Boky torolalana sy antso
29. Ireo fivoriana ao amin’ny Fiangonana


“29. Ireo fivoriana ao amin’ny Fiangonana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“29. Ireo fivoriana ao amin’ny Fiangonana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
reny sy zanakavavy manatrika fivoriana fanasan’ny Tompo

29.

Ireo fivoriana ao amin’ny Fiangonana

29.0

Teny fanolorana

Miara-mivory ny Olomasin’ny Andro Farany mba hivavaka, hifankahery, ary hampianatra sy hianatra ny filazantsara (jereo ny Almà 6:6; Môrônia 6:5–6). Nampanantena ny Mpamonjy fa: “Na aiza na aiza no hiangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho” (Matio 18:20). Ny fiaraha-mivory dia fomba iray ahafahan’ny fontsika “mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiava[na].” (Môzià 18:21).

Ny fivorian’ny mpitarika dia manampy ireo mpitarika hiara-hifanakalo hevitra sy handrindra ny ezaka atao mba hanompoana ny hafa. Kanefa ny fanaovana fivoriana dia tsy tokony hahasolo na oviana na oviana ny fanompoana ny hafa tahaka izay nataon’i Jesoa Kristy. Azo atao mandritra ny fivoriana iray ny fandrafetana ny fomba hitondrana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana, fa amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia tanterahina ivelan’ilay fivoriana izany.

29.1

Fanomanana sy fitarihana fivoriana

Ireo mpitarika dia manomana sy mitarika ireo fivoriana “araka izay itarihan’ny Fanahy Masina azy, araka ireo didy sy ireo fanambaran’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:45; jereo koa ny Môrônia 6:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:2). Mikatsaka fomba hanasana ny fitarihan’ny Fanahy izy ireo mandritra ny fivoriana ataony.

Maka antoka ireo mpitarika fa tsy miteraka vesatra ho an’ireo mpikambana na ho an’ny fianakavian’izy ireo ny isan’ireo fivoriana sy ny faharetany. Ohatra, tsy tokony hanasarotra ny fananan’ny fianakaviana fotoana hiarahana mandritra ny andro Sabata ireo fivoriana.

Maka antoka koa ny mpitarika fa mifantoka amin’ny zavatra manan-danja indrindra ireo fivoriana. Ohatra, ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia tokony hifantoka amin’ny fanasan’ny Tompo sy ny fampiorenana finoana an’i Jesoa Kristy. Ireo fivorian’ny fiadidiana sy ny filankevitra dia tokony hifantoka amin’ny fanamafisana orina ny tsirairay sy ny fianakaviana.

Afaka mitarika ny fivoriana ny manampahefana mpiahy. Na afaka mangataka olona hafa izy, toy ny mpanolotsaina, hitarika izany eo ambany fitarihany.

Indraindray misy zavatra mitranga mandritra ilay fivoriana ka tsapan’ilay mpiandraikitra mpiahy fa tokony hohazavaina. Ohatra, mety hisy olona hampianatra fotopampianarana diso. Raha izay no mitranga dia tokony hitondra fanazavana ilay mpiandraikitra mpiahy, kanefa tsy manao izay hahamenatra na iza na iza.

29.2

Ireo fivoriana ao amin’ny paroasy

29.2.1

Ny fivoriana fanasan’ny Tompo

29.2.1.1

Fanomanana ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Ny episkôpà no manomana sy mitarika ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Maka antoka izy ireo fa ny fanasan’ny Tompo sy ny fampiorenana finoana an’i Jesoa Kristy no hifantohan’ilay fivoriana.

Maharitra adiny iray ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Mety ho hita ao anatin’izany ireto manaraka ireto:

  1. Feon-kira mialoha ny fivoriana (jereo ny 19.3.2 raha te hahita ireo torolalana). Afaka manasa ny fanahin’ny fitsaohana ny feon-kira feno fanajana alohan’ny hanombohan’ireo fivoriana.

  2. Fiarahabana.

  3. Fankasitrahana ireo manampahefana miahy na ireo mpitarika hafa izay mitsidika. Tokony hasaina hipetraka eny amin’ny lampihazo ireo manampahefana miahy sy ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo izay mitsidika ny paroasy. Asaina hipetraka eny amin’ny lampihazo ihany koa ireo Mpiandraikitra Ambony raha tsy hoe manatrika ao amin’ny paroasy niaviany izy ireo.

  4. Filazana. Tokony hatao fohy araka izay azo atao izany. Ny ankamaroan’izy ireny dia azo atonta printy, na zaraina amin’ny endriny nomerika, na zaraina mandritra ireo fivoriana hafa.

  5. Hira sy vavaka fanombohana. Jereo ny 19.3.2 sy ny 29.6.

  6. Raharahan’ny tsatòka sy ny paroasy, toy izao manaraka izao:

    • Fanohanana sy fisaorana ireo mpiandraikitra sy mpampianatra (jereo ny 30.3 sy ny 30.6).

    • Fanolorana ny anaran’ireo rahalahy hotendrena ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Aharôna (jereo ny 18.10.3).

    • Fanekena ireo mpikambana vaovao ao amin’ny paroasy, isan’izany ireo olona niova fo. Aorian’ny teny fohy fampidirana dia mangataka ny mpikambana manatrika ilay olona mitarika mba haneho amin’ny alalan’ny fananganan-tanana fa mandray ilay mpikambana ho ao amin’ny paroasy izy ireo.

      Rehefa vita batisa sy noraisina ho mpikambana ireo ankizy mpikambana voasoratra anarana dia atao mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ny fanekena azy ireo ho mpikambana. Na izany aza anefa dia tsy tokony hatolotra mba ho arahabaina ao amin’ny paroasy izy ireo.

  7. Fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza (jereo ny 18.6). Mazàna izy io no atao mandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona (jereo ny 29.2.2).

  8. Fandraisana ireo olona niova fo ho mpikambana (jereo ny 18.8).

  9. Hira ho an’ny fanasan’ny Tompo sy fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo. Ny fanasan’ny Tompo no zavatra voalohany hifantohan’ilay fivoriana. Tsy tokony hampiala ny fifantohana amin’izany ireo ampahany hafa amin’ny fivoriana. Fotoana ahafahan’ny mpikambana mampifantoka ny eritreriny amin’ny Mpamonjy sy ny sorona nataony ho azy ireo io ôrdônansy io. Tokony ho fotoana masina hanavaozana ny fiainam-panahy izany.

    Tokony homanina mialoha ny fiantombohan’ny fivoriana ny latabatry ny fanasan’ny Tompo. Maka antoka ny eveka fa hamasinina sy zaraina amim-panajana sy amim-pilaminana ny fanasan’ny Tompo. Misolo tena an’i Jesoa Kristy ireo olona manatanteraka ny fanasan’ny Tompo.

    Raha te hahalala kokoa mikasika ny fanomanana sy ny fanamasinana ary ny fizarana ny fanasan’ny Tompo dia jereo ny 18.9.

    Ho fampahalalana mikasika ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo amin’ny toe-javatra miavaka dia jereo ny 29.2.1.5 sy ny 18.9.1.

  10. Hafatra avy amin’ny filazantsara sy fihiran’ny daholobe na hira hafa. Tokony hifanaraka tsara amin’ny toetra masina ananan’ny fanasan’ny Tompo ny hafatra sy ny hira. Ho fampahalalana mikasika ny fisafidianana ireo mpandahateny dia jereo ny 29.2.1.4. Ho fampahalalana mikasika ny fisafidianana ireo hira hiraina mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia jereo ny 19.3.2.

  11. Hira sy vavaka famaranana

  12. Feon-kira aorian’ny fivoriana.

Tsy tokony hampiasaina mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ny fitaovana jeren’ny maso hoentina manampy na ireo fitaovana henoina sy jerena (jereo ny 38.8.3).

29.2.1.2

Fiahiana ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Ny eveka no miahy ny fivoriana fanasan’ny Tompo, raha tsy hoe misy mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, na Fitopolahin’ny Vondromparitra na Manampahefana Ambony manatrika eo. Raha tsy afaka manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo ny eveka sy ireo mpanolotsainy dia ny filohan’ny tsatòka no manondro izay olona hiahy izany. Araka ny tokony ho izy dia manome andraikitra ny filohan’ny kôlejin’ny loholona izy. Na izany aza dia afaka manasa mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray hafa izy.

