Boky torolalana sy antso
12. Ny Kilonga


“12. Ny Kilonga,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“12. Ny Kilonga,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
fianakaviana mitazona soratra masina

12.

Ny Kilonga

12.1

Tanjona sy rafitra

Ny Kilonga dia rafitra iray mifototra ao an-tokantrano ary tohanan’ny Fiangonana. Izy io dia natao ho an’ny ankizy 18 volana ka hatramin’ny 11 taona. Any an-trano dia ny ray aman-dreny no mampianatra ny filazantsara ny zanany. Any am-piangonana dia ireo mpitarika sy mpampianatra ao amin’ny Kilonga no manohana ireo ray aman-dreny amin’ny alalan’ireo lesona sy hira ary fiaraha-mientana.

12.1.1

Tanjona

Ny Kilonga dia manampy ny ankizy:

  • Hahatsapa ny fitiavan’ny Rain’izy ireo any An-danitra sy hianatra momba ny drafiny ho an’ny fahasambarana.

  • Hianatra mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny anjara toerany eo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

  • Hianatra sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Hahatsapa sy hamantatra ary hanao asa mifanaraka amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

  • Hiomana sy hanao ary hitandrina fanekem-pihavanana masina.

  • Handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

12.1.2

Teny filamatry ny Kilonga

Tombontsoa masina manokana ny mampianatra ankizy. Nampianatra i Jesoa Kristy hoe “Jereo ny madinikareo” ary “fahano ary ny ondrikeliko” (3 Nefia 17:23; Jaona 21:15). Amin’ny alalan’ny fanarahana ireo fanasana ireo no itiavan’ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga sy hampianaran’izy ireo an’ireo ankizy araka ny fomban’ny Mpamonjy.

Ny teny filamatry ny Kilonga dia mpampahatsiahy an’ireo fitahiana entin’ny fanompoana ao amin’ny Kilonga:

“Ary hampianarin’ ny Tompo avokoa ny zanakao; ary ho lehibe ny fiadanan’ ny zanakao” (Isaia 54:13; 3 Nefia 22:13).

12.1.3

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana amin’ny zava-misy
Kilasy

Ireo kilasy ao amin’ny Kilonga dia sokajiana araka ny taona sy ny isan’ny mpampianatra misy. Ireo rantsana izay vitsy ankizy na vitsy mpampianatra dia afaka mampitambatra sokajin-taona roa na mihoatra ho kilasy iray. Any amin’ny rantsana lehibe kokoa dia azon’ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga atao ny mandrafitra kilasy mihoatra ny iray ho an’ny sokajin-taona iray, ary kilasin’ny zaza madinika mihoatra ny iray.

Rehefa ampy ny isan’ireo ankizy dia zaraina ho kilasy maromaro izy ireo araka ny taonany tamin’ny 31 desambra tamin’ny taon-dasa, araka ny hita ao amin’ity tabilao manaraka ity:

Taona tamin’ny 31 desambra tamin’ny taona lasa

Kilasy atrehana ny 1 janoary

Taona tamin’ny 31 desambra tamin’ny taona lasa

2

Kilasy atrehana ny 1 janoary

Zaza madinika (mamonjy ao amin’ny zaza madinika ireo ankizy rehefa feno 18 volana)

Taona tamin’ny 31 desambra tamin’ny taona lasa

3

Kilasy atrehana ny 1 janoary

Tanamasoandro

Taona tamin’ny 31 desambra tamin’ny taona lasa

4

Kilasy atrehana ny 1 janoary

FNT (Fidio Ny Tsara) 4

Taona tamin’ny 31 desambra tamin’ny taona lasa

5

Kilasy atrehana ny 1 janoary

FNT (Fidio Ny Tsara) 5

Taona tamin’ny 31 desambra tamin’ny taona lasa

6

Kilasy atrehana ny 1 janoary

FNT (Fidio Ny Tsara) 6

Taona tamin’ny 31 desambra tamin’ny taona lasa

7

Kilasy atrehana ny 1 janoary

FNT (Fidio Ny Tsara) 7

Taona tamin’ny 31 desambra tamin’ny taona lasa

8

Kilasy atrehana ny 1 janoary

Maherifo 8

Taona tamin’ny 31 desambra tamin’ny taona lasa

9

Kilasy atrehana ny 1 janoary

Maherifo 9

Taona tamin’ny 31 desambra tamin’ny taona lasa

10

Kilasy atrehana ny 1 janoary

Maherifo 10

Amin’ny ankapobeny ireo ankizy dia miala ao amin’ny Kilonga ka miroso ho any amin’ny Zatovovavy na ao amin’ny kôlejin’ny diakona ny volana janoary amin’ny taona izay hahafeno 12 taona azy ireo. Afaka mahazo mari-pankasitrahana ny firosoana izy ireo. Ireny mari-pankasitrahana ireny dia azo foronina ao amin’ny Documents pour les dirigeants et les greffiers.

Mety misy toe-javatra sasany hoe misy ankizy 11 taona mbola tsy vonona handao ny Kilonga. Miara manao filankevitra ny eveka sy ireo ray aman-dreny ary ilay ankizy mikasika ny fotoana tsara hanaovana izany.

Mety misy ankizy tsy mahavita ny Kilonga alohan’ny volana janoary amin’ilay taona hahafeno 12 taona azy ireo. Mety misy zatovolahy koa tsy mbola voatendry ho diakona alohan’io fotoana io.

