2010
Hevitra ho an’ny Takarivan’ny Mpianakavy
Aprily 2010


Hevitra ho an’ny Takarivan’ny Mpianakavy

Ity laharana ity dia ahitana lahatsoratra sy zavatra atao azo ampiasaina mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Ireto misy ohatra vitsivitsy.

“Ho lasa Olona Tsara Toetra amin’Izao fotoana Izao,” p. 45: Makà karazan-javatra samihafa (ohatra, pensilihazo, Bokin’i Môrmôna, Liahona, kiraro anankiroa), ary asao ny fianakavianao mba handahatra izay zavatra tena manan-danja indrindra amin’izy ireo aloha mankany amin’izay tsy dia manan-danja loatra. Resaho ny fomba nandaharan’izy ireo izany. Inona avy ireo toetra izay mahatonga ny fiainan’ny olona iray hanan-danja? Amporisiho ny olona tsirairay mba hanao zavatra manokana ny herinandro manaraka mba hahatonga azy ho lasa olona tsara toetra kokoa.

“Alahady Vao Maraimbe,” p. 56: Asao ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana mba hieritreritra mpifanolobodirindrina iray izay mila vangiana na ampiana. Manomàna zavatra ho an’izany olona izany amin’ity herinandro ity. Vakio ny Môsià 18:7–10, ary resaho ny antony hilazana fa ny fanampiana ny hafa dia fomba iray hitandremana ny fanekempihavanan’ny batisa.

“Rehefa Tsy Mitsingevana ny Ganagana,” p. 58: Tanisao ireo fitsipika arahan’ny fianakavianao ary resaho ny fomba hiarovan’izany ny fianakavianao. Tanisao koa ny sasany amin’ireo didin’ny Ray any an-danitra ary resaho ny fomba hiarovan’izany anao ara-batana na ara-panahy.

Ilay Takarivan’ny Mpianakavy Mahafinaritra

Taona maro lasa izay, dia nangatahan’ny vadiko ny fianakavianay mba hiomana amin’ny takarivan’ny mpianakavy miavaka iray. Nangataka ny hihira ny “Zanaky ny Ray aho” ny zanakay vavy efa-taona. Nanao ny vavaka fanokafana ny zanakay lahy 10 taona. Nahatsapa ny fanatrehan’ny Fanahy izany izahay izay tena nahery vaika ary nahagaga.

Nizara teny vitsivitsy avy tamin’ireo mpitarika ny Fiangonana ny vadiko ary namporisika anay mba hijanona ho iray ao anatin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Dia nomeny tsodranon’ny ray ny zanakay vavikely. Izaho sy ny reniko koa dia nomena tsodrano ary ny zanakay lahy no nomena farany. Talohan’ny nametrahany ny tanany teo amin’ny lohan’ny zanakay lahy dia naneho ny fankasitrahany ny fisoronana izy ary namporisika azy mba ho mendrika izany fahefana izany.

Herintaona sy tapany latsaka kely taty aoriana dia niteny ilay zanakay vavy hoe: “Ndeha isika hanao takarivan’ny mpianakavy tahaka ilay nataontsika tamin’ny indray mandeha iny.” Efa fantatro ny tiany holazaina fa mbola nanontaniako ihany izy hoe ilay takarivan’ny mpianakavy oviana izany. Novaliany hoe: “Ilay tamin’ny nitomaniantsika be iny sy nahafalifaly be antsika!”

Marlúcia Souza de Jesus Costa, Bahia, Brésil

Ny Takarivan’ny Mpianakavy Tena Tianao Indrindra

Ny fitantarana ny takarivan’ny mpianakavy tena tianao indrindra dia alefaso any amin’ny liahona@ldschurch.org.