Avia, hanaraka Ahy
23–29 desambra. Apokalypsy 12–22: -Izay maharesy no handova izany zavatra izany-


“23–29 desambra. Apokalypsy 12–22: -Izay maharesy no handova izany zavatra izany-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“23–29 desambra. Apokalypsy 12–22,”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
Jesoa Kristy miarahaba olona amin’ny Fiaviany Fanindroany

Ilay tanàna mandrakizay, nataon’i Keith Larson

23–29 desambra

Apokalypsy 12–22

“Izay maharesy no handova izany zavatra izany”

Rehefa miomana hampianatra ianao, dia miaingà avy amin’ny zavatra iainanao amin’ny fandalinanao manokana na miaraka amin’ny fianakavianao ny Apokalypsy 12–22. Inona no zavatra nanaitra anao? Inona ireo fahatsapana tonga teo aminao? Tsarovy fa ireo asa ampanaovina izay aroso ato dia azo ampifanarahana amin’ny sokajin-taonan’ankizy rehetra.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ny ankizy mba hizara ny antony hanirian’izy ireo hiaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra indray. Ampio izy ireo mandritra ny lesona manontolo mba hitady ireo zavatra azon’izy ireo atao mba hiomanany hiverina any Aminy indray.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Apokalypsy 12:7–11

Naneho finoana an’i Jesoa Kristy aho tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

Tamin’ilay Ady tany An-danitra, dia nandresy an’i Satana ireo zanak’ Andriamanitra mahatoky tamin’ny “teny filazana” sy tamin’ny fanehoany finoana an’i Jesoa Kristy (Apokalypsy 12:11).

Asa atao azo tanterahina

  • Mba hanampiana ireo ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe manaraka ny ohatra asehon’ny olona iray, dia misafidiana ankizy iray mba ho “mpitarika,” ary asaivo manaraka azy ireo hafa amin’ny fanaovana izay rehetra ataony. Avy eo dia avelao ny ankizy hafa ho mpitarika ihany koa. Vakio amin’ireo ankizy ny Apokalypsy 12:7–11 ary hazavao fa talohan’ny nahaterahantsika, dia nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa isika fa tsy nisafidy hanaraka an’i Satana.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana, toy ny “J’habitais dans les cieux” na “Je veux suivre le plan de Dieu” (Chant pour les enfants, 86–87). Mametraha fanontaniana toy ny hoe: “Inona no nitranga tany an-danitra talohan’ny nahaterahantsika?” Inona no nofidiantsika hatao? (Jereo koa ny “Fampidirana: Ny drafitry ny Raintsika any An-danitra” Tantara ao amin’ny Testamanta Vaovao, 1–5, na ny horonantsary mifandraika amin’izany ao amin’ny LDS.org.)

Apokalypsy 19:7

Afaka miomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany aho rehefa misafidy ny tsara.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra fa ny Fiaviana Fanindroany dia ho trangan-javatra mahafaly ho antsika raha toa isika manaraka ireo didin’i Jesoa?

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny sary ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary vakio ny Apokalypsy 19:7. Hazavao fa ny “fampakaram-badin’ny Zanak’ondry” dia maneho ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Nahoana ny olona no “[n]ifaly”? Anontanio ireo ankizy raha efa nanatrika fampakaram-bady izy ireo. Nanao ahoana izany? Nahoana ny olona no nifaly?

  • Zarao amin’ireo ankizy ny antony hiandrandranao ny Fiavian’i Jesoa Fanindroany? Azonareo atao koa ny miara-mihira hira iray momba ny Fiaviana Fanindroany, toy ny “Quand Jésus reviendra” (Chants pour les enfants, 46–47).

  • Asao ny ankizy hizara ny zavatra ataony mba ho vonona handeha hiangona rehefa alahady. Nahoana isika no manao ireo zavatra ireo alohan’ny handehanana hiangona? Nahoana isika no tokony hiomana ho amin’ny Fiavian’i Kristy Fanindroany? Asaivo ataon’ireo ankizy sary ao amin’ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity ny zavatra azon’izy ireo atao mba hiomanana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany.

Apokalypsy 21:1, 3–4, 22–27; 22:1–2

Afaka ny hiaina ao amin’ny fanjakana selestialy aho miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy ireo olona tiako.

Ao amin’ireo toko roa farany ao amin’ny Apokalypsy, dia nampiasa fomba fiteny kanto i Paoly mba hilazalazana ny voninahitra selestialy izay ho azon’ireo mahatoky.

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo ataon’ireo ankizy sary eny amin’ny solaitrabe ilay hazo voalaza ao amin’ny Apokalypsy 22:2. Hazavao fa io hazo io no hazon’aina, ary ny voany dia maneho ny fitiavan’ Andriamanitra (jereo ny 1 Nefia 11:21–22). Omeo taratasy nohetezana mba hiendrika voankazo ireo ankizy ary asaivo ataon’izy ireo sary eo amin’izany ny zavatra izay manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra. Hazavao fa ireo izay mahatoky dia hiaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra any amin’ny fanjakana selestialy.

