Avia, hanaraka Ahy
02–08 desambra. 1–3 Jaona; Joda: -Fa Andriamanitra dia fitiavana-


“02–08 desambra. 1–3 Jaona; Joda: -Fa Andriamanitra dia fitiavana-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“02–08 desambra. 1–3 Jaona; Joda,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
i Jesoa Kristy mitsiky sy miara-mipetraka amin’ny zazakely mitsiky

Fitiavana lavorary, nataon’i Del Parson

02–08 desambra

1–3 Jaona; Joda

“Fa Andriamanitra dia fitiavana”

Eo am-pamakianao ny Epistilin’i Jaona sy ny an’i Joda dia mikatsaha fanentanam-panahy momba ny fomba hanehoanao ny fitiavanao an’ Andriamanitra. Raketo an-tsoratra ny zavatra tsapanao dia ampiharo izany.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Rehefa nanoratra ny epistiliny i Jaona sy i Joda dia efa teo am-pitrangana ny Apôstazia izay efa nambaran’ny faminaniana, dia sady vokatry ny fanenjehana izaitsizy izany no vokatry ny fotopampianarana nolotoina. Ny mpampianatra sandoka sasany dia nampisalasala ny hafa mihitsy ny amin’ny hoe tena tonga “tamin’ny nofo” tokoa ve i Jesoa Kristy (jereo ohatra ny 1 Jaona 4:1–3; 2 Jaona 1:7). Koa dia nanomboka ny epistiliny voalohany tamin’ny fanolorana ny fijoroany ho vavolombelona manokana momba ny Mpamonjy ny Apôstôly Jaona: “Izao no fijoroana ho vavolombelona omenay momba ilay efa nisy hatrany am-boalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nandrandrainay, ary efa notsapain’ny tananay, dia ny Teny Fiainana izany”  . Saingy ny hafatra mahery vaika indrindra an’ny epistilin’i Jaona angamba dia ny fitiavana: ny fitiavan’ Andriamanitra ho antsika ary ny fitiavana tokony hananantsika ho Azy sy ho an’ny zanany rehetra. Sady i Jaona koa efa niaina mivantana ny fitiavan’ny Mpamonjy (jereo ny Jaona 13:23; 20:2), ary naniry izy ny hatsapan’ny Olomasina izany fitiavana izany manoloana ny fahasarotana sy ny fanoherana, satria “tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra” (1 Jaona 4:18).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

1 Jaona

Andriamanitra dia fahazavana, ary Andriamanitra dia fitiavana.

Raha toa ampisafidianana teny roa izay mamaritra an’ Andriamanitra ianao dia mety ho inona izany? Ao amin’ny epistiliny dia mampiasa ny teny hoe “mazava” sy “fitiavana” i Jaona (1 Jaona 1:5; 4:8, 16). Eo am-pamakianao ny 1 Jaona, dia saintsaino ny zavatra niainan’i Jaona araka ny voarakitra ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona, dia diniho hoe amin’ny fomba ahoana ireny zavatra niainany ireny no mety nampianatra an’i Jaona momba ny fahazavana sy fitiavan’ Andriamanitra. Inona no zavatra niainanao manokana izay mampianatra anao fa fahazavana sy fitiavana Andriamanitra?

Jereo ihany koa ny Jaona 3:16–21; 15:9–17; 2 Nefia 26:24; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24; 88:6, 12–13; 93:36–37.

1 Jaona 2:24–3:3

Afaka ny ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy aho.

Moa ve ny tanjona mba ho lasa tahaka an’i Kristy dia efa noheverinao fa tsy azo tratrarina? Saintsaino ny torohevitra mifono fankaherezana nomen’i Jaona: “Anaka, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahasahiana … [dia] ho tahaka Azy isika” (1 Jaona 2:28; 3:2). Inona no hitanao ao amin’ny 1 Jaona 2:24–3:3 izay mankahery sy mampionona anao amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao? Eo am-pandalinanao an’ireo epistilin’i Jaona dia mikaroha fitsipika na torohevitra hafa izay afaka manampy anao eo amin’ny ezaka ataonao mba ho lasa tahaka an’i Kristy bebe kokoa.

Jereo koa ny Môrônia 7:48; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:67–68.

Dikantenin’i Joseph Smith, 1 Jaona 4:12

“Tsy mbola nisy olona … nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana” tokoa ve?

