Boky torolalana sy antso
32. Fibebahana sy ireo filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana


“32. Fibebahana sy ireo filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, (2020).

“32. Fibebahana sy ireo filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
lehilahy miresaka

32.

Fibebahana sy ireo filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana

32.0

Teny fanolorana

Ny ankamaroan’ny fibebahana dia miseho eo amin’ny olona iray sy Andriamanitra ary ireo izay niharan’ny fahotan’ny olona iray. Indraindray anefa dia mila manampy ireo mpikamban’ny Fiangonana ny eveka na ny filohan’ny tsatòka amin’ny ezaka ataon’izy ireo hibebaka.

Rehefa manampy ny mpikambana amin’ny fibebahana ireo eveka sy filohan’ny tsatòka dia maneho fitiavana sy fiahiana. Manaraka ny ohatry ny Mpamonjy izy ireo, izay nanampy ny isam-batan’olona hihatsara kokoa sy nanampy azy ireo hiala amin’ny fahotana ka hitodika amin’ Andriamanitra (jereo ny Matio 9:10–13; Jaona 8:3–11).

Araka ny hazavaina etsy ambany, ity toko ity dia narindra mba hitari-dalana ireo mpitarika amin’ny alalan’ireo fanapahan-kevitra sy fandraisana andraikitra manan-danja ilaina atao hanampiana ny olona iray hibebaka amin’ny fahotana goavana iray sy hiarovana ny hafa.

  • Ny andraikitry ny Fiangonana amin’ny fanampiana olona iray hibebaka. Ny Fizarana 32.1–32.4 dia manazava ny fotopampianaran’ny Tompo momba ny fibebahana sy ny famelan-keloka. Ireo fizarana ireo dia manazava ihany koa ireo tanjona telo hanaovana ny famerana ny zo maha-mpikamban’ny Fiangonana na ny fanesorana tsy ho mpikambana. Ankoatra izany dia manazava ny andraikitry ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka amin’ny fanampiana olona iray eo amin’ny fibebahana izany.

  • Famaritana ireo karazana filankevitra hanampiana olona iray hibebaka. Ny Fizarana 32.5–32.7 dia manolotra torolalana eo amin’ny fanapahan-kevitra raha toa ka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana na fanomezana torohevitra manokana no karazana filankevitra tsara hanampiana olona iray hibebaka.

  • Fitantanana ny fanomezana torohevitra manokana. Ny Fizarana 32.8 dia manolotra torolalana momba ny fanomezana torohevitra manokana ataon’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Manazava ny famerana tsotsotra ny zo maha-mpikamban’ny Fiangonana ihany koa izany.

  • Fitantanana ny filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana. Ny Fizarana 32.9–32.14 dia manazava ny hoe iza no manana andraikitra amin’ireo filankevitra mandinika ny maha-mpikambana, sy ny hoe ahoana no fomba fitarihana azy ireny, ary inona avy ireo fanapahan-kevitra mety horaisina amin’izany. Hazavaina ihany koa ny vokatr’izany fanapahan-kevitra izany.

  • Famerenana ireo tombontsoa manokana ananana amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana. Ny Fizarana 32.15–32.17 dia manazava ny fomba famerenana amin’ny laoniny, amin’ny alalan’ny fibebahana, ireo tombontsoa manokana ananan’ny olona iray amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy.

Ny firesahana momba ny filohan’ny tsatòka dia mihatra ihany koa amin’ny filohan’ny misiôna, raha tsy hoe misy filazana mifanohitra amin’izany. Ny firesahana momba ny eveka dia mihatra ihany koa amin’ny filohan’ny sampana.

Ny Fiadidiana Voalohany no mamaritra ireo fitsipika sy dingana arahina mahakasika ny fibebahana amin’ny fahotana goavana iray. Ny Fiadidiana Voalohany dia tohanan’ny Birao misahana ireo firaketana hazonina ho tsiambaratelo an’ny Fiangonana. Afaka mifandray amin’io birao io ny filohan’ny tsatòka na ny eveka rehefa manana fanontaniana mikasika ny fitantanan-draharaha na ny fitsipika. Afaka manome torolalana koa io birao io mikasika ny fomba handefasana fangatahana any amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany. Io eo ambany io ny mombamomba ny sampan-draharaha azo hifandraisana:

Laharana an-tariby: 1-801-240-2053 na 1-800-453-3860, poste 2-2053

Azo antsoina maimaim-poana (Telefaonina GSD ): 855-537-4357

Email: ConfidentialRecords@ChurchofJesusChrist.org


NY ANDRAIKITRY NY FIANGONANA AMIN’NY FANAMPIANA OLONA IRAY HIBEBAKA


32.1

Fibebahana sy famelan-keloka

Nilaza ny Tompo fa “tsy misy zavatra tsy madio afaka mandova ny fanjakan’ny lanitra” (Almà 11:37; jereo ihany koa ny 3 Nefia 27:19). Ny fahotantsika no mahatonga antsika tsy hadio, tsy mendrika ny hitoetra eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra. Mitondra fanaintainana eo amintsika amin’ity fiainana ity ihany koa izany.

Ny lalàn’ny fahamarinan’ Andriamanitra dia mitaky vokany rehefa manota isika (jereo ny Almà 42:14, 17–18). Na izany aza anefa ny drafitra lehiben’ny famindram-pony dia “afaka manefa ny fitakian’ny fahamarinana sy mamihina [antsika] amin’ny sandrin’ny fiantohana” (Almà 34:16; jereo koa ny Môzià 15:9).

Mba hahatanteraka ny drafitry ny famindram-pony dia naniraka an’i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana ny Ray any An-danitra mba hanonitra ny fahotantsika (jereo ny Almà 42:15). Niaritra ny sazy izay takin’ny fahamarinana noho ny otantsika i Jesoa Kristy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15–19; jereo ihany koa ny Almà 42:24–25). Tamin’ny alalan’io sorona io no nanehoan’ny Ray any An-danitra sy ny Zanany ny fitiavany antsika izay tsy manam-petra (jereo ny Jaona 3:16).

Rehefa mampihatra “finoana ho amin’ny fibebahana” isika dia mamela antsika ny Ray any An-danitra, manome famindram-po amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (Almà 34:15; jereo koa ny Alma 42:13). Rehefa voadio sy nahazo famelan-keloka isika dia afaka mandova ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny farany (jereo ny Isaia 1:18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42).

Ny fibebahana dia tsy vitan’ny hoe fanovana toetra fotsiny. Fialana amin’ny fahotana izany ary fitodihana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mitarika ho amin’ny fiovan’ny fo sy saina izany (jereo ny Môzià 5:2; Almà 5:12–14; Helamàna 15:7). Lasa olom-baovao mihavana amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fibebahana (jereo ny 2 Korintiana 5:17–18; Môzià 27:25–26).

Ny fahafahana mibebaka dia isan’ireo fitahiana lehibe indrindra nomen’ny Ray any An-danitra antsika tamin’ny alalan’ny fanomezana ny Zanany.

32.2

Ireo tanjon’ny famerana ny zo maha-mpikambana na ny fialana tsy ho mpikambana intsony

Rehefa vita batisa ny olona iray dia lasa isan’ny “ankohonan’ Andriamanitra” izy (Efesiana 2:19). Ny fanekempihavanan’ny batisa dia ahitana fampanantenana ny hiezaka hiaina mifanaraka amin’ireo fampianarana sy didin’i Kristy. Rehefa lavo ka tsy mitandrina ireo fanekempihavanana ireo ny olona iray dia mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy izy ary mibebaka, miantehitra amin’ny famindram-pony izay mankahery sy mamela heloka.

Rehefa manao fahotana goavana ny mpikambana iray dia manampy azy hibebaka ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Ao anatin’io dingana io dia mety ho mila mametra ny tombontsoa manokana sasany ananan’ny olona iray amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy izy mandritra ny fotoana voafetra. Amin’ny toe-javatra sasany dia mety ho mila manala ny olona iray tsy ho mpikambana izy amin’ny fotoana voafetra.

Ny famerana ireo zo na ny fanesorana tsy ho mpikambana ny olona iray dia tsy natao hanasaziana. Fa ilaina kosa ny fandraisana ireo fepetra ireo indraindray mba hanampiana ny olona iray hibebaka sy hiaina fiovam-po. Manome fotoana ny olona iray hiomana ara-panahy ihany koa izany mba hanavaozany sy hitandremany indray ireo fanekempihavanana nataony.

Ny eveka na ny filohan’ny tsatòka no manara-maso ny famerana ireo zo na ny fanesorana tsy ho mpikambana araka ny voalaza ao amin’ny 32.5–32.14. Ireo fepetra raisina ireo dia miaraka amin’ireo fepetra takina amin’ny fibebahana. Rehefa mibebaka amin-kitsim-po ny olona iray dia azo averina amin’ny laoniny ny tombontsoa manokana ananany amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy.

Raha ilaina ny famerana ireo zo na ny fanesorana tsy ho mpikambana ny olona iray dia manaraka ny fitarihan’ny Fanahy Masina sy ireo toromarika ato amin’ity toko ity ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Ao anatin’ny fanahin’ny fitiavana no anaovany izany (jereo ny 32.3).

Ny famerana ireo zo amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana dia resaka ara-pivavahana fa tsy ara-piarahamonina na heloka bevava. Ny toeran’ny olona iray ao amin’ny Fiangonana ihany no voakasik’izany. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:10.)

Ireto manaraka ireto ireo tanjona telo amin’ny famerana ireo zo na ny fanesorana tsy ho mpikambana.

32.2.1

Manampy amin’ny fiarovana ny hafa

Ny tanjona voalohany dia ny manampy amin’ny fiarovana ny hafa. Indraindray ny olona iray dia manao zavatra miteraka loza mitatao ara-batana na ara-panahy. Ny fihetsika feno fanararaotana, ny fandratrana ara-batana, ny herisetra ara-nofo, ny fidorohana zava-mahadomelona, ny fisolokiana, ary ny apôstazia dia anisan’ny fomba mety hitrangan’izany. Rehefa entanim-panahy ny eveka na ny filohan’ny tsatòka dia mandray andraikitra mba hiarovana ny hafa rehefa misy olona miteraka loza amin’ireo fomba ireo na fomba hafa mampidi-doza (jereo ny Almà 5:59–60).

32.2.2

Manampy olona iray handray ny hery manavotr’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fibebahana

Ny tanjona faharoa dia ny hanampy olona iray handray ny hery manavotr’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fibebahana. Amin’ny alalan’io dingana io dia mety ho lasa madio sy mendrika ny handray ireo fitahian’ Andriamanitra rehetra indray izy.

Nampianatra ny Mpamonjy fa ny “fo torotoro sy fanahy manenina” no fahafoizan-tena takiny ho famelana ny fahotana (3 Nefia 9:20). Tafiditra ao anatin’izany ny fanenenana amin-kitsim-po noho ny fahotana sy ny vokany (jereo ny 2 Korintiana 7:9–10).

Rehefa manao fahotana goavana ny olona iray dia manampy amin’ny famporisihana hanana fo torotoro sy fanahy manenina ilaina amin’ny fibebahana sy hialana amin’ny fahotana ary hahatakarana ny vokatry ny fahotana ny famerana zo na ny fanesorana tsy ho mpikambana. Io fahatakarana io dia afaka manampy ny olona hanome lanja bebe kokoa ny fankempihavanana nataony tamin’ Andriamanitra sy ny faniriany hitandrina ireo fanekempihavanana ireo amin’ny hoavy.

32.2.3

Miaro ny hasin’ny Fiangonana

Ny tanjona fahatelo dia ny hiaro ny hasin’ny Fiangonana. Ny famerana ireo zo na ny fanesorana tsy ho mpikamban’ny Fiangonana ny olona iray dia mety hilaina rehefa tena manimba ny Fiangonana ny fitondrantenany (jereo ny Almà 39:11). Tsy amin’ny alalan’ny fanafenana na fanamaivanana ny fahotana no hiarovana ny hasin’ny Fiangonana, fa amin’ny fandraisana andraikitra ny amin’izany.

32.3

Ny andraikitry ny mpitsara ao Isiraely

Sary
eveka miresaka amin’ny lehilahy iray

Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka dia nantsoina sy natokana mba ho mpitsara ao Isiraely (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:72–74). Mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana izy ireo mba hisoloana tena ny Tompo amin’ny fanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana hibebaka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1; 107:16–18).

Matetika ny eveka na ny filohan’ny tsatòka no manampy amin’ny fibebahana amin’ny alalan’ny fanomezana torohevitra manokana. Izany fanampiana izany dia mety ahitana ny famerana tsotsotra ireo tombontsoa manokana sasany amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana mandritra ny fotoana voafetra. (Jereo ny 32.8.)

Ho an’ireo fahotana goavana sasany dia manampy amin’ny fibebahana ireo mpitarika amin’ny alalan’ny fanaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.6 sy ny 32.9–32.14). Izany fanampiana izany dia mety ahitana ny famerana amin’ny fomba ôfisialy ireo tombontsoa manokana sasany amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana na fanesorana ny olona iray tsy ho mpikambana mandritra ny fotoana voafetra (jereo ny 32.11.3 sy ny 32.11.4).

Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka dia manampy ny mpikamban’ny Fiangonana hahatakatra fa Andriamanitra dia tia ny zanany. Satria tiany ho faly sady hahazo fitahiana izy ireo dia manan-danja fatratra Aminy koa ny fankatoavan’izy ireo sy ny fibebahan’izy ireo.

Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka dia maneho fitiavana sy firaharahiana rehefa manampy ny mpikambana hibebaka. Tari-dalana tsara harahina amin’izany ny fifampiresahan’ny Mpamonjy tamin’ilay vehivavy tratra nijangajanga (jereo ny Jaona 8:3–11). Na dia tsy niteny aza Izy hoe voavela ny fahotan’ilay vehivavy, dia tsy nanameloka azy Izy. Fa nilaza taminy kosa Izy hoe “aza manota intsony”, mba hibebahany sy hanovany ny fiainany.

Mampianatra ireo mpitarika fa misy “fifaliana … any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka” (Lioka 15:7). Manana faharetana izy ireo ary manohana sy manantena zavatra tsara. Mampisy fanantenana izy ireo. Mampianatra sy mijoro ho vavolombelona izy ireo fa noho ny sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy, dia afaka mibebaka ny rehetra ary lasa madio.

Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka dia mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy mba hahafantatra ny fomba hanampiana ny tsirairay hibebaka. Amin’ireo fahotana goavana ihany ny Fiangonana no manana fenitra natsangana momba ny fepetra tokony horaisin’ireo mpitarika ao (jereo ny 32.6 sy ny 32.11). Samy manana ny fisehony ny toe-javatra tsirairay. Ny torohevitra izay omen’ny mpitarika sy ny dingan’ny fibebahana izay hamorain’izy ireo dia tsy maintsy nentanim-panahy ary mety ho samy hafa ho an’ny olona tsirairay.

Fantatry ny Tompo ny toe-javatra iainan’ny olona tsirairay, sy ny zavatra mety ho vitany, ary ny fahamatorany ara-panahy. Ny Fanahy Masina no hanampy ireo mpitarika hamantatra ny fomba hanampiana ireo mpikambana hanao ireo fiovana ilaina mba hahafahan’izy ireo ho sitrana sy hanohitra ny fakam-panahy ka tsy hamerenany indray ilay fahotana.

Ny fanampiana olona iray hibebaka sy hitodika indray any amin’ Andriamanitra, ary ho sitrana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia iray amin’ireo zavatra niainana mahafaly indrindra mety hananan’ny olona iray. Manazava ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–13 hoe:

“Tadidio fa lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra;

“Fa indro, ny Tompo Mpanavotra anao dia niaritra fahafatesana tamin’ny nofo; koa niaretany ny fangirifirian’ny olon-drehetra, mba hahazoan’ny olon-drehetra mibebaka sy manatona Azy.

“Ary efa nitsangana indray tamin’ny maty Izy, mba hahazoany mitondra ny olon-drehetra ho eo Aminy, raha tahiny ka mibebaka izy ireo.

“Ary akory ny halehiben’ny fifaliany amin’ny olona izay mibebaka!”

32.4

Fibabohana, fihazonana ny tsiambaratelo, ary fanaovana tatitra amin’ny manampahefana ara-panjakana

32.4.1

Fibabohana

Ny fibebahana dia mila ny famborahana ireo fahotana amin’ny Ray any An-danitra. Hoy i Jesoa Kristy: “Izao no ahafantaranareo raha mibebaka amin’ny fahotany ny olona—indro, hibaboka izany izy ary hahafoy izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:43; jereo koa ny Môzià 26:29).

Rehefa manao fahotana goavana ny mpikamban’ny Fiangonana dia tafiditra ao amin’ny fibebahan’izy ireo koa ny fibabohana amin’ny evekany na ny filohan’ny tsatòkany. Amin’izay dia afaka mampiasa ireo fanalahidin’ny filazantsaran’ny fibebahana ho an’izy ireo izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1; 84:26–27; 107:18, 20). Manampy azy ireo ho sitrana sy hiverina amin’ny lalan’ny filazantsara izany amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Ny tanjon’ny fibabohana dia ny hamporisika ireo mpikambana hanamaivana ny enta-mavesany ka ho afaka hikatsaka tanteraka ny fanampian’ny Tompo hampiova sy hanasitrana azy ireo. Ny fibabohana no manampy tosika amin’ny fiezahana hanana “fo torotoro sy fanahy manenina” (2 Nefia 2:7). Ny fibabohana an-tsitrapo dia maneho fa maniry ny hibebaka ny olona iray.

Rehefa mibaboka fahotana ny mpikambana iray dia manaraka ireo torolalana momba ny fanomezana torohevitra ao amin’ny 32.8 ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Mikatsaka ombam-bavaka fitarihana momba ny karazana filankevitra tsara hanampiana ilay mpikambana hibebaka izy (jereo ny 32.5). Dinihany raha toa ka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana no hanampy. Raha toa ka takin’ny fitsipiky ny Fiangonana ny hanaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana, dia hazavainy izany (jereo ny 32.6 sy ny 32.10).

Indraindray dia misy mpikambana nahavita hadisoana tamin’ny vadiny na olon-dehibe hafa. Ao anatin’ny fibebahana, raha ny mahazatra, dia tokony hibaboka amin’izany olona izany izy ary hikatsaka famelan-keloka. Ny tanora izay manao fahotana goavana dia mazàna no amporisihana haka torohevitra amin’ny ray aman-dreniny.

32.4.2

Ireo fahotana goavana izay tsy nibabohana na nolavina

Matetika dia amin’ny alalan’ny fibabohana na avy amin’ny olon-kafa no ahafantaran’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka momba ny fahotana goavana iray. Mety haharay ihany koa bitsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny amin’ny mety hisian’ny fahotana goavana izy. Raha mahatsapa izy fa bitsihin’ny Fanahy hoe misy olona manana olana amin’ny fahotana dia azony atao ny mandrindra fotoana hanaovana dinidinika. Mandritra ilay dinidinika izy no mizara ny fiahiany amin’ny fomba feno hatsaram-panahy sy fanajana. Sorohany izay mety ho teny miendrika fiampangana.

Rehefa mandà ho tsy nanao fahotana goavana izay ananan’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka porofo manamarina izany ny mpikambana iray, dia mbola azo atao ihany ny manao filankevitra mandinika ny maha-mpikambana. Na izany aza dia tsy ampy raha fahatsapana avy amin’ny Fanahy fotsiny ihany no hanaovana filankevitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:37). Afaka manangona fampahalalana fanampiny ilay mpitarika raha ilaina izany. Manaraka ireo torolalana ao amin’ny 32.4.3 sy ny 32.10.2 izy.

32.4.3

Fanangonana fampahalalana

Mialoha ny hanaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana dia manangona fampahalalana betsaka araka izay ilaina ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Fampahalalana nambaran’ny mpikambana iray matetika dia ampy. Mety ho avy amina havana iray na mpitarika iray hafa ao amin’ny Fiangonana na olona niharan’ilay fahotana na olona nandray anjara tamin’ilay fahotana ihany koa izany fampahalalana izany.

