Ny episkôpà
Fikojakojana ireo trano fiangonana


“Fikojakojana ireo trano fiangonana,” Fanomezana trano fiangonana sy toeram-pitsaohana hafa (2021)

“Fikojakojana ireo trano fiangonana,” Fanomezana trano fiangonana sy toeram-pitsaohana hafa

Fikojakojana ireo trano fiangonana

Fanadiovana ireo trano fiangonana

Tokony hokarakaraina amin’ny fomba izay mampiseho ny maha-masina ny endriny sy ny tanjony ireo trano fiangonana. Mifampizara andraikitra eo amin’ny fihazonana ny trano fiangonana sy ny tokotany hadio sy hilamina ireo mpitarika eo an-toerana sy ireo mpikambana ary ny vondrona mitantana ny tany sy ny trano.

Fandraisana anjara ataon’ny mpikambana

Angatahina ireo mpikambana mba handray andraikitra miaraka amin’ny vondrona mitantana ny tany sy ny trano eo amin’ny fanadiovana sy ny fikarakarana ny trano fiangonana. Ny tanjona voalohan’ny fandraisana anjara ataon’ny mpikambana dia ny hanome tombontsoa sy hitahy an’ireo mpikambana, tafiditra ao anatin’izany ny zatovo sy ireo mpikambana malaindaina, amin’ny alalan’ny fanomezana fahafahana azy ireo mba hanompo. Manamafy orina sy mampahalalim-paka ny fanajana ny trano fitsaohana an’ny Tompo ihany koa izany.

Ny fandraisana anjara ataon’ny mpikambana dia alamina sy tanterahina eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka. Ireo tompon’andraikitra misahana ny trano fiangonana eo anivon’ny tsatòka sy sampana dia afaka manampy amin’ny fampianarana sy ny fandrindrana izany andraikitra izany. (Jereo ny fampahalalana momba ny fandaminana ny fandaharam-potoana.)

Mihena ny filana fanadiovana goavana sy asa hafa rehefa manadio ireo izay mampiasa ny trano fiangonana sy maneho fahendrena sy fikarakarana ary fanajana amin’ny fotoana rehetra.

Ny tompon’andraikitra misahana ny trano fiangonana eo anivon’ny sampana dia afaka mikarakara, ary raha azo atao, dia manara-maso fotoam-panadiovana atao isan-kerinandro. Tokony homena fahafahana mba handray anjara amin’ny fanadiovana ny mpikambana rehetra. Asaina ny zatovolahy sy ny zatovovavy handray anjara miaraka amin’ny fianakaviany na ny kôlejy misy azy na ny kilasy misy azy.

Tsy tokony ho tompon’andraikitra amin’ny fanidiana ny trano fiangonana amin’ny alina na hiandraikitra ny fitaovana mpamatsy herinaratra ny tanora.

Lalimoara ho an’ny mpikambana

Azo asiana lalimoara iray izay misy ireo fitaovana fanadiovana azo ampiasain’ny mpikambana ao amin’ny trano fiangonana. Ireo tompon’andraikitra misahana ny trano fiangonana eo anivon’ny tsatòka sy sampana dia afaka miara-miasa amin’ny vondrona mitantana ny tany sy ny trano mba hamatsiana sy hitehirizana fitaovana ao amin’izany lalimoara izany ary mba hikojakojana izany.

Fomba hiatrehana voina tampoka

Manao drafitra ireo mpitarika eo an-toerana mba hiatrehana ireo karazana voina tampoka izay mety hitranga ao anatin’ny trano fiangonana. Ampiasain’izy ireo izany drafitra izany mba hanofanana ireo mpikambana sy mba harahina mandritra ny fotoana isehoan’ny voina tampoka. Tsara raha aseho any amin’ny toerana tokony hisy izany ny adiresy sy ny nomeraon’ny telefaonina an’ny pôlisy eo an-toerana sy an’ireo sampam-pitsaboana misahana ny voina tampoka.

