Boky torolalana sy antso
14. Ireo mpikambana tokan-tena


“14. Ireo mpikambana tokan-tena,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, (2020).

“14. Ireo mpikambana tokan-tena,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
olona miresaka

14.

Mpikambana tokan-tena

14.0

Teny fanolorana

Manasa ny rehetra ny Mpamonjy mba hanatona Azy sy hiditra ho mpikambana ao amin’ny Fiangonany (jereo ny 2 Nefia 26:24). Ampahany maro an’isa amin’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana ireo lehilahy sy vehivavy tsy mbola manambady na nisara-panambadiana na maty vady. Zava-dehibe ho an’ny rehetra ny mahazo fanantenana amin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy (jereo ny Etera 12:4). Afaka manampy hahazoana fanantenana toy izany ireto fahamarinana mandrakizay manaraka ireto:

  • Ny soratra masina sy ireo mpaminanin’ny andro farany dia manamafy fa izay rehetra mahatoky amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanan’ny filazantsara dia hanana fahafahana ny hahazo fisandratana.

  • Tsy mbola nambara avokoa ny fotoana sy ny fomba marina tsara hanomezana ireo fitahian’ny fisandratana. Na izany aza anefa dia azo antoka ny hitrangan’izany (jereo ny Môzià 2:41).

  • Ny fiandrasana ny Tompo dia midika hoe fankatoavana tsy tapaka sy fivoarana ara-panahy mankany Aminy (jereo ny Isaia 64:4).

  • Manolotra fiainana mandrakizay ho an’ireo zanany rehetra Andriamanitra. Ireo rehetra izay mendrika ny hahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny famelan-keloka feno fahasoavan’ny Mpamonjy sy miaina ny didiny dia hahazo ny fiainana mandrakizay. (Jereo ny Môzià 26:30; Môrônia 6:8.)

  • Mifototra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny fahatokiana ireo fanomezan-toky ireo. Mipetrapetraka araka ny tokony ho izy avokoa ny zavatra rehetra mahakasika ny fiainana an-tany noho ny famindram-pony (jereo ny Almà 7:11–13).

Mila ny mpikambana rehetra Andriamanitra mba hanampy amin’ny asany ho an’ny famonjena ao amin’ny paroasy sy ny tsatòka misy azy ireo (jereo ny 1 Korintiana 12:12–27). Araka izay hitarihan’ny Fanahy dia antsoina ho amin’ny andraikitry ny mpitarika sy ny mpampianatra ireo mpikambana tokan-tena. Mety ho tafiditra ao amin’ny antson’ny mpitarika ny fanompoana ao amin’ireto anjara andraikitra manaraka ireto:

  • Fiadidian’ny rafitra eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka

  • Fiadidian’ny kôlejin’ny loholona

  • Mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà

  • Mpikambana ao amin’ny filankevitra avo

  • Mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka

Ato amin’ity toko ity:

  • Ny hoe “Mpikambana tokan-tena” dia ilazana ny mpikambana olon-dehibe rehetra ato amin’ny Fiangonana izay tsy mbola manambady amin’izao fotoana izao.

  • Ny “tanora tokan-tena” dia ilazana ireo olona 18 ka hatramin’ny 30 taona.

  • Ny “olon-dehibe tokan-tena” dia ilazana ireo olona 31 taona no ho miakatra.

14.1

Mpikambana tokan-tena ao amin’ireo rantsana mahazatra

Ny ankamaroan’ireo mpikambana tokan-tena dia manatrika ao amin’ny rantsana mahazatra miaraka amin’ny mpikambana amin’ny sokajin-taona rehetra. Manana fahafahana hanompo, hampianatra, hitarika, ary hiara-hiasa amin’ny olona ao anatina toe-javatra iainana maro izy ireo.

