Boky torolalana sy antso
35. Fikarakarana sy fampiasana ireo trano fiangonana


“35. Fikarakarana sy fampiasana ireo trano fiangonana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“35. Fikarakarana sy fampiasana ireo trano fiangonana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
olona manadio sy manasa varavarankely

35.

Fikarakarana sy fampiasana ireo trano fiangonana

35.1

Tanjona

Manome trano fiangonana ny Fiangonana mba hahafahan’ireo rehetra izay miditra ao:

Mety ho hita amin’ny endrika isan-karazany ny trano fiangonana miankina amin’ny toe-javatra misy sy ny filana eo an-toerana. Ny trano fiangonana dia mety ho trano naorin’ny Fiangonana na toerana novidin’ny Fiangonana, tranon’ny mpikambana anankiray, sekoly iray na tranom-pokonolona iray eo an-toerana, toerana hofaina, na safidy hafa nahazoana fankatoavana.

35.2

Anjara asa sy andraikitra

35.2.1

Departemanta misahana ny trano fiangonana

Ny departemanta misahana ny trano fiangonana any amin’ny foiben’ny Fiangonana dia mametraka fitsipika sy torolalana mikasika ny fanomezana sy ny fikarakarana ireo toerana hivavahana. Io departemanta io dia miasa eo ambany fitarihan’ny Episkôpà Mpiahy.

Ireo mpiasa misahana ny trano fiangonana dia tompon’andraikitra amin’ny fanomezana sy fikarakarana ireo trano fiangonana sy ireo trano hafa an’ny Fiangonana. Izany dia atao eo ambany fitarihan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra sy ny talen’ny vondromparitra misahana ny raharaha ara-nofo.

35.2.2

Mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana

Manampy ny tsatòka tsirairay hitantana ny trano fiangonana ny mpitantana iray misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana miasa ao amin’ny Fiangonana. Mandamina ireo fanamboarana ireo fahasimban-javatra lehibe sy ny fanadiovana ny trano iray manontolo ary ny fikojakojana isan’andro ireo trano izy.

Raha ilaina dia manampy amin’ny fampianarana ireo tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana mahakasika ny fomba hanadiovana ny trano sy ny fomba hanatanterahana ireo asa hafa eo an-toerana. Manome torolalana sy fitaovana enti-miasa izy.

Ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana dia miara-miasa amin’ny tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny tsatòka mba hitantana ireo asa fanompoana ireo sy ny fikarakarana ireo trano fiangonana amin’ny ankapobeny. Azony atao ihany koa ny miara-mijery amin’ny eveka ny fandaniana mahakasika ny fikarakarana ny trano fiangonana.

35.2.3

Fitopololahin’ny Vondromparitra

Ny Fitopololahin’ny Vondromparitra nomena andraikitra hisahana izany dia miara-miasa akaiky amin’ireo filohan’ny tsatòka amin’ny dingan’ny fanaovana ny drafitra faobe (jereo ny 35.3).

35.2.4

Fiadidian’ny tsatòka

Ny fiadidian’ny tsatòka dia mitarika ireo eveka amin’ny fampiasana sy ny fikojakojana ary ny fiarovana ny trano fiangonana. Manome andraikitra ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izy ireo mba ho tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 35.2.5). Miara-midinika aminy izy ireo mba handinihana ireo zavatra ilaina mifandray amin’izany sy ireo tetikasa.

Raha mila toerana fanampiny hivavahana ny mpikambana dia mampahafantatra izany an’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra ny fiadidian’ny tsatòka. Ao anatin’ny dingan’ny fanaovana drafitra faobe no hanaovana izany (jereo ny 35.3).

35.2.5

Tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny paroasy

Ny tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny tsatòka dia manampy ny fiadidian’ny tsatòka amin’ny fampiasana sy ny fikojakojana ary ny fiarovana ny trano fiangonana amin’ny alalan’ny:

  • Fanomezana torolalana ireo tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny paroasy mikasika ny adidin’izy ireo (jereo ny 35.2.9).

  • Fizarana ireo fanalahidy amin’ireo mpitarika ao amin’ireo rantsana.

  • Fampitana amin’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana ny zavatra ilaina amin’ny fikojakojana sy ny fitantanana ireo tranon’ny Fiangonana.

35.2.6

Manam-pahaizana manokana momba ny teknôlôjia eo anivon’ny tsatòka sy ny paroasy

Manampy amin’ny fametrahana sy ny fikojakojana ny teknôlôjia ao amin’ireo trano fiangonana ny manam-pahaizana manokana momba ny teknôlôjia eo anivon’ny tsatòka sy ny paroasy. Rehefa misy fitaovana vaovao ilaina apetraka dia miara-miasa amin’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana izy ireo. Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ireo antso ireo dia jereo ny 33.10 (jereo koa ny mhtech.ChurchofJesusChrist.org).

