Boky torolalana sy antso
15. Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara


“15. Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, (2020).

“15. Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
zatovovavy manangan-tanana ao an-dakilasy

15.

Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara

15.0

Teny fanolorana

Ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara (S&I) dia manampy ny ray aman-dreny sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’ny fanampiana ny zatovo sy ny tanora hampitombo ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Izany dia tontosaina amin’ny alalan’ny fanohanana ny fandalinana mifototra ao an-tokantrano ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona ary ny an’ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana.

Ny fandaharan’asa seminera sy institiota dia fehezin’ireo fitsipika apetraky ny Filankevi-pitantanan’ny Fampianarana ato amin’ny Fiangonana, izay tarihin’ny Filohan’ny Fiangonana. Ny fiadidian’ny tsatòka no manatanteraka ireo fandaharan’asa ireo ao amin’ny tsatòka sy ireo paroasy. Mijery matetika ny fandraisana anjaran’ny zatovon’izy ireo amin’ny fandaharan’asa seminera sy institiota ireo mpitarika ao amin’ny tsatòka sy ny paroasy.

Misy tompon’andraikitra misahana ny S&I tendrena ho an’ny tsatòka tsirairay mba hanampy ireo mpitarika hitantana ny fandaharan’asan’ny S&I.

15.1

Seminera

Ny seminera dia fandaharan’asa maharitra efa-taona izay handalinan’ny zatovo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy araka izay hita ao amin’ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany. Amin’ny ankapobeny dia 14–18 taona ny mpianatra seminera.

Mamporisika ny zatovo rehetra handray anjara feno amin’ny seminera ny episkôpà sy ireo mpitarika ny zatovo, ary ireo fiadidian’ny kôlejy sy ireo kilasy. Mamporisika ny ray aman-dreny ny episkôpà mba hanoratra ny anaran’ny zanany isan-taona alohan’ny hiantombohan’ireo kilasin’ny seminera. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny Fisoratana anarana ho an’ny Seminera ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

15.1.1

Mpampianatra

Ireo mpampianatra seminera dia tokony ho mpikamban’ny Fiangonana izay mino ny Tompo Jesoa Kristy sy manana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Tokony hiaina ireo fitsipika ampianariny izy ireo ary hiara-hiasa tsara amin’ny zatovo. Raha azo atao dia tokony hanana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly ireo mpampianatra.

Ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka dia mifampila hevitra amin’ny eveka sy ny mpanara-maso eo anivon’ny tsatòka ary ny tompon’andraikitra misahana ny S&I mikasika ireo azo aroso ho mpampianatra seminera. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay notendrena no miantso sy manokana ary misaotra ireo mpampianatra seminera eo anivon’ny tsatòka sy mpanara-maso eo anivon’ny tsatòka. Rehefa voantso ilay olona ary voatokana dia manofana sy manohana azy ilay tompon’andraikitra misahana ny S&I.

Mba hiarovana ireo mpampianatra sy ny mpianatra dia tokony hisy olon-dehibe roa ao amin’ilay trano na tokantrano izay ampianarana kilasin’ny seminera. Azo atao ny miantso mpampianatra fanampiny na azo atao koa ny manondro olon-dehibe tompon’andraikitra iray hafa hanatrika eo. Mety ho ny vadin’ilay mpampianatra na ny ray na renin’ny mpianatra iray ilay olon-dehibe faharoa. Tokony ho lehilahy na vehivavy tahaka ilay mpampianatra io olona io, raha tsy hoe angaha olon-dehibe iray fianakavian’ilay mpampianatra. Tsy tokony ho irery na oviana na oviana ao an-dakilasy na ao anaty trano na ao anaty fiara miaraka amin’ny mpianatra ny mpampianatra iray raha tsy hoe zanak’ilay mpampianatra ilay mpianatra.

15.1.2

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fanamboarana
Ireo safidy azo atao ao amin’ny seminera

Tena manampy ny seminera raha toa ka afaka mihaona amin’ny mpampianatra isan’andro ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma ireo mpianatra. Mety tsy ho azo tanterahina anefa izany noho ny tsy fandriam-pahalemana, ny halaviran’ny dia atao, ary ireo antony hafa. Manana ireto safidy ireto ireo mpitarika eo an-toerana mba hanaovana ny seminera:

Safidy

Isan’ny lesona isan-kerinandro ho an’ny fianarana any an-dakilasy

Isan’ny lesona isan-kerinandro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano na ao amin’ny internet

Safidy

A

Isan’ny lesona isan-kerinandro ho an’ny fianarana any an-dakilasy

5 (50 minitra)

Isan’ny lesona isan-kerinandro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano na ao amin’ny internet

Tsy misy

Safidy

B

Isan’ny lesona isan-kerinandro ho an’ny fianarana any an-dakilasy

4 (60 minitra)

Isan’ny lesona isan-kerinandro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano na ao amin’ny internet