14.1.1

Ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka

14.1.1.1

Fiadidian’ny tsatòka

Lehibe tokoa ny firotsahan’ny fiadidian’ny tsatòka an-tsehatra indrindra fa amin’ny fampandraisana anjara ireo mpikambana tokan-tena amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

Ny filohan’ny tsatòka dia afaka manome andraikitra ny iray amin’ireo mpanolotsainy sy ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo mba hanohana ny olon-dehibe tokan-tena. Azony atao ihany koa ny manome andraikitra mpanolotsaina iray sy mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo mba hanohana ireo tanora tokan-tena. Afaka mangataka ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka ihany koa izy mba hanome andraikitra ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana mba hanohana ireo olon-dehibe tokan-tena sy tanora tokan-tena. Azo omena andraikitra ao amin’ireo vondrona roa ireo ireo mpitarika ireo.

Ny fiadidian’ny tsatòka dia mifantoka manokana amin’ireo tanora tokan-tena, tahaka izay ataon’izy ireo amin’ireo mpikambana rehetra ao amin’ireo taranaka vao misondrotra.

Ny fiadidian’ny tsatòka no manapaka raha toa ka tokony hatao eo anivon’ny paroasy, na eo anivon’ny tsatòka, na ny fitambaran’izy roa ireo fiaraha-mientana ho an’ny tanora tokan-tena. Ny fiaraha-mientana ho an’ny olon-dehibe tokan-tena dia atao eo anivon’ny tsatòka sy ny tsatòka mitambatra. (Jereo ny toko 20.)

Rehefa ampy ny isan’ireo mpikambana tokan-tena ao amin’ny toerana iray dia afaka mandroso hevitra ny hananganana paroasin’ny tanora tokan-tena na paroasin’ny olon-dehibe tokan-tena ireo filohan’ny tsatòka (jereo ny 14.3).

Ny tsatòka iray (na ny vondron’ireo tsatòka mifanila) dia mety tsy manana mpikambana tokan-tena ampy mba hananganana paroasin’ny tanora tokan-tena na an’ny olon-dehibe tokan-tena. Ao anatin’izany toe-javatra izany dia afaka manome lalana ny filohan’ny tsatòka ny Fiadidian’ny Vondromparitra mba hanasa ireo mpikambana rehetra ireo ho lasa mpikambana ao amina paroasy mahazatra iray izay voatendry. Manome fahafahana ny olon-dehibe tokan-tena na ny tanora tokan-tena hiara-hanompo sy hiara-hivavaka izany. Miara-midinika amin’ny mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy nomena andraikitra hisahana azy ireo sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Fiadidian’ny Vondromparitra.

14.1.1.2

Ny kômitin’ny tanora tokan-tena sy ny olon-dehibe tokan-tena eo anivon’ny tsatòka

Manompo ny zanak’ Andriamanitra ireo mpikambana tokan-tena amin’ny alalan’ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny 1.2 sy ny 14.2). Mba hanampiana azy ireo hanao izany dia manangana kômitin’ny tanora tokan-tena ny fiadidian’ny tsatòka. Ireo mpitarika ny tanora tokan-tena avy amin’ny paroasy tsirairay no mandrafitra io kômity io.

Lehilahy tanora tokan-tena iray sy vehivavy tanora tokan-tena iray no antsoina hitarika ilay kômity. Manompo ao amin’ny filankevitry ny tsatòka izy ireo.

Raha toa ka tsy ampy ny tanora tokan-tena mba hananganana kômity ao amin’ny tsatòka iray, dia afaka mamorona kômity ny vondron’ny tsatòka mifanila aminy rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra.

Afaka manangana kômitin’ny olon-dehibe tokan-tena ihany koa ny fiadidian’ny tsatòka. Olon-dehibe tokan-tena vitsivitsy avy amin’ny paroasy tsirairay no mandrafitra izany. Lehilahy olon-dehibe tokan-tena iray sy vehivavy olon-dehibe tokan-tena iray no antsoina hitarika ilay kômity. Manompo ao amin’ny filankevitry ny tsatòka izy ireo.