35.2.7

Ny episkôpà

Ny episkôpà (na ny tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny paroasy) dia mampianatra ireo mpikambana ny fomba hampiasana sy hikojakojana ary hiarovana ny trano fiangonana. Ny episkôpà ihany koa dia mizara ireo fanalahidin’ny trano fiangonana amin’ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy.

Maka antoka izy ireo fa tanterahina tsy misy loza ireo fiaraha-mientana ao amin’ny trano fiangonana sy eo amin’ny tokotanin’ny Fiangonana (jereo ny 20.7).

Ampitain’izy ireo amin’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana ny zavatra ilaina amin’ny fikojakojana sy ny fitantanana ireo tranon’ny Fiangonana. Azon’izy ireo atao koa ny mijery ny fandaniana mifandray amin’izany miaraka amin’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana.

35.2.8

Eveka mpitantana

Raha paroasy mihoatra ny iray no mivory ao amin’ny trano fiangonana anankiray dia mifidy eveka mpitantana iray ny fiadidian’ny tsatòka mba handrindra ireo asa ampandraiketina miaraka amin’ireo eveka hafa. Tafiditra amin’ireo asa ampandraiketina ireo ny fandaminana fotoana, ny fanadiovana, ary ny fiarovana ny trano fiangonana. Ampifandimbiasin’ny fiadidian’ny tsatòka manatanteraka io andraikitra io ireo eveka izay manana paroasy mivory ao amin’ilay trano fiangonana.

35.2.9

Tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny paroasy

Ny episkôpà no manapaka raha toa ka tokony hiantso tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny paroasy na tsia. Raha manapa-kevitra ny hanolotra io antso io izy ireo dia afaka miantso mpikambana olon-dehibe lahy na vavy iray ny episkôpà. Raha tsy misy tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny paroasy nantsoina dia azon’ny eveka atao ny manome io andraikitra io an’ny iray amin’ireo mpanolotsainy, na ny mpitamboky eo anivon’ny paroasy na ny mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy, na ny mpitantsoratra mpanatanteraka.

Ny tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny paroasy dia mandamina ireo mpikambana sy ireo izay manolo-tena mba hanadio sy hikojakoja ny trano fiangonana. Ampianariny azy ireo ny fomba hanaovana ny asa tsirairay amin’ireo fitaovana izay misy.

Raha ilaina dia mandray torolalana avy amin’ny tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny tsatòka izy mikasika ny fikirakirana ny fanamafisam-peo, ny fanafanana sy ny fampangatsiahana ny rivotra, ary ireo rafitra hafa misy ao amin’ny trano fiangonana.

35.2.10

Mpikambana

Eo ambany fitarihan’ny eveka no hamporisihan’ireo mpitarika ny olon-dehibe sy ny zatovo ireo mpikambana mba hanampy amin’ny fikarakarana sy ny fikojakojana ny trano fiangonana. Ny episkôpà sy ny tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny paroasy no mandrindra ireo asa araka ny fahaiza-manao sy ny zavatra azon’ireo izay manao ny asa tontosaina. Mampaharitra ela araka izay azo atao ireo trano sy fitaovan’ny Fiangonana ny fikarakarana tsy tapaka ataon’ireo mpikambana.

35.3

Fanomezana trano fiangonana

Tsy mitovy ny habe sy ny karazan’ireo trano fiangonana fa miankina amin’ny zavatra ilaina sy ny toe-javatra misy eo an-toerana. Ny trano fiangonana dia mety ho trano naorina na toerana novidin’ny Fiangonana, tranon’ny mpikambana anankiray, sekoly iray na tranom-pokonolona iray eo an-toerana, toerana hofaina, na safidy hafa nahazoana fankatoavana.

Miezaka ireo mpitarika ao amin’ny vondromparitra sy ireo mpitarika eo an-toerana mba hampiasa tanteraka ireo trano fiangonana izay misy sy ho hendry amin’ny fanolorana sosokevitra mba hahazoana toerana fanampiny. Arahin’izy ireo ny “Fitsipika sy torolalana mikasika ny fanomezana trano fiangonana” (Torolalana momba ireo fitaovana ao amin’ny efitrano fivoriana).

Manomana drafitra faobe isan-taona ireo mpitarika amin’ny alalan’ny fampiasana ny Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana mba hakana antoka fa mifanaraka amin’izay ilaina ny toerana misy ny trano fiangonana. Mampiasa ireo drafitra faobe ihany koa ny mpitarika mba hanombanana ny zavatra ilaina amin’ny fanitarana ny trano fivoriana na ny fanafoanana izany, izay hivarotana na hanomezana lalana ny hampiasana ireo trano fiangonana sy ny fananan’ny Fiangonana amin’ny zavatra hafa.

