Boky torolalana sy antso
11. Ny Zatovovavy


“11. Ny Zatovovavy,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, (2020).

“11. Ny Zatovovavy,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
zatovovavy eny an-tokotany

11.

Ny Zatovovavy

11.1

Tanjona sy firafitra

Manampy ireo zanak’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany ny rafitry ny Zatovovavy. Rehefa miezaka mitandrina ny fanekempihavanana nataony tamin’ Andriamanitra ny zatovovavy dia “[h]ampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra [amim]-boninahitra lehibe” (1 Nefia 14:14).

11.1.1

Tanjona

Ny rafitry ny Zatovovavy dia manampy ireo zatovovavy hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina sy hampitombo ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Ny tanjon’ny kilasin’ny Zatovovavy dia ny hanampy ny zatovovavy hiara-hiasa mba handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Manompo ny hafa, manatontosa ireo andraikitra ao amin’ny fanekempihavanana, manorina firaisan-kina, ary mianatra sy miaina ny fotopampianarana ireo zatovovavy ao amin’ny kilasin’izy ireo.

11.1.2

Ny fanevan’ny Zatovovavy

Ny fanevan’ny Zatovovavy dia afaka manampy ny zatovovavy tsirairay hahatakatra ny maha-andriamanitra azy ireo sy hanjary hiova fo ho an’i Jesoa Kristy. Mamerina ilay faneva ny Zatovovavy sy ireo mpitarika azy ireo amin’ny fanombohan’ny fivoriana mandritra ny alahady sy amin’ny fivoriana hafa ataon’ireo Zatovovavy. Toy izao ilay faneva:

“Zanakavavy tian’ny ray aman-dreny any an-danitra aho, ary manana toetra araka an’ Andriamanitra sy anjara mandrakizay.

“Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy ahy dia miezaka aho ny ho tonga tahaka Azy. Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana aho ka mandray andraikitra eo anoloan’izany, ary manompo ny hafa amin’ny Anarany masina.

“Hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra aho amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra.

“Eo am-piezahako ho mendrika ny fisandratana, dia mankamamy ny fanomezana, dia ny fahafahana mibebaka aho, ary mikatsaka ny hivoatra isan’andro. Am-pinoana no hankaherezako ny tokantranoko sy ny fianakaviako, no hanaovako sy hitandremako fanekempihavanana masina, ary handraisako ireo ôrdônansy sy fitahian’ny tempoly masina.”

11.1.3

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana amin’ny zava-misy
Kilasy

Lasa mpikambana ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy ireo zatovovavy manomboka ny volana janoary amin’ny taona handraisany 12 taona.

Alamina arakaraka ny sokajin-taona ireo kilasin’ny Zatovovavy. Ny sokajin-taona iray dia ny zatovovavy rehetra izay ho feno taona itovizana mandritra ny taona hitsahina araka ny tetiandro. Mety ahitana sokajin-taona mihoatra ny iray ny kilasy iray. Mifindra mankao amin’ny kilasy iray vaovao ireo zatovovavy ny volana janoary amin’ny taona izay hahatratraran’izy ireo ny taonan’ireo zatovovavy ao amin’io kilasy vaovao io.

Manapa-kevitra ombam-bavaka ny episkôpà sy ireo olon-dehibe mpitarika ny Zatovovavy mikasika ny fomba handaminana ireo kilasy araka ny taonan’ireo zatovovavy. Manome lanja ny fanomezana fahafahana hitarika ho an’ireo zatovovavy izy ireo. Ny kilasy tsirairay, na firy na firy ny isan’ny olona, dia tokony hanana filoha, ary mpanolotsaina iray na roa sy mpitantsoratra iray raha azo atao. Ao amin’ireo rantsana izay ahitana zatovovavy betsaka dia tokony ho ampy tsara ny isan’ny mpikambana ao amin’ireo kilasy mba hahafahan’ireo fiadidian’ny kilasy manana olona hotompoina ao an-dakilasy.

Sary
kilasin’ny zatovovavy

Antsoina amin’ny anarana mampiray hoe “Zatovovavy” ireo kilasy rehetra. Raha manana kilasy mihoatra ny iray ny paroasy iray dia ampiasaina hanavahana ireo kilasy ny sokajin-taona.

11.2

Fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana

Manasa ny rehetra Andriamanitra hanatona an’i Kristy sy hanampy amin’ny fanaovana ny asany amin’ny alalan’ny:

  • Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Fikarakarana ireo izay sahirana.

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara.

  • Fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay.

Ireo fiadidian’ny kilasy, tohanan’ireo olon-dehibe mpitarika, no miara-mifampidinika mikasika ny fomba hanatanterahana io asa io. Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana dia halalino ny toko 1.

11.2.1

Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

11.2.1.1

Anjara asan’ny ray aman-dreny sy ny mpitarika

Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ny filazantsara an’ireo zanany sy ny fanampiana azy ireo hiaina izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28). Ny episkôpà sy ireo mpitarika ny Zatovovavy, ary ireo fiadidian’ny kilasy dia manohana ny ray aman-dreny amin’io andraikitra io araka izao manaraka izao:

  • Mamporisika ny fifampiresahana eo amin’ny zatovovavy sy ny fianakaviany.

