2010
Naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny Laoniny ny Fahafenoan’ny Filazantsara tamin’ny alalan’i Joseph Smith
Aprily 2010


Fotoana Ifanakalozana

Naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny Laoniny ny Fahafenoan’ny Filazantsara tamin’ny alalan’i Joseph Smith

Alaivo sary an-tsaina hoe misy vera iray izay feno rano, rano madio be. Raha donintsika ilay vera dia hisy rano hiraraka avy ao ary tsy ho feno be intsony ilay vera.

Tany am-piandohana dia teto an-tany ny fahafenoan’ny filazantsara. Nandritry ny taona maro dia nampianatra ny filazantsara ireo mpaminany.

Nanangana ny Fiangonana i Jesoa Kristy fony Izy teto an-tany. Nampianatra ny fahafenoan’ny filazantsara Izy: finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, batisa asitrika, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny fankatoavana ny didy. Nampiseho tamin’ny olon-drehetra ny fomba tokony hiainantsika i Jesoa. Lasa Mpamonjy ny olona rehetra Izy. Feno ilay veran’ny filazantsara.

Kanefa rehefa nandeha ny taona dia very ny ampahan’ny filazantsara satria nanova na tsy nankatò izany ireo olon-dratsy. Tsy teto an-tany intsony ny fahafenoan’ny filazantsara. Nampanantena ny Zanany ny Ray any an-danitra fa hanome azy ireo indray ny fahafenoan’ny filazantsara. Niantso an’i Joseph Smith Izy hanampy Azy amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara.

Mampianatra antsika ny Jaona 3:16 fa nomen’ny Ray any an-danitra ny Zanany Lahitokana sy ny filazantsara isika satria tiany ny zanany. Miantso mpaminany Izy mba hampianatra ny olona tsirairay ny Filazantsarany mba hahafantarantsika ny lalana miverina any Aminy.

Voatahy isika manana ny fahafenoan’ny filazantsara ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Feno hatrany an-tampony ny veran’ny filazantsarantsika ary nampanantena ny Ray any an-danitra fa tsy hoesoriny eto an-tany intsony izany.

Diarin-tsoratra Masina Aprily 2010

Vakio ny fanekem-pinoana fahaenina ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy.

Ataovy tsianjery izany fanekem-pinoana izany.

Mivavaha mba hangataka fanampiana amin’ny Ray any an-danitra hahafantaranao fa namerina tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara tamin’ny alalan’i Joseph Smith i Jesoa Kristy.

Misafidiana iray amin’ireto fiaraha-mientana ireto, na mamorona ianao zavatra iray manokana:

  • Manampia olona hianatra ity fanekem-pinoana ity.

  • Vakio na mangataha olona iray hamaky ny Joseph Smith—Tantara ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy.

  • Ataovy ilay tantaran’ny kodiarana ao amin’ny pejy 67. Tapaho roa ilay kodiarana ary avy eo dia atambaro amin’ny vy varahina fanakambanana. Ampiasao izany kodiarana izany entina hampianarana ny fomba namerenan’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara tamin’ny alalan’i Joseph Smith.

  • Mampianatra ny fahamarinana mikasika ny filazantsara naverina amin’ny laoniny ireo misiônerantsika. Mivavaha ho azy ireo. Mivavaha mba hahafantaranao izay olona azonao asaina hihaino ny hafatry ny misiônera.

Ahoana no fomba hanampian’ny zavatra nataonao anao mba hahatakarana ny fanekem-pinoana fahaenina?

Manorata ao amin’ny diarinao na manaova sary mikasika ny zavatra nataonao.

Naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny Laoniny ny Fahafenoan’ny Filazantsara tamin’ny alalan’i Joseph Smith

Ankavia: Ny Fahitana Voalohany, nataon’i Gary L. Kapp, tsy azo adika; ambony ankavanana : sary © Vivid Details; farany ankavanana: I Joseph Smith mandika ny Bokin’i Môrmôna, nataon’i Del Parson, © IRI; sary hafa nataon’i Robert T. Barrett