Boky torolalana sy antso
7. Ny episkôpà


“7. Ny episkôpà,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany2020).

“7. Ny episkôpà,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

Sary
lehilahy mandray fitenenana eo amin’ny polipitra

7.

Ny episkôpà.

7.1

Ny eveka sy ireo mpanolotsainy

Ny eveka no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana hitarihana ny asan’ny Fiangonana eo anivon’ny paroasy (jereo ny 3.4.1). Izy sy ireo mpanolotsainy no mandrafitra ny episkôpà. Mahazo fitarihana avy amin’ny fiadidian’ny tsatòka izy ireo. Mikarakara ireo mpikambana ao amin’ny paroasy amim-pitiavana izy ireo, ary manampy azy ireo ho tonga mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy (jereo ny Môrônia 7:48).

Ny eveka sy ireo mpanolotsainy dia mpisorona avo. Raha toa izy ireo ka tsy mpisorona avo rehefa antsoina dia tokony hotendrena ho mpisorona avo izy ireo mialoha ny hanokanana azy ireo hanompo.

Manana andraikitra dimy lehibe ny eveka:

  • Mpisorona avo mpiahy eo anivon’ny paroasy izy.

  • Filohan’ny Fisoronana Aharôna izy.

  • Mpitsara tsotra izy.

  • Mandrindra ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana eo anivon’ny paroasy izy, ka tafiditra ao anatin’izany ny fiahiana ireo izay sahirana.

  • Manara-maso ny rejisitra sy ny fitantanam-bola ary ny fampiasana ny trano fiangonana izy.

Koa satria mihazona fanalahidin’ny fisoronana ny eveka dia manana zo izy handray fanambarana ho an’ny paroasy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:11). Noho izany dia misy andraikitra vitsivitsy izay izy irery ihany no misahana azy. Hazavaina ato amin’ity toko ity ireo andraikitra ireo.

Ny andraikitra voalohany indrindra sahanin’ny eveka dia miantefa any amin’ny taranaka vao misondrotra ao amin’ny paroasy (ny ankizy sy ny zatovo ary ny tanora tokan-tena). Mba hahafahany mifantoka amin’io andraikitra io dia andraikitra maro no asainy sahanin’olon-kafa (jereo ny 4.2.5). Azony omena hosahanin’ireo mpanolotsainy, ny mpitamboky sy ny mpitamboky mpanampy, ny mpitantsoratra mpanatanteraka, ny mpitarika ny kôlejy sy ny rafitra, ary ny hafa izany andraikitra izany.

Raha tsy afaka manatanteraka ny andraikiny ny eveka dia afaka misolo ny toerany mandritra ny fotoana voafetra ny mpanolotsaina iray, afa-tsy amin’izay voalaza ao amin’ity boky torolalana ity ihany. Mila hevitra any amin’ny filohan’ny tsatòka ny eveka raha manana fanontaniana momba ny fisoloan’ny mpanolotsaina ny toeran’ny eveka.

7.1.1

Mpisorona avo mpiahy

Ny eveka no mpitarika ara-panahy voalohany ao amin’ny paroasy. Maneho ohatra izy amin’ny fanompoana “amin’ny fahamasinan’ny fo” (Môzià 18:12). Mampianatra sy mampahery ary manome hevitra avy amin’ny fitaomam-panahy izy (jereo ny Matio 20:28). Manaraka ireo fitsipika momba ny fitarihana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46 izy.

Mpianatra mahatokin’i Jesoa Kristy ny eveka. Manaja ireo fanekempihavanana nataony izy. Manaja ny vadiny sy ny fianakaviany izy. Ohatry ny fahamarinana izy ho an’ny fianakaviany sy ao amin’ny paroasy ary eo anivon’ny fiarahamonina. (Jereo ny 1 Timoty 3:2–7.) Ny mpanolotsainy dia lehilahy manana toetra mitovy amin’izany.

Ny eveka dia manolotra fitarihana sy manoro hevitra an’ireo mpitarika hafa ao amin’ny paroasy. Mampahery azy ireo amin’ny andraikitr’izy ireo izy.

7.1.1.1

Ireo rafitra sy kôlejin’ny fisoronana ao amin’ny paroasy

Manana andraikitra sahanina ho an’ny rafitry ny Fikambanana Ifanampiana sy ny an’ny Zatovovavy ao amin’ny paroasy ny eveka. Manendry ireo mpanolotsainy izy hiandraikitra ny rafitry ny Sekoly Alahady sy ny an’ny Kilonga ary ireo fandaharan’asa hafa ao amin’ny paroasy. (Jereo ny 9.3.1, 11.3.1, 12.3.1, ary ny 13.2.1.)

