Avia, hanaraka Ahy
9–15 desambra. Apokalypsy 1–11: -Ho an’ny Zanak’ ondry anie … ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay-


“9–15 desambra. Apokalypsy 1–11: -Ho an’ny Zanak’ ondry anie … ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“9–15 desambra. Apokalypsy 1–11,”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
I Kristy miambina andian’ondry iray

Ilay Mpiandry tsara, nataon’i Del Parson

9–15 desambra

Apokalypsy 1–11

“Ho an’ny Zanak’ ondry anie … ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay”

Mety ho sarotra amin’ny ankizy ny mahatakatra ny tandindona ao amin’ny Apokalypsy saingy ahitana fotopampianarana manan-danja izay kanto sy tsotra ihany koa ny Apokalypsy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra mety ho tsapany raha nahita an’i Jesoa Kristy tamin’ny fahitana izy ireo. Hazavao fa ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy i Jaona dia milazalaza fahitana iray izay nahitany an’i Jesoa sy zavatra maro manan-danja momba ny lasa sy ny hoavy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Apokalypsy 3:20

Afaka manasa an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainako aho.

Ny fanoharana ny amin’i Jesoa mijoro eo am-baravarana sy mandondòna dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra fa i Jesoa dia te hanakaiky azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny sary ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary vakio ny Apokalypsy 3:20. Asaivo maka sary an-tsaina ireo ankizy hoe mandondòna ao am-baravaran’ny tranon’izy ireo i Jesoa. Havelan’izy ireo hiditra ve Izy? Inona araka ny eritretreritr’izy ireo no mety holazainy na hataony?

  • Asao ny ankizy mba hitantara aminao ny fotoana izay niandrasan’izy ireo olona hamangy azy any an-tranony ka tsy andriny izay hahitana azy. Manao ahoana ny miandry izany olona izany handondòna ao am-baravarana? Ary ahoana moa raha tsy navelan’izy ireo hiditra mihitsy io olona io? Vakio ny Apokalypsy 3:20, ary avelao ireo ankizy hifandimby hitazona ny sarin’i Jesoa ary hanao mody mandondòna ao am-baravarana. Afaka mody mamoha ny varavarana ireo mpianatra hafa. Inona no azontsika atao mba hamelana an’i Jesoa ho eo akaikintsika, eny na dia tsy afaka mahita Azy aza isika? Azonao atao ny manome sarin’i Jesoa ho an’ny ankizy tsirairay mba ho entiny mody.

Apokalypsy 5:1–10

I Jesoa Kristy no ilay hany mendrika ny ho Mpamonjy ahy.

Nianaran’i Jaona avy amin’ny fahitana nananany fa i Jesoa Kristy irery ihany (izay oharina amin’ny zanak’ondry) no afaka ny ho Mpamonjy antsika sy hanatanteraka ny drafitry ny Ray (izay oharina amin’ilay boky voaisy tombo-kase).

Asa atao azo tanterahina

  • Mialohan’ny fotoam-pianarana, dia mitadiava sary izay maneho ireo fitahiana izay mety ho azo noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (toy ny tempoly sy ny batisa ary ny fianakaviana), ataovy ao anaty boky ireo sary ireo, ary fonosy amin’ny taratasy na tady ilay boky. Ampiasao ireo andian-teny manan-danja hita ao amin’ny Apokalypsy 5:1–10 mba hilazalazana ilay fahitana nananan’i Jaona. Asehoy ireo ankizy ilay boky, ary lazao azy ireo fa ny hany fomba hanokafana ilay boky dia ny mitady ilay sarin’i Jesoa izay nafeninao tao amin’ny efitrano fianarana. Rehefa hitan’izy ireo ilay sary, dia sokafy ilay boky ary zarao amin’ireo ankizy ireo sary ao anatin’ilay boky. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Mpamonjy no hany afaka nahatonga ireo zavatra ireo ho azo tanterahina.

  • Fintino ilay fahitana voalaza ao amin’ny Apokalypsy 5:1–10, ary asao ireo ankizy hanao fihetsika mifanaraka amin’ny fahatsapan’i Jaona sy ireo hafa nandritra ireo ampahany samihafa ao amin’ilay fahitana. Ohatra, azon’izy ireo atao ny mody mitomany rehefa tsy misy olona afaka manokatra ilay boky, na afaka mihorakora-pifaliana izy ireo rehefa nanokatra izany ny Mpamonjy.

Apokalypsy 7:9, 13–14

Manampy ahy ho voadio amin’ny fahotana i Jesoa Kristy.

Nahita olona maro nanao akanjo “nofotsian[a] tamin’ny ran’ny Zanak’ondry” i Jaona (andininy 14). Diniho hoe ahoana no ahafahan’io fahitana io hanampy ireo ankizy hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny hoe nodiovina tamin’ny otantsika tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ireo ankizy ny sarina akanjo fanaovana batisa vitsivitsy na akanjo fotsy hafa sy sarin’i Jesoa iray. Vakio amin’ireo ankizy ny Apokalypsy 7:9, 13–14 ary asaivo manondro ilay sary sy ilay akanjo izy ireo isaky ny mandre ny teny hoe fotsy. Hazavao fa ny akanjo fotsy dia maneho ny fahadiovana ary mampatsiahy antsika fa afaka manadio antsika amin’ny fahadisoantsika i Jesoa Kristy.