Raha toa ka tsy ampy ny olon-dehibe tokan-tena mba hananganana kômity ao amin’ny tsatòka iray, dia afaka mamorona kômity ny vondron’ny tsatòka mifanila aminy rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra.

Mikatsaka ny hanampy ireo mpikambana ireo kômity amin’ny alalan’ny finamanana sy ny fanomezana fahafahana handray anjara amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny 14.2). Manao drafitra mba hisian’ny fotoana hianarana ny filazantsara sy hanaovana asa fanompoana ary fiaraha-mientana izy ireo.

Mivory ireo kômity rehefa ilaina izany. Afaka manatrika ireo fivoriana ireo ny mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka izay nomena andraikitra hisahana izany ary ny mpikambana ao amin’ny filankevitra avo nomena andraikitra hanao izany mba hanolotra fanohanana.

Ireo kômitin’ny olon-dehibe tokan-tena dia miara-miasa amin’ireo fandaharan’asan’ny institiota eo anivon’ny oniversite, raha misy izany.

Raha ny tokony ho izy dia samy miasa mitokana ny kômitin’ny olon-dehibe tokan-tena sy ny an’ny tanora tokan-tena.

14.1.2

Ny mpitarika ao amin’ny paroasy

14.1.2.1

Ny episkôpà

Manana andraikitra lehibe amin’ny fampandraisana anjara ireo mpikambana tokan-tena amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny episkôpà. Miara-miasa amin’ny filankevitry ny paroasy izy ireo mba hamantatra ireo antso sy anjara andraikitra manan-danja ho an’ireo mpikambana tokan-tena. Mamantatra sy miezaka mitondra fanampiana amin’ny fanomezana ny zavatra ilain’ireo ray aman-dreny tokan-tena izy ireo.

Amin’ny ankapobeny dia manampy ireo mpikambana tokan-tena ny episkôpà rehefa manampy ny mpikambana rehetra ao amin’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana izy ireo. Kanefa, noho ny andraikitra lehibe indrindra sahanin’izy ireo amin’ny taranaka vao misondrotra dia manao izao manaraka izao ny episkôpà:

  • Mihaona amin’ny tanora tokan-tena tsirairay indray mandeha isan-taona farafahakeliny ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà.

  • Mahazo vaovao tsy tapaka momba ny mahasoan’ny fiainan’ireo tanora tokan-tena ny episkôpà. Mifanakalo hevitra momba ny zavatra ilain’ireo tanora tokan-tena mandritra ny fivoriana filankevitry ny paroasy ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana. Azo asaina hanatrika izany ireo mpitarika ny kômitin’ny tanora tokan-tena.

  • Afaka manangana kômitin’ny tanora tokan-tena eo anivon’ny paroasy ny episkôpà (jereo ny 14.1.2.4). (Atsangana eo anivon’ny tsatòka ny kômitin’ny olon-dehibe tokan-tena ho an’ireo 31 taona no ho miakatra.)

14.1.2.2

Ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana izay nomena andraikitra ao amin’ny tanora tokan-tena

Samy afaka manome andraikitra ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’izy ireo avy ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mba hanohana ny tanora tokan-tena. Mamantatra ny tanjak’ireo tanora tokan-tena sy manampy amin’ny fanomezana ny zavatra ilain’izy ireo ireo mpikambana ao amin’ny fiadidiana ireo.

Afaka manao tatitra mikasika ireo asa natao ireo mandritra ny fivoriana filankevitry ny paroasy ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana. Raha misy ny kômitin’ny tanora tokan-tena eo anivon’ny paroasy dia asaina ireo mpitarika an’io kômity io mba hanatrika sy hanao tatitra ny ezaka ataon’izy ireo.

Ireo mpikambana ao amin’ny fiadidiana ireo dia manohana ny kômitin’ny tanora tokan-tena eo anivon’ny paroasy raha misy kômity iray natsangana (jereo ny 14.1.2.4).