Voalaza ao amin’ny 7.1.2 ny andraikitry ny eveka mikasika ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Ny andraikiny mikasika ny kôlejin’ny loholona dia voalaza ao amin’ny 8.3.1.

Ny eveka dia mitarika ihany koa ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana eo amin’ny fanaraha-maso ny fanompoana. Mihaona amin’ireo filoha roa ireo indray miaraka izy farafahakeliny isaky ny telo volana mba hiresahana momba ny zavatra ilain’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana (jereo ny 21.2).

7.1.1.2

Ôrdônansy sy tsodrano

Ny eveka no mitarika ny fanatanterahana ireto ôrdônansy sy tsodrano manaraka ireto ao amin’ny paroasy:

  • Ny fanasan’ny Tompo

  • Ny fanomezana anarana sy fitsofandrano ny zaza

  • Ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana an’ireo ankizy 8 taona izay mpikambana voarakitra ao anaty rejisitra (ho fampahalalana mikasika ireo olona manana fahasembanana ara-tsaina dia jereo ny 38.2.8.1; ary mikasika ireo olona niova fo dia jereo ny 31.2.3.2)

  • Ny fanomezana ny Fisoronana Aharôna sy ireo fanendrena ho amin’ireo anjara fanompoan’ny diakona sy ny mpampianatra ary ny mpisorona

Ho fampahalalana momba ireo ôrdônansy sy tsodrano dia jereo ny toko faha-18.

7.1.1.3

Filankevitra sy fivoriana

Ny eveka no mitarika ny filankevitry ny paroasy sy ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy (jereo ny 29.2.5 sy ny 29.2.6). Mampiasa ireo filankevitra ireo izy mba hanampiana amin’ny fandrindrana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ao amin’ny paroasy. Maro amin’io asa io sy ny fanaraha-maso ny fizotran’ny asa nasaina natao no asainy sahanin’olon-kafa (jereo ny 4.2.5).

Manasa ireo mpitarika ny eveka mba hifampila hevitra mikasika ny fomba hampitomboana ny tanjaka ara-panahy sy ny firaisan-kina ao amin’ny paroasy. Mamporisika ny mpikambana rehetra ao amin’ny filankevitra izy mba hikatsaka fitarihana avy amin’ny fanahy sy handray anjara mandritra ny fifanakalozan-kevitra. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:122; jereo koa ny 4.4 ato amin’ity boky torolalana ity.)

Ny episkôpà no manomana ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ireo fivoriana hafa ao amin’ny paroasy izay voatanisa ao amin’ny toko faha-29. Ny eveka no miahy ireo fivoriana ao amin’ny paroasy, raha tsy hoe misy mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, na Fitopololahin’ny Vondromparitra ao amin’ny vondromparitra misy azy, na Manampahefana Ambony manatrika eo. Afaka mitarika ireo fivoriana ireo ny mpanolotsain’ny eveka. Miahy ihany koa izy ireo rehefa tsy eo ny eveka.

7.1.1.4

Antso sy fisaorana amin’ny antso

Ny andraikitry ny eveka mikasika ny antso sy ny fisaorana amin’ny antso dia voalaza ao amin’ny toko faha-30. Afaka manendry ireo mpanolotsainy izy hanolotra antso sy fisaorana araka ny voalaza ao amin’ny 30.8.

Sary
lehilahy sy vehivavy mifandray tanana

7.1.2

Filohan’ny Fisoronana Aharôna

“Ny episkôpà no [fiadidian’ny] fisoronana [Aharôna], ary mihazona ny fanalahidiny na ny fahefany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:15; jereo koa ny andininy 20). Ny eveka dia manana ireto andraikitra manaraka ireto amin’ny maha-filohan’ny Fisoronana Aharôna azy ao amin’ny paroasy. Manampy azy amin’izany ireo mpanolotsainy.

  • Manohana ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny zatovo. Manampy ny zatovo hanompo amim-pahatokiana, hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina, ary hiomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Manampy ny zatovolahy hiomana ny hotendrena ho amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana sy hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Raha manam-paniriana ny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ny zatovovavy, dia manampy azy ireo hiomana amin’izany. Ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo dia afaka manampy amin’ireo ezaka atao ireo (jereo ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org).