12.1.4

Fotoam-pihirana

Ny fotoam-pihirana dia manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy hianatra momba ny drafiny ho an’ny fahasambarana. Rehefa mihira momba ireo fitsipiky ny filazantsara ny ankizy dia mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izany ny Fanahy Masina. Hijanona ao an-tsaina sy ao am-pon’ireo ankizy ny tonony sy ny feony mandritra ny fiainany.

Samy hafa ny fotoam-pihirana sy ny fotoam-pianarana. Mandritra ny fotoam-pihirana dia mianatra zavatra ny ankizy ao anatin’ny firotsahan’izy ireo mihira amim-pahavitrihana. Mampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara ireo mpampianatra hira saingy amin’ny alalan’ny hira no tena hanaovan’izy ireo izany.

Ny Fiadidian’ny Kilonga sy ny mpampianatra hira dia misafidy hira ho an’ny volana tsirairay mba hanamafisana ireo fitsipiky ny filazantsara izay ianaran’ny ankizy ao amin’ny kilasiny sy any an-tranony. Ireo hira manamafy ireo fitsipika ireo dia atolotra ihany koa ao amin’nyAvia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Sary
ankizy mihira

Ho fanampim-panazavana dia jereo ny “Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana sy ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.” Jereo ihany koa ny 12.2.1.2 sy ny 12.3.4 ato amin’ity boky torolalana ity.

12.1.5

Zaza madinika

Ny kilasin’ny zaza madinika dia manampy ny ankizy 18 volana ka hatramin’ny 3 taona hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy hianatra momba ny drafiny ho an’ny fahasambarana.

Ireo mpitarika ao amin’ny zaza madinika dia mitia sy mampianatra ary manompo ireo ankizy. Ireo mpitarika ao amin’ny zaza madinika dia miandraikitra ny fiarovana sy izay mahasoa ireo ankizy.

Tokony ho olona roa farafahakeliny no antsoina ao amin’ny kilasin’ny zaza madinika tsirairay. Raha tsy mpivady ny mpitarika ao amin’ny zaza madinika dia tokony ho samy vehivavy na samy lehilahy izy ireo. Ireo mpitarika ao amin’ny zaza madinika dia maka antoka mikasika ny fiarovana sy izay mahasoa ireo ankizy.

Maharitra mandritra ny fotoana natao ho an’ny Kilonga manontolo ny kilasin’ny zaza madinika. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 12.1.3 sy ny 12.3.5.

12.2

Fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana

Manasa ny rehetra Andriamanitra hanatona an’i Kristy sy hanampy amin’ny fanaovana ny asany amin’ny alalan’ny:

  • Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Fikarakarana ireo izay sahirana.

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara.

  • Fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay.

Ny Kilonga dia manampy ireo ankizy sy fianakaviana sy mpitarika ary mpampianatra handray anjara amin’ity asa ity. Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana dia halalino ny toko 1.

12.2.1

Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

12.2.1.1

Ny anjara asan’ny ray aman-dreny sy ny mpitarika

Ny ray aman-dreny dia tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ireo zanany ny filazantsara sy ny fanampiana azy ireo hiaina izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28). Manohana ireo ray aman-dreny amin’io andraikitra io ireo mpitarika sy mpampianatra ao amin’ny Kilonga araka izao manaraka izao:

  • Manao izay hahatonga ireo lesona, sy ny fotoam-pihirana, sy ny asa fanompoana ary ireo fiaraha-mientana hanampy ny ankizy hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy.

  • Manampy ireo ankizy hiomana ho amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana.

  • Manampy ireo ankizy lahy hiomana ho amin’ny fanendrena ao amin’ny fisoronana.

  • Manampy ireo ankizy hiomana handray fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy handray ireo ôrdônansin’ny tempoly.

  • Mampianatra ireo ankizy mikasika ireo fitahiana entin’ny fizarana ny filazantsara, tafiditra amin’izany ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno.

Ireo mpitarika dia tokony hijery manokana ireo ankizy izay tsy mahazo fanohanana avy amin’ny fianakaviany eo amin’ny fiainana ny filazantsara.

Miezaka ny ho ohatra tsara ho an’ireo ankizy ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika. Mankahery ny ankizy izy ireo eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy. Ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo dia loharanom-pitaovana hanampiana ireo ankizy 8 ka hatramin’ny 11 taona (jereo ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org

Sary
zazalahy sy lehilahy manatsofa hazo

12.2.1.2

Fianarana ny filazantsara

Ireo mpitarika sy mpampianatra ao amin’ny Kilonga dia mamporisika ireo ankizy sy ny fianakaviany hianatra ny filazantsara ao an-tokantrano. Ireo mpitarika sy mpampianatra ireo dia mandalina ny filazantsara ary mizara amin’ireo ankizy ny zavatra nianaran’izy ireo. Asain’izy ireo ny ankizy hizara any am-piangonana izay zavatra nianaran’izy ireo tany an-trano.

Fivorian’ny Kilonga isaky ny alahady. Ireo fivorian’ny Kilonga isaky ny alahady dia manampy ireo ankizy hahatratra ireo tanjon’ny Kilonga (jereo ny 12.1.1). Olona iray ao amin’ny fiadidian’ny Kilonga no mitarika ny fotoam-panokafana. Ny mpampianatra hira no mitarika ny fotoam-pihirana. Ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga no mampianatra ireo ankizy mandritra ireo kilasy.