29.2.1.3

Fotoana mialoha ny fivoriana

Alohan’ny hiantombohan’ny fivoriana dia miomana ara-panahy handray ny fanasan’ny Tompo ireo olona mpanatrika. Afaka manao izany amin’ny alalan’ny vavaka mangina sy ny fisaintsainana izy ireo. Maneho ohatra amin’ny fanajana lalina ireo mpitarika.

29.2.1.4

Fisafidianana izay handahateny

Ny episkôpà no mifidy ireo mpandahateny mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia manasa ireo mpikambana ao amin’ny paroasy izy ireo, ka tafiditra ao anatin’izany ny zatovo (jereo ny 38.8.18). Afaka manendry ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo na ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny rafitra eo anivon’ny tsatòka ny filohan’ny tsatòka mba handahateny. Ny filohan’ny tsatòka no manapaka ny amin’ny hatetiky ny fanomezana andraikitra toy izany.

Manome ireo fanasana hanao lahateny mialoha lavitra ilay fivoriana ny episkôpà. Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy mampianatra ny filazantsarany amin’ny fampiasana soratra masina ireo mpandahateny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:12; 52:9). Tokony hampiorina finoana sy hifanaraka tsara amin’ny toetra masina ananan’ny fanasan’ny Tompo ireo hafatra.

Ho fampahalalana mikasika ny fanaovan’ireo misiônera vao nantsoina na vao niverina lahateny mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia jereo ny 24.5.2 sy ny 24.8.3.

Ny episkôpà dia manomana fivoriana fanasan’ny Tompo indray mandeha isan-taona ho an’ny fampisehoana ataon’ireo ankizy ao amin’ny Kilonga. Ho fampahalalana mikasika io fampisehoana io dia jereo ny 12.2.1.2.

Sary
lehilahy mandray fitenenana eo amin’ny polipitra

29.2.1.5

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana amin’ny zava-misy
Ireo fotoam-bavaky ny fanasan’ny Tompo amin’ny toe-javatra tsy mahazatra

Ny mpikambana tsirairay dia mila ireo fitahiana ara-panahy izay azo avy amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Tsy afaka manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo anefa ny mpikambana sasany satria tsy maintsy mijanona ao an-tranony, na any amin’ny hôpitaly, na any amin’ny trano fitazaina be antitra na olona manan-kilema. Azon’ny eveka atao ny manome andraikitra mpihazona fisoronana hanatanteraka ny fanasan’ny Tompo ho an’ireo mpikambana ireo (jereo ny 18.9.1).

Amin’ny toe-javatra sasany dia azon’ny eveka atao ny manome lalana ny handefasana an-tsary ny fivoriana fanasan’ny Tompo ho an’ireo olona izay tsy afaka manatrika. Ho fampahalalana momba izany dia jereo ny 29.7.

Rehefa manao dia lavitra na mipetraka lavitra ny tokantranony mandritra ny fotoana fohy ireo mpikambana dia tokony hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo ao amin’ny paroasy izay akaiky azy raha azo atao. Tsy tokony hisy fikarakarana fanasan’ny Tompo ao anatin’ny fotoana hanaovana fivoriam-pianakaviana na fotoana hialan-tsasatra na ao anatin’ireo hetsika hafa izay tsy iantohan’ny Fiangonana.

29.2.2

Fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona

Tsy misy mpandahateny tendrena na fisafidianana hafa narindra tamin’ny fomba miavaka mandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona. Fa manao fijoroana ho vavolombelona fohy kosa ilay olona mitarika ny fotoana ho solon’izany. Avy eo izy dia manasa ny mpikambana manatrika ny fivoriana mba hizara ny fijoroany ho vavolombelona. Ny hoe mijoro ho vavolombelona dia midika hoe manambara ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara araka izay hitaoman’ny Fanahy Masina. Tokony ho fohy ireo fijoroana ho vavolombelona mba ho betsaka ny olona afaka mandray anjara.

Azon’ny ankizy kely atao tsara ny mijoro ho vavolombelona mandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona. Tsara indrindra ho azy ireo angamba ny mianatra manao izany any an-trano mandra-pahafahany mijoro ho vavolombelona tsy mila ny fanampian’ny hafa.

Eo ambany fitarihan’ny eveka, dia mazàna ny zaza no omena anarana sy omena tsodrano mandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona (jereo ny 29.2.1.1).

29.2.3

Ny fihaonamben’ny paroasy

Omanina mba hifanentana amin’ny zavatra ilaina eo an-toerana ny fihaonamben’ny paroasy. Hita ao anatin’izany ny fivoriana fanasan’ny Tompo nomanin’ny filohan’ny tsatòka. Ny filohan’ny tsatòka no miahy ilay fivoriana raha ny mahazatra, ary mpikambana iray ao amin’ny episkôpà no mitarika raha ny mahazatra.

Mandritra io fivoriana io no hanoloran’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny filankevitra avo ny anaran’ireo mpitarika maneran-tany, sy eo anivon’ny tsatòka ary ny paroasy mba hotohanana. Mampiasa ny taratasy fanohanana ireo mpiandraikitra, izay nomanin’ny mpitambokin’ny paroasy izy. Mazàna ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka no mandahateny mandritra ny fivoriana.

Manao fivorian’ny fisoronana sy an’ny rafitra toy ny mahazatra ny paroasy mandritra ny fihaonamben’ny paroasy. Afaka manome fampianarana sy fanampiana ireo mpitarika ao amin’ny tsatòka. Manompo ireo mpitarika sy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy izy ireo.

Mahakasika ny fihaonamben’ny paroasy ihany dia mivory miaraka amin’ny episkôpà ny fiadidian’ny tsatòka. Miara-mijery ny fivoaran’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ao amin’ny paroasy izy ireo. Io fivoriana io dia azo atao ny alahady hanaovana ny fihaonamben’ny paroasy na amin’ny fotoana hafa.

29.2.4

Ny fivorian’ny episkôpà

Ny eveka no manomana sy mitarika ireo fivoriana ataon’ny episkôpà. Mety ho tafiditra ao anatin’ireo raharaha hodinihina ny:

  • Fandrindrana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ao amin’ny paroasy.

  • Fanamafisana orina ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ao amin’ny paroasy, indrindra fa ny zatovo sy ny ankizy.

  • Famantarana ireo mpikambana izay afaka miomana ny handray ireo ôrdônansy, anisan’izany ny fanendrena ho amin’ny fisoronana.

  • Famantarana ireo mpikambana ho antsoina amin’ireo antso ao amin’ny paroasy.

  • Famantarana ireo mpikambana izay azo atolotra an’ny filohan’ny tsatòka mba ho misiônera.

  • Fijerena ireo torolalana avy amin’ny soratra masina sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary ato amin’ity boky torolalana ity.

Ireo zavatra hafa dia mety ahitana ireo rafitra sy fandaharan’asa eo anivon’ny paroasy, ny teti-bolan’ny paroasy, tatitra momba ireo asa nampiandraiketina, ary drafitra ho an’ireo fivoriana sy fiaraha-mientana hatao amin’ny manaraka.

Sary
fivoriana filankevitry ny paroasy

29.2.5

Fivoriana filankevitry ny paroasy

Ny eveka no mandrafitra sy miahy ary mitarika ireo fivoriana filankevitry ny paroasy. Raha tsy eo izy, dia afaka manome andraikitra mpanolotsaina iray izy hiahy sy hitarika. Saingy tsy mandray fanapahan-kevitra lehibe ny filankevitra rehefa tsy eo ny eveka.

Ny filankevitry ny paroasy dia mikatsaka ny hanampy ireo mpikambana rehetra ao amin’ny paroasy hanorina tanjaka ara-panahy, handray ireo ôrdônansin’ny famonjena, hitandrina ireo fanekempihavanana, ary ho tonga mpanara-dia mahafatra-po an’i Jesoa Kristy (jereo ny Môrônia 6:4–5). Mandritra ireo fivoriana filankevitry ny paroasy dia mandrafitra sy mandrindra izany asa izany ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra. Miara-mamantatra ny fomba ahafanan’ireo tanjaka sy fahaiza-manao ananan’ireo mpikambana mitahy an’ireo izay mila fanampiana izy ireo. Mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy izy ireo rehefa miray hina amim-pitiavana sy amim-pitsinjovana ireo mpikambana ao amin’ny paroasy.

Manatrika ireo fivoriana filankevitry ny paroasy ireo mpitarika ny rafitra eo anivon’ny paroasy noho ny fananan’izy ireo anjara andraikitra anankiroa:

  1. Amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy izay manampy amin’ny fitahiana ireo mpikambana rehetra eo anivon’ny paroasy.

