2010
Tempoly iray ho an’i Kona
Aprily 2010


Tempoly iray ho an’i Kona

Rehefa nanapa-kevitra i Leroy sy Rose Alip ny hahafoy tena hanatrika any amin’ny Tempoly isam-bolana, dia notahian’ny Tompo betsaka tokoa izy ireo ka afaka nandeha—ary afaka nitondra olon-kafa hiaraka amin’izy ireo.

Teny nifantoka nihaino tsara i Leroy Alip tamin’izy notokanana ho mpikambana tao amin’ny filankevitra avo an’ny tsatòka iray tao amin’ny Big Island (ilay nosy lehibe) tany Hawaii. Nandritra ny tsodrano dia nambara tamin-dRahalahy Alip fa ho eo amin’io nosy io izy amin’ny fotoana hananganana tempoly iray ao ary hanompo ao amin’izany tempoly izany izy. Tamin’ny 1984 izany, ary ny hany tempoly nisy tany Hawaii tamin’izany dia tany amin’ny nosy Oahu, kilaometatra maro any lavitra any, mandeha sambo na fiaramanidina.

Nanome hery an-dRahalahy Alip ilay tsodranon’ny fisoronana. “Izaho dia mino fa rehefa omena tsodrano ianao, dia manana andraikitra hanao izay rehetra vitanao mba hahazoanao izany tsodrano izany,” hoy izy. Koa dia nanapa-kevitra izy sy Rose vadiny hanatrika any amin’ny tempoly any Oahu indray mandeha isam-bolana.

Tsy mora ny nanatanterahana izany. Ny saran’ny dia nankany dia mitentina ho eo amin’ny 300 dolara amerikana, izay vola be ho an’ny mpivady izay zara raha tafavoaka amin’ny karama kely raisin’ny Rahalahy Alip avy amin’ny sampan-draharaham-panjakana izay niasany. Ny hany fomba ahafahan’izy ireo manatanteraka ilay dia dia ny manabanga ny tahirin’izy ireo. Nataon’ izy ireo tamim-pifaliana tokoa izany.

Tao anatin’ny herintaona anefa, dia lany tanteraka ny volan’izy ireo. “Saingy mbola tany amin’ny tempoly ihany ny fonay,” hoy Rahalahy Alip. “Naniry ny mbola hanohy hanatrika any izahay. Koa dia nivavaka izahay mba hahazoana fanampiana.”

Tsy ela taorian’izany dia tsy nampoizina fa naharay tolotr’asa Rahalahy Alip izay nahafahany nahazo fidiram-bola fanampiny tamin’ny alalan’ny fanaterana gazety ho an’ny orinasa iray teo an-toerana. Tamin’ireo fanaterana gazety vao maraimbe ireo izy dia nokaramaina teo amin’ ny 700 dolara teo isam-bolana. Amin’izany vola izay mihoatra noho ny vola ilaina hahafahana manohy mandeha mankany amin’ny tempoly, dia nahatsapa ry Rahalahy sy Rahavavy Alip fa tokony hanokana ny ambim-bola ho amin’ilay kitapom-bola manokana nananan’izy ireo izay natokana ho an’ny tempoly.

Tamin’ny volana Jona 1986 dia lasa nazava ny anton’izany fahatsapana izany: noho izy ireo lasa nonina tao amin’ ny tsatòkan’ i Kona Hawaii, dia afaka nitondra vehivavy maromaro tao amin’ny tsatòka izy ireo ho any amin’ny tempoly, izay vehivavy mendrika nefa tsy nanana fahafahana handray ny fanafiana masina. Koa isam-bolana, dia nitondra rahavavy iray ry Alip hiaraka amin’izy ireo ho any Oahu. Isaky ny mandeha ry zareo, dia mijoro ho vavolombelona ilay vehivavy rehefa tafaverina, mikasika ny hery sy fifaliana ara-panahy tsapa teo amin’ny asan’ny tempoly ho azy sy ho an’ny hafa. Vetivety monja dia niparitaka nanenika ny tsatòka ny toe-panahin’ny fanaovana asan’ny tempoly, ary mpikambana maro kokoa no nanomboka nitady fomba handehanana any amin’ny tempoly.