Tsy misy

Safidy

D

Isan’ny lesona isan-kerinandro ho an’ny fianarana any an-dakilasy

4 (50 minitra)

Isan’ny lesona isan-kerinandro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano na ao amin’ny internet

1

Safidy

E

Isan’ny lesona isan-kerinandro ho an’ny fianarana any an-dakilasy

3 (50 minitra)

Isan’ny lesona isan-kerinandro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano na ao amin’ny internet

2

Safidy

F

Isan’ny lesona isan-kerinandro ho an’ny fianarana any an-dakilasy

2 (90 minitra)

Isan’ny lesona isan-kerinandro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano na ao amin’ny internet

1

Safidy

G

Isan’ny lesona isan-kerinandro ho an’ny fianarana any an-dakilasy

2 (50 minitra)

Isan’ny lesona isan-kerinandro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano na ao amin’ny internet

3

Safidy

H

Isan’ny lesona isan-kerinandro ho an’ny fianarana any an-dakilasy

1 (50 minitra)

Isan’ny lesona isan-kerinandro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano na ao amin’ny internet

4

Mifampidinika amin’ny tompon’andraikitra misahana ny S&I ao amin’ny faritra misy azy ireo ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hanapahana hevitra ny safidy izay:

  • Manampy indrindra ny mpianatra hianatra ny filazantsara sy hivoatra ara-panahy.

  • Miaro ireo mpianatra amin’ny loza.

  • Tsy mitondra vesatra tsy ilaina eo amin’ny fianakaviana.

Raha sarotra ny mihaona amin’ny mpampianatra mandritra ny herinandro dia azo eritreretina ny fampiasana teknôlôjia hanaovana fivoriana tsy mifanatrika mivantana.

Tsy azo atao ny alahady ny fotoam-pianarana. Ny tranga maningana dia mitaky fankatoavana avy amin’ny Filankevi-pitantanan’ny Fampianarana ato amin’ny Fiangonana. Ny filohan’ny tsatòka dia afaka manolotra fanovana amin’ny tompon’andraikitra misahana ny S&I eo an-toerana mikasika ny safidy azo atao amin’ny seminera ampiasain’ny tsatòka. Alefan’ilay tompon’andraikitra misahana ny S&I any amin’ny sampan-draharaha mitantana ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara ilay sosokevitra. Ilaina ny fanomezan-dalana avy amin’ny sampan-draharaha misahana ny fitantanana alohan’ny hampiharana ilay fanovana.

Azo atao ny manorina filankevi-pitantanan’ny fampianarana eo an-toerana raha toa ka mifanakaiky sy manana olana sy fanamby mitovy ny tsatòka maromaro izay ahitana kilasin’ny seminera na kilasy ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra seminera any an-trano na izy roa mitambatra (jereo ny seminary.ChurchofJesusChrist.org).

15.1.3

Ireo trano sy fitaovana ary fitaovam-pampianarana

Maka antoka ireo mpitarika ao amin’ny tsatòka sy ny paroasy fa misy ny toerana azo ampiasaina ahafahana manatanteraka ny fampianarana seminera toy ny trano fiangonana na tranon’ny mpikambana. Tsy tokony hanofana trano na efitrano hampianarana ny kilasin’ny seminera. Raha mivory ao amin’ny trano fiangonana ireo kilasy dia tokony ho afaka mampiasa ireo fitaovana ao amin’ny trano fitahirizana ireo loharanom-pitaovana ny mpampianatra.

Manome fitaovana ho an’ny mpampianatra sy ny mpianatra ho an’ny kilasy tsirairay ilay tompon’andrakitra misahana ny S&I. Tokony hitondra ny soratra masiny ny mpianatra, na vita printy izany na amin’ny fitaovana elektrônika.

15.1.4

Ireo mpiandraikitra ny kilasy sy ny fiaraha-mientana

Afaka mifidy mpiandraikitra ny kilasy ny mpampianatra seminera, toy ny filoha, filoha lefitra ary mpitantsoratra. Mifandray amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra tsirairay sy ny eveka aloha ilay mpampianatra hahazoana fankatoavana. Tsy tohanana na atokana ireo mpiandraikitra ny kilasy. Afaka manampy ny mpampianatra izy ireo amin’ireo adidy fanao mahazatra ao an-dakilasy ary mamporisika ireo mpianatra hafa hanatrika sy handray anjara.

Ny mpampianatra seminera dia tsy tokony hanao fiaraha-mientana ivelan’ny fotoam-pianarana mahazatra na lavitry ny efitrano fianarana. Ny tranga maningana dia mitaky fankatoavana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana.