  • Maka antoka fa manohana sy mitahy ny fianakaviana ireo fiaraha-mientana ataon’ny zatovo.

  • Manampy ireo ray aman-dreny hanomana ny zanany vavy ho amin’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno (raha maniry ny hanao izany ireo zatovovavy), ny fanambadiana any amin’ny tempoly ary ny ho reny.

Tokony hojeren’ireo mpitarika akaiky ireo zatovo izay tsy manana fianakaviana afaka manohana azy amin’ny fiainana ny filazantsara.

Miezaka ny ho ohatra tsara ho an’ireo zatovo ny ray aman-dreny sy ny mpitarika. Tantanan’izy ireo ny zatovo eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo hitoviana kokoa amin’i Jesoa Kristy. Ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo dia afaka manampy amin’ireo ezaka atao ireo (jereo ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org).

11.2.1.2

Fianarana ny filazantsara

Ireo mpitarika ny Zatovovavy sy ireo fiadidian’ny kilasy dia mamporisika ny zatovovavy sy ny fianakaviany hianatra ny filazantsara any an-trano. Mandalina ny filazantsara ireo mpitarika ary mizara amin’ny zatovovavy ny zavatra ianarany. Manasa ny mpikambana ao amin’ny kilasy izy ireo hizara ny zavatra izay ianarany any an-trano rehefa any am-piangonana.

Mivory ireo kilasin’ny Zatovovavy rehefa alahady mba hanamafy orina ny finoana, hanorina firaisan-kina, hanamafy orina ny fianakaviana sy ny tokantrano, ary hanao drafitra hanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Ireo fiadidian’ny kilasy, tohanan’ireo olon-dehibe mpitarika, no mamolavola ny drafitra hanaovana ireo fivoriana alahady.

Ireo fivorian’ny kilasy dia atao ny alahady faharoa sy fahefatry ny volana. Maharitra 50 minitra izy ireo. Manomboka amin’ny vavaka ireo fivoriana. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy no mitarika ny fotoana. Mitarika ny kilasy izy amin’ny fiarahana manonona ny faneva sy ny fiarahana mifampidinika momba ireo asa ampandraiketina ary ireo raharaha hafa.

Avy eo dia mitarika ny fampianarana ny filazantsara ny mpikambana iray ao amin’ny kilasy na ny olon-dehibe mpitarika iray. Mifampidinika amin’ireo olon-dehibe mpitarika momba izay olona tokony hampianatra ireo fiadidian’ny kilasy. Ireo votoatin-javatra mandrafitra ny fivoriana dia hita ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny zatovovavy (jereo ny ComeFollowMe.ChurchofJesusChrist.org). Tokony mifarana amin’ny vavaka ireo fivoriana.

Raha manana kilasin’ny Zatovovavy mihoatra ny iray ny paroasy iray dia misaraka izy ireo rehefa mivory. Kanefa afaka miara-mivory izy ireo rehefa misy antony manokana ilana izany. Afaka mitambatra tsindraindray ny zatovolahy sy ny zatovovavy mandritra ny lesona iray atao ny alahady, araka izay handrindran’ny episkôpà sy ny Fiadidian’ny Zatovovavy izany.

Amporisihina ny zatovovavy handray anjara amin’ny seminera (jereo ny 15.1).

11.2.1.3

Asa fanompoana sy fiaraha-mientana

Ireo fiadidian’ny kilasy, tohanan’ireo olon-dehibe mpitarika, no mamolavola ny drafitra hanaovana ireo asa fanompoana sy ireo fiaraha-mientana. Tokony hanampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana izany. Ny asa fanompoana sy ireo fiaraha-mientana dia tokony hampiorina ny fijoroana ho vavolombelona, hanamafy orina ny fianakaviana, hampitombo ny firaisan-kina misy ao amin’ny kilasy, ary hanolotra fomba ahafahana mitondra fitahiana ho an’ny hafa. Amin’izany dia tokony hampifandanjana ireo sehatra efatry ny fivoaran’ny tena manokana: ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana ary ara-tsaina.

Atao amin’ny andro hafa ankoatra ny alahady sy ny alatsinainy hariva ny ankamaroan’ireo fiaraha-mientan’ny zatovo. Mazàna izy ireo no atao isan-kerinandro. Any amin’ny faritra sasany dia manjary sarotra tanterahina ny fiaraha-mientana isan-kerinandro noho ny halavirana sy ny tsy fandriam-pahalemana. Azo atao mahalana kokoa ireo fiaraha-mientana any amin’ireo faritra ireo, saingy tokony hatao isam-bolana izany farafahakeliny. Ny fiaraha-mientana dia azo alamina ao amin’ilay Sample Service and Activity Planner (Fakan-tahaka amin’ny fanomanana ny asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ny asa fanompoana sy fiaraha-mientana sasany dia tokony hiarahan’ny zatovolahy sy ny zatovovavy atao, indrindra fa ho an’ireo zatovo zokiny.

Afaka mahazo tombontsoa amin’ny fifaneraserana ao anatina vondrona ahitana olona maromaro kokoa ny zatovo. Ny zatovo ao amin’ny paroasy roa na mihoatra izany dia afaka miara-mivory tsindraindray hanao asa fanompoana sy fiaraha-mientana. Afaka mandamina asa fanompoana sy fiaraha-mientana ho an’ny zatovo ireo tsatòka sy distrika tsindraindray (jereo ny 20.3.2).