Rehefa manangona fampahalalana dia tokony ho fomba izay mety amin’ny maha-mpitarika ao amin’ny fisoronana ihany no ampisain’ilay eveka na filohan’ny tsatòka. Tsy tokony hanisy fanaraha-maso tranon’olona na mandray am-peo tsy nahazoana fankatoavana avy amin’ilay olona izy. Ary tsy tokony hanao zavatra izay voararan’ny lalàna koa izy.

Tsy fahita firy ny fanendrikendrehana kanefa mety hitranga. Tokony hitandrina ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana rehefa kely ny fampahalalana azo ankoatra ny tenin’ny olona iray. Ohatra, ny mpikambana iray izay voampanga ho nanitsakitsa-bady dia mety handà ny fiampangana azy. Manazava ny soratra masina fa “ny teny rehetra dia ho voaorin’ny vavolombelona roa avy amin’ny fiangonana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:80). Ny hoe “vavolombelona roa” dia midika hoe loharanom-pahalalana roa samy hafa. Mety ho tafiditra amin’izany ny fahalalana avy amin’ny mpandray anjara iray sy loharano azo antoka hafa. Indraindray dia mila miandry ny mpitarika ao amin’ny fisoronana mandra-pahazoany fampahalalana fanampiny, izay vao manao zavatra iray.

Rehefa manangona fampahalalana hanaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana, dia tokony hijanona avy hatrany izy raha maheno fa manao fanadihadiana momba ilay mpikambana ny mpitandro ny filaminana. Izany no atao mba hisorohana ny mety hilazana fa manembantsembana ny fiasan’ny fitsarana ilay mpitarika. Raha te hahazo torohevitra araka ny lalàna momba ireo toe-javatra ireo any Etazonia sy Kanadà dia mifandray amin’ny biraon’ny Fiangonana misahana ny torohevitra ankapobeny ny filohan’ny tsatòka:

1-800-453-3860, poste 2-6301

1-801-240-6301

Ho an’ny ivelan’i Etazonia sy i Kanadà dia mifandray amin’ny mpanoro hevitra momba ny lalàna ao amin’ny biraon’ny vondromparitra ny filohan’ny tsatòka.

Raha ny tokony ho izy dia tsy hanaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ny fitondrantena iray izay dinihin’ny fitsarana ady heloka raha tsy efa namoaka didy raikitra ny fitsarana. Amin’ny tranga sasany dia mety ho tsara kokoa ny manemotra ny fanatanterahana ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana mandra-pahatapitry ny fe-potoana ahafahana mampakatra ny raharaha, na rehefa avy nolavina ny fangatahana fampakarana.

32.4.4

Ny fihazonana ny tsiambaratelo

Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka ary ireo mpanolotsainy dia manana adidy masina ny hiaro ny fampahalalana tsiambaratelo rehetra zaraina amin’izy ireo. Mety ho avy amin’ny dinidinika, fanoroana hevitra, ary fibabohana izany fampahalalana izany. Mihatra amin’ireo rehetra izay tafiditra ao amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ihany koa izany adidy amin’ny fihazonana ny tsiambaratelo izany. Zava-dehibe ny fihazonana ny tsiambaratelo satria mety tsy hibaboka fahotana na hikatsaka tari-dalana ireo mpikambana raha toa ka tsy hazonina ho tsiambaratelo ny zavatra zarain’izy ireo. Ny fivadiham-pitokisana dia manimba ny fatokian’ny mpikambana ka mahatonga azy ireo tsy hanana fatokisana mpitarika intsony.

Araka ny andraikiny amin’ny fihazonana tsiambaratelo dia araka ireto manaraka ireto ihany no ahafahan’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka ary ireo mpanolotsainy mizara ny fampahalalana toy izany:

  • Mila mifampiresaka amin’ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna na ny evekan’ilay mpikambana izy momba ny fanaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana na zavatra mifandraika amin’izany. Mety hifampiresaka amin’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra mpiandraikitra azy ihany koa ilay filohan’ny tsatòka. Raha ilaina dia asain’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra miresaka amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ilay filohan’ny tsatòka. Ny filohan’ny tsatòka ihany no manapaka ny tokony hisian’ny filankevitra na ny fanapahan-kevitra mivoaka avy amin’izany.

  • Mifindra any amin’ny paroasy vaovao ilay olona (na isaorana amin’ny antsony ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana) kanefa misy fandraisana fepetra amin’ny maha-mpikambana na olana goavana eo an-dalam-panatanterahana. Amin’ireo toe-javatra ireo dia mampilaza ny eveka na ny filohan’ny tsatòka vaovao momba ireo olana na fepetra eo an-dalam-panatanterahana ilay mpitarika (jereo ny 32.14.7). Mampahafantatra an’ilay mpitarika ihany koa izy raha toa ka atahorana hitera-doza ho an’ny hafa ilay mpikambana.

  • Maheno ny eveka na ny filohan’ny tsatòka fa misy mpikambana mipetraka ivelan’ilay paroasy na tsatòka mety nandray anjara tamin’ilay fahotana goavana. Amin’izay toe-javatra izay dia miresaka mangina amin’ny evekan’izany mpikambana izany izy.

  • Ilaina ny mampahafantatra ny mombamomba ilay toe-javatra mandritra ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana. Ny fampahalalana rehetra voangona sy zaraina ao anatin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana dia tsiambaratelo.

  • Misafidy ny hanome lalana ny mpitarika ny mpikambana iray mba hizara fampahalalana amin’ny olona iray manokana. Mety ho ray aman-dreny izany, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na olon-kafa izay afaka manolotra fanohanana. Tsy mizara fampahalalana ankoatra izay navelan’ilay mpikambana holazaina ilay mpitarika.

  • Mety hilaina ny mizara fampahalalana voafetra momba ny fanapahan-kevitra noraisina tao amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.12.2).

Amin’ny toe-javatra hafa rehetra dia tokony hijery ao amin’ny 32.4.5 ny mpitarika. Tafiditra amin’izany toe-javatra izany ny mety hitakian’ny lalàna ny fampahafantarana ny manampahefana ara-panjakana, ny heloka toy ny herisetra atao amin’ny zaza.

Mba hanampiana ireo mpitarika hiaro ny hafa sy hanaraka ny lalàna dia manolotra fanampiana avy amin’ny matihanina nanaraka fiofanana ny Fiangonana. Raha te hahazo izany tari-dalana izany dia miantso haingana ny laharan-tariby an’ny Fiangonana hanomezana fanampiana momba ny herisetra ny mpitarika raha misy izany (jereo ny 32.4.5 sy ny 38.6.2.1). Raha tsy misy izany dia miresaka amin’ny mpanoro hevitra momba ny lalàna ao amin’ny biraon’ny vondromparitra ny filohan’ny tsatòka.

Amin’ny toe-javatra tokana ihany ny eveka na ny filohan’ny tsatòka no mamoaka tsiambaratelo kanefa tsy maka izany tari-dalana izany mialoha. Izany dia atao rehefa ilaina ny famoahana tsiambaratelo mba hisorohana ny fahavoazana mihatra aman’aina na ratra lehibe ary tsy misy fotoana hikatsahana fitarihana. Amin’ny toe-javatra toy izany dia ny adidy hiaro ny hafa no manan-danja kokoa noho ny adidy amin’ny fihazonana tsiambaratelo. Tokony hifandray avy hatrany amin’ny manampahefana sivily ny mpitarika.

Raha amin’ny fomba nomerika no andraisana naoty na ifampifandraisan’ireo mpitarika dia arovany ny fahafahana miditra amin’izany fampahalalana izany. Fafany na potehiny ihany koa ilay fampahalalana rehefa tsy ilainy intsony. Tsy mizara tsy amin’ny antony fampahalalana momba ny tena manokana izy ireo.

Mety tsy hatokisan’ny manampahefana sivily ny fampahalalana notakina tamin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana iray. Raha mitranga izany any Etazonia sy Kanadà dia mikatsaka torohevitra momba ny lalàna amin’ny biraon’ny Fiangonana misahana ny torohevitra ankapobeny ny filohan’ny tsatòka:

1-800-453-3860, poste 2-6301

1-801-240-6301

Ho an’ny ivelan’i Etazonia sy i Kanadà dia mifandray amin’ny mpanoro hevitra momba ny lalàna ao amin’ny biraon’ny vondromparitra ny filohan’ny tsatòka.

32.4.5

Fanaovana tatitra amin’ny manampahefana ara-panjakana

Misy olona mibebaka izay nandika ny lalàna mifehy ny fifandraisan’ny olom-pirenena na ny lalàna mifehy ny heloka bevava. Amin’ny tranga sasantsasany dia tsy fantatry ny manampahefana ara-panjakana izany. Ireo eveka sy filohan’ny tsatòka dia mamporisika ireo mpikambana mba hanara-dalàna ary mba hanao tatitra mikasika ny toe-javatra toy izany rehefa takina ny hanaovana izany. Manoro hevitra an’ireo mpikambana koa ireo mpitarika mba haka torohevitra matihanina momba ny lalàna rehefa hanao tatitra. Ny fitsipiky ny Fiangonana dia ny hankatò ny lalàna.

Any amin’ny toerana maro dia takin’ny lalàna amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ny hanao tatitra ireo fihetsika tsy araka ny lalàna izay fantatr’izy ireo. Ohatra, ny fanjakana na firenena sasany dia mitaky ny hampahafantarana amin’ny manampahefana mpitandro ny filaminana ny herisetra atao amin’ny zaza.

Any amin’ny firenena sasany dia nametraka laharan-tariby hanomezana fanampiana manoloana ny herisetra ny Fiangonana mba hanampiana ireo eveka sy ny filohan’ny tsatòka. Tokony hiantso avy hatrany ilay laharan-tariby hanomezana fanampiana ireo mpitarika ireo hiresahana momba ny toe-javatra rehetra izay mety nampiharana herisetra tamin’ny olona iray, na ahiana ho mety iharan’izany (jereo ny 38.6.2.1). Azo antsoina tsy tapaka izany mandritra ny 24 ora ao anatin’ny 7 andro.

Any amin’ireo firenena izay tsy manana laharan-tariby hanomezana fanampiana, ny eveka izay mahafantatra ny fisian’ny fanaovana herisetra dia tokony hifampiresaka amin’ny filohan’ny tsatòkany, izay tokony hangataka torolalana any amin’ny mpanoro hevitra momba ny lalàna ao amin’ny vondromparitra any amin’ny biraon’ny vondromparitra.

Raha te hahazo fampahalalana fanampiny momba ny fanaovana tatitra momba ny herisetra dia jereo ny 38.6.2.1 sy ny 38.6.2.7.


FAMARITANA IREO KARAZANA FILANKEVITRA HANAMPIANA OLONA IRAY HIBEBAKA


32.5

Ireo karazana filankevitra hanampiana olona iray hibebaka

Rehefa nahare ny eveka na ny filohan’ny tsatòka fa nanao fahotana goavana ny mpikambana iray dia manao ireo dingana hiarovana ny hafa izy. Mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina ihany koa izy amin’ny famaritana ny karazana filankevitra hanampiana ilay olona hibebaka sy hanatona kokoa ny Mpamonjy.

32.5.1

Topimaso mikasika ireo karazana filankevitra

Ity tabilao manaraka ity dia mitanisa karazana filankevitra telo hanampiana olona iray hibebaka. Mamintina ireo zavatra hodinihan’ireo mpitarika ihany koa izany rehefa manapa-kevitra ny amin’izay filankevitra horaisina.

Ireo karazana filankevitra hanampiana olona iray hibebaka

Filankevitra

Zavatra tokony hodinihana (jereo koa ny 32.7)

Filankevitra

Filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny tsatòka

Zavatra tokony hodinihana (jereo koa ny 32.7)

  • Ho an’ireo mpikambana efa nandray ny fanafiana masina tany amin’ny tempoly.

  • Takina raha toa ka hoesorina amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy ny lehilahy na ny vehivavy iray efa nandray ny fanafiana masina noho ny iray amin’ireo fahotana goavana na fepetra raisina voaresaka ao amin’ny 32.6.1, na 32.6.2, na 32.6.3.

Filankevitra

Filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny paroasy

Zavatra tokony hodinihana (jereo koa ny 32.7)

  • Ho an’ny mpikambana rehetra.

  • Takina ho an’ireo fahotana goavana voaresaka ao amin’ny 32.6.1.

  • Mety hilaina ho an’ireo fahotana goavana sy ireo fepetra raisina voaresaka ao amin’ny 32.6.2 sy 32.6.3.

  • Tsy ampy raha toa ka hoesorina amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy ny lehilahy na ny vehivavy iray efa nandray ny fanafiana masina noho ny iray amin’ireo fahotana goavana na fepetra raisina voaresaka ao amin’ny 32.6.1, na 32.6.2, na 32.6.3.

Filankevitra

Fanoroana hevitra manokana (jereo ny 32.8)

Zavatra tokony hodinihana (jereo koa ny 32.7)

  • Ho an’ny mpikambana rehetra.

  • Mety ho tafiditra ao ny famerana tsotsotra ny zo maha-mpikamban’ny Fiangonana

  • Mety tsy ampy raha ho an’ireo fahotana goavana na fepetra raisina izay tsara raha misy filankevitra mandinika ny maha-mpikambana hanampy amin’ny dingan’ny fibebahana (jereo ny 32.6.2 sy ny 32.6.3).

  • Tsy ampy raha ho an’ireo fahotana goavana ilàna filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.6.1).

  • Tsy ampy raha toa ka hoesorina amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy ny lehilahy na ny vehivavy iray efa nandray ny fanafiana masina noho ny iray amin’ireo fahotana goavana na fepetra raisina voaresaka ao amin’ny 32.6.1, na 32.6.2, na 32.6.3.

Indraindray ny fanoroana hevitra manokana na ny famerana tsotsotra ny zo ataon’ny eveka na filohan’ny tsatòka dia tsy ampy hanampiana olona iray hibebaka amin’ny fahotana goavana. Nasian’ny Tompo ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana mba hanampiana ny mpitsara ao Isiraely amin’ireo toe-javatra ireo. (Jereo ny Eksodosy 18:12–27; Môzià 26:29–36; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:80–83102.) Ho an’ny fahotana goavana sasany dia takian’ny fitsipika mifehy ny fiangonana ny hisian’ny filankevitra iray (jereo ny 32.6.1). Ny fandikana ireo fanekempihavanan’ny tempoly dia mampitombo ny mety hilàna hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.7.4).

Ao anatin’ny paroasy dia manatrika ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ireo mpanolotsain’ny eveka. Ao anatin’ny tsatòka dia manatrika ireo mpanolotsain’ny filohan’ny tsatòka. Ao amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana sasany eo anivon’ny tsatòka dia mandray anjara ihany koa ny filankevitra avo (jereo ny 32.9.2). Ao anatin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana dia mihaona amin’ilay olona ao anatin’ny fanahin’ny fitiavana ny episkôpà na ny fiadidian’ny tsatòka.

32.5.2

Famaritana ny karazana filankevitra sy ny fotoana

Rehefa manapa-kevitra ny amin’ny filankevitra tsara indrindra hanampiana olona iray hibebaka dia mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina ireo mpitarika. Jeren’izy ireo ihany koa ireto zavatra manaraka ireto:

  • Ny halehiben’ilay fahotana sy ny fitsipiky ny Fiangonana momba ny hoe ilaina ve ny manatanteraka filankevitra sa tsia (jereo ny 32.6)

  • Ny toe-javatra iainan’ilay olona (jereo ny 32.7)

Mifandinika amin’ny filohan’ny tsatòka ny eveka momba ireo toe-javatra manokana. Tsy maintsy mahazo fankatoavana avy amin’ny filohan’ny tsatòka izy mialoha ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana.

Rehefa misy toe-javatra sarotra dia azon’ny filohan’ny tsatòka atao ny mikatsaka torohevitra any amin’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra mpiandraikitra azy. Tsy maintsy mifandinika amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ny filohan’ny tsatòka amin’ireo toe-javatra hazavaina ao amin’ny 32.6.3. Na izany aza dia ilay filohan’ny tsatòka irery ihany no manapa-kevitra raha toa ka tokony hanatanterahana filankevitra ilay fitondrantena. Raha toa ka misy filankevitra tanterahina dia ny filohan’ny tsatòka na ny eveka no manapaka ny vokatr’izany.

Raha toa ka faritan’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka fa fanoroana hevitra manokana dia ampy, dia manaraka ireo torolalana ao amin’ny 32.8 izy. Raha faritany fa ilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana, na takian’ny fitsipiky ny Fiangonana ny hanaovana filankevitra, dia manaraka ireo dingana ao amin’ny 32.9–32.14 ilay olona mitarika izany.

Mialoha ny hanaovana ilay filankevitra dia mety hanapaka ilay eveka na filohan’ny tsatòka fa famerana tsotsotra ny zo maha-mpikambana no tena tsara mandritra ny fotoana voafaritra. Tanterahiny ilay filankevitra raha toa ka izany no hamporisika ilay mpikambana hibebaka amin-kitsim-po. Na izany aza dia tsy tokony hanemotra filankevitra iray izy raha toa ka ilaina izany hiarovana ny hafa.

32.6

Halehiben’ny fahotana sy ny lalàn’ny Fiangonana

Ny halehiben’ny fahotana iray dia zava-dehibe tokony hodinihana rehefa hamaritra ny filankevitra izay (1) hanampy hiarovana ny hafa sy (2) hanampiana ny olona iray hibebaka. Nilaza ny Tompo fa Izy dia “tsy afaka hijery ny fahotana amin’ny hamoram-po faran’izay bitika indrindra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:31; jereo ihany koa ny Môzià 26:29). Tsy tokony hodian’ireo mpanompony tsy fantatra ny porofon’ny fahotana goavana.

Ny fahotana goavana dia fanitsakitsahana mafy tsotra izao ny lalàn’ Andriamanitra. Voatanisa eto ambany ny sokajin’ireo fahotana goavana.

Ireto fizarana manaraka ireto dia mamaritra hoe rahoviana ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana no takina, rahoviana izany no ilaina, ary rahoviana izany no tsy ilaina.

32.6.1

Rahoviana no takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

Tsy maintsy manao filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ny eveka na ny filohan’ny tsatòka rehefa misy fampahalalana milaza fa mety nanao ny iray amin’ireo fahotana voafaritra ato amin’ity fizarana ity ny mpikambana iray. Ho an’ireo fahotana ireo dia takina ny hanatanterahana filankevitra na manao ahoana na manao ahoana ny fahamatorana ara-panahin’ny mpikambana iray sy ny fahatakarany ny filazantsara.

Jereo ny 32.11 hahitana ny mety ho vokatry ny filankevitra izay mifandraika amin’ireo fahotana voatanisa ato amin’ity fizarana ity. Tsy azo safidiana ny famerana tsotsotra ny zo maha-mpikambana ho an’ireo filankevitra ireo.

32.6.1.1

Herisetra sy fanararaotana

Vono olona. Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha toa ka misy mpikambana mamono olona. Raha ny heviny ampiasana azy eto, ny hoe famonoana olona dia fakana ain’olona amin’ny nahim-po, tsy misy zavatra hanamarinana azy. Takina ny fanesorana ilay olona amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy.

Tsy tafiditra amin’ny famonoana olona ny ataon’ireo pôlisy na miaramila eo am-panatanterahana ny asany. Tsy faritana ho famonoana olona ny fanalan-jaza eto. Raha toa ka noho ny loza na noho ny fiarovan-tena na fiarovana ny hafa no nahatonga ny fahafatesana dia tsy faritana ho famonoana olona ilay fakana ain’olona. Mety ho marina ihany koa izany amin’ny toe-javatra hafa, toy ny hoe rehefa tsy salama saina tsara ny olona iray.

Fanolanana. Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ho an’ny fanolanana. Raha ny heviny ampiasana azy eto, ny hoe fanolanana dia firaisana ara-nofo noterena na firaisana ara-nofo amin’olona izay tsy afaka maneho ara-dalàna ny fanekeny noho ny tsy fahatomombanan’ny fahafahany ara-tsaina na ara-batana. Raha ny heviny ampiasana azy eto, dia tsy tafiditra amin’ny hoe fanolanana ny firaisana ara-nofo tsy misy fanerena eo amin’ny zaza tsy ampy taona izay mitovitovy taona.