Noho ireo olom-patan-dRahalahy Alip teo amin’ny sehatry ny fitaterana dia afaka nahazo fihenam-bidy izy na tamin’ny fiaramanidina na tamin’ny saram-pitaterana hafa na tamin’ny fanofana trano hivahinianana ho an’ireo rehetra avy ao amin’ny tsatòka izay te-handeha. Tamin’ny 1994 dia mihoatra ny 100 ireo mpikambana tao amin’ny tsatòkan’ i Kona izay manao isam-bolana ilay dia mankany amin’ny Tempolin’i Laie Hawaii. Mihomehy Rahalahy Alip. Mahatsiaro izy hoe, “Nivazivazy ny filohan’ny tempoly nilaza fa mandany ny karipetra ireo Olomasina avy any Kona fa betsaka loatra izy ireo ao amin’ny tempoly.”

Tamin’ny 1997 dia nanambara fomba fiasa vaovao ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) teo amin’ny fanorenana tempoly. Ny fanorenana tempoly kelikely kokoa ny habeny dia ahafahana manorina tempoly maro kokoa. Nody ventiny ny fahatokian’ireo Olomasina tao amin’ny nosy Big Island enim-bolana taty aoriana raha nambaran’ny Filoha Hinckley ny hanorenana tempoly ho an’i Kona. Taorian’ny fitokanana ny tempoly tamin’ny taona 2000, dia nantsoina ho mpanolotsaina faharoa tao amin’ny fiadidian’ny tempoly Rahalahy Alip. Ankehitriny izy efa misotro ronono tanteraka eo amin’ny asa nivelomany, fa mirotsaka tanteraka kosa eo amin’ny asan’ny Tompo, ary izy no manaramaso ireo mpiasa izay mikojakoja ireo zaridaina ao amin’ny Tempolin’i Kona Hawaii mba ho kanto hatrany.

Velompankasitrahana Rahalahy sy Rahavavy Alip tamin’ireo fomba nitahian’ny Ray any An-danitra azy ireo ka nananany izay ilainy mba hahafahan’izy ireo manohy manompo ny hafa hatrany. Tamin’ny nahatongavan’izy ireo voalohany tao Kona, hoy Rahalahy Alip hoe “Tsy nanana toerana honenana izahay ankoatra ny trano falafa kely iray teny an-tendrombohitra izay natao ho an’ireo mpiasa eny amin’ny tanin-kafe.” Nipetraka tao nandritra ny volana maromaro izy ireo ambara-pahatonga azy ireo afaka nanofa tranokely iray.

Taona maromaro taty aoriana, dia nahangona tahiry sy nanana fidiram-bola ampy izy ireo ka nieritreritra trano tsaratsara kokoa, fa toa tsy nisy sahaza azy ireo izay rehetra nojereny. Indray andro, raha niasa teo amin’ny zaridainan’ny tempolin’i Kona iny Rahalahy Alip, dia nisy vavy antitra iray nandalo. Nitomany izy io. Nihivingivin-doha Rahalahy Alip. “Voaroaka tamin’ny tranony ilay ramatoa ary tsy nanana n’aiza n’aiza haleha. Tsy fantatro hoe nahoana fa dia nolazaiko ilay ramatoa mba handeha hamangy ny zafikeliny, ary rehefa tafaverina avy any dia afaka mipetraka ao aminay.” Ny olana dia ity: ny tranon-dry Alip dia tsy omby afa-tsy izy mivady ihany. Ka dia nanomboka nivavaka izy ireo—ary nitady fatratra ireo fomba hahazoana ny fitahiana izay nokatsahin’izy ireo.

Fotoana fohy taty taoriana, nisy mpanera trano nanasa azy ireo handinika ny momba ny trano iray izay nisy rihana roa ary efitrano fatoriana enina. Tian’izy ireo ilay izy, saingy nihevitra izy ireo fa mihoatra noho ny takatr’izy ireo ny vidin’ilay trano. Dia nolavin’izy ireo avy hatrany ilay tolotra.

Kanefa nisy làlana hafa nisokatra. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy monja, dia nitotongana ny vidin’ilay trano, dia nahare ry Alip hoe ampy hividianana an’ilay trano ny vola nananan’izy ireo. Ny vokatr’izany dia nanana toerana hipetrahana tao amin-dry Alip ilay ramatoa tao anaty fahasahiranana raha vao tafaverina tao Kona, ary ny telo tamin’ireo zanak’i Alip, izay sahirana koa, no afaka nahita trano hipetrahana ho an’ny vady aman-janany tao amin’ilay trano.

“Tena nikarakara tsara anay ny Tompo,” hoy Rahalahy Alip. “Rehefa mampiseho isika fa vonona ny hahafoy amin’ny fotoanantsika, ny talentantsika ary ny fananantsika mba ho Azy, dia arotsany amintsika ny Famindram-pony.”

Sary nataon’i Steve Kropp; sary nalain’i R. Val Johnson