  2. Amin’ny maha-solontenan’ny rafitra sahanin’izy ireo azy ireo.

Rehefa miara-mivory ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy, dia miresaka mikasika ireo zavatra izay hahazo tombontsoa avy amin’ny ezaka iombonana ataon’ny filankevitra iray manontolo izy ireo. Entanina mba hizara ny eritreriny sy ny fanentanam-panahy azony mahakasika ireo zavatra ireo ny mpikambana tsirairay ao amin’ny filankevitra.

Amin’ny ankapobeny dia tsy tokony hihoatra ny adiny iray ilay fivoriana filankevitry ny paroasy. Atombok’izy ireo amin’ny alalan’ny vavaka sy fanaovana tatitra fohy mikasika ireo asa nampanaovina tao anatin’ny fivoriana teo aloha izany. Voatanisa etsy ambany ireo zavatra izay azo resahana. Mety tsy ho ampy ny fotoana hiresahana azy rehetra isaky ny fivoriana. Ataon’ny eveka lohalarana ireo zavatra izay tena ilaina mba hitahiana ny tsirairay sy ny fianakaviana.

  • Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Manampy ny mpikambana rehetra hanorina finoana sy handray ireo ôrdônansin’ny famonjena ary hanao ireo fanekempihavanan’ny tempoly.

  • Fikarakarana ireo izay sahirana. Mizara ireo loharanom-panampiana sy fahaiza-manao mba hitahiana ny tsirairay sy ny fianakaviana ary ny fiarahamonina. Manampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy mba ho lasa mizaka tena. (Jereo ny toko 22.)

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Mandinika ny fivoaran’ireo izay mianatra momba ny filazantsara, ary koa ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika. Mifanakalo hevitra mikasika ny fomba ahafahan’ny mpikambana mizara ny filazantsara amin’ny hafa. (Jereo ny toko 23.)

  • Fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay. Mandinika ny fivoaran’ireo mpikambana izay miomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Mandrafitra fomba hanampiana mpikambana maro kokoa ho mendrika ny handray fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Mifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’ireo mpikambana mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. (Jereo ny toko 25.)

Eo am-piresahan’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy ny momba ireo zavatra ireo dia mandinika ny zavatra ilain’ireo mpikambana sy ny tanjak’ireo mpikambana izay tompoiny izy ireo. Afaka mamantatra ny momba ireo zavatra ilaina sy ireo tanjaka ireo izy ireo mandritra ny fivorian’ny fiadidiana, sy mandritra ny fifampiresahana amin’ireo mpikambana ao amin’ny rafitra sahanin’izy ireo (tafiditra ao anatin’izany ny dinidinika momba ny fanompoana), ary amin’ny alalan’ny ezaka ataon’izy ireo manokana eo amin’ny fanompoana. Ankoatra izany ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers dia ahitana fitaovana sy tatitra izay afaka manampy ireo mpitarika hahalala ny fivoaran’ireo mpikambana. Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra dia tsy maintsy mitazona ho tsiambaratelo izay fampahalalana momba ny fiainan’olona manokana na fampahalalana saropady (jereo ny 4.4.6).

Ny filankevitry ny paroasy dia tokony hahafantatra ireo ankizy sy zatovo ao amin’ny paroasy sy ny toe-javatra iainan’izy ireo any an-tokantranony. Mifantoka manokana amin’ireo izay tsy manana fanohanana ara-pilazantsara any an-trano izy ireo.

Aorian’ny fifampiresahana dia mety hanapa-kevitra ny eveka na hanoritra ny zavatra atao, na hanemotra fanapahan-kevitra iray fa hitady fampahalalana sy torolalana fanampiny. Na azony alefa mba hodinihin’ny filankevitra hafa, toy ny episkôpà, izany toe-javatra izany. Jereo ny 4.4.3.

Indraindray dia mety hanapa-kevitra ny filankevitry ny paroasy fa afaka manome ireo zavatra ilain’ireo mpikambana ny fiaraha-mientana iray tanterahina eo anivon’ny paroasy. Ny filankevitry ny paroasy dia afaka manara-maso ny fandrafetana ireo fiaraha-mientana karakaraina eo anivon’ny paroasy. Ny ankamaroan’ny fandrafetana anefa dia vitaina mialoha sy aorian’ny fivoriana filankevitra. Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ireo fiaraha-mientana dia jereo ny fizarana 20

Rehefa miverina mody ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno, dia azo asaina izy ireo hanao tatitra amin’ny filankevitry ny paroasy momba ny asa fitoriana nataon’izy (jereo ny 24.8.3).

Mba hahatakarana ireo fitsipika mifehy ireo fivoriana filankevitra ao amin’ny Fiangonana dia tokony handalina ny 4.3 sy ny 4.4 ny mpikambana rehetra ao amin’ny filankevitra.

29.2.6

Fivorian’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy

Ny eveka no mitarika ireo fivorian’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy. Na afaka manome andraikitra olona hafa hanao izany izy, toy ny iray amin’ireo mpanampy azy ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona na ny filohan’ny kilasin’ny Zatovovavy zokiny indrindra. Manome fahafahana ny zatovo hitarika ireo fivorian’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy. Ny episkôpà na ireo mpitarika hafa dia afaka manampy azy ireo hanomana ireo fivoriana ireo mandritra ny fivorian’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy.

Mialoha ny fivoriana tsirairay dia mamerina mijery ireo zavatra horesadresahina ny eveka sy ilay olona mitarika ny fivoriana. Mety ahitana izao manaraka izao ireo zavatra ireo:

  • Ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

  • Ny zavatra ilain’ireo zatovo ao amin’ny paroasy sy ny fomba hiatrehana izany.

  • Ireo ezaka atao mba hifandraisana amin’ireo zatovo malaindaina na mpikambana vaovao.

  • Ireo fiaraha-mientana, tafiditra ao anatin’izany ireo fahafahana hanompo ireo izay sahirana. Vitaina mandritra ireo fivorian’ny fiadidian’ny kôlejy na ny kilasy ny ankamaroan’ny fanomanana (jereo ny toko 20).

  • Fanompoana (jereo ny toko 21).

  • Fanofanana ireo fiadidiana vaovao an’ny kôlejy sy ny kilasy.

Mba hahatakarana ireo fitsipika mifehy ireo fivoriana filankevitra ao amin’ny Fiangonana dia tokony handalina ny 4.3 sy ny 4.4 ny mpikambana rehetra ao amin’ny filankevitra.

29.2.7

Ireo fivoriana sy kilasy hafa ao amin’ny paroasy

Ny fivoriana ho an’ireo kôlejin’ny fisoronana sy ny fiadidian’izy ireo dia hazavaina ao amin’ny toko 8 sy ny 10.

Ny fivoriana ho an’ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny mpitarika azy ireo dia hazavaina ao amin’ny toko 9.

Ny fivoriana ho an’ny zatovovavy sy ny mpitarika azy ireo dia hazavaina ao amin’ny toko 11.

Ny fivoriana ho an’ireo ankizy ao amin’ny Kilonga sy ny mpitarika azy ireo dia hazavaina ao amin’ny toko 12.

Ireo kilasin’ny Sekoly Alahady dia hazavaina ao amin’ny 13.3.

Ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra dia hazavaina ao amin’ny 17.4.

Ny fivoriana fandrindrana ho an’ny asa fizarana ny filazantsara sy ny fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy niverina navitrika dia hazavaina ao amin’ny 23.5.7.

Ny fivoriana fandrindrana mahakasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana dia hazavaina ao amin’ny 25.2.7.

Sary
fivoriana filankevitra

29.2.8

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana amin’ny zava-misy
Fitsinjaram-potoana ho an’ireo fivoriana isaky ny alahady

Mampiasa ny iray amin’ireto fitsinjaram-potoana adiny roa ireto ny paroasy ho an’ ireo fivoriana isaky ny alahady.

