Ny episkôpà
Fitsipika sy torolalana momba ny fanomezana trano fiangonana


Fitsipika sy torolalana momba ny fanomezana trano fiangonana

“Manome trano fiangonana ny Fiangonana mba hahafahan’ireo rehetra miditra ao:

Mety ho hita amin’ny endriny isan-karazany ny trano fiangonana iray, miankina amin’ny toe-javatra misy sy ny filana eo an-toerana” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 35.1). Ireto fitsipika sy torolalana manaraka ireto dia hanampy ireo mpitarika ao amin’ny vondromparitra sy ao amin’ny tsatòka amin’ny fanatrarana io tanjona io araka ny zavatra ilain’ireo mpikambana eo amin’ny vondromparitra misy azy ireo.

Fanamarihana: Ato amin’ity fizarana ity, izay zavatra resahina ahitana ny teny hoe fiadidian’ny tsatòka dia miantefa koa amin’ireo fiadidian’ny distrika.

Fitsipika

Fitoviam-pitantanana sy fampifanarahana amin’ny toe-javatra misy

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia miaina ao anatin’ny toe-javatra maro samihafa eo amin’ny lafiny ara-pôlitika, sy ara-tsôsialy ary ara-toe-karena. Ireo paroasy sy sampana ihany koa dia samy hafa avokoa eo amin’ny habeny sy ny olona azo antsoina ho mpitarika. Ireo zavatra ireo sy ireo toe-javatra hafa dia mety hitaky fampifanarahana amin’ny toe-javatra misy eo an-toerana rehefa manolotra ireo trano fiangonana mifanaraka tsara amin’izay ilaina.

Ireo trano fiangonana rehetra dia tokony hisy ireo fitaovana ilaina izay manampy amin’ny fitsaohana sy amin’ny fanatanterahana ireo fandaharan’asa an’ny Fiangonana. Anisan’izany ny toerana ho an’ny fivorian’ny daholobe sy ny fampianarana ary ireo fiaraha-mientana. Mety hampidirina ao anatin’izany ireo zavatra sahaza hafa arakaraka ny fanapahan-kevitry ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Mampiasa ny fahaizany mandanjalanja ireo mpitarika ao amin’ny vondromparitra rehefa mampifanaraka ireo firafitry ny trano fiangonana izay nahazo fankatoavana amin’ny zavatra ilaina sy ny toe-javatra misy eo an-toerana izy ireo.

Ny trano fivoriana dia mety ho tranona mpikambana, sekoly eo an-toerana na tranompokonolona, toerana nofaina, toerana nanorenan’ny Fiangonana trano na novidina, na toerana hafa arakaraka ny toe-javatra misy eo an-toerana. Ny tsirairay amin’ireo dia azo raisina ho toy ny vahaolana sahaza sy maharitra. Mety manamora ny fampifanarahana toy izany ny fampiasana teknôlôjia, toy ny fitaovana fampitana sary sy feo.

Fanomezana toerana hanaovan-javatra

Miezaka ireo mpitarika ao amin’ny Vondromparitra sy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana, rehefa afaka manao izany, mba hampiasa tanteraka ireo trano fiangonana sy ho malina amin’ny fanolorana sosokevitra ny hisian’ny toerana fanampiny. Azo atao ny manome trano fiangonana rehefa tsy zakan’ireo trano misy intsony ny fitomboan’ny isan’ny mpanatrika.

Zavatra tsotra mifanaraka amin’ny enti-manana

Ireo mpitarika eo anivon’ny Vondromparitra sy eo an-toerana dia mikaroka vahaolana mifanaraka amin’ny fandaniana azo atao sy maharitra ela mahakasika ny filana trano fiangonana. Ny toerana vaovao dia tokony haneho ilay endriky ny fanehoana fanajana sy voninahitra, fahatsorana, ary mifanaraka amin’ny firafitra sy ny endriky ny tontolo manodidina azy. Tokony hampiasa koa ireo zavatra sy fitaovana ary fanaka misy eo an-toerana izany raha mety. Ny dingana arahina amin’ny fanomezana sy fampandehanana ny trano fiangonana dia tokony hanampy eo amin’ny fampatanjahana ny fizakan-tenan’ny Fiangonana eo amin’ilay faritra.

Torolalana

Fampiasana sy fanakaikezana

Alohan’ny hanomezana trano fiangonana fanampiny dia maka antoka ireo mpitarika fa ireo trano fiangonana izay misy ary tsy andaniana ora maro ny fankanesana any dia ampiasaina mba hahazaka ny olona tokony ho zakany. Mandrafitra ny trano fanobian’ny Tompo ireo trano fiangonana ka tsy tokony hiankina amin’ny faritry ny tsatòka ny fampiasana azy. Afaka manampy an’ireo mpitarika ny mpiasan’ny vondromparitra izay misahana ny trano sy ny fitaovana amin’ny fijerena ny trano fiangonana misy.

Ny vondromparitra tsirairay no mamaritra ny faharetan’ny dia izay mety amin’ny mpikambana mba handehanana mankany amin’ny trano fiangonana. Amin’ny ankapobeny dia tsy mihoatra ny 30 ka hatramin’ny 45 minitra izany ho an’ny ankamaroan’ireo mpikambana ao amin’ilay paroasy na sampana. Azon’ireo Fiadidian’ny Vondromparitra atao ny manova ireo fepetra takina amin’ny faharetan’ny dia ho an’ny vondromparitra misy azy ireo, miankina amin’ny toe-javatra misy eo an-toerana sy ny saram-pitanterana.

