Ny episkôpà
Ireo toby fialana voly


Ireo toby fialana voly

Fitantanana ireo toerana natao hialana voly

Ireo toerana natao hialana voly izay an’ny Fiangonana dia manolotra toerana manokana any ivelany ho an’ireo hetsika ataon’ny Fiangonana. Volavolaina araka ireo endrika sy drafitra manaraka ny fenitra izay napetraky ny Fiangonana izy ireo. Misy karazany anankiroa ireo toerana natao hialana voly:

  1. Toerana misy toby fialana voly

  2. Ivon-toerana fialana voly an’ny rantsana eo an-toerana (LURC)

Ny tanjona voalohan’ireo toerana misy toby fialana voly dia ny mba hanampiana ireo zatovovavy hahatsapa ny Fanahy eo am-pankafizana fialamboly azo antoka sy mahasoa. Azon’ireo tsatòka, ireo paroasy sy ireo fianakaviana mpikamban’ny Fiangonana ary ireo vahininy ampiasaina koa ireo toby ireo mba hanatanterahana hetsika nahazoana fankatoavana. Ny famandrihana ireo toerana misy toby fialana voly dia tsy azo atao amin’ny anarana fikambanana eo anivon’ny fiarahamonina, sy orinasa mpanao raharaham-barotra ary olona manokana avy amin’ny antokom-pinoana hafa. Na izany aza ny mpikamban’ny Fiangonana dia afaka manasa tsara ireo namany avy amin’ny antokom-pinoana hafa mba hiaraka hanatrika amin’izy ireo.

Azo atao ny manangona ny sarany aloan’ny mpampiasa ilay toby fialana voly mba handoavana ny vola ilaina amin’ny fikojakojana na fanamboarana na fanatsarana. Ny toby fialana voly rehetra dia tokony hampiasana ilay rafitra fanaovana famandrihana en ligne izay an’ny Fiangonana ao amin’ny camping.ChurchofJesusChrist.org. Ny fandoavam-bola dia tokony hatao amin’ny alalan’ilay rafitra ka famindram-bola eo amin’ny rantsana iray mankany amin’ny rantsana iray ihany no azo atao raha hanao famandrihana ho an’ny rantsana sy amin’ny alalan’ny karatra fandoavam-bola (carte bancaire) izay an’ny tena manokana ihany no azo atao raha hanao famandrihana ho an’ny tena manokana.

Ny ivon-toerana fialana voly an’ny rantsana eo an-toerana dia hita ao amin’ireo faritra sahanin’ny tsatòka ary natao voalohany indrindra mba hampiasain’ireo paroasy ao anatin’izany tsatòka izany na ao anatin’ireo tsatòka eo akaiky eo. Ohatra iray mahazatra ny toerana misy trano heva na toerana fanampiny naorina mba hanaovana hetsika any ivelany. Tsy tokony hanangona sarany aloan’ny mpampiasa toerana avy amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana ny tsatòka rehefa mampiasa ivon-toerana fialana voly an’ny rantsana eo an-toerana.

Afaka manao fangatahana mba hanana sy hampivelatra ivon-toerana vaovao fialana voly an’ny rantsana eo an-toerana na toerana vaovao fanaovana toby fialana voly ny tsatòka rehefa hita fa ilaina tokoa izany. Afaka mifampiresaka amin’ny mpitantana ny tany sy ny trano na ny biraon’ny vondromparitra ny filohan’ny tsatòka, izay afaka mampiditra ilay fangatahana mba hodinihina ao anatin’ny drafitra isan-taona izay halefa any amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra.

Mialoha ny handefasana fangatahana toy izany anefa dia amporisihina ireo rantsana eo an-toerana mba hampiasa toerana azo ampiasain’ny besinimaro na toerana izay fananan’olon-tsotra manokana izay misy. Raha misy toerana an’ny Fiangonana izay tsy lavitra loatra any ivelan’ireo faritra sahanin’ny tsatòka dia tokony hampiasaina tanteraka izany mialoha ny hangatahana fanorenana toerana fanampiny.

Ireto zavatra ambara manaraka ireto dia miantefa manokana amin’ny toerana misy toby fialana voly.

Toerana fanaovana toby fialana voly vaovao

Ny fangatahana famatsiana avy amin’ny kitapom-bolan’ny Fiangonana mba hananana sy hampivelarana toby fialana voly iray dia alefa amin’ny alalan’ny tale misahana ny raharaha ara-nofo. Angatahina ny kitapom-bola faoben’ny Fiangonana tsy hampiasa ny dingana arahina momba ny toby fialana voly ao anatin’ny drafitra isan-taona raha tsy rehefa feno ny fepetra ahafahana mahazo izany ary feno ireo singa mandrafitra ny fampivelarana. Mifampiresaha amin’ny mpitantana ny tany sy ny trano mba hanomboka ny dingana arahina mikasika ny fanaovana fandinihana.