Fanamelohana ho nanararaotra ara-nofo. Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha toa ka voaheloka ho nanararaotra ara-nofo ny mpikambana iray.

Herisetra atao amin’ny zaza na zatovo. Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha toa ka misy olona manao herisetra amina ankizy na zatovo araka ny hazavaina ao amin’ny 38.6.2.3.

Fanararaotana atao amin’ny vady na olon-dehibe hafa. Misy sokajiny ny halehiben’ny fihetsika feno fanararaotana. Jereo ny 38.6.2.4 hahitana raha takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ho an’ny fanararaotana atao amin’ny vady na olon-dehibe hafa.

Fihetsika feno fanararaotana miharo herisetra. Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha toa ka misy olon-dehibe mamerimberina mandratra olona amin’ny alalan’ny fihetsika feno herisetra ka mety ho loza mitatao ho an’ny hafa.

32.6.1.2

Fitondrantena maloto

Firaisana eo amin’ny mpianaka na ny mpiray tampo. Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ho an’ny firaisana eo amin’ny mpianaka na ny mpiray tampo araka ny voafaritra ao amin’ny 38.6.10. Matetika dia takina hatrany ny hanesorana ilay olona amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy.

Pôrnôgrafia ahatafidiran’ankizy. Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha toa ka misy olona mandray anjara amin’ny pôrnôgrafia ahatafidiran’ankizy araka ny hazavaina ao amin’ny 38.6.6.

Fampakarana vady maro. Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha toa ka minia mampakatra vady maro ny olona iray. Ny fananana vady maro indraindray dia afenina, ka tsy mahalala ny momba ireo vady hafa ny vady anankiray. Takina ny fanesorana ilay olona amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy raha toa ka minia mampakatra vady maro izy.

Fihetsika feno fanararaotana ara-nofo. Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha toa ka misy olon-dehibe mamerimberina manao ratsy olona ara-nofo ka mety ho loza mitatao ho an’ny hafa.

32.6.1.3

Fisolokiana

Fihetsika feno fanararaotana amin’ny ara-bola. Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha toa ka misy olon-dehibe efa ninia sy niverimberina nanao ratsy olona amin’ny resa-bola ka mety ho loza ho an’ny hafa (jereo ny 38.6.2.4). Tafiditra amin’izany ny fanaovana hosoka amin’ny fampiasam-bola sy ny zavatra toy izany. Ny fatiantoka ara-bola tsy fanahy iniana noho ny toe-draharaha ara-toe-karena dia tsy raisina ho toy ny soloky. Raha misy fampiakarana any amin’ny fitsarana dia azon’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana atao ny manapa-kevitra ny hiandry mandra-pivoaky ny didim-pitsarana farany. Jereo ny 32.6.3.3 raha toa nisy mpikambana voarohirohy tamina fanodinkodinana ny volan’ny Fiangonana na ny fananan’ny Fiangonana.

32.6.1.4

Fivadiham-pitokisana

Fahotana goavana nandritra ny fihazonana toerana lehibe sy fanta-daza tato amin’ny Fiangonana. Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha toa ka nanao fahotana goavana ny mpikambana iray izay mihazona toerana lehibe sy fanta-daza ato amin’ny Fiangonana. Tafiditra amin’izany ny Manampahefana Ambony, na Mpiandraikitra Ambony ato amin’ny Fiangonana, na Fitopololahin’ny Vondromparitra, na filohan’ny tempoly na vadin’ny filohan’ny tempoly, na filohan’ny misiôna na ny vadiny, na filohan’ny tsatòka, na patriarika, na eveka. Tsy mihatra amin’ny filohan’ny sampana izany. Na izany aza anefa dia mety hoferana na esorina tahaka ny atao amin’ny mpikambana hafa ny tombontsoa manokana ananan’ny filohan’ny sampana amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy.

32.6.1.5

Fihetsika vitsivitsy hafa

Heloka bevava. Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana amin’ny ankamaroan’ny toe-draharaha izay hiampangana olona iray ho nanao heloka bevava.

32.6.2

Rahoviana no mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

Mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana amin’ireto tranga manaraka ireto:

32.6.2.1

Herisetra sy fanararaotana

Nandidy ny Tompo hoe: “Tsy … hamono olona [ianao], na hanao zavatra toy izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:6; nampiana soramandry). Ny herisetra sy fanararaotana izay mety hilana hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana dia voatanisa eto ambany (saingy tsy voafetran’izay).

Fikasana hamono olona. Minia miezaka mamono olona.

Herisetra ara-nofo, tafiditra amin’izany ny fandrahonana sy ny taky firaisana ara-nofo. Ny herisetra ara-nofo dia mahafaoka zavatra atao isan-karazany (jereo ny 38.6.18). Mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ho an’ny olona iray izay nihetraketraka na nanararaotra ara-nofo ny olona iray. Tsy dia isalasalana loatra fa ilaina ny filankevitra mba hanampiana mpikambana iray hibebaka raha nandika ireo fanekempihavana natao tany amin’ny tempoly izy na niverimberina ilay fahotany. Jereo ny 38.6.18.3 mikasika ny fotoana itakiana ny hanatanterahana filankevitra.

Fanararaotana atao amin’ny vady na olon-dehibe hafa. Misy sokajiny ny halehiben’ny fihetsika feno fanararaotana (jereo ny 38.6.2.4). Mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ho an’ny olona iray izay efa nahery setra tamin’ny vadiny na olon-dehibe iray hafa. Tsy dia isalasalana loatra fa ilaina ny filankevitra mba hanampiana mpikambana iray hibebaka raha nandika ireo fanekempihavana natao tany amin’ny tempoly izy na niverimberina ilay fahotany. Jereo ny 38.6.2.4 mikasika ny fotoana itakiana ny hanatanterahana filankevitra.

32.6.2.2

Fitondrantena maloto

Ny lalàn’ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena dia ny tsy fanaovana firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana ara-dalàna eo amin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray (jereo ny Eksodosy 20:14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:16). Mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra ho an’ny fitondrantena maloto araka ny voafaritra ao amin’ny 38.6.5. Amin’ireo toe-java-misy ireo dia tsy isalasalana firy fa ilaina ny filankevitra mba hanampiana mpikambana iray hibebaka raha nandika ireo fanekempihavana natao tany amin’ny tempoly izy na niverimberina ilay fahotany. Jereo ny 32.6.1.2 mikasika ny fotoana itakiana ny hanatanterahana filankevitra.

32.6.2.3

Fisolokiana

Mampianatra ny didy folo hoe “Aza mangalatra” na manao “vavolombelona mandainga” (Eksodosy 20:15–16). Mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ho an’ny fihetsika toy ny fanendahana, famakiana trano, fangalarana, fanodinkodinam-bola, ny vavolombelona mandainga ary ny fisolokiana. Amin’ireo toe-java-misy ireo dia tsy isalasalana firy fa ilaina ny filankevitra mba hanampiana mpikambana iray hibebaka raha nandika ireo fanekempihavana natao tany amin’ny tempoly izy na niverimberina ilay fahotany.

Jereo ny 32.6.1.3 mikasika ny fotoana itakiana ny hanatanterahana filankevitra ho an’ny fisolokiana. Jereo ny 32.6.3.3 raha toa nisy mpikambana voarohirohy tamina fanodinkodinana ny volan’ny Fiangonana na ny fananan’ny Fiangonana. Jereo ny 38.8.2 ho an’ny fisolokiana ataon’olona efa mifankazatra amin’ny Fiangonana.

32.6.2.4

Fivadiham-pitokisana

Mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha toa ny mpikambana iray ka:

  • Manao fahotana goavana kanefa nihazona toerana manampahefana na nametrahana fitokisana tao amin’ny Fiangonana na ny fiarahamonina.

  • Manao fahotana goavana izay fantatry ny besinimaro.

Amin’ireo toe-java-misy ireo dia tsy isalasalana firy fa ilaina ny filankevitra mba hanampiana mpikambana iray hibebaka raha nandika ireo fanekempihavana natao tany amin’ny tempoly izy na niverimberina ilay fahotany.

Jereo ny 32.6.1.4 mikasika ny fotoana itakiana ny hanatanterahana filankevitra. Jereo ny 32.6.3.3 raha toa nisy mpikambana voarohirohy tamina fanodinkodinana ny volan’ny Fiangonana na ny fananan’ny Fiangonana.

32.6.2.5

Fihetsika vitsivitsy hafa

Nampianatra ny Mpanjaka Benjamina hoe: “Izaho dia tsy afaka milaza aminareo ny zavatra rehetra izay mety hanotanareo; fa misy lalana sy fomba samihafa, be loatra aza ka tsy hitako hisaina izy ireny” (Môzià 4:29). Mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra raha toa ny mpikambana iray ka:

  • Hita taratra ho toy ny manao fahotana goavana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:7).

  • Minia miala amin’ireo andraikiny ao amin’ny fianakaviana, tafiditra amin’izany ny tsy fandoavana ny vola tokony hikarakarana zanaka sy ny vola tsy maintsy haloa ho an’ny vady taloha.

  • Manambana ny hanao herisetra ara-batana, na mivantana na en ligne (jereo ny 32.2.1).

  • Mivarotra zava-mahadomelina tsy ara-dalàna.

  • Manao heloka bevava hafa.

Amin’ireo toe-java-misy ireo dia tsy isalasalana firy fa ilaina ny filankevitra mba hanampiana mpikambana iray hibebaka raha nandika ireo fanekempihavana natao tany amin’ny tempoly izy na niverimberina ilay fahotany.

Mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha toa ka misy mpikambana iray manaiky, na manatanteraka, na mandrindra, na manohana ara-bola, na mamporisika ny fanalana zaza. Jereo ny 38.6.1 mba hahitana torolalana.

Rahoviana no takina na mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

Karazana fahotana

Takina ny hanaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.6.1)

Mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.6.2)

Karazana fahotana

Herisetra sy fanararaotana

Takina ny hanaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.6.1)

  • Vono olona

  • Fanolanana

  • Fanamelohana noho ny fanararaotana ara-nofo

  • Herisetra atao amin’ny zaza na zatovo

  • Fihetsika feno fanararaotana miharo herisetra

Mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.6.2)

  • Fikasana hamono olona

  • Herisetra ara-nofo, tafiditra ao anatin’izany ny fandrahonana sy ny fitakiana firaisana ara-nofo (jereo ny 38.6.18 mikasika ny fotoana itakiana ny hanatanterahana filankevitra)

  • Fanararaotana atao amin’ny vady na olon-dehibe hafa (jereo ny 38.6.2.4 mikasika ny fotoana itakiana ny hanatanterahana filankevitra)

Karazana fahotana

Fitondrantena maloto

Takina ny hanaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.6.1)

  • Firaisana ara-nofo eo amin’ny mpianaka na mpiray tampo

  • Pôrnôgrafia ahatafidiran’ankizy

  • Fampakarana vady maro

  • Fihetsika feno fanaraoraotana ara-nofo

Mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.6.2)

  • Fanitsakitsaham-bady, fijangajangana, fiarahan’ny olon-droa mitovy fananahana, ary izay firaisana ara-nofo hafa rehetra ivelan’ny fanambadiana ara-dalàna eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, anisan’izany ireo fifaneraserana mifandray amin’ny firaisana ara-nofo amin’ny Internet na an-telefaona

  • Fanaovana tokantranomaso, karazan-jo neken’ny lalàna sy fahazoa-miaraka ho an’ny olon-droa mitovy fananahana, ary fanambadian’ny samy lahy na ny samy vavy

  • Fikirakirana mihoa-pampana na fiankinan-doha amin’ny pôrnôgrafia izay mitondra takaitra goavana amin’ny fanambadiana na ny fianakavian’ny mpikambana iray

Karazana fahotana

Fisolokiana

Takina ny hanaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.6.1)

  • Fihetsika feno fanararaotana amin’ny ara-bola, toy ny fisolokiana na zavatra atao mitovitovy amin’izany (jereo ny 32.6.3.3 raha toa nisy mpikambana voarohirohy tamina fanodinkodinana ny volan’ny Fiangonana na ny fananan’ny Fiangonana)

Mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.6.2)

  • Fanendahana, na famakiana trano, na fangalarana, na fanodinkodinam-bola (jereo ny 32.6.3.3 raha toa nisy mpikambana voarohirohy tamina fanodinkodinana ny volan’ny Fiangonana na ny fananan’ny Fiangonana)

  • Vavolombelona mandainga

Karazana fahotana

Fivadiham-pitokisana

Takina ny hanaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.6.1)

  • Fahotana goavana nandritra ny fihazonana toerana lehibe sy fanta-daza tato amin’ny Fiangonana

Mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.6.2)

  • Fahotana goavana nandritra ny fihazonana toerana manampahefana na hametrahana fitokisana ao amin’ny Fiangonana na eo amin’ny fiarahamonina (jereo ny 32.6.3.3 raha toa nisy mpikambana voarohirohy tamina fanodinkodinana ny volan’ny Fiangonana na ny fananan’ny Fiangonana)

  • Fahotana goavana izay fantatry ny besinimaro

Karazana fahotana

Fihetsika vitsivitsy hafa

Takina ny hanaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.6.1)

  • Ny ankamaroan’ireo heloka bevava

Mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.6.2)

  • Fanalan-jaza (raha tsy hoe mihatra ilay tranga maningana ao amin’ny 38.6.1)

  • Fiverimberenan’ny fanaovana fahotana goavana

  • Fialana an-kitsirano amin’ireo andraikitra ao amin’ny fianakaviana, tafiditra amin’izany ny tsy fandoavana ny vola tokony hikarakarana zanaka sy ny vola tsy maintsy haloa ho an’ny vady taloha

  • Fivarotana zava-mahadomelina tsy ara-dalàna

  • Heloka bevava hafa

32.6.3

Ny fotoana iarahan’ny filohan’ny tsatòka midinika amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra momba ny hoe filankevitra mandinika ny maha-mpikambana sa fepetra hafa no ilaina raisina

Misy ireo tranga sasany izay ilana fitandremana fanampiny sy fitarihana bebe kokoa. Mba hahafantarana ny fomba tena tsara hanampiana dia tsy maintsy mifandinika amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ny filohan’ny tsatòka momba ireo toe-javatra ato amin’ity fizarana ity. Na izany aza dia ilay filohan’ny tsatòka irery ihany no manapa-kevitra raha toa ka tokony hanatanterahana filankevitra ilay fitondrantena. Raha toa ka misy filankevitra tanterahina dia ny filohan’ny tsatòka na ny eveka no manapaka ny vokatr’izany.

Raha toa ka anatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ny iray amin’ireo tranga voaresaka ato amin’ity fizarana ity dia tsy maintsy iray amin’ny “fisitrahana ny zo rehetra amin’ny maha-mpikambana azy,” na “famerana ireo zo amin’ny fomba ôfisialy amin’ny maha-mpikambana,” na “fanesorana tsy ho mpikambana” no fanapahan-kevitr’izany filankevitra izany. Takiana ny fankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany raha hanala ny famerana ôfisialy ny zo amin’ny maha-mpikambana na hamerina ilay olona ato amin’ny Fiangonana (jereo ny 32.16.1, laharana faha-9).

32.6.3.1

Fepetra raisina hafa

Raha toa ka tsy misy filankevitra tanterahina, ny fepetra hafa raisina dia ahitana ny:

  • Famerana tsy amin’ny fomba ôfisialy ny zo amin’ny maha-mpikambana (jereo ny 32.8.3).

  • Fanisiana fanamarihana ao amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana (jereo ny 32.14.5).

  • Famerana ny ôrdônansy, izay mametra ny olona iray tsy handray na hampiasa ny fisoronana na handray na hampiasa fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

Mifandinika amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ny filohan’ny tsatòka mialoha ny handraisana ireo fepetra ireo.

32.6.3.2

Apôstazia

Matetika ny olana avy amin’ny apôstazia dia mipaka any ivelan’ny faritry ny paroasy na tsatòka iray. Mila handraisana fepetra haingana izany mba hiarovana ny hafa.

Mifandinika amin’ny filohan’ny tsatòka ny eveka raha toa ka tsapany fa mety hiteraka apôstazia ny zavatra ataon’ny mpikambana iray. Mety hametra tsy amin’ny fomba ôfisialy ny zo amin’ny maha-mpikambana an’ilay mpikambana ny eveka na ny filohan’ny tsatòka (jereo ny 32.8.3). Mifampidinika haingana amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ilay filohan’ny tsatòka. Na izany aza dia ilay filohan’ny tsatòka ihany no manapa-kevitra raha toa ka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana na fandraisana fepetra hafa no ilaina.

Araka ny ampiasana azy eto, ny hoe apôstazia dia ilazana ny mpikambana iray izay manao ireto manaraka ireto:

  • Minia mamerimberina manohitra ampahibemaso amin’ny fomba mazava ny Fiangonana, na ny fotopampiarany, na ireo fitsipiny, na ireo mpitarika ao aminy

  • Mikiry mampianatra ho fotopampianarana ny fotopampianarana izay tsy an’ny Fiangonana kanefa efa nahitsin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka

  • Maneho karazana fihetsika fanahy iniana mba hampalemy ny finoana sy ny zavatra ataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana

  • Manohy manaraka ny fampianaran’ireo sekta izay tsy manaiky ny fampianaran’ny Fiangonana kanefa efa nahitsin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka

  • Miditra ho mpikambana ôfisialy amin’ny fiangonana hafa ary mivoy ny fampianarany (Ny tsy fandraisana anjara tanteraka ato amin’ny Fiangonana na ny fandehanana any amin’ny fiangonana hafa dia tsy apôstazia. Na izany aza, raha toa ka miditra ho mpikambana ôfisialy any amin’ny fiangonana hafa ny mpikambana iray ary miaro ireo fampianarana ao amin’izany dia mety hilaina ny fanesorana azy tsy ho mpikambana.)

Ny Mpamonjy dia nampianatra ireo Nefita fa tokony hanohy hanompo hatrany ny olona izay nanota izy ireo. “Nefa raha tsy mibebaka izy dia tsy horaisina ho isan’ny oloko mba tsy hahazoany mandrava ny oloko, fa indro fantatro ny ondriko, ary voaisa ireny” (3 Nefia 18:31).

32.6.3.3

Fanodinkodinana ny volan’ny Fiangonana

Raha toa ka manodinkodina ny volan’ny Fiangonana na mangalatra fananana lafo vidin’ny Fiangonana ny mpikambana iray dia mifampidinika amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ny filohan’ny tsatòka momba ny hoe filankevitra mandinika ny maha-mpikambana sa fepetra hafa no ilaina raisina. Tokony hojeren’ny mpitarika ireto:

  • Ny fitambaran’ny vola nahodinkodina na nangalarina.

  • Raha toa ilay fanodinkodinam-bola ka niseho indray mandeha fotsiny na niverimberina.

  • Raha toa ka efa nisy fanonerana.

  • Ny halehiben’ny fanenenan’ilay olona.

  • Ny toerana nohazonin’ilay mpikambana (jereo ny 32.6.1.4 ho an’ireo mpikambana izay mihazona toerana lehibe sy fanta-daza ato amin’ny Fiangonana).

Manao tatitra ny iray amin’ireto manaraka ireto ao amin’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers ny filohan’ny tsatòka:

  • Ireo vokatra nateraky ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

  • Nifandinika tamin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra izy ary nanapa-kevitra fa tsy ilaina ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

Raha toa ny Departemanta misahana ny fanamarinam-bolan’ny Fiangonana ka mahita fa misy mpitarika iray na mpiasan’ny Fiangonana iray nanodinkodina volan’ny Fiangonana na fananan’ny Fiangonana, dia ny Fiadidiana Voalohany amin’ny ankapobeny no manome baiko ny hanisiana fanamarihana ao anatin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ilay olona. Ny hoe “mpitarika” dia voafaritra ho toy ny olona iray mihazona toerana lehibe sy fanta-daza ato amin’ny Fiangonana, torak’izany koa ireo mpanolotsaina sy ireo mpitamboky ary ireo fiadidian’ny sampana. Rehefa feno ny fibebahana dia afaka mangataka ny fanalana ilay fanamarihana ny filohan’ny tsatòka (jereo ny 32.14.5 sy ny 34.7.5). Ny fanisiana fanamarihana dia tsy midika hoe nisy filankevitra mandinika ny maha-mpikambana na fandraisana fepetra hafa nitranga.

