Boky torolalana sy antso
13. Sekoly Alahady


“13. Ny Sekoly Alahady,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, (2020).

“13. Ny Sekoly Alahady,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
kilasin’ny seminera

13.

Sekoly Alahady

13.1

Tanjona

Manampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny Sekoly Alahady. Amin’ny fanampiana ireo zanak’ Andriamanitra hianatra sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no anaovany izany. Ireo mpitarika sy mpampianatra ary ireo kilasy ao amin’ny Sekoly Alahady dia:

  • Manamafy orina ny finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fampianarana “ny fotopampianaran’ny fanjakana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77).

  • Manohana ny fianarana sy ny fampianarana ny filazantsara mifototra amin’ny ao an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana.

  • Manampy ireo mpikambana hampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy.

13.2

Mpitarika ny Sekoly Alahady eo anivon’ny paroasy

13.2.1

Episkôpà

Ny episkôpà no manara-maso ny Sekoly Alahady. Raha ny mahazatra dia manendry iray amin’ireo mpanolotsainy ny eveka mba hanatanteraka io andraikitra io eo ambany fitarihany.

Mihaona amin’ny filohan’ny Sekoly Alahady tsy tapaka io mpanolotsaina voatendry io. Mifanakalo hevitra izy ireo momba ny zavatra ilain’ny Sekoly Alahady sy ny fomba hanatratrarana ny tanjon’izany ary momba ireo andraikitra voatanisa ao amin’ny 13.2.2.2.

13.2.2

Filohan’ny Sekoly Alahady

13.2.2.1

Fiantsoana filohan’ny Sekoly Alahady

Ny eveka dia miantso sy manokana mpihazona Fisoronana Melkizedeka iray mba ho filohan’ny Sekoly Alahady. Mifanakalo hevitra izy ireo raha toa ka mila miantso mpanolotsaina. Raha toa ka ilaina ny mpanolotsaina ary raha ampy ireo lehilahy afaka manompo amin’izany toerana izany dia azon’ny filohan’ny Sekoly Alahady atao ny manolotra mpanolotsaina iray na roa. Raha toa ka ankatoavin’ny episkôpà izany dia azon’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà atao ny miantso azy ireo.

Mpikambana iray ao amin’ny episkôpà no manolotra ireo mpikambana ao amin’ny ny fiadidian’ny Sekoly Alahady mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo mba hotohanan’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy. Mpikambana iray ao amin’ny episkôpà ihany koa no manokana azy ireo.

Ny episkôpà dia afaka miantso sy manokana lehilahy iray ho mpitantsoratra ao amin’ny Sekoly Alahady ao anatin’ny paroasy lehibe iray. Azon’ny filohan’ny Sekoly Alahady atao ny manolotra olona ho antsoina. Afaka manampy amin’ny fanaraha-maso ireo asa nampiandraiketina sy ny fanatrehana isaky ny alahady ny mpitantsoratra raha tiana izany.

13.2.2.2

Andraikitra

Ireto andraikitra manaraka ireto no sahanin’ny filohan’ny Sekoly Alahady. Manampy azy amin’izany ireo mpanolotsainy raha manana izy.

  • Manompo ao amin’ny filankevitry ny paroasy. Izy dia (1) mpikambana ao amin’ilay filankevitra ka manampy amin’ny fikarakarana ireo zavatra ilaina ao amin’ny paroasy sy mitady vahaolana ary (2) solontenan’ny Sekoly Alahady (jereo ny 29.2.5).

  • Manara-maso ny ezaka atao hampivoarana ny fianarana sy ny fampianarana ny filazantsara ao an-tokantrano sy any am-piangonana.

  • Mandamina ireo kilasin’ny Sekoly Alahady rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny episkôpà (jereo ny 13.3). Manolotra anaran’ olon-dehibe mpikambana amin’ny episkôpà mba ho mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady.

  • Manohana sy mankahery ary mampianatra ireo mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady. Manampy azy ireo ho mpampianatra ny filazantsara mahomby kokoa amin’ny fanarahana ireo fitsipika ao amin’ny soratra masina sy ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Mamporisika azy ireo handalina ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy.

  • Mitarika ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra araka izay fitarihana voaray avy amin’ny eveka (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 3).

  • Mamporisika ireo mpampianatra hanolo-tanana ireo izay tsy manatrika kilasy.

  • Miara-miasa amin’ireo mpampianatra mba hihazonana ny firaketana ny fanatrehana. Manao tatitra momba ny fanatrehana isaky ny telo volana any amin’ny mpitamboky na ao amin’ny DDG na ny Outils pour les membres. Afaka manampy amin’izany andraikitra izany ny mpitantsoratra iray raha misy nomena izany antso izany.

