2010
Fampisehoana Sary Nataon’ny Ankizy
Aprily 2010


Fampisehoana Sary Nataon’ny Ankizy

Alaivo ny pensilihazonao na ny fandokoanao ary mivonona hamorona zavatra iray! Amin’ny taona 2011, ny sary voaravaka nataon’ny Kilonga maneran-tany dia haseho mandritry ny fampirantiana ao amin’ny Church History Museum (Tranom-bakokin’ny Tantaran’ny Fiangonana) ary havoaka ao anatin’ny fampisehoana sary any anaty tranokala. Izao no fomba ahafahanao mandray anjara amin’izany:

  1. Manaova sary voaravaka iray miompana amin’ny lohahevitra hoe: “Mitahy ny Fiainako ny Filazantsara.” Ny sary voaravaka ataonao dia afaka mahakasika ny fianakaviana, ny tempoly, ny misiônera, ny mpaminany, ny soratra masina, ny zavaboahary, ny asa fanompoana, ny mpisava lalana, ny Kilonga na ny fiaraha-mientana ato am-piangonana.

  2. Tokony ho 5 taona ka hatramin’ny 12 taona ianao ary sary voaravaka iray ihany no azonao alefa.

  3. Atao ao anaty taratasy na lamba fisaka iray ny sary voaravakao. Tsy mihoatra ny 30 santimetatra ny sakany ary 36 santimetatra ny halavany, ary tsy tokony hatao ao anaty tranon-tsary izany.

  4. Ianao dia afaka mampiasa pensilihazo miloko, pensilihazo, feutre, rano mainty, pensilihazo arina, loko plastika, loko rano, pensily miloko, menaka, na fitaovana bidimensionnel hafa.

  5. Mandania fotoana mba ho ilay tsara indrindra vitanao ilay sary voaravakao. Tokony hameno ny haben’ny taratasinao ny sary voaravaka ataonao.

  6. Soraty ao ambadiky ny sary voaravakao ny anaranao feno. Asaivo fenoin’ny ray aman-dreninao io taratasy eo ambany io ary asiany sonia. Avy eo dia apetaho ao ambadik’ilay sary voaravaka izany taratasy izany.

  7. Ny sary voaravaka nalefanao dia tokony hisy fitomboky ny paositra amin’ny datin’ny 31 Jolay 2010 na alohan’izany. Tsy haverina aminao izany sary voaravaka nataonao izany.

Mety ho ampirantiana ao amin’ny Church History Museum (Tranom-bakokin’ny Tantaran’ny Fiangonana) ny sary voaravaka nalefanao manomboka ny 1 Janoary ka hatramin’ny 30 Jona 2011; na ao amin’ny fampisehoana sary ao amin’ny tranokalan’ny Namana sy Liahona; na ao amin’ny Pejintsika ao amin’ny Liahona na ao amin’ny Ireo Namantsika Mahay Mamorona ao amin’ny Namana. Tsy ho ampirantiana na ho ampiasaina daholo ny sary voaravaka alefanareo.

Alefaso amin’ity adiresy ity ny sary voaravakareo:

Children’s Art Exhibit

45 N. West Temple St.

Salt Lake City, UT 84150-0024, USA

Tsy maintsy ampiarahana amin’ireto fampahalalana manaraka sy fanomezan-dalana ireto izany:

Ny anarana fenon’ny ankizy

Taona

Tanàna/Faritany, Firenena

Adiresy e-mail an’ny ray aman-dreny na ny nomeraon’ny telefaona

Manome alalana ity sary voaravaka ity mba ho ampirantiana, ao amin’ny tranokalan’ny Fiangonana sy ao amin’ny Gazetibokin’ny Fiangonana ary amin’ny dokam-barotra rehetra aho.

Sonian’ny ray aman-dreny na mpiantoka ara-dalàna

Sary nataon’i Steve Kropp