Ny soratra masina
2 Nefia 31


Toko 31

Nilaza ny antony nanaovana batisa an’i Kristy i Nefia—Tsy maintsy hanara-dia an’i Kristy ka hatao batisa sy handray ny Fanahy Masina ary haharitra hatramin’ny farany ny olona mba hovonjena—Ny fibebahana sy ny batisa no varavaran’ny lalana ety sy tery. Ny fahatongavan’ny fiainana mandrakizay amin’ireo izay nitandrina ny didy rehefa avy natao batisa. Tokony ho 559–545 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny, izaho Nefia dia mamarana ny faminaniako aminareo ry rahalahiko malala. Ary izaho tsy afa-manoratra afa-tsy zavatra vitsivitsy izay fantatro fa tsy maintsy hitranga marina tokoa; no tsy afa-manoratra koa afa-tsy vitsivitsy amin’ny tenin’i Jakoba rahalahiko.

2 Koa ampy ho ahy ny zavatra izay efa nosoratako afa-tsy teny vitsivitsy izay tsy maintsy lazaiko momba ny fotopampianaran’i Kristy; noho izany, dia hiteny aminareo mazava tsara aho, araka ny fahazavan’ny faminaniako.

3 Fa finaritra amin’ny fahazavan-tsaina ny fanahiko; fa amin’izany fomba izany no iasan’ny Tompo Andriamanitra eo anivon’ny zanak’olombelona. Fa manome fahazavana ho an’ny faharanitan-tsaina ny Tompo Andriamanitra; fa miteny amin’ny olona Izy araka ny fiteniny mba hahazoan’ny olona Azy.

4 Koa mba tiako ho tadidinareo fa izaho efa niresaka taminareo ny momba ilay mpaminany izay nasehon’ny Tompo ahy, izay tokony hanao batisa ny Zanakondrin’ Andriamanitra izay hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.

5 Ary ankehitriny, raha ny Zanakondrin’ Andriamanitra, izay masina aza, dia ilaina hatao batisa amin’ny rano mba hahatanteraka ny fahamarinana rehetra, Ô tsy mainka va isika izay tsy masina amin’izany no tena mila hatao batisa, eny, dia amin’ny rano izany!

6 Ary ankehitriny, te hanontany anareo aho ry rahalahiko malala, ahoana no nahatanterahan’ny Zanakondrin’ Andriamanitra ny fahamarinana rehetra tamin’ny nanaovana batisa Azy tamin’ny rano?

7 Tsy fantatrareo va fa masina Izy? Nefa na dia masina aza Izy dia asehony ny zanak’olombelona araka ny maha-nofo, fa manetry ny tenany eo anoloan’ny Ray Izy ary mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray, fa hankatò Azy amin’ny fitandremana ny didiny.

8 Koa nony efa vita batisa tamin’ny rano Izy dia nidina teo Aminy tamin’ny endriky ny voromahailala ny Fanahy Masina.

9 Ary mampiseho indray amin’ny zanak’olombelona izany fa ety ny lalana ary tery ny vavahady izay tokony hidirany, ka ny tenany no efa nataony ohatra taminy.

10 Ary niteny tamin’ny zanak’olombelona Izy hoe: Manaraha Ahy. Noho izany ry rahalahiko malala, ahoana no ahazoantsika manara-dia an’i Jesoa raha tsy vonona ny hitandrina ny tenin’ny Ray isika?

11 Ary niteny ny Ray hoe: Mibebaha ianareo, mibebaha ianareo ka aoka hatao batisa amin’ny anaran’ny Zanako Malalako.

12 Ary tonga tamiko koa ny feon’ny Zanaka, manao hoe: Izay atao batisa amin’ny anarako no homen’ny Ray ny Fanahy Masina, tahaka Ahy; koa manaraha Ahy ary ataovy ny zavatra izay efa hitanareo fa ataoko.

