Boky torolalana sy antso
17. Fampianarana ny filazantsara


“17. Fampianarana ny filazantsara,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“17. Fampianarana ny filazantsara,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
Reny mampianatra ny zanany lahy

17.

Fampianarana ny filazantsara

Mampianatra ny filazantsara isika mba hanampiana ny olona hanamafy orina ny finoan’izy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mikatsaka hanampy ny olona isika mba ho lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa, sy handray ny heriny eo amin’ny fiainan’izy ireo ary hahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny farany. Rehefa ampianarina sy raisina amin’ny Fanahy ny tenin’ Andriamanitra dia manana ny hery hampiova fo sy hitarika amin’ny fiovam-po izany. Izany dia “[manana] fiantraikany mahery kokoa [a]min’ny sain’ny olona noho … ny zavatra hafa” (Almà 31:5).

17.1

Fitsipika mifehy ny fampianarana araka ny fomban’i Kristy

Ireo ray aman-dreny sy ireo mpampianatra ary ireo mpitarika dia manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy ilay Mpampianatra Lehibe. Ny mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia fahatokisana sy andraikitra masina.

Mizara ireto fitsipika mifehy ny fampianarana araka ny fomban’i Kristy manaraka ireto amin’ireo mpampianatra ao amin’ny rafitra misy azy ireo ny mpitarika. Ireo fitsipika ireo dia hazavaina amin’ny antsipiriany kokoa ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy.

17.1.1

Tiavo ireo izay ampianarinao

Ny zava-drehetra ataon’ny Mpamonjy dia fanehoany ny fitiavany (jereo ny 2 Nefia 26:24). Ireo mpitarika sy ireo mpampianatra dia manaraka ny ohatra nasehony amin’ny fanehoana fitiavana ho an’ireo izay ampianarin’izy ireo. Mivavaka ho an’ireo izay ampianariny amin’ny fanononana ny anarany izy ireo, sy mikatsaka ny hifandray sy hahafantatra tsara ny manjo azy ireo ary mifantoka amin’ny zavatra ilain’ny tsirairay amin’izy ireo. Manolo-tanana ireo mpikambana izay tsy manatrika ny kilasy na ny kôlejy misy azy izy ireo.

17.1.2

Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy

Tokony hampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy ireo mpampianatra mba hitaomana ny olona hanana finoana an’i Jesoa Kristy. Mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy ireo mpampianatra rehefa manomana sy mampianatra ary miezaka ny ho mendrika ny fitarihany isan’andro.

17.1.3

Ampianaro ny fotopampianarana

Nampianatra ny fotopampianaran’ny Rainy ny Mpamonjy. Ireo mpampianatra dia mifantoka amin’ireo fahamarinana manan-danja sy manavotry ny filazantsara ka manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy. Mampiasa ireo soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany ary ireo fitaovana ao anatin’ny fandaharam-pampianarana nankatoavina izy ireo rehefa mampianatra. Mitarika fifanakalozan-kevitra entanim-panahy ireo mpampianatra ary maka antoka fa mankahery sy marim-pototra ireo fotopampianarana ampianarina. Ireo fitaovana nankatoavina dia voatanisa ao amin’ny Torolalana ho an’ny fandaharam-pampianarana ankehitriny ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

17.1.4

Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana

Mamporisika ireo mpikambana mba ho tompon’andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo manokana ny mpampianatra. Manohana ireo mpikambana amin’ny ezaka ataony amin’ny fianarana ny filazantsara samirery sy miaraka amin’ny fianakaviany izy ireo. Manasa ireo mpikambana hizara ny zavatra ianaran’izy ireo sy hanao asa mifanaraka amin’izany izy ireo. Mitombo ny finoan’ny olona iray rehefa mandray anjara amim-pahavitrihana izy amin’ny fianarana ny filazantsara ary mampihatra eo amin’ny fiainany ny fitsipika ao amin’izany.

17.2

Fianarana sy fampianarana ny filazantsara mifototra amin’ny ao an-tokantrano

Ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay dia tompon’andraikitra amin’ny fianarana ny filazantsara ho an’ny tenany manokana mba hiova fo ho an’i Jesoa Kristy Tompo. Ho fanampin’izany dia tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ny filazantsara amin’ireo zanany ny ray aman-dreny. Ny fianarana sy ny fampianarana ny filazantsara dia tokony hifototra ao an-tokantrano. Ireo mpitarika sy mpampianatra ao amin’ny Fiangonana dia mankahery sy manohana ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara mifototra amin’ny ao an-tokantrano.

