatra fa eo Izy.”
Eve T., 16 taona, Chorley, UK
“Rehefa nahatsapa aho fa tsy nanana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Joseph Smith dia nanomboka namaky ny Olomasina. Tsapako fa tena mahery vaika sy mahagaga ny zavatra niainan’i Joseph. Nahatsapa ny Fanahy niaraka tamiko ihany koa aho rehefa nivavaka momba ny Bokin’i Môrmôna. Nanomboka nanampy ireo misiônera aho, ary ankehitriny aho dia tsy afaka mitsahatra mijoro ho vavolombelona amin’ny olona momba an’i Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny.”
Abish N., 18 taona, Negros Oriental, Philippines
“Nangataka tamintsika ny mpaminany mba handalina ny fiainan’i Kristy mba hanampiana antsika hahazo fijoroana ho vavolombelona momba Azy sy ny Sorompanavotany. Mitovitovy amin’izany ihany koa ny momba an’i Joseph Smith. Rehefa mandalina ny fiainany aho dia afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa momba ny Famerenana amin’ny laoniny sy momba an’i Joseph amin’ny maha mpaminany voalohany azy amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao. Mahatakatra kokoa ihany koa aho ny antony tsy maintsy namerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.”
Asher W., 17 taona, Louisiane, Etazonia
“Ataovy ny zavatra nataon’i Joseph ary anontanio Andriamanitra! Manàna faharetana; ho avy ny valiny. ”
Anna W., 17 taona, Colorado, Etazonia
“Ny vavaka no fomba tsotra indrindra hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny. Namaly an’io vavaka io ny Tompo ho an’ny tenako sy ho an’ny maro hafa; hanao toy izany koa ho Izy ho anao. Halalino ihany koa ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika nataon’ireo vavolombelona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.”
Katie G., 18 taona, Washington, Etazonia