  • Manara-maso ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ireo kilasin’ny Zatovovavy. Ny eveka no filohan’ny kôlejin’ny mpisorona (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:87–88). Ny mpanolotsainy voalohany no miandraikitra ny kôlejin’ny mpampianatra. Ny mpanolotsainy faharoa no miandraikitra ny kôlejin’ny diakona. Raha te hahazo fampahalalana bebe kokoa mikasika ny fitarihana ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna dia jereo ny 10.3, 10.4, ary ny 10.5.

  • Mifampidinika amin’ny filohan’ny Zatovovavy ao amin’ny paroasy. Tsy ampiandraiketin’ny eveka an’ny iray amin’ireo mpanolotsainy io andraikitra io. Izy sy ireo mpanolotsainy dia mandray anjara matetika ihany koa amin’ireo fivoriana sy asa fanompoana ary fiaraha-mientan’ny Zatovovavy. (Jereo ny 11.3.1.)

  • Manao tafa sy dinika tsy tapaka amin’ny zatovo tsirairay. Raha mila torolalana mikasika ireo tafa sy dinika ireo dia jereo ny 31.3.1.

  • Manohana ireo fianakaviana sy ireo mpitarika sy mpampianatra ao amin’ny Kilonga amin’ny ezaka ataon’izy ireo mba hanampiana ny ankizy hanao sy hitandrina fanekempihavanana (jereo ny toko faha–12

7.1.3

Mpitsara tsotra

Ny eveka no mpitsara tsotra ao amin’ny paroasy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:71–74). Miezaka manaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny maha-mpitsara marina Azy izy (jereo ny 3 Nefia 27:27). Ireto manaraka ireto no andraikiny:

  • Manampy ny zatovo sy ny olon-dehibe ho mendrika ny hanana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

  • Manao tafa sy dinika araka ny hazavaina ao amin’ny 31.2. Azony atao ny manome lalana ireo mpanolotsainy hanao ireo tafa sy dinika sasantsasany (jereo ny 31.2.2). Raha te hahalala ireo torolalana momba izany dia jereo ny 31.1.

  • Mihaona amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy izay mila fitarihana ara-panahy, na manana olana manokana mavesatra, na nanao fahotana goavana, ka manampy azy ireo hahazo ny hery manasitran’i Jesoa Kristy. Ny eveka dia afaka mangataka ny mpanolotsainy, ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana, ary ireo olona hafa mba hihaona amin’ny mpikambana ao amin’ny paroasy momba ny zavatra sasantsasany. Ny eveka ihany anefa no manoro hevitra ireo mpikambana ao amin’ny paroasy amin’ireo raharaha mahakasika ny fahamendrehana, ny herisetra sy fanararaotana, ary ny fanomezana fankatoavana hampiasa ny kitapom-bola avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina. Raha te hahalala ireo torolalana momba izany dia jereo ny 31.1.

  • Manao filankevitra mandinika ny maha-mpikambana rehefa ilaina, eo ambany fitarihan’ny filohan’ny tsatòka. Raha te hahalala ireo torolalana momba izany dia jereo ny toko 32.

7.1.4

Fandrindrana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ao amin’ny paroasy

Ny eveka no mandrindra ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ao amin’ny paroasy (jereo ny toko 1). Manampy azy amin’izany ny mpanolotsainy sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny paroasy.

Manampy ny mpikambana ny eveka hiaina ny filazantsara. Manampy azy ireo izy amin’ny fampatanjahana ny finoan’izy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Sorompanavotany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:29). Mampianatra azy ireo hivavaka sy handalina ny soratra masina izy. Manasa azy ireo hanao fanekempihavanana izy amin’ny alalan’ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Mamporisika azy ireo izy hitandrina ny fanekempihavanana nataon’izy ireo.

Manamafy orina ireo mpikamban’ny Fiangonana ny eveka. Mamporisika ireo fianakaviana izy mba handray anjara tsy tapaka amin’ny vavaky ny mpianakavy sy hiara-hianatra ny filazantsara, tafiditra ao anatin’izany ny takarivan’ny mpianakavy. Mampianatra azy ireo hifankatia sy hifanompo izy. Mampianatra amin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra izy fa azo tanterahina tsara ireo antso ao amin’ny Fiangonana kanefa sady mahavita ihany ireo adidy ao an-tokantrano. Maka antoka izy fa manohana ny ezaka ataon’ireo ray aman-dreny hitaiza ny zanany amim-pahamarinana ireo fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana.