Drafitra 1

60 minitra

Fivoriana fanasan’ny Tompo

10 minitra

Fiomanana hiroso amin’ireo fotoam-pianarana sy ireo fivoriana

50 minitra

Isaky ny alahady: ny Kilonga, anisan’izany ny zaza madinika (jereo ny 12.2.1.2)

Alahady voalohany sy fahatelo: Sekoly Alahady (jereo ny 13.3)

Alahady faharoa sy fahaefatra: fivorian’ireo kôlejin’ny fisoronana (jereo ny 8.2.1.2 sy ny 10.2.1.2), fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana (jereo ny 9.2.1.2), ary ny fivorian’ny Zatovovavy (jereo ny 11.2.1.2)

Alahady fahadimy: fivoriana ho an’ny zatovo sy ny olon-dehibe. Ny episkôpà no manapaka ny lohahevitra ho ampianarina sy manondro izay ho mpampianatra (mazàna dia mpikambana ao amin’ny paroasy na tsatòka). Izy ireo ihany koa no manapaka raha toa ka tokony samy hanana ny fivoriany manokana na hiara-hivory ny zatovo sy ny olon-dehibe, ny lehilahy sy ny vehivavy.

Drafitra 2

50 minitra

Isaky ny alahady: ny Kilonga, anisan’izany ny zaza madinika (jereo ny 12.2.1.2)

Alahady voalohany sy fahatelo: Sekoly Alahady (jereo ny 13.3)

Alahady faharoa sy fahaefatra: fivorian’ireo kôlejin’ny fisoronana (jereo ny 8.2.1.2 sy ny 10.2.1.2), fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana (jereo ny 9.2.1.2), ary ny fivorian’ny Zatovovavy (jereo ny 11.2.1.2)

Alahady fahadimy: fivoriana ho an’ny zatovo sy ny olon-dehibe. Ny episkôpà no manapaka ny lohahevitra ho ampianarina sy manondro izay ho mpampianatra (mazàna dia mpikambana ao amin’ny paroasy na tsatòka). Izy ireo ihany koa no manapaka raha toa ka tokony samy hanana ny fivoriany manokana na hiara-hivory ny zatovo sy ny olon-dehibe, ny lehilahy sy ny vehivavy.

10 minitra

Fotoana hamonjena ny fivoriana fanasan’ny Tompo

60 minitra

Fivoriana fanasan’ny Tompo

Raha mivory ao amin’ny trano iray ny paroasy roa ka vitsy kely ny ankizy na ny zatovo ao amin’ny iray amin’izy ireo na izy roa, dia mety ho tian’ny ankizy na ny zatovo ny hiara-hanatrika ireo kilasy rehefa alahady. Mety hifanindry araka ny haseho etsy ambany ny fandaharam-potoana hanaovana ny fivoriana rehefa alahady.

Sary
fandaharam-potoana hanaovana ny fivoriana izay mifanindry

Azo heverina ihany koa ny hampiasana io drafitra io raha mampiasa fiteny samy hafa ireo paroasy roa kanefa mampiasa fiteny mitovy ny ankizy sy ny zatovo.

Ny fampiasana io drafitra io dia mitaky ny fankatoavan’ny filohan’ny tsatòka. Raha ankatoaviny ilay izy dia miara-mivory amin’ireo mpitarika ny rafitra ny evekan’ny paroasy tsirairay avy mba hitady ny torohevitr’izy ireo mikasika ny fampiharana izany.

Miara-mivory ireo episkôpà roa tonta mba hanapahana hoe iza amin’ireo mpikambana avy ao amin’ny paroasy tsirairay no tokony ho antsoina hanompo ao amin’ireo kôlejy sy ireo rafitra. Mijanona ho filohan’ny kôlejin’ny mpisorona ao aminy ny eveka tsirairay, kanefa afaka mifandimby miahy ireo eveka anankiroa mandritra ireo fivorian’ny kôlejy rehefa alahady. Manatrika ireo fivorian’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy roa mitambatra ireo eveka avy ao amin’ny paroasy roa. Rehefa tafapetraka ilay drafitra dia manohy mivory tsy tapaka ireo mpitarika mba handrindrana ny ezaka ataon’izy ireo.

29.3

Ireo fivoriana ao amin’ny tsatòka

29.3.1

Ny fihaonamben’ny tsatòka

Ny Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no manao ny fandaharam-potoana ho an’ireo fihaonamben’ny tsatòka. Raha ny mahazatra dia ny filohan’ny tsatòka no miahy ny fihaonambe iray isan-taona ary Fitopololahin’ny Vondromparitra na Manampahefana Ambony izay notendrena no miahy ilay iray hafa.

Ny manampahefana miahy no mitarika ireo fanomanana rehetra atao mikasika ny fihaonambe. Ankatoaviny mialoha ireo mpandray anjara sy ny hira nofidina mba hohiraina. Ho fampahalalana momba ny hira mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka dia jereo ny 19.3.4.

Rehefa Fitopololahin’ny Vondromparitra na Manampahefana Ambony no miahy dia afaka manasa ny filohan’ny tsatòka izy hanome soso-kevitra mikasika ireo lohahevitra ho ampianarina mandritra ilay fihaonambe. Rehefa ny filohan’ny tsatòka no miahy ilay fivoriana dia izy sy ireo mpanolotsainy no misafidy ireo lohahevitra. Afaka mifanakalo hevitra miaraka amin’ny filankevitry ny tsatòka momba ireo lohahevitra azo heverina ny fiadidian’ny tsatòka. Rehefa misafidy lohahevitra ny fiadidian’ny tsatòka dia mandinika ireo lohahevitra vao avy noantitranterin’ny Fiadidiana Voalohany vao haingana.

Rehefa manao fandaminana mikasika ny fihaonamben’ny tsatòka ny filohan’ny tsatòka dia afaka mangataka ireo kôlejin’ny fisoronana sy ireo rafitra hafa sy ny isam-batan’olona ary ny fianakaviana izy mba hanampy. Ohatra, azo omena andraikitra izy ireo mba hametraka ireo seza, ho mpandray olona eo am-baravarana, ary hanadio ny trano.

Ny fihaonamben’ny tsatòka tsirairay raha ny tokony ho izy dia ahitana ireto fivoriana manaraka ireto:

  • Fivorian’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra na ny Manampahefana Ambony (raha nomena andraikitra hanao izany) sy ny fiadidian’ny tsatòka. Manatrika izany koa ny mpitamboky sy ny mpitantsoratra mpanatanteraka eo anivon’ny tsatòka.

  • Fivorian’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 29.3.3). Ny manampahefana mpiahy no manapaka na ho atao sabotsy na alahady io fivoriana io. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka no mitarika izany.

  • Fivoriana sabotsy hariva ho an’ny mpikambana rehetra ao amin’ny tsatòka izay 18 taona no ho miakatra. Miankina amin’ny toe-javatra misy dia azo atao ny alahady io fivoriana io raha ankatoavin’ny manampahefana mpiahy. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka no mitarika izany.

  • Fivoriana ho an’ny daholobe izay atao ny alahady ho an’ireo mpikambana rehetra sy ireo olona hafa izay te hanatrika. Mitarika sy mandahateny mandritra io fivoriana io ny filohan’ny tsatòka. Mety hihoatra ny iray ny fivoriana alahady ho an’ny daholobe izay hatao raha toa ka tsy misy efitrano antonona ny olona rehetra indray miaraka mandritra ny fivoriana iray. Manatrika ny fivoriana miaraka amin’ireo fianakaviany ny ankizy fa tsy manao fivoriana mitokana.

Raha ilaina dia azo ampitaina an-tsary any amin’ireo trano fivorian’ny fiangonana na any amin’ny toerana hafa ao amin’ny tsatòka ireo fivoriana amin’ny fihaonambe. Ny mpikambana sasany dia mety mila ny hampitana an-tsary ny fihaonambe any an-tokantranon’izy ireo. Raha te hahalala bebe kokoa mikasika ny fampitana an-tsary ireo fivoriana dia jereo ny 29.7.

Tsy tokony hampiasa fitaovana jeren’ny maso hoentina manampy na fitaovana henoina sy jerena ireo mpandahateny mandritra ny fivoriana ho an’ny daholobe (jereo ny 38.8.3).

Raha misy Mpiandraikitra Ambony, na ny filohan’ny tempoly sy ny vadiny, na ny filohan’ny misiôna sy ny vadiny, na ny patriarika eo anivon’ny tsatòka manatrika izany dia tokony hipetraka eny amin’ny lampihazo izy ireo. Mitombina ihany koa izany ho an’ireo mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny tempoly sy ny misiôna (ary ny vadin’izy ireo) raha manatrika ilay fivoriana izy ireo ary misolo tena ny filohan’ny tempoly na ny an’ny misiôna.

Mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka iray fanao isan-taona, ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka dia manolotra ireo mpiandraikitra ambony maneran-tany, sy ao amin’ny vondromparitra, ary ireo mpiandraikitra eo anivon’ny tsatòka mba hotohanana. Ampiasainy amin’izany ny taratasy fanohanana ireo mpiandraikitra, izay nomanin’ny mpitambokin’ny tsatòka. Mazàna izany no atao mandritra ilay fihaonamben’ny tsatòka voalohany ao anatin’ny taona.

Raha misy mpiandraikitra eo anivon’ny tsatòka antsoina na isaorana eo anelanelan’ny fotoanan’ireo fihaonambe dia atolotra mba hotohanana na hanehoana fisaorana mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka manaraka izy ireo. Na koa azo atao any amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo ataon’ny paroasy tsirairay izany. Jereo ny 30.3sy ny 30.6.

Ireo rahalahy izay naroso mba hotendrena ho loholona na mpisorona avo dia atolotra mba hotohanana mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka. Raha misy rahalahy ilaina tendrena alohan’ny fihaonamben’ny tsatòka manaraka dia azo tohanana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ataon’ny paroasiny izy. Avy eo dia hatolotra mba hanaovana fanamafisana ny fanohanana mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka ny anarany (jereo ny 18.10.3).

29.3.2

Ny fivoriamben’ny fisoronana ao amin’ny tsatòka

Ny fiadidian’ny tsatòka no manomana sy mitarika ny fivoriamben’ny fisoronana ao amin’ny tsatòka. Fidin’izy ireo ombam-bavaka ny zavatra horesahina sy ny mpandahateny.

29.3.3

Ny fivorian’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana ao amin’ny tsatòka

Ny fiadidian’ny tsatòka no manomana sy mitarika ny fivorian’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana. Azo ovaovaina ny firafitr’ireo fivoriana ireo. Afaka miara-mivory mandritra ilay fivoriana iray manontolo ny mpandray anjara rehetra. Na koa aorian’ny torolalana ankapobeny vitsivitsy, dia afaka misaratsaraka ho vondrona kely kokoa izy ireo mba handraisana fampianarana manokana mifototra amin’ny antso sy ny andraikitra nomena azy ireo.

Amin’ny ankapobeny dia ny fiadidian’ny tsatòka sy ireo mpitarika hafa eo anivon’ny tsatòka no manao ny fampianarana. Azo asaina hampianatra lesona tsindraindray koa ny mpitarika ao amin’ny paroasy, ka isan’izany ireo mpitarika vehivavy.

29.3.4

Fivorian’ny mpitarika eo anivon’ny tsatòka

Ny fiadidian’ny rafitra eo anivon’ny tsatòka no manomana sy mitarika ny fivorian’ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka. Azo ovaovaina ny firafitr’ireo fivoriana ireo. Afaka miara-mivory mandritra ilay fivoriana iray manontolo ny mpitarika rehetra. Na koa aorian’ny torolalana ankapobeny vitsivitsy, dia afaka misaratsaraka ho vondrona kely kokoa izy ireo mba handraisana fampianarana manokana mifototra amin’ny antso sy ny andraikitra nomena azy ireo.

Amin’ny ankapobeny dia ireo mpitarika ny rafitra, na ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, na ireo mpitarika hafa eo anivon’ny tsatòka no manao ny fampianarana. Azo asaina hampianatra lesona tsindraindray koa ireo mpitarika ny rafitra ao amin’ny paroasy.

Ny fiadidian’ny Zatovolahy eo anivon’ny tsatòka dia tsy manao fivorian’ny mpitarika ao amin’ny tsatòka. Ny torolalana ho an’ireo olona manompo ao amin’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna dia omena mandritra ireo fivorian’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 29.3.3).

29.3.5

Ny fivorian’ny kôlejin’ny mpisorona avo ao amin’ny tsatòka

Ny fiadidian’ny tsatòka no manomana sy mitarika ny fivorian’ny kôlejin’ny mpisorona avo eo anivon’ny tsatòka. Tsy misy ny fivoriana ho an’ireo mpisorona avo voatendry rehetra eo anivon’ny tsatòka.

29.3.6

Ny fivorian’ny fiadidian’ny tsatòka

Ny filohan’ny tsatòka no manomana sy mitarika ny fivorian’ny fiadidian’ny tsatòka. Mety ho tafiditra ao anatin’ireo raharaha hodinihina ny:

  • Asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana eo anivon’ny tsatòka.

  • Fanamafisana orina ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana eo anivon’ny tsatòka.

  • Filàna sy ny tanjaky ny paroasy, ny kôlejin’ny loholona, ary ireo rafitra hafa eo anivon’ny tsatòka.

  • Ireo lehilahy atolotry ny eveka mba hotendrena ho loholona.

  • Ireo mpikambana ho antsoina amin’ireo antso eo anivon’ny tsatòka sy ireo antso sasantsasany eo anivon’ny paroasy araka ny voalaza ao amin’ny 30.8.

  • Ireo mpikambana atolotry ny eveka mba hanao asa fitoriana.

  • Ireo torolalana avy amin’ny soratra masina sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary ato amin’ity boky torolalana ity.

Ireo zavatra hafa dia mety ahitana ireo fiaraha-mientana sy fandaharan’asa eo anivon’ny tsatòka, ny teti-bolan’ny tsatòka, tatitra momba ireo asa nampiandraiketina, ary drafitra ho an’ireo fivoriana hatao amin’ny manaraka.

29.3.7

Fivorian’ny filankevitra avo

Ny fiadidian’ny tsatòka no manomana sy mitarika ny fivorian’ny filankevitra avo. Ireto avy no fivoriana mety ho tafiditra amin’izany:

  • Fandraisana torolalana avy amin’ny fiadidian’ny tsatòka mikasika ny fotopampianarana sy ireo asa ampiandraiketina.

  • Fifampidinihana momba ny fanamafisana orina ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ao amin’ny tsatòka. Ao amin’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) dia ahitana fitaovana sy tatitra izay afaka manampy ireo mpitarika hahalala ny fivoaran’ireo mpikambana.

  • Fifanakalozana hevitra mikasika ny fomba hanampiana amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana eo anivon’ny tsatòka.

  • Fanaovana tatitra momba ireo asa nampanaovina.

  • Fifampidinihana miaraka amin’ny fiadidian’ny tsatòka sy fanohanana ny fanapahan-kevitr’izy ireo amin’ny fanendrena ireo rahalahy ho loholona sy mpisorona avo.

  • Fifampidinihana amin’ny fiadidian’ny tsatòka sy fanohanana ny fanapahan-kevitr’izy ireo amin’ny fanomezana antso olona.

  • Fanampiana amin’ny fanomanana ny fivorian’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 29.3.3).

  • Fihainoana ireo tatitra avy amin’ireo misiônera nahavita asa fitoriana (jereo ny 24.8.3).

Indraindray ny fivoriana fohy iray ataon’ny filankevitra avo dia dimbiasan’ny fivoriana filankevitry ny tsatòka avy hatrany (jereo ny 29.3.8). Afaka manampy amin’ny fampihenana ny isan’ireo fivoriana tokony hatrehan’ireo mpitarika izany.

Mba hahatakarana ireo fitsipika mifehy ireo fivoriana filankevitra ao amin’ny Fiangonana dia tokony handalina ny 4.3 sy ny 4.4 ny mpikambana rehetra ao amin’ny filankevitra.

Ho fampahalalana momba ireo mpandray anjara manatrika ny fivoriana avy lavitra dia jereo ny 29.7.

29.3.8

Ny fivoriana filankevitry ny tsatòka

Ny filohan’ny tsatòka no manomana sy mitarika ireo fivorian’ny flankevitry ny tsatòka. Mandritra ireo fivoriana ireo, ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra dia afaka:

  • Mandray fampianarana avy amin’ny fiadidian’ny tsatòka mikasika ny fotopampianarana sy ireo asa nampanaovina azy.

  • Mifampidinika momba ny fanamafisana orina ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ao amin’ny tsatòka. Ny DDG dia ahitana fitaovana sy tatitra izay afaka manampy ireo mpitarika hahalala ny fivoaran’ireo mpikambana.

  • Mifanakalo hevitra momba ny ankapoben’ny vina mahakasika ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana eo anivon’ny tsatòka.

  • Mifanakalo hevitra momba ny filan’ireo mpikambana ao amin’ny tsatòka eo amin’ny lafiny ara-nofo sy ny fomba hanampiana azy ireo hizaka tena. Mamantatra ireo loharano azo ampiasaina eo anivon’ny fiarahamonina sy ny tsatòka. Mety ho isan’ny ohatra amin’izany ireo sekoly eo an-toerana sy ny BYU–Pathway Worldwide. (Jereo ny 22.12 sy ny 22.13.)