Jereo ny “Fanomezana trano fiangonana sy toeram-pitsaohana hafa” (Torolalana momba ireo fitaovana ao amin’ny efitrano fivoriana) mba hahazoana fampahalalana misimisy kokoa.

Sary
vondron’olona iray eo ivelan’ny tranon’ny Fiangonana

35.3.1

Lanonana fihadiana fototra sy fanokanana ireo trano fiangonana

Azo atao alohan’ny fananganana ny trano ireo lanonana fihadiana fototra. Rehefa vita ireo trano dia tokony hatokana haingana araka izay azo atao ireo trano vaovao sy ireo fanitarana goavana natao. Azo atao ihany koa ny manokana ireo toerana hofaina.

Jereo ny fizarana “Lanonana fihadiana fototra” sy ny “Fanokanana trano fiangonana” ao amin’ny “Fanomezana trano fiangonana sy toeram-pitsaohana hafa” (Torolalana momba ireo fitaovana ao amin’ny efitrano fivoriana) mba hahazoana fampahalalana fanampiny.

35.4

Fikojakojana ireo trano fiangonana

35.4.1

Fanadiovana sy fikojakojana ireo trano fiangonana

Ireo mpitarika eo an-toerana sy ireo mpikambana, anisan’izany ny zatovo, dia manana andraikitra ny hanampy amin’ny fitandremana ny trano fiangonana tsirairay ho madio sy tsara endrika. Izany dia manampy mba:

  • Hiarovana ny toetra masina ananan’ny trano fiangonana mba ho toerana ahafahan’ny Fanahy mitoetra.

  • Hamporisika ny olona haneho fanajana lalina.

  • Hanehoana ny tandindon’ny fahamendrehana sy ny fanajana.

  • Hampitombo ny faharetan’ny fotoana ahafahan’ilay trano fiangonana miasa.

Tsy tokony ho vesatra ho an’ny mpikambana ny fandaharam-potoana hanaovana ny fanadiovana. Ohatra, raha tena manahirana ny fandehanana mankany amin’ilay trano fiangonana dia afaka manadio mandritra ny hetsika andavanandro ireo mpikambana rehefa iny izy ireo any am-piangonana iny.

Jereo ny “Fikojakojana ireo trano fiangonana” (Torolalana momba ireo fitaovana ao amin’ny efitrano fivoriana) mba hahazoana fampahalalana misimisy kokoa.

35.4.2

Fangatahana fanamboarana

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy sy ny tsatòka dia afaka manao tatitra momba ireo zavatra ilaina amboarina ao amin’ny trano fiangonana. Izany dia azo atao amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovana Rapport de problèmes relatifs aux bâtiments (FIR) (Tatitra momba ireo olana mikasika ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana). Ny FIR dia manome fahafahana ireo mpitarika handefa fangatahana sy hanara-maso ny fivoarana, ary hilaza ny heviny mikasika ireo fanamboarana sy ireo fangatahana hafa. Azon’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra atao koa ny mifandray amin’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana raha mila fanampiana izy ireo.

Ny FIR dia misy ihany koa amin’ny endrika appli ao amin’ny Google Play sy ny Apple App Store. Misy torolalana momba ny fampiasana ny FIR ao amin’ny Centre d’aide ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

35.4.3

Fisafoana ny trano fiangonana

Misafo ny trano fiangonana tsirairay isan-taona ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana. Ny tanjona dia ny hamantatra ireo zavatra ilain’ny trano fiangonana mandritra ny fotoana maharitra sy ny fanamboarana ilaina atao. Aorian’izay ilay mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana dia miresaka ny vokatry ny fisafoana sy ny asa ilaina atao amin’ny tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny tsatòka na ny eveka mpitantana.

35.4.4

Fitsitsiana angovo sy rano

Ny fiangonana dia miezaka mitsitsy rano sy angovo ary ireo loharano hafa. Mamporisika ny mpikambana ireo mpitarika mba hitsitsy ny angovo sy ny rano ao amin’ny trano fiangonana. Ohatra, rehefa miala ao amin’ny efitra iray ny mpikambana dia tokony hamono ny jiro, hanidy ny paompy, ary hamono ireo fitaovana famanana na fampangatsiahana rivotra na ireo fitaovana ampiasaina mandritra ny fivoriana na ny fiaraha-mientana. Ataon’ny mpikambana tatitra any amin’ny mpitarika azy ireo ny toe-javatra rehetra izay miteraka fandaniana.