Ireo fivorian’ny Kilonga ho an’ny ankizy 3–11 taona dia tanterahana isaky ny alahady mandritra ny 50 minitra amin’ny fotoana hanatrehan’ireo olon-dehibe sy zatovo ny kilasin’izy ireo avy. Tahaka izao manaraka izao ny fandaharam-potoana:

Ampaham-potoana amin’ny fivoriana

Faharetany

Ampaham-potoana amin’ny fivoriana

Fotoam-panokafana (vavaka, soratra masina na Fanekem-pinoana, ary lahateny ka ny ankizy no manao azy rehetra ireo)

Faharetany

5 minitra

Ampaham-potoana amin’ny fivoriana

Fotoam-pihirana

Faharetany

20 minitra

Ampaham-potoana amin’ny fivoriana

Fifindrana ho any amin’ny kilasy

Faharetany

5 minitra

Ampaham-potoana amin’ny fivoriana

Kilasy sy vavaka famaranana

Faharetany

20 minitra

Any amin’ny paroasy izay maro ankizy dia azon’ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga sarahana ho andiany roa ireo ankizy. Any amin’ny kilasy ny andiany iray ary manatrika fotoam-pihirana kosa ilay andiany iray hafa. Avy eo dia mifamadika ireo andiany roa ireo. Amboarin’ireo mpitarika araka izay ilaina ny fotoana.

Ny kilasin’ny zaza madinika ho an’ny ankizy 18 volana ka hatramin’ny 3 taona dia maharitra 50 minitra. Ny Voyez vos petits enfants dia manolotra sosokevitra mikasika ny fandaharam-potoana. Afaka manomboka manatrika ny kilasin’ny zaza madinika ireo ankizy rehefa feno 18 volana.

Fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ ny Tompo. Ny fampisehoana ataon’ny Kilonga isan-taona mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia tanterahana mandritra ireo volana vitsivitsy farany amin’ny taona. Atolotr’ireo ankizy izay zavatra nianarany tany an-trano sy tany am-piangonana nandritra ny taona. Manampy ny mpanatrika izy ireo hifantoka amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ary ny fampianaran’ Izy Ireo.

Ny fiadidian’ny Kilonga sy ny mpampianatra hira no manomana amim-bavaka io fampisehoana io. Manome toromarika ny episkôpà. Afaka mihira ireo ankizy, ary manao lahateny sy mizara tantara na soratra masina na fijoroana ho vavolombelona.

Ilay fampisehoana dia mety handany ny fotoana manontolo na ny ampahany amin’ny fotoam-pivoriana aorian’ny fanasan’ny Tompo. Ireo rantsana izay vitsy ankizy dia afaka manasa olona ao amin’ny fianakavian’ireo ankizy handray anjara.

Noho ny fahamasinan’ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia tsy tokony hampiasana fanehoana sary, na fanamiana na fandefasana horonam-peo na horonan-tsary ao anatin’ilay fampisehoana.

Jereo ny “Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana sy ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga raha mila fampahalalana fanampiny.

Fivoriana fiomanana ho amin’ny tempoly sy ny fisoronana. Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampianarana ny zanany mikasika ny tempoly sy ny fisoronana. Mba hanohanana azy ireo dia manomana fivoriana fiomanana ho amin’ny tempoly sy ny fisoronana ny fiadidian’ny Kilonga isan-taona. Manome toromarika ny episkôpà. Io fivoriana io dia ho an’ny kilasy Maherifo 10. Asaina amin’izany ireo ray aman-dreny. Ireto manaraka ireto no tanjon’io fivoriana io:

  • Hanampy ireo ankizy hahatakatra ireo tanjon’ny fisoroana sy ny andraikiny ary ireo fitahiana entiny.

  • Hanampy ireo ankizy handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ary hiomana hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina.

  • Hanampy ireo ankizilahy hiomana handray ny Fisoronana Aharôna.

  • Hanampy ireo ankizy hiomana handray fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

Io fivoriana io dia azo tanterahana mandritra ny fivorian’ny Kilonga amin’ny alahady, na amin’ny fotoana hafa amin’ny andro alahady, na amin’ny andro hafa. Mpikambana iray ao amin’ny episkôpà no mitarika izany. Manatrika izany farafahakeliny ny olona iray ao amin’ny fiadidian’ny Kilonga.

Raha toa ka vitsy ny ankizy ao amin’ny rantsana iray dia azo tanterahana eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka ilay fivoriana. Miara-mivory ny paroasy sasany na ny paroasy rehetra ao amin’ny tsatòka.

Jereo ny Préparation au temple et à la prêtrise ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ho fampahalalana misimisy kokoa.

12.2.1.3

Asa fanompoana sy ireo fiaraha-mientana

Manomboka ny volana Janoary amin’ny taona izay hahafeno 8 taona an’ireo ankizy dia afaka manomboka manatrika ny fiaraha-mientan’ny Kilonga izy ireo. Raha mila torolalana ankapobeny momba ny fiaraha-mientana dia jereo ny toko 20.

Ireo mpitarika misahana ny fiaraha-mientana ao amin’ny Kilonga dia mandrafitra ireo asa fanompoana sy ireo fiaraha-mientana izay manampy ny ankizy handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Ny asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana dia tokony hanorina ny fijoroana ho vavolombelona sy hanamafy orina ny fianakaviana ary hanome fahafahana hitondra fitahiana ho an’ny hafa. Tokony hampifandanjalanjana izy ireo amin’ireo sehatra efatry ny fivoaran’ny tena manokana: ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana ary ara-tsaina.