13.2.3

Mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady

Ny filohan’ny Sekoly Alahady dia afaka manolotra anarana mpikambana mba ho mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady. Raha toa ka ankatoavin’ny episkôpà izany dia mpikambana iray ao amin’ny episkôpà no miantso sy manolotra azy ireo ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo mba hotohanan’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy, ary manokana azy ireo.

Miezaka mamantatra ireo mpikambana ao amin’ny kilasy ny filohan’ny Sekoly Alahady, anisan’izany ireo izay tsy manatrika kilasy. Manohana ny mpikambana amin’ny ezaka ataony hianarana sy hiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo mpampianatra.

Rehefa miomana hampianatra ireo mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady dia mampiasa ny soratra masina, sy ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady. Manaraka ireo fitsipika ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy sy ny toko 17 ao amin’ity boky torolalana ity izy ireo.

Ireo mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady dia manatrika ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra fanao isaky ny telo volana (jereo ny 17.4).

13.3

Kilasin’ny Sekoly Alahady

Ny Sekoly Alahady dia tanterahina isaky ny alahady voalohany sy fahatelon’ny volana. Maharitra 50 minitra izy ireo. Atomboka sy faranana amin’ny vavaka ny fotoam-pianarana.

Rehefa nahazo lalana avy amin’ny episkôpà dia mandamina ireo kilasy ho an’ny olon-dehibe sy ny zatovo ny filohan’ny Sekoly Alahady. Manampy azy amin’izany ireo mpanolotsainy raha manana izy.

Ny isan’ny kilasy dia miankina amin’ny (1) isan’ny mpikambana ao amin’ny paroasy sy (2) ny isa sy ny haben’ny efitrano fampianarana misy. Raha ny mahazatra dia manamora ny fandraisan’ny olona betsaka kokoa anjara amim-pahavitrihana sy ny fianarany ny fananana kilasy kelikely. Afaka manampy ny filohan’ny Sekoly Alahady hanapa-kevitra momba ny isan’ny kilasy hatsangana ny filankevitry ny paroasy.

Raha ny tokony ho izy dia manomboka manatrika ny kilasin’ny Sekoly Alahady ho an’ny zatovo ny Zatovolahy sy ny Zatovovavy amin’ny fanombohan’ny taona handraisan’izy ireo 12 taona. Afaka manomboka manatrika ny kilasin’ny olon-dehibe izy ireo rehefa feno 18 taona.

Mandamina kilasy betsaka araka izay ilaina ho an’ny zatovo ny filohan’ny Sekoly Alahady. Tokony hotendrena amin’ny kilasy mifanaraka amin’ny taonany avy ireo zatovo. Raha vitsy ny isan’ny zatovo anatin’ny sokajin-taona iray dia azo atao ny manambatra azy ireo amin’ny kilasy iray hafa mitovitovy sokajin-taona amin’izy ireo. Mijanona ao amin’izany kilasy izany izy ireo mandra-pahatongan’ny volana janoary amin’ny taona manaraka.

Tokony hisy olon-dehibe roa farafahakeliny ao amin’ny kilasy ho an’ny zatovo tsirairay. Mety ho lehilahy roa, na vehivavy roa, na mpivady ireo olon-dehibe ireo. Azo atao ny manambatra ireo kilasy mba hifanaraka amin’izany zavatra takina izany.

Ny olon-dehibe rehetra miara-miasa amin’ny zatovo dia tsy maintsy mamita ilay fiofanana mikasika ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana taorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org). Mamerina ilay fiofanana izy ireo isaky ny telo taona aorian’izay.

Sary
Kilasin’ny Sekoly Alahady ho an’ny zatovo

13.3.1

Sampana madinika

Ao amin’ny sampana madinika iray dia mety ho ny filohan’ny Sekoly Alahady no hany mpitarika sy mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady. Mampianatra kilasin’ny Sekoly Alahady iray ho an’ireo zatovo sy olon-dehibe rehetra ao amin’ilay sampana izy.

13.3.2

Sekoly Alahady ho an’ny vondron’olona manokana

Raha ilaina dia afaka manangana kilasin’ny Sekoly Alahady ho an’ny vondron’olona manokana ny filohan’ny Sekoly Alahady. Ny fandaharam-pampianarana ho an’ireo kilasy ireo dia ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady.

Ny vondron’olona izay mety hahazo tombontsoa avy amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady natokana ho azy ireo manokana dia:

  • Ireo tanora tokan-tena.

  • Ireo mpikambana izay tsy miteny ny fiteny fampiasan’ny ankabeazan’ny olona ao amin’ilay paroasy.

  • Ireo mpikambana vaovao sy ireo mpikambana vao niverina ho mazoto ary ireo izay mianatra momba ny Fiangonana.

  • Vondron’olona hafa araka izay lazain’ny eveka.

13.4

Fampivoarana ny fianarana sy ny fampianarana ao amin’ny paroasy

Tompon’andraikitra amin’ny fanatsarana ny fianarana sy ny fampianarana eo anivon’ny rafitra misy azy avy ireo mpitarika ao amin’ny paroasy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanofanana ireo mpampianatra vao nantsoina (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,, 38). Raha ilaina dia afaka mangataka fanampiana amin’ny filohan’ny Sekoly Alahady izy ireo.

Ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra dia atao isaky ny telo volana mandritra ilay fotoam-pianarana 50 minitra ny alahady (jereo ny 17.4). Ny tanjon’izy ireo dia ny hanatsara ny fianarana sy ny fampianarana. Ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy no loharanom-pitaovana fototra ampiasaina ho an’ireo fivoriana ireo.

Ny filankevitry ny paroasy no manara-maso sy mandrindra ny fotoana hanaovana ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra. Raha ny tokony ho izy dia ny filohan’ny Sekoly Alahady no mitarika ireo fivoriana. Kanefa azon’ny eveka atao ny mangataka mpikambana iray hafa hitarika izany.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 3, na ny teaching.ChurchofJesusChrist.org.

13.5

Fampivoarana ny fianarana sy ny fampianarana ao amin’ny tokantrano

Tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ny filazantsara an’ireo zanany ny ray aman-dreny. Afaka mangataka fanampiana amin’ny filohan’ny Sekoly Alahady izy ireo mba hampivoatra ny maha mpampianatra azy ireo.

Ny filankevitry ny paroasy dia afaka mampanao fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo ray aman-dreny mba hanampiana azy ireo hanatsara ny fampianarana ny filazantsara ao an-tokantrano. Atao isaky ny telo volana mandritra ilay fotoam-pianarana 50 minitra ny alahady izany, toy ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra hafa. Ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy no loharanom-pitaovana fototra ampiasaina ho an’ireo fivoriana ireo.

Sary
Kilasin’ny Sekoly Alahady ho an’ny olon-dehibe

13.6

Mpitarika ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka

Ny filohan’ny tsatòka dia manome andraikitra ny iray amin’ireo mpanolotsainy mba hanara-maso ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka. Miantso sy manokana mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo ihany koa izy mba ho filohan’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka.

Ireo andraikitry ny filohan’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka dia voalaza ao amin’ny 6.7.1 sy ny 6.7.3. Manampy azy amin’izany ireo mpanolotsainy raha misy nantsoina.

13.7

Torolalana fanampiny

13.7.1

Mpikambana manana fahasembanana

Mikarakara manokana ireo mpikambana manana fahasembanana ireo mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady. Mba hahitana fampahalalana momba ny fampianarana ireo mpikambana manana fahasembanana, dia jereo ny disability.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny 38.8.27 ato amin’ity boky torolalana ity.

13.7.2

Ivontoerana misahana ny loharanom-pitaovana

Ny trano fiangonana sasantsasany dia ahitana ivontoerana misahana ny loharanom-pitaovana (tranomboky) mba hanampiana ireo mpikambana hianatra sy hampianatra ny filazantsara. Manara-maso ny ivontoerana misahana ny loharanom-pitaovana ny fiadidian’ny Sekoly Alahady ao amin’ny paroasy. Ireo paroasy izay mifampizara trano fiangonana dia mifampizara ny ivontoerana misahana ny loharanom-pitaovana ihany koa. Ireo kilasin’ny seminera sy institiota ary ireo ivon-toeran’ny FamilySearch dia mifampizara ilay ivon-toerana misahana ny loharanom-pitaovana miaraka amin’ireo paroasy.

Ho an’ireo trano fiangonana ahitana ivontoerana misahana ny loharanom-pitaovana dia miantso manam-pahaizana iray momba ny ivontoerana misahana ny loharanom-pitaovana ny eveka. Azon’ny filohan’ny Sekoly Alahady atao ny mandefa tolo-kevitra ny amin’izay olona ho antsoina. Na azon’ny episkôpà atao ny miantso ny fiadidian’ny Sekoly Alahady hanao ny asan’io manam-pahaizana io. Io olona io dia:

  • Mandamina sy mikarakara ireo loharanom-pitaovana.

  • Manampy ireo mpitarika sy mpampianatra ary ireo mpikambana hafa hahazo sy hampiasa ireo loharanom-pitaovana ireo.

Ny filohan’ny Sekoly Alahady dia mifanakalo hevitra miaraka amin’ilay manam-pahaizana momba ny ivontoerana misahana ny loharanom-pitaovana mba hamaritana raha toa ka ilaina ny tetibola isan-taona ho an’ny ivontoerana misahana ny loharanom-pitaovana. Dia manolotra izany tetibola izany amin’ny episkôpà izy avy eo.

Tokony hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo isan-kerinandro sy ireo fivoriana alahady hafa tsy tapaka ilay manam-pahaizana momba ny ivontoerana misahana ny loharanom-pitaovana. Raha ilaina dia azon’ny episkôpà atao ny miantso mpanampy iray ho an’ilay manam-pahaizana.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny “Centres de documentation” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.