  • Mamolavola sy mihazona drafitra tsotsotra ho entin’ny tsatòka hiatrehana ny loza tampoka mety hitranga (jereo ny 22.9.1.3).

  • Manomana fomba hanaovan’ny mpikambana asa fanompoana eny anivon’ny fiarahamonina (jereo ny 22.9.1). Ny JustServe.org, any amin’ny toerana ahitana azy dia manolotra sosokevitra ny amin’ireo zavatra azo araraotina mba hanaovana asa fanompoana eny anivon’ny fiarahamonina.

  • Manao tatitra mikasika ireo rafitra ao amin’ny tsatòka sy ireo fiaraha-mientana sy fandaharan’asan’ny tsatòka.

Indraindray dia afaka mandimby avy hatrany ny fivoriana fohy iray ataon’ny filankevitra avo ny fivoriana filankevitry ny tsatòka (jereo ny 29.3.7). Afaka manampy amin’ny fampihenana ny isan’ireo fivoriana tokony hatrehan’ireo mpitarika izany.

Mba hahatakarana ireo fitsipika mifehy ireo fivoriana filankevitra ao amin’ny Fiangonana dia tokony handalina ny 4.3 sy ny 4.4 ny mpikambana rehetra ao amin’ny filankevitra.

Ho fampahalalana momba ireo mpandray anjara manatrika ny fivoriana avy lavitra dia jereo ny 29.7.

29.3.9

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana
Ny fivorian’ny kômitin’ny mpitarika ny olon-dehibe eo anivon’ny tsatòka

Manohana ny kôlejin’ny loholona sy ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana ao amin’ny paroasy amin’ny asan’izy ireo ny kômitin’ny mpitarika ny olon-dehibe eo anivon’ny tsatòka. Ireo mpikambana ao amin’io kômity io dia manantitrantitra manokana ireo ezaka ataon’ny paroasy eo amin’ny fanompoana, ny fizarana ny filazantsara, sy ny fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy niverina navitrika, ary ny fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

Ankoatra izany, io kômity io dia mandrindra ny ezaka ataon’ny tsatòka izay mifandray amin’ny fanampiana olona sy ny fizakan-tena, ka tafiditra ao anatin’izany ny JustServe.org (any amin’ny toerana misy izany) sy ny BYU–Pathway Worldwide (jereo ny 22.13).

Ny fiadidian’ny tsatòka no manomana sy mitarika ny fivorian’ny kômitin’ny mpitarika ny olon-dehibe eo anivon’ny tsatòka. Azo atao aorian’ny fivorian’ny filankevitry ny tsatòka ireo fivoriana ireo. Ohatra, rehefa tapitra ny fivoriana sasany ataon’ny filankevitry ny tsatòka dia afaka mivory ny kômitin’ny mpitarika ny olon-dehibe mba hanohizana ny fifanakalozan-kevitra momba ny raharaha mahakasika zavatra manokana.

Sary
fivorian’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy

29.3.10

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana
Ny fivorian’ny kômitin’ny mpitarika ny zatovo eo anivon’ny tsatòka

Ny kômitin’ny mpitarika ny zatovo eo anivon’ny tsatòka dia manohana ireo episkôpà, sy ireo fiadidian’ny Zatovovavy sy ireo mpanoro hevitra, ary ireo mpanoro hevitra ao amin’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna amin’ny asan’izy ireo miaraka amin’ny zatovo. Ireo olon-dehibe mpitarika ao amin’ilay kômity dia manantitrantitra manokana ny firotsahan’ny zatovo ao amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

Ireto manaraka ireto no andraikitra fanampiny sahanin’ny kômitin’ny mpitarika ny zatovo eo anivon’ny tsatòka:

  • Mandrafitra asa fanompoana sy fiaraha-mientana. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fihaonamben’ny zatovo, ny fandihizana, ny fampaherezam-panahy, ny tetikasa fanompoana, ary ireo hetsika itambaran’ny tsatòka maromaro. (Mba hahazoana hevitra momba ny asa fanompoana dia jereo ny JustServe.org raha misy eo an-toerana.) Tokony ho ny zatovo no mitarika amin’ny fanomanana sy ny fanatanterahana ireo fiaraha-mientana ireo. Tsy tokony hatetika loatra ireo fiaraha-mientana ataon’ny tsatòka mba tsy ho lasa vesatra ho an’ireo paroasy. Ireo fiaraha-mientana ireo dia tokony ho famenon’ireo fiaraha-mientan’ny paroasy fa tsy hifaninana amin’izany. Tokony hampahafantarina mialoha be momba ireo fiaraha-mientan’ny tsatòka ireo mpitarika ao amin’ny paroasy.

  • Manomana fomba hanohanana ny fihaonambe Ho Zatovo Mahery.

  • Mandrindra ny ezaka ataon’ny tsatòka izay mifandray amin’ny Fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo

Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka no manara-maso ny fivorian’ny kômitin’ny mpitarika ny zatovo eo anivon’ny tsatòka. Afaka mitarika izy na afaka manendry olona hafa hanao izany, ka tafiditra ao anatin’izany ny zatovo. Azo atao aorian’ny fivorian’ny filankevitry ny tsatòka ireo fivoriana ireo. Ohatra, rehefa tapitra ny fivoriana sasany ataon’ny filankevitry ny tsatòka dia afaka mivory ny kômitin’ny mpitarika ny zatovo mba hanohizana fifanakalozan-kevitra momba ny raharaha mahakasika zavatra manokana.

29.3.11

Ny fivoriana filankevitry ny eveka eo anivon’ny tsatòka

Mety ho tafiditra ao anatin’ireo raharaha hodinihina ny:

  • Fanampiana ny zatovo hivoatra ara-panahy.

  • Fampiasana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina mba hikarakarana ireo sahirana. Fanampiana ny mpikambana ho lasa mizaka tena (jereo ny toko 22, indrindra fa ny 22.11). Fizarana fampahalalana momba ireo loharanom-panampiana misy eo anivon’ny fiarahamonina.

  • Fanampiana ny mpikambana hibebaka sy hiaina fiovam-po (jereo ny toko 32).

  • Fitantanana ny volan’ny Fiangonana (jereo ny toko 34).

Ny filohan’ny tsatòka no mitarika io fivoriana io. Manampy ny eveka izy hahafantatra sy hanatanteraka ireo andraikitr’izy ireo voalohany (jereo ny 7.1). Manasa ny eveka koa izy mba hanoro hevitra mikasika ireo torolalana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Io fivoriana io dia tsy mahasolo ny tafa sy dinika ataon’ny filohan’ny tsatòka tsy tapaka amin’ny eveka tsirairay (jereo ny 6.2.1.2).

Mba hahatakarana ireo fitsipika mifehy ireo fivoriana filankevitra ao amin’ny Fiangonana dia tokony handalina ny 4.3 sy ny 4.4 ny mpikambana rehetra ao amin’ny filankevitra.

Sary
fivorian’ny episkôpà

29.3.12

Ireo fivoriana hafa eo anivon’ny tsatòka

Hazavaina ao amin’ny 14.1.1.2 ny momba ireo fivorian’ny kômity misahana ny olon-dehibe tokan-tena eo anivon’ny tsatòka sy ny kômity misahana ny tanora tokan-tena eo anivon’ny tsatòka.

29.4

Fivoriana filankevitra enti-mandrindra

Ny Fitopololahin’ny Vondromparitra no mitarika ireo fivoriana sy manao izay hampizotra tsara ny fifanakalozan-kevitra. Mifampidinika toy ny mpandray anjara mitovy lenta ireo rehetra manatrika izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:122).

Mandritra ireo fivoriana ireo, ny mpandray anjara dia:

  • Mikatsaka fanambarana momba ny fomba tsara indrindra hampiharana ireo fampianarana sy torolalana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ary ny Fiadidian’ny Vondromparitra.

  • Mandrindra ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

  • Miara-midinika mikasika ireo zavatra mahasoa ara-batana sy ara-panahy an’ireo mpikambana, ary ny fomba hanampiana azy ireo mba ho tonga mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy.

  • Mifampianatra sy mifankahery.

  • Mandrindra ireo raharaha hitambaran’ny tsatòka maromaro.