Azon’ny mpikambana atao ihany koa ny manohana ireo tetikasa tohanan’ny fiarahamonina momba ny fitsitsiana jiro sy rano. Afaka mampihena ny saran’ny rano sy ny angovo ampiasaina ireo ezaka atao ireo.

Azon’ireo mpitarika sy ny mpikambana atao ny miresaka amin’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ny fampiasana sy ny fitsitsiana rano sy angovo.

35.4.5

Fisorohana ny loza sy fiarovana

Ny mpitarika sy ny mpikambana dia tokony:

  • Hanao izay hahafahana miditra sy mivoaka malalaka tsara amin’ireo lalantsara, tohatra, ary efitrano misy fitaovana ampiasana rano sy angovo.

  • Tsy hampiasa na hitahiry fitaovana mitera-doza na mora mirehitra ao amin’ireo tranon’ny Fiangonana.

  • Hametraka sy hanaraka ireo dingana arahina mikasika ny fanidiana ireo trano fiangonana.

  • Hametraka fepetra fiarovana ireo fitaovan’ny Fiangonana mba tsy hisy hangalatra.

  • Hahafantatra ny fomba hamonoana ireo zavatra ampiasaina toy ny rano, ny jiro, ary ny entona fandrehitra na ny solika.

Raha ilaina dia azon’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana atao ny manome mari-drafitry ny trano izay maneho ireo fitaovana famonoana afo, amboaram-pitaovana vonjy taitra, ary ny toerana hamonoana ireo angovo. Misy fampahalalana bebe kokoa momba ny fiarovana azo jerena ao amin’ny “Ireo dingana arahina mikasika ny filaminana sy ny fanidiana trano fiangonana” ao amin’ny “Fikojakojana ireo trano fiangonana” (Torolalana momba ireo fitaovana ao amin’ny efitrano fivoriana). Jereo ihany koa ny 20.7.

35.5

Ireo fitsipika mikasika ny fampiasana ny trano fiangonana

Ny trano fiangonana dia loharanom-pitaovana masina izay tokony hampiasaina mba hanampiana ny zanak’ Andriamanitra hanakaiky an’i Kristy. Ny fandraisana olona mba hiaraka hanao fiaraha-mientana amintsika ao amin’ny trano fiangonana ary ny fampiasana ny trano fiangonantsika mba hitahiana ny fiarahamonina misy antsika dia fomba mba “[hamelana] ny fahazavan[tsika] hazava eo imason’ny olona toy izany koa, mba hahitany ny asa soa ataon[tsika] ka hankalazany ny Rain[tsika] Izay any an-danitra” (Matio 5:16).

Ity fizarana ity dia ahitana ireo fitsipika ankapobeny mikasika ny fampiasana ny trano fiangonana. Ireo fitsipika ireo koa dia mihatra amin’ny fananan’ny Fiangonana sy ny fitaovan’ny Fiangonana manodidina ny trano fiangonana. Misy fampahalalana bebe kokoa ao amin’ireo loharano tanisaina ao amin’ity fizarana ity.

35.5.1

Fitsipika fototra sy fepetra fototra takina momba ny fampiasana ny trano fiangonana

Ny trano fiangonana dia fananana ara-pivavahana manokana izay natokana ho an’ny fitsaohana, ny fianarana ny filazantsara, ny finamanana, ary ny fiaraha-mientana mifanaraka amin’ny tokony ho izy izay manampy amin’ny fitondrana olona hanatona an’i Kristy. Tombontsoa manokana ny fampiasana ny trano fiangonana.

Ny fampiasana rehetra ny trano fiangonana dia tsy maintsy mahafeno ireto fepetra fototra takina manaraka ireto:

  • Mifanaraka amin’ny fotopampiaran’ny Fiangonana, sy ny fitsipiky ny Fiangonana ary ny fomba amam-panaon’ny Fiangonana, ka tafiditra ao anatin’izany ny toetra masin’ny trano fiangonana sy ny tanjon’izany.

  • Ao anatin’ny fetran’ny lalàna.

  • Mifanaraka amin’ny satan’ny Fiangonana amin’ny maha-tsy mandoa hetra azy raha azo atao.

  • Manaraka ireo dingana mifanaraka amin’ny tokony ho izy mba hisorohana, sy hampihenana ary hitantanana ireo zavatra mampidi-doza, ka tafiditra ao anatin’izany ireo torolalana sy fitsipika ho fiarovana ny ankizy sy ny zatovo (jereo ny 12.5.1 sy 20.7.1)

  • Manaja ireo fepetra takina sy famerana hafa izay omen’ny filohan’ny tsatòka na ny eveka.

