Avia, hanaraka Ahy
18-24 nôvambra. Jakoba: -Aoka ho mpankatò ny teny hianareo fa aza mpihaino fotsiny ihany-


“18-24 nôvambra. Jakoba: -Aoka ho mpankatò ny teny hianareo fa aza mpihaino fotsiny ihany-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“18-24 nôvambra. Jakoba,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
i Abrahama mivavaka eo ivelan’ny trano lainy

I Abrahama teo amin’ny lemak’i Mamre, nataon’i Grant Romney Clawson

18-24 nôvambra

Jakoba

“Aoka ho mpankatò ny teny hianareo fa aza mpihaino fotsiny ihany”

Ny Epistilin’i Jakoba dia ahitana fahamarinana maro izay afaka mitahy ireo ankizy ampianarinao. Araho ny Fanahy Masina mba hamaritana hoe inona avy ireo fahamarinana hozarainao amin’izy ireo. Afaka manampy ihany koa ireo hevitra ato anatin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ireo ankizy mba hizara fitsipika iray ao amin’ny filazantsara izay tsaroan’izy ireo fa nianarany niaraka tamin’ny fianakaviany nandritra ny herinandro lasa na avy tao amin’ny kilasin’ny sekoly Alahadiny tao amin’ny Kilonga. Rehefa avy mizara ny ankizy tsirairay dia asao ny ankizy iray hafa ao amin’ny kilasy hamintina izay nozaraina.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Jakoba 1:5–6

Afaka mangataka ny Ray any An-danitra mba hanampy ahy hianatra ny marina aho.

Ampio ny ankizy ampianarinao hahatakatra fa afaka mangataka fahendrena amin’ny Ray any An-danitra izy ireo. Tena hitahy azy ireo rehefa miatrika fanontaniana sarotra ny fanaovana izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hianatra ilay andian-teny hoe: “Raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, dia aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra” (Jakoba 1:5). Ahoana no fomba ametrahantsika fanontaniana amin’ Andriamanitra? Amin’ny fomba ahoana no hamaliany antsika?

  • Asehoy ny sarin’ny Fahitana Voalohany (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 90), ary zarao ny fomba nitarihan’ny famakiana ny Jakoba 1:5 an’i Joseph Smith mba hangataka ny Ray any An-danitra hanampy azy amin’ny fanontaniana iray (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:1–15). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa mamaly vavaka Andriamanitra, ary mijoroa ho vavolombelona fa afaka mivavaka Aminy ny ankizy rehefa manana fanontaniana izy ireo. Avelao ny ankizy hanao ny sarin’i Joseph Smith mamaky ny Jakoba 1:5 sy mivavaka amin’ny Ray any An-danitra.

Jakoba 3:1–13

Afaka miteny zavatra mahafinaritra aho.

Araka ny nijoroan’i Jakoba ho vavolombelona, ny tsy filazana afa-tsy ireo zavatra mahafinaritra amin’ny hafa dia hanampy antsika ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy (jereo ny Jakoba 3:2).

Asa atao azo tanterahina

  • Mitondrà zava-mamy iray sy zava-marikivy iray mba handraman’ny ankizy. Ampio izy ireo hahatakatra fa tokony hampiasa ny lelantsika isika mba hilazana teny mamy (na mahafinaritra) fa tsy zavatra marikivy (na ratsy) Jakoba 3:10). Ampio izy ireo hieritreritra ohatra amin’ireo zavatra mahafinaritra azontsika lazaina amin’ny hafa.

  • Omeo sarina olona miteny ny ankizy tsirairay. Asao ny ankizy hihazona izany ambony rehefa milaza zavatra nahafinaritra azontsika lazaina ianao (toy ny filazana ny marina, fandokadokafana, ary fanolorana fanampiana amin’ny olona iray) ary hampidina izany rehefa milaza zavatra izay tsy tokony holazaintsika (toy ny filazana lainga, manompa, ary mandà ny hankatò ny ray na reny).

  • Hamafiso ilay hafatra ao amin’ny Jakoba 3:1–13 amin’ny alalan’ny fihirana ny hira iray momba ny hoe tsara fanahy, toy ny “Kindness Begins with Me” (Children’s Songbook, 145). Tolory hevitra ny ankizy mba hanamboatra “boatin’ny hatsaram-panahy” izay azon’izy ireo fenoina amin’ny vato kely na zavatra kely isaky ny milaza zavatra tsara amin’ny olona iray izy ireo.

Jakoba 5:7–11

Mitaky faharetana ny sasany amin’ireo fitahian’ Andriamanitra.

Tsy tonga ho azy foana ny faharetana, indrindra ho an’ny ankizy. Saintsaino ny fomba ahafahanao mampiasa ny torohevitr’i Jakoba mba hanampiana ny ankizy ampianarinao hianatra faharetana.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fotoana tsy maintsy niandrasan’izy ireo zavatra iray izay tena nirian’izy ireo. Hazavao fa antsoina ho faharetana ny fiandrasana zavatra iray izay irintsika ka tsy mimonomonona.

  • Fintino amin’ny teninao manokana ny Jakoba 5:7, dia mampisehoa sarina voa na voly kely. Nahoana isika no mila faharetana rehefa mamboly? Inona no zavatra hitranga raha toa ka miezaka misintona ilay voly kely isika mba hitomboan’izany haingana? Mijoroa ho vavolombelona fa manana fitahiana maro ho antsika Andriamanitra, saingy mitaky faharetana ny sasany amin’izy ireny.