Ireo fiaraha-mientan’ny Kilonga dia atao amin’ny fotoana hafa ankoatra ny alahady sy ny alatsinainy hariva. Maka antoka ireo olon-dehibe mpitarika fa tsy mampidi-doza ireo fiaraha-mientana atao (jereo ny safety.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny 20.7 ato amin’ity boky torolalana ity). Mpitarika olon-dehibe tompon’andraikitra roa farafahakeliny no tokony hanatrika amin’ny fiaraha-mientana rehetra (jereo ny 12.5.1

Ireto torolalana manaraka ireto dia azo ampifanarahana amin’ireo toe-javatra misy eo an-toerana:

  • Raha azo atao dia atao in-droa isam-bolana ny fiaraha-mientan’ny Kilonga. Azo atao matetika kokoa na mahalana kokoa izany. Dinihan’ireo mpitarika ny toe-javatra iainan’ireo fianakaviana, ny halavirana sy ny saran-dalana ary ny fandriam-pahalemana.

  • Amin’ny ankapobeny dia alamina araka ny sokajin-taona misy azy ireo ankizy. Raha ny tokony ho izy dia mivory misaraka ny ankizilahy sy ny ankizivavy. Na izany aza anefa dia afaka mikambana izy ireo amin’ny fiaraha-mientana sasantsasany na any amin’ny toerana izay vitsy ankizy.

  • Azon’ireo mpitarika atao ny misafidy hanomana sy hanao lasy isan-taona ho an’ireo ankizy 8–11 taona ao amin’ny Kilonga. Tsy tafiditra ao amin’ireo fiaraha-mientan’ny Kilonga, anisan’izany ny lasy amin’ny antoandro, ny fijanonana maharitra hatramin’ny alina.

Ny fitaovana sy ny fiaraha-mientana rehetra, anisan’izany ny lasy amin’ny antoandro dia iantohana amin’ny alalan’ny tetibolan’ny paroasy. Tsy tokony hihoa-pampana ny dia atao sy ny vola laniana.

Maka antoka ny episkôpà fa ny tetibola sy ny fiaraha-mientana ho an’ny ankizilahy sy ny ankizivavy ao amin’ny Kilonga dia ampy tsara ary mifandanja tsara. Ny tetibola dia tsinjaraina araka ny isan’ny ankizy.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org. Jereo koa ny JustServe.org, raha misy any amin’ny toerana misy anao. Ireo loharano ireo dia manome karazana asa fanompoana sy fiaraha-mientana azo atao.

12.2.1.4

Fivoaran’ny tena manokana

Amin’ny fiezahan’ireo ankizy hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy, manomboka amin’ny taona handraisan’izy ireo 8 taona, dia asaina izy ireo hametraka tanjona ara-panahy, sy ara-piarahamonina sy ara-batana ary ara-tsaina (jereo ny Lioka 2:52). Ampian’ireo ray aman-dreny ireo ankizy mikatsaka fitaomam-panahy hahitana izay zavatra hanaovana ezaka. Manao drafitra izy ireo, dia manatanteraka ny drafitr’izy ireo, ary mandinika izay zavatra nianarany. Manolotra fanampiana ireo mpitarika, araka izay ilaina. Na izany aza anefa dia tsy tokony hanara-maso ireo tanjona na fivoaran’ny ankizy izy ireo.

Manomboka ny taona handraisan’izy ireo 8 taona dia amporisihana ireo ankizy hamita farafahakeliny tanjona iray isaky ny sehatra tsirairay amin’ireo sehatra efatra isan-taona. Azon’izy ireo ampiasaina ny Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny ankizy rehefa hametraka tanjona sy hirakitra izany an-tsoratra izy ireo.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org.

12.2.2

Fikarakarana ireo izay sahirana

Tokony hanana fahafahana matetika ireo ankizy hanompoana ny hafa eo anivon’ny fianakavian’izy ireo sy miaraka amin’ny fianakaviany ary mandritra ireo fiaraha-mientan’ny Kilonga. Ahitana karazana asa fanompoana ao amin’ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org. Ny JustServe.org, any amin’ny toerana ahitana azy dia manolotra sosokevitra ny amin’ireo zavatra azo araraotina mba hanaovana asa fanompoana eny anivon’ny fiarahamonina.

12.2.3

Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara

Ireo ankizy dia afaka manasa ny rehetra handray ny filazantsara amin’ny fomba maro. Voatanisa eto ambany ny sasany amin’ireo fomba ireo:

  • Maneho ohatra tsara amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy.

  • Mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany amin’ireo namana sy olona ao amin’ny fianakaviana.

  • Manompo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy izay malaindaina.

  • Manasa ireo namana hanatrika any am-piangonana, na hanatrika fiaraha-mientana, na batisa, na ho ampianarin’ireo misiônera.

  • Manasa ireo namana handray anjara amin’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo. Miara-miasa akaiky amin’ny ray aman-drenin’ireo ankizy ireo ireo mpitarika mba hanampiana azy ireo hahatakatra ilay fandaharan’asa ary hamaritana izay irian’izy ireo handraisana anjara.

