Avia, hanaraka Ahy
4–10 nôvambra. Hebreo 1–6: ‘Jesoa Kristy: -loharanon’ ny famonjena mandrakizay-’


“4–10 nôvambra. Hebreo 1–6: -Jesoa Kristy: ‘loharanon’ ny famonjena mandrakizay’-’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“4–10 nôvambra. Hebreo 1–6,”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
I Kristy mitsangana miaraka amin’ny zazavavy iray sy lehilahy iray

Balsama any Gileada, nataon’i Annie Henrie

4–10 nôvambra

Hebreo 1–6

Jesoa Kristy: “loharanon’ ny famonjena mandrakizay”

Inona avy ireo fahamarinana hitanao ao amin’ny Hebreo 1–6 izay tsapanao fa tokony hampianarina ny ankizy? Henoy tsara ireo bitsika avy amin’ny Fanahy izay tonga rehefa manomana ianao, ary ataovy izay hanoratana azy ireny.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Moa ve ny ankizy nanaiky ilay fanasana tamin’ny fiafaran’ny lesona tamin’ny herinandro lasa, dia ny mba hitady andinin-tsoratra masina iray izay azon’izy ireo zaraina? Raha eny, dia omeo fotoana hizarana izany izy ireo. Raha tsia, dia ampio izy ireo hieritreritra zavatra iray izay nianaran’izy ireo vao haingana avy ao amin’ny soratra masina ka azon’izy ireo zaraina.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Hebreo 1:2–10; 2:8–10, 17–18

Mino an’i Jesoa Kristy aho.

Ireo andininy ireo dia afaka manampy ny ankizy hianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy hanamafy ny fifandraisan’izy ireo Aminy.

Asa atao azo tanterahina

  • Amin’ny fampiasana ny teninao manokana, soraty amin’ny taratasy kely lavalava ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy izay hitanao ao amin’ny Hebre0 1:2–10; 2:8–10, 17–18, ary afeno eran’ny trano izany. Asaivo tadiavin’ny ankizy ireo taratasy kely lavalava ireo. Ampio izy ireo hamaky ireo fahamarinana voasoratra eo amin’ireo taratasy, ary resaho ny dikan’ireo fahamarinana ireo. Raha ilaina dia hazavao fa antsoina hoe Zanakalahin’ Andriamanitra i Jesoa satria ny Ray any An-danitra no rain’ny fanahiny sy ny vatany.

  • Ampandalovy amin’ny ankizy tsirairay ny sarin’ny Mpamonjy ary avelao hizara ny antony maha-feno fankasitrahana azy ireo noho ny amin’i Jesoa Kristy rehefa mihazona ilay sary izy ireo.

Hebreo 3:8

Irian’ny Ray any An-danitra ny “[tsy hanamafisantsika ny fontsika].”

Ny Hebreo 3 dia manome ohatra ny amin’ireo Israelita izay nanamafy ny fon’izy ireo sy nandà ireo fitahiana avy amin’ny Tompo. Fampitandremana ho antsika ihany koa izany mba tsy hanamafisantsika ny fontsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Mitondrà éponge (na lamba famafana) iray sy vato iray ao an-dakilasy. Asao ny ankizy mba hikasika ireo zavatra ireo ary hamariparitra ny fahatsapana ireo zavatra ireo. Asio rano tete vitsivitsy eo amin’ny zavatra tsirairay, ary mariho fa betsaka kokoa ny rano tafiditra ao amin’ilay éponge raha mihoatra ny ao amin’ilay vato. Hazavao fa ny fontsika dia tokony halefaka fa tsy ho mafy mba hahafahantsika manaiky ireo fahamarinana avy amin’ny Ray any An-danitra ho ao am-pontsika.

  • Tapaho ho toy ny sarina fo ny zavatra malemileny iray, toy ny lamba, ary ny zavatra mafimafy kokoa iray, toy ny baoritra. Lazao amin’ny ankizy fa manana fo malefaka isika rehefa mihaino sy mankatò ary manana fo mafy isika rehefa tsy mihaino sy tsy mankatò. Amin’ny teninao manokana, mizarà ohatra vitsivitsy avy ao amin’ny soratra masina momba ireo olona izay nanana fo malefaka na fo mafy (toa an’i Nefia, Lamana, ary Lemoela [1 Nefia 2:16–19], Paoly [Asan’ny Apostoly 9:1–22], na Joseph Smith [Joseph Smith—Tantara 1:11–20]). Rehefa mizara ohatra ianao dia asao ireo ankizy mba hanondro ilay fo malefaka, na ilay fo mafy.

Sary
i Mosesy nanokana an’i Aharôna rahalahiny

Niantso an’i Aharôna ho amin’ny asa fanompoana i Mosesy, nataon’i Harry Anderson

Hebreo 5:4

Voantsoin’ Andriamanitra ny mpihazona ny fisoronana.

Ny Hebreo 5:4 dia andinin-tsoratra masina manan-danja satria manazava izany fa ireo mpihazona ny fisoronana, sy ireo hafa izay manompo ato amin’ny Fiangonana, dia tsy maintsy antsoin’ Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Hebreo 5:4. Angataho ny mpihazona ny fisoronana iray mba hanazava ny atao hoe fisoronana ary hizara ny zavatra niainany rehefa nandray ny fisoronana izy.