14.1.2.3

Ireo mpitarika ny tanora tokan-tena

Ao amin’ny paroasy iray izay manana tanora tokan-tena betsaka dia afaka miantso lehilahy tanora tokan-tena iray sy vehivavy tanora tokan-tena iray ny episkôpà mba ho mpitarika ny tanora tokan-tena. Isan’ny andraikitr’izy ireo ny:

  • Manampy ny tanora tokan-tena handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny 14.2).

  • Manompo ao amin’ny kômitin’ny tanora tokan-tena eo anivon’ny tsatòka.

  • Mitarika ny kômitin’ny tanora tokan-tena eo anivon’ny paroasy raha misy iray natsangana ao.

  • Miara-mivory matetika amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana. Mandritra ireo fivoriana ireo izy ireo dia mifanakalo hevitra momba ny tanjak’ireo tanora tokan-tena sy ny fomba hanomezana ny zavatra ilain’izy ireo. Mifantoka ihany koa amin’ny fanompoana ireo tanora tokan-tena izy ireo.

  • Manatrika ireo fivorian’ny filankevitry ny paroasy raha toa ka voasa amin’izany.

14.1.2.4

Ny kômitin’ny tanora tokan-tena eo anivon’ny paroasy

Manana tanora tokan-tena maro ny paroasy sasany. Ao amin’ireo paroasy ireo dia mety mahatsapa ny eveka fa tsara raha ampian’ny kômitin’ny tanora tokan-tena eo anivon’ny paroasy ireo mpitarika ny tanora tokan-tena. (Atsangana eo anivon’ny tsatòka ny kômitin’ny olon-dehibe tokan-tena. Jereo ny 14.1.1.2.)

Ireo mpikambana ao amin’ny kômity dia ahitana:

  • Ireo mpitarika ny tanora tokan-tena eo anivon’ny paroasy.

  • Tanora tokan-tena fanampiny asain’ny episkôpà.

  • Ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana izay nomena andraikitra hanohana ny tanora tokan-tena.

14.2

Fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana

Manasa ny rehetra Andriamanitra hanatona an’i Kristy sy handray anjara amin’ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny:

  • Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Fikarakarana ireo izay sahirana.

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara.

  • Fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay.

Mandray anjara amin’ity asa ity any an-tokantrano sy ao am-piangonana ny mpikambana tokan-tena. Mandray anjara ao amin’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana izy ireo. Manompo amin’ireo antso sy andraikitra hanendrena azy izy ireo, anisan’izany ny fanompoana. Ny paroasy sy ny tsatòka dia afaka manomana fiaraha-mientana azo isafidianana izay natao manokana ho an’ireo mpikambana tokan-tena izay misafidy ny handray anjara (jereo ny 14.2.1.3).

14.2.1

Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

14.2.1.1

Takariva fiaraha-mivory sy fandalinana ny filazantsara

Ireo mpitarika na mpikambana maniry ny handray anjara dia afaka manangana vondrona iray na maromaro mpanao takariva fiaraha-mivory ho an’ny olon-dehibe tokan-tena sy vondrona hafa ho an’ny tanora tokan-tena. Amin’ny ankapobeny dia tsy manan-janaka any an-trano ireo mpandray anjara amin’izany. Ao amin’ireo tsatòka izay manana mpikambana tokan-tena vitsy dia azo anasana olona hafa ivelan’ny faritry ny paroasy ireo vondrona mpanao takariva fiaraha-mivory.

Ankoatra izay dia afaka misafidy ny hivory amin’ny fomba virtoaly na mivantana ireo mpikambana tokan-tena ho an’ny fandalinana ny filazantsara ao an-tokantrano. Azo ampiasaina ho loharanom-pitaovana ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Amporisihina ny tanora tokan-tena rehetra mba hisoratra anarana amin’ny institiota (jereo ny 15.2).

14.2.1.2

Ireo kilasin’ny Sekoly Alahady

Eo ambany fitarihan’ny eveka dia afaka manangana kilasin’ny Sekoly Alahady ho an’ny tanora tokan-tena ny filohan’ny Sekoly Alahady ao amin’ny paroasy (jereo ny 13.3.2).