29.5

Fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana sy fotoam-pivoriana hafa ho an’ny olona nodimandry

Rehefa misy mpikamban’ny Fiangonana maty dia afaka mandroso hevitra ny hanaovana fotoam-pivavahana ny eveka mba hampiononana ny velona sy hanomezam-boninahitra amim-panajana ny maty. Ny fotoam-pivavahana ho an’ny olona nodimandry dia misy fahasamihafana arakaraka ny fombam-pivavahana, ny kolontsaina, ny fomban-drazana ary ireo zavatra takin’ny lalàna eo an-toerana. Ireto torolalana manaraka ireto dia afaka manampy ny eveka hanomana fotoam-pivavahana ho an’ny olona nodimandry izay sady mifantoka amin’ny filazantsara no manaja ireo fahasamihafana ireo.

29.5.1

Fitsipika ankapobeny

Lafin-javatra iray manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra ny fahafatesana (jereo ny Almà 12:24–27). Noho i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty ny rehetra. Antony manan-danja hanaovana ireo fotoam-pivavahana ho an’ny maty ny mijoro ho vavolombelona momba ny drafitry ny famonjena, indrindra fa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Tokony ho traikefa ara-panahy mendrika ireny fotoam-pivavahana ireny.

Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia tokony haneho fanajana amin’ireo zavatra fanaon’ireo fivavahana hafa rehefa misy maty. Izy ireo kosa anefa dia tsy tokony hiaraka hanao ireo fombafomba na fomban-drazana mifanohitra amin’ny didy na ny fitsipiky ny Fiangonana. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia tsy tokony hampiditra ireo fombafomban’ny fivavahana na ny vondrona hafa ao amin’ireo fotoam-pivavahana ataon’ny Fiangonana ho an’ireo olona nodimandry.

Tsy amporisihina hanao fombafomba sy fomban-drazana izay lasa enta-mavesatra ho an’ny velona ny mpikambana. Mety ho tafiditra ao anatin’ny fombafomba toy izany ny fanaovana dia lavitra loatra, ny fanaovana filazana be filirony amin’ny daholobe, ny fanomezana vola ny fianakaviana, ny fanaovana fety maharitra, ary ny fanaovana fety fahatsiarovana mandany vola be.

Ny mpikamban’ny Fiangonana mandray anjara amin’ny fotoam-pivavahana ho an’ny maty dia tsy tokony hanaiky omena karama.

Mankatò ny lalàna misy eo an-toerana mikasika ny zavatra tokony hatao rehefa misy olona maty ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ny mpikambana.

29.5.2

Fanolorana fanampiana ho an’ny fianakaviana

Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy an’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ireo mpikambana, izy ireo dia “hiara-malahelo amin’izay malahelo … ary hampionona ireo izay mila fampiononana” (Môzià 18:9). Rehefa misy mpikambana iray maty dia mamangy ilay fianakaviana ny eveka mba hampionona azy ireo. Afaka mangataka ireo mpanolotsainy hiaraka aminy izy. Ampahafantariny koa ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana.

Manolotra fanampiana avy amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy ny eveka, isan’izany ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana. Ohatra, ny mpikambana ao amin’ny paroasy dia afaka:

  • Mampahafantatra ireo namana sy ny fianakaviana.

  • Manampy amin’ny fanomanana filazana manjo.

  • Manampy amin’ny fanomanana ilay fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana na fotoam-pivoriana hafa.

  • Manampy amin’ny fandaminana tokony hatao mahakasika ny fampiasana tranom-paty sy fasana, raha azo atao.

  • Mampiakanjo ilay faty ho an’ny fandevenana (jereo ny 38.5.8).

  • Manomana ireo sakafo.

29.5.3

Fijerena ny vata-mangatsiaka (raha izany no fomba amam-panao)

Indraindray dia misy ny fijerena ny vata-mangatsiakan’ilay maty izay atao ao amin’ny trano fiangonana mialoha ny fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana. Ireo mpitarika dia tokony hanokatra ny trano fiangonana ho an’ireo mpikarakara ny fandevenana farafahakeliny adiny iray mialoha ny fotoana nomanina hanaovana ilay fijerena ny razana.

Rehefa vita ny fijerena ilay razana dia azo atao ny manolotra vavaky ny mpianakavy raha maniry ny hanao izany ilay fianakaviana. Tokony hidìna mialoha ny fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana ilay vatam-paty.

29.5.4

Ireo fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana (raha izany no fomba amam-panao)

Raha misy ny fanaovana fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana ao amin’ny tranon’ny Fiangonana ho an’ny mpikambana iray dia ny eveka no mitarika izany. Raha atao any amin’ny trano fonenana, na any amin’ny tranom-paty, na any akaikin’ny fasana ilay izy dia afaka mangataka ny eveka hitarika izany ilay fianakaviana. Afaka mitarika ny mpanolotsaina irain’ny eveka raha tsy afaka ny eveka. Mba fanampim-panazavana momba ireo fotoam-pivavahana tanterahina ao amin’ny efitranon’ny Fiangonana ho an’ny olona tsy mpikamban’ny Fiangonana dia jereo ny 29.5.6.

Ny fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana izay tarihin’ny eveka, na ao amin’ny tranon’ny Fiangonana na any amin’ny toerana hafa, dia fivorian’ny Fiangonana sady fivoriana ara-pivavahana. Tokony ho fotoana iainana zavatra ara-panahy izany. Manentana ny mpandray anjara ny eveka mba hanana toe-panahy feno fanajana lalina sy fahamendrehana mandritra izany.

Rehefa mitarika fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana ny eveka dia manara-maso ny fanomanana ilay fivoriana izy na ny iray amin’ireo mpanolotsainy. Manome lanja ny zavatra irin’ilay fianakaviana izy, kanefa maka antoka fa tsotra sy mendrika ilay fotoam-pivavahana, ary ahitana hira sy lahateny fohy miompana amin’ny filazantsara. Tokony hamafisina amin’izany ny fampiononana atolotr’i Jesoa Kristy noho ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Tsy takina ny handraisan’ny olona ao amin’ny fianakaviana fitenenana na handray anjara amin’ny fomba hafa ao anatin’ilay fivoriana.

Fotoana ahafahana manome voninahitra an’ilay maty ny fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana. Tsy tokony hibahana ao anatin’ilay fotoam-pivavahana anefa izany fanomezam-boninahitra izany. Raha mila fotoana bebe kokoa hizarana teny fanomezam-boninahitra na fahatsiarovana ny fianakaviana dia mazàna ny fivoriam-pianakaviana atao manokana ankoatra ny fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana no sehatra tsara kokoa hanaovana izany.

Tsy tokony hisy horonan-tsary fampahafantarana alefa mandritra ny fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana izay atao ao amin’ny efitrano fivavahana.

Tokony hanomboka ara-potoana ireo fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana. Amin’ny ankapobeny dia tsy tokony haharitra mihoatra ny adiny 1 sy sasany izany, mba ho fanajana ireo izay manatrika.

Raha misy mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, na Fitopololahin’ny Vondromparitra iray ao amin’ny vondromparitra misy azy, na Manampahefana Ambony iray manatrika ilay fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana dia izy no miahy ilay fotoana. Miresaka aminy mialoha ilay olona izay mitarika ary mampahafantatra ny fahatongavany manatrika eo mandritra ilay fivoriana. Tokony hasaina hanome teny famaranana ilay mpiandraikitra mpiahy raha maniry ny hanao izany.

Ireo fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana, raha ny tokony ho izy, dia tsy atao andro alahady.

Amin’ny toe-javatra sasany dia afaka mifampiraharaha amin’ireo orinasa mpikarakara fandevenana ireo eveka mba hanaovan’izy ireo fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana tsy be filirony sy mendri-kaja ary tsy mihoam-pampana ny sarany raha toa ka haloa amin’ny kitapom-bola avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina ireo fandaniana.

Mba hahitana fampahalalana momba ireo misiônera mandeha mody mba hanatrika fandevenana dia jereo ny 24.6.2.7. Raha te hahazo tari-dalana momba ny fampitana an-tsary ny fandevenana dia jereo ny 29.7.

29.5.5

Fandevenana na fandoram-paty

Raha azo atao dia tokony halevina misalotra ny fitafiana fanao any amin’ny tempoly ireo mpikambana maty izay efa nandray fanafiana masina. Mba hahitana fampahalalana mikasika ny akanjo fanao any amin’ny tempoly ho an’ny fandevenana sy ny fampiakanjoana ny maty, dia jereo ny 38.5.8.