  • Zarao amin’ireo ankizy ny sasany amin’ireo fampitahana na antsipiriany izay nampiasain’i Jaona mba hilazalazana ny voninahitra selestialy (jereo ny Apokalypsy 21:1, 3–4, 22–27; 22:1–2), ary asao ireo ankizy hanao ny sarin’ireo zavatra ireo.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny drafitr’ Andriamanitra, toy ny “Je veux suivre le plan de Dieu” (Chants pour les enfants, 86–87). Asao ny ankizy mba hitady ny zavatra azon’izy ireo atao mba hiainana miaraka amin’ny Ray any An-danitra indray.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Apokalypsy 12:7–11

Naneho finoana an’i Jesoa Kristy aho tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

Ireo ankizy izay ampianarinao dia ety an-tany satria izy ireo dia nanana finoana an’i Jesoa Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahateraterahana sy nisafidy ny hanaraka Azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Miaraha mamaky ny Apokalypsy 12:7–11, ary soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe dragona, Ady tany An-danitra, nazera, teny filazana, ary Zanak’ondry. Asaivo fintinin’ny ankizy ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fampiasany ireo teny eny amin’ny solaitrabe. Inona no ianarantsika mikasika an’i Jesoa Kristy (ilay Zanak’ondry) avy amin’ireo andininy ireo? Inona no zavatra ianarantsika mikasika ireo safidy nataontsika tamin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana?

  • Manaova tsanganana telo eny amin’ny solaitrabe ary asio lohateny hoe: Talohan’ity fiainana ity, Mandritra ity fiainana ity, ary Mandritra azy roa ireo. Manomàna taratasy kely lavalava izay ahitana fahamarinana momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy momba ny fiainana ety an-tany, toy ny hoe: Manana vatana isika, Tsy manana vatana isika, Miaina eo anatrehan’ Andriamanitra isika, Miady amin’i Satana isika, Mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy isika ary Manaraka ny drafitr’ Andriamanitra isika. Aoka hifandimby haka taratasy kely iray avy ny ankizy ary hanapa-kevitra hoe iza amin’ireo tsanganana no tokony hisy izany. Zarao ny fahatokisana anananao fa ny ankizy dia afaka manohy ny fanehoany ny finoany an’i Kristy.

Apokalypsy 19:7–8

Afaka miomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany aho rehefa misafidy ny tsara.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hahatakatra fa ny fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany dia ho trangan-javatra mahafaly ho an’ireo olo-marina?

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny Apokalypsy 19:7–8, ary ampio ireo ankizy hahatakatra ny tandindona hita ao amin’ireo andininy ireo, dia ny hoe ny fampakaram-bady dia ny Fiavian’i Mpamonjy Fanindroany, ny Zanak’Ondry dia ny Mpamonjy, ary ny vadiny dia ny Fiangonana (na isika rehetra). Ahoana no iomanan’ny olona amin’ny fampakaram-bady? Inona ireo zavatra azontsika atao hiomanana amin’ny fiavian’ny Mpamonjy indray?

  • Avereno jerena ary ataovy tsianjery miaraka amin’ ny ankizy ny Fanekem-pinoana 1:10. Hazavao fa ity fanekem-pinoana ity dia milaza zavatra mampientanentana sy feno voninahitra izay hitranga rehefa hiverina indray i Jesoa. Asehoy ny sarin’i Fiavian’i Jesoa fanindroany ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary asao ireo ankizy mba hanao sary izay eritreretin’izy ireo ho endriky ny Fiavian’i Jesoa Fanindroany.

Apokalypsy 21:1, 3–4, 22–27; 22:1–2, 17

Afaka ny hiaina ao amin’ny fanjakana selestialy aho miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy ireo olona tiako.

Rehefa miomana ny hampianatra momba ny fanjakana selestialy ianao, dia eritrereto hoe midika inona aminao ny fanjakana selestialy. Ahoana no fomba ahafahanao mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao amin’ireo ankizy ampianarinao?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy mba hikaroka ao amin’ireto andininy manaraka ireto ny sasany amin’ireo fampitahana na antsipiriany izay nampiasain’i Jaona mba hilazalazana ny voninahitra selestialy: Apokalypsy 21:1, 3–4, 22–27; 22:1–2. Avelao izy ireo hisafidy fampitahana na antsipiriany izay tian’izy ireo atao sary. Azon’izy ireo atao ny miresaka momba ny sariny amin’ny iray kilasy. Amporisiho izy ireo hizara ny sary nataon’izy ireo amin’ny fianakaviany any an-trano.

  • Iaraho mamaky ny Apokalypsy 22:17, ary hazavao fa ilay ampakarina izay manao hoe “Avia” dia ny Fiangonana. Inona no tiantsika hanasana ny hafa mba hatonin’izy ireo amin’ny hoe: “avia”? Inona ny sasany amin’ireo fomba tsara azontsika hanasana ny olona hoe: “avia”?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampio ireo ankizy mba hiomana hamaky ny Bokin’i Môrmôna amin’ny taona ho avy ka asao izy ireo hangataka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany na amin’ny namany iray mba hizara ny andininy na ny tantara tiany indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampianaro ny ankizy mba hirakitra ireo zavatra tsapa. Rehefa afaka mianatra manana fahazarana mirakitra ireo zavatra tsapa ny ankizy dia hanampy azy ireo hamantatra sy hanaraka ny Fanahy izany. Ny ankizy dia afaka mirakitra ireo zavatra tsapa amin’ny alalan’ny fanasiana marika ny soratra masina, na fanaovana sary, na manoratra zavatra tsotra ao anatin’ny diary. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 30.)