Tsatòka tsy voatendry hampiasa toerana misy toby fialana voly iray

Ny Fitopololahin’ny Vondromparitra (izay voatendrin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra) no manendry ireo tsatòka mba hampiasa toby iray an’ny Fiangonana ao amin’ilay faritra ka mifototra amin’ny zavatra ilain’ilay tsatòka izany sy ny fifanakaikezan’ny toerana ary ny hampiasana toerana toy izany. Tokony hodinihana koa ny fampiasana toby azo ampiasain’ny besinimaro na toby izay fananan’olon-tsotra manokana.

Ireo tsatòka izay tsy voatendry hampiasa toerana misy toby fialana voly iray dia afaka manao famandrihana any amin’izay toby fialana voly misy amin’ny alalan’ny fampiasana fanaovana famandrihana en ligne ary ny fanarahana ny Filaharana ao anatin’ny Fandaharam-potoana ho an’ireo famandrihana avoaka ao amin’ny tranonkala.

Famatsiana vola ho an’ny fanatsarana ireo toerana misy toby fialana voly ampiasaina

Misy mpitantana ny tany sy ny trano tendrena hisahana ny toby fialana voly tsirairay ary manana andraikitra mivantana mba hisahana ny toerana sy ny fitaovana rehetra ao amin’ilay toby izy. Ny famatsiam-bola ho an’ny toby dia tafiditra ao anatin’ny dingana arahina ao amin’ny drafitra isan-taona ary ahitana famatsiam-bola ho an’ny fanoloan-javatra, fanatsarana, fampandehanana ary fikojakojana. Ny vola ilaina ho an’ireo karazan-javatra atao ao anatin’ilay hetsika ao amin’ilay toby dia aloan’ilay toby amin’ny alalan’ny sarany aloan’ny mpampiasa toerana (jereo ny Fandrindrana ny vola eo anivon’ny tsatòka ho an’ireo toby).

Fampandehanana sy fikojakojana

Atao fizahana farafahakeliny isaky ny enim-bolana ireo toerana misy toby mba hahitana ireo zavatra mbola ilaina mikasika ny fikojakojana ary ireo olana mikasika ny fiarovana. Tokony hozahana koa ireo toby sy faritra misy ala aorian’ny toetr’andro ratsy toy ny rivo-mahery, na oram-be mivatravatra na firotsahan’ny ranomandry.

Any Etazonia sy Kanadà dia misy ny loharanom-panampiana eo amin’ny fanaovana fizahana sy fikojakojana amin’ny alalan’ny fandefasana fangatahana any amin’ny mpitantana ny tany sy ny trano izay miara-miasa amin’ny Sampan-draharaha misahana ny harena voajanahary ao amin’ny Departemanta misahana ny tany sy ny trano an’ny Fiangonana.

Kely fotsiny ihany ny fanitarana sy ny fikojakojana atao eo amin’ny toby fialana voly any amin’ireo toerana hofaina raha tsy hoe misy ny fifanarahana natao mba hanofana mandritra ny fotoana maharitra izay afaka manamarina ny fandaniam-bola hatao.

Fivarotana na fanofana toby fialana voly nampiasaina

Mifampiresaka amin’ny mpitantana misahana ny tany sy ny trano na ny biraon’ny vondromparitra ireo fiadidian’ny tsatòka izay maniry ny hivarotra na hampanofa toerana misy toby fialana voly nampiasaina. Ny tsatòka dia tsy mahazo mirotsaka ao anatina fifampiraharahana amin’izay mety ho mpitantan-draharan’ny tanàna na mpandraharaha mikasika ny fividianana, na fanofana, na fandefasana toerana misy toby fialana voly.

Fitantanana

Ny Fitopololahin’ny Vondromparitra (izay voatendrin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra) no manendry filohan’ny tsatòka mpiandraikitra iray mba hanara-maso ny fitantanana ny toerana misy toby iray. Ilay filohan’ny tsatòka mpiandraikitra dia tokony hipetraka ao amin’ilay faritra ahitana ny Fiangonana izay ahitana izany toerana izany koa.

Fanafahana amin’ny fandoavana hetra

Tokony harovana ilay fanafahana amin’ny fandoavana hetra ho an’ireo toerana misy toby fialana voly. Ny toerana dia tsy tokony hampiasaina ho an’ny tanjona ara-barotra na ara-pôlitika na hanaovana fitadiavam-bola mihoatra lavitra amin’izay ilaina mba hampandehanana na hikojakojana na hanamboarana ilay toerana. Raha toa ny mpitondra fanjakana eo an-toerana any amin’ny faritra misy ilay toby fialana voly ka tsy manome fanafahana amin’ny fandoavana hetra ho an’ilay toby dia haloan’ny foiben’ny Fiangonana ny hetra.