  • Ampisehoy lamba fotsy ireo ankizy, ary asaivo lotoin’izy ireo izany amin’ny fanoratany amin’ny penina eo amin’ilay lamba na koa amin’ny fanisiana loto eo aminy. Hazavao fa ny fahotana dia mahatonga ny fanahintsika haloto. Manehoa sarin’i Jesoa ao Getsemane (toy ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara, lah. 56), esory ilay lamba maloto, ary anehoy lamba fotsy madio izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka ny ho lasa madio isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Manaova hira momba ny batisa, toy ny “Le jour de mon baptême” (Chants pour les enfants, 53), ary mifanakaloza hevitra ny amin’ny fomba hanampian’i Jesoa antsika ho lasa madio rehefa atao batisa isika.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Apokalypsy 3:20

Afaka misafidy ny hamela an’i Jesoa Kristy ho ao amin’ny fiainako aho.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hanokatra ny fo sy ny fiainan’izy ireo amin’ny hery sy fitaoman’i Jesoa Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hijery ny sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana rehefa mamaky ny Apokalypsy 3:20 ianao. Mba hanampiana azy ireo hamoaka hevitra avy amin’ilay sary, dia asao izy ireo hiasa tsiroaroa mba hamaly ny fanontaniana toy izao: Nahoana ianao no mieritreritra fa mandondòna eo am-baravaranao i Jesoa? Nahoana ilay famohana trano no tsy eo ivelan’ilay varavarana? Inona no dikan’ny hoe mamela an’i Jesoa hiditra eo amin’ny fiainantsika?

  • Asaivo manoratra eny amin’ny solaitrabe ny fomba samihafa “hanokafana ny varavarana” ho an’i Jesoa ireo ankizy. Ohatra amin’izany ny fanompoana ny hafa, ny famakiana ny soratra masina, ary ny fanasan’ny Tompo.

Apokalypsy 5:1–10

I Jesoa Kristy no ilay hany mendrika ny ho Mpamonjy ahy.

Ilay fahitana voalaza ao amin’ny Apokalypsy 5 dia nampianatra fa i Jesoa Kristy irery ihany no mendrika sy afaka ny hanatanteraka ny Sorompanavotana ary hanavotra antsika amin’ny fahotantsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hitantara momba ny fotoana iray izay nilavan’izy ireo olona iray hanao zavatra izay tsy vitan’izy ireo ny manao azy. Angataho izy ireo hamaky ny Apokalypsy 5:1–10 sy hitady ny zavatra tsy maintsy natao ka olona iray ihany no afaka manao azy (hazavao fa ny Zanak’ondry dia i Jesoa Kristy ary ilay boky dia maneho ny drafitr’ Andriamanitra). Inona no zavatra nataon’i Jesoa ho antsika izay tsy misy olona hafa afaka manao azy?

  • Angataho ireo ankizy hitady fihirana na hiran’ny ankizy izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Inona no ampianarin’ny tonon’ilay hira momba an’i Jesoa Kristy? Ahoana no mety hahatonga io hira io ho toy ilay hira fiderana nohiraina momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Apokalypsy 5:9–10?

Apokalypsy 9:1–2

Afaka manampy ahy handresy ny fakam-panahy ny filazantsara.

Ilay setroka izay nanamaizina ny habakabaka ao amin’ny Apokalypsy 9:2 dia azo ampitoviana amin’ny fakampanahy (jereo ny 1 Nefia 12:17).

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sarina masoandro sy rahona mainty ary hetezo izany. Asao ireo ankizy hamaky ny Apokalypsy 9:2 sy ny 1 Nefia 12:17 ary soraty eo amin’ilay rahona mainty izay zavatra asehon’ilay setroka na zavona ao amin’ireo andininy ireo. Apetraho eny amin’ny solaitrabe ilay rahona mainty, ary asao ireo ankizy hanao ny lisitry ny fakam-panahy izay atrehan’izy ireo amin’izao taonany izao. Dia apetraho eny amin’ny solaitrabe ilay masoandro avy eo ary angataho izy ireo hanao ny lisitry ny fitaovana izay nomen’ny Ray any An-danitra antsika mba handresena ilay haizina eo amin’izao tontolo izao.

  • Ahoana no ahafahan’ireo ankizy manampy ny hafa izay ao anatin’ny haizina ara-panahy? Mba hanampiana ireo ankizy hieritreritra momba io fanontaniana io dia asao izy ireo hiresaka momba ny fomba ahafahan’izy ireo manampy ny hafa izay ao anaty haizina ara-panahy.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hizara amin’ny fianakaviany ireo fomba ahafahany manasa ny fitaoman’ny Mpamonjy ho ao an-tokantranon’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny fanehoam-panajana. Lafiny iray manan-danja ao anatin’ny fanehoana fanajana ny fieritreretana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mampahatsiahy ny ankizy mba haneho fanajana am-pahanginana amin’ny alalan’ny fihirana moramora na any anaty ny hira iray na amin’ny alalan’ny fampisehoana sar’i Jesoa anankiray.