  • Zarao ny tantaran’i Joba izay voatonona ao amin’ny Jakoba 5:11 mba hakana ohatra amin’ny faharetana (jereo ny “Toko 46: Joba,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 165–69). Inona no fitahiana azon’i Joba noho ny faharetany?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Jakoba 1:5–6

Hanampy ahy hianatra fahamarinana ny Ray any An-danitra raha toa ka mikatsaka ny fanampiany aho.

Na dia toa mbola bitika aza ireo ankizy ampianarinao, dia zandry kelin’i Joseph Smith fotsiny izy ireo rehefa namaky ny Jakoba 1:5 izy ka nentanim-panahy hanatona ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka. Saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hanorina ny finoan’izy ireo fa hanampy azy ireo rehefa tsy manam-pahendrena Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo tantarain’ny ankizy aminao amin’ny tenin’izy ireo manokana ny tantaran’ny Fahitana Voalohany an’i Joseph Smith (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:5–19). Nanampy an’i Joseph tamin’ny fomba ahoana ny Jakoba 1:5? Ampio ny ankizy hieritreritra ohatra ny amin’ireo olona hafa ao amin’ny soratra masina izay nahazo valim-bavaka (toa an’i Nefia [1 Nefia 11:1–6] na ny rahalahin’i Jareda [Etera 2:18–3:9]). Inona ireo zavatra sasantsasany izay azontsika angatahana amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka?

  • Iaraho vakiana amin’ny ankizy ny Joseph Smith—Tantara 1:10–14 Asao ny ankizy hitady ireo zavatra nataon’i Joseph mba hahazoana valin’ireo fanontaniany. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’i Joseph Smith rehefa manana fanontaniana isika?

Jakoba 1:22–27; 2:14–26

“Ny finoana tsy arahana asa dia maty.”

Ahoana no fomba hanampianao ny ankizy hahita ny fifandraisana eo amin’izay inoan’izy ireo sy ny zavatra ataon’izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy ny ankizy ny jiro fanao am-paosy iray tsy misy vatoaratra, ny pensilihazo iray tsy misy tsinainy, na zavatra hafa iray izay tsy azo ampiasaina intsony na “maty.” Asaivo vakian’ ny ankizy ny Jakoba 2:14–17. Ahoana no hanehoan’ireo zavatra ireo ny fahamarinana ao anatin’ireo andininy ireo?

  • Asao ny ankizy mba hamaky mangina ny Jakoba 1:22–27; 2:14–26. Dia asao izy ireo mba hizara ny zavatra azony atao mba hampisehoana fa mpanatanteraka ny teny izy ireo. Ohatra, moa ve izy ireo mahafantatra olona izay marary na irery izay azon’izy ireo vangiana, na afaka manapa-kevitra ny hanompo bebe kokoa ny fianakaviany ve izy ireo? Azonao atao ihany koa ny mampahatsiahy azy ireo ireo teny izay mety ho ren’izy ireo tao amin’ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo androany. Ahoana no ahafahantsika ho tonga mpanatanteraka ireo teny ireo?

Jakoba 3:1–13

Afaka mifehy ireo zavatra izay lazaiko aho.

Mety ho toy ny tsy manan-danja ny zavatra hifampiresahantsika, kanefa i Jakoba dia nijoro ho vavolombelona fa afaka misy fiantraikany lehibe izy ireny, na amin’ny tsara izany na amin’ny ratsy.

Asa atao azo tanterahina

  • Moa ve misy olona ao amin’ny paroasy, angamba iray amin’ireo ankizy ampianarinao, izay nikarakara soavaly na mahafanta-javatra momba ny sambo? Azonao atao ny manasa azy hanome hevitra momba ireo fampianaran’i Jakoba ao amin’ny Jakoba 3:3–4 momba ny fampiasana teny mahafinaritra, na tolory ny hevitrao sasantsasany. Inona no ianarantsika momba ny fifehezana ny lelantsika avy amin’ireo ohatra ireo?

  • Asao ny mpianatra hamaky ny Jakoba 3:1-13 ary hanao ny sarin’ny zavatra hitan’izy ireo fa mampianatra momba ny fifehezana ny lelantsika. Omeo fotoana izy ireo hizarany ny sary nataony.

  • Rehefa avy miara-mamerina ny Jakoba 3:1–13 ianareo dia avereno jerena ireo fitsipika ho an’ny fiteny ao amin’ny Ry tanora, mahereza (). Ampio ny ankizy hieritreritra izay azon’izy ireo atao mba hanatsarana ny fomba firesahany amin’ny hafa, ary amporisiho izy ireo mba hametraka tanjona an’ny tena manokana.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hivavaka amin’ny Ray any An-danitra ka hametraka fanontaniana na hiezaka ny hanana faharetana bebe kokoa mandritra ny herinandro ho avy. Asaivo mizara ny zavatra niainany izy ireo mandritra ny fampianarana manaraka.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy mba havitrika. “Rehefa mampianatra ny ankizy ianao dia omeo fahafahana hanamboatra zavatra, hanao sary, handoko, sy hanoratra ary hamorona izy ireo. Mifono zavatra bebe kokoa noho ny hoe asa atao mahafinaritra fotsiny ireo zavatra ireo—tena ilaina amin’ny fianarana izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).