15.1.5

Isa tratrarina sy fahavitana fianarana

Afaka mianatra amin’ny fomba mahomby kokoa ireo mpianatra ary afaka mampitombo ny fiovam-pony raha manatrika tsy tapaka ny fotoam-pianarana, sy mandray anjara, ary mandalina ny soratra masina any ivelan’ny kilasy. Rehefa manao ireo zavatra ireo izy ireo dia mahazo ihany koa ny isa tratrarina amin’ny seminera isan-taona ary afaka mamita hatramin’ny farany ny fianarana seminera.

Mety hanana olana ny mpianatra sasany amin’ny fahazoana ny isa tratrarina amin’ny seminera noho ireo olana amin’ny famakian-teny na noho ny antony hafa. Azon’ny mpampianatra amboarina hifanaraka amin’ny filan’ireo mpianatra ireo ny fepetra takina. Afaka mangataka ny hanamboarana manontolo ny fandaharam-pianarana iray ny tompon’andraikitra misahana ny S&I. Mitaky fahazoan-dalana avy amin’ny Birao foiben’ny S&I ireo fanamboarana ireo.

Mba hahavitana hatramin’ny farany ny seminera dia tsy maintsy mahazo ny isa tratrarina mandritra ny efa-taona ny mpianatra iray ary mahazo fankatoavana avy amin’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà. Io fankatoavana io dia manamarina fa mendrika ny mpianatra iray ary nanolo-tena hiaina ireo fenitry ny filazantsara.

Manatanteraka lanonana ho an’ny fahavitana seminera ny tsatòka isan-taona. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo no mamolavola ny drafitra hanaovana io hetsika io. Afaka manampy ny tompon’andraikitra misahana ny S&I. Ho fampahalalana fanampiny dia jereo ny Torolalana mikasika ny fotoana fanehoana ny fahavitana fianarana seminera sy institiota.

15.1.6

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fanamboarana
Fampianarana seminera any an-tsekoly

Any amin’ny faritra sasany any Etazonia sy Kanadà, ny lalàna eo an-toerana dia mamela ny mpianatra handao ny sekoly ka mandeha manatrika seminera mandritra ny ora fianarana. Ny Filankevi-pitantanan’ny Fampianarana ato amin’ny Fiangonana no manome ny fankatoavany any amin’ny toerana izay ampiasana io karazana seminera io. Ho fampahalalana misimisy kokoa momba ny fampianarana seminera any an-tsekoly dia jereo ny Released-Time Seminary ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

15.2

Sary
sary famantarana, loharanon-kevitra tsy voatery ampiharina
Institiota

Ny institiota dia manolotra kilasy fianarana filazantsara andavan’andro izay mampatanjaka ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fijoroana ho vavolombelona momba Azy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Ny tanora tokan-tena rehetra 18–30 taona dia tokony hamporisihina hanatrika ireo kilasin’ny institiota, na mbola mianatra izy ireo na tsia.

Ireo kilasin’ny institiota atao any amin’ny anjerimanontolo dia tsy misy any amin’ny faritra maro. Amin’izay tranga izay dia afaka manangana kilasin’ny institiota eo anivon’ny tsatòka ireo filohan’ny tsatòka. Ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ireo mpiasa ao amin’ny S&I no mandrindra ny fandaminana.

Ireo torolalana fanampiny hananganana sy hampandehanana kilasin’ny institiota eo anivon’ny tsatòka, ny fandaminana ireo trano sy fitaovana, ny fiantsoana mpampianatra, ary ny fankasitrahana ny zava-bitan’ny mpianatra dia azo jerena ao amin’ny Stake Institute ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

15.2.1

Ireo kilasy hafa fianarana ny filazantsara

Mety maniry ny hanolotra kilasy fianarana ny filazantsara ho an’ny olon-dehibe 31 taona no mihoatra ireo fiadidian’ny tsatòka. Tsy anjara asa sahanin’ny S&i ireny kilasy ireny ary tsy antsoina hoe kilasin’ny institiota. Azo ampiasaina amin’ireo kilasy ireo anefa ireo lesona amin’ny fandaharam-pampianaran’ny institiota.

Sary
vehivavy mandray an-tsoratra ao an-dakilasy

15.3

Sary
sary famantarana, loharanom-panampiana tsy voatery ampiasaina
Ireo sekolin’ny Fiangonana sy ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana

Ho fampahalalana mikasika ireo sekoly ambaratonga voalohany sy faharoan’ny Fiangonana, ny BYU–Pathway Worldwide, ary ireo ivon-toeram-pampianarana ambaratonga ambony, dia jereo ny CES.ChurchofJesusChrist.org. Omena ao koa ny fampahalalana momba ny famitana fankatoavana omen’ny mpitarika ho an’ny mpianatra hahafahana mianatra any amin’ireo sekoly ireo.

Ankoatra izay, ny fampahalalana momba ny fanomezan-dalana avy amin’ny mpitarika momba ny asa amin’ny alalan’ny birao misahana ny fanomezan-dalana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny DFF dia azo jerena ao amin’ny help.ChurchofJesusChrist.org.