Avia, hanaraka Ahy
23–29 desambra. Apokalypsy 12–22: -Izay maharesy dia handova ny zava-drehetra-


“23–29 desambra. Apokalypsy 12–22: -Izay maharesy dia handova ny zava-drehetra-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“23–29 desambra. Apokalypsy 12–22,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
i Jesoa Kristy mandray olona amin’ny Fiaviany Fanindroany

Ilay tanàna mandrakizay, nataon’i Keith Larson

23–29 desambra

Apokalypsy 12–22

“Izay maharesy dia handova ny zava-drehetra”

Eo am-pamakianao ny Apokalypsy 12–22, dia tadiavo ireo fitovizan’ny zavatra hitan’i Jaona sy ny zavatra hitanao eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Mikatsaha fitarihana ara-panahy mba hanampiana anao hahita lesona ho anao manokana eo am-pilofosanao ao amin’ny fomba fiteny ara-tandindona ampiasain’i Jaona.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Alaivo sary an-tsaina ny vehivavy iray izay “mihetsi-jaza izy ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka.” Dia alaivo sary an-tsaina indray izao ny “dragona mena lehibe manan-doha sy tandroka fito” iray eo ambonin’ilay vehivavy, vonona “handrapaka ny zanany, raha vao teraka” (Apokalypsy 12:2–4). Mba hahatakarana ireo andininy ao amin’ny Apokalypsy an’i Jaona ireo dia tsarovy fa ireo fanoharana an-tsary ireo dia milaza ny Fiangonana sy fanjakan’ Andriamanitra ary ny loza hohatrehan’izy ireo. Ho an’ireo Olomasina izay niaina fanenjehana izaitsizy nandritra ny vaninandron’i Jaona dia mety tsy dia azo ninoana loatra ny hoe resy ny ratsy. Izany fandresena izany koa dia mety ho sarotra ninoana ny hitrangany amin’ny vaninandro toy ny antsika amin’izao; satria ny fahavalo dia “[m]iady [a]min’ny olona masina” ary manana “fahefana … [a]min’ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra” (Apokalypsy 13:7). Saingy ny fiafaran’ny fanambarana feno voninahitr’i Jaona dia mampiseho fa ny tsara dia handresy ny ratsy. Ho lavo i Babylona. Hanjaka amin’ny maha-Mpanjakan’ny Mpanjaka Azy i Jesoa Kristy. “Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony,” ary ny mahatoky dia hanjaka miaraka Aminy ary “handova izany zavatra izany” (Apokalypsy 21:4, 7).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Apokalypsy 12:7–17

Ilay Ady tany An-danitra dia mbola mitohy ety an-tany.

Tsy mahafantatra betsaka momba ilay Ady tany An-danitra isika, saingy misy fanoritsoritana fohy nefa mafonja momba izany ao amin’ny Apokalypsy 12:7–11. Eo am-pamakianao an’ireo andininy ireo dia alaivo sary an-tsaina ny tenanao mandray anjara amin’izany ady talohan’ny nahaterahana izany. Inona no zavatra ampianarin’ireo andininy ireo momba ny nandresenao sy ireo zanaka mahatokin’ Andriamanitra hafa an’i Satana? Inona no fiantraikan’izany amin’ny fahafahanao mandresy azy amin’izao vaninandrontsika izao eo am-panohizany “[m]iady amin’[ireo izay] mitana ny filazana an’i Jesosy”? (andininy 17).

Jereo koa ny 1 Nefia 14:12–14; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mikaela,” “Ady tany An-danitra.”

Apokalypsy 14:6–7

Iza ilay anjely hitan’i Jaona nitory ny filazantsara?

Ny fahatanterahana iray an’ilay faminaniana ao amin’ireo andininy ireo dia nitranga rehefa niseho tamin’i Joseph Smith i Môrônia, dia nitarika azy tamin’ireo rakitsoratra izay nadikan’i Joseph Smith sy navoakany ho Bokin’i Môrmôna. Io boky io dia ahitana ny “filazantsara mandrakizay” izay nanomezana andraikitra antsika mba ho toriana amin’ny “firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra” (Apokalypsy 14:6).

Apokalypsy 17–18

Manasa ahy mba hiala amin’i Babylona sy ny fahotany ny Tompo.

Ny Apokalypsy 17–18 dia ahitana fanehoana ara-tsarinteny izay mandrebireby ny saina ,mamariparitra ny fahotana sy ny fitiavana ny ara-materialy ary ny fitsiriritan’i Babylona, izay tandindon’izao tontolo izao sy ny faharatsiana. Eritrereto ireo ohatra ana toe-javatra mitovy amin’i Babylona izay misy ankehitriny ao amin’izao tontolo izao, dia saintsaino ny zavatra azonao atao mba hanarahana ny torohevitra manao hoe “mialà amin’i” Babylona ianareo ary “[aza miombona] ota aminy” (Apokalypsy 18:4).

Apokalypsy 20:12–15

Ny zanakan’ Andriamanitra rehetra dia hotsaraina avy amin’ny bokin’ny fiainana.