Maka antoka ireo olon-dehibe mpitarika fa tsy mampidi-doza ireo fiaraha-mientana atao (jereo ny safety.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny 20.7 ato amin’ity boky torolalana ity). Tokony hisy olon-dehibe tompon’andraikitra roa farafahakeliny manatrika ny fiaraha-mientana rehetra (jereo ny 11.6.1).

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny YoungWomen.ChurchofJesusChrist.org. Jereo koa ny JustServe.org raha misy ho an’ny toerana misy anao. Ireo loharanon-kevitra ireo dia manolotra karazana asa fanompoana sy fiaraha-mientana azo atao.

Fiaraha-mientana fanao isan-taona. Ankoatra ny fiaraha-mientan’ny zatovo fanao mahazatra dia afaka ihany koa mandray anjara isan-taona amin’ireto manaraka ireto ny zatovovavy:

  • Fivoriana hiarahan’ny zatovo sy ny ray aman-drenin’izy ireo rehefa akaiky ny fiantombohan’ny taona. Azo atao misaraka na mitambatra ho an’ny Zatovolahy sy ny Zatovovavy izany. Azo atao ihany koa eo anivon’ny paroasy na eo anivon’ny tsatòka izany. Ireo mpanampy ny eveka ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona sy ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy zokiny indrindra no manomana sy mitarika izany. Mandritra io fivoriana io dia afaka mahazo ny mari-pamantarana iombonana ireo zatovovavy handray 12 taona amin’io taona io (jereo ny 11.6.3). Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org.

  • Lasy ho an’ny Zatovovavy (jereo ny Torolalana ho an’ny lasin’ny Zatovovavy). Ny zatovovavy dia afaka mandray anjara amin’ireo lasy ilana fatoriana any an-toerana, amin’ny hetsika, ary amin’ny fiaraha-mientana fanampiny mandritra ny taona any amin’ny toerana azo anaovana izany.

  • Fihaonamben’ny zatovo eo anivon’ny paroasy na eo anivon’ny tsatòka, na fihaonambe Ho Zatovo Mahery (HZM). Mba hahitana fampahalalana mikasika ireo fihaonambe HZM, dia jereo ny FSY.ChurchofJesusChrist.org. Mba hahitana fampahalalana mikasika ireo antso ao amin’ny HZM sy ireo andraikitra mifandray amin’izany, dia jereo ny FSYLeader.ChurchofJesusChrist.org (ho an’i Etazonia sy i Kanadà) na ny FSY Planning Guide (ho an’ny faritra hafa rehetra).

  • Fiaraha-mientana iray farafahakeliny izay manamafy ireo fenitra ao amin’ny Jeunes, soyez forts. Io hetsika io dia azo atao itambaran’ny zatovolahy sy ny zatovovavy. Azo atao koa ny manasa ireo ray aman-dreny.

Fepetra takina mahakasika ny taona. Rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny ray aman-dreniny ireo zatovovavy, dia afaka manatrika ireo lasin’ny Zatovovavy ilana fatoriana any an-toerana manomboka ny volana janoary amin’ny taona izay handraisan’izy ireo 12 taona. Afaka manatrika fandihizana, sy fihaonamben’ny zatovo, ary fihaonambe HZM izy ireo manomboka ny volana janoary amin’ny taona izay handraisan’izy ireo 14 taona.

Fandoavana ny saran’ireo fiaraha-mientana. Ny teti-bolan’ny paroasy no handoavana ny saran’ireo fiaraha-mientana, tafiditra ao anatin’izany ireo vatsy ilaina amin’izany. Tsy tokony ho lavitra loatra ny dia ary tsy tokony ho diso tafahoatra ny fandaniana atao.

Ho tranga maningana, raha tsy ampy ny vola ao amin’ny teti-bolan’ny paroasy handoavana ny saran’ireo fiaraha-mientana mandritra ny andro maromaro, toy ny lasy, dia azon’ireo mpitarika angatahana ireo mpandray anjara mba hanampy amin’ny fiantohana izany. Tsy tokony hosakanana tsy handray anjara anefa ny zatovovavy iray raha tsy afaka manampy amin’ny fandoavana izany. Raha toa ka mbola mila vola misimisy kokoa dia afaka manome lalana ny hanaovana hetsika fanangonam-bola indray mandeha isan-taona ny eveka (jereo ny 20.6.5).

Maka antoka ny episkôpà fa ampy sy voatsinjara ara-drariny ny tetibola sy ny fiaraha-mientana ho an’ny zatovovavy sy ho an’ny zatovolahy. Ny tetibola ho an’ny zatovovavy dia mifototra amin’ny isan’ny zatovovavy ao amin’ny paroasy. Ny tetibola ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna dia mifototra amin’ny isan’ny zatovolahy ao amin’ny paroasy.

Sary
zatovovavy milalao basy rano

Jereo ny FSY.ChurchofJesusChrist.org mba hahitana fampahalalana mikasika ny famatsiam-bola ho an’ireo fihaonambe HZM.