14.2.1.3

Fiaraha-mientana

Eo ambany fitarihan’ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka dia afaka manomana sy mandray anjara amin’ireo fiaraha-mientana natao ho azy ireo manokana ireo tanora tokan-tena. Azo atao eo anivon’ny paroasy na tsatòka ireo fiaraha-mientana ireo. Mety ho isan’ny ohatra amin’izany ny:

  • Fitsidihana tempoly.

  • Asa atao amin’ny tantaram-pianakaviana.

  • Fizarana ny filazantsara.

  • Fanompoana eo anivon’ny fiarahamonina.

  • Hira sy hetsika ara-kolontsaina.

  • Fanatanjahan-tena.

Eo ambany fitarihan’ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka dia afaka manomana fiaraha-mientana mitovy amin’izany eo anivon’ny tsatòka ireo tanora tokan-tena.

Afaka miara-miasa amin’ireo filohan’ny tsatòka ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra mba hanangana ireo kômity hikarakara fiaraha-mientana eo anivon’ny tsatòka mitambatra ho an’ny mpikambana tokan-tena.

Alaina avy amin’ny tetibolan’ny tsatòka na ny an’ny paroasy ny vatsim-bola ho an’ireo fiaraha-mientana. Rehefa misy fiaraha-mientana ataon’ny tsatòka mitambatra na ny vondromparitra dia ataon’ilay mpitarika izay hizarana vatsim-bola amin’ny ara-drariny mba hamatsiana vola ireo tsatòka.

Ny famatsiana vola ireo fiaraha-mientana dia tokony hanaraka ireo lalàna ao amin’ny 20.2.6. Ho tranga maningana dia mety hisy vola aloan’ireo mpikambana rehefa misy hetsika karakarain’ny tsatòka mitambatra na ny vondromparitra. Ataon’ireo mpitarika izay ahafahan’ny rehetra mandray anjara.

Mba hahitana fitarihana misimisy kokoa momba ny fiaraha-mientana dia jereo ny 20.2 sy ny 20.3.

Sary
olona milalao baolina kitra

14.2.2

Mikarakara ireo izay mila fanampiana

14.2.2.1

Asa fanompoana

Tahaka ny mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra, ireo mpikambana tokan-tena dia manana fahafahana tsy tapaka hanompo ny hafa tsirairay na miaraka anaty vondrona. Isan’ireo fomba lehibe indrindra manamafy orina ara-panahy ny tanora tokan-tena ny fanompoana eo anivon’ny fiarahamonina.

Ireo fiaraha-mientana hanaovana asa fanompoana dia afaka mifantoka amin’ny:

  • Fifanampiana sy fizakan-tena.

  • Tantaram-pianakaviana.

  • Tolo-tanana atao amin’ny fiarahamonina.

  • Fizarana ny filazantsara.

  • Fampatanjahana ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto.

  • Filana mikasika ny maha-olona eo an-toerana na any an-kafa.

Any amin’ny toerana misy izany, ny JustServe.org dia manolotra sosokevitra ny amin’ireo fahafahana manao asa fanompoana azon’olon-tokana sy ny vondron’olona atao.

14.2.2.2

Fanompoana

Ny rahalahy tokan-tena tsirairay avy dia omena rahalahy manompo hiandraikitra azy. Ny rahavavy tokan-tena tsirairay avy dia omena rahavavy manompo sy rahalahy manompo hiandraikitra azy. Atao amin’ny isam-batan’olona ny asa ampandraiketina fa tsy ho ana vondrona na olona mipetraka ao amin’ny tokantrano iray. (Jereo ny toko 21.)

14.2.3

Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara

Manana fahafahana ireo mpikambana tokan-tena ny hanasa ny rehetra handray ireo fitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Manao izany izy ireo amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara sy ny fampatanjahana ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto, ary ny fanolorana tanana ireo izay tsy mandray anjara. (Jereo ny toko 23.)

