Avia, hanaraka Ahy
2–8 desambra. 1–3 Jaona; Joda: -Andriamanitra dia fitiavana-


“2–8 desambra. 1–3 Jaona; Joda: -Andriamanitra dia fitiavana-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“2–8 desambra. 1–3 Jaona; Joda,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
Mitsiky i Jesoa Kristy eo am-piarahana mipetraka amin’ny ankizikely iray mitsikitsiky

Fitiavana tonga lafatra, nataon’i Del Parson

2-8 desambra

1–3 Jaona; Joda

“Andriamanitra dia fitiavana”

Mampianatra momba ny fitiavana sy ny fahazavan’ny Ray any An-danitra ireo Epistily nosoratan’i Jaona sy i Joda. Rehefa mandalina ianao amin’ity herinandro ity, dia saintsaino ny antony ilaivan’ireo ankizy mpianatrao ny fahazavany sy ny fitiavany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Tsarovy ny mijery ireo asa rehetra ampanaovina ao amin’ity rindran-damina ity, fa tsy ireo izay voatanisa eo ambanin’ny sokajin-taona ampianarinao fotsiny.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra hizara ny fomba nahatsapan’izy ireo ny fitiavan’ny Ray any An-danitra na ny antony hieritreretany fa toy ny fahazavana ny Ray any An-danitra.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

1 Jaona 1:5–7; 2:8–11

Mitondra fahazavana eo amin’ny fiainako ny fanarahako an’i Jesoa.

Manampy anao hampianatra ireo ankizy momba ny fahazavana izay entin’ny Ray any An-danitra eo amin’ny fiainan’izy ireo ny fampitahana ny fahazavana sy ny haizina, amin’ny fomba ahoana?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hilaza zavatra izay mamoaka hazavana. Ampio izy ireo hahatakatra ireo tombontsoan’ny fahazavana, toy ny hoe manampy ny voly mba haniry, mamela antsika mba hahita, ary manome hafanàna. Asao ireo ankizy hifandimby hitsilo ny sarin’i Jesoa Kristy amin’ny jirokely fanao am-paosy sady miteny hoe: “Andriamanitra dia mazava” (1 Jaona 1:5). Mijoroa ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka mitondra fahazavana eo amin’ny fiainantsika rehefa mankatò ireo didy isika.

  • Ataovy maizina ao an-dakilasy, ary asao ireo ankizy mba hanolotra fomba mety hitondrana hazavana ao amin’ilay efitrano fianarana. Ampio izy ireo hieritreritra fomba ahafahantsika mitondra ny fahazavan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika. Rehefa mizara ny valinteniny izy ireo dia mandreheta jirokely fanao am-paosy na sokafy tsimoramora ny varavarankely mba hampitombo ny hazavana ao amin’ny efitrano fianarana.

1 Jaona 4:10–11, 20–21

Mampiseho ny fitiavako ny Ray any An-danitra aho rehefa mampiseho fitiavana ny hafa.

Ampio ireo ankizy hahita ny fifandraisana misy eo amin’ny fitiavana tsapan’izy ireo ho an’ny Ray any An-danitra sy ny fitiavana izay asehon’izy ireo ho an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ireo ankizy ny 1 Jaona 4:11 ary manaova hira momba ny fitiavan’ Andriamanitra, toy ny “Mon Père Céleste m’aime” (Chants pour les enfants, 16). Angataho ny ankizy vitsivitsy mba hizara ny fomba ahafantaran’izy ireo fa tia azy ireo ny Ray any An-danitra. Aorian’ny valin-teny tsirairay, dia asao ireo ankizy hamihina ny tenany ary hiteny hoe: “Andriamanitra dia fitiavana, ary tia ahy Andriamanitra.”

  • Vakio amin’ireo ankizy ny 1 Jaona 4:21. Asao izy ireo hizara na hanao fihetsika maneho ireo fomba isan-karazany izay ahafahantsika mampiseho fitiavana ho an’ny namana iray, toy ny hoe mamihina na manamboatra karatra misy sary. Inona no fahatsapana aterak’ireo zavatra ireo amin’ireo namantsika? Inona no zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra rehefa manao zavatra feno hatsaram-panahy amin’ny hafa isika?

1 Jaona 2:3–5; 5:3

Maneho ny fitiavako an’ Andriamanitra aho rehefa mitandrina ny didiny.

Afaka mianatra dieny mbola kely ireo ankizy fa “tsy mavesatra ny didin’[Andriamanitra]” ary ny fanarahana azy ireo dia fomba iray hanehoantsika fitiavana Aminy.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny 1 Jaona 5:3, ary asaivo henoin’ireo ankizy ny zavatra lazain’io andininy io momba ny fomba ahafahantsika mampiseho fa tiantsika Andriamanitra. Asao ny ankizy mba hilaza didy faran’izay betsaka fantatr’izy ireo. Inona no tsapan’ ny Ray any An-danitra rehefa mankatò ireo didiny isika?