32.6.3.4

Transgenre (olona izay tsy mitovy amin’ny namaritana azy ny fahatsapany ny maha-lahy na ny maha-vavy azy na ny fanehoany izany)

Ny eveka na ny filohan’ny tsatòka izay miaraka miasa amin’ireo izay milaza ny tenany ho “transgenre” dia tokony hanaraka ireo toromarika ao amin’ny 38.6.23.

32.6.4

Rahoviana no tsy ilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha ny tokony ho izy

Tsy ilaina raha ny tokony ho izy ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana amin’ireto trangan-javatra manaraka ireto.

32.6.4.1

Tsy fanarahana ny sasany amin’ireo fenitry ny Fiangonana

Tsy hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ny fanaovana ireto zavatra voatanisa etsy ambany ireto. Na izany aza anefa dia mariho ilay zavatra maningana eo amin’ny farany.

  • Tsy fandraisana anjara ato amin’ny Fiangonana

  • Tsy fanatanterahana ireo andraikitra ato am-piangonana

  • Tsy fandoavana fahafolonkarena

  • Fahotana noho ny tsy fanaovana ny zavatra tokony atao

  • Fikasihan-tena hahazoana fahafinaretana ara-nofo

  • Tsy fanarahana ny Tenin’ny Fahendrena

  • Fampiasana ny pôrnôgrafia, afa-tsy ny pôrnôgrafia ahatafidiran’ankizy (araka ny hazavaina ao amin’ny 38.6.6) na ny fampiasana be ny pôrnôgrafia na fiankinan-doha amin’ny pôrnôgrafia izay mitondra takaitra goavana amin’ny fanambadiana na ny fianakavian’ny mpikambana iray (araka ny hazavaina ao amin’ny 38.6.13).

32.6.4.2

Tsy fahombiazan’ny raharaha ara-barotra atao na tsy fandoavana trosa

Tsy tokony hampiasa ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ireo mpitarika mba handravonana raharaha ara-barotra. Ny tsy fahombiazan’ny raharaha ara-barotra sy ny tsy fandoavana trosa dia tsy antony hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana. Na izany aza dia tsy maintsy anatanterahana filankevitra ny fisolokiana goavana na ny fihetsika feno famitahana ara-bola hafa (jereo ny 32.6.1.3).

32.6.4.3

Fifandirana eo amin’ny fiarahamonina

Tsy anatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ny famahana fifandirana eo amin’ny fiarahamonina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:11).

32.7

Ny toe-javatra misy ilay olona

Hoy ny Tompo: “Ny sandrin’ny famindram-poko dia mitsotra aminareo, ary na zovy na zovy no ho avy, dia izy no horaisiko; ary hotahiana ireo izay mankaty Amiko” (3 Nefia 9:14). Ny toe-javatra misy ny olona iray dia zavatra tena manan-danja tokony hodinihana mba hamaritana:

  • Ny karazana filankevitra tena mety hanampiana azy hibebaka amin’ireo fahotana goavana (jereo ny 32.5 sy ny 32.6).

  • Ny fanapahan-kevitra noraisina tao amin’ny fanoroana hevitra manokana na ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.8 sy ny 32.11).

Mikatsaka ny eritreritra sy ny sitrapon’ny Tompo amin’ny toe-java-misy tsirairay ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka. Mandinika ireto zavatra manaraka ireto izy ireo amin’ny fanapahana ny karazana filankevitra tokony hampiasaina sy ny ho vokatr’izany. Tsy milaza fanapahan-kevitra manokana ireo zavatra ireo. Fa fanampiana kosa ho an’ny mpitarika amin’ny fanapahan-kevitra izay tsy maintsy raisin’izy ireo ombam-bavaka sy araka ny fitarihin’ny Fanahy.

32.7.1

Ny halehiben’ny fahotana

Ny maha-goavana ny fahotana dia refesina amin’ny halehibeny. Tafiditra amin’izany ny isan’ny fahotana natao sy ny fiverimberenany, ny hamafin’ny ratra vokatr’izany, ary ny isan’ny olona voadonan’izany.

32.7.2

Ny tombontsoan’ireo izay niharan’ny fahotana

Jeren’ireo mpitarika ny tombontsoan’ireo izay niharan’ny fahotana sy ny hafa. Mety ho tafiditra amin’izany ny vadin’ny olona iray na olona hafa ao amin’ny fianakaviany. Jeren’ireo mpitarika ihany koa ny hamafin’ny ratra.

32.7.3

Porofon’ny fibebahana

Ilaina ny fitarihana ara-panahy mba hanavahana raha toa ka tena nibebaka tamin-kitsim-po ny olona iray. Azo antoka kokoa ny fisehon’ny fibebahana toy izany amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra amim-pahamarinana rehefa mandeha ny fotoana fa tsy amin’ny fanehoana alahelo be mandritra ny dinidinika iray. Ny zavatra tokony hodinihana dia:

  • Ny tanjaky ny finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Ny toetran’ny fibabohana.

  • Ny halalin’ny alahelo noho ilay fahotana.

  • Ny fanonerana amin’ireo olona voaratra.

  • Fanarahana ireo fepetra takin’ny lalàna.

  • Fahombiazana amin’ny fialana amin’ilay fahotana.

  • Fahatokiana amin’ny fankatoavana ireo didy hatry ny nanaovana ilay fahotana.

  • Ny fahamarinan-toetra amin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana sy ny hafa.

  • Fahavononana hanaraka ny torohevitr’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana.

Sary
vehivavy iray mivavaka

32.7.4

Fandikana ireo fanekempihavanan’ny tempoly

Nanambara ny Tompo hoe: “Fa amin’izay omena be no takina be” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82: 3). Ny olona iray izay nandray ny fanafiana masina tany amin’ny tempoly dia nanao fanekempihavanana ny hiaina fitsipika ambony kokoa. Ny fandikana ireo fanekempihavanana ireo dia mampitombo ny maha-goavana ilay fahotana. Mampitombo ny mety hilàna hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana izany.

32.7.5

Fihazonana toerana anankinana fitokiana na fahefana

Mihamitombo ny maha-goavana ny fahotana raha toa ka nataon’ny olona iray tamin’ny nitanany toerana anankinana fitokiana na fahefana izany, toy ny ray na reny na mpitarika na mpampianatra.

32.7.6

Famerimberenana

Ny fisehoan’ny famerimberenana fahotana goavana iray dia mety maneho toetra efa tafapaka lalina na fiankinan-doha izay manakana ny fivoarana mankany amin’ny tena fibebahana. Ankoatra ny famerana ireo zo amin’ny maha-mpikambana izay mety hilaina dia mety hanampy koa ny fandaharan’asa fanasitranana amin’ny fiankinan-doha sy ny torohevitra avy amin’ny manam-pahaizana (jereo ny 32.8.2).

32.7.7

Taona, fahamatorana, ary traikefa

Jeren’ireo mpitarika ny taona, sy ny fahamatorana, ary ny traikefa rehefa manome torohevitra mpikambana na manapa-kevitra ny amin’ny vokatry ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana izy ireo. Famindram-po no mety kokoa ho an’ireo izay tsy ampy fahamatorana amin’ny filazantsara. Ohatra, mety kokoa ho an’ireo mpikambana tanora izay manao fihetsika tsy mendrika no hamindrana fo rehefa mandao ilay fahotana sy maneho fibebahana marina izy. Na izany aza dia mety hilaina ny fakana fepetra henjana kokoa raha toa ka mikiry manao ilay fihetsika izy.

32.7.8

Fahaizana ara-tsaina

Ny aretin-tsaina na ny fiankinan-doha na ny tsy fahampiana ara-tsaina dia tsy manala tsiny ny olona nanao fahotana goavana. Na izany aza dia zavatra tokony hojerena ireo. Ao anatin’ny fanampiana olona iray hibebaka dia mikatsaka ny fitarihan’ny Tompo ireo mpitarika momba ny fahatakaran’ilay olona ireo fitsipiky ny filazantsara sy ny halehiben’ny maha-tompon’andraikitra azy.

32.7.9

Fibabohana an-tsitrapo

Ny fibabohaba an-tsitrapo sy ny alahelo araka an’ Andriamanitra noho ny zavatra nataon’ny olona iray dia maneho ny faniriana hibebaka.

32.7.10

Ny fotoana nanelanelana ilay fahotana sy ny fibabohana

Ny fibabohana dia tafiditra ao amin’ny fibebahana ary tsy tokony hahemotra. Matetika ny fahotana dia arahin’ny fotoana ela hanonerana sy hiainana amim-pahatokiana. Raha toa ka mibaboka fahotana ny mpikambana iray ary tsy namerina izany dia maneho izany fa navelany ilay izy. Amin’izay tranga izay ny fibabohana dia manapitra ireo dingan’ny fibebahana fa tsy ho fanombohany.

32.7.11.

Fahotana izay misy hidiran’ireo mpikambana mipetraka any amin’ny paroasy na tsatòka samihafa

Indraindray ireo mpikambana izay miara-manao fahotana goavana dia mipetraka any amin’ny paroasy na tsatòka samihafa. Eo anatrehan’izany toe-javatra izany dia mifampidinika ireo filohan’ny tsatòka mikasika ny filana ny fanatanterahana ny famerana ireo zo amin’ny maha-mpikambana na ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana. Mifanakalo hevitra koa izy ireo raha toa ka mari-pototra tsara ny tsy fiovan’ireo fanapahan-kevitra noraisina avy amin’ny famerana ireo zo na ny filankevitra, na misy toe-javatra hafa izay mety mampiseho ny filana vokany hafa.


FITANTANANA NY FANOMEZANA TOROHEVITRA MANOKANA


32.8

Ny fanomezana torohevitra manokana sy ny famerana tsy amin’ny fomba ôfisialy ny zo amin’ny maha-mpikambana

Matetika dia ampy ny fanomezana torohevitra manokana mba hiarovana ny hafa sy hanampiana olona hahazo ny hery manavotry ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fibebahana. Ny fanomezana torohevitra toy izany dia afaka manampy ihany koa ireo mpikambana hiambina ka tsy hanao fahotana lehibe kokoa. Ao anatin’ny fanoroana hevitra manokana dia afaka mametra amin’ny fomba tsy ôfisialy ny zo amin’ny maha-mpikambana ireo mpitarika mba hanampiana ny mpikambana iray hibebaka amin’ny fahotana goavana sasany (jereo ny 32.8.3).

Tsy tokony hamaivanina ny fandraisana an-tanana ireo fahotana goavana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:31). Ny fandikana ireo fanekempihavanan’ny tempoly dia mampitombo ny mety hilàna hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.7.4).

Voatanisa eto ambany ireo toromarika hanampiana ireo mpitarika hamantatra rehefa ampy ny hanomezana torohevitra manokana sy famerana tsotsotra ireo zo (jereo ny 32.7):

  • Tsy nanao fahotana izay hitaky ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ny olona iray (jereo ny 32.6.1).

  • Nibaboka an-tsitrapo ny olona iray ary nibebaka marina.

  • Mibebaka amin’ny fahotana goavana izay tsy mbola nataony tany aloha ny olona iray.

  • Tsy nanitsakitsaka ireo fanekempihavanan’ny tempoly ny fahotana nataon’ny olona iray.

  • Mampihena ny hamafin’ny fitsarana tokony hatao aminy ny toe-javatra misy ilay olona.

32.8.1

Fanomezana torohevitra manokana

Ireto toromarika manaraka ireto dia mihatra rehefa manome torohevitra mpikambana ny eveka na ny filohan’ny tsatòka mba hanampiana azy hibebaka.

  • Manontania mba hangatahana fampahalalana ampy fotsiny hamaritana (1) ny fihetsik’ilay mpikambana manoloana ilay fitondrantena feno fahotana sy (2) ny toetra, ny fiverimberenana, ary ny faharetan’ilay fitondrantena. Aza manontany antsipirian-javatra mihoatra izay ilaina hahatakarana ilay toe-javatra. Aza mametraka fanontaniana avy amin’ny zavatra manitikitika ny sainao manokana.

  • Anontanio ny fiantraikan’ilay fihetsika tamin’ny hafa.

  • Mifantoha amin’ny toe-javatra tsara izay mampahalalina ny fiovam-pon’ilay mpikambana sy ny fanoloran-tenany amin’ny Tompo. Amporisiho ilay mpikambana hanao zavatra manokana hahatonga ny fiovan-toetra sy ny fiovam-po entina mibebaka. Asao izy hanatona kokoa ny Mpamonjy, sady hikatsaka ny heriny sy hahatsapa ny fitiavany manavotra.

  • Amporisiho ny fanaovan-javatra mampitombo ara-panahy toy ny mivavaka, mandalina ny soratra masina, ary ny famonjena ireo fivoriam-piangonana. Ampianaro fa ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly dia afaka mampihena ny herin’ny fahavalo. Amporisiho ny fanompoana ny hafa sy ny fizarana ny filazantsara.

  • Amporisiho ny hanaovana fanonerana amin’ireo izay noratrain’ny fahotana ka hangataka famelan-keloka

  • Amporisiho ny hialana amin’ireo fitaoman-dratsy. Ampio ireo mpikambana handray fepetra ho fisorohana ireo fakam-panahy voafaritra manokana.

  • Ekeo fa ianao dia mpitarika ara-pivavahana, fa tsy mpanoro hevitra matihanina. Ho fanampin’ny torohevitra izay atolotrao dia mety hitondra tombontsoa ho an’ireo mpikambana ny fanomezana torohevitra momba ny fitondrantena. Ny sasany dia manana aretin-tsaina. Raha ilaina dia toroy hevitra ireo mpikambana hitady fanampiana amin’ireo matihanina ara-pahasalamana sy momba ny aretin-tsaina (jereo ny 31.3. 6).

  • Mivavaha hatrany ary katsaho ny fitarihan’ny Fanahy mialoha ny hanomezana famerana tsy ôfisialy ny zo amin’ny maha-mpikambana. Ny mpikambana sasany dia mety hahita tombontsoa amin’ny fampiasana misimisy kokoa ireo tombontsoa manokana ananany amin’ny maha-mpikambana azy fa tsy ny famerana izany.

  • Asio fanaraha-maso mba hanomezana fankaherezana, sy hampatanjaka ara-panahy, ary hanara-maso ny fivoarana.

Rehefa avy nibaboka tamin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ny mpikambana iray dia mety hiseho amin’ny fomba maro ny fanaraha-maso. Ilay mpitarika ihany dia afaka manao izany. Na, rehefa nahazo lalana avy tamin’ilay mpikambana, dia afaka manome andraikitra ny iray amin’ireo mpanolotsainy izy hanao izany.

Rehefa eken’ilay mpikambana dia afaka manome andraikitra ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona na ny Fikambanana Ifanampiana ny eveka na ny filohan’ny tsatòka mba hanampy amin’ny fomba voafaritra manokana. Ho an’ny zatovo, dia afaka manome andraikitra ny mpanorohevitra ao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy na ny Fisoronana Aharôna izy mba hanampy. Ireo izay omena andraikitra hanampy dia manana ny fitaomam-panahy hanatanterahana izany asa nampiandraiketina izany (jereo ny 4.2.6).

Rehefa manome andraikitra olona hanampy amin’ny fanaraha-maso ilay mpitarika dia izay fampahalalana ampy ilaina amin’ny fanampiana ilay mpikambana ihany no omeny. Tsy maintsy hazonin’ilay olona nomena andraikitra ny maha-tsiambaratelo izany. Mampahafantatra an’ilay eveka ny fivoarana sy ny zavatra ilain’ilay mpikambana izy.

Sary
vehivavy iray mivavaka

32.8.2

Fanampiana ny olona handray andraikitra eo anatrehan’ny fiankinan-doha sy ny fampiasana pôrnôgrafia

Ny fanomezana torohevitra manokana indraindray dia ahitana ny fanampiana ireo mpikambana hibebaka amin’ny fahotana mifandraika amin’ny fiankinan-doha na aterak’izany. Mety ho tafiditra amin’izany fiankinan-doha izany ny singan-javatra na fihetsika maro isan-karazany. Mandratra olona sy fanambadiana ary fianakaviana ny fiankinan-doha. Mety hanoro hevitra ireo mpikambana ny eveka mba hikatsaka fanampiana amin’ny fandaharan’asan’ny Fiangonana momba ny fanasitranana amin’ny fiankinan-doha sy amin’ireo matihanina ara-pahasalamana sy momba ny fahasalamana ara-tsaina.

Mihalasa zavatra mahazatra ny fampiasana pôrnôgrafia. Na matetika be na tsindraindray ny fampiasana ny pôrnôgrafia dia manimba izany. Mandroaka ny Fanahy izany. Mampihena ny fahafahana mandray ny hery izay avy amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanana izany. Manimba fifandraisana sarobidy ihany koa izany.

Ny fanoroana hevitra manokana na ny famerana tsy amin’ny fomba ôfisialy ny zo amin’ny maha-mpikambana matetika dia ampy hanampiana olona iray hibebaka amin’ny fampiasana ny pôrnôgrafia. Amin’ny ankapobeny dia tsy anatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana izany. Ho an’ny tranga maningana dia jereo ny 38.6.6 sy ny 38.6.13. Mety hanampy ny torohevitra avy amin’ny matihanina.

Manohana ireo fianakaviana araka izay ilaina ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka. Azo ampidirina ao ny ray aman-dreny rehefa manoro hevitra zatovo momba ny fampiasana ny pôrnôgrafia. Azo ampidirina ao ny vady rehefa manoro hevitra olona manam-bady.

Ho fampahalalana fanampiny mikasika ny fanoroana hevitra mpikambana izay tafalatsaka ao amin’ny pôrnôgrafia dia jereo ny 38.6.13.

32.8.3

Famerana tsotsotra ny zo maha-mpikambana

Ankoatra ny famporisihana hanao zavatra tsara rehefa manome torohevitra dia mety hametra tsy amin’ny fomba ôfisialy amin’ny fotoana voafetra ny tombontsoa manokana sasany amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Rehefa voatantana amin’ny fomba feno fahendrena ireo famerana ireo dia afaka manampy amin’ny fibebahana sy ny fivoarana ara-panahy. Raisina ho tsy ôfisialy izy ireo satria tsy soratana ao amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana.

Mety haharitra herinandro vitsivitsy, na volana maromaro, na elaela kokoa ny famerana tsotsotra ireo zo mba hahafahan’ilay olona mibebaka tanteraka. Ho an’ny toe-javatra tsy mahazatra dia mety haharitra mihoatra ny herintaona ny fotoana.

Mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy ireo mpitarika momba ny famerana izay tena manampy indrindra ny olona iray hibebaka. Mety ho tafiditra amin’izany ny fampiatoana ny fahafahana manompo amin’ny antso ao amin’ny Fiangonana, na ny fampiasana ny fisoronana, na ny fidirana ny tempoly (saingy tsy voafetran’izay). Afaka mametra ny fahafahan’ilay olona mitondra lahateny, na lesona, na vavaka ao am-piangonana ihany koa ny mpitarika. Raha ampiatoan’ny mpitarika ny zo hidirana ny tempoly, dia foanany ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ao amin’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG).

Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia ampahany manan-danja amin’ny fibebahana. Tsy tokony ho izany no zavatra ferana voalohany amin’ny olona mibebaka izay manana fo torotoro sy fanahy manenina. Na izany aza raha toa ka nanao fahotana goavana ny olona iray dia azon’ny mpitarika iray atao ny mampiato izany fahafahana izany mandritra ny fotoana voafetra.

Raha ny tokony ho izy ny mpitarika dia tsy milaza amin’olon-kafa momba ireo famerana raha tsy hoe ilaina ny ahafantarana izany (jereo ny 32.12.2).

