Ny soratra masina
Môzià 18


Toko 18

Nitory teny mangingina i Almà—Nanazava ny fanekempihavanan’ny batisa izy ary nanao batisa tao amin’ny ranon’i Môrmôna—Nanangana ny Fiangonan’i Kristy izy ary nanendry mpisorona—Namelon-tena ny mpisorona ary nampianatra ny vahoaka—Nankany an-tany foana i Almà sy ny olony mandositra an’i Noà Mpanjaka. Tokony ho 147–145 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, dia nibebaka tamin’ny fahotany sy ny helony i Almà izay nandositra ny mpanompon’i Noà mpanjaka, ary nandeha an-tsokosoko tany anivon’ny vahoaka sy nanomboka nitory ny tenin’i Abinadia—

2 Eny, momba izay ho avy ary koa momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fanavotana ny olona, izay ho tanteraka amin’ny alalan’ny fahefana sy ny fahoriana ary ny fahafatesan’i Kristy sy ny fitsanganany amin’ny maty ary ny fiakarany any an-danitra.

3 Ary izay rehetra nety nihaino ny teniny dia nampianariny. Ary nampianatra an’ireo mangingina izy mba tsy hahatonga izany ho fantatry ny mpanjaka. Ary maro no nino ny teniny.

4 Ary ny zava-nitranga dia izay rehetra nino azy dia nandeha nankany amin’ny toerana izay nantsoina hoe Môrmôna, izay nandray ny anarany avy tamin’ny mpanjaka, izay any an-tsisin-tany sady iriariavan’ny bibidia amin’ny fotoana na vanim-potoana samy hafa.

5 Ankehitriny, dia nisy loharano madio tao Môrmôna, ary nandeha tany i Almà, fa teo anilan’ny farihy dia nisy kirihitr’ala madinika, izay niafenan’ny tenany tamin’ny antoandro tamin’ny fikarohan’ny mpanjaka.

6 Ary ny zava-nitranga dia nandeha nankany izay rehetra nino azy mba handre ny teniny.

7 Ary ny zava-nitranga rehefa afaka andro maromaro, dia nisy betsaka tokoa ny isan’ireo nivory tao amin’ny toeran’i Môrmôna mba handre ny tenin’i Almà. Eny, tafavory niaraka avokoa izay nino ny teniny mba handre azy. Ary nampianariny izy ireo ary notoriany taminy ny fibebahana sy ny fanavotana ary ny finoana ny Tompo.

8 Ary ny zava-nitranga dia hoy izy taminy: Indro, inty no ranon’i Môrmôna (fa izany no niantsoana azy) Ary ankehitriny, satria maniry ianareo ny ho tonga ao amin’ny valan’ Andriamanitra sy hantsoina hoe vahoakany ary te hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany;

9 Eny, ary te hiara-malahelo amin’izay malahelo; eny, ary hampionona ireo izay mila fampiononana sy hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra izay mety hisy anareo, na dia hatramin’ny fahafatesana aza, mba hahatonga anareo ho voavotr’ Andriamanitra ary ho voaisa miaraka amin’ireo ao amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany, ka hahazoanareo ny fiainana mandrakizay

10 Ankehitriny, lazaiko aminareo, raha izany no fanirian’ny fonareo, inona no misakana ny tsy anaovana batisa anareo amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona eo anoloany fa efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo, fa hanompo Azy sy hitandrina ny didiny mba hahazoany mampidina bebe kokoa ny Fanahiny aminareo?

11 Ary ankehitriny, nony efa nandre izany teny izany ny vahoaka dia niteha-tanana noho ny fifaliana ary niantso hoe: Izany no fanirian’ny fonay.

12 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, i Almà dia naka an’i Helama, izy dia anankiray tamin’ireo voalohany, ary nandeha sy nijoro tao anaty rano ary niantso hoe: Tompo ô, aidino amin’ny mpanomponao ny Fanahinao mba hahazoany manao izao asa izao amin’ny fahamasinan’ny fo.

13 Ary rehefa avy nilaza izany teny izany izy, dia tonga taminy ny Fanahin’ny Tompo ary hoy izy: Ry Helama, izaho manao batisa anao rehefa nahazo ny fahefana avy tamin’ Andriamanitra Tsitoha ho fanambarana fa ianao dia efa nanao fanekempihavanana fa hanompo Azy mandra-pahafatinao raha ny amin’ny vatana mety maty; ary ny Fanahin’ny Tompo anie hirotsaka aminao; ary Izy anie hanome anao ny fiainana mandrakizay, amin’ny alalan’ny fanavotan’i Kristy, izay efa nomaniny hatry ny fanorenana izao tontolo izao.

14 Ary rehefa avy nilaza izany teny izany i Almà, dia niara-nilevina tao anaty rano i Almà sy i Helama; ary dia niara-nitsangana izy ireo ary nivoaka ny rano, faly sy heniky ny Fanahy.

15 Ary naka anankiray hafa indray i Almà ary nandeha fanindroany niditra tao anaty rano ary nanao batisa azy araka ilay voalohany, saingy tsy nandevina ny tenany tao anaty rano intsony izy.