  • Manasa ireo namana sy ireo olona ao amin’ny fianakaviana hanatrika ny fampisehoana ataon’ny ankizy isan-taona mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

12.2.4

Fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay

Ireo ankizy dia afaka manampy amin’ny fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay amin’ny fomba maro. Voatanisa eto ambany ny sasany amin’ireo fomba ireo:

  • Manaja ireo ray aman-dreniny sy maneho ohatra amin’izany fiainana tahaka ny an’i Kristy izany ao an-tokantranony.

  • Miomana ny hanana ny fianakaviany mandrakizay izay azy ireo manokana.

  • Miezaka ny ho mendrika ny handray fahazoan-dalana hidirana ny tempoly rehefa tonga amin’ny taona tokony handraisana izany.

  • Miomana ny handray ireo ôrdônansy, anisan’izany ny fanambadiana mandrakizay.

  • Mamantatra ny momba ny havany sy ny razambeny (jereo ny Ny Fianakaviako: Ireo tantara izay mampiray anay).

  • Mamantatra ireo razambe izay mila ôrdônansin’ny tempoly (jereo ny FamilySearch.org).

  • Miomana handray anjara amin’ny batisa sy fandraisana ho mpikambana ho an’ny maty.

  • Mandray anjara amin’ny firaketana anarana faobe miaraka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana (jereo ny FamilySearch.org/indexing).

Sary
vehivavy sy zaza mijery solosaina

12.3

Ireo mpitarika ny Kilonga eo anivon’ny paroasy

12.3.1

Ny Episkôpà

Ny andraikitra voalohany indrindra sahanin’ny eveka dia ny taranaka vao misondrotra, ka tafiditra ao anatin’izany ny ankizy. Ny eveka dia afaka manome andraikitra mpanolotsaina iray mba hanampy azy amin’ny andraikiny ao amin’ny Kilonga. Ny eveka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany dia mihaona tsy tapaka miaraka amin’ny filohan’ny Kilonga.

Ny eveka sy ireo mpanolotsainy dia mamaly avy hatrany rehefa misy anarana aroson’ny fiadian’ny Kilonga mikasika ireo izay ho antsoina hanompo ao amin’ny Kilonga. Miara-miasa amin’io fiadidiana io ny episkôpà mba hisian’ny mpampianatra sy mpampianatra hira tsy tapaka. Raha azo atao dia tokony haharitra ny fotoana hanompoan’ireo mpikambana amin’ireo antso ireo mba hahafahany manorina fifandraisana feno fitiavana sy fifampatokisana amin’ireo ankizy. Ny fifandraisana tahaka izany dia manampy amin’ny famelomana fijoroana ho vavolombelona ao am-pon’ireo ankizy.

Manatrika matetika ao amin’ny Kilonga ny eveka sy ireo mpanolotsainy. Fantarin’izy ireo ihany koa ny anaran’ireo ankizy tsirairay ao amin’ny paroasy sy ny toe-javatra iainany any an-trano.

12.3.2

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana amin’ny zava-misy
Fiadidian’ny Kilonga

Ny eveka dia miantso ary manokana olon-dehibe vehivavy iray ho filohan’ny Kilonga ao amin’ny paroasy. Raha ampy tsara ny olona ao amin’ilay rantsana dia manolotra vehivavy olon-dehibe iray na roa io filohan’ny Zatovovavy io ho antsoina ho mpanolotsainy (jereo ny toko 30). Dinihan’ny episkôpà ireo anarana arosony ary tanterahan’izy ireo ny fiantsoana.

Ny fiadidian’ny Kilonga dia mahazo fiofanana savaranonando sy fanampiana mitohy avy amin’ny fiadidian’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka.

Any amin’ny vondrona madinika, dia mety ho ny filohan’ny Kilonga no hany mpitarika voantso ao amin’ny Kilonga. Amin’izay tranga izay dia miara-miasa amin’ireo ray aman-dreny izy eo amin’ny fandrindrana ireo lesona sy fotoam-pihirana ary ireo fiaraha-mientana. Iantohany koa ny isian’ny olon-dehibe tompon’andraikitra roa raha kely indrindra manatrika amin’ny fivoriana sy fiaraha-mientana rehetra. Raha ampy tsara ny olona ao amin’ilay rantsana dia azo fenoina araka izao filaharany izao ireo antso fanampiny: mpanolotsaina, mpampianatra hira, mpampianatra sy mpitarika ny kilasin’ny zaza madinika, mpitantsoratra, ary mpitarika fiaraha-mientana.

Raha misy sampana tsy manana filohan’ny Kilonga dia afaka manampy an’ireo ray aman-dreny ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana handrindrana ny fampianarana ho an’ny ankizy mandra-pisian’ny filohan’ny Kilonga voantso.

Ny fiadidian’ny Kilonga dia manampy ny ray aman-dreny mba hanomana ny zanany hiditra sy hivoatra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Anisan’ny manan-danja indrindra amin’ireo andraikiny izany.

Mba hanatanterahana izany dia afaka manome andraikitra ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana ny filohan’ny Kilonga mba hanampy ny ray aman-dreny hanomana ny zanany hatao batisa sy horaisina ho mpikambana. Afaka manome andraikitra mpikambana iray hafa ao amin’ny fiadidiana ny filohan’ny Kilonga mba hanampy ny ray aman-dreny eo amin’ny fanomanana ny zanany ho amin’ny tempoly sy ny fisoronana.