11.2.1.4

Fivoaran’ny tena manokana

Amin’ny ezaka ataon’izy ireo hitoviana kokoa amin’ny Mpamonjy dia asaina ny zatovo hametraka tanjona mba hivoarana ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana, ary ara-tsaina (jereo ny Lioka 2:52). Mikatsaka fitaomam-panahy ny zatovo hamantarana ny zavatra ilainy hanaovana ezaka. Ampian’ireo ray aman-dreny izy ireo manao drafitra, sy manatanteraka ny drafiny, ary misaintsaina ny zavatra izay nianarany. Manolotra fanampiana araka izay ilaina ihany koa ireo mpitarika. Na izany aza dia tsy tokony hanara-maso ny tanjona na ny fivoaran’ireo zatovovavy izy ireo. Afaka mandroso hevitra ny amin’izay tanjona hotratrarina ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika, saingy mamela ny zatovo izy ireo hikatsaka ny aingam-panahin’izy ireo manokana mikasika izay tanjona hotratrarin’izy ireo.

Amporisihina ny zatovo hamita farafahakeliny tanjona roa amin’ny sehatra tsirairay amin’ireo sehatra efatra. Afaka mampiasa ny Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo izy ireo na ny application Vivre l’Évangile rehefa mametraka tanjona sy hirakitra izany.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org.

11.2.2

Fikarakarana ireo izay sahirana

Tokony hanana fahafahana hanompo ny hafa tsy tapaka ny zatovovavy ao amin’ny fianakaviany sy miaraka amin’ny fianakaviany, mandritra ireo fiaraha-mientan’ny zatovo, ary amin’ny ezaka ataony samirery. Ahitana karazana asa fanompoana azo atao ao amin’ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org Ny JustServe.org, any amin’ny toerana ahitana azy dia manolotra sosokevitra ny amin’ireo zavatra azo araraotina mba hanaovana asa fanompoana eny anivon’ny fiarahamonina.

11.2.2.1

Ny fanompoana

Ny fanompoana dia ny fikarakarana ny hafa tahaka izay ho nataon’ny Mpamonjy. Azo ampandraiketina asa fanompoana ny zatovovavy manomboka ny volana janoary amin’ny taona izay handraisany 14 taona. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny toko 21.

11.2.3

Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara

Manasa ny rehetra handray ny filazantsara ny zatovovavy rehefa “[mijoro] ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zavatra rehetra, ary amin’ny toerana rehetra” (Môzià 18:9). Voatanisa eto ambany ireo fomba sasantsasany azon’izy ireo hanaovana izany:

  • Mampiseho ohatra tsara amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy.

  • Mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo amin’ny namana sy ireo olona ao amin’ny fianakaviana.

  • Manompo ireo mpikambana malaindaina ao amin’ny kilasin’izy ireo.

  • Manasa namana hanatrika fotoam-pivavahana na fiaraha-mientan’ny zatovo.

  • Manasa namana handray anjara amin’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo. Ireo mpitarika dia miara-miasa akaiky amin’ny ray aman-drenin’ireo zatovo ireo mba hanampiana azy ireo hahatakatra ilay fandaharan’asa sy hamaritra ny fomba tian’izy ireo sy ny zanak’izy ireo handraisana anjara amin’izany.

  • Manasa namana ho ampianarin’ireo misiônera.

Afaka manampy ny zatovovavy ireo ray aman-dreny sy ny mpitarika mba hiomana hizara ny filazantsara mandritra ny fiainan’izy ireo. Voatanisa eto ambany ireo fomba sasantsasany azon’izy ireo hanaovana izany:

  • Mamporisika ny zatovovavy hahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tenany manokana momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ary ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany.

  • Manolotra fahafahana hanompo ao am-piangonana.

  • Manolotra fahafahana hampianatra ny filazantsara mandritra ireo fivorian’ny kilasy sy amin’ny sehatra hafa.

Raha manam-paniriana ny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ny zatovovavy dia manampy azy ireo hiomana ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika. Tafiditra ao anatin’izany ny fampianarana azy ireo mikasika ireo fitahiana sy ireo zavatra andrasana amin’ny asa fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno.

Ao anatin’io fiomanana io dia afaka manangana kilasy fiomanana ho amin’ny asa fitoriana ny episkôpà na ny fiadidian’ny tsatòka. Ireo loharanom-pitaovana fototra ampiasaina amin’io kilasy io dia ny soratra masina sy ny Règles missionnaires pour les disciples de Jésus-Christ ary ny Torio ny Filazantsarako. Tsy tokony hatao mandritra ireo fivoriana mahazatra ny alahady io kilasy io.

Ny Missionary.ChurchofJesusChrist.org dia manome loharanom-pitaovana fanampiny izay afaka manampy ireo zatovovavy izay maniry ny hiomana hanao asa fitoriana. Jereo ny toko 23 sy 24 raha mila fanazavana fanampiny.

11.2.4

Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay

Ny zatovovavy dia afaka manampy amin’ny fomba maro amin’ny fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Voatanisa eto ambany ny sasany amin’ireo fomba ireo:

  • Manaja ireo ray aman-dreniny sy maneho ohatra amin’izany fiainana tahaka ny an’i Kristy izany ao an-tokantranony.

