Ny episkôpà
Fampahalalana hafa mifandray amin’ny trano fiangonana sy ny fitaovana ao anatiny


“Fampahalalana hafa mifandray amin’ny trano fiangonana sy ny fitaovana ao anatiny,” Fanomezana trano fiangonana sy toeram-pitsaohana hafa (2021)

“Fampahalalana hafa mifandray amin’ny trano fiangonana sy ny fitaovana ao anatiny,” Fanomezana trano fiangonana sy toeram-pitsaohana hafa

Fampahalalana hafa mifandray amin’ny trano fiangonana sy ny fitaovana ao anatiny

Sary hosodoko

Ny trano fiangonana dia tokony hahitana taratra toetra maneho fanajana an’i Jesoa Kristy sy mijoro ho vavolombelona momba ny finoan’ireo mpikambana Azy. Ireo hosodoko maneho an’i Jesoa Kristy dia tokony hapetraka ao amin’ireo toerana manodidina ny lalantsara ao amin’ny trano fiangonana mba hanehoana io finoana fototra io. Ireo toerana manodidina ny lalantsara dia tsy tokony hahitana zavatra tsy mampifantoka toy ny boaty misy karazam-boky aranty, tabilaom-baovao, latabatra, ary hosodoko mipetraka amin’ny chevalet. Ireo hosodoko maneho an’i Jesoa Kristy sy ireo zavatra nitranga tao amin’ny soratra masina ary ny tantaran’ny Fiangonana dia azo apetraka ao amin’ireo lalantsara sy ny efitrano fianarana.

Ny filohan’ny tsatòka sy ireo mpitarika hafa eo an-toerana izay nomena andraikitra hanao izany dia mifidy sary hosodoko ao amin’ny katalaogin’ireo sanganasa nankatoavin’ny Fiangonana ho an’ny trano fivoriana. Afaka mizara ilay katalaogin’ireo sanganasa amin’ireo mpitarika ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana rehefa misy sary hosodoko vaovao ilaina. Amin’ny ankapobeny dia tsy azo atao ny mampiasa ireo sanganasa avy amin’ny loharano hafa. Ny fangatahana tranga maningana dia tsy maintsy atao amin’ny alalan’ny mpitantana misahana ny trano sy fitaovan’ny Fiangonana.

Tsy azo apetraka ao amin’ny efitrano fivavahana na eo akaikin’ny toerana fanaovana batisa ireo hosodoko. Tsy azo atao ny fametrahana sarivongana, tsangam-bato fahatsiarovana, hosodoko amin’ny rindrina, ary sary môzaika ao anatiny sy ivelan’ny trano fiangonana. Io fitsipika io dia mety tsy mihatra amin’ireo asa haikanto izay efa naranty nandritra ny taona maro.

Milina mpanao tahadika

Ny fividianana milina mpanao tahadika dia voafaritra amin’ny alalan’ireo torolalana avy amin’ny biraon’ny vondromparitra izay mifototra amin’ny zavatra ilain’ny rantsana. Tompon’andraikitra amin’ny fividianana milina mpanao tahadika ho an’ireo biraon’ny tsatòka sy ireo ivon-toeran’ny fitaovana ao amin’ny trano fiangonana ny vondrona mitantana ny tany sy ny trano.

Rehefa misy asa ilaina atao na zavatra amboarina dia mifampiresaka amin’ilay mpanao asa ireo mpitarika eo an-toerana raha toa ka manana fanaovana fifanarahana amin’ny asa atao izy. Raha tsy izany dia mifampiresaka amin’ny vondrona mitantana ny tany sy ny trano ireo mpitarika eo an-toerana izay mandamina ny fotoana hanaovana ny asa ary mandoa ny vola ilaina amin’ilay asa.

Ny vatsim-pitaovana toy ny taratasy sy ny ranomainty dia vidin’ireo rantsana eo an-toerana amin’ny alalan’ny fampiasana ny vatsim-bola ho an’ny rantsana eo an-toerana nomena azy ireo.

Fandravahana

Ireo fandravahana mandritra ireo fiaraha-mientana ho fankalazana fety, ny lanonam-panambadiana, ary ny hetsika mitovy amin’izany dia azo apetraka mandritra ny fotoana fohy ao anatin’ny trano fiangonana na any ivelany. Ireo haingon-trano ankoatra ny voninkazo dia tsy azo apetraka ao amin’ny efitrano fivavahana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Tsy azo atao ny manisy haingon-trano ao amin’ny lalantsara mba hihazonana ny fifantohana amin’ny fanajana lalina ny Mpamonjy.

Tokony ho tsotra sady tsy lafo vidy ireo fanaingoana. Tsy tokony hiteraka hain-trano izany. Tokony harahina hatrany ireo fitsipika sy ireo lalàna eo an-toerana mikasika ny hain-trano sy ny fiarovana.

Fitaovam-pifandraisana ilaina amin’ny voina tampoka

Ny paroasy sy ny tsatòka dia tsy mividy na manaiky fanolorana maimaim-poana telefaonina mandeha amin’ny zanabolana na fitaovana tsy matihanina fampandehanana onjam-peo mba hampiasaina mandritra ny voina tampoka na fametraham-pitaovana ao amin’ny trano fiangonana iray. Amporisihina ireo mpitarika mba hitady olona mety efa manana ny fitaovany manokana mba hanampy amin’ny filana fitaovam-pifandraisana manokana eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka.