Azon’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka esorina ny famerana tsotsotra ireo zo araka ny hitarihan’ny Fanahy azy rehefa mahavita fivoarana manokana ao anatin’ny fibebahana marina ilay olona. Raha mbola manohy amin’ny lalan’ny fahotana ilay olona dia mety hanampy na ilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana.


FITANTANANA NY FILANKEVITRA MANDINIKA NY MAHA-MPIKAMBAN’NY FIANGONANA


Tanterahana ny filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana rehefa faritan’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka fa mety hanampy na rehefa takin’ny fitsipiky ny Fiangonana izany (jereo ny 32.6). Eny anivon’ny paroasy, na tsatòka, na sampana, na misiôna no hanaovana izany. Ity fizarana ity dia manome fampahalalana mikasika ny fomba hitantanana azy.

32.9

Fandraisana anjara sy andraikitra

Ity tabilao manaraka ity dia mampiseho hoe iza no tokony handray anjara amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha ny tokony ho izy.

Mpandray anjara amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

Filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny paroasy

Mpandray anjara amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

  • Ilay olona izay anaovana ny filankevitra

  • Ny eveka sy ireo mpanolotsainy

  • Ny mpitambokin’ny paroasy

  • Ny filohan’ny kôlejin’ny loholona na ny an’ny Fikambanana Ifanampiana (tsy voatery; jereo ny 32.10.1)

Filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny tsatòka

Mpandray anjara amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

  • Ilay olona izay anaovana ny filankevitra

  • Ny filohan’ny tsatòka sy ireo mpanolotsainy

  • Ny mpitambokin’ny tsatòka

  • Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo (amin’ny toe-javatra voafetra araka ny hazavaina ao amin’ny 32.9.2)

  • Ny evekan’ilay olona izay anaovana ny filankevitra (tsy voatery; jereo ny 32.9.3)

  • Ny filohan’ny kôlejin’ny loholona na ny an’ny Fikambanana Ifanampiana (tsy voatery; jereo ny 32.10.1)

32.9.1

Filohan’ny tsatòka

Ny filohan’ny tsatòka dia:

  • Manana fahefana amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ao amin’ny tsatòka. Na izany aza dia ny eveka no manatanteraka ny ankamaroan’ireo filankevitra ireo.

  • Tsy maintsy manome fankatoavana mialoha ny hanatanterahan’ny eveka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana.

  • Manatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny tsatòka raha misy lehilahy na vehivavy izay efa nandray ny fanafiana masina mety hoesorina tsy ho mpikambana.

  • Afaka manatanteraka filankevitra raha misy mpikambana manao fampakarana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana teo anivon’ny paroasy.

  • Tsy maintsy manome fankatoavana mialoha ny hanapahana hevitra farany hoe hoesorina tsy ho mpikambana ny olona iray efa nahazo fanafiana masina araka ny fangatahan’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny paroasy.

32.9.2

Filankevitra avo

Raha ny tokony ho izy dia tsy mandray anjara amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny tsatòka ny mpikambana ao amin’ny filankevitra avo. Na izany aza dia afaka mandray anjara ny filankevitra avo amin’ireo toe-javatra sarotra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102:2). Ohatra, afaka manasa ny filankevitra avo mba handray anjara ny filohan’ny tsatòka rehefa:

  • Misy zavatra nolavina.

  • Mampisy dikany sy lanjany an’ilay filankevitra izy ireo.

  • Mangataka ny handraisan’izy ireo anjara ilay mpikambana.

  • Mpikambana iray ao amin’ny fiadidianan’ny tsatòka na ny havany no tafiditra ao amin’ilay filankevitra (jereo ny 32.9.7).

32.9.3

Eveka (na filohan’ny sampana ao anatina tsatòka)

Ny eveka dia:

  • Manana fahefana eo amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny paroasy.

  • Miara-midinika amin’ny filohan’ny tsatòka ary mahazo ny fankatoavany mialoha ny hanatanterahana filankevitra.

  • Tsy tokony hanatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha misy lehilahy na vehivavy izay efa nandray ny fanafiana masina mety hoesorina tsy ho mpikambana. Filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny tsatòka no tsy maintsy tanterahina amin’ireo teo-javatra ireo.

  • Mety hasaina hanatrika filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny tsatòka ho an’ny mpikambana iray izay dinihina ny maha-mpikambana azy. Tsy maintsy ankatoavin’ny filohan’ny tsatòka sy ilay olona ny fanatrehany.

Mety hangataka ny hanesorana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana ny olona iray ny filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana eo anivon’ny paroasy na sampana raha toa ka mbola tsy nandray ny fanafiana masina izy. Na izany aza dia takina ny fankatoavan’ny filohan’ny tsatòka mialoha ny handraisana ny fanapahan-kevitra farany.

Indraindray dia tanterahina ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny paroasy ho an’ny mpikambana iray nahazo fanafiana masina ary manambara ireo dingana narahina fa mety hoesorina ny maha-mpikambana azy. Amin’ireo toe-javatra ireo dia alefan’ny eveka any amin’ny filohan’ny tsatòka ilay raharaha.

32.9.4

Filohan’ny misiôna

Ny filohan’ny misiôna dia:

  • Manana fahefana amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ireo sampana na distrika ao amin’ny misiôna.

  • Tsy maintsy manome fankatoavana mialoha ny hanatanterahan’ny filohan’ny sampana na distrika filankevitra mandinika ny maha-mpikambana.

  • Manatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha misy lehilahy na vehivavy izay efa nandray ny fanafiana masina mety hoesorina tsy ho mpikambana. Raha tsy ahafahana manao izany ny halaviran-toerana dia afaka manome andraikitra ny iray amin’ireo mpanolotsainy izy mba hiahy ilay filankevitra. Manondro mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka anankiroa izy mba handray anjara.

  • Raha azo atao dia manatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ho an’ireo izay mbola tsy nahazo fanafiana masina. Raha tsy ahafahana manao izany ny fotoana na ny halaviran-toerana dia afaka manome lalana Mpihazona Fisoronana Melkizedeka anankitelo izy hanatanteraka izany. Amin’izany toe-javatra izany dia ny filohan’ny distrika na ny filohan’ny sampana misy ilay olona no mitarika ilay filankevitra raha ny tokony ho izy.

  • Afaka manatanteraka filankevitra raha misy mpikambana manao fampakarana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana teo anivon’ny distrika na sampana.

  • Rehefa nahazo lalana tamin’ny Manampahefana Ambony avy ao amin’ny Departemanta misahana ny misiônera, dia manatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha misy misiônera manao fahotana goavana any amin’ny sahan’ny misiôna (jereo ny 32.9.8). Miara-mijery ilay tranga amin’ny mpikambana iray ao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ihany koa izy ary maka hevitra amin’ny filohan’ny tsatòka ao amin’ny tsatòka niavian’ilay misiônera.

  • Tsy maintsy manome fankatoavana mialoha ny hanapahana hevitra farany hoe hoesorina tsy ho mpikambana ny olona iray efa nahazo fanafiana masina araka ny fangatahan’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny sampana na distrika.

Raha misy misiônera mibaboka fahotana goavana iray izay nataony talohan’ny nanaovany asa fitoriana dia mifandray amin’ny solontenany ao amin’ny Departemanta misahana ny misiônera ny filohan’ny misiôna mba haka fitarihana.

Rehefa manantanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ny filohan’ny misiôna dia manome andraikitra mpihazona Fisoronana Melkizedeka roa izy hanampy azy. Amin’ny toe-javatra tsy mahazatra ihany izy no tokony hanendry misiônera tanora mba hanampy azy. Manaraka ireo dingana toy ny ao amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny tsatòka izy (jereo ny 32.10). Na izany aza dia tsy mandray anjara ny filankevitra avo na ny filankevitry ny distrika.

32.9.5

Filohan’ny distrika na filohan’ny sampana ao anatin’ny misiôna

Afaka manatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ny filohan’ny distrika na ny filohan’ny sampana iray ao anatin’ny misiôna rehefa omen’ny filohan’ny misiôna lalana. Tsy mandray anjara ny filankevitry ny distrika.

Mety hangataka ny hanesorana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana ny olona iray ny filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana eo anivon’ny distrika na sampana raha toa ka mbola tsy nandray fanafiana masina izy. Na izany aza dia takina ny fankatoavan’ny filohan’ny misiôna mialoha ny handraisana ny fanapahan-kevitra farany.

32.9.6

Mpitambokin’ny tsatòka na paroasy

Ny mpitambokin’ny tsatòka na paroasy dia:

  • Mitana an-tsoratra an’ilay filankevitra isaky ny ilaina ny handefasana tatitra momba ny filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana, ary amin’izany tranga izany ihany.

  • Manomana ilay taratasy fenoina rehefa angatahan’ilay mpitarika izay mitarika ilay filankevitra.

  • Tsy mandray anjara ao amin’ny fifanakalozan-kevitra na ny fanapahan-kevitr’ilay filankevitra.

32.9.7

Fandraisana anjara amin’ny toe-javatra tsy mahazatra

Raha toa ny mpanolotsaina iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka ka tsy afaka mandray anjara amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana iray, dia mangataka mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo na mpisorona avo iray ny filohan’ny tsatòka mba hisolo azy. Raha tsy afaka mandray anjara ny filohan’ny tsatòka, dia azon’ny Fiadidiana Voalohany atao ny manome lalana ny iray amin’ireo mpanolotsainy hiahy eo amin’ny toerany.

Raha toa ka tsy afaka mandray anjara amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana iray ny mpanolotsaina iray ao amin’ny episkôpà, dia afaka mangataka mpisorona avo iray ao amin’ny paroasy ny eveka mba hisolo azy. Raha toa ka tsy afaka mandray anjara amin’izany ny eveka, dia alefany any amin’ny filohan’ny tsatòka ny raharaha, ka manatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny tsatòka izy. Ny eveka dia tsy afaka manome andraikitra mpanolotsaina mba hanatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana.

Raha toa ka havan’ny eveka na ny iray amin’ireo mpanolotsainy no hanaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana, dia any anivon’ny tsatòka no hanatanterahana izany. Raha toa ka ho an’ny havan’ny iray amin’ireo mpanolotsain’ny filohan’ny tsatòka no hanatanterahana izany dia manome andraikitra mpisorona avo hafa ny filohan’ny tsatòka hisolo toerana an’ilay mpanolotsaina. Raha toa ka anatanterahana filankevitra ny havan’ny filohan’ny tsatòka dia maka torohevitra avy amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany izy.

Raha misy mpikambana tsy manaiky ny handraisan’ny eveka na ny mpanolotsainy anjara dia tanterahina any anivon’ny tsatòka ilay filankevitra mandinika ny maha-mpikambana. Raha misy mpikambana tsy manaiky ny handraisan’ny iray amin’ireo mpanolotsain’ny filohan’ny tsatòka anjara dia manome andraikitra mpisorona avo hafa ny filohan’ny tsatòka hisolo toerana an’ilay mpanolotsaina. Raha toa ka tsy manaiky ny handraisan’ny filohan’ny tsatòka anjara ilay mpikambana, na raha toa ka mahatsapa ilay filohan’ny tsatòka fa tsy afaka ny tsy hitanila izy dia maka torohevitra any amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany izy.

32.9.8

Famaritana ny mpitarika izay tokony hanao filankevitra amin’ny toe-javatra manokana

Ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana dia saika tanterahina ao amin’ny faritry ny rantsan’ny Fiangonana misy ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ilay olona.

Matetika dia ilaina ny hanatanterahana filankevitra ho an’ny olona izay mifindra. Raha ao anatin’ny tsatòka iray ihany ilay fifindrana dia mifampidinika amin’ny evekan’ireo paroasy anankiroa ny filohan’ny tsatòka ary manapa-kevitra ny amin’ny toerana tokony hanatanterahana izany.

Raha mifindra ivelan’ny tsatòka ilay mpikambana dia mifampidinika ny filohan’ny tsatòka roa tonta ary manapa-kevitra ny amin’ny toerana tokony hanatanterahana ilay filankevitra. Raha manapa-kevitra izy ireo fa ao amin’ny paroasy na sampana nisy azy teo aloha no hanatanterahana izany dia hazonina ao amin’izany paroasy izany ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana azy mandrapahavitan’ilay filankevitra. Fa raha tsy izay dia afindra any amin’ilay paroasy vaovao ilay firaketana. Ny eveka na ny filohan’ny tsatòka dia mampahafantatra mangina ao anatin’ny tsiambaratelo ilay eveka na filohan’ny tsatòka miandraikitra ilay mpikambana amin’izao fotoana momba ny antony hilana ilay filankevitra.

Indraindray dia ilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ho an’ny mpikambana iray izay mipetraka lavitry ny tranony mandritra ny fotoana voafetra. Ohatra, mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra ho an’ny mpianatra na mpikambana iray manao miaramila. Afaka manolotra torohevitra sy fanohanana ny eveka any amin’ny toerana misy ilay mpikambana amin’ny fotoana voafetra. Na izany aza anefa dia tsy tokony hanatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana izy raha tsy hoe ao amin’ny rantsana sahaniny ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ary efa nifampidinika tamin’ny eveka any amin’ny toerana niavian’ilay mpikambana izy.

Indraindray ny misiônera dia manao fahotana goavana any amin’ny sahan’ny misiôna izay tsy nambara raha tsy taorian’ny nisaorana azy. Mifampidinika ilay eveka sy filohan’ny tsatòka ny amin’ny hoe iza amin’izy ireo no hanatanteraka ilay filankevitra mandinika ny maha-mpikambana. Mifampidinika amin’ilay filohan’ny misiôna teo aloha ny iray amin’izy ireo mialoha ny hanatanterahana izany.

32.10

Fomba fanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

32.10.1

Manomeza fampilazana ary miomana ho amin’ilay filankevitra

Omen’ilay eveka na filohan’ny tsatòka fampandrenesana an-tsoratra ilay mpikambana mikasika ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana izay hotanterahina ho azy. Ataony sonia izany taratasy izany. Hita ao amin’izany izao fampahalalana manaraka izao:

“Ny [episkôpà na ny fiadidian’ny tsatòka] dia manao filankevitra mandinika ny maha-mpikambana amin’ny anaranao. Ilay filankevitra dia hotanterahina amin’ny [daty sy ora], ao [toerana].

“Io filankevitra io dia handinika ny [fintino amin’ny ankapobeny ilay fitondrantena ratsy nataony, saingy aza manome antsipiriany na porofo].

“Asaina ianao hamonjy ilay filankevitra mba hanome ny valinteninao. Afaka mitondra filazana an-tsoratra ianao avy amin’olona izay afaka manome fampahalalana manan-danja. Azonao asaina izany olona izany hiresaka ho anao ao amin’ilay filankevitra raha toa ka nankatoavin’ny filohan’ny tsatòka na eveka mialoha. Azonao asaina ihany koa [ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana na ny filohan’ny kôlejin’ny loholona ao amin’ny paroasy] mba ho tonga ary hanohana.

“Izay rehetra ho tonga amin’izany dia tsy maintsy manaraka ny fanajana ilay filankevitra, tafiditra amin’izany ny fomba fanatanterahana izany sy ny maha-tsiambaratelo izany. Tsy afaka manatrika ny mpanoro hevitra momba ny lalàna sy ireo mpanohana ankoatra ireo izay nolazaina etsy ambony.”

Azo asiana andiam-pehezan-teny farany izay maneho fitiavana sy fanantenana ary fiahiana.

Ny torolalana momba ny olona azon’ilay olona asaina hiresaka ao amin’ilay filankevitra dia omena ao amin’ny 32.10.3, laharana faha-4.

Raha toa tsy azo aterina mivantana ilay taratasy, dia azo alefa amin’ny alalan’ny paositra izany ary misy fanamarinam-paharaisana (accusé de reception).

Ny eveka na ny filohan’ny tsatòka dia mandamina filankevitra mandinika ny maha-mpikambana amin’ny fotoana izay mety amin’ilay olona. Maka antoka ihany koa izy fa nisy ny fotoana nahazoana filazana avy tamin’ny niharan’ilay fitondrantena ratsy raha toa maniry ny hanolotra izany izy ireo (jereo ny 32.10.2).

Omanin’ilay eveka na filohan’ny tsatòka ilay mpikambana ho amin’ilay filankevitra amin’ny alalan’ny fanazavana ny tanjon’izany sy ny fomba hanaovana izany. Hazavainy ihany koa ireo fanapahan-kevitra mety havoakan’ilay filankevitra sy ny ho vokatr’izany. Raha toa ka misy mpikambana iray nibaboka dia hazavain’ilay mpitarika fa ilaina ny hampiasana izany fibabohana izany ao amin’ilay filankevitra mandinika ny maha-mpikambana.

32.10.2

Mangataha taratasy avy amin’ireo niharan’ny fahotana

Rehefa misy mpikambana niharan’ny fahotana (toy ny firaisana eo amin’ny mpianaka na ny mpiray tampo, na ny herisetra amin’ny zanaka, na ny herisetra amin’ny vady, na ny hosoka), dia mifandray amin’ny evekan’ilay olona na amin’ny filohan’ny tsatòkany ilay eveka na filohan’ny tsatòka. Ireo mpitarika ireo no mamaritra raha toa ka ilaina ny manome fahafahana ilay olona niharan’ny fahotana hanome taratasy milaza ilay fitondrantena ratsy sy ny vokany. Azo vakiana mandritra ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana izany taratasy izany (jereo ny 32.10.3, laharana faha-3). Tsy manana fahefana ny mpitarika hifandray amin’ireo niharan’ny fahotana izay tsy mpikamban’ny Fiangonana.

Izay fifandraisana rehetra atao amin’ny olona niharan’ny fahotana ho an’io tanjona io dia tanterahan’ny evekany na ny filohan’ny tsatòkany am-perinasa. Raha toa ka manome taratasy ny olona iray niharan’ny fahotana dia omen’io mpitarika io an’ilay eveka na filohan’ny tsatòka izay mitarika ilay filankevitra mandinika ny maha-mpikambana izany. Tokony hotandreman’ireo mpitarika tsara izany mba hisorohana ny mety hiterahan’izany ratra fanampiny. Jereo ny 32.4.3 ho an’ireo fampitandremana hafa.

Izay fangatahana rehetra momba ny olona latsaky ny 18 taona niharan’ny fahotana dia atao amin’ny alalan’ny ray aman-drenin’ilay ankizy na ny mpiahy azy ara-dalàna, raha tsy hoe mampidi-doza ho an’ilay niharan’ny fahotana izany.

Jereo ny 32.4.5 sy ny 38.6.2.1 mba hahitana fampahalalana momba ny fandraisan’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka fitarihana raha sendra misy trangana herisetra.

32.10.3

Tariho ilay filankevitra

Rehefa akaiky hanomboka ny filankevitra, dia ambaran’ilay eveka na filohan’ny tsatòka amin’ireo mpandray anjara hoe ho an’iza no hanaovana izany ary inona ilay fitondrantena ratsy izay iampangana azy. Raha ilaina dia hazavainy ny fizotran’ilay filankevitra.

Ampidirina ao amin’ilay efitra avy eo ilay olona raha tonga. Raha toa ka nasaina hanatrika filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny tsatòka ny eveka dia asaina ihany koa izy hiditra ny efitrano amin’io fotoana io. Raha toa ka nanasa ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana na ny filohan’ny kôlejin’ny loholona mba hanatrika sy hanohana ilay olona dia ampidirina ao amin’ilay efitrano koa izy.

Mitarika ilay filankevitra ao anatin’ny fanahin’ny fitiavana araka ny voalaza etsy ambany ny eveka na ny filohan’ny tsatòka.

  1. Mangataka olona iray izy hanolotra vavaka fanokafana.

  2. Milaza ilay fitondrantena ratsy voatatitra izy. Manome fahafahana ilay olona izy (raha tonga) mba hanamarina na handà na hanazava io zavatra voalaza io.