  • Miomana ny hanana ny fianakaviany mandrakizay izay azy ireo manokana.

  • Manana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly.

  • Miomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly, anisan’izany ny fanambadiana mandrakizay.

  • Mamantatra ny momba ireo havany sy ny razambeny (jereo Ny Fianakaviako: Ireo tantara izay mampiray anay).

  • Mamantatra ireo razambe izay mila ôrdônansin’ny tempoly (jereo ny FamilySearch.org).

  • Mandray anjara matetika amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ho an’ny maty, araka izay tratra.

  • Mandray anjara amin’ny firaketana anarana faobe (jereo ny FamilySearch.org/indexing).

  • Manompo ho mpanorohevitra mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, rehefa antsoin’ny episkôpà (jereo ny 25.2.4).

11.3

Ny mpitarika ao amin’ny Zatovovavy eo anivon’ny paroasy

11.3.1

Ny episkôpà

Ny andraikitra voalohany indrindra sahanin’ny eveka dia ny mikarakara ireo zatovovavy sy zatovolahy ao amin’ny paroasiny. Mamantatra ny anaran’izy ireo izy sy ireo mpanolotsainy ary mahatakatra ny toe-javatra iainan’izy ireo any an-tokantranony. Mihaona amin’ny zatovovavy tsirairay indroa isan-taona farafahakeliny izy ireo (jereo ny 31.3.1).

Manana andraikitra sahanina ho an’ny rafitry ny Zatovovavy ny eveka. Miara-mivory tsy tapaka amin’ny filohan’ny Zatovovavy izy. Manao tatitra momba ireo raharaha mahakasika ny Zatovovavy izy mandritra ny fivorian’ny episkôpà.

Mandray anjara matetika amin’ireo fivoriana sy ny asa fanompoana ary ny fiaraha-mientan’ny Zatovovavy ny eveka sy ny mpanolotsainy. Raha misy kilasin’ny Zatovovavy maromaro dia afaka manome andraikitra ny tenany sy ireo mpanolotsainy ny eveka hiara-hiasa amin’ny kilasy voafaritra mazava.

11.3.2

Olon-dehibe fiadidian’ny Zatovovavy

Ny eveka dia miantso sy manokana vehivavy olon-dehibe iray ho filohan’ny Zatovovavy eo anivon’ny paroasy. Raha ampy tsara ny olona ao amin’ilay rantsana dia manolotra vehivavy olon-dehibe iray na roa io filohan’ny Zatovovavy io ho antsoina ho mpanolotsainy (jereo ny toko 30). Mandinika ireo anarana natolony ny episkôpà dia manao ny fiantsoana.

Ao anatina rantsana kely dia mety ho ilay filohan’ny Zatovovavy ihany no olon-dehibe mpitarika voantso ao amin’ny rafitry ny Zatovovavy. Amin’izany tranga izany dia miara-miasa amin’ny ray aman-dreny izy mba handaminana ny fampianarana sy ireo fiaraha-mientana ho an’ny zatovovavy. Maka antoka ihany koa izy fa misy olon-dehibe tompon’andraikitra roa farafahakeliny manatrika ny fivoriana sy ny fiaraha-mientana rehetra. Rehefa azo atao, dia tokony hisy mpanolotsaina sy mpitantsoratra antsoina.

Raha tsy manana filohan’ny Zatovovavy ny sampana iray, dia afaka mandamina ny fampianarana ho an’ireo zatovovavy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mandra-pisian’ny filohan’ny Zatovovavy voantso.

Sary
vehivavy sy zatovovavy miresaka

Ireto manaraka ireto no andraikitra sahanin’ny filohan’ny Zatovovavy. Manampy azy amin’izany ireo mpanolotsainy.

  • Manompo ao amin’ny filankevitry ny paroasy. Izy dia (1) mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy izay manampy amin’ny fikarakarana ireo zavatra ilaina ao amin’ny paroasy sy mitady vahaolana ary (2) solontenan’ny Zatovovavy (jereo ny 29.2.5).

  • Mpikambana ao amin’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy (jereo ny 29.2.6).

  • Manompo ny zatovovavy tsirairay.

  • Mandefa tolo-kevitra any amin’ny episkôpà mikasika ireo rahavavy izay ho antsoina hanompo ao amin’ny Zatovovavy.

  • Mampianatra an’ireo mpitarika hafa sy ireo fiadidian’ny kilasy ao amin’ny Zatovovavy mikasika ny andraikitr’izy ireo.

  • Miara-mifampidinika amin’ireo zatovovavy mikasika ireo olana izay tsy mitaky ny fidiran’ny eveka an-tsehatra na izay tsy misy hidirana resaka herisetra (jereo ny 32.3, sy ny 31.3.1, ary ny 38.6.2).

  • Manoro an’ireo fiadidian’ny kilasy amin’ny andraikitra maha-mpitarika ananan’izy ireo. Ny kilasy tsirairay dia ampian’ny mpikambana iray voatendry manokana avy ao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy sy arahin’io olona io maso.

  • Manohana ireo zatovovavy izay miara-miasa amin’ireo rahavavy olon-dehibe amin’ny fanompoana (jereo ny 21.2.2).