Fandrindrana ny vola eo anivon’ny tsatòka ho an’ireo toby

Any Etazonia, ny tsatòka mpiandraikitra dia mitantana ny vola ho an’ny toby amin’ny alalan’ny fanokafana kaonty misaraka manokana misahana ny volan’ny rantsan’ny Fiangonana any amin’ny banky (CUBS) amin’ny alalan’ny Sampan-draharaha misahana ny rakibola any amin’ny foiben’ny Fiangonana. Ny tsatòka mpiandraikitra dia tsy manokatra mivantana kaonty azo handrotsahana sy hisintonana vola araka izay ilaina any amin’ny banky. Ny kaonty CUBS dia ampiasaina mba handoavana ireo zavatra ilaina amin’ny fandaharan’asa atao ao amin’ny toby rehefa misy hetsika na fitaovana ilaina. Ny sarany rehetra aloan’ny mpampiasa toerana sy ny vidin-javatra rehetra dia tokony hapetraka ao amin’ny kaonty CUBS. Ho an’ny faritra any ivelan’i Etazonia sy i Kanadà dia mifandray amin’ny mpiasa misahana ny fitantanam-bola ao amin’ny vondromparitra ny filohan’ny tsatòka mpiandraikitra mba hahazoana torolalana amin’ny fanokafana kaonty.

Ny mpanamarim-bola eo anivon’ny tsatòka mpiandraikitra no manao ny fanamarinam-bola mikasika ny fampandehanana ny toby amin’ny alalan’ny fampiasana ny Recreation Camp Audit form (Taratasy fanaovana fanamarinam-bola mikasika ny toby fialana voly) izay hita ao amin’ny Area Audit Resource Library (Loharanom-pitaovana momba ny fanamarinam-bola eo anivon’ny Vondromparitra).

Ny tsatòka mpiandraikitra no mandinika tsara sy manome fankatoavana ireo vola miditra na fandaniam-bola rehetra. Raha toa ka mampidi-bola ilay toerana misy toby fialana voly dia mampahafantatra izany amin’ny mpitantana ny tany sy ny trano ny tsatòka mpiandraikitra izay miara-miasa amin’ny Sampan-draharaha misahana ny harena voajanahary ao amin’ny Departemanta misahana ny tany sy ny trano an’ny Fiangonana (any Etazonia sy Kanadà) na any amin’ny biraon’ny vondromparitra (any amin’ireo faritra any ivelan’i Etazonia sy Kanadà). Ny vola miditra rehetra toy izany dia apetraka ao amin’ny kitapom-bola faoben’ny Fiangonana.

Afaka manampy amin’ny fampihenana ny vola lany amin’ny fikojakojana na ny fanamboarana na ny fanatsarana ireo toerana misy toby fialana voly ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fanolorana maimaim-poana olona afaka manao ny asa, na fitaovana na karazam-pitaovana hanaovana fanamboarana madinidinika. Ny asa fanoloan-javatra sy fanatsarana rehetra dia sahanin’ny mpitantana ny tany sy ny trano ka mpanao asa efa voafantina mialoha sy famatsiam-bola nahazoana fankatoavana ao amin’ny drafitra isan-taona ihany no ampiasainy. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia tsy manao hetsika fitadiavam-bola manokana mba handoavana ny vola ilaina amin’ny fanatsarana ny toby fialana voly (jereo ny Famatsiana vola ho an’ny fanatsarana ireo toby fialana voly ampiasaina).

Famatsiana rano fisotro madio

Ny fitaovana mamatsy rano fisotro madio any amin’ireo toerana rehetra an’ny Fiangonana dia misintona ny ranony avy amin’ny lava-drano na loharano izay an’olona manokana (ankoatra ny fitaovana mamatsy rano eo amin’ny tanàna na fiarahamonina) dia aorina sy ampandehanina ary kojakojaina araka ny lamina ara-dalàna ary ireo fenitra napetraky ny Fiangonana. Ny mpitantana ny tany sy ny trano no tompon’andraikitra amin’ny fakana antoka fa ilay rano dia efa nakana santionany sy natao fitiliana fa rano manara-penitra izay mifanaraka amin’ireo zavatra takin’ny lalàna sy ireo fomba fitantanana tsara indrindra.

Fitaovana sy fiara

Ny Departemanta misahana ny tany sy ny trano an’ny Fiangonana raha ny mahazatra dia tsy manome fitaovana na fiara na mikojakoja izany ho an’ireo toby fialana voly. Rehefa misy fitaovana manokana ilaina dia hofaina izany ka aloan’ny tsatòka, na atolotr’ireo mpikambana ao amin’ny tsatòka izany na vidina amin’ny alalan’ny fampiasana ny vatsim-bolan’ny rantsana eo an-toerana sy ny sarany aloan’ireo mpampiasa ny toerana.

Mpikarakara ny toerana

Raha toa ka misy ny filana olona iray na mihoatra izay miasa amin’ny fotoana feno mba hikarakara ny toerana dia afaka miantso ireo misiônera manao asa soa eo anivon’ny Fiangonana ny filohan’ny tsatòka mpiandraikitra mba hitazona izany anjara asa izany. Atokan’ny eveka ireo misiônera manao asa soa eo anivon’ny Fiangonana ireo.

Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa mikasika ny fiantsoana misiônera manao asa soa eo anivon’ny Fiangonana dia jereo ny Boky torolalana maneran-tany, 24.7.