2010
Ny Pejintsika
Aprily 2010


Ny Pejintsika

Indraindray aho dia toa mahatsapa fa tsy mahatakatra zavatra iray mikasika ny Fiangonana na ohatry ny mahatsapa ho tsy manana finoana ampy inoana zavatra iray manokana. Isaky ny manana izany fahatsapana izany aho dia mivavaka amin’ny Ray any an-danitra mba hahazo fanampiana. Saika mahazo valiny foana aho amin’izany. Mahatsapa hafanana sy fiarovana aho manerana ny tenako manontolo ary mahazo fahatsapana marina aho fa mihaino ny vavaka ataoko Andriamanitra ary tena tia ahy tokoa. Izany fahatsapana izany dia manampy ny fijoroako ho vavolombelona sy ny fitiavako an’Andriamanitra hitombo.

Fantatro fa Andriamanitra no Raintsika ary tia be antsika tsirairay avy Izy. Mihaino ny olana ananantsika Izy ary mandefa ny Fanahy Masiny hampahery antsika. Fantatro fa maheno ny vavaka ataontsika Izy ary faly rehefa manao ny marina isika. Heniky ny hafaliana aho amin’ny fahafantarana fa tia ahy Andriamanitra ary mpikamban’ny Fiangonana aho. Fantatro fa i Jesoa Kristy no Zanakalahiny sy Mpamonjy antsika.

Deveney R., 11 taona, Suisse

Carlos D., 8 taona, Brésil

Viet Minh Tri P., 10 taona, Cambodge

Zazalahy kely falifaly sy be herimpo i Daniel K., 7 taona, avy aho Danemark. Tiany ny manampy amin’ny fikarakarana ny zaridaina. Tiany koa ny manampy amin’ny fandrahoan-tsakafo—indrindra ny fikosehana lafarina atao amin’ny pizza. Mianatra mafy izy any an-tsekoly ary tia milalao baolina kitra, milomano ary mihanika amin’ny hazo. Tiany ny manampy amin’ny fampirehetana afo rehefa manao fiaraha-mientana any amin’ny Skoto. Ao am-piangonana dia tiany ny tantara mikasika an’i Joseph Smith sy Jesoa, ary tiany koa ny mihira ny “Bien Choisir.”