Ankoatra ny fanampiana ireo mpikambana hiaina ny filazantsara dia manana andraikitra hafa ny eveka eo amin’ny fandrindrana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Izy ohatra dia:

  • Manampy ny lehilahy hiomana ny hotendrena ho amin’ireo anjara fanompoan’ny fisoronana.

  • Mitarika ireo ezaka atao mba hikarakarana ireo olona sahirana ao amin’ny paroasy (jereo ny 7.1.4.1 sy ny 22.2.1).

  • Mitarika ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana rehefa mitarika ireo asa fanompoana eo anivon’ny paroasy izy ireo (jereo ny 21.2.1).

  • Mandrindra ny asan’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana rehefa mitarika ireo ezaka ataon’ny paroasy mba hizarana ny filazantsara sy hampatanjahana ireo mpikambana niverina navitrika izy ireo (jereo ny 23.1).

  • Mandrindra ny ezaka ataon’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana rehefa mitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy izy ireo (jereo ny 25.2).

  • Manampy ny mpikambana handray fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy handray ireo ôrdônansin’ny tempoly (jereo ny 27.1).

7.1.4.1

Fitarihana ireo ezaka hikarakarana ireo mahantra

Manana andraikitra masina ny eveka hikaroka sy hikarakara ireo mahantra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:112). Maro amin’io asa io no ampanaoviny an’ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana.

Misy andraikitra vitsivitsy izay ny eveka ihany no manatanteraka azy. Ohatra hoe izy no mamaritra ny karazan’ny fanampiana ara-nofo rehetra omen’ny Fiangonana sy ny habetsany ary ny faharetany. Rehefa manao izany izy dia maka ny hevitry ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny an’ny kôlejin’ny loholona. Mba hahazoana fampahalalana fanampiny dia jereo ny 22.4 sy ny 22.5.

Ireo mpikambana ao amin’ny episkôpà dia mampianatra ireo fitsipika momba ny fikarakarana ireo olona sahirana sy ny fampananana fizakan-tena (jereo ny 22.1). Mampianatra ny lalàn’ny fifadian-kanina koa izy ireo (jereo 22.2.2). Manara-maso ny fanangonana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina izy ireo (jereo ny 34.4.2).

Mampianatra ireo mpitarika hafa ao amin’ny paroasy mikasika ny andraikitr’izy ireo hikarakara ny olona sahirana ny eveka. Mitarika ny filankevitry ny paroasy mahakasika ireo ezaka atao ireo ihany koa izy.

Mba hahazoana fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny fomba hikarakaran’ny eveka ireo sahirana dia jereo ny 22.6.1.

7.1.5

Rejisitra sy fitantanam-bola ary ny trano fiangonana

Ny eveka dia manara-maso ny rejisitry ny paroasy sy ny fitantanam-bolan’ny paroasy ary ny trano fiangonana. Tafiditra ao anatin’izany ny andraikiny hampianatra momba ny fahafolonkarena sy ny lalàn’ny fifadian-kanina ary ny fanaovana fanambarana fahafolonkarena (jereo ny 34.3.1.2; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:68).

Azon’ny eveka atao ny mampiandraikitra an’ireo mpanolotsainy sy ireo mpitamboky ny ankamaroan’ny asa mikasika ny rejisitra sy ny fitantanam-bola. Azony tendrena ny iray amin’ireo mpanolotsainy ho tompon’andraikitry ny trano fiangonana ao amin’ny paroasy, na afaka miantso mpikambana hafa izy hisahana izany.

Mba hahitana fampahalalana mikasika ireo rejisitra dia jereo ny toko faha-33. Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fitantanam-bola, isan’izany ny fahafolonkarena, dia jereo ny toko faha-34. Mba hahitana fampahalalana mikasika ny trano fiangonana dia jereo ny toko faha-35

7.2

Fahasamihafana eo amin’ny fiadidian’ny sampana sy ny episkôpà

Ao amin’ny sampana iray dia olona iray mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka no antsoina ho filohan’ny sampana. Izy no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana ilaina amin’ny fiahiana (jereo ny 3.4.1.1). Misy itovizany betsaka amin’ny an’ny episkôpa ny fomba hanompoany sy ny mpanolotsainy, fa ireto no maha samy hafa azy:

  • Samy azo atao filohan’ny sampana na ny loholona na ny mpisorona avo. Ny eveka dia tsy maintsy mpisorona avo.

