Avia, hanaraka Ahy
25 nôvambra–1 desambra. 1 sy 2 Petera: -[Miravoravoa] amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra-


“25 nôvambra–1 desambra. 1 sy 2 Petera: -[Miravoravoa] amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“25 nôvambra–1 desambra. 1 sy 2 Petera,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
Nitory ny filazantsara tao amin’ny tontolon’ny fanahy i Jesoa Kristy

i Kristy nitory tao amin’ny tontolon’ny fanahy, nataon’i Robert T. Barrett

25 nôvambra–1 desambra

1 sy 2 Petera

“[Miravoravoa] amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra”

Atombohy amin’ny vavaka ny fandalinanao ny 1  sy 2 Petera. Tsarovy fa ny fiomanana amin’ny fampianarana tsara indrindra ataonao dia tonga amin’ny alalan’ireo traikefa amin’ny fandalinana manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Ampisehoy ilay sary hita ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary asao ireo ankizy mba hilaza ny zavatra fantatr’izy ireo momba an’i Petera. Ampahatsiahivo azy ireo fa i Petera dia mpitarika iray tao amin’ny Fiangonana taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, ary hazavao fa ny 1 Petera sy ny 2 Petera dia taratasy avy taminy ho an’ireo mpikambana tao amin’ny Fiangonana tamin’ny androny.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

1 Petera 1:6–7; 3:14

Afaka ny ho faly aho na mandritra ny fotoan-tsarotra aza.

Saintsaino ny fomba ahafahanao mampianatra ireo andininy ireo amin’ny fomba iray izay hanampy ny ankizy hitodika amin’ny Mpamonjy rehefa miatrika fahasarotana izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hizara ireo zavatra sarotra izay niaretan’i Jesoa, toy ny hoe nohomboana. Hazavao fa hanana fotoan-tsarotra isika eo amin’ny fiainantsika. Iaraho mamaky ny 1 Petera 1:6–7; 3:14 ary zarao ny zavatra niainano rehefa niatrika “fisedrana ny finoanao” ianao. Na azonao atao ny mizara ny vavaka nataon’i Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Liberty sy ny fankaherezana nomen’ Andriamanitra azy (jereo ny FF 121:1–8; 123:17). Manampy antsika hahita fifaliana mandritra ireo fotoan-tsarotra amin’ny fomba ahoana ny fananana finoana an’i Jesoa?

    Sary
    i Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Liberty

    I Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Liberty, nataon’i Greg K. Olsen

  • Hirao miaraka ny hira iray momba ny fomba ahitana fahasambarana, toy ny “Je veux suivre le plan de Dieu” (Chants pour les enfants, 86).

1 Petera 2:9–12

Tian’ny Ray any An-danitra ho ohatra ho an’ny hafa aho.

Nampianatra i Petera fa isika dia “olon’ Andriamanitra” ary ny asa tsara ataontsika dia afaka “hankalazana an’ Andriamanitra.”

Asa atao azo tanterahina

  • Fariparito ireo zavatra izay miavaka eo amin’ny manodidina azy ireo, na ampisehoy ny sarin’ireny zavatra ireny. Ohatra, ny tempoly iray izay miavaka amin’ireo trano manodidina azy na ny tendrombohitra izay mijoalajoala eo ambonin’ny lohasaha iray. Hazavao fa rehefa mitandrina ireo didy isika dia miavaka ary afaka mahita ireo ohatra asehontsika ny olona hafa. Miresaha momba ireo “asa tsara” izay hitanao fa nataon’ny ankizy. Hazavao fa ny asa tsara tahaka ireny dia “hankalazana an’ Andriamanitra.” Manampy ny hafa hahatsapa bebe kokoa ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny faniriana hanompo Azy izy ireny.

  • Tontosao miaraka amin’ny ankizy ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity. Amin’ny fomba ahoana no hankalazan’ireo olona hitan’izy ireo ao amin’ilay sary an’ Andriamanitra?

1 Petera 3:18–20; 4:6

Mianatra momba ny filazantsaraireo fanahy ao amin’ny tontolon’ny fanahy.

Rehefa maty i Jesoa dia nandeha tany amin’ny tontolon’ny fanahy Izy ka naniraka ireo fanahy marina mba hampianatra ireo fanahy hafa izay tsy mbola nanaiky ny filazantsara.

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ny ankizy ny momba ny olona iray izay efa nodimandry. Hazavao fa rehefa maty ny olona dia miala amin’ny vatany ny fanahiny ka mandeha any amin’ny tontolon’ny fanahy. Vakio ny 1 Petera 3:19 dia hazavao fa rehefa maty i Jesoa dia nandeha nitsidika ny tontolon’ny fanahy Izy. Tany Izy dia nangataka ireo fanahy marina mba hampianatra ny filazantsara amin’ireo fanahy hafa izay tsy mbola nanaiky ny filazantsara (jereo ny FF 138:30).

  • Asio seza milahatra eo afovoan’ny efitrano hatao sakana. Asaivo mitsangana eo amin’ny lafiny iray ny ankizy mba haneho ireo fanahy any amin’ny tontolon’ny fanahy izay tsy mbola vita batisa nandritra ny fiainany teto an-tany. Omeo fanalahidy lehibe iray vita amin’ny taratasy ny iray amin’ireo ankizy hafa miaraka amin’ny soratra hoe “batisa ho an’ny maty” voasoratra eo amin’izany, dia asaivo manala ilay sakana izy. Dia hazavao avy eo fa ny mpikamban’ny Fiangonana izay 12 taona no ho mihoatra dia afaka mankany amin’ny tempoly ary hatao batisa ho an’ny razamben’izy ireo izay tsy vita batisa fony teto an-tany. Afaka manaiky ny filazantsara any amin’ny tontolon’ny fanahy ireo razambe ireo.