16 Ary dia araka izany fomba izany no nanaovany batisa ny rehetra izay tonga teo amin’ny toeran’i Môrmôna; ary niisa ho efatra sy roanjato ireo olona ireo; eny, vita batisa tao amin’ny ranon’i Môrmôna ireo ary heniky ny fahasoavan’ Andriamanitra.

17 Ary nantsoina hoe ny fiangonan’ Andriamanitra na ny fiangonan’i Kristy ireo hatramin’izay fotoana izay. Ary ny zava-nitranga dia na zovy na zovy no natao batisa tamin’ny hery sy fahefan’ Andriamanitra dia natambatra tamin’ny fiangonana.

18 Ary ny zava-nitranga, rehefa nahazo fahefana avy tamin’ Andriamanitra i Almà, dia nanokana mpisorona izy; mpisorona iray isaky ny olona dimampolo taminy no notendreny mba hitory aminy sy hampianatra azy ny momba ny zavatra mikasika ny fanjakan’ Andriamanitra.

19 Ary nodidiany izy ny tsy hampianarany afa-tsy ny zavatra izay efa nampianariny sy izay efa niloaka ny vavan’ny mpaminany masina.

20 Eny, izy dia nandidy azy mihitsy ny tsy hitoriany afa-tsy ny fibebahana sy ny finoana ny Tompo izay efa nanavotra ny olony.

21 Ary izy dia nandidy azy ny tsy hisian’ny fifandirana eo amin’izy samy izy fa ny hibanjinany kosa ny ho avy amin’ny maso tokana, manana finoana iray sy batisa iray ary manana ny fony mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavan’izy samy izy.

22 Ary dia toy izany no nandidiany azy hitory. Ary dia toy izany no nahatonga azy ho zanak’ Andriamanitra.

23 Ary nandidy azy izy ny hanajany ny andro sabata sy ny hanamasinany izany, ary koa ny hanaterany fisaorana isan’andro ho an’ny Tompo Andriamaniny.

24 Ary nandidy azy koa izy ka ny mpisorona izay efa notendreny dia tokony hampiasa ny tanany ho fivelomany.

25 Ary nisy andro iray isan-kerinandro izay natokana mba hiarahany mivory hampianatra ny vahoaka sy hidera ny Tompo Andriamaniny, ary koa hiara-hivory araka izay tratran’ny heriny.

26 Ary ny mpisorona dia tsy tokony hiantehitra amin’ny vahoaka amin’ny fivelomany; fa noho ny asany kosa, dia handray ny fahasoavan’ Andriamanitra izy ka hihamatanjaka ara-panahy, manana ny fahalalana an’ Andriamanitra mba hahazoany mampianatra amin-kery sy ny fahefana avy amin’ Andriamanitra.

27 Ary i Almà dia nandidy indray ny hanomezan’ny vahoakan’ny fiangonana amin’ny fananany, ny tsirairay araka izay nananany; raha manana bebe kokoa izy, dia tokony hanome bebe kokoa, ary ho an’izay manana kelikely ihany, dia kelikely ihany kosa no angatahina aminy; ary ho an’izay tsy manana kosa, dia homena izy.

28 Ary dia toy izany no tokony hanomezany amin’ny fananany, araka ny safidiny malalaka sy ny faniriany tsara momba an’ Andriamanitra sy ho an’ny mpisorona izay ao anatin’ny fahasahiranana, eny, ary ho an’ireo olona ory sy mitanjaka rehetra.

29 Ary izany no nolazainy taminy, rehefa nodidian’ Andriamanitra; ary izy ireo dia nandeha araka ny hitsiny tokoa teo anoloan’ Andriamanitra sady nifampizara ny ara-nofo sy ny ara-panahy araka izay nilainy sy notadiaviny.

30 Ary ankehitriny, ny zava-nitranga dia natao tao Môrmôna izany rehetra izany, eny, teo amoron’ny ranon’i Môrmôna, tao anaty ala izay akaikin’ny ranon’i Môrmôna; eny, ny toeran’i Môrmôna, ny ranon’i Môrmôna, ny alan’i Môrmôna, endrey ny hakantony teo imason’ireo izay teo no tonga tamin’ny fahalalana ny Mpanavotra azy; eny, endrey ny fitahiana azy, fa ireo dia hihira ny fankalazana Azy mandrakizay.

31 Ary ireo zavatra ireo dia natao tany an-tsisin-tany mba tsy hahatonga ny fahalalana izany any amin’ny mpanjaka.

32 Nefa indro ny zava-nitranga, rehefa nahita ny fihetsiketsehana teo anivon’ny vahoaka ny mpanjaka, dia naniraka ny mpanompony hanara-maso azy ireo. Noho izany, tamin’ny andro izay niarahany nifamory mba hihaino ny tenin’ny Tompo, dia niharihary tamin’ny mpanjaka ny aminy.

33 Ary ankehitriny, ny mpanjaka dia nilaza fa namoky ny vahoaka hikomy aminy i Almà; koa nalefany ny miaramilany hamongotra azy ireo.

34 Ary ny zava-nitranga dia nandre mialoha ny fiavian’ny miaramilan’ny mpanjaka i Almà sy ny vahoakan’ny Tompo; koa dia nentiny ny lainy sy ny ankohonany ary niainga izy ireo nankany an-tany foana.

35 Ary sahabo ho dimampolo sy efajato ny isan’ny olona.