35.5.2

Ny fampiasan’ny Fiangonana ny trano fiangonana

Ireo fivorian’ny fiangonana, sy ireo fandaharan’asa ary ireo fiaraha-mientana no lohalaharana eo anatrehan’ireo fampiasana hafa ny trano fiangonana raha toa ka misy ny fifanoheran-javatra. Ireto ny zavatra ampiasan’ny Fiangonana ny trano fiangonana:

  • Fotoam-pivavahana sy fivoriana hafa mandritra ny Sabata.

  • Fivorian’ny mpitarika.

  • Fivoriana sy fiaraha-mientana ataon’ny Fikambanana Ifanampiana.

  • Fivoriana sy fiaraha-mientana ataon’ny fisoronana.

  • Fivoriana sy fiaraha-mientana izay an’ny Kilonga sy ny Fisoronana Aharôna sy ny Zatovovavy.

  • Fivoriana sy fiaraha-mientana izay an’ny seminera, institiota, tanora tokan-tena ary olon-dehibe tokan-tena.

  • Asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

  • Fivoriana sy hetsika ataon’ny misiônera.

  • Fiaraha-mientana mikasika ny fiomanana amin’ny voina tampoka.

Ny paroasy sy tsatòka dia afaka koa manolotra fandaharan’asa hafa an’ny Fiangonana izay ahazoan’ny mpikambana sy ny fiarahamonina tombontsoa. Tafiditra ao anatin’izany:

Ny filohan’ny tsatòka dia mikatsaka tari-dalana any amin’ny biraon’ny vondromparitra mba hakana antoka fa manaraka ny lalàna eo an-toerana ny zavatra atao.

Ho fampahalalana fanampiny dia jereo ny A Leader’s Guide to Sharing Church Resources (Torolalana ho an’ny mpitarika momba ny fizarana ireo loharanom-pitaovan’ny Fiangonana).

Any amin’ny toerana sasantsasany izay ahitana mpikamban’ny Fiangonana maro be, dia azon’ny tsatòka mihoatra ny anankiray ampiasaina ny trano fiangonana iray. Eo anatrehan’izany toe-javatra izany dia mifampidinika ireo filohan’ny tsatòka mikasika ny fampiasana ilay trano sy ny fandrindrana ny fandaharam-potoana amin’ny fampiasana ilay trano. Afaka mifandray amin’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra izy ireo mba hahazoana torolalana, raha ilaina.

Takina ny fankatoavana avy amin’ny tale misahana ny raharaha ara-nofo sy ny Fiadidian’ny Vondromparitra mialoha ny hampiasana trano fiangonana iray mba hatao toerana hihaonan’ny tanora tokan-tena izay angatahana fitaovana na loharano fanampiny tsy manara-penitra. Mba hahazoana fankatoavana dia mifampiresaka amin’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana ny filohan’ny tsatòka.

Izay olona rehetra mampiasa ny trano fiangonana dia tokony haneho fanajana ny hafa. Tokony hisy ny ezaka atao mba hanolorana ny zavatra ilain’ny hafa. Tafiditra ao anatin’ny ezaka toy izany ny fandrindrana ny fotoana hampiasana ireo toerana, ny fifehezana ny tabataba, ary ny fihazonana ny fampiasana ny trano fiangonana tsy hihoatra ny fotoana hampiasana izany.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa mikasika ireo fiaraha-mientana an’ny Fiangonana dia jereo ny fizarana 20.

35.5.3

Fampiasan’ny mpikambana ny trano fiangonana—Ho an’ny tena manokana sy ho an’ny fianakaviana

Afaka mangataka mba hampiasa trano fiangonana iray ao anatin’ny tsatòka misy azy ireo ny mpikambana mba hanatanterahana hetsika ataon’ny tena manokana na fiaraha-mientan’ny fianakaviana. Mba hahazoana fankatoavana dia mifampiresaka amin’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà izay miangona ao amin’io trano fiangonana io izy ireo (na amin’ny olona iray notendreny hisahana izany). Ireto fepetra manaraka ireto no mihatra:

  • Tsy maintsy mifanaraka amin’ireo fitsipika fototra sy fepetra fototra takina ao amin’ny 35.5.1 ny fampiasana ny trano fiangonana.

  • Tsy maintsy manara-maso mivantana ny fampiasana ny trano fiangonana ny mpikambana olon-dehibe tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny paroasy izay miangona ao amin’ilay trano fiangonana.

  • Tsy tokony hifanindry amin’ireo fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana izay efa voalamina ny fampiasana ny trano fiangonana.

  • Ireo mpampiasa ny trano fiangonana dia tompon’andraikitra feno amin’izay zavatra simba amin’ny trano sy ny fitaovana, na amin’izay faharatrana, na amin’izay fahavoazana izay misy ifandraisany amin’ny fampiasana trano fiangonana toy izany.