Ireo mpitarika sy mpampianatra dia mankahery ireo mpikambana hikatsaka fitaomam-panahy ho azy manokana mikasika ny fomba andalinana sy ampianarana ny filazantsara. Ny soratra masina sy ireo hafatra zaraina mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany no loharanom-pitaovana voalohany indrindra. Azo ampidirina ao anatin’ireo loharanom-pitaovana manampy ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’ olona sy ny fianakaviana sy ireo gazetibokin’ny Fiangonana.

17.3

Ny andraikitr’ireo mpitarika

Tompon’andraikitra amin’ny fampianarana sy ny fianarana eo anivon’ny rafitra misy azy avy ireo mpitarika. Voatanisa eto ambany ny sasany amin’ireo fomba hanatanterahan’izy ireo io andraikitra io.

  • Maneho ohatra amin’ny fianarana ny filazantsara sy amin’ny fampianarana izany araka ny fomban’ny Mpamonjy.

  • Maka antoka fa manorina finoana ary marina ara-potopampianarana ny fampianarana any amin’ireo rafitra misy azy ireo.

  • Raha mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy ireo mpitarika dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny filankevitra ny fomba hanatsarana ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara ao amin’ny paroasy. Afaka manasa ny filohan’ny Sekoly Alahady ny eveka mba hitarika ireo fifanakalozan-kevitra ireo.

  • Raha ilaina dia manolora anarana mpikambana ao amin’ny paroasy ho an’ny episkôpà mba ho antsoina ho mpampianatra ao amin’ireo rafitra misy azy ao anatin’ny fanarahana ireo torolalana ao amin’ny 30.1.

  • Mihaona amin’ireo mpampianatra vao nantsoina ary manampy azy ireo hiomana amin’ny antsony (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 38).

  • Manome fanampiana tsy tapaka ireo mpampianatra ao amin’ny rafitra misy azy ireo. Miresaka matetika amin’ireo mpampianatra momba ny ezaka ataon’izy ireo hanorenana ny finoan’ny olona izay ampianarin’izy ireo. Raha ilaina dia mangataka fanampiana amin’ny filohan’ny Sekoly Alahady.

17.4

Fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra

Mandritra ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra dia mifanakalo hevitra mikasika ireo fitsipiky ny fampianarana araka ny fomban’i Kristy ireo mpampianatra. Mifanakalo hevitra momba ny fanatsarana ny fianarana sy ny fampianarana ny filazantsara ihany koa izy ireo. Mampiasa ny loharanom-pitaovana Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy izy ireo.

Ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra dia atao isaky ny telo volana mandritra ilay fotoam-pianarana 50 minitra ny alahady.

  • Ireo fivoriana ho an’ireo mpampianatra ao amin’ny fisoronana sy ny Fikambanana Ifanampiana ary ny Zatovovavy dia azo atao isaky ny alahady voalohany na fahatelon’ny volana.

  • Ny fivoriana ho an’ireo mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady dia azo atao isaky ny alahady faharoa na fahaefatry ny volana.

Ny fiadidian’ny Kilonga dia mifanakalo hevitra miaraka amin’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà mba hamaritana ny fomba hanatsarana ny fampianarana ao amin’ny Kilonga. Afaka manampy araka izay ilaina ny filohan’ny Sekoly Alahady. Misy safidy vitsivitsy voatanisa eto ambany:

  • Afaka manatrika ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga miaraka amin’ireo mpampianatra avy amin’ireo rafitra hafa.

  • Azo atao koa ny manao filankevitry ny mpampianatra misaraka ho an’ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga. Ireo fivoriana ireo dia azo atao mandritra ilay fotoam-pihiran’ny Kilonga izay maharitra 20 minitra. Ho solon’izany dia azo atao aloha na aorian’ireo fivoriana alahady na amin’ny andro hafa ao anatin’ny herinandro izy ireny.

  • Ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny Kilonga dia afaka mitsidika ireo kilasin’ny Kilonga ary mifanakalo hevitra miaraka amin’ireo mpampianatra aorian’ny kilasy mikasika ny fampianarana araka ny fomban’ny Mpamonjy.

Ny filankevitry ny paroasy dia mampanao fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo ray aman-dreny mba hanampiana azy ireo hanatsara ny fampianarana ny filazantsara ao an-tokantrano. Atao isaky ny telo volana mandritra ilay fotoam-pianarana 50 minitra ny alahady izany, toy ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra hafa.

Ny filankevitry ny paroasy no manara-maso sy mandrindra ny fotoana hanaovana ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra. Raha ny tokony ho izy dia ny filohan’ny Sekoly Alahady no mitarika ireo fivoriana. Kanefa azon’ny eveka atao ny mangataka mpikambana iray hafa hitarika izany.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 3, na ny teaching.ChurchofJesusChrist.org.