Fitaovana ho an’ny patriarika

Mety misy patriarika tsy manana solosaina, kanefa mahalana izany tranga izany (ohatra, mety tsy manana ny solosainy manokana izy na tsy afaka mampiasa ny solosaina ao amin’ny biraon’ny mpitamboky ao amin’ny trano fiangonana iray). Raha mitranga izany dia afaka manome fankatoavana mba hividy solosaina iray ny filohan’ny tsatòka ary manao ny fangatahana amin’ny alalan’ny fifampiresahana amin’ny mpitantana ny tany sy ny trano. Manome fitaovana fakana raki-peo ho an’ireo patriarika ny tsatòka amin’ny alalan’ny fampiasana ny vatsim-bola ho an’ny rantsana (LUBA).

Sarany

Tsy asaina mandoa sarany na mandrotsa-bola mba hampiasana ny trano fiangonana na ireo toerana hafa an’ny Fiangonana ny mpikambana rehefa manao lanonam-panambadiana, na fotoam-pandevenana, na fivoriam-pianakaviana, na fivorian’ireo misiônera, na rindran-kira na zavamaneno izay nahazoana fankatoavana, na hetsika mitovy amin’izany.

Sainam-pirenena

Ny sainam-pirenena dia azo atsangana hihofahofa eo amin’ny trano sy ny faritry ny Fiangonana raha arahina tsara ireo torolalana eo an-toerana. Azo apetraka ao anatin’ny trano fiangonana amin’ny fotoana manokana ny sainam-pirenena. Ny fitiavan-tanindrazana dia tsy mitaky ny hametrahana ny sainam-pirenena mandavantaona ao amin’ny toerana fitsaohana.

Fianarana atao any an-trano sy toerana fitaizan-jaza

Na dia mamporisika mafy ny fandrantoana fianarana aza ny Fiangonana, dia tsy ampiasaina ho toy ny toerana hanaovana fianarana any an-trano na toerana fitaizan-jaza na hanaovana sahanasa mifandray amin’ny fianarana atao any an-trano ny trano fiangonana.

Ny fanarahana io fitsipika io dia hampisy fiarovana sy hisoroka ny fangatahana hetra amin’ny Fiangonana.

Ny fitaovana miasa miaraka amin’ny zanabolana sy ny fitaovana fandefasana horonan-tsary

Ny fitaovana miasa miaraka amin’ny zanabolana sy ny fitaovana fandefasana horonan-tsary dia tsy azo ampiasaina raha tsy amin’ny zavatra tsy hitadiavam-bola sy amin’ny zavatra mifandray amin’ny Fiangonana ihany, araka ny fanomezan-dalana omen’ny fiadidian’ny tsatòka na ny episkôpà. Tsy maintsy hidina tsara avokoa ny fitaovana rehetra rehefa tsy ampiasaina. Tsy azo entina mivoaka ilay trano izany mba ho ampiasaina any an-trano na ho ampiasaina amin’ny zavatra an’ny tena manokana.

Fampiasana toerana iombonana

Mitaky fankatoavana ny fampiasana toerana iombonan’ny Fiangonana amin’ny hafa, ka tafiditra ao anatin’izany ny fahafahana miditra ao amin’ny toerana an’ny Fiangonana, ny vavahady, ny fanomezan-dalana ny hafa hivezivezy na hanao zavatra voafaritra manokana eo amin’ilay faritra tsy an’ny tena, ny resaka fetran’ny faritry ny roa tonta, ary ny fifanarahana mba hahafahan’ny rehetra mandalo eo amin’ny tanin’ny tsirairay.

Famantarana

Raha manana fanontaniana momba ireo famantarana ho an’ny tranon’ny Fiangonana ny filohan’ny tsatòka dia miresaka amin’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana izy.

Mpanala ranomandry

Misy milina mpanala ranomandry izay an’ny Fiangonana any amin’ny trano fiangonana tsirairay rehefa ilaina any amin’ilay toerana izany. Azon’ny mpikamban’ny Fiangonana ampiasaina io fitaovana io mba hanadiovana ny sisin-dalan’ny tranon’ny fiangonana. Ireo mpikambana manana toe-tsaina matotra sy tompon’andraikitra ihany no ampiandraiketin’ireo mpitarika izany asa izany ary omeny torolalana izy ireo mba hampiasa ireo fepetra fiarovana araka ny tokony ho izy.

Toerana an’ny Fiangonana izay tsy ampiasaina

Ny toerana an’ny Fiangonana izay tsy ampiasaina dia tsy azo ampiasaina na ipetrahana raha tsy misy fanomezan-dalana avy amin’ny Filohan’ny Vondromparitra. Ao anatin’ny toe-javatra sasany dia azon’ny mpikambana eo an-toerana hanaovana zaridaina mandritra ny fotoana fohy ny toerana an’ny Fiangonana izay tsy ampiasaina. Mifampiresaha amin’ny mpitantana ny tany sy ny trano eo an-toerana raha manana fanontaniana na hangataka fanomezan-dalana.