Avia, hanaraka Ahy
25 nôvambra–01 desambra. 1 sy 2 Petera: -[Miravoravoa] amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra-


“25 nôvambra–01 desambra. 1 sy 2 Petera: -[Miravoravoa] amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“25 nôvambra–01 desambra. 1 sy 2 Petera,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
Nitory ny filazantsara tao amin’ny tontolon’ny fanahy i Jesoa Kristy

Christ Preaching in the Spirit World, nataon’i Robert T. Barrett

25 nôvambra–01 desambra

1 sy 2 Petera

“[Miravoravoa] amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra”

Eo am-pamakianao an’ireo Epistilin’i Petera dia mety hahavoaray bitsika mba hanao zavatra ianao. Raketo an-tsoratra izany bitsika izany “raha mbola notsindrian’ny Fanahy” (FF 76:80) ianao, mba hahafahanao mandray araka ny tokony ho izy ny zavatra ampianarina aminao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Fotoana fohy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nanao faminaniana izay mety tena nanahiran-tsaina an’i Petera tokoa ny Mpamonjy. Nilaza Izy fa rehefa antitra i Petera dia hisy “hitondra [azy] amin’izay tsy tian[y] …  [izy], hanambara ny fomban’ny fahafatesana izay hankalazany an’ Andriamanitra” (Jaona 21:18–19). Tamin’ny fotoana nanoratan’i Petera ny epistiliny dia nahafantatra izy fa izany fahafatesana ho martiora efa nambarany tamin’ny faminaniana izany dia efa akaiky: “Satria fantatro fa ho avy ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon’i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa” (2 Petera 1:14). Nampalahelo fa ny fanenjehana mafy toy izany dia fahita tamin’ny fiainan’ny Olomasina tao amin’ireo faritra Romana, izay nanoratan’i Petera (jereo ny 1 Petera 1:1). Ny teniny anefa dia tsy nahatsapana tahotra na fahakiviana. Nampianatra ireo Olomasina kosa izy mba “[hiravoravo],” na dia “[n]ampalahelovina amin’ny fakam-panahy maro samy hafa aza” izy ireo. Nanome torohevitra izy ny mba hahatsiarovana fa “ny fizahan-toetran’ny finoanan[’izy ireo]” dia hitondra amin’ny “fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny hisehoan’i Jesosy Kristy” sy ny “famonjena ny fanahin[’izy ireo]” (1 Petera 1:6–7, 9). Mety ho nampionona ireo Olomasina tany aloha ireo ny finoan’i Petera, toy ny fampiononan’izany an’ireo Olomasina ankehitriny, izay “[miombona] fijaliana amin’i Kristy, mba hiravoravoan[tsika] indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa” (1 Petera 4:13).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

1 Petera 1:3–9; 2:19–24; 3:14–17; 4:12–19

Afaka mahita fifaliana mandritra ireo fotoam-pitsapana sy fijaliana aho.

Rehefa jerena amin’ny voalohany dia toa hafahafa ny hoe nampifandray teny toy ny hoe miravoravo, faly, voninahitra, ary hiravoravoana indrindra amin’ny teny izay fampiasantsika kokoa mba hanehoana fahasarotana i Petera: ampalahelovina, fakam-panahy, alahelo, fizahan-toetra mahamay, ary fijaliana (jereo ny 1 Petera 1:6; 2:19; 4:12–13). Ny hafatr’i Petera ho an’ireo Olomasina tany am-boalohany dia mitovy amin’ny hafatra izay nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson: “Afaka ny ho faly ao anatin’ny toe-javatra rehetra ny Olomasina. … “Rehefa ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra, … sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany no ifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika. Tonga avy Aminy sy noho ny Aminy ny fifaliana. Izy no loharanon’ny fifaliana rehetra” (“Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 82).

Eo am-pamakianao ny 1 Petera 1:3–9; 2:19–24; 3:14–17; 4:12–19, dia inona no manome fanantenana anao fa ianao dia afaka mahita fifaliana na dia ao anatin’ny toe-javatra sarotra aza?

1 Petera 3:18–20; 4:1–6

Notoriana tamin’ireo izay efa nodimandry ny filazantsara mba hahafahana mitsara azy ireo araka ny fahamarinana.

Indray andro any dia hijoro mba hotsaraina ny olona tsirairay avy ary “hampahamoahin’ Ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty” (1 Petera 4:5). Mety hanontany tena ny olona sasany hoe amin’ny fomba ahoana no hitsaran’ Andriamanitra ny olon-drehetra araka ny rariny satria tena tsy mitovy ny fahafahan’ny tsirairay avy mahatakatra sy miaina ny filazantsara. Jereo ilay fotopampianarana ampianarin’i Petera ao amin’ny 1 Petera 3:18–20; 4:6 mba hanampiana ireo Olomasina tamin’ny androny hahatakatra fa ny fitsaran’ Andriamanitra dia ho araka ny rariny. Mankahery ny finoanao ny rariny sy ny fahamarinan’ Andriamanitra amin’ny fomba ahoana ireo andininy ireo?

