2010
Izy dia Haka ny Rofin’ny Olony eo Aminy
Aprily 2010


Miresaka an’i Kristy Isika

Izy dia Haka ny Rofin’ny Olony eo Aminy

Taona vitsivitsy taorian’ny niverenanay sy Gisèle vadiko, avy nitantana ny Misionan’i Suva Fidji, dia fantatra tamin’ny fizahana natao fa tratran’ny homamiadan’ny vavony i Gisèle. Ilay fitsapana lehibe taty aoriana dia nahitana fandidiana sarotra anankitelo sy fahasarotana samihafa izay nitarika tany amin’ny fanesorana tanteraka ny vavoniny. Tao anatin’ilay fotoana tena mangidy indrindra izay nahitako ny fijalijalian’ny vadiko no nahatakarako tsara kokoa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Tsaroako fa nahatsapa ho very hevitra tanteraka aho tamin’ny zavatra nianjady tamin’i Gisèle. Inona no nataony no dia tratran’ny fijaliana toy izao izy? Moa ve izy tsy nanompo ny Tompo tamim-pahatokiana? Moa ve izy tsy nanaja ny Tenin’ny Fahendrena? Nahoana no tsy mba afaka nisoroka izao aretina izao Izy? Nahoana?

Indray alina manokana izay dia naborako tao anatin’ny vavaka ny tao am-poko sy ny zavatra tsapako rehefa nolazaiko tamin’ny Tompo ny zavatra rehetra nampikorontana ny saiko. “Tsy afaka ny hijery ny vady malalako hiaritra fanaintainana toy izao intsony aho!” Hoy aho Taminy. Dia avy eo aho nanapa-kevitra ny hamaky soratra masina. Nahita ireto andinin-tsoratra masina momba an’i Jesoa Kristy ireto aho izay feno fankaherezena, tao amin’ny Almà 7:11–12:

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; ary izany dia ny mba hahatanteraka ny teny izay milaza fa hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny Olony Izy.

“Ary haka ny fahafatesana ho eo Aminy Izy, mba hahazoany mamaha ny famatoran’ny fahafatesana izay mamatotra ny olony; ary haka ny rofiny ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny.

Raha tsy tamin’io fotoana io aho tsy nahatsapa ny zavatra rehetra fonosin’ilay Sorompanavotana mahagagan’ny Mpamonjy. Tsy tsapako loatra mantsy hoe i Jesoa Kristy dia hitondra eo Aminy ny fanaintainan’i Gisèle sy ny ahy. Nafindrako teny Aminy ny alaheloko sy ny tahotro, Izy izay mitondra “ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony.” Noho izany fahatakarana vaovao izany dia nahatsapa enta-mavesatra niala tamiko aho!

Ankehitriny dia salama tsara i Gisèle toy ireny hoe tsy tratran’ny homamiadana ireny izy. Isaky ny tonga ny fanaovana fizahana ara-pahasalama azy, dia lazain’ny dokoterany izy hoe “fahagagana iray” izy. Tena feno fankasitrahana aho noho ny fahasitranany ara-batana, nefa feno fankasitrahana koa aho noho ilay fahasitranana izay niainako, dia fahasitranan’ny fo. Ilay fankaherezana izay tsy azo raha tsy amin’ny alalan’ny Mpamonjy dia nanome fahatokiana mampitony fa handeha tsara daholo ny zava-drehetra.

Ankehitriny isaky ny miatrika olana aho, dia mitodika any amin’izany lesona manan-danja izany foana ny saiko sy any amin’ilay zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Efa nidina tambanin’izany rehetra izany ny Zanak’Olona. Moa ve ianao lehibe kokoa noho Izy?” (F&F 122:8). Mankahery ahy foana ny fahatsiarovana ny sorona nataon’i Jesoa Kristy.

Feno fankasitrahana mandrakizay aho noho ny fahavononan’ny Mpamonjy hisedra ny zavatra mafy dia mafy nozakainy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Fitiavany sy ny Famindram-pony ary ny Fikarakarany fatratra ny Zanany aho. Mpamonjy antsika Izy ary tiako Izy.

Ô Ry Raiko, nataon’i Simon Dewey, tsy azo adika