  • Tsy atokana ho mpisorona avo mpiahy ny olona iray filohan’ny sampana. Miahy ny sampana kosa anefa izy ary misahana ireo andraikitra rehetra hazavaina ao amin’ny 7.1.1.

  • Tsy voatery ho olona efa manambady ny filohan’ny sampana.

  • Tsy afaka manome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ireo mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny sampana (jereo ny 26.3.1

Sary
fivorian’ny episkôpà

7.3

Mpitantsoratra mpanatanteraka eo anivon’ny paroasy sy mpitantsoratra mpanatanteraka mpanampy eo anivon’ny paroasy

Manolotra olona iray mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ny episkôpà mba ho mpitantsoratra mpanatanteraka eo anivon’ny paroasy. Atolotr’izy ireo amin’ny fiadidian’ny tsatòka izany anarana izany. Tokony hanana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery ny mpitantsoratra mpanatanteraka. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay nomena izany andraikitra izany no miantso sy manokana azy.

Miara-miasa akaiky amin’ny eveka sy ireo mpanolotsainy ny mpitantsoratra mpanatanteraka, kanefa tsy mpikambana ao amin’ny episkôpà izy. Ireto manaraka ireto no andraikiny:

  • Mivory miaraka amin’ny episkôpà ary manomana ny fandaharam-potoana araka izay nampiandraiketana azy.

  • Mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy ary manatrika ireo fivorian’ny filankevitry ny paroasy. Manara-maso ny fizotran’ny asa nasaina natao nandritra ireo fivoriana ireo araka izay torolalana nomen’ny episkôpà.

  • Mandrindra ny fotoana ahafahana mihaona amin’ny episkôpà.

  • Mandrindra ny fotoana hanaovana tafa sy dinika ireo zatovo sy olon-dehibe izay mila manavao ny fahazoan-dalan’izy ireo hidirana ny tempoly.

  • Rehefa tendren’ny eveka dia mandrindra ny ezaka ataon’ny paroasy hanampiana ny mpikambana hahazo ireo gazetibokin’ny Fiangonana (jereo ny 38.8.7).

  • Manampy ny episkôpà amin’ireo raharaha mahakasika ny seminera sy institiota, toy ny fanampiana ireo mpikambana ao amin’ny paroasy hisoratra anarana hanatrika kilasy (jereo ny toko faha-15).

  • Mihazona lisitra ara-dalàna ahitana ireo anarana sy adiresin’ny mpikambana any amin’ny tafika. Maka antoka fa mahafantatra ny fisian’ireo mpikambana ireo ny mpitarika ao amin’ny paroasy (jereo ny 38.9.2). Mampahafantatra ny mpitantsoratra mpanatanteraka eo anivon’ny tsatòka rehefa misy mpikambana mikasa ny hirotsaka ho miaramila.

  • Mandefa ireo hafatra voaray avy amin’ireo mpiasan’ny Fiangonana sy ireo mpirotsaka an-tsitrapo any amin’ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy tokony handefasana izany, araka izay torolalana omen’ny eveka (jereo ny 38.8.9).

Azo atao raha ilaina ny miantso mpitantsoratra mpanatanteraka mpanampy iray na roa eo anivon’ny paroasy. Ny episkôpà no manolotra azy ireo ary mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na mpikambana ao amin’ny filankevitra avo voatendry iray no miantso sy manokana azy ireo. Tokony hanana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery ireo rahalahy ireo.

7.4

Mpitamboky sy mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy

Manolotra olona iray mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ny eveka mba ho mpitambokin’ny paroasy. Atolony an’ny fiadidian’ny tsatòka izany anarana izany. Tokony hanana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery ny mpitamboky. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay nomena izany andraikitra izany no miantso sy manokana azy. Mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy izy.

Azo atao koa ny miantso mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy (jereo ny 33.4.3). Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay voatendry no miantso sy manokana azy ireo.

Miara-miasa akaiky amin’ny eveka sy ireo mpanolotsainy ireo mpitamboky, kanefa tsy mpikambana ao amin’ny episkôpà izy ireo. Ny andraikitry ny mpitamboky sy ny mpitamboky mpanampy ao amin’ny paroasy dia voalaza ao amin’ny 33.4.2 sy ny 33.4.3.