Fisorohana ny afo

Mihena ny mety hisian’ny afo rehefa mitandrina araka ny tokony ho izy ny olona rehetra mampiasa ilay trano fiangonana. Ireto manaraka ireto misy fepetra vitsivitsy atolotra mikasika ny fisorohana ny afo:

  • Esory tsy ho ao anatin’ireo efitrano, lalimoara, lalimoara kely ary ireo toerana ahitana fampangotrahana rano, lafaoro, fitaovana ara-mekanika ary ahitana herinaratra, rano, sy entona fandrehitra, ireo fitaovana mora mirehitra rehetra, ka tafiditra ao anatin’izany ny hazo, ny zavatra vita amin’ny taratasy sy ny zavatra simika ary ny potipoti-javatra.

  • Sorohy ny fampiasana fitaovana fanafanana efitrano.

  • Araho maso ny fatana na ny lafaoro rehefa manafana sakafo na mampangotraka rano.

Sisin-dalana sy lalankely any ivelany

Raha manao izay hampadio foana ireo lalantsara sy ireo lalana hafa fidirana ao anatiny ireo mpitarika, dia zava-dehibe koa ny manao izay hampadio foana ny sisin-dalana sy lalankely any ivelany mba tsy hisian’ny loza rehefa miditra sy mivoaka.

Ireo fanalahidin’ny trano fiangonana

Omen’ny vondrona mitantana ny tany sy ny trano an’ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka ireo fanalahidin’ny trano fiangonana. Zarain’ny episkôpà amin’ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy araka izay toromarika omen’ny tsatòka ireo fanalahidy. Raketin’ny episkôpà tsirairay an-tsoratra izay olona mihazona ireo fanalahidy ary azony omena ny tompon’andraikitra misahana ny trano eo anivon’ny tsatòka ny tahadikan’izany firaketana an-tsoratra izany. Averin’ireo mpikambana ireo fanalahidy rehetra rehefa isaorana tamin’ny andraikitra mifandray amin’izany izy ireo.

Vola

Tsy hajanona ao amin’ny trano fiangonana mandritra ny alina na tsy misy fanaraha-maso na amin’ny firy na amin’ny firy ny vola.

Ireo dingana arahina mikasika ny filaminana sy ny fanidiana trano fiangonana

Mandinika ny hametraka fandaharam-potoana ho an’ny fanidiana trano fiangonana sy ireo dingana arahina momba ny fanidiana trano fiangonana ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka na ireo eveka mpiandraikitra. Arahina isaky ny alina ireo dingana ireo fotoana fohy aorian’ny fotoana fanidiana ny trano fiangonana izay efa napetraka.

Afaka manendry olona manokana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hanidian’olona anankiroa ny trano fiangonana mba hampihenana ny loza mety hitranga amin’ny tena manokana. Tafiditra ao anatin’ny dingana arahina amin’ny fanidiana trano fiangonana ny fijerena fa tsy misy olona tsy nahazo lalana hijanona ao anatin’ny trano fiangonana, famonoana ny jiro rehetra sy ny fanafanana efitrano mandritra ny fotoana fohy na ny fitaovana mpampifandanja maripana ary ny fanakatonana ireo varavarana sy varavarankely.

Ny mpikamban’ny Fiangonana izay manana fanalahidy hidirana ny trano fiangonana dia angatahina mba hanidy ireo varavarana any ivelany sy ireo varavarankely rehetra rehefa mandeha izy ireo.

Maka antoka ireo mpitarika eo an-toerana fa ireo solosaina, milina mpanonta printy sy pianô elektrônika azo entina mandehandeha ary ireo fitaovana fikirakirana ny haino aman-jery dia voahidy any anaty efitrano na faritra fitehirizan’entana. Ankoatra izany dia asiana marika fa fananan’ny Fiangonana ireo solosaina sy fitaovana elektronika ary misy ny fanaovana lisitra an’ny maodelin’ireo fitaovana sy ny laharam-pamantarana manokana ireo fitaovana.