Mifindra trano matetika ny tanora tokan-tena sasany. Afaka manomana fiaraha-mientana tsindraindray ny tanora tokan-tena mba hitadiavana sy handraisana ireo tanora tokan-tena eo anivon’ny tsatòka. Ireo fiaraha-mientana ireo dia azo atao ihany koa miaraka amin’ireo tsatòka eo amin’ny manodidina.

Mety tena hanampy tokoa ny tanora tokan-tena amin’ny fiarahana mampianatra amin’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno sy ny fanohanana azy ireo.

14.2.4

Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay

Ireo mpikambana tokan-tena tsirairay na miaraka anaty vondrona dia afaka manampy amin’ny fampiraisana ny fianakaviany ho mandrakizay. Ohatra, izy ireo dia afaka:

  • Miomana hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandraisana ireo ôrdônansy, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanafiana masina atao ao amin’ny tempoly (Jereo ny 27.2.2).

  • Manompo ho mpanatanteraka ôrdônansy ao amin’ny tempoly na mpirotsaka an-tsitrapo (jereo ny 25.5).

  • Mandray anjara amin’ireo ôrdônansy ho an’ny maty.

  • Mamantatra ny momba ny havany sy ny razambeny (jereo ny Ny Fianakaviako: Ireo tantara izay mampiray anay).

  • Mamantatra ireo razambe izay mila ôrdônansin’ny tempoly (jereo ny FamilySearch.org).

  • Manompo ho mpanorohevitra mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 25.2.4).

  • Mandray anjara amin’ny firaketana anarana faobe (jereo ny FamilySearch.org/indexing).

14.3

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana amin’ny zava-misy
Paroasy sy tsatòkan’ny tanora tokan-tena sy paroasin’ny olon-dehibe tokan-tena

Ny ankamaroan’ireo mpikambana tokan-tena dia manatrika ireo paroasy mahazatra. Ho tranga maningana, any amin’ny toerana ahitana mpikambana tokan-tena maro mipetraka eny akaiky eny, dia afaka mandroso hevitra ny hananganana ireto rantsana manaraka ireto ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana. Tokony hahafeno ireo fepetra ao amin’ny toko 37 ireo rantsana ireo.

  • Paroasin’ny tanora tokan-tena ho an’ireo 18–30 taona (jereo ny 37.2)

  • Tsatòkan’ny tanora tokan-tena ho an’ireo 18–30 taona (jereo ny 37.3)

  • Paroasin’ny olon-dehibe tokan-tena ho an’ireo 31–45 taona (jereo ny 37.5)

Mampiasa ny fandaharam-pianarana fampiasan’ny Fiangonana araka izay azo atao ireo rantsana ireo. Manaraka ny toromarika ato amin’ity boky torolalana ity izy ireo.

Ireo mpikambana mahafeno ny fepetra dia afaka misafidy ny ho lasa mpikambana ao amin’ny paroasin’ny tanora tokan-tena, na ny paroasin’ny olon-dehibe tokan-tena raha misy izany. Na afaka misafidy ny ho mpikambana ao amin’ny paroasiny mahazatra izy ireo.

Tsy maharitra ny maha-mpikambana ao amin’ny paroasin’ny tanora tokan-tena na ny an’ny olon-dehibe tokan-tena:

  • Rehefa manambady ny mpikambana tokan-tena iray, dia lasa mpikambana ao amina paroasy iray mahazatra izy.

  • Rehefa feno 31 taona ny mpikambana iray ao amin’ny paroasin’ny tanora tokan-tena, dia lasa mpikambana ao amin’ny paroasin’ny olon-dehibe tokan-tena izy (raha misy izany ao amin’ny toerana ipetrahany), na ao amin’ny paroasy iray mahazatra.

  • Rehefa feno 46 taona ny mpikambana iray ao amin’ny paroasin’ny olon-dehibe tokan-tena dia lasa mpikambana ao amin’ny paroasy iray mahazatra izy.