13 Noho izany ry rahalahiko malala dia fantatro fa raha manara-dia ny Zanaka ianareo, amin’ny finiavan’ny fonareo manontolo, tsy manao amin’ny fihatsarambelatsihy sady tsy misy fitaka eo anoloan’ Andriamanitra fa omban’ny fikasana marina, mibebaka amin’ny fahotanareo, mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray fa vonona hitondra ny anaran’i Kristy amin’ny batisa—eny, amin’ny fanarahana ny Tomponareo sy ny Mpamonjy anareo midina ao anaty rano araka ny teniny, dia indro fa horaisinareo ny Fanahy Masina amin’izany; eny, amin’izany dia ho tonga ny batisan’ny afo sy ny Fanahy Masina; ary amin’izany dia ho afaka miteny amin’ny fitenin’ny anjely ianareo ary hiantsoantso fiderana ny Iray Masin’ny Isiraely.

14 Nefa indro, ry rahalahiko malala, fa toy izao ny feon’ny Zanaka tonga tamiko, manao hoe: Rehefa mibebaka amin’ny fahotanareo ianareo sy mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray fa vonona ny hitandrina ny didiko amin’ny alalan’ny batisan’ny rano ary mandray ny batisan’ny afo sy ny an’ny Fanahy Masina ary afaka miteny amin’ny fiteny vaovao, eny, dia amin’ny fitenin’ny anjely, ary rehefa izany ka mbola handà Ahy ihany, dia ho tsaratsara kokoa ho anareo ny tsy nahafantatra Ahy.

15 Ary nandre ny feo avy tamin’ny Ray aho, manao hoe: Eny, marina sy mahatoky ny tenin’ny Malalako. Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.

16 Ary ankehitriny, ry rahalahiko malala, fantatro araka izany, fa raha tsy maharitra hatramin’ny farany ny olona amin’ny fanarahana ny ohatry ny Zanak’Ilay Andriamanitra velona, dia tsy ho azo vonjena izy.

17 Koa, ataovy ny zavatra izay efa nolazaiko anareo, izay efa hitako fa hataon’ny Tomponareo sy ny Mpanavotra anareo; satria izany no antony nampisehoana ahy izany mba hahafantaranareo ny vavahady tokony hidiranareo. Satria ny vavahady izay tokony hidiranareo dia ny fibebahana sy ny batisa amin’ny rano; ary avy eo dia tonga ny famelana ny fahotanareo amin’ny alalan’ny afo sy ny Fanahy Masina.

18 Ary efa mby amin’ny lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay ianareo amin’izany; eny, efa niditra tamin’ny vavahady; efa nanao araka ny didin’ny Ray sy ny Zanaka; ary efa nandray ny Fanahy Masina izay mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray sy ny Zanaka ho fanatanterahina ny fampanantenana izay efa nataony fa raha toa ianareo miditra amin’ny lalana dia handray.

19 Ary ankehitriny ry rahalahiko malala, rehefa nihazo ny lalana ety sy tery ianareo dia mba te hanontany anareo aho raha toa ka efa vita ny zava-drehetra. Indro lazaiko anareo, Tsia; satria tsy ho tonga hatreo amin’izay isianareo ianareo, raha tsy noho ny tenin’i Kristy sy ny finoanareo Azy tsy voahozongozona ary ny fianteheranareo tanteraka amin’ny fahamendrehan’ilay Mahery ka mahavonjy.

20 Noho izany dia tsy maintsy mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy ianareo, amin’ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ny tenin’i Kristy ary maharitra hatramin’ny farany, dia indro, izao no lazain’ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo.

21 Ary ankehitriny, indro ry rahalahiko malala, izany no lalana; ary tsy misy lalana na anarana hafa nomena ambanin’ny lanitra, izay hahazoana mamonjy ny olona ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ary ankehitriny, indro izany no fotopampianaran’i Kristy, ary ny hany fotopampianarana marina an’ny Ray sy an’ny Zanaka ary an’ny Fanahy Masina izay Andriamanitra iray, tsy manam-pahataperana. Amena.