  • Tsy maintsy manadio ireo mpampiasa ary mamerina amin’ny laoniny tanteraka ny trano sy ny fitaovana amin’ny endriny talohan’ny nampiasana azy.

  • Tsy maintsy manaraka ireo toromarika sy zavatra takin’ireo mpitarika eo an-toerana ireo mpampiasa ny trano fiangonana, ka tafiditra ao anatin’izany ny fangatahan’ireo mpitarika mba hanara-maso ilay fampiasana ny trano fiangonana.

  • Afaka mangataka izay mety ho olona manokana na vondron’olona ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hampitsahatra ny fampiasana ny tranon’ny Fiangonana raha toa ka tsy manaraka ireo torolalana izy ireo.

  • Ho an’ireo fiaraha-mientana izay nahazoana fankatoavana dia tokony handrindra ny fahafahana miditra ao amin’ny trano fiangonana ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka. Ireo mpikambana eo anivon’ny paroasy na tsatòka izay notendrena ihany no tokony homena ireo fanalahidy.

Jereo ny 38.3.4 mba hahitana ny momba ny fampiasana ny trano fiangonana ho an’ny fanambadiana sy ny lanonam-panambadiana.

Jereo ny 29.5 mba hahitana ny momba ny fampiasana ny trano fiangonana ho an’ny fotoam-pandevenana sy ireo fotoam-pivavahana hafa ho an’ilay nodimandry.

35.5.4

Fampiasan’ny fikambanana tsy mitady tombontsoa, na vondron’olona hafa, na olona manokana hafa ny tranon’ny Fiangonana

Ny mpitarika ao amin’ny vondromparitra dia afaka manome lalana fikambanana tsy mitady tombontsoa, na vondrom-piarahamonina sy vondron’olona hafa (toy ny hoe ekipa mpanao fanatanjahan-tena), na olona manokana izay tsy voafaritra ao amin’ny 35.5.3 mba hampiasa ny tranon’ny Fiangonana mba hanatanterahana fiaraha-mientana na asa fanompoana mahasoa. Miantefa amin’izy ireo ireo fepetra takina izay voatanisa ao amin’ny 35.5.3.

Mba hahazoana fankatoavana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny vondromparitra mahakasika ny fampiasana ny trano fiangonana toy izany dia mifampiresaka amin’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana ny filohan’ny tsatòka.

Raha toa manome fankatoavana fampiasana trano fiangonana an’ny fikambanana tsy mitady tombontsoa iray ny mpitarika ao amin’ny vondromparitra, dia hotakina ny fanaovana Fifanekena amin’ny fampiasana mandritra ny fotoana tsy maharitra. Any amin’ny biraon’ny vondromparitra no ahitana io fifanekena io. Takina ihany koa ny taratasy fanamarinana ny fiantohana avy amin’ilay fikambanana tsy mitady tombontsoa raha tsy hoe manamafy ny Sampan-draharahan’ny Fiangonana mitantana ny fiarovana amin’ny loza fa nanome fankatoavana tranga maningana iray ny tale misahana ny raharaha ara-nofo.

Ireo vondron’olona eo anivon’ny fiarahamonina izay tsy mahafeno fepetra amin’ny maha-tsy mitady tombontsoa azy ireo ary koa ireo olona tsy voafaritra ao amin’ny 35.5.3, dia tsy maintsy mahafeno izay fepetra takina ampitaina amin’ny alalan’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana.

35.5.5

Voina tampoka

Ny trano Fiangonana dia azo ampiasaina ho an’ny fanaovana asa fanompoana ilaina eo anivon’ny fiarahamonina mandritra ny voina tampoka iray. Ohatra, ny filohan’ny tsatòka dia afaka manome lalana ny hampiasana ireo trano fiangonana ao amin’ny tsatòkany mba ho ampiasain’ireo sampan-draharaha misahana ny vonjy voina sy ny asa hafa mifandray amin’izany (jereo ny 35.5.4). Ao anatin’ireo toe-javatra ireo dia miara-miasa amin’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana izy na ny mpitantana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena, ary koa ireo tompon’andraikitra hafa ao amin’ny Fiangonana raha ilaina (jereo ny 22.9.1.3).

Raha toa ka hampiasaina mba handraisana an-tanana voina tampoka ireo trano fiangonana dia entanina ireo mpitarika ao amin’ny tsatòka mba hifandamina amin’ireo mpitarika eo amin’ny fiarahamonina.