Ataovy hoe manolo-tena ny hanoratra boky momba ny fiainanao ny mpanoratra iray. Inona avy ireo antsipirian-javatra na zavatra niseho izay tianao ampidirina ao amin’izany? Raha nahalala ianao fa ho raketina ihany koa ny zavatra ho ataonao amin’ny hoavy dia ahoana no ho hitondranao ny fiainanao? Diniho izany eo am-pamakianao momba ny Fitsarana farany ao amin’ny Apokalypsy 20:12–15. Inona no zavatra antenainao fa ho voasoratra momba anao ao amin’ny bokin’ny fiainana?

Jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Bokin’ny fiainana.”

Apokalypsy 21; 22:1–5

Raha toa mahatoky aho dia handray voninahitra selestialy.

Raha ampitahaina amin’ny fanoritsoritana an’i Babylona, ny Apokalypsy 21–22 dia manoritsoritra ny voninahitra selestialy izay miandry ireo mpanara-dia mahatokin’i Kristy. Inona avy ireo fanehoana an-tsary na andian-teny na fampanantenana ao amin’ireo toko ireo izay manome fanentanam-panahy anao hijanona ho mahatoky na dia sarotra aza izany?

Apokalypsy 22:18–19

Midika ve ireo andininy ireo fa tsy afaka ny hisy soratra masina fanampiny intsony ankoatra ny Baiboly?

Ny olona sasany dia manonona ny Apokalypsy 22:18–19 ho antony handavana ny Bokin’i Môrmôna sy ny soratra masina amin’ny andro farany hafa. Nampianatra anefa ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe:

“Misy marimaritra iraisana ankehitriny manjaka eo amin’ireo manampahaizana rehetra momba ny Baiboly fa io andalana io dia mihatra amin’ny bokin’ny Apokalypsy fotsiny ihany, fa tsy amin’ny Baiboly manontolo. Ireo olona manampahaizana amin’izao androntsika izao dia samy manaiky fa misy -boky- sasany ao amin’ny Testamenta Vaovao izay azo antoka fa nosoratana taorian’ny nandraisan’i Jaona ireo fanambarana tany amin’ny nosy Patmo. …

“Saingy misy anefa ny valiny tsotra kokoa. … Ny Baiboly, araka ny fahafantarantsika azy—izay fitambaran’ny raki-tsoratra natambatra ho boky lehibe iray—dia tsy mbola nisy tamin’ny fotoana nanoratana io andininy io” (“Ny teniko dia … tsy hitsahatra na oviana na oviana,” Liahona, mey 2008, 91).

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Apokalypsy 12; 19; 21

Ny olona ao amin’ny fianakaviana sasany dia mety hankafỳ sy hahazo tombontsoa avy amin’ireo fahitana voasoritsoritra ao amin’ny Apokalypsy. Ohatra, ny fanaovana sary izay miainga avy amin’ny Apokalypsy 12 dia mety hitarika amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny Ady tany An-danitra (jereo ny andininy 7–11). Ny sary avy amin’ny Apokalypsy 21 dia mety hiteraka resadresaka momba ny fanjakana selestialy. Azonao atao ihany koa ny mampiseho ilay sary izay nampiarahana tamin’ity rindran-damina ity dia mangataka ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hitady ireo andininy ao amin’ny Apokalypsy 19 izay maneho ilay sary.

Apokalypsy 12:11

Inona no mety ho dikan’ilay andian-teny hoe “ny teny filazana Azy”? Manampy antsika handresy an’i Satana amin’ny fomba ahoana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy?

Apokalypsy 13:11–14

Inona no eritreritra ananan’ny fianakavianao momba ilay bibi-dia mamitaka? Ahoana no hamantarantsika sy hialantsika amin’ireo famitahana izay hitantsika ao amin’izao tontolo izao ankehitriny?

Apokalypsy 20:2–3

Ahoana no hanampian’ny 1 Nefia 22:26; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:30–31 antsika hahatakatra ny mety ho dikan’ny hoe “[voafatotra]” i Satana?

Apokalypsy 22:1–4

Inona no mety ho tandindon’ny hoe fananana ny anaran’ny Mpamonjy “eo amin’ny handrin[tsika]”? Apokalypsy 21:4jereo koa ny andininy 1–3

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Tohizo ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny fanasana mba hanao asa. “Rehefa manohy ny fanaraha-maso mikasika ny fanasana iray mba handray andraikitra ianao, dia mampiseho amin’ny [olona ao amin’ny fianakavianao] fa miraharaha azy ireo sy miraharaha izay fitahiana entin’ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Manome azy ireo fahafahana mba hizara ny zavatra niainany koa ianao izay manamafy orina ny fanolorantenany sy manome azy ireo fahafahana mba hifanohana ao anatin’ny fiainana ny filazantsara” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 35).

Sary
i Jesoa Kristy mitaingina soavaly avy any an-danitra amin’ny Fiaviany fanindroany

i Kristy manao akanjo mena mipetraka eo amin’ny soavaly fotsy.