Ny episkôpà
Ireo toeram-piantsonan’ny fiara


Ireo toeram-piantsonan’ny fiara

Torolalana mikasika ny fampiasana ny toeram-piantsonan’ny fiara any Etazonia sy Kanadà

Ireto fampahalalana manaraka ireto mikasika ny toeram-piantsonan’ny fiara sy ny toeram-piantsonana mifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny olona manana fahasembanana ary ireo fanariam-pako dia ho an’ireo mpitarika any Etazonia sy Kanadà. Mety hanampy an’ireo izay any amin’ny faritra hafa izany. Na izany aza dia diniho ireo fitsipika arahina sy ireo zavatra ilaina eo an-toerana ary mifampiresaha amin’ny mpitantana ny tany sy ny trano eo amin’ny toerana misy anao mba hampiharana zavatra mifanaraka amin’ny tokony ho izy.

Fampiasana ny toeram-piantsonan’ny fiara

Ankoatra ny torolalana hita ao amin’ny fizarana 35.5.8 ao amin’ny Boky torolalana maneran-tany, dia tsarovy fa ny fanomezana fahafahana ireo fikambanana hafa na olona hafa hampiasa ny toeram-piantsonan’ny fiara izay an’ny Fiangonana dia mety hitera-doza ho an’ny Fiangonana, na hitakiana hetra amin’ny Fiangonana na hampitombo ny vola ilaina amin’ny fikojakojana izany. Mety hitera-boka-dratsy eo amin’ny lafin’ny tany sy trano izany ary mety hamoizana ilay fanafahana amin’ny fandoavan-ketra. Na dia ny fampiasana ny toeram-piantsonan’ny fiara hanaovana hetsika fanangonam-bola karakarain’ny zatovo aza (miankina amin’ny ampahany amin’ny votoatin’ilay hetsika) dia mety hisy fiantraikany eo amin’ny hetra amin’ny fananan-tany sy trano sy eo amin’ny hetra takina amin’ny vola miditra.

Izay mety ho tranga maningana tsy mifanaraka amin’ny fitsipika arahina dia tsy maintsy arindranao miaraka amin’ny mpitantana ny tany sy ny trano eo amin’ny toerana misy anao ary tsy maintsy mahazo fankatoavana avy amin’ny talen’ny raharaha ara-nofo. Tokony tsy hitondra olana ho an’ny Fiangonana ireo tranga maningana (toy ny fisorohana ny fifandirana eo amin’ny fampiasan-javatra ataon’ny Fiangonana), sy tokony hisoroka ny fanenjehana eo anatrehan’ny lalàna ary tokony hahazo ireo fankatoavana araka ny tokony ho izy rehetra mialoha ny hanomezana lalana ny fahafahana mampiasa izany.

Ankoatra ny toeram-piantsonan’ny fiara, ireo kazaran-javatra ao anatin’ny fampiasana fananana iombonana izay mitaky fankatoavana dia ahitana ny fahafahana miditra ao amin’ny toerana an’ny Fiangonana, ny vavahady, ny fanomezan-dalana ny hafa hivezivezy na hanao zavatra voafaritra manokana eo amin’ilay faritra tsy an’ny tena, ny resaka fetran’ny faritry ny roa tonta, ary ny fifanarahana mba hahafahan’ny rehetra mandalo eo amin’ny tanin’ny tsirairay.

Toeram-piantsonan’ny fiara voatokana mba hifanaraka amin’ny zavatra ilaina

Toeram-piantsonana maro natokana ho an’ireo olona manana fahasembanana no asiana marika ho manaraka ny fenitra, araka ny fangatahan’ny lalàna eo an-toerana. Na izany aza dia afaka mangataka ny mpitantana ny tany sy ny trano ireo eveka sy filohan’ny tsatòka mba hanisy marika toerana voatokana fanampiny araka izay ilaina.

Mandritra ireo fivoriambe toy ny fihaonamben’ny tsatòka, dia maka antoka ireo mpitarika eo an-toerana fa ampy ireo toeram-piantsonana voatokana ary manisy marika toeram-piantsonana voatokana ampy (mandritra ny fotoana fohy mihitsy aza). Mifandrindra amin’ireo paroasy hafa koa ireo eveka rehefa mifanindry foana ny fampiasana ny trano fiangonana sy ny toeram-piantsonan’ny fiara eo aminy. Ohatra, mety tsy ampy ny toeram-piantsonana ho an’ilay paroasy iray satria misy paroasy teo alohany efa mampiasa ireo toeram-piantsonana voatokana.

Mampianatra sy mampahatsiahy ny mpikambana koa ireo eveka mikasika ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny toeram-piantsonana voatokana. Ohatra, ny fiantsonana eo amin’ny faritra iray tsy misy marika izay akaiky loatra ny faritra voatokana iray dia mety hahatonga ilay faritra ho tsy ho azo ampiasaina. Na dia ireo izay manana sora-baventy na fahazoan-dalana mifanaraka amin’ny tokony ho izy aza dia mila miala eo amin’ny faritra voatokana ho an’ireo kamiao kely mba ho an’ireo izay manana fiara misy fampiakarana sy fampidinana olona na ho an’ireo izay mila toerana fanampiny mba hamoahana sy hampidirana.

Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa avy amin’ny Fiangonana dia tsidiho ny tranonkala Disabilities (Olona manana fahasembanana).

Ireo fanariam-pako

Ny Fiangonana ihany no afaka mampiasa ireo fanariam-pako. Azo sakanana amin’ny alalan’ny fefy, na kadenà na fomba hafa ny fampiasana izany raha ilaina.