  • Ampio ny ankizy hanao tsianjery ireo andian-teny avy ao amin’ny fanekem-pinoana fahadimy. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa antsoin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanambarana ireo izay antsoina mba hanao ny asan’ Andriamanitra.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Hebreo 1:2–10; 2:8–10, 17–18

Mino an’i Jesoa Kristy aho.

Ny Epistily ho an’ny Hebreo dia nosoratana mba hampatanjahana ny finoan’ireo Olomasina Hebreo an’i Jesoa Kristy. Afaka manao toy izany koa izany ho an’ireo ankizy ampianarinao.

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo andininy vitsivitsy ao amin’ny Hebreo 1:2–10; 2:8–10, 17–18 ny ankizy tsirairay ary asao ny ankizy mba hizaha ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ireo andininy ireo. Avelao hizara na hanoratra ny zavatra hitany eny amin’ny solaitrabe izy ireo. Inona ihany koa no fantatsika momba an’i Jesoa Kristy? Mety hahita hevitra vitsivitsy ianao ao amin’ireo hira toy ny “Velona ilay Mpanavotra ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 76) na ny“Il envoya son fils aimé” (Chants pour les enfants, 20).

  • Asao ny ankizy hanao ny sarin’izy ireo miaraka amin’ny ray aman-dreniny. Angataho izy ireo mba hizara ny zavatra itoviany amin’ny ray aman-dreniny. Hazavao fa rehefa milaza ny Hebreo 1:3 fa i Jesoa Kristy dia “endriky ny tenan’ [Andriamanitra] indrindra,”dia midika izany fa manana toetra sy hatsarana mitovy i Jesoa sy ny Ray any An-danitra. Mijoroa ho vavolombelona fa mianatra momba ny Ray any An-danitra isika amin’ny alalan’ny fianarana momba an’i Jesoa Kristy.

  • Ampio ny ankizy hieritreritra olona izay ahafahan’izy ireo mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy. Saintsaino ny hanasa azy ireo hanao fanazarana hizara ny zavatra holazain’izy ireo amin’ireo olona ireo momba an’i Jesoa.

Hebreo 3:7–19

Mba handraisana ny fitarihana sy ireo fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra, dia tsy maintsy “[tsy manamafy ny fontsika isika].”

Ao amin’ny Hebreo 3, ilay tantaran’ireo Isiraelita tany an-tany foana dia nampiasaina mba hampianarana ny maha-manan-danja ny tsy fanamafisana ny fontsika. Ahoana no ahafahanao mampiasa io tantara io mba hampianarana io fitsipika io amin’ny ankizy ao amin’ny kilasinao?

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo mieritreritra ireo zavatra izay mafy na malefaka ny ankizy. (Azonao atao ny mitondra ohatra vitsivitsy hampisehoana azy ireo.) Iaraho vakiana ny Hebreo 3:8. Inona no dikan’ny hoe manana fo mafy? Nahoana no tian’ Andriamanitra hanana fo malefaka isika?

  • Amin’ny teninao manokana, zarao ny tantaran’ireo Isiraelita nanamafy ny fony tamin’ny Tompo tany an-tany foana (jereo ny Nomery 14:1–12; Hebreo 3:7–19). Avelao hovelomin’ireo ankizy izany tantara izany. Inona no zavatra hitranga raha toa ka manamafy ny fontsika amin’ny Tompo sy ny filazantsarany isika?

  • Asao ny ankizy hamaky ny Matio 13:15; Hebreo 3:15; Môsià 11:29; ary Mosesy 6:27. Asaivo ataon’izy ireo eny amin’ny solaitrabe ny sarin’ireo ampahany amin’ny vatana voalaza ao amin’ireo andininy ireo. Inona no dikan’ny hoe lalodalovana sofina, jamba, ary mafy fo ara-panahy? Ahoana no ahafahantsika maka antoka fa vonona ny handray ireo fitahiana avy amin’ Andriamanitra ny sofintsika sy ny masontsika ary ny fontsika?

Hebreo 5:1–4

Nantsoin’ Andriamanitra ireo mpihazona ny fisoronana.

Ny Hebreo 5 dia manome fahafahana mba hiresahana ny atao hoe fisoronana: ilay hery sy fahefana hanao asa amin’ny anaran’ Andriamanitra; sy ny fomba ahazoana izany. Mety hanampy ny ankizy lahy izay miomana ny hotendrena ho amin’ny fisoronana izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ilay sary I Mosesy manome ny fisoronana an’i Aharôna (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 15) rehefa mamaky ny Hebreo 5:4. Mety hanampy ny manazava fa satria i Aharôna no olona voalohany nihazona ny Fisoronana Aharôna, dia natao araka ny anarany izany. Ampio ny ankizy hieritreritra ireo adidy tanterahin’ireo mpihazona ny fisoronana (toy ny batisa, fitsofana rano sy fizarana ny fanasan’ny Tompo, ary fanasana ny hafa ho ao amin’i Kristy).

  • Ampio ny ankizy hieritreritra momba ireo fomba samihafa izay hahazoan’ny olona fahefana. Ohatra, ahoana no fomba ahazoan’ny mpampianatra, dokotera, na mpitarika ara-politika fahefana? Ahoana no fomba hanomezan’ Andriamanitra ny fahefany? Asao ny ankizy mba