  • Ampio ny ankizy mba hameno tetiarana tsotra (jereo ny ohatra ao amin’ny “Family History Coloring Pages,” LDS.org).

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

1 Petera 3:12–17; 4:13–14, 16

Afaka mahita fifaliana sy fiadanana aho na dia mandritra ny fotoan-tsarotra aza.

Ireo ankizy ampianarinao dia hiaina karazana fananihaniana na fanarabiana noho ny zavatra inoan’izy ireo. Afaka manampy ireo andininy ireo mandritra ireny fotoana ireny.

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino ireo tantara vitsivitsy momba an’i Jesoa nenjehina, na asaivo vakian’ny ankizy ireny—jereo ohatra ny Matio12:9–14 na Lioka 22:47–54. Anontanio ny ankizy raha toa ka efa nisy nananihany na nanaraby izy ireo satria niaina ireo fampianaran’ny filazantsara. Dia iaraho mamaky ny 1 Petera 3:12–14; 4:13–14, 16, ary asaivo mitady ny zavatra nolazain’i Petera momba ny fijaliana “noho ny amin’ny fahamarinana” ireo ankizy. Nahoana isika no afaka ny ho mbola faly foana na dia manaraby antsika noho ny fanaovana ny tsara aza ny olona hafa?

  • Asao ny mpikambana iray ao amin’ny paroasy mba hizara ny zavatra niainany rehefa nahita fifaliana na fiadanana izy nandritra ny fitsapana iray, na zarao ny fomba nahitan’ny Mpaminany Joseph Smith fiadanana rehefa tao amin’ny fonjan’i Liberty izy (jereo ny FF 121:1–8; 123:17). Ahoana no fomba ahitantsika fifaliana sy fiadanana mandritra ireo fotoam-pitsapana?

1 Petera 3:15

Tokony ho vonona mandrakariva ny hizara ny filazantsara aho.

Ireo ankizy ampianarinao dia hanana fahafahana maro mandritra ny androm-piainan’izy ireo hamaly fanontaniana avy amin’ny olona hafa momba ny finoan’izy ireo. Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hanampiana azy ireo “ho vonona mandrakariva hamaly izay manontany.”

Asa atao azo tanterahina

  • Resaho ny fotoana iray izay nanontanian’ny olona iray anao momba ny Fiangonana, ary fariparito raha toa ka nahatsapa ho vonona ny hamaly ianao. Asaivo miresaka momba ny fotoana nametrahan’ny olona fanontaniana tamin’izy ireo momba ny Fiangonana ny ankizy. Iaraho mamaky ny 1 Petera 3:15. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny torohevitr’i Petera ao anatin’io andininy io?

  • Miaraka amin’ny fanampian’ny ankizy, mieritrereta fanontaniana vitsivitsy izay mety hapetraky ny olona momba ireo fampianaran’ny Fiangonana. Avelao ny ankizy hifandimby hanazava ny fomba hamalian’izy ireo ireo fanontaniana ireo mba ho “vonona mandrakariva” izy ireo.

1 Petera 3:18–20; 4:6

Mianatra momba ny filazantsara ireo fanahy ao amin’ny tontolon’ny fanahy.

Ampio ny ankizy hahatakatra fa rehefa maty ny olo-marina dia mankany amin’ny tontolon’ny fanahy izy ireo mba hampianatra ny filazantsara amin’ireo izay tsy nahazo izany fony mbola tety an-tany.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sarina faribolana iray misy tsipika eo afovoany. Soraty hoe Paradisa ho an’ny fanahy eo amin’ny antsasak’ilay faribolana ary Tranomaizina ho an’ny fanahy eo amin’ny antsasany hafa. Asao ny iray amin’ireo ankizy hamaky ny 1 Petera 3:18–20; 4:6.   Hazavao fa rehefa maty i Jesoa dia nankany amin’ny paradisa ho an’ny fanahy Izy. Nomeny torolalana ireo fanahy marina tao mba hampianatra ny filazantsara amin’ireo fanahy tao amin’ny tranomaizina ho an’ny fanahy.

  • Asao ny ray na ny renin’ny iray amin’ireo ankizy na ny zokiny mba hilaza momba ny fandehanana any amin’ny tempoly sy fanatontosana ny asa ho an’ny iray amin’ireo razamben’izy ireo.

  • Asao ny ankizy mba hameno tetiarana tsotra (jereo ny ohatra ao amin’ny “Family History Coloring Pages,” LDS.org).

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hizara ny tetiarany amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviany ary hangataka fanampiana amin’izy ireo mba hanampy anarana ao amin’izany.

Manatsara ny fampianarantsika

Katsaho ny hahatakatra ireo ankizy ampianarinao. Fantatrao ny ankizy ampianarinao, koa ovao ireo hevitra ato anatin’ity rindran-damina ity raha ilaina izany, mba hampifandraisina araka ny filàn’izy ireo. Afaka mampiasa ireo asa atao natolotra ato anatin’ity rindran-damina ity ianao, fa tsy ireo izay voasoratra ho an’ny sokajin-taona ampianarinao ihany. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7