Avia, hanaraka Ahy
16–22 desambra. Krismasy: -Teny soa mahafaly-


“16–22 desambra. Krismasy: -Teny soa mahafaly-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“16–22 desambra. Krismasy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
Jesoa zazakely tao an-tranon’omby

Tsisy atahorana ao an-tranon’omby, nataon’i Dan Burr

16–22 desambra

Krismasy

“Teny soa mahafaly”

Ity lesona ity dia fahafahana iray ho anao mba hanampiana ireo ankizy mpianatrao hankalaza ny fahaterahan’ny Mpamonjy sy ny fiainany ary ny asa nanirahana Azy mandritra ny vanim-potoan’ny Krismasy. Ataovy ao an-tsaina hatrany izany eo am-piomanana hampianatra.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asehoy ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary asao ireo ankizy mba hizara ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny fahaterahan’ny Mpamonjy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Matio 2:1–12; Lioka 2:1–14

Zazakely i Jesoa Kristy tamin’izy tonga tetỳ an-tany.

Manintona ny ankizy ny tantaran’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Inona avy ireo fahamarinana ara-potopampianarana hitanao ao amin’io tantara io izay tsapanao fa tokony ho takatr’ireo ankizy?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ireo ankizy ny Lioka 2:1–14, na lazalazao ny zava-nitranga ao amin’ireo andininy ireo amin’ny fijerena ny “Toko 5: Teraka i Jesoa Kristy,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 13–15, na ny horonantsary mifandraika amin’izany ao amin’ny LDS.org. Asao ny ankizy mba hanao sary maneho ireo zava-nitranga ireo sy hampiasa ny sary nataony mba hitantarany indray ilay tantara. Nahoana ianareo no faly hoe zazakely i Jesoa Kristy tamin’izy tonga tetỳ an-tany?

  • Angataho ny ankizy mba hitantara ny tantaran’ireo Magy izay nanaraka an’ilay kintana mba hahitana an’i Jesoa. Raha mila ampahatsiahivina azy ireo ilay tantara, dia jereo ny Matio 2:1–12 na ny “Toko 7: Ireo Magy,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 18, na ny horonantsary mifandraika amin’izany ao amin’ny LDS.org. Manafena sarin’i Jesoa iray ao amin’ny efitrano fianarana. Ataovy sary na hetezo amin’ny taratasy ny kintana iray ary tazòny ho eny ambòny izany. Asao ny ankizy mba hanao toy ny hoe izy ireo no Magy mitondra fanomezana, ary tariho manodidina ny efitrano izy ireo mba hitady an’i Jesoa. Inona avy ireo fanomezana sasany azontsika omena an’i Jesoa amin’ny fiainantsika ankehitriny?

  • Mihirà hiran’ny Krismasy miaraka amin’ireo ankizy, toy ny “Oh, quel bonheur! Jésus viendra!” sy ny “Alina masina” (Fihirana, lah. 123 [frantsay], pejy 105 [Malagasy]) na ny “Nuit de Noël,” “Au loin, dans l’étable,” ary ny “Dors, mon bel ange” (Chants pour les enfants, 24, 26–27, 30–31).

Jaona 3:16

Nataon’i Jesoa Kristy izay ahafahako miara-miaina indray amin’ny Raiko any An-danitra indray andro any.

Moa ve ireo ankizy ampianarinao mahatakatra ny antony nahatongavan’i Jesoa Kristy tetỳ an-tany? Makà fotoana hisaintsainana ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho anao manokana sy ny fomba ahafahanao manampy ireo ankizy hahatakatra ny zavatra nataony ho azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Mitondrà fanomezana voafono eo an-dakilasy miaraka amin’ny sarin’i Jesoa Kristy ao anatiny. Asio taratasikely eo amin’ilay fanomezana ary soraty eo amin’izany ny “Jaona 3:16”, ary lazao amin’ireo ankizy fa io dia teny manondro ny hoe inona ilay fanomezana. Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Jaona 3:16 dia asao izy ireo hamantatra hoe inona ilay fanomezana ary hanokatra izany. Nahoana Andriamanitra no nandefa ny Zananilahy?

  • Misafidiana sary avy amin’ilay Boky mirakitra sary momba ny filazantsara (toy ny lah. 1, 30, 35–6684) izay maneho ny fomba sasany nitahian’i Jesoa ny hafa raha niaina teto an-tany Izy. Avelao ny ankizy hihazona ireo sary eo am-pitantaranao ireo tantara. Azonao atao ny misafidy sary izay mifandray amin’ny teny ao amin’ny “Il envoya son Fils aimé” sy ny “Raconte-moi les histoires de Jésus” (Chants pour les enfants, 20, 36) dia avelao ireo ankizy hihazona ny sary eo am-pihirany ny hira.