35.5.6

Ireo antony hampiasana ny trano fiangonana izay tsy azo ekena

35.5.6.1

Fampiasana noho ny antony ara-barotra

Tsy azo ampiasaina noho ny antony ara-barotra ireo trano sy fitaovan’ny Fiangonana. Ohatra, tsy azo ampiasaina hanohanana izay mety ho karazana orinasa rehetra ny trano fiangonana. Ary tsy azo ampiasaina mba hanohanana orinasa iray koa ireo loharanom-pitaovana ao amin’ny trano fiangonana toy ny tabilao famoaham-baovao (jereo ny 38.8.5). Tsy mifanaraka amin’ny tanjona ampiasana ireo trano sy fitaovan’ny Fiangonana ny fampiasana toy izany. Mety hifanipaka ihany koa amin’ireo lalàna eo an-toerana sy ao amin’ny firenena izay mamela ny Fiangonana tsy handoa hetra amin’ireo trano sy fananan’ny Fiangonana izany (jereo ny 34.8.1).

Ireto misy ohatra amin’ireo fampiasana amin’ny antony ara-barotra izay tsy azo omena fankatoavana:

  • Ny fampahafantarana na fanohanana orinasa na fampiasam-bola

  • Ny fividianana, na ny fivarotana, na ny fampahafantarana vokatra, na asa, na boky avoaka, na ireo asa famoronana

  • Ny fanatanterahana hetsika fanangonam-bola izay tsy nahazoana lalana (jereo ny 20.6.5)

  • Ny fampiantranoana amboaram-peo, na mpandahateny, na mpampianatra, na mpanome tolotra hafa izay karamaina rehefa manao seminera, na lesona (afa-tsy ny fampianarana mitokana pianô na ôrga, jereo ny 19.7.2), na fampianarana, na hetsika hafa

  • Fanofana toerana hanaovana fanambadiana na hetsika mifandray amin’ny fanambadiana

35.5.6.2

Fampiasana ny trano fiangonana mba hanaovana fampianarana ankizy an-trano na fitaizana zaza

Ny Fiangonana dia manohana mafy ny fianarana sy ny fianakaviana. Ny trano fiangonana anefa dia tsy azo ampiasaina mba ho toerana hanaovana fampianarana ankizy an-trano na fitaizana zaza.

Ny fanarahana io fitsipika io dia hampisy fiarovana sy hisoroka ny fangatahana hetra amin’ny Fiangonana.

35.5.6.3

Antony ara-pôlitika

Tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa amin’ny resaka pôlitika ny Fiangonana. Tsy azo ampiasaina noho ny antony ara-pôlitika na hanaovana fiarovan-kevitra ireo trano sy fitaovan’ny Fiangonana. Tafiditra ao anatin’ireo hetsika tsy azo atao ireo fivoriana ara-pôlitika sy ny fampiasan’ny mpanao fampielezan-kevitra ara-pôlitika sy vondron’olona manao fiarovan-kevitra ny trano fiangonana. Ireo fanambarana misy ifandraisany ara-pôlitika dia tsy azo atao ao anatin’ny tranon’ny Fiangonana sy amin’ny alalan’ny fitaovan’ny Fiangonana, toy ny tabilao famoaham-baovao.

Saingy azo omena lalana ho toy ny tranga maningana ny fampiasana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana mba hanaovana fanoratana ny anaran’ny mpifidy na hanaovana fandatsaham-bato amin’ny fifidianana (jereo ny 38.8.30). Afaka manao fangatahana mikasika izany tranga maningana izany ny filohan’ny tsatòka amin’ny alalan’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana (jereo ny 35.5.4).

35.5.6.4

Fampiasana amin’ny zavatra hafa

Tsy azo omena fankatoavana amin’ny ankapobeny ireto endriky ny fampiasana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana manaraka ireto:

  • Famelana olona hijanona ao amin’ny trano fiangonana amin’ny alina (afa-tsy rehefa ao anatin’ny voina tampoka, jereo ny 35.5.5)

  • Lasy

  • Fanofana ireo trano sy faritry ny Fiangonana

Ireo torolalana ireo koa dia mihatra amin’ny trano fiangonana mihitsy ary koa ny fananan’ny Fiangonana sy ny fitaovan’ny Fiangonana rehetra manodidina ny trano fiangonana. Raha mahatsapa ny filohan’ny tsatòka fa mitombina ny handraisana ny tranga iray ho tranga maningana, dia afaka manao fangatahana izany amin’ny alalan’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana izy. Ohatra, azo atao ny manaiky tranga maningana iray mba hampiasa ny trano fiangonana hanampiana mpikambana izay manao dia lavitra mba handeha any amin’ny tempoly.