Ireo mpikambana ao amin’ny fiadidiana ireo dia mampahafantatra ny ray aman-dreny mikasika ireo loharanom-pitaovana ao amin’ny Bibliothèque de l’Évangile izay afaka manampy. Jereo ohatra ny “Manomana ireo zanakao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainany” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.. Ireo mpikambana ao amin’ny fiadidiana dia afaka miara-miasa amin’ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo, sy ireo mpampianatra ary ireo olona hafa mba hanohanana ny ray aman-dreny.

Ireto manaraka ireto no andraikitra fanampiny sahanin’ny filohan’ny Kilonga. Manampy azy amin’izany ireo mpanolotsainy.

  • Manompo ao amin’ny filankevitry ny paroasy. Izy dia (1) mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy izay manampy amin’ny fikarakarana ireo zavatra ilaina ao amin’ny paroasy sy mitady vahaolana ary (2) solontenan’ny Kilonga. Izy dia manampy ny filankevitry ny paroasy hahafantatra ny anaran’ny ankizy tsirairay sy ny toe-javatra iainany any an-tokantrano mba hanatsarana ny fanompoana ny ankizy sy ny fianakaviana. Jereo ny 29.2.5.

  • Manao fivorian’ny fiadidian’ny Kilonga tsy tapaka ary mihaona tsy tapaka amin’ny eveka na ny mpanolotsainy izay nomena andraikitra.

  • Manolotra anarana amin’ny episkôpà momba ireo olon-dehibe lehilahy sy vehivavy izay hanompo ao amin’ny Kilonga.

  • Manampy ny filankevitry ny paroasy mba hahafantatra ireo ankizy izay tokony hatao batisa amin’ny taona ho avy (jereo ny 18.7.1.1).

  • Manampy amin’ny fandrafetana ny fotoam-bavaka amin’ny batisa ho an’ireo ankizy mpikambana voarakitra ao anaty rejisitra (jereo ny 18.7.2).

  • Manomana sy mitarika ny fotoam-panokafana amin’ireo fivorian’ny Kilonga rehefa alahady.

  • Manompo ireo ankizy sy mpampianatra ary mpitarika tsirairay ao amin’ny Kilonga.

  • Mampianatra an’ireo mpitarika sy mpampianatra ao amin’ny Kilonga ny andraikitr’izy ireo sy manampy azy ireo amin’ireo andraikitra ireo amin’ny alalan’ny fanomezana tari-dalana hiatrehan’izy ireo ny antson’izy ireo (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2016], 38).

  • Manampy ireo mpitarika sy mpampianatra ao amin’ny Kilonga mandritra ny fotoam-pianarana sy fotoam-pihirana ary ny fotoana fanelanelanana.

  • Mitsidika ireo kilasin’ny Kilonga ary mandamina fomba ahafahan’ireo mpampianatra manatrika ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra.

  • Manampy amin’ny fampahafantarana ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo amin’ny ireo ankizy feno 8 taona sy ny ray aman-drenin’izy ireo. Azo atao any an-tranon’izy ireo izany na ao amin’ny kilasin’ny Kilonga misy azy ireo (jereo ny 12.5.7).

  • Manara-maso ny firaketana, sy ireo tatitra, sy ny tetibola ary ny toe-bolan’ny Kilonga.

12.3.3

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana amin’ny zava-misy
Mpitantsoratra

Raha ampy tsara ny olona ao amin’ilay rantsana dia manolotra anarana olon-dehibe vehivavy iray amin’ny episkôpà ny filohan’ny Kilonga izay hanompo ho mpitantsoratra. Ireto manaraka ireto no andraikiny:

  • Manampy ny fiadidian’ny Kilonga eo amin’ny famolavolana ny lahadinik’ireo fivorian’ny fiadidiana. Manatrika ireo fivoriana ireo izy ka mandray an-tsoratra sy manara-maso ireo asa nampandraiketina.

  • Miara-miasa akaiky amin’ireo mpampianatra sy ireo mpitarika mba hahazoana firaketana fanatrehana marim-pototra hatrany.

  • Miara-miasa amin’ny mpitantsoratry ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny fampiasana ny DDG mba hihazonana ny firaketana ny fanatrehan’ireo olon-dehibe manompo ao amin’ny Kilonga.

  • Maka antoka fa araky ny fiadidian’ny Kilonga tsara:

    • Ireo ankizy vaovao sy ireo vahiny.

    • Ireo ankizy vao miditra ao amin’ny kilasin’ny zaza madinika sy ireo ankizy mifindra avy amin’ny zaza madinika mankao amin’ny kilasin’ny Tanamasoandro.

    • Ireo ankizy efa tokony hatao batisa.

    • Ireo ankizy vavy hifindra any amin’ny Zatovovavy sy ireo ankizy lahy izay ho tendrena ho diakona.

  • Manendry ireo ankizy izay hanao ny vavaka, sy hamaky ny soratra masina, ary hanao lahateny mandritra ny fotoam-panokafana amin’ny fivorian’ny Kilonga rehefa alahady (eo ambany fitarihan’ny fiadidiana). Mampandre ireo ray aman-dreny ihany koa izy.

  • Manampy ny fiadidian’ny Kilonga hamolavola tetibola, hanara-maso ireo fandaniam-bola, ary hanara-maso ireo fitaovana amin’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo.

