2010
Hahazo Ilay Bokikely Nohavaozina momba ny Tempoly ireo Mpamandrika Boky
Aprily 2010


Hahazo Ilay Bokikely Nohavaozina momba ny Tempoly ireo Mpamandrika Boky

Ireo mpamandrika ny gazetiboky Liahona sy Ensign dia hahazo ilay bokikely nohavaozina Temples of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints eo amin’ny toeran’ny laharana Ôktôbra 2010 raisin’izy ireo mahazatra.

Izany bokikely izany dia boky nasiam-panavaozana avy tamin’ny boky iray izay natonta nandritra ny efa ho 50 taona mahery izay. Nanomboka ho laharana iray tamin’ilay gazetibokin’ny Fiangonana Improvement Era izany tamin’ny 1955. Taty aoriana dia lasa bokikely iray mitokana izany izay efa im-balo nohavaozina. Ny boky nasiam-panavaozana farany indrindra havoaka dia hisy lahatsoratra sy sary vaovao ary havoaka amin’ny fiteny 45.

Ireo mpaminanin’ny andro farany ary ao anatin’izany ny Filoha Thomas S. Monson, dia namporisika hatrany ireo mpikambana mba handray ireo ôrdônansin’ny tempoly ary hiverina any amin’ny tempoly mba hanao asa ho an’ireo razambeny.

Ilay bokikely dia natao mba hampianatra ireo fotopampianarana sy fitsipika momba ny fivavahana any amin’ny tempoly. Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia amporisihina mba hanana tahadika iray farafahakeliny ao an-tokantranony mba ho azon’ny ray aman-dreny ampiasaina mandritra ny takarivan’ny mpianakavy na amin’ny toe-javatra hafa ampianarana ny fianakaviany momba ny tempoly.

Ny sokajin-taona rehetra dia afaka mahita zavatra azony ampiharina ao amin’izany bokikely izany. Ireo lahatsoratra vaovao ao anatin’izany bokikely navoaka izany dia ahitana ny “Ireo Fitahiana avy amin’ny Tempoly,” nataon’ny Filoha Thomas S. Monson, ary “Miomanà amin’ireo Fitahiana avy amin’ny Tempoly,” nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ilay bokikely koa dia ahitana lahatsoratra ho an’ny tanora izay mitondra ny lohateny hoe “Mampiditra ny Tempoly Hanana Anjara Toerana eo amin’ny Fiainanao,” ary ny ankizy dia afaka mianatra momba ny tempoly avy amin’ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Ilay Lalanao mankany amin’ny Tempoly.” Ny mpamaky rehetra dia hahazo fahafinaretana hijery ireo karazan-tsarin’ny tempoly manerana an’izao tontolo izao. Ilay bokikely koa dia ahitana ny valin’ireo fanontaniana matetika mipetraka mba hanampiana ny mpikambana izay miomana ny handeha ho any tempoly vao voalohany.

Amporisihina ny mpikambana mba hizara ilay bokikely amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany sy ireo namany izay hafa finoana. Ireo tahadika fanampin’ilay bokikely dia ho hita any amin’ny foibe fanapariahan’ny Fiangonana sy ao amin’ny LDScatalog.com.

Ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka ary ireo mpampianatra ao amin’ny kilasy fiomanana handeha ho any amin’ny tempoly dia afaka misafidy ny hampiasa ireo boky ireo ho toy ny loharano famenony miaraka amin’ilay Bokin’ny mpampianatra sy ilay bokikely Dotés d’en Haut sy Se Préparer à Aller au Saint Temple.

Rehefa ilaina dia azon’ireo mpitarika ao amin’ ny fisoronana ny manome ilay bokikely ho an’ny mpikambana izay efa nandray ny fanafiana masina mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ny zavatra niainany manokana tany amin’ny tempoly. Mety ho ilain’ireo olona niverina niangona koa izany izay miomana ny ho fehezina any amin’ny tempoly.

“Afaka ny ho loharano tena tsara ho an’ny mpikambana rehetra izany bokikely izany,” Hoy ny Loholona Yoshihiko Kikuchi ao amin’ny Fitopololahy. “Izany dia mpanampy iray mampahatsiaro ireo zavatra niainana tena masina tany amin’ny tempoly sy ireo fanekempihavanana ary fitahiana avy amin’izany, ary ny andraikitra manokan’ireo mpikambana mba hanao ny tetiarana hahitana ireo razambeny sy hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny tempoly ilaina ho azy ireo amin’ny alalan’ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny fanaovana asa fanompoana any amin’ny tempoly.”

Hahazo Ilay bokikely nohavaozina momba ny tempoly ireo mpamandrika boky amin’ny volana Ôktôbra.

Sary© 1996 Steve Tregeagle