  • Manao fivorian’ny fiadidian’ny Zatovovavy tsy tapaka ary mihaona tsy tapaka amin’ny eveka.

  • Manara-maso ny lisitra sy ny tatitra ary ny tetibola mbamin’ny fitantanam-bola ao amin’ny rafitry ny Zatovovavy.

11.3.3

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana amin’ny zava-misy
Mpitantsoratra

Raha ampy ny olona ao amin’ilay rantsana dia manolotra anarana rahavavy olon-dehibe iray amin’ny eveka izy mba ho mpitantsoratry ny Zatovovavy. Mety misahana ireto andraikitra manaraka ireto izy:

  • Manampy ny fiadidian’ny Zatovovavy amin’ny fanomanana ny fandaharam-potoana amin’ireo fivorian’ny fiadidiana. Manatrika ireo fivoriana ireo izy, mandray an-tsoratra, ary manara-maso ireo asa nampandraiketina.

  • Mampianatra ireo mpitantsoratry ny kilasy ary manampy azy ireo amin’ny fitazonana ny firaketana ny fanatrehana.

  • Miaraha miasa amin’ny mpitantsoratry ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny fampiasana ny DDG mba hihazonana ny firaketana ny fanatrehan’ireo vehivavy olon-dehibe manompo ao amin’ny Zatovovavy.

  • Manampy ny fiadidian’ny Zatovovavy eo amin’ny fanomanana ny tetibola sy ny firaketana ireo fandaniana.

11.3.4

Fiadidian’ny kilasy sy mpitantsoratra

11.3.4.1

Ny fiantsoana sy ny fanohanana ary ny fanokanana

Tokony hanana fiadidian’ny kilasy ny kilasin’ny Zatovovavy tsirairay. Ny fiadidian’ny Zatovovavy dia afaka mandefa tolo-kevitra momba ny anaran’ny zatovovavy izay ho atao filohan’ny kilasy. Mifampidinika amim-bavaka ny mpikambana ao amin’ny episkôpà mba hanapahana hevitra ny amin’izay olona ho antsoina.

Mpikambana iray ao amin’ny episkôpà no miantso zatovovavy iray ho filohan’ny kilasy. Rehefa ampy ny isan’ny zatovovavy afaka manompo dia mieritreritra ombam-bavaka ireo mpikambana ao amin’ny kilasy mba hatolotra ho mpanolotsaina sy mpitantsoratra izy. Mandinika ireo anarana natolony ny episkôpà dia manao ny fiantsoana.

Alohan’ny hangatahana zatovovavy iray hanompo amin’ny iray amin’ireo antso ireo dia miera amin’ny ray aman-drenin’ilay zatovovavy ilay mpikambana ao amin’ny episkôpà.

Rehefa avy nanolotra ireo antso ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà dia ampahafantariny ao amin’ny kilasin’izy ireo ireo zatovovavy ireo mba hotohanana. Manokana an’ireo zatovovavy ny eveka na ny mpanolotsaina nomena andraikitra hisahana izany.

Mpikambana iray ao amin’ny episkôpà no milaza ireo antso ireo mandritra ny fivoriana fanasan’ ny Tompo. Tsy atolony mba hotohanana izy ireo.

Fotoana fohy aorian’ny fanokanana ireo fiadidian’ny kilasy dia tokony hanome fanoroan-dalana azy ireo mikasika ny andraikiny ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà. Jereo ny “Fanoroan-dalana ho an’ny fiadidian’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny fiadidian’ny kilasin’ny zatovovavy” ao amin’ny YoungWomen.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny toko 4 amin’ity boky torolalana ity.

11.3.4.2

Andraikitra

Manompo ao amin’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy ireo filohan’ny kilasy (jereo ny 11.3.4.4). Manana ireto andraikitra ireto ihany koa ireo fiadidian’ny kilasy:

  • Mitarika ny ezaka ataon’ny kilasy handraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny toko 1).

  • Miezaka mamantatra sy manompo ny zatovovavy tsirairay, anisan’izany ireo izay tsy manatrika ireo fivorian’ny kilasy. Mahafantatra ny zavatra ilain’izy ireo sy ny toe-javatra iainan’izy ireo.

  • Mandray anjara amin’ireo ezaka ataon’ny paroasy eo amin’ny fizarana ny filazantsara ary manamafy orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika. Manatrika ireo fivoriana enti-mandrindra ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy zokiny indrindra (jereo ny 23.5.7).

  • Mandray anjara amin’ireo ezaka atao mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy. Manatrika ireo fivoriana enti-mandrindra ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy zokiny indrindra (jereo ny 25.2.7).

  • Mandrafitra sy mitarika ireo fivorian’ny kilasy amin’ny alahady (jereo ny 11.2.1.2).

  • Mandrafitra sy manatanteraka ny asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana ataon’ny kilasy (jereo ny 11.2.1.3

  • Manatanteraka matetika fivorian’ny fiadidian’ny kilasy (jereo ny 11.3.4.3).

Rehefa misy mpitantsoratry ny kilasy voantso dia manomana ny fandaharam-potoan’ireo fivoriana izy ireo, mandray an-tsoratra, ary mirakitra ny fahatongavana.

Ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy dia mampianatra tsy tapaka ireo fiadidian’ny kilasy mikasika ny andraikitr’izy ireo (jereo ny 11.3.2). Tokony hanampy amim-pahavitrihana ireo mpanorohevitra sy tompon’andraikitra manokana ao amin’ny kilasy (jereo ny 11.3.5 sy 11.3.6).

11.3.4.3

Ny fivorian’ny fiadidian’ny kilasy

Mivory tsy tapaka ireo fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy. Ny filohan’ny kilasy no mitarika ireo fivoriana ireo. Manatrika izany koa ireo olon-dehibe mpitarika ny Zatovovavy izay notondroina hanohana ilay fiadidian’ny kilasy. Mandritra ireo fivoriana ireo dia miara-mifampidinika ireo mpitarika ary mikatsaka ny hahazo fanambarana momba ny sitrapon’ny Tompo ho an’ny kilasin’izy ireo. Ny fandaharam-potoana dia azo ampidirana fifanakalozan-kevitra mikasika ireto zavatra manaraka ireto:

  • Fanampiana amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

  • Fanompoana ireo mpikambana ao amin’ny kilasy, ka mifantoka manokana amin’ny fanohanana ireo mpikambana vaovao sy ny fanoloran-tanana an’ireo mpikambana malaindaina

  • Fanampiana ireo olona avy amin’ny antokom-pivavahana hafa sy hafa finoana.

  • Fandaminana ireo fivoriana sy asa fanompoana ary fiaraha-mientan’ny kilasy

  • Fampianarana momba ny fitarihana avy amin’ireo olon-dehibe mpitarika ny Zatovovavy na ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy.

Misy Fakan-tahaka amin’ny fandaharam-potoana mandritra ny fivorian’ny fiadidiana azo ampiasaina ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

11.3.4.4

Filankevitry ny zatovon’ny paroasy

Ny tanjon’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy dia ny hanampy ny zatovo hitondra ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy sy hanampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

Ny eveka no miahy ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy. Ireo mpikambana ao amin’io filankevitra io dia ahitana:

  • Ny episkôpà.

  • Ny iray amin’ireo mpanampy ny eveka ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona, ny filohan’ny kôlejin’ny mpampianatra ary ny filohan’ny kôlejin’ny diakona.

  • Ireo filohan’ny kilasin’ny Zatovovavy (na ny fiadidiana iray manontolo ao amin’ny kilasy raha tsy manana afa-tsy kilasin’ny Zatovovavy iray ihany ilay paroasy).

  • Ny filohan’ny Zatovovavy.

Ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy dia mifampidinika mikasika ireo fomba hanampiana ny hafa hanorina fijoroana ho vavolombelona, handray ireo ôrdônansin’ny famonjena, hitandrina ireo fanekempihavanana, ary ho tonga mpanaradia mahafatra-po an’i Jesoa Kristy (jereo ny Môrônia 6:4–5). Miara-mifampidinika izy ireo mikasika ny zavatra ilain’ireo zatovovavy sy zatovolahy ao amin’ny paroasy. Afaka miresaka fiaraha-mientana ahafahana manatanteraka ireo zavatra ilaina ireo izy ireo. Na izany aza dia mandritra ireo fivorian’ny fiadidian’ny kôlejy na ny fiadidian’ny kilasy no tokony hanaovana ny fandrafetana ireo fiaraha-mientana amin’ny antsipiriany.

Jereo ny 29.2.6 raha mila fampahalalana misimisy kokoa momba ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy.

11.3.5

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana amin’ny zava-misy
Mpanoro hevitra

Afaka manome tolo-kevitra ny fiadidian’ny Zatovovavy mba hiantsoan’ny episkôpà mpanorohevitra ao amin’ny Zatovovavy. Miara-miasa amin’ny zatovovavy ao anatin’ny sokajin-taona voafaritra tsara ny mpanoro hevitra tsirairay.

Toy izao no andraikitra sahanin’ireo mpanorohevitra:

  • Manampy ny fiadidian’ny Zatovovavy amin’ny andraikitr’izy ireo.

  • Manohana sy mitarika ireo fiadidian’ny kilasy eo am-pianaran’izy ireo sy eo am-panatanterahan’izy ireo ny andraikiny.

  • Mampianatra lesona mandritra ny alahady araka izay ilaina. Manampy ireo zatovovavy izay nasaina hampianatra lesona hiomana sy hampianatra amin’ny fomba mahomby.

  • Manatrika ireo fiaraha-mientan’ny kilasy.

  • Manatrika ireo fivorian’ny fiadidian’ny Zatovovavy eo anivon’ny paroasy raha asaina.

Tokony hisy vehivavy olon-dehibe tompon’andraikitra roa farafahakeliny manatrika ny fivoriana sy ny fiaraha-mientana tsirairay ataon’ny kilasy. Tsy maintsy mamita ilay fiofanana ao amin’ny ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org ireo mpanorohevitra (jereo ny 11.6.1).