  • Asao ny ankizy hizara ny tantara tiany indrindra momba an’i Jesoa. Aorian’ny fitantarana ny tantara tsirairay avy dia ampio ny ankizy hamarana ity fehezan-teny ity: “Tonga tety an-tany i Jesoa Kristy mba .” Dia asehoy avy eo ny sary mifandraika amin’ny sorona fanavotan’ny Mpamonjy, ny fahafatesany, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 56, 57, 58, 59) dia lazalazao amin’izy ireo fohifohy ny momba an’ireo tranga ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa tonga tety an-tany i Jesoa Kristy ho faty ho antsika sy hitsangana amin’ny maty mba hahafahantsika miverina any amin’ny Ray any An-danitra.

    Sary
    I Jesoa mandohalika ao amin’ny Sahan’i Getsemane

    Gethsemane, nataon’i J. Kirk Richards

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Matio 1:18–25; 2:1–12; Lioka 1:26–38; 2:1–20

Zazakely i Jesoa Kristy tamin’izy tonga tetỳ an-tany.

Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy hifantoka amin’ny Jesoa Kristy mandritra ny Krismasy?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny iray amin’ireo ankizy hamaky momba ireo tranga izay mifandraika amin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 1:18–25; 2:1–12; Lioka 1:26–38; 2:1–20. Angataho ireo ankizy hafa hifandimby hanao sary eo amin’ny solaitrabe momba ny zavatra soritsoritan’ny soratra masina. Mampianatra antsika inona momba an’i Jesoa Kristy ireo tantara ireo

  • Asaivo soratan’ny ankizy ny zavatra rehetra mety reny izay hanampy azy ireo hifantoka amin’i Jesoa Kristy mandritra ny vanim-potoan’ny Krismasy. Asao izy ireo hizara izay zavatra nosoratany.

  • Asao ny ankizy hanoratra amina taratasy kely maromaro ny zavatra azony atao izay hanampy azy ireo hifantoka amin’ny Mpamonjy mandritra ny vanim-potoan’ny Krismasy. Ataovy anatina harona na fitehirizan-javatra ny taratasin’izy ireo mba hoentiny mody. Izany dia mety hoe mamaky ny soratra masina, mihira hiran’ny Krismasy, ary manao an-kitsim-po asa feno fitiavana.

  • Manaova hiran’ny Krismasy momba ny Mpamonjy (jereo ny Chants pour les enfants, 20–48; Cantiques, lah. 126–135), dia asao ireo ankizy hizara ny andalana na andian-teny ankafiziny indrindra ao amin’ireo hira.

Jaona 3:16

Nataon’i Jesoa Kristy izay ahafahako miara-miaina indray amin’ny Raiko any An-danitra indray andro any.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hanao famerenana ny zavatra izay efa nianarany nanditra ity taona ity ary mahatakatra ny antony ilaivany ny Mpamonjy eo amin’ny fiainany?

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty amin’ny taratasy kely anankiroa ny hoe Iza i Jesoa Kristy? ary ny hoe Nahoana Izy no tonga tety an-tany? dia apetaho amin’ny lafin’ny rindrina samy hafa ao an-dakilasy izany. Asao ny mpianatra tsirairay avy hamaky ny iray amin’ireto soratra masina manaraka ireto: Matio 16:15–16; Jaona 3:16; 1 Nefia 10:4; Môsià 3:8; Almà 7:10–13; 3 Nefia 27:14–15. Angataho ny ankizy hitady ny valin’ireo fanontaniana roa eo amin’ny rindrina ireo ao amin’ny soratra masina izay vakiany. Asao izy ireo hanoratra ny valinteniny eo amin’ny taratasy kely dia hametaka izany eo amin’ny rindrina izay misy ny fanontaniana mifandraika aminy. Ahoana no ahafahantsika maneho fankasitrahana ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho antsika?

  • Asao ireo mpianatra hitanisa eo amin’ny solaitrabe ireo anarana na fiantso rehetra an’i Jesoa izay fantany (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Jesoa Kristy”). Mampianatra antsika inona momba an’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana Azy ireo anarana ireo? Nahoana isika no mila an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy mba hitady farafahakeliny fomba iray hanompoana olona iray hafa na hanatonana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy.

Manatsara ny fampianarantsika

Tian’ny ankizy ny mizara ny zavatra nianarany. Na ireo ankizy aza dia afaka mampatanjaka ny olona ao amin’ny fianakaviany. Amporisiho ireo ankizy mpianatrao mba hizara amin’ ny fianakaviany ny zavatra nianarany tao amin’ny Kilonga. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 30.)