2010
Spencer W. Kimball (1895–1985)
Aprily 2010


Tsaroana ireo Olona Nanana ny Naha-izy Azy

Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985)

Noho i Spencer W. Kimball lehibe tany ambanivohitr’i Arizona, dia mbola kely izy dia nianatra niasa mafy. Zafikelilahin’ny Apôstôly Heber C. Kimball (1801–68) sy zanakalahin’ny filohan’ny tsatòka i Spencer, ary nanana fijoroana ho vavolombelona matanjaka sy nanolo-tena lalina ho an’ny filazantsara.

Fony izy ankizilahy dia andraikitr’i Spencer matetika ny mipetraka any amin’ny tampon’ny sarety feno mololo ary manitsakitsaka ny mololo rehefa manipy izany ao anatiny ireo zokiny lahy. Asa mampafana sy mamovoka ary mampangidihidy izany saingy nataony— afa-tsy rehefa maneno ny lakolosy mampahafantatra ny fiantombohan’ny kilasin’ny Kilonga, izay natao nandritra ny andro fiasana tamin’izany andro izany. Tena mpanatrika izany foana izy ka tsy afaka ny tsy handeha any. Nanana hevitra hafa ireo rahalahiny ary nanomboka nanipy ireo mololo haingana kokoa tao an-tsarety. Rehefa hitan’izy ireo fa nivangogo niavosa ny mololo, dia efa teny antsasa-dalana nankany amin’ny kilasin’ny Kilonga i Spencer.

I Spencer W. Kimball dia nanohy nanompo rehefa lasa misiônera, dia eveka ary filohan’ny tsatòka talohan’ny niantsoana azy ho apôstôly tamin’ny 1943. Nalaza ny fahazotoany miasa na dia teo aza ireo aretina mafy maro nahazo azy toy ny aretim-po sy ny homamiadan’ny tenda. Nanentana ny mpikamban’ny Fiangonana izy mba hampitombo bebe kokoa ny ezaka ataon’izy ireo ary ny teny filamatra nananany dia tsotra fotsiny hoe “ataovy”. Noho ny fahasalamany dia nisy nieritreritra fa mety ho fohy ny fitantanan’i Spencer W. Kimball. Nefa nitarika ny Fiangonana nandritra ny 12 taona izy ka nandritra izany dia lasa avo roa heny ny isan’ ny tempoly am-perinasa ary nitombo 50 isan-jato ny isan’ny misiônera ary nomena an’ireo lehilahy mendrika rehetra ny fisoronana.

Ny fanoloran-tenany tsy azo hozongozonina ho an’ny filazantsara sy ny fahazotoany miasa mafy dia nitondra an’i Spencer W. Kimball avy any amin’ny fiantombohana tsotra tany ambanivohitr’i Arizona nankany amin’ireo filankevitra mitarika ato amin’ny Fiangonana. Ny fitantanany tamin’ny naha-filohan’ny Fiangonana azy dia niavaka tamin’ny firoboroboana lehibe teo amin’ny fanorenana tempoly sy ny asa fitoriana. Ankavia: Miaraka amin’i Camilla vadiny (1894–1987).