Raha azo atao dia miaraka amin’ireo mpanotrona amin’ny fanaterana ilay razana eny am-pasana ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà. Raha hotokanana ilay fasana dia miresaka amin’ilay fianakaviana izy ka mangataka mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray hanao ilay fanokanana. Misy torolalana omena ao amin’ny 18.16. Raha tian’ilay fianakaviana dia azo atao ny manolotra vavaka eo akaikin’ilay fasana ho solon’izany.

Mba hahazoana fampahalalana mikasika ny fanokanana ny toerana izay hitehirizana ireo lavenon’ny mpikambana nodorana dia jereo ny 18.16.2. Mba hahitana tari-dalana hafa momba ny fandoram-paty dia jereo ny 38.7.2.

29.5.6

Fotoam-pivavahana atao ho an’ireo tsy mpikamban’ny Fiangonana

Azon’ny eveka atao ny manome lalana ny fampiasana ny trano fivorian’ny Fiangonana hanaovana fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana ho an’ny olona tsy mpikamban’ny Fiangonana. Raha mpivavaka any amin’ny fiangonana hafa ilay olona maty dia azo atao araka ny fomba asain’izany fiangonana izany hanaovana azy ilay fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana raha ny mahazatra. Raha irin’ilay fianakaviana dia azon’ny mpitondra fivavahana avy ao amin’izany fiangonana izany tarihana ilay fotoam-pivavahana raha toa ka mendrika sy mety amin’ny Fiangonana izany. Na izany aza anefa dia tsy azo tanterahina ao amin’ny trano fivorian’ny Fiangonana ireo fombafomba ara-pivavahana fanaon’ireo fiangonana hafa na ireo fikambanana hafa.

29.6

Ireo vavaka mandritra ireo fivorian’ny Fiangonana

Tokony ho fohy sy tsotra ary tononina araka izay hitarihan’ny Fanahy ny vavaka ao amin’ireo trano fivorian’ny Fiangonana. Afaka manolotra vavaka fanombohana na vavaka famaranana ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra efa vita batisa. Afaka mivavaka any amin’ny Kilonga ny ankizy tsy vita batisa. Tokony hialan’ny mpitarika ny mangataka foana mpivady hivavaka mandritra ny fivoriana iray ihany.

Rehefa mivavaka ny mpikambana dia tokony hampiasa teny maneho fitiavana sy fanajana ny Ray any An-danitra. Amin’ny teny anglisy dia tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana ireo mpisolo anarana Thee, Thy, Thine, ary Thou rehefa miresaka Aminy.

29.7

Fampitana an-tsary ireo fivoriana sy fanaovana fivoriana amin’ny alalan’ny visioconférence

Raha azo atao dia tokony hiezaka hanatrika mivantana ireo fivoriana ny mpikambana. Kanefa tsy azo tanterahina izany indraindray. Ny fampitana an-tsary ireo fivoriana sy ny fanaovana visioconférence dia ahafahana mifandray amin’ireo izay tsy afaka manatrika ny fivoriana amin’ny fomba hafa. Mety ho isan’ireo olona ireo (kanefa tsy voafetra amin’izany) ireo izay:

  • Mipetraka lavitra be na tsy manana fahafahana hanao dia lavitra.

  • Manana olana ara-pahasalamana eo amin’ny ara-batana, na ara-tsaina, na ara-pihetseham-po.

  • Manana olana eo amin’ny hery fiarovana na any amin’ny toeram-pitazaina be antitra sy ny manan-kilema na any amin’ny hôpitaly.

  • Mpiasa tena ilaina na raha tsy izay dia mpiasa tsy maintsy miasa rehefa Sabata.

  • Mikarakara olona tsy afaka mivoaka ny trano sy tsy azo avela irery.

  • Mila fandikan-teny amin’ny fiteny tanana.

  • Manana toe-batana tsy mahazaka zavatra ka mety hampidi-doza ny fahasalamany ny fanatrehany fivoriana iray.

Mba ho tombontsoan’ireo mpikambana ireo sy ny olona hafa dia afaka manome lalana, ho tranga maningana, ny eveka mba hanaovana fampitana an-tsary mivantana ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ny fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana ary ny fanambadiana atao ao amin’ny trano fivorian’ny Fiangonana. Ny fampitana an-tsary dia ahafahan’ny hafa mahita sy mandre fivoriana iray avy lavitra kanefa tsy ahafahany mandray anjara mivantana.

Tsy tokony ho tafiditra ao anatin’ny fampitana an-tsary mivantana ny fivoriana fanasan’ny Tompo ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo. Tokony haato ny fampitana an-tsary mandritra ny fanasan’ny Tompo ary averina alefa indray aorian’izany. Na azon’ny eveka afindra any amin’ny faran’ny fivoriana ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo rehefa tapitra ilay fampitana an-tsary mivantana. Dia hifarana amin’ny hira ao amin’ny fihirana sy vavaka ilay fivoriana avy eo.

Azon’ny eveka atao ny manome lalana ny mpisorona iray na ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka iray hanatanteraka mivantana ny fanasan’ny Tompo ho an’ireo olona izay tsy afaka manatrika ny fivoriana (jereo ny 18.9.1).

Amin’ny fivoriana sasany dia azon’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka atao ny manome lalana ireo mpikambana tsy afaka manatrika mivantana handray anjara amin’ny fomba virtoaly. Ireto avy no fivoriana mety ho tafiditra amin’izany:

  • Fivorian’ny mpitarika, toy ny fivorian’ny fiadidiana na ny filankevitra.

  • Fivorian’ny Kôlejy sy Fikambanana Ifanampiana ary Zatovovavy.

  • Ireo kilasin’ny Sekoly Alahady.

  • Ireo kilasin’ny Kilonga sy ny fotoam-pihirana.

Ny fivoriana amin’ny fomba virtoaly dia hifampizarana hevitra fa tsy mitovy amin’ireo fampitana mivantana an-tsary. Ireo izay manatrika avy lavitra dia afaka mandray anjara amin’ny fametrahana fanontaniana, ny fanaovana fanamarihana, ary ny fandraisana anjara amin’ny fomba hafa.

Azon’ny filohan’ny tsatòka atao ny manome lalana ny hampitana an-tsary mivantana ny fihaonamben’ny tsatòka any amin’ny toerana hafa eo anivon’ny tsatòka, ary tafiditra ao anatin’izany koa ny tokantranon’ireo mpikambana raha ilaina. Azony atao koa ny manome lalana ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka hanatrika ny fivorian’ny mpitarika amin’ny fomba virtoaly rehefa tsy afaka manatrika mivantana izy ireo (ohatra, noho ireo antony voatanisa teo aloha tato amin’ity toko ity).

Tsy natao mba hampetipety an’ ireo olona izay afaka manatrika tsara mivantana ilay fivoriana ny fampitana an-tsary sy ny fivoriana amin’ny fomba virtoaly. Ohatra, tsy manome lalana ny hampitana an-tsary ny fivoriana fanasan’ny Tompo ho an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy izay manao dia lavitra kanefa afaka manatrika paroasy hafa ny eveka.

Afaka manampy ny mpitarika amin’ny fikarakarana ireo fampitana an-tsary sy ireo fivoriana amin’ny fomba virtoaly ireo manam-pahaizana manokana momba ny teknôlôjia eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka (jereo ny 33.10). Afaka manampy ny mpikambana ho tafiditra amin’ireo fivoriana ireo koa izy ireo.

Tsy tokony hampiala ny fifantohana amin’ny Fanahy ny fampitana an-tsary sy ny fivoriana atao amin’ny fomba virtoaly. Amin’ny ankapobeny dia fitaovana iray ihany no tokony hampiasaina hakana sary ilay fivoriana. Tsy tokony hanelingelina ny fifantohan’ny olona na ilay fitaovana na ilay olona mampiasa izany.

Tokony hofafana iray andro aorian’ilay fivoriana ny firaketana ny fampitana an-tsary ireo fivoriana ao amin’ny paroasy sy ny tsatòka.

29.8

Fakana sary sy firaketana amin’ny horonan-tsary ireo fivoriana

Mba hihazonana ny fahamasinan’ireo fivoriana ao amin’ny Fiangonana dia tsy tokony hisy haka sary na hanao firaketana amin’ny horonan-tsary ireo fivoriana fanasan’ny Tompo na ireo fihaonamben’ny tsatòka.

Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fampitana an-tsary ireo fivoriana dia jereo ny 29.7.