Rehefa mifindra avy amin’ny paroasy iray mankany amin’ny paroasy iray hafa dia mifandray amin’ireo mpitarika ao amin’ny paroasy mahazatra ilay mpikambana sy ireo mpitarika azy. Manendry rahalahy sy rahavavy manompo hiandraikitra azy ireo mpitarika ao amin’ilay paroasy vaovao. Manomana antso na asa ampandraiketina izay manampy ilay mpikambana hahatsapa ho voaray tsara sy mandray anjara amin’ny asa ao amin’ny paroasy izy ireo.

14.4

Torolalana sy fitsipika fanampiny

14.4.1

Ireo toeram-pivoriana

Ny toeram-pivoriana iray dia toerana iray voatondro izay ahafahan’ireo tanora tokan-tena sy ireo namany mivory mba hahazoany namana sy handraisany anjara amin’ny iray amin’ireto manaraka ireto:

  • Fianarana ny filazantsara, anisan’izany ny institiota

  • Taranja momba ny fizakan-tena, fahafahana mandranto fianarana, ary vondrona fanohanana

  • Asa fanompoana sy fiaraha-mientana

  • Fizarana ny filazantsara sy fanomezan-tanana atao amin’ny fiarahamonina

  • Asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana

  • Fandaharan’asa hafa karakarain’ny Fiangonana

Ireo toeram-pivoriana voatondro rehetra dia tsy maintsy hahazoana fankatoavana avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Ireo toeram-pivoriana dia arahin’ireo filohan’ny tsatòka sy ny eveka maso. Atao ao amin’ireo tranon’ny Fiangonana izay misy izy ireny, toy ny trano fiangonana na trano fianarana institiota. Ireo filohan’ny tsatòka maniry ny hametraka toeram-pivoriana ho an’ny tanora tokan-tena dia tokony hifandray amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra.

14.4.2

Alatsinainy hariva

Ho tranga maningana dia afaka manao fiaraha-mientana ny alatsinainy hariva ireo paroasin’ny tanora tokan-tena sy ireo paroasin’ny olon-dehibe tokan-tena, tafiditra ao anatin’izany ny hanaovana izany ao amin’ireo tranon’ny Fiangonana (jereo ny 20.5.3).

14.4.3

Kôlejin’ny loholona sy Fikambanana Ifanampiana fanampiny

Rehefa nahazo fankatoavana avy tamin’ny filohan’ny tsatòka dia afaka manorina Fikambanana Ifanampiana sy kôlejin’ny loholona mihoatra ny iray ny eveka ao amin’ny paroasy ho an’ny mpikambana tokan-tena iray. (Jereo ny 8.1.3 sy ny 9.1.3.)

14.4.4

Ireo mpikambana antsoina hanompo ao amin’ireo rantsana ho an’ny mpikambana tokan-tena

Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka ao amin’ireo rantsana ho an’ny mpikambana tokan-tena ihany no ilaina antsoina avy amina paroasy mahazatra. Araka izay fitarihan’ny Fanahy dia antso maro hafa no azon’ireo olona ao amin’ny rantsana ho an’ny mpikambana tokan-tena tanterahina.

Ireo izay antsoina avy ao amin’ny paroasiny mahazatra mba hanompo ao amina rantsana ho an’ny mpikambana tokan-tena dia mazàna no tsy manompo mihoatra ny telo ka hatramin’ny dimy taona ao amin’ireo rantsana ireo. Tafiditra ao anatin’io fe-potoana io ireo asa fanompoana ampiarahana amin’ireo antso hafa.

Tokony hanohana ireo mpitarika ao amin’ireo tsatòka mahazatra rehefa misy mpikambana eritreretina hanompo ao amin’ireo rantsana ho an’ny mpikambana tokan-tena. Kanefa miara-midinika ireo mpitarika mba hahatakatra ny toe-javatra iainan’ireo mpikambana.