Mba handalinana misimisy kokoa ity fotopampianarana ity, dia hadihadio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138, fanambarana iray noraisin’ny Filoha Joseph F. Smith teo am-pisaintsainany ny zavatra nosoratan’i Petera. Inona no fitahiana tonga amin’ireo izay manao ny ôrdônansin’ny filazantsara azo atao ho an’ny fianakaviany efa nodimandry sy mbola eo am-piandrasana ireo ôrdônansy ireo

2 Petera 1:1–11

Amin’ny alalan’ny herin’i Jesoa Kristy dia afaka mampikolokolo ny toetra araka an’ Andriamanitra ao amiko aho.

Mba mahatsapa ve ianao fa tsy azo heverina ny ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy sy ny mampivoatra toetra tahaka ny Azy? Nanolotra izao teny fankaherezana momba ny fomba hahafahana mampivoatra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izao ny Loholona Robert D. Hales: “Ny toetran’ny Mpamonjy … dia toetra mifamatotra, mifameno, izay mitombo ao anatintsika amin’ny fomba mifandray. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy afaka mahazo toetran’i Kristy iray isika ka tsy hahazo sy haneho toetrany hafa koa. Rehefa mihamafy ny toetra iray, dia ho toy izany koa ny maro hafa” (“Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy Tompontsika,” Ensign na Liahona, mey 2017, 46).

Sary
karipetra voatenona mifampidimpiditra

Ny toetra tahaka ny an’i Kristy tsirairay izay kolokolointsika dia manampy antsika hanenona karipetra ara-panahin’ny maha-mpianatra.

Azonao atao ny mamaky ny 2 Petera 1:1–11 eo am-pandalinana ny hafatry ny Loholona Hales. Inona no zavatra nianaranao avy amin’ireo Apôstôly roa ireo izay manampy anao amin’ny ezaka ataonao mba ho lasa tahaka an’i Kristy bebe kokoa?

Jereo koa ny 1 Petera 4:8; David A. Bednar, “Fampanantenana sady soa no lehibe indrindra,” Liahona, nôv. 2017, 90–93.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

1 Petera 2:5–10

Eo am-pamakianao an’ireo andininy ireo miaraka amin’ny fianakavianao dia azonao atao ny mampiasa vato mba hanampiana ny olona ao amin’ny fianakavianao hahatakatra ny fampianaran’ny Mpamonjy fa ny Mpamonjy no “fehizoro[ntsika].” Ahoana hitovizantsika amin’ny “vato velona” izay ampiasain’ Andriamanitra amin’ny fanorenana ny fanjakany? Inona no zavatra ianarantsika avy amin’i Petera momba ny Mpamonjy sy ny anjara asantsika ao amin’ny fanjakany? Inona no hafatr’i Petera ho an’ny fianakavianao?

1 Petera 3:8–17

Ahoana no hahafahantsika ho “vonona mandrakariva hamaly izay manontany” antsika momba ny finoantsika? Mety hankafy ny filalaovana an-tsehatra ny fianakavianao, ka ny olona iray dia hanatona ny hafa mba hametraka fanontaniana momba ny filazantsara.

1 Petera 3:18–20; 4:6

Inona no azon’ny fianakavianao atao miaraka mba hianarana momba ny razambenareo? Angamba mandritra ny tsingeritaonan’ny razambenareo izay efa nodimandry iray dia azonareo atao ny mahandro ny sakafo tian’ilay razambe indrindra, mampiseho sary, na mitantara tantara avy amin’ny fiainany. Raha azo atao dia azonareo atao ihany koa ny manao drafitra mba handraisana ny ôrdônansy ho an’io razambe io any amin’ny tempoly.

2 Petera 1:16–21

Ao amin’ireo andininy ireo dia mampahatsiahy ny Olomasina ny zavatra niainany tao an-Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy i Petera (jereo ihany koa ny Matio 17:1–9). Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo momba ny fampianaran’ireo mpaminany? (Jereo koa ny FF 1:38). Inona no manome toky antsika mba hanaraka ny mpaminanintsika velona amin’izao fotoana izao?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

“Mivonona mandrakariva.” Mety handalo sy hiserana tampoka ireo fotoana tsotsotra azo ampianarana ao an-tokantrano; noho izany dia zava-dehibe ny manararaotra azy ireny rehefa miseho. Ahoana no hahafahanao ho “vonona mandrakariva” mba hampianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao ary mizara “ny fanantenana ao anatina[o]” (1 Petera 3:15) rehefa miseho ny fahafahana mampianatra? (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 16.)

Sary
i Petera mampianatra andian’olona

Na dia niatrika fanenjehana sy fanoherana betsaka aza i Petera dia nijanona ho mahatoky tamin’ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Kristy izy.