12.3.4

Mpampianatra hira sy mpitendry pianô

Ny mpampianatra hira sy ny mpitendry pianô dia mampianatra ireo ankizy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny hira mandritra ny fotoam-pihirana. Ny hira dia manamafy ny fandalinana ny Avia, hanaraka Ahy isan-kerinandro. Azo ampiasaina ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto:

Ilàna ny fankatoavan’ny episkôpà ny fampiasana izay mety ho hira hafa ao amin’ny Kilonga.

Sary
ankizy mihira tarihana mpitarika hira

Raha tsy misy mpitendry pianô na tsy misy pianô dia azonʼireo mpitarika atao ny mampiasa ireo horonam-peo avy aminʼireto loharanom-pitaovana manaraka ireto:

Afaka mihira tsy misy feon-java-maneno ihany koa ireo ankizy.

Afaka manampy amin’ny hira ao amin’ny zaza madinika ny mpampianatra hira rehefa asaina manao izany. Azo atao ny miantso mpampianatra hira fanampiny raha ilaina.

Miara miasa amin’ny fiadidian’ny Kilonga ny mpampianatra hira mba hanampiana ny ankizy hiomana amin’ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo (jereo ny 12.2.1.2).

Jereo ny Période de chant ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org raha mila hevitra sy loharano misimisy kokoa.

12.3.5

Ireo mpampianatra sy ireo mpitarika ao amin’ny kilasy zaza madinika

Ny fiadidian’ny Kilonga dia manolotra anarana lehilahy na vehivavy amin’ny episkôpà ho antsoina ho mpampianatra ao amin’ny Kilonga sy ho mpitarika ao amin’ny kilasin’ny zaza madinika. Dinihan’ny episkôpà ireo anarana naroso ireo ary miroso amin’ny fiantsoana izy ireo. Ireo mpikambana ireo dia voantso hampianatra sy hanompo ankizy amina sokajin-taona voafaritra mazava.

Ireo mpampianatra sy ireo mpitarika ao amin’ny kilasin’ny zaza madinika dia mampianatra avy amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga (3–11 taona) sy ny Voyez vos petits enfants (zaza madinika). Manaraka ireo fitsipika ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy sy ny toko 17 ao amin’ity boky torolalana ity izy ireo.

Rehefa misy olon-dehibe mampianatra ankizy eo amin’ny sehatry ny Fiangonana, dia olon-dehibe tompon’andraikitra roa farafahakeliny no tokony hanatrika eo. Ireo olon-dehibe roa ireo dia azo atao vehivavy roa, na lehilahy roa, na mpivady. Raha tsy azo tanterahina izany dia tokony hatambatr’ireo mpitarika ny kilasy. Tsy maintsy manaraka ilay fiofanana ao amin’ny ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org ireo mpitarika sy mpampianatra. (Jereo ny 12.5.1.)

Tsy tokony hampianatra ao amin’ny Kilonga ireo zatovo, na dia ho mpisolo toerana aza.

Ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga sy ireo mpitarika ao amin’ny kilasin’ny zaza madinika dia mijanona miaraka amin’ireo ankizy mandritra ny faharetan’ny Kilonga manontolo, tafiditra amin’izany ny fotoam-pihirana sy ny fotoana fanelanelanana hifindrana kilasy. Mandritra ny fotoam-pihirana, ireo mpampianatra dia mandray anjara ao amin’ny kilasy sahanin’izy ireo. Tokony hijanona miaraka amin’ireo ankizy madinika ireo mpampianatra aorian’ny Kilonga mandra-pisian’ny olona ao amin’ny fianakaviany maka azy ireo.

Ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny kilasin’ny zaza madinika dia manatrika ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra fanao isan-telovolana (jereo ny 13.4).

12.3.6

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana amin’ny zava-misy
Mpitarika fiaraha-mientana

Ireo mpitarika misahana ny fiaraha-mientana ao amin’ny Kilonga dia manompo ny ankizy rehefa mamolavola asa fanompoana sy fiaraha-mientana ho an’ireo ankizy manomboka ny volana janoary amin’ny taona hahafeno 8 taona an’ireo ankizy (jereo ny 12.2.1.3). Ireo asa fanompoana sy fiaraha-mientana dia mifantoka amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Mahafinaritra izy ireny sady mahaliana. Manorina fijoroana ho vavolombelona, manamafy orina ny fianakaviana, ary manosika ny fivoaran’ny tena manokana izy ireny.

Ireo mpitarika misahana ny fiaraha-mientana ao amin’ny Kilonga dia azo atao ilay mpampianatra azy ireo ao amin’ny Kilonga. Azo atao mpikambana hafa ihany koa izay atolotry ny fiadidian’ny Kilonga ary antsoin’ny episkôpà izy ireo. Misy mpitarika roa farafahakeliny manatrika ny fiaraha-mientana tsirairay. Mety ho vehivavy roa ireo mpitarika ireo, na lehilahy roa, na koa mpivady. Tsy maintsy mamita ny fampiofanana ao amin’ny ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org ireo mpitarika. (Jereo ny 12.5.1.)

12.4

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana amin’ny zava-misy
Mpitarika ao amin’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka

Miantso olon-dehibe vehivavy ny fiadidian’ny tsatòka mba ho filohan’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka. Raha ampy tsara ny olona ao amin’ilay tsatòka, dia manolotra anarana vehivavy olon-dehibe iray na roa izy izay ho mpanolotsaina ary iray hafa ho mpitantsoratra. Ireo vehivavy ireo dia antsoina sy atokan’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay voatondro. Ho fampahalalana momba ny andraikitry ny fiadidiana sy ny mpitantsoratry ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka dia jereo ny 6.7.1, 6.7.1.3, ary ny 6.7.3.