Isan’ny mpanatrika

Ny vondromparitra tsirairay no mamaritra ny habe sy ny karazana trano fiangonana homena izay miankina amin’ny isan’ireo mpikambana manatrika sy ireo zavatra hafa azo atao ao amin’ny trano fiangonana. Tsy tokony hihevitra ny hanao fanorenana ireo mpitarika ao amin’ny Vondromparitra sy ireo mpitarika eo an-toerana raha tsy aorian’ny famaritana fa izany dia vahaolana mifanaraka amin’ny fandaniana azo atao sy maharitra ela.

Fahatokiana eo amin’ny fahafolonkarena

Alohan’ny mety hanorenana na hividianana trano fiangonana iray, ny tahan’ireo olon-dehibe izay mandoa ny fahafolonkarena feno dia tsy maintsy mitovy na mihoatra ny 80 isan-jato amin’ny tahan’ny salanisan’ireo olon-dehibe mandoa fahafolonkarena feno ao amin’ilay faritra (na ao amin’ilay firenena raha toa ka ahitana firenena mihoatra ny iray ilay faritra) nandritra ny taona teo aloha. Mety hampihatra io fepetra momba ny fahatokiana eo amin’ny fahafolonkarena io ihany koa ny Fiadidian’ny Vondromparitra amin’ny fanofana na zavatra hafa atao amin’ny trano fiangonana.

Drafitra faobe momba ny trano fiangonana

Mba hanamafisana orina ny Fiangonana dia manomana drafitra faobe sady maharitra ireo vondromparitra alohan’ny hanapahana hevitra mikasika ny fanampiana na ny tsy fampiasana intsony trano fiangonana. Alefany araka ny tetiandro efa voatondro ireo drafitra ireo. Ny singa manan-danja ao anatin’ireo drafitra ireo dia ahitana ny fampiasana ny toerana efa misy, ny fanombantombanana ny fitomboana, ny paikady momba ny toerana hametrahana an’ireo trano, ny fanovana ny faritry ny paroasy na sampana ary ny zavatra tsotra mifanaraka amin’ny enti-manana. Dinihina eo anivon’ny vondromparitra sy ny filankevitra fandrindrana ireo zavatra ilaina sy ireo drafitra momba ny trano fiangonana.

Zavatra hafa tokony hodinihina

Ireo biraon’ny tsatòka sy ireo fivoriana eo anivon’ny tsatòka

Amin’ny ankapobeny dia manome biraon’ny tsatòka ireo vondromparitra rehefa mikasa ny hanangana tsatòka izy ireo, na raha toa ka tsy azo atao ao amin’ny toerana efa misy izany. Raha mbola azo atao dia tokony hatao ao amin’ny toerana efa misy na nofaina ireo fihaonambe sy fiaraha-mientana ary fivorian’ny filankevitra eo anivon’ny tsatòka. Azo atao ny mampiasa ny teknôlôjia momba ny sary sy feo ho an’ny fivorian’ny tsatòka mba hanomezana toerana fanampiny ankoatra ireo toerana efa misy na nofaina.

Drafitra fanao isan-taona mikasika ireo trano fiangonana

Ny famatsiam-bola ny trano fiangonana dia atao amin’ny alalan’ny Drafitra fanao isan-taona mikasika ny trano fiangonana. Ireo Fiadidian’ny Vondromparitra no mandefa ireo drafiny fanao isan-taona any amin’ny Kômity misahana ny Tetibola sy ny Fitsinjaram-bola amin’ny alalan’ny Episkôpà Mpiahy.

Birao fanampiny ho an’ny eveka sy ny mpitamboky

Ireto torolalana manaraka ireto dia manome fampahalalana an’ireo mpitarika eo an-toerana rehefa misy ny fieritreretana hanisy birao fanampiny ho an’ny eveka sy ny mpitamboky ao amin’ireo trano fiangonana efa misy.

Torolalana:

  • Ny mpiasa misahana ny fitantanana ny trano sy fitaovan’ny Fiangonana dia afaka manampy amin’ny fanatanterahana dinika momba ny fampiasana ny trano fiangonana mba hahatakarana bebe kokoa ny fomba hampiasana ireo trano fiangonana efa misy sy ny olona na rantsana mety ho zakany.

  • Alohan’ny hanomezana toerana fanampiny hanaovana birao dia maka antoka ireo mpitarika fa efa nisy fandinihana natao momba ny efitrano fianarana sy ny toerana hafa rehetra misy mba hamadihana izany ho birao.

  • Hevero ny hifampizara ny biraon’ny mpitamboky (oh: rantsana roa isaky ny birao).

  • Tokony hasiana fanivanana feo (valindrihana, rindrina, ary varavarana) raha ilaina mba hiarovana ny tsiambaratelo. Azo tanterahina izany amin’ny alalan’ny fametahana mpanefitra na rafitra fanakanana ny feo tsy ho re.

Ho an’ireo toerana ao Etazonia sy Kanadà dia efa nandinika toerana maro azo hanaovana birao sy ny tombam-bidin’izany ho an’ireo trano izay manaraka drafitra manara-penitra ankehitriny sy teo aloha ireo mpiasa eo anivon’ny Vondromparitra sy ao amin’ny fitantanana ny trano fiangonana.