Ny Dikantenin’i Joseph Smith, 1 Jaona 4:12 dia mitondra fanazavana fa “tsy misy olona nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana, afa-tsy ireo izay mino.” (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina  ; jereo koa ny Jaona 6:46; 3 Jaona 1:11). Voarakitra ao amin’ny soratra masina ny tranga vitsivitsy nisehoan’ Andriamanitra Ray tamina olona mahatoky, tafiditra tamin’izany mihitsy i Jaona (jereo ny Apokalypsy 4; jereo koa ny Asan’ny Apostoly 7:55–56; 1 Nefia 1:8; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:23; Joseph Smith—Tantara 1:16–17).

1 Jaona 5

Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy nateraka indray aho dia afaka handresy izao tontolo izao.

Mipoitra im-betsaka ao amin’ireo zavatra nosoratan’i Jaona ny hoe mandresy izao tontolo izao. Noraketin’i Jaona an-tsoratra ny nitenanan’ i Jesoa hoe: “Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa nandresy izao tontolo izao” (Jaona 16:33). Ary ao amin’ny Apokalypsy 2–3, dia noraketin’i Jaona ny fampanantenan’ny Tompo ho an’ireo izay mandresy izao tontolo izao. Inona no voalazan’i Jaona momba ny hoe fandresena izao tontolo izao ao amin’ny 1 Jaona 5:3–5? Eo am-pamakianao ny 1 Jaona 5, dia tadiavo ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handresena izao tontolo izao sy hahazoana fiainana mandrakizay. Mety ho mitranga amin’ny lafiny ahoana ny fandresena izao tontolo izao eo amin’ny fiainanao manokana? Afaka hahita valinteny sy hevi-baovao ihany koa ianao ao amin’ny hafatry ny Loholona Neil L. Andersen manao hoe “Mandresy izao tontolo izao” (Liahona, mey 2017, 58–62).

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

1 Jaona 2:8–11

Mba hanampiana ny fianakavianao hisaintsaina ny fampianaran’i Jaona dia miangòna ao amin’ny haizina ary avelao ny olona ao amin’ny fianakaviana hampitaha ny fahasamihafan’ny fandehanana “ao amin’ny haizina” sy ny fandehanana “ao amin’ny mazava.” Nahoana ny fankahalana no mahatonga antsika handeha ao amin’ny haizina ary ho tafintohina? Mitondra hazavana eo amin’ny fiainantsika amin’ny fomba ahoana ny fifankatiavana?

1 Jaona 3:21–22

Inona ao amin’ireo andininy ireo no mampitombo ny “fahasahiana” ananantsika hanaraka an’ Andriamanitra ary ny fahafahantsika handray valiny amin’ireo vavaka ataontsika? Azonareo atao ihany koa ny mikaroka ny hoe “Vavaka” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.lds.org) .

1 Jaona 5:2–3

Misy didy izay raisintsika ho “mavesatra” na sarotra arahina ve? Ahoana no hanovan’ny fitiavantsika an’ Andriamanitra ny zavatra tsapantsika momba ny didiny?

Sary
fianakaviana miara-mandohalika mivavaka

Ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra dia manampy antsika handresy izao tontolo izao.

Joda 1:3–4

Misy loza ara-panahy “[m]iditra misokosoko” ao amin’ny fiainantsika sy ao amin’ny fianakaviantsika ve? (Joda 1:4). Ahoana no hanarahantsika ny famporisihan’i Joda ny amin’ny tokony “[hiezahana] mafy hiaro ny finoana” sy hiarovana amin’izany loza izany? (Joda 1:3). Ahoana no hahazoantsika antoka fa “hampitomboina ho [antsika] ny fiadanana ary ny fitiavana” ao amin’ny fianakaviantsika? (Joda 1:2).

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mahita ny fitiavan’ Andriamanitra. Nampianatra ny Loholona M. Russell Ballard fa “ny filazantsara dia filazantsaran’ny fitiavana, izany hoe fitiavana an’ Andriamanitra sy fifankatiavana” (“God’s Love for His Children,” Ensign, mey 1988, 59). Eo am-pamakianareo ny soratra masina dia azonareo atao ny maka naoty na manamarika ireo teny na andian-teny izay mampiseho ny fitiavan’ Andriamanitra.

Sary
i Kristy mandeha eo amoron’ny farihy iray

Walk with Me, nataon’i Greg K. Olsen