Mpanolotsaina iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka no manana andraikitra amin’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka. Manana andraikitra amin’ny asan’ny fiadidian’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka ihany koa izy. Mampianatra ireo eveka ihany koa izy mikasika ny andraikitr’izy ireo amin’ny Kilonga.

Ny fiadidian’ny tsatòka dia manome andraikitra ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo hiara-hiasa amin’ny fiadidian’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 6.5).

Sary
ankizy mihira mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo

12.5

Torolalana sy fitsipika fanampiny

12.5.1

Fiarovana ny ankizy

Rehefa miara-manao zavatra amin’ny ankizy eo amin’ny sehatry ny Fiangonana ny olon-dehibe dia tokony hisy olon-dehibe tompon’andraikitra roa farafahakeliny manatrika eo. Mety ilaina ny hanakambanana kilasy maromaro mba hahafahana manaja izany.

Ny olon-dehibe rehetra izay miara-miasa amin’ny ankizy dia tsy maintsy manaraka ilay fiofanana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana aorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org). Aorian’izay dia mamerina izany fiofanana izany izy ireo isaky ny telo taona.

12.5.2

Ireo ankizy manana filàna manokana

Raha misy ankizy manana aretina mitaiza na kilema na filàna manokana dia miresaka amin’ny ray aman-dreny sy ny episkôpa ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga. Miara-manao drafitra izy ireo hanohanana sy hanampiana ilay ankizy handray anjara ao amin’ny Kilonga.

Ny ankizy manana kilema amin’ny ankapobeny dia manatrika ny kilasiny mahazatra ao amin’ny Kilonga. Raha ilaina dia azo atao ny miantso mpampianatra fanampiny mba hanampy.

Ny ankizy manana fahasembanana na filàna hafa manokana raha ny tokony ho izy dia mamarana ny fanatrehany ao amin’ny Kilonga amin’ny fiantombohan’ny volana janoary amin’ny taona mahafeno12 taona azy. Mety misy ankizy sasany tsy mahavita ny Kilonga araka io lamina io. Miara-miasa ny eveka sy ny ray aman-dreny hanapahana izay tsara indrindra ho an’ny ankizy tsirairay.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny disability.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny 38.8.27 ao amin’ity boky torolalana ity.

12.5.3

Ireo lehilahy manompo ao amin’ny Kilonga

Ny episkôpà sy ny fiadidian’ny Kilonga dia tokony hahatadidy ny fitaomana tsara avy amin’ny lehilahy mendrika manompo ao amin’ny Kilonga. Ireo lehilahy dia afaka manompo ho toy ny mpampianatra, sy mpitarika ao amin’ny zaza madinika, mpampianatra hira sy mpitendry pianô ary mpitarika misahana ny fiaraha-mientana ao amin’ny Kilonga.

12.5.4

Fiarovana any amin’ny toeram-pivoahana

Ireo mpitarika sy mpampianatra dia tokony hamporisika ireo ray aman-dreny hitondra ireo zanany mankany amin’ny toeram-pivoahana alohan’ny ho any amin’ny Kilonga. Mandritra ny Kilonga, dia tsy maintsy ny iray amin’ireo ray aman-dreniny na ny mpiahy azy araka ny lalàna no mitondra ny zaza madinika iray any amin’ny toeram-pivoahana. Ireo mpitarika sy mpampianatra dia tsy tokony hitondra ankizy any amin’ny toeram-pivoahana.

12.5.5

Fiaraha-mientana ahitana filalaovana an-tsehatra

Ireo mpitarika sy mpampianatra dia tokony hitandrina rehefa milalao an-tsehatra trangan-javatra masina ao amin’ny Kilonga. Tsy azo lalaovina an-tsehatra ny anjara toeran’ny Ray any An-danitra sy ny Fanahy Masina. Tsy azon’ankizy lalaovina an-tsehatra ny anjara toeran’ny Mpamonjy ankoatra ny sehatra ilalaovana ny nahaterahany. Ho torolalana fanampiny dia jereo ny 20.5.6.

12.5.6

Sary
sary famantarana, loharanon-kevitra azo isafidianana
Peratra FNT (Fidio Ny Tsara)

Rehefa manomboka ny kilasin’ny FNT 4 ny ankizy, dia mampahatsiahy azy ireo ny fiadidian’ny Kilonga sy ny mpampianatra azy ireo ao amin’ny Kilonga mba “hifidy ny tsara.” Ireo mpitarika ireo dia manome ny ankizy tsirairay Peratra FNT (Fidio Ny Tsara) miloko maintso ihany koa.

12.5.7

Fampahafantarana ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo

Amin’ny fiantombohan’ny taona, ny eveka, na ny iray amin’ireo mpanolotsainy, na ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny Kilonga dia afaka mitsidika ny tokantranon’ny ankizy tsirairay na ny kilasy ao amin’ny Kilonga misy ny ankizy tsirairay izay handray 8 taona amin’iny taona iny. Ampahafantarin’izy ireo amin’ireo ankizy sy ny ray aman-dreniny ilay fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo. Ny ankizy tsirairay dia mahazo ireo mari-pamantarana iombonana sy boky kely Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny ankizy. Ireo fitaovana ireo dia hita ao amin’ny store.ChurchofJesusChrist.org.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org.