  • Asao ireo ankizy hanao sary izay maneho fomba iray ahafahan’izy ireo maneho ny fitiavany ho an’ny Ray any An-danitra. Ohatra, azon’izy ireo atao ny manao ny sarin’ny tenany eo am-pankatoavana ny iray amin’ireo didy. Miaraha manao hira mikasika ny fankatoavana, toy ny “Choisir le bien” (Chants pour les enfants, 82–83). Inona no tsapantsika rehefa mankatò isika?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

1 Jaona 2:8–11; 4:7–8, 20–21

Mampiseho ny fitiavako ny Ray any An-danitra aho rehefa mampiseho fitiavana ny hafa.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra fa tafiditra ao amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra ny fitiavana ireo izay manodidina antsika, eny fa na ireo olona izay mety ho samy hafa amintsika aza na olona sarotra tiavina?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba haka sary an-tsaina hoe misy olona vaovao miditra mianatra ao amin’ny sekoly na paroasy misy azy ireo ary tsy mbola mahafantatra olona ao mihitsy izy io. Ahoana no mety ho fahatsapan’io olona io? Asao ny ankizy iray hamaky ny 1 Jaona 4:7–8. Inona no lazain’io andininy io mikasika ny fomba tokony hitondrantsika io olona io? Mizarà trangan-javatra mitovitovy amin’izany, na asaivo eritreretin’ireo ankizy ny toe-javatra izay mety hananan’izy ireo fahafahana hampiseho fitiavana.

  • Asaivo vakian’ireo ankizy ny 1 Jaona 4:7–8, 20–21, ary asao izy ireo hanoratra fehezanteny tsirairay avy izay mamintina ny lesona eritreretiny fa manan-danja indrindra ao amin’ireo andininy ireo. Rehefa avy mizara ny fehezan-teniny izy ireo, dia azonao atao ny milaza ny tantaran’i Chy Johnson ao amin’ny lahateny nataon-dRahalahy David L. Beck mitondra ny lohateny hoe: “Ny adidinareo masina dia ny hanompo” (Liahona, mey 2013, 55). Ahoana no ahafahan’ireo ankizy manaraka ny ohatra nasehon’ilay zatovolahy ao amin’ilay tantara izay nampiseho fitiavana ho an’i Chy? Asao ny ankizy mba hizara fomba hafa izay ahafahan’izy ireo maneho fitiavana ho an’ny manodidina azy.

1 Jaona 2:3–6; 4:17–18; 5:2–5

Maneho ny fitiavako an’ Andriamanitra aho rehefa mitandrina ny didiny.

Afaka ny ho mora kokoa ny mitandrina ireo didy rehefa takatsika ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny 1 Jaona 5:3. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahita fa ireo didy dia tsy enta-mavesatra fa fahafahana kosa maneho ny fitiavany an’ Andriamanitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fomba ahafahan’izy ireo mampiseho amin’ Andriamanitra fa tia Azy izy ireo. Avy eo dia iaraho mamaky ny 1 Jaona 2:5–6; 5:2–5 mba hahazoana hevitra fanampiny. Ny fankatoavana ireo didy dia mampiseho fa tiantsika ny Ray any An-danitra. Amin’ny fomba ahoana?

    Sary
    fianakaviana iray mandohalika mivavaka

    Afaka misafidy ny hitandrina ireo didy isika na dia amin’ny fotoana maha-sarotra ny fanaovana izany aza.

  • Vakio ny 1 Jaona 4:17, ary hazavao amin’ireo ankizy fa ny hoe “[manana] fahasahiana amin’ny andro fitsarana” dia midika hoe manana fahatokiana sy fiadanana rehefa mijoro eo anoloan’ Andriamanitra mba ho tsaraina. Inona no zavatra ampianarin’io andininy io izay ilaintsika ny manao azy mba hananantsika fahatokiana? Inona ireo zavatra sasantsasany izay azontsika atao mba hanana fahatokiana eo anoloan’ Andriamanitra?

Joda 1:18–22

Afaka ny ho mahatoky aho na dia ihomehezan’ny hafa aza.

Mety misy mihomehy ireo ankizy noho ny finoany na ny fomba fiainany amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy azy. Ireo andininy ireo dia ahitana ny torohevitr’i Joda momba ny fomba hijanonana ho mahatoky ao anatin’ny toe-javatra tahak’izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hizara ny fotoana izay nihomehezana azy ireo noho ny fanaovany ny marina. Asao ireo ankizy hamaky ny Joda 1:18–22 sy hitady ny fomba ahafahantsika mijanona ho mahatoky rehefa misy mihomehy na mananihany. Soraty eo amin’ny solaitrabe ny zavatra hitan’izy ireo, ary mifanakaloza hevitra momba ny fomba izay ahafahan’izy ireo manaraka io torohevitra io.

  • Fintino ny nofin’i Lehia (jereo ny 1 Nefia 8:1–35), ka asaivo mamaky ireo andininy ao amin’ny 1 Nefia 8:26–28, 33 ny ankizy vitsivitsy. Mifanakaloza hevitra momba ny fomba hitovizan’ireo olona ao amin’ilay trano mijoalajoala sy malalaka amin’ireo izay mpaniratsira izay resahan’i Joda. Inona no azontsika atao mba tsy ho voataonan’ireo izay mihomehy antsika na tsy manaiky ny zavatra inoantsika? (jereo ny 1 Nefia 8:30, 33).

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ireo ankizy hanao drafitra mba hanao zavatra iray entiny hizarana ny fahazavany amin’ny fianakaviany.

Manatsara ny fampianarantsika

Mavitrika ny ankizy. Indraindray mety mahatsapa ianao fa ny fihetsiketsehan’ny ankizy dia manelingelina ny fianarana. Kanefa afaka manorina zavatra amin’ny alalan’ny toetran’izy ireo tia mihetsiketsika ianao amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hanao fihetsika na hanao sary na hihira momba ny fitsipiky ny filazantsara iray. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26.)