2010
Najainy ny Fangatahako
Aprily 2010


Najainy ny Fangatahako

Juan Carlos Fallas Agüero, San José, Costa Rica

Rehefa vita batisa aho tamin’ny faha-18 taonako, dia fantatro fa ho lasa fomba fiainana ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tsapako ny lanjany sy ny halehiben’ny fiainana ny fitsipiky ny filazantsara, ary ny fanaovana izany dia nitondra fitahiana teo amin’ny fiainako tamin’ny fomba maro.

Ny iray amin’ireo fitsipiky ny filazantsara izay tena manan-danja ho ahy dia ny fanajana ny andro Sabata. Ahafahako manajanona ny asa fanaoko andavanandro izany ary mampifantoka ny saiko any amin’ny Raiko any an-danitra.

Miasa ao amin’ny orinasa iray misahana ny fizahan-tany any Costa Rica aho. Ao amin’izany orinasa izany dia zavatra mahazatra ho an’ny olona ny fiasana Alahady. Rehefa nanomboka ilay asako aho dia nampahafantatra ny tenako fa mpikamban’ny Fiangonana. Nangataka aho—mba tsy hiasa Alahady—dia nekena izany.

Noho ny fangatahako izay tsy dia mahazatra loatra dia liana mafy te hahafantatra ny momba an’izany ireo mpiara-miasa tamiko sy ny lehibeko. Nametraka fanontaniana maro tamiko momba ny finoako izy ireo. Matetika aho no nanana fahafahana nanazavana tamin’izy ireo ny sasany tamin’ireo zavatra izay inoan’ny Olomasin’ny Andro Farany. Na izany na tsy izany dia najain’izy ireo ny fanazavako momba ireo fotopampianaran’ny filazantsara.

Indray andro dia nampivory ny mpiara-miasa aminay rehetra ny lehibeko fa misy filazana iray. “Mila anareo rehetra aho mba hiasa amin’ireo faran’ny herinandro roa mifanaraka ho avy,” hoy izy. Niontana ny foko. Fantatro fa ny dikan’izany dia hoe mila miasa aho ny Alahady.

Nefa notohizan’ilay lehibeko hoe: “Izany dia natao ho an’ny olona rehetra afa-tsy i Juan Carlos. Fantatsika fa tsy misy zavatra azo hatao mba hahatongavany hiasa Alahady.”

Azoko ny aiko. Najain’ilay lehibeko ny fangatahako! Noho ny fitondrantenako sy ireo fitsipika nozaraiko tany am-piasana, dia najainy aho. Vokatr’izany dia vonona ny hanaja ny finoako izy.

Fantatro fa rehefa ataontsika ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika ny fitsipiky ny filazantsara, dia hitahy antsika ny Tompo.

“Mila anareo rehetra aho mba hiasa amin’ireo faran’ny herinandro roa mifanaraka ho avy,” hoy ny lehibeko. Niontana ny foko. Fantatro fa ny dikan’izany dia hoe mila miasa aho ny Alahady.