Azo omena olona tsirairay na mpivady ireo antso. Amin’ny toe-javatra sasany dia mety mila mijanona any amin’ny paroasy mahazatra ralehilahy na ravehivavy raha toa ny iray ka manompo ao amina paroasy ho an’ny mpikambana tokan-tena.

Ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo eveka sy ny fianakaviany raha ny tokony ho izy dia mijanona any amin’ny paroasy niaviany mandritra ny fotoana hanompoany any amin’ireo paroasy ho an’ny mpikambana tokan-tena. Mitombina ihany koa izany ho an’ireo izay manompo ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, na ny episkôpà, na ao amin’ny filankevitra avo, na ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka raha antsoina hanompo any ivelan’ny paroasin’izy ireo mahazatra ireo mpikambana ireo. Ireo mpikambana ireo sy ny fianakaviany dia mandoa fahafolonkarena sy fanatitra any amin’ny paroasin’izy ireo mahazatra. Izy ireo ihany koa dia mandeha any amin’ireo mpitarika azy ireo ao amin’ny paroasy sy ny tsatòkan’izy ireo mahazatra rehefa hanao tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

14.4.5

Ireo fialan-tsasatra any an-tsekoly

Raha azo atao dia misokatra ireo paroasin’ny tanora tokan-tena mandritra ireo fialan-tsasatra. Afaka miara-mivory ny paroasin’ny tanora tokan-tena maromaro raha ilaina. Amin’ny toe-javatra toy izany dia samy mitana ny rejisitrany sy manao ny tatitra momba ny isan’ny mpanatrika ary ny fitantanam-bolany avy ireo paroasy.

14.4.6

Tafa sy dinika ao amin’ireo paroasy sy tsatòkan’ny tanora tokan-tena

Amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia ny filohan’ny tsatòka no manao tafa sy dinika amin’ireo mpikambana izay:

  • Handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany.

  • Hofehezina amin’ny vadiny.

  • Atolotra mba handray ny Fisoronana Melkizedeka.

  • Atolotra mba hanao asa fitoriana.

Ho tranga maningana dia afaka manome lalana ny iray amin’ireo mpanolotsainy ny filohan’ny tsatòkan’ny tanora tokan-tena mba hanao ny sasany amin’ireo tafa sy dinika ireo.

Ao amin’ireo paroasy lehibe ho an’ny tanora tokan-tena dia azon’ny eveka atao ny manome lalana ireo mpanolotsaina mba hanao ireo tafa sy dinika ho an’ireo mpikambana izay:

  • Handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany.

  • Hofehezina amin’ny vadiny. (Jereo ny 26.3.1.)

14.4.7

Fandraisana anjara amin’ireo fiaraha-mientana ho an’ny mpikambana tokan-tena

Ny olona iray izay misara-toerana amin’ny vadiny na mikatsaka ny hisara-panambadiana dia manatrika fivoriana ao amina paroasy iray mahazatra. Afaka manatrika paroasy na fiaraha-mientana ho an’ny mpikambana tokan-tena izy rehefa mivoaka ny didy mampanan-kery ny fisaraham-panambadiany.

Sary
vehivavy iray mamaky boky ho an’ny ankizy

14.4.8

Ireo ray na reny tokan-tena

Mamantatra sy miezaka mitondra fanampiana amin’ny fanomezana ny zavatra manokana ilain’ireo ray na reny tokan-tena ireo mpikambana sy mpitarika. Ireo ray na reny tokan-tena manan-janaka any an-trano dia manatrika ao amin’ny paroasin’izy ireo mahazatra raha ny tokony ho izy. Hanome fahafahana ireo zanaka havitrika ao amin’ny rafitry ny Kilonga sy ny zatovo ny fanaovana izany. Ireo ray na reny tokan-tena ireo dia afaka manatrika ireo fiaraha-mientana karakarain’ny paroasin’ny tanora tokan-tena na ny an’ny olon-dehibe tokan-tena.