35.5.7

Ireo fitsipika sy fenitra izay mihatra amin’ireo fampiasana rehetra ny trano fiangonana

35.5.7.1

Efitrano fivavahana

Ny efitrano fivavahana dia efitra izay hitsaohan’ny mpikambana sy handraisany ny fanasan’ny Tompo. Ireo fivoriana sy fiaraha-mientana tanterahina ao amin’ny efitrano fivavahana dia tokony hifanaraka amin’ireo tanjona ireo. Mba hahitana torolalana momba ny fanatanterahana hetsika ara-kolontsaina sy ara-javakanto, rindran-kira, ary ireo fampisehoana hafa ao amin’ny efitrano fivavahana dia jereo ny 19.3. 5.

35.5.7.2

Basy sy fitaovam-piadiana

Tsy azo atao ny mitondra basy na fitaovam-piadiana mahafaty ao amin’ny trano sy ny fananan’ny Fiangonana. Tafiditra ao anatin’izany ireo fitaovam-piadiana miafina. Tsy mihatra amin’ireo mpitandro ny filaminana am-perinasa izany.

35.5.7.3

Lakozia sy toeram-pisakafoana

Azo ampiasaina mba hanolorana sakafo sy ody am-bava fo sy hitehirizana ny sakafo mba hafana na hangatsiaka ny lakozia sy ny toeram-pisakafoana.

Any amin’ny toerana sasany dia azo atao ny mahandro sakafo ao an-dakozia. Any Etazonia sy Kanadà ary any amin’ny firenena sasany anefa, ny fikarakarana sakafo dia matetika mitaky taratasy fanamarinana, na fitaovana ara-barotra, na fizahana ataon’ny fitondram-panjakana. Any amin’ireo faritra ireo dia tokony hokarakaraina any amin’ny toerana hafa ny sakafo ary hoentina ao amin’ny trano fiangonana. Ny fampisehoana fikarakarana sakafo dia tranga maningana ary azo atao na dia any amin’ireo toerana izay ahitana ireo lalàna ireo aza. Afaka manome torolalana ho an’ny faritra tsirairay ireo mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny safety.ChurchofJesusChrist.org

Sary
vondron’olona misakafo

35.5.7.4

Ireo toeram-piantsonan’ny fiara

Ny fampiasana ny toeram-piantsonan’ny fiara an’ny Fiangonana dia tokony hifanaraka amin’ireo torolalana voalaza ao amin’ity toko ity. Ankoatra izay dia tsy azo ampiasaina hatao toeram-piantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka na ampiasaina amin’ny zavatra hafa mitovy amin’izany ireo toeram-piantsonan’ny fiara raha tsy nahazoana lalana avy amin’ny tale misahana ny raharaha ara-nofo. Afaka mifandray aminʼny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana ireo mpitarika raha misy fangatahana tian’izy ireo hatao. Tsy azo atao ny mametraka ireo fiara sy ireo fitaovana hafa an’ny tena manokana ao amin’ny faritry ny Fiangonana.

Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa momba ny toeram-piantsonan’ny fiara sy ny toeram-piantsonana azo ampiasaina dia jereo ny “Ireo toeram-piantsonan’ny fiaraTorolalana momba ireo fitaovana ao amin’ny efitrano fivoriana

35.5.7.5

Fitehirizana entana

Ny fitaovana fikojakojana sy ireo fitaovana hafa nahazoana fankatoavana ihany no azo atoby ao amin’ny trano fiangonana. Azo atao ny mitahiry ireo entana mahakasika ny fifanampiana ao amin’ireo trano fiangonana mandritra ny voina tampoka (jereo ny 35.5.5). Afaka mifandray aminʼny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana ireo mpitarika raha manana fanontaniana.

35.5.7.6

Fampahalalana fanampiny

Ahitana fampahalalana bebe kokoa mikasika ny fampiasana ny tranon’ny fiangonana sy ny fitaovana ao anatiny ao amin’ny “Other Information Related to Meetinghouse Facilities (Fampahalalana hafa mifandray amin’ny trano fiangonana sy ny fitaovana ao anatiny)” (Meetinghouse Facilities Guide (Torolalana momba ny trano fiangonana sy ny fitaovana ao anatiny)). Io loharanon-kevitra io dia ahitana fampahalalana momba ny asa haikanto, ny haingon-trano, ny fitaovana, ny saina, ny vola aloa, ny takela-pamantarana, ny fampiasana ireo tranon’ny Fiangonana tsy misy mpampiasa, ary lohahevitra hafa.

Mba hahitana fampahalalana momba ny fitsipika mifehy ny fampiasana toerana fialana voly dia jereo ny “Recreational Camps (Ireo toby fialana voly)” (Meetinghouse Facilities Guide (Torolalana momba ny trano fiangonana sy ny fitaovana ao anatiny)).