Sary
zatovovavy manjaitra

11.3.6

Sary
sary famantarana, loharanon-kevitra azo isafidianana
Ireo tompon’andraikitra manokana

Any amin’ny toerana ilana izany, dia afaka manome tolo-kevitra ny fiadidian’ny Zatovovavy mba hiantsoan’ny episkôpà tompon’andraikitra manokana hanampy amina hetsika iray manokana toy ny lasy, na fihaonamben’ny zatovo, na fanatanjahan-tena.

Manompo eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny Zatovovavy eo anivon’ny paroasy ireo tompon’andraikitra manokana rehetra.

Tsy maintsy mamita ilay fiofanana ao amin’ny ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org ireo tompon’andraikitra manokana (jereo ny 11.6.1).

11.4

Fanampiana ny zatovovavy hiomana ho ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana

Afaka miditra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ny zatovovavy iray rehefa feno 18 taona. Rehefa feno 19 taona ny zatovovavy tsirairay dia tokony handray anjara feno ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Amin’ny tranga sasany dia afaka miditra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana alohan’ny tsingerin-taonany faha-18 ny zatovovavy iray. Mifampidinika amin’ny ray aman-dreniny sy ny eveka ny zatovovavy tsirairay hanapahana hevitra mikasika izay mety hanampy azy indrindra hanohy hampatanjaka ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Miara-miasa ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika ny Zatovovavy sy ny Fikambanana Ifanampiana mba hanampiana ny zatovovavy tsirairay handroso amim-pahombiazana hankao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Ireo mpitarika ireo dia manolotra hatrany fomba ahafahan’ireo zatovovavy sy ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana mifandray sy manorina finamanana.

11.5

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana amin’ny zava-misy
Mpitarika ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka

Miantso vehivavy olon-dehibe iray ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka mba ho filohan’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka. Raha ampy ny olona ao amin’ny tsatòka, dia manolotra vehivavy olon-dehibe iray na roa io filohan’ny Zatovovavy io mba ho antsoina ho mpanolotsaina ary vehivavy olon-dehibe iray hafa ho mpitantsoratra. Ireo vehivavy ireo dia antsoina sy atokan’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay voatondro. Ho fampahalalana momba ny andraikitry ny fiadidiana sy ny mpitantsoratry ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka dia jereo ny 6.7.1, 6.7.1.2, ary ny 6.7.3.

Manana andraikitra hisahana ny rafitry ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka ny mpanolotsaina iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka. Manana andraikitra ihany koa izy ny hisahana ny asa ataon’ny fiadidian’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka. Mampianatra ireo eveka ihany koa izy amin’ny andraikitr’izy ireo amin’ny zatovovavy.

Ny fiadidian’ny tsatòka dia manome andraikitra mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo hiara-hiasa amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 6.5).

Manompo ao amin’ny kômitin’ny mpitarika ny zatovo eo anivon’ny tsatòka ny fiadidian’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka sy ny mpitantsoratra (jereo ny 29.3.10).

Sary
zatovovavy ao an-dakilasy

11.6

Torolalana sy fitsipika fanampiny

11.6.1

Fiarovana ireo zatovo

Rehefa mifanerasera amin’ny zatovo eo amin’ny sehatry ny Fiangonana ny olon-dehibe dia olon-dehibe tompon’andraikitra roa farafahakeliny no tokony hanatrika eo. Mety ilaina ny hampitambarana ireo kilasy mba hahafahana manatanteraka izany.

Ny olon-dehibe rehetra miara-miasa amin’ny zatovo dia tsy maintsy mamita ilay fiofanana mikasika ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana taorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org). Mamerina ilay fiofanana izy ireo isaky ny telo taona aorian’izay.

Ho fampahalalana mikasika ny fomba fampiharana ireo torolalana ireo amin’ireo rahalahy na rahavavy mpanompo mpiara-miasa, dia jereo ny 21.2.2.

11.6.2

Zatovovavy manana fahasembanana

Mikarakara manokana an’ireo zatovovavy manana fahasembanana ireo fiadidian’ny kilasy. Mba hahitana fampahalalana momba ny fanampiana ireo zatovovavy ireo, dia jereo ny disability.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny 38.8.27 ato amin’ity boky torolalana ity.

11.6.3

Mari-pamantaran’ny Ankizy sy Zatovo

Mahazo mari-pamantarana ireo zatovovavy amin’ilay fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo. Ny zatovovavy tsirairay dia tokony hahazo mari-pamantarana iombonana avy amin’ny fiadidian’ny kilasiny rehefa lasa mpikambana ao amin’ny Zatovovavy. Mahazo anankiray amin’ilay Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo ihany koa izy. Izany dia azo atao rehefa mihaona aminy mba handraisana azy ho ao amin’ny Zatovovavy ny fiadidian’ny kilasy sy ireo olon-dehibe mpitarika ny Zatovovavy. Izy io koa dia azo atao mandritra ny fivoriana iray fanao isan-taona ho an’ny zatovo sy ireo ray aman-dreniny (jereo ny 11.2.1.3).

Ny volana janoary amin’ny taona handraisany 18 taona ny zatovovavy iray dia mahazo mari-pamantarana iombonana iray fanampiny.

Afaka mahazo mari-pamantaran’ny fahatontosana ireo zatovovavy amin’ny alalan’ny fiezahana ny hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy.

Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ireo mari-pamantarana, dia jereo ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org.