  3. Raha toa ka hamarinin’ilay mpikambana izany fitondrantena ratsy izany dia tohizan’ilay eveka na filohan’ny tsatòka amin’ny laharana faha-5 etsy ambany. Raha toa ka mandà izany ilay mpikambana dia asehon’ilay eveka na filohan’ny tsatòka ny fampahalalana momba izany. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fanehoana antontan-taratasy azo antoka sy ny famakiana amin’ny feo avo izay mety ho filazana an-tsoratra nomen’ny olona niharan’ilay fahotana (jereo ny 32.10.2). Rehefa mamaky taratasy toy izany izy dia arovany ny mombamomba an’ilay olona.

  4. Raha mandà ilay fitondrantena ratsy ilay mpikambana dia afaka maneho fampahalalana amin’ilay filankevitra izy. Mety ho zavatra voasoratra izany. Na azon’ilay mpikambana atao ny mangataka olona hitondra fampahalalana azo antoka mba hiresaka tsirairay ao amin’ilay filankevitra. Tokony ho mpikamban’ny Fiangonana izany olona izany raha tsy hoe efa namaritra mialoha ilay eveka na filohan’ny tsatòka fa mety hisy tsy mpikambana hanatrika. Miandry ao anaty efitra mitokana izy ireo mandra-piantsoana azy ireo hiteny. Mandao ilay efitra hanaovana ny filankevitra ny olona tsirairay rehefa vita ny azy. Tsy maintsy vonona ny hanaraka ny toetra feno fanajana ananan’ilay filankevitra izy ireo, tafiditra amin’izany ny fomba fanatanterahana izany sy ny maha-tsiambaratelo izany. Tsy tokony hitondra mpanoro hevitra momba ny lalàna mba hanatrika izany ireo mpikambana. Na koa hitondra olona hafa ankoatra ireo voalaza ao amin’ny andiam-pehezan-teny faharoa amin’ity fizarana ity mba hanohana azy.

  5. Afaka mametraka fanontaniana amim-pahalalam-pomba sy amim-panajana amin’ilay mpikambana ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Afaka mametraka fanontaniana amin’ireo olona izay nangatahan’ilay mpikambana mba hitondra fampahalalana ihany koa izy. Afaka mametraka fanontaniana ihany koa ireo mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà na ny fiadidian’ny tsatòka. Tokony ho fohy sy voafetra amin’izay zavatra tena ilaina ihany ireo fanontaniana.

  6. Rehefa naseho avokoa ny fampahalalana azo antoka rehetra, dia avoakan’ilay eveka na filohan’ny tsatòka ny efitrano ilay mpikambana. Avoaka ihany koa ilay mpitamboky, raha tsy hoe nandray anjara tamina filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny tsatòka ny filankevitra avo. Raha eo ny evekan’ilay mpikambana hanatrika filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny tsatòka, dia mivoaka izy. Raha manatrika mba hanohana ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana na ny filohan’ny kôlejin’ny loholona dia mivoaka ihany koa izy.

  7. Mangataka fanamarihana na hevitra amin’ireo mpanolotsainy ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Raha toa ka nandray anjara tamin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana teo anivon’ny tsatòka ny filankevitra avo dia mangataka ny fanamarihana sy ny hevitra avy amin’izy ireo izy.

  8. Miaraka mikatsaka ombam-bavaka amin’ireo mpanolotsainy ny sitrapon’ny Tompo momba ilay raharaha ilay eveka na filohan’ny tsatòka. Ilay filohan’ny tsatòka sy ireo mpanolotsainy na ilay eveka sy ireo mpanolotsainy ihany no tokony ho ao amin’ilay efitrano mandritra izany fotoana izany. Raha toa ka natao niaraka tamin’ny filankevitra avo ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana teo anivon’ny tsatòka dia matetika mandeha any amin’ny biraon’ny tsatòka ny fiadidian’ny tsatòka.

  9. Milaza amin’ireo mpanolotsainy ny fanapahan-keviny ilay eveka na filohan’ny tsatòka ary mangataka azy ireo mba hanohana izany. Raha niarahana tamin’ny filankevitra avo ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana teo anivon’ny tsatòka dia miverina ao amin’ilay efitrano ny fiadidian’ny tsatòka ary mangataka ny filankevitra avo mba hanohana izany. Raha toa ka manana fijery hafa amin’izay ny mpanolotsaina iray na ny filankevitra avo dia henoin’ilay eveka na filohan’ny tsatòka izany ary mikatsaka ny hamahana ilay tsy fitovian-kevitra izy. Ilay mpiandraikitra mpiahy ihany no tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-kevitra.

  10. Manasa ilay olona hiverina ao amin’ilay efitrano izy. Raha nasaina nivoaka ny mpitamboky dia asaina hiverina ao amin’ilay efitrano ihany koa izy. Raha eo ny evekan’ilay mpikambana hanatrika filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny tsatòka dia asaina ihany koa izy hiditra ilay efitrano. Raha manatrika mba hanohana ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana na ny filohan’ny kôlejin’ny loholona dia asaina miverina miditra ihany koa izy.

  11. Zarain’ilay eveka na filohan’ny tsatòka ao anatin’ny fanahin’ny fitiavana ilay fanapahan-kevitra. Raha toa ka famerana amin’ny fomba ôfisialy ireo tombontsoa manokana ananan’ilay olona amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy no fanapahan-kevitra na fanesorana azy tsy ho mpikambana dia hazavainy ny fepetran’izany (jereo ny 32.11.3 sy ny 32.11.4). Manazava ny fomba handresena ireo famerana ireo zo ihany koa izy ary manome toromarika sy torohevitra hafa. Azon’ilay eveka na filohan’ny tsatòka ahemotra mandritra ny fotoana voafaritra ny filankevitra iray mba hikatsahana fitarihana na fampahalalana misimisy kokoa mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra. Amin’izay tranga izay dia hazavainy izany.

  12. Hazavainy ny zon’ilay olona hampakatra ny raharaha (jereo ny 32.13).

  13. Manasa olona iray hanao vavaka famaranana izy.

Na eo na tsy eo ilay olona dia ampahafantarin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka azy ilay fanapahan-kevitra araka ny hazavaina ao amin’ny 32.12.1.

Tsy misy mpandray anjara ao amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana mahazo mandray am-peo na an-tsary na an-tsoratra. Afaka mandray an-tsoratra izay zavatra ilainy hanaovana ny tatitra momba ny filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana ny mpitamboky. Na izany aza dia tsy tokony izay teny rehetra voaresaka no adikany an-tsoratra araka izay hanononana azy. Rehefa vonona ilay tatitra dia potehiny avy hatrany izay zavatra noraisiny an-tsoratra.

32.11

Hevitra tapaka avy amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

Ny hevitra tapaka avy amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana dia tokony hotarihin’ny Fanahy. Tokony ho taratry ny fitiavana sy fanantenana atolotry ny Mpamonjy ho an’ireo izay mibebaka izany. Hazavaina etsy ambany ireo hevitra mety ho tapaka ao. Rehefa manapaka ireo hevitra ireo dia tokony hojeren’ny mpitarika ireo toe-javatra voafaritra ao amin’ny 32.7.

Isaky ny avy manatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ny eveka na ny filohan’ny tsatòka dia mandefa avy hatrany taratasy fanaovana tatitra momba ny filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny DDG (jereo ny 32.14.1).

Hazavaina ao amin’ny fizarana manaraka ireo hevitra mety ho tapaka avy amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana.

32.11.1

Misitraka ny zo rehetra amin’ny maha-mpikambana azy

Amin’ny tranga sasany dia mety tsy ho meloka ny olona iray ary misitraka ny zo rehetra amin’ny maha-mpikambana azy. Amin’ny tranga sasany dia mety nanao ilay fahotana ny olona iray, nibebaka marina, ary misitraka ny zo rehetra amin’ny maha-mpikambana azy. Mety hanome torohevitra sy hanome fampitandremana azy ny amin’ny zavatra ataony amin’ny ho avy ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Aorian’ilay filankevitra dia mbola manohy manome fanohanana hatrany araka izay ilaina izy.

Sary
mpivady miara-mipetraka

32.11.2

Torohevitra manokana miaraka amin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka

Amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana sasany, dia mety hanapaka ny mpitarika hoe tsy misitraka ny zo amin’ny maha-mpikambana azy ilay mpikambana, saingy tsy mety ny hamerana amin’ny fomba ôfisialy ny zo amin’ny maha-mpikambana. Ao amin’ireo ohatra ireo dia mety hanapa-kevitra ny filankevitra fa tokony handray torohevitra manokana sy fanitsiana avy amin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ilay olona. Mety ho tafiditra ao amin’ilay fanomezana torohevitra ny famerana amin’ny fomba tsy ôfisialy araka ny hazavaina ao amin’ny 32.8.3.

Tsy isan’ny safidy azo atao ny fanomezana torohevitra manokana sy ny famerana tsy amin’ny fomba ôfisialy ny zo amin’ny maha-mpikambana rehefa manatanteraka filankevitra ho an’ireo fahotana voatanisa ao amin’ny 32.6.1.

32.11.3

Famerana amin’ny fomba ôfisialy ny zo amin’ny maha-mpikambana

Amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana sasany dia mety hanapaka ireo mpitarika fa tsaratsara kokoa raha ferana amin’ny fomba ôfisialy ny zo amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana an’ny olona iray. Ny famerana ireo zo amin’ny fomba ôfisialy dia mety ho an’ny rehetra afa-tsy amin’ireo fahotana na toe-javatra tena goavana izay hanesorana ny maha-mpikambana (jereo ny 32.11.4).

Ireo izay noferan-jo amin’ny fomba ôfisialy amin’ny maha-mpikambana dia mbola mpikamban’ny Fiangonana foana. Fa ny tombontsoa manokana ananany amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy no voafetra araka izao manaraka izao:

  • Tsy azony atao ny miditra ny tempoly. Na izany aza dia afaka manao ny garmentan’ny tempoly hatrany izy ireo raha toa ka efa nahazo ny fanafiana masina. Raha toa ka manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ilay mpikambana, dia foanan’ilay mpitarika ao amin’ny rafitra DDG izany.

  • Tsy mahazo mampiasa ny fisoronana izy ireo.

  • Tsy azony atao ny mandray ny fanasan’ny Tompo na mandray anjara amin’ny fanohanana ireo mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana.

  • Tsy azony atao ny manolotra lahateny na lesona na vavaka amin’ny sehatry ny Fiangonana. Tsy azony atao ihany koa ny manompo amin’ny antso ao amin’ny Fiangonana.

Amporisihana izy ireo hanatrika ireo fotoam-bavaka sy fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana raha milamina ny fihetsiny. Amporisihina ihany koa izy ireo handoa fahafolonkarena sy fanatitra.

Mety hanampy fepetra hafa ny eveka na ny filohan’ny tsatòka, toy ny miala lavitra ireo fitaovana hahitana pôrnôgrafia sy ireo fitaoman-dratsy hafa. Mbola ampiany fihetsika tsara hafa izany amin’ny ankapobeny. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fandehanana mahazatra any am-piangonana, sy fivavahana matetika, ary ny famakiana ny soratra masina sy ireo loharanom-pitaovana hafa.

Raha toa ka voafetra amin’ny fomba ôfisialy ny tombontsoa manokana ananan’ny olona iray amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy dia marihina eo amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana azy izany.

Amin’ny ankapobeny ny famerana ireo zo amin’ny fomba ôfisialy dia maharitra herintaona farafahakeliny ary mety ho elaela kokoa. Rehefa hita ho mivoatra amin’ny zavatra voafaritra manokana ilay mpikambana ao anatin’ny fibebahana marina, dia manatanteraka filankevitra iray hafa ilay eveka na filohan’ny tsatòka handinihana ny hanalana ilay famerana ireo zo (jereo ny 32.16.1). Raha mbola manohy amin’ny lalan’ny fahotana ilay mpikambana dia afaka manatanteraka filankevitra iray hafa ilay mpitarika handinihana fepetra hafa.

32.11.4

Fanesorana tsy ho mpikambana

Amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana sasany dia mety hanapaka ireo mpitarika fa tsaratsara kokoa raha esorina amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy mandritra ny fotoana voafetra ny olona iray (jereo ny Môzià 26:36; Almà 6:3; Môrônia 6:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:83).

Takina ny fanesorana tsy ho mpikamban’ny Fiangonana ny olona iray raha namono olona (araka ny voafaritra ao amin’ny 32.6.1.1) sy mampakatra vady maro (araka ny hazavaina ao amin’ny 32.6.1.2) izy. Saika takina hatrany izany ho an’ny firaisana eo amin’ny mpianaka na ny mpiray tampo araka ny hazavaina ao amin’ny 32.6.1.2 sy ny 38.6.10.

Raha tarihin’ny Fanahy dia mety hilaina ny fanesorana ny olona iray amin’ny maha-mpikambana azy araka izao manaraka izao:

  • Ho an’ireo izay manao fihetsika mampidi-doza ny hafa.

  • Ho an’ireo izay nanao fahotana tena goavana.

  • Ho an’ireo izay tsy maneho fibebahana amin’ny fahotana goavana (jereo ireo zavatra dinihana ao amin’ny 32.7).

  • Ho an’ireo izay manao fahotana goavana ka manimba ny Fiangonana.

Mety hangataka ny hanesorana tsy ho mpikamban’ny Fiangonana ny olona iray izay efa nahazo fanafiana masina ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny paroasy na sampana na distrika. Na izany aza dia ilaina ny fankatoavan’ny filohan’ny tsatòka na filohan’ny misiôna mialoha ny hanapahana hevitra farany.

Tsy afaka misitraka ireo tombontsoa manokana ananan’ny mpikambana ireo izay nesorina tamin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy.

  • Tsy azony atao ny miditra ny tempoly na manao ny garmentan’ny tempoly. Raha toa ka manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ilay olona, dia foanan’ilay mpitarika ao amin’ny DDG izany.

  • Tsy mahazo mampiasa ny fisoronana izy ireo.

  • Tsy azony atao ny mandray ny fanasan’ny Tompo na mandray anjara amin’ny fanohanana ireo mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana.

  • Tsy azon’izy ireo atao ny manolotra lahateny na lesona na vavaka amin’ny sehatry ny Fiangonana, na mitarika fiaraha-mientana ao amin’ny Fiangonana. Tsy azony atao ihany koa ny manompo amin’ny antso ao amin’ny Fiangonana.

  • Tsy mahazo mandoa fahafolonkarena sy fanatitra izy ireo.

Amporisihana izy ireo hanatrika ireo fotoam-bavaka sy fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana raha milamina ny fihetsiny.

Azo eritreretina ny hamerenana an’ireo izay nesorina tamin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy amin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Amin’ny ankapobeny dia mila maneho fibebahana marina aloha izy ireo mandritra ny herintaona farafahakeliny. Manatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana iray hafa ilay eveka na filohan’ny tsatòka handinihana ny famerenana azy (jereo ny 32.16.1).

Ireo hevitra tapahina ao amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana sy ny vokatr’izany

Hevitra tapaka

Vokany

Hevitra tapaka

Misitraka ny zo rehetra amin’ny maha-mpikambana (jereo ny 32.11.1)

Vokany

  • Tsy misy

Hevitra tapaka

Torohevitra manokana iarahana amin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka (jereo ny 32.11.2)

Vokany

  • Mety hisy tombontsoa manokana sasany amin’ny maha-mpikambana izay hoferana amin’ny fomba tsy ôfisialy.

  • Amin’ny ankapobeny ireo famerana ireo zo ireo dia maharitra latsaky ny herintaona. Raha amin’ny toe-javatra tsy mahazatra izy dia mety haharitra elaela kokoa.

  • Esorina ireo famerana ireo zo ireo rehefa tena nibebaka marina.

  • Tsy misy zavatra raketina amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana.

Hevitra tapaka

Famerana amin’ny fomba ôfisialy ny zo amin’ny maha-mpikambana (jereo ny 32.11.3)

Vokany

  • Voafetra amin’ny fomba ôfisialy ireo tombontsoa manokana ananana amin’ny maha-mpikambana.

  • Amin’ny ankapobeny ny famerana ireo zo dia maharitra herintaona farafahakeliny ary mety ho elaela kokoa.

  • Soratana eo amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ny fepetra noraisina.

  • Esorina ny famerana ôfisialy ny zo rehefa tena avy nibebaka, sy nandalo filankevitra mandinika ny maha-mpikambana, ary raha ilaina, nahazo fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany.

  • Esorina ny fanamarihana eo amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana raha toa ka nesorina ireo famerana ny zo taorian’ny nanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (raha tsy hoe fanamarihana takina izany; jereo ny 32.14.5).

Hevitra tapaka

Fanesorana tsy ho mpikambana (jereo ny 32.11.4)

Vokany

  • Foana avokoa ny ôrdônansy rehetra.

  • Esorina avokoa ny tombontsoa manokana ananana rehetra amin’ny maha-mpikambana, matetika mandritra ny herintaona farafahakeliny.

  • Azo averina ho mpikambana ny olona iray amin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana rehefa tena avy nibebaka marina, sy nandalo filankevitra mandinika ny maha-mpikambana, ary raha ilaina, dia nahazo fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany (jereo ny 32.16).

  • Ny olona izay efa nahazo fanafiana masina teo aloha dia afaka mandray ny famerenana amin’ny laoniny ireo tsodrano rehefa nankatoavin’ny Fiadidiana Voalohany ihany ary farafahakeliny herintaona aorian’ny namerenana azy (jereo ny 32.17.2).

  • Ho an’ny olona izay efa nahazo fanafiana masina teo aloha dia ny mari-pamantarana hoe “Takina ny famerenana amin’ny laoniny ireo tsodrano” no esorina amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana (mijanona ny fanamarihana takina; jereo ny 32.14.5).

32.11.5

Fanontaniana momba fanapahana hevitra amin’ny raharaha sarotra

Apetraky ny eveka amin’ny filohan’ny tsatòka ireo fanontaniana momba ireo toromarika omen’ny boky torolalana mahakasika ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana.

Rehefa misy toe-javatra sarotra dia azon’ny filohan’ny tsatòka atao ny mikatsaka torohevitra amin’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra mpiandraikitra azy. Tsy maintsy mifandinika amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ny filohan’ny tsatòka amin’ireo toe-javatra hazavaina ao amin’ny 32.6.3. Na izany aza anefa dia tsy tokony hanontany Fitopololahin’ny Vondromparitra na ny Manampahefana Ambony momba ny tokony ho fanapahan-kevitra amin’ny raharaha sarotra ny filohan’ny tsatòka. Ilay filohan’ny tsatòka irery ihany no manapa-kevitra raha toa ka tokony hanatanterahana filankevitra ilay fihetsika. Raha toa ka misy filankevitra tanterahina dia ny filohan’ny tsatòka na ny eveka no manapaka ny vokatr’izany.

32.11.6

Fahefan’ny Fiadidiana Voalohany

Ny Fiadidiana Voalohany no tompom-pahefana farany amin’ireo famerana ireo zo sy fanesorana tsy ho mpikambana rehetra izay atao ato amin’ny Fiangonana.

32.12

Fampahafantarana sy filazana

Ampahafantarina an’ilay olona, sy ny hafa raha ilaina izany, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana araka ny hazavaina etsy ambany.

32.12.1

Fampahafantarana an’ilay olona ny fanapahan-kevitra

Ilay eveka na filohan’ny tsatòka raha ny tokony ho izy no milaza amin’ilay olona ny vokatry ny filankevitra rehefa vita izany. Azony ahemotra mandritra ny fotoana voafaritra anefa ny filankevitra mba hikatsahana fitarihana na fampahalalana misimisy kokoa mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra.

Mety hangataka ny hanesorana amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana ny olona iray izay efa nahazo fanafiana masina ny filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana eo anivon’ny paroasy na sampana na distrika. Na izany aza dia ilaina ny fankatoavan’ny filohan’ny tsatòka na filohan’ny misiôna mialoha ny hanapahana hevitra farany.

Hazavain’ilay eveka na filohan’ny tsatòka ny vokatr’ilay fanapahan-kevitra araka ny hamafisina ao amin’ny 32.11. Raha ny tokony ho izy dia manome torohevitra ihany koa izy ny amin’ny fepetran’ny fibebahana mba hahafahana manaisotra ireo famerana zo na mba hahafahan’ilay olona haverina indray ato amin’ny Fiangonana.

Mandefa fampandrenesana an-tsoratra momba ilay fanapahan-kevitra sy ny vokatr’izany any amin’ilay olona avy hatrany ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Io fampandrenesana io dia manambara amin’ny ankapobeny fa noraisina ilay fepetra ho setrin’ny fitondrantena izay mifanohitra amin’ny lalàna sy ny lamin’ny Fiangonana. Mety hisy torohevitra momba ny fanesorana ireo famerana ireo zo na ny famerenana azy ao amin’ny Fiangonana ihany koa izany. Tokony hampahafantatra an’ilay olona izany fa afaka manao fampakarana ilay fanapahan-kevitra izy (jereo ny 32.13).

Raha toa ka tsy manatrika ilay filankevitra ilay olona dia fampilazana an-tsoratra dia efa ampy hampahafantarana azy ny hevitra tapaka. Afaka mihaona amin’ilay olona ihany koa ny eveka na ny filohan’ny tsatòka.

Tsy omen’ilay eveka na filohan’ny tsatòka an’ilay olona ny tahadikan’ilay taratasy fanaovana tatitra momba ny filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana.

32.12.2

Fampahafantarana ny hafa momba ny fanapahan-kevitra

Raha toa mametra tsy amin’ny fomba ôfisialy ireo tombontsoa manokana ananan’ny olona iray amin’ny maha-mpikambana azy ny eveka na ny filohan’ny tsatòka tao anatin’ny fanomezana torohevitra manokana, dia tsy tokony hampahafantatra olona hafa izy raha ny tokony izy (jereo ny 32.8.3). Na izany aza ireo mpitarika ireo dia mifampiresaka momba ny famerana tsotsotra ireo zo rehefa manampy ireo mpikambana izy ireo.

Raha toa ka noferana tamin’ny fomba ôfisialy ireo tombontsoa manokana ananan’ny olona iray amin’ny maha-mpikambana azy na nesorina tsy ho mpikambana izy tao anatin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana dia amin’ireo izay mila mahafantatra izany ihany no ampahafantaran’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ny zavatra notapahana. Ireto toromarika manaraka ireto no mihatra.

  • Dinihiny ny zavatra ilain’ireo niharan’ilay fahotana sy ireo mety hiharan’izany ary ny zavatra tsapan’ny havan’ilay olona.

  • Tsy mampahafantatra ilay fanapahan-kevitra izy raha toa ka nanao fampakarana izany ilay olona. Na izany aza dia afaka mampilaza izy fa nanaovana fampakarana izany raha tsapany fa ilaina mba hiarovana ireo izay mety hiharan’ilay fahotana. Mety ho ampahafantariny ihany koa izany mba hanohanana ny fahasitranan’ireo niharan’ilay fahotana (na dia tsy manome ny anaran’ireo niharan’izany aza izy) na mba hiarovana ny hasin’ny Fiangonana.

  • Raha ilaina dia ampahafantarin’ilay eveka amim-pitandremana an’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy ilay fanapahan-kevitra. Izany dia mba hampahafantatra ireo mpitarika izay mety hihevitra ilay olona ho afaka mandray antso, na hampianatra lesona, na hanolotra vavaka na lahateny. Natao hamporisihana ireo mpitarika hanolotra fikarakarana sy fanohanana an’ilay mpikambana sy ny fianakaviany ihany koa izany.

  • Rehefa nahazo fankatoavana avy tamin’ny filohan’ny tsatòka dia afaka mampahafantatra ilay fanapahan-kevitra ao amin’ireo fivorian’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana ilay eveka raha toa ka ahitana ireto ilay toe-javatra:

    • Fitondrantena feno fanararaotana izay mety hampidi-doza ny hafa.

    • Fampianarana fotopampianarana diso na karazana apôstazia hafa.

    • Fahotana mibaribary toy ny fanaovana fampakarana vady maro na fampiasana fampianaran-diso entina hisintonana olona.

    • Manohitra ampahibemaso ny zavatra ataon’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo amin’ny sehatry ny maneran-tany na eo an-toerana sy ny fampianaran’izy ireo.

  • Amin’ny tranga toy izany dia mety hilaina koa ny hanomezan’ny filohan’ny tsatòka lalana ny hampahafantarana ireo mpikambana ao amin’ny paroasy hafa ao amin’ny tsatòka.

  • Amin’ny tranga sasantsasany dia mety hahatsapa ilay eveka na filohan’ny tsatòka fa manampy kokoa ny mampahafantatra ny sasany amin’ireo niharan’ilay fahotana na izy rehetra sy ny fianakaviany fa nisy filankevitra mandinika ny maha-mpikambana notanterahana ho an’ilay olona. Ataony amin’ny alalan’ny evekany na ny filohan’ny tsatòkany izany.

  • Raha toa ka mitondra loza ho an’ny hafa ny fironana feno fanararaotana ananan’ny olona iray dia afaka manome fampitandremana ny eveka na ny filohan’ny tsatòka mba hiarovana ny hafa. Tsy mamboraka fampahalalana tsiambaratelo izy ary tsy manao fanombantombanana.

  • Amin’ny tranga hafa rehetra dia feran’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka amin’ny filazana ankapobeny izay mety ho fampahafantarana rehetra. Milaza fotsiny izy fa noferana na nesorina ny fahafahana ananan’ilay olona amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy noho ny fihetsika izay mifanohitra amin’ny lalàna sy ny lamin’ny Fiangonana. Mangataka ireo izay manatrika izy tsy hiresaka izany. Tsy manontany ny fanohanan’izy ireo na ny fanoheran’izy ireo izany izy.

  • Raha misitraka ny zo rehetra maha-mpikambana azy ny mpikambana iray taorian’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.11.1), dia azon’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ampahafantarina izany mba hanafoanana ny tsaho.

32.12.3

Fampahafantarana ny fialana tsy ho mpikambana

Amin’ny tranga sasany dia mety ho mila mampahafantatra ny eveka fa nanala ny tenany tsy ho mpikamban’ny Fiangonana intsony ny olona iray (jereo ny 32.14.9). Tsy manome fampahalalana hafa ny eveka.

32.13

Fampakarana ny fanapahan-kevitra iray

Azon’ny mpikambana iray atao ny mampakatra ny fanapahan-kevitry ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny paroasy any amin’ny filohan’ny tsatòka ao anatin’ny 30 andro. Manatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny tsatòka ilay filohan’ny tsatòka handinihana izany fampakarana izany. Afaka mangataka ny eveka ihany koa izy mba hanatanteraka filankevitra indray ary handinika indray ilay fanapahan-kevitra, indrindra raha misy fampahalalana vaovao.

Azon’ny mpikambana iray atao ny mampakatra ny fanapahan-kevitry ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny tsatòka amin’ny fanoratana taratasy any amin’ny Fiadidiana Voalohany ao anatin’ny 30 andro. Omen’ilay mpikambana ny filohan’ny tsatòka ilay taratasy mba handefasany izany any amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Any amin’ny misiôna, ny mpikambana iray dia afaka manao fampakarana ny fanapahan-kevitry ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny sampana na distrika any amin’ny filohan’ny misiôna ao anatin’ny 30 andro. Manatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ilay filohan’ny misiôna mba handinihana ilay fampakarana. Raha tsy ahafahana manao izany ny fotoana na ny halaviran-toerana dia manaraka ireo toromarika ao amin’ny 32.9.4 izy.

Raha ny filohan’ny misiôna no nitarika ilay filankevitra, dia afaka manao fampakarana ilay fanapahan-kevitra ilay mpikambana amin’ny fanoratana taratasy any amin’ny Fiadidiana Voalohany ao anatin’ny 30 andro. Omen’ilay mpikambana ny filohan’ny misiôna ilay taratasy mba handefa izany any amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Hazavain’ilay olona manao fampakarana an-tsoratra ireo fahadisoana na tsy fahamarinana voalaza tao amin’ilay dingana na fanapahan-kevitra.

Raha misy filankevitra mandinika ny maha-mpikambana tanterahana mba handinihana fampakarana dia misy fanapahan-kevitra iray na roa mety hitranga:

  • Mitombina ilay fanapahan-kevitra teo aloha.

  • Ovaina ilay fanapahan-kevitra teo aloha.

Ny fanapahan-kevitry ny Fiadidiana Voalohany no fanapahan-kevitra farany ary tsy azo anaovana fampakarana intsony.

32.14

Tatitra sy firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana

32.14.1

Tatitra momba ny filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana

Isaky ny avy manatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ny eveka na ny filohan’ny tsatòka dia mandefa avy hatrany taratasy fanaovana tatitra momba ny filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny DDG. Afaka mangataka ny mpitamboky izy mba hanomana ilay tatitra. Maka antoka izy fa tsy misy tahadika voatana na elektrônika voatahiry ao an-toerana. Maka antoka ihany koa izy fa nopotehina avy hatrany izay fandraisana naoty nampiasaina nanomanana ilay tatitra.

32.14.2

Famerana amin’ny fomba ôfisialy ny zo amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana

Ny famerana amin’ny fomba ôfisialy ireo zo amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana dia marihina eo amin’ny firaketana ny momba ny maha-mpikamban’ny Fiangonana ny olona iray. Ny foiben’ny Fiangonana no manao io fanamarihana io rehefa avy naharay ilay tatitra momba ny filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana. Rehefa nibebaka ny mpikambana iray dia tsy maintsy manatanteraka filankevitra iray hafa ilay mpitarika mba handinihana ny hanesorana ireo famerana ireo zo ireo (jereo ny 32.16.1).

32.14.3

Firaketana aorian’ny fanesorana ny olona iray amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy

Raha toa ka nesorina amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy ny olona iray dia esorin’ny foiben’ny Fiangonana ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ilay olona rehefa avy naharay tatitra momba ny filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana izy. Raha irin’ilay olona dia ampian’ireo mpitarika izy hiomana amin’ny famerenana azy ao amin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny batisa sy fandraisana ho mpikambana (jereo ny 32.16.1).

32.14.4

Firaketana aorian’ny famerenana ao amin’ny Fiangonana

Rehefa naverina indray ao amin’ny Fiangonana ny olona iray dia alefan’ny eveka ny taratasy fanaovana tatitra momba ny filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana. Tsy misy ny famoronana taratasy fanamarinana ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Fa raketina kosa eo amin’ilay taratasy fanaovana tatitra momba ny filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana ilay batisa sy fandraisana ho mpikambana.

Raha toa ka tsy mbola nahazo ny fanafiana masina ilay olona dia manome firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana izay maneho ny daty nanaovana ny batisany sy ny fandraisana azy ho mpikambana ary ireo ôrdônansy hafa tamin’ny voalohany ny foiben’ny Fiangonana. Tsy ahitana firesahana momba ny tsy naha-mpikamban’ny Fiangonana an’ilay olona ilay firaketana.

Raha toa ka efa nahazo ny fanafiana masina ilay mpikambana dia havaozin’ny foiben’ny Fiangonana ilay firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana mba hanehoana ny daty vaovao nanaovana batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Io firaketana io dia ahitana ihany koa hafatra manao hoe “Takina ny famerenana amin’ny laoniny ireo tsodrano.” Rehefa naverina amin’ny laoniny ireo tsodrano azon’ny mpikambana iray (jereo ny 32.17.2), dia havaozina ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana azy mba hanehoana ireo daty nanaovana batisa sy ôrdônansy hafa tany am-boalohany. Tsy manonona ny tsy naha-mpikamban’ny Fiangonana an’ilay olona izany.

32.14.5

Firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana misy fanamarihana

Rehefa omen’ny Fiadidiana Voalohany lalana dia manisy fanamarihana eo amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ny foiben’ny Fiangonana amin’ireo toe-javatra voatanisa etsy ambany.

  1. Mandefa taratasy fanaovana tatitra momba ny filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana ny eveka na ny filohan’ny tsatòka izay milaza fa noferana tamin’ny fomba ôfisialy na nesorina ny zo maha-mpikambana raha toa ka mitranga ny iray amin’ireto fitondrantena manaraka ireto:

    1. Firaisana ara-nofo eo amin’ny mpianaka na mpiray tampo

    2. Herisetra ara-nofo atao amin’ny zaza na zatovo, na fanodinkodinan-jaza tsy ampy taona eo amin’ny lafin’ny firaisana ara-nofo, na herisetra goavana ara-batana na ara-pihetseham-po atao amin’ny zaza na zatovo

    3. Fandraisana anjara amin’ny pôrnôgrafia ahatafidiran’ankizy araka ny hazavaina ao amin’ny 38.6.6

    4. Fampakarana vady maro

    5. Fihetsika feno fanaraoraotana ara-nofo eo amin’ny olon-dehibe

    6. Transgenre—fanovana ny fitaovam-pananahana ho tsy mitovy amin’ny namaritana azy tamin’ny nahaterahana (jereo ny 38.6.23)

    7. Fanodinkodinana ny volan’ny Fiangonana na fangalarana ny fananan’ny Fiangonana (jereo ny 32.6.3.3)

    8. Fanararaotana ny fifanampiana ao amin’ny Fiangonana

    9. Fitondrantena mampidi-doza (toy ny fitondrantena mahakasika ny firaisana ara-nofo, na feno herisetra, na ara-bola) na fihetsika izay manimba ny Fiangonana

  2. Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka dia mandefa taratasy fampilazana fa ilay olona dia:

    1. Niaiky na voampanga ho nanao heloka izay nahatafiditra ny iray amin’ireo fitondrantena voatanisa etsy ambony.

    2. Voatsara ho tompon’antoka tamin’ny fanaovana hosoka na fanaovan-javatra hafa tsy ara-dalàna teo anivon’ny fiarahamonina izay nahatafiditra ny iray amin’ireo fitondrantena voatanisa etsy ambony.

Rehefa mandray taratasy firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana iray ny eveka ka misy fanamarihana, dia arahiny ireo toromarika ao amin’ilay fanamarihana.

Ny Fiadidiana Voalohany irery ihany no afaka manome lalana hanala ny fanamarihana eo amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana. Raha mandroso hevitra ny hanalana fanamarihana iray ny filohan’ny tsatòka dia mampiasa ny DDG izy (jereo ny 6.2.3). Milaza ny biraon’ny Fiadidiana Voalohany raha toa ka nankatoavina ilay fangatahana na tsia.

32.14.6

Fanaovana tatitra ny fangalarana ny volam-piangonana

Raha toa ka noferana ny zo maha-mpikambana ny olona iray na nesorina tsy ho mpikambana izy noho ny fanodinkodinana ny volam-piangonana dia ataon’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka tatitra izany araka ny hazavaina ao amin’ny 34.7.5.

32.14.7

Famerana ny famindrana eo amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana

Indraindray ny mpikamban’ny Fiangonana dia mifindra toerana kanefa misy fandraisana fepetra amin’ny maha-mpikambana na olana goavana eo an-dalam-panatanterahana. Indraindray ny eveka dia mila mizara fampahalalana amin’ilay eveka vaovao mialoha ny hamindrana ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana any amin’ilay rantsana vaovao. Amin’ireo tranga ireo dia afaka mametraka famerana ny famindrana eo amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ny eveka (na ny mpitamboky raha nahazo lalana). Mijanona ao amin’ilay rantsana ilay firaketana mandrapanesoran’ny eveka (na ny mpitamboky raha nahazo lalana) ilay famerana. Manome fahafahana ny eveka hilaza olana na fampahalalana izany.

32.14.8

Firaketana ny mombamomba ireo voafonja

Misy mpikambana sasany voaheloka ho nanao heloka bevava ary voafonja. Ny eveka na ny filohan’ny tsatòkan’ny rantsana nisy ilay olona tamin’ny nanaovany ilay heloka no mandray ny fepetra rehetra ilaina ho amin’ny famerana amin’ny fomba ôfisialy ny zo amin’ny maha-mpikambana na ny fanesorana izany. Raha toa ka noferana ireo tombontsoa manokana ananana amin’ny maha-mpikambana dia alefan’ilay mpitarika (na ny mpitamboky raha nahazo lalana) any amin’ny rantsana tompon’andraikitra amin’ny toerana mahavoafonja an’ilay olona ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana azy. Raha toa ka nesorina amin’ny maha-mpikambana azy izy dia mifandray amin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòkan’izany rantsana izany ilay mpitarika. (Jereo ny 32.15.)

32.14.9

Fangatahana hiala tsy ho mpikambana

Raha misy mpikambana mangataka ny hiala amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy dia atonin’ny eveka izy mba hahitana raha toa ka vonona ny hiresaka momba ny olany sy hiezaka hamaha izany. Afaka maka torohevitra amin’ny filohan’ny tsatòka ihany koa ny eveka sy ilay mpikambana. Alain’ilay mpitarika antoka fa azon’ilay mpikambana ireto vokatry ny fialana amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana manaraka ireto:

  • Manafoana ny ôrdônansy rehetra izany.

  • Manala ny tombontsoa manokana rehetra ananana amin’ny maha-mpikambana izany.

  • Azo tanterahina ny famerenana azy amin’ny alalan’ny batisa sy fandraisana ho mpikambana, ary izany dia tsy mitranga raha tsy rehefa avy natao dinidinika tamim-panadihadiana lalina, ary amin’ny ankamaroan’ny tranga dia anaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.16.2).

  • Ny olona izay efa nahazo fanafiana masina teo aloha dia tsy afaka mandray ny famerenana amin’ny laoniny ireo fitahian’ny fisoronana sy ny tempoly raha tsy rehefa nankatoavin’ny Fiadidiana Voalohany ihany ary farafahakeliny herintaona aorian’ny namerenana azy (jereo ny 32.17.2).

Raha mbola te hiala amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy ilay mpikambana dia manome fangatahana an-tsoratra sy vita sonia an’ny eveka izy. Alefan’ny eveka any amin’ny filohan’ny tsatòka amin’ny alalan’ny DDG ilay fangatahana. Dinihin’ny filohan’ny tsatòka avy eo ilay fangatahana ary alefany amin’ny alalan’io rafitra io ihany. Tokony handray fepetra araka ilay fangatahana avy hatrany ireo mpitarika.

Afaka manala ny maha-mpikambana azy ihany koa ny olona iray amin’ny alalan’ny fandefasana fangatahana ara-dalàna vita sonia.

Ny olona iray tsy ampy taona izay maniry ny hanala ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy dia manaraka ireo lamina ireo ihany tahaka ny olon-dehibe, fa zavatra iray monja no mampiavaka azy: ny fangatahana an-tsoratra dia tsy maintsy soniavin’ilay olona tsy ampy taona (raha toa izy mihoatra ny 8 taona) sy ireo ray aman-dreniny na ny mpiantoka ilay zaza tsy ampy taona araka ny lalàna.

Raha toa ka mandrahona ny hitory ny Fiangonana na ny mpitarika ao aminy ny olona iray miala amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy dia arahan’ny filohan’ny tsatòka ireo toromarika ao amin’ny 38.8.23.

Tsy maintsy karakaraina ny fangatahana hiala amin’ny maha-mpikambana na dia manana vaovao momba ny fahotana goavana natao aza ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana. Marihina ao amin’ilay fangatahana izay fampahalalana momba ny fahotana izay mbola tsy voavaha rehefa mandefa izany amin’ny alalan’ny rafitra DDG. Izany dia manome fahafahana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana hamaha ny olana toy izany amin’ny hoavy raha toa ka mangataka ny hamerenana azy ao amin’ny Fiangonana ilay olona (jereo ny 32.16.2).

Tsy tokony hamporisika ilay olona hiala amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana ny mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hisorohana ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana.

Mbola manohy manompo ireo izay niala tsy ho mpikambana ireo mpitarika raha tsy hoe mangataka ny tsy hifandray intsony izy ireo.


FAMERENANA IREO TOMBONTSOA MANOKANA ANANANA AMIN’NY MAHA-MPIKAMBAN’NY FIANGONANA


Raha toa ka noferana na nesorina ny tombontsoa manokana nananan’ny olona iray amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy dia miara-miasa sy manoro hevitra manokana an’ilay olona ireo mpitarika raha mamela izany izy. Ity fizarana ity dia manazava ny fomba famerenana ireo fahafahana ireo.

32.15

Manohy manompo hatrany

Ny andraikitry ny eveka na ny filohan’ny tsatòka amin’ny maha-mpitsara tsotra azy dia tsy mifarana rehefa naharay famerana ireo zo amin’ny maha-mpikambana na nesorina amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy ny mpikambana iray. Mbola manohy manompo hatrany izy raha avelan’ilay olona mba hahafahany misitraka indray ireo fitahiana amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana. Mihaona matetika amin’ilay olona ny eveka ary raha manampy sy azo atao dia mihaona amin’ny vadiny ihany koa. Nampianatra an’ireo Nefita ny Mpamonjy hoe:

“Tsy handroaka azy hiala … ny toeram-pivavahanareo [ianareo], fa ho an’ny toa azy no hanohizanareo ny fiahianareo; satria tsy fantatrareo raha toa ka hiverina sy hibebaka izy ary hanatona Ahy amin’ny fo feno finiavana, ary Izaho hanasitrana azy; ary ianareo no ho fitaovana amin’ny fitondrana ny famonjena ho azy” (3 Nefia 18:32).

Sarotra sy manan-danja indrindra ho an’ny olona iray sy ny fianakaviany ny fotoana aoriana kelin’ny namerana ny zony na nanesorana azy amin’ny maha-mpikambana azy. Tokony hojeren’ireo mpitarika akaiky ireo filana ireo ary mankahery sy manampy ireo olona ao amin’ny fianakaviany izy ireo.

Alain’ilay eveka antoka fa misy mpikambana mahakarakara nomena andraikitra hanompo olona izay noferan-jo na nesorina tsy ho mpikamban’ny Fiangonana, raha mamela izany ilay olona. Manompo ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana ihany koa izy ireo. Ny olona ao anatin’ny fameran-jo amin’ny maha-mpikambana dia afaka misitraka ny fahafahana mandray anjara amin’ny firaketana fampahalalana (jereo ny 25.4.3).

Raha mifindra paroasy ilay olona dia mampahafantatra ilay eveka vaovao ny eveka ary manazava ny zavatra mbola ilaina hiseho mialoha ny hanesorana ireo famerana ireo zo amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana. Raha nesorina ny maha-mpikambana ilay olona ato amin’ny Fiangonana na niala tsy ho mpikambana ilay olona dia mifandray tahaka io ihany ny eveka raha toa ka manaiky ny ho ampian’ny Fiangonana ilay olona.

32.16

Fanalana ny famerana ireo zo amin’ny fomba ôfisialy na famerenana indray ho ao amin’ny fiangonana

32.16.1

Filankevitra mandinika ny maha-mpikambana hanalana ny famerana ireo zo amin’ny fomba ôfisialy na famerenana olona

Raha toa ka noferana ireo tombontsoa manokana ananan’ny olona iray amin’ny maha-mpikambana azy na nesorina amin’ny maha-mpikambana azy izy tao anatin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana dia tsy maintsy anatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana iray hafa handinihana ny fanalana ireo famerana ireo zo na ny famerenana ilay olona ho ao amin’ny Fiangonana. Tokony hanana fahefana mitovy lenta (na ambonimbony kokoa) amin’ilay filankevitra tamin’ny voalohany io filankevitra io. Ohatra, raha toa ka filohan’ny tsatòka na filohan’ny misiôna no niahy ilay filankevitra tamin’ny voalohany, dia filohan’ny tsatòka na filohan’ny misiôna no miahy ny filankevitra handinihana ny hanalana ireo famerana ireo zo na hamerenana indray ilay olona.

Ny eveka na ny filohan’ny tsatòka amin’izao no manatanteraka ilay filankevitra. Alainy antoka aloha fa nibebaka ilay olona ary vonona sy mendrika ny hisitraka ireo fitahiana amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana.

Ireo izay noferan-jo amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy matetika dia mila maneho fibebahana marina mandritra ny herintaona farafahakeliny mialoha ny handinihana ny hanalana ireo famerana ireo zo. Ireo izay nesorina amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy matetika dia saika mila maneho hatrany fibebahana marina mandritra ny herintaona farafahakeliny mialoha ny hahafahana mieritreritra ny hamerenana azy ireo. Ho an’ny mpikambana izay nitana toerana lehibe tao amin’ny Fiangonana tamin’ny fotoana nanaovana ilay fahotana goavana dia maharitra kokoa amin’ny ankapobeny ny fotoana (jereo ny 32.6.1.4).

Ny filankevitra handinihana ny hanalana ny famerana ireo zo na ny famerenana olona iray ho ao amin’ny Fiangonana dia manaraka toromarika mitovy amin’ireo filankevitra mandinika ny maha-mpikambana hafa. Mila ny fankatoavana avy amin’ny filohan’ny tsatòka ny eveka vao manatanteraka ilay filankevitra. Ao anatin’ny misiôna iray dia mila ny fankatoavana avy amin’ny filohan’ny misiôna ny filohan’ny sampana na distrika.

Ireto toromarika manaraka ireto no mihatra rehefa manatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana handinihana ny hanalana ny famerana ireo zo na hamerenana olona iray ho ao amin’ny Fiangonana. Tsy voatery ireo toromarika rehetra ireo no mihatra amin’ny tranga tsirairay.

  1. Mamerina mandinika ilay filankevitra mandinika ny maha-mpikambana tamin’ny voalohany. Jeren’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ilay taratasy nanaovana tatitra momba ny filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana. Mangataka ny tahadikan’izany amin’ny alalan’ny DDG izy. Rehefa avy mandinika ilay taratasy izy dia mety hiantso ilay eveka na filohan’ny tsatòka izay nanatanteraka ilay filankevitra mba hikatsaka fanazavana misimisy kokoa.

  2. Manao dinidinika amin’ilay olona. Manao dinidinika tsara amin’ilay olona ny eveka na ny filohan’ny tsatòka mba hamantarana ny herin’ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ny halehiben’ny fibebahany. Jereny ihany koa raha toa ka nahafeno ireo fepetra voalaza tamin’ny zavatra natao voalohany ilay olona.

  3. Mamantatra ny dingana misy ny fitsarana ady heloka na ny fitsarana ambaratonga voalohany. Indraindray ilay olona dia niaiky na voampanga ho nanao heloka. Indraindray ilay olona dia voatsara ho tompon’antoka amin’ny fanaovana hosoka na fanaovan-javatra hafa tsy ara-dalàna teo anivon’ny fiarahamonina. Amin’ny ankapobeny amin’ireo tranga ireo dia tsy manatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ilay mpitarika raha tsy efa nahafeno ireo fepetra rehetra takin’ny didy na lalàna na fitsarana navoakan’ireo manampahefana ilay olona. Mety ho tafiditra amin’ireo fepetra ny fampidirana am-ponja, na ny sazy mihantona, na ny famotsorana arahina fepetra, na ny onitra na ny fanonerana. Mitaky ny fankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany ny tranga maningana mialoha ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana. Ireo tranga maningana ireo dia mety hahitana olona efa nahavita ireo fitakian’ny lalàna ary efa naneho fibebahana marina saingy misy sazy mihantona mandrapahafaty na onitra lehibe.

  4. Mifandray amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana an’ireo niharan’ny heloka. Mifandray amin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòkan’ireo izay niharan’ilay heloka ilay eveka na filohan’ny tsatòka (jereo ny 32.10.2).

  5. Manao filazana momba ilay filankevitra. Ampahafantariny an’ilay olona ny daty sy ny fotoana ary ny toerana hanatanterahana ilay filankevitra.

  6. Tariho ilay filankevitra. Mitarika ilay filankevitra araka ireo toromarika ao amin’ny 32.10.3 izy. Anontaniany an’ilay olona ny zavatra efa nataony mba hibebahana. Anontaniany ihany koa ny fanoloran-tenany ho an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonana. Rehefa noresahina avokoa izay raharaha manan-danja rehetra dia avoakany ilay mpikambana. Mivavaka izy miaraka amin’ireo mpanolotsainy handinihana ny fepetra horaisina. Fanapahan-kevitra telo no mety hisy:

    1. Tohizana ireo famerana ireo zo sy fanesorana tsy ho mpikambana.

    2. Alàna ireo famerana ireo zo na ankatoavina ny famerenana ilay olona

    3. Angatahina any amin’ny Fiadidiana Voalohany ny hankatoavana ny hanalana ireo famerana ireo zo na ny hamerenana ilay olona (raha ilaina araka ny “Angataho ny fankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany” etsy ambany).

  7. Mizara ny fanapahan-kevitra. Rehefa avy nandray fanapahan-kevitra ny filankevitra dia zarain’ilay mpiandraikitra miahy amin’ilay olona izany. Raha toa ka ilaina ny fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany dia hazavainy fa fangatahana atao amin’ny Fiadidiana Voalohany ilay fanapahan-kevitra.

  8. Mandefa tatitra. Alefan’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka amin’ny alalan’ny rafitra DDG ilay taratasy nanaovana tatitra momba ny filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana. Afaka mangataka ny mpitamboky hanomana io tatitra io izy. Maka antoka izy fa tsy misy tahadika voatana na elektrônika voatahiry ao an-toerana. Maka antoka ihany koa izy fa nopotehina avy hatrany izay fandraisana naoty rehetra hanomanana ilay tatitra.

  9. Mangataka ny fankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany (raha ilaina). Amin’ireto toe-javatra manaraka ireto dia ilaina ny fankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany mba hanalana ireo famerana amin’ny fomba ôfisialy ny zo amin’ny maha-mpikambana na hamerenana ilay olona ho ao amin’ny Fiangonana. Takina izany fankatoavana izany na dia efa taorian’ny namerana ny zo amin’ny maha-mpikambana na ny nanesorana azy aza no nitrangan’ilay fitondrantena.

    Rehefa mangataka fankatoavana ihany ny filohan’ny tsatòka vao mandefa fangatahana any amin’ny Fiadidiana Voalohany (jereo ny 6.2.3).

    1. Vono olona

    2. Firaisana ara-nofo eo amin’ny mpianaka na mpiray tampo

    3. Herisetra ara-nofo atao amin’ny zaza na zatovo, na fanodinkodinan-jaza tsy ampy taona eo amin’ny lafin’ny firaisana ara-nofo, na herisetra goavana ara-batana na ara-pihetseham-po atao amin’ny zaza na zatovo izay ataon’olon-dehibe na zatovo zokiny aman-taona maro

    4. Fandraisana anjara amin’ny pôrnôgrafia ahatafidiran’ankizy izay misy fanamelohana ara-dalàna.

    5. Apôstazia

    6. Fampakarana vady maro

    7. Manao fahotana goavana kanefa mihazona toerana lehibe sy fanta-daza ato amin’ny Fiangonana

    8. Transgenre—fanovana ny fitaovam-pananahana ho tsy mitovy amin’ny namaritana azy tamin’ny nahaterahana (jereo ny 38.6.23)

    9. Fanodinkodinam-bola na fananan’ny Fiangonana

  10. Manao fampilazana an-tsoratra momba ilay fanapahan-kevitra. Maka antoka ny eveka na ny filohan’ny tsatòka fa naharay fampandrenesana an-tsoratra avy hatrany momba ilay fanapahan-kevitra sy ny vokatr’izany ilay olona.

  11. Manao batisa sy mandray ho mpikambana. Raha toa ka nesorina ny maha-mpikamban’ny Fiangonana an’ilay olona tao amin’ilay filankevitra tamin’ny voalohany dia tsy maintsy atao batisa sy raisina ho mpikambana indray izy. Raha toa ka ilaina ny fankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany dia aorian’ny hahazoana io fankatoavana io ihany vao tanterahina ireo ôrdônansy ireo. Tsy misy ny famoronana taratasy fanamarinana ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana (Jereo ny 32.14. 4).

32.16.2

Famerenana taorian’ny nialana tsy ho mpikamban’ny Fiangonana

Raha miala amin’ny fomba ôfisialy tsy ho mpikamban’ny Fiangonana ny olona iray dia tsy maintsy atao batisa sy raisina ho mpikambana izy vao tafaverina indray ao amin’ny Fiangonana. Ho an’ny olon-dehibe dia tsy azo eritreretina ny hamerenana azy raha tsy efa feno herintaona farafahakeliny taorian’ny nialany tsy ho mpikambana.

Rehefa misy olona mangataka ny hiverina indray, dia mahazo ny tahadikan’ny taratasy Rapport d’action administrative (Fanaovana tatitra mikasika ny fepetra ara-pitantanana) ny eveka na ny filohan’ny tsatòka izay nampiarahina tamin’ny fangataham-pialana. Afaka mahazo izany amin’ny alalan’ny rafitra DDG izy.

Hadihadian’ilay eveka na filohan’ny tsatòka tsara avy eo ilay olona. Anontaniany ny antony nanaovany fangatahana tamin’ny voalohany sy ny faniriany hiverina indray. Ao anatin’ny fanahin’ny fitiavana dia manontany ny amin’ny fahotana goavana mety ho nataon’ilay olona izy na taloha na taorian’ny nialany tsy ho mpikambana. Tsy miroso amin’ny famerenana indray ilay mpitarika raha tsy efa nibebaka ilay olona ary vonona sy mendrika ny hisitraka ireo fitahiana amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana.

Ireto manaraka ireto ireo toromarika amin’ny famerenana indray taorian’ny fialana tsy ho mpikambana:

  • Anatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha toa ka noferana ny zo amin’ny maha-mpikambana tamin’ny fotoana nialany.

  • Anatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha toa ka nanao fahotana goavana ilay olona, tafiditra amin’izany ny apôstazia, talohan’ny nialany tsy ho mpikambana.

Amin’ny toe-javatra hafa dia tsy tanterahina ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha tsy hoe faritan’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka fa ilaina izany.

Raha ilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ho an’ny olona iray izay efa nandray ny fanafiana masina tany amin’ny tempoly, dia tanterahan’ny filohan’ny tsatòka izany. Raha ilaina ny hanatanterahana filankevitra ho an’ny olona iray izay tsy mbola nandray ny fanafiana masina dia tanterahan’ny eveka miaraka amin’ny fankatoavana avy amin’ny filohan’ny tsatòka izany.

Raha toa ilay olona ka nanao ireo fitondrantena ao amin’ny 32.16.1, laharana faha-9, na taloha na taorian’ny nialany tsy ho mpikamban’ny Fiangonana, dia takiana ny fankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany an’ilay famerenana. Raha toa ilay olona ka nanao ny iray amin’ireo fihetsika ao amin’ny 32.14.5, laharana 1, na taloha na taorian’ny nialany tsy ho mpikambana, dia hisy fanamarihana hatao eo amin’ny firaketana ny momba ny maha-mpikambana azy.

Ny olona izay mangataka ny hamerenana azy dia tsy maintsy mahafeno ireo fepetra takiana amin’ny hafa izay atao batisa ihany koa. Rehefa mahazo antoka ilay eveka na filohan’ny tsatòka fa mendrika ilay olona ary mahitsy fo eo amin’ny faniriany ho averina ho mpikambana indray, dia azo atao batisa sy raisina ho mpikambana ilay olona. Tsy misy ny famoronana taratasy fanamarinana ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana (Jereo ny 32.14. 4).

Sary
lehilahy iray mandray ny fanasan’ny Tompo

32.17

Lamin’asa ataon’ny Fiangonana, fanendrena, ary famerenana amin’ny laoniny ireo tsodrano aorian’ny fialana tsy ho mpikambana

32.17.1

Lamin’asa ataon’ny Fiangonana sy fanendrena

Ity tabilao manaraka ity dia manondro izay lamin’asa ataon’ny Fiangonana mety ho an’ny olona iray izay naverina ho mpikambana indray tamin’ny alalan’ny batisa sy fandraisana ho mpikambana.

Tsy mbola nahazo ny fanafiana masina teo aloha

Efa nahazo ny fanafiana masina teo aloha

Mpihazona ny fisoronana teo aloha

Tsy mbola nahazo ny fanafiana masina teo aloha

  • Vantany vao vita batisa sy noraisina ho mpikambana dia afaka omena ny fisoronana sy tendrena amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana izay nohazoniny tamin’ny nanesorana azy tsy ho mpikamban’ny Fiangonana na ny nialany. Tsy atolotra mba hotohanana izy ireo.

  • Azo omena fahazoan-dalana hidirana ny tempoly hanaovana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloan-tena.

Efa nahazo ny fanafiana masina teo aloha

  • Tsy azo tendrena ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana. Rehefa tafaverina amin’ny laoniny ny fisoronan’izy ireo sy ireo fitahian’ny tempoly dia tafaverina amin’ny laoniny ihany koa ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana izay nohazoniny araka ny hazavaina ao amin’ny 32.17.2. Tsy afaka manatanteraka ôrdônansy izy ireo mandra-pahatonga izany fotoana izany.

  • Afaka mandray anjara amin’izay mety ho atrikasan’ny Fiangonana izay azon’ny mpikambana tsy mbola nandray fanafiana masina ary tsy mihazona fisoronana atao.

  • Tsy afaka mitafy ny garmentan’ny tempoly na mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mandra-pamerenana amin’ny laoniny ny tsodranon’izy ireo.

Mpikambana hafa

Tsy mbola nahazo ny fanafiana masina teo aloha

  • Afaka mandray anjara amin’ny hetsika ataon’ny Fiangonana toy izay ho ataon’ny mpikambana vao niova fo.

  • Azo omena fahazoan-dalana hidirana ny tempoly hanaovana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloan-tena.

Efa nahazo ny fanafiana masina teo aloha

  • Afaka mandray anjara amin’izay mety ho zavatra atao ao amin’ny Fiangonana izay azon’ny mpikambana tsy mbola nandray fanafiana masina ary tsy mihazona fisoronana atao.

  • Tsy afaka mitafy ny garmentan’ny tempoly na mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mandra-pamerenana amin’ny laoniny ny tsodranon’izy ireo (Jereo ny 32.17. 2).

32.17.2

Famerenana ireo tsodrano amin’ny laoniny

Ireo olona izay efa nandray ny fanafiana masina ka naverina indray tamin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia tsy afaka mandray ny fisoronana sy ireo fitahian’ny tempoly raha tsy amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny famerenana ireo tsodrano amin’ny laoniny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:21). Tsy averina tendrena ho amina anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana izy ireo ary tsy averina omena ny fanafiana masina indray. Tafaverina amin’ny laoniny amin’ny alalan’ilay ôrdônansy ireo tsodrano ireo. Tafaverina amin’ny laoniny ao amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana nohazoniny teo aloha ireo rahalahy, afa-tsy ny anjara fanompoan’ny Fitopololahy na eveka na patriarika.

Ny Fiadidiana Voalohany irery ihany no afaka manome ny fankatoavana ny hanatanterahana ny ôrdônansin’ny famerenana amin’ny laoniny ireo tsodrano. Tsy tokony hieritreritra ny hangataka io ôrdônansy io izy ireo mialoha ny hahafeno herintaona ny namerenana ilay olona tamin’ny alalan’ny batisa sy fandraisana ho mpikambana.

Manao tafa sy dinika amin’ilay olona ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka mba hamaritana ny fahamendrehany sy ny fahavononany. Rehefa tsapan’ny filohan’ny tsatòka fa vonona ilay olona dia mangataka famerenana amin’ny laoniny ireo tsodrano izy amin’ny fampiasana ny DDG. Jereo ny 6.2.3 momba ny andraikitry ny filohan’ny tsatòka rehefa mandefa fangatahana any amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Raha toa ka ankatoavin’ny Fiadidiana Voalohany ny famerenana amin’ny laoniny ireo tsodrano, dia manome andraikitra Manampahefana Ambony na ny filohan’ny tsatòka izy ireo hanao dinidinika amin’ilay olona. Raha mendrika ilay olona, dia manatanteraka ilay ôrdônansy ilay mpitarika mba hamerenana amin’ny laoniny ireo tsodranon’ilay olona.

Jereo ny 32.14.4 mba hahitana fampahalalana momba ny firaketana momba ny maha-mpikambana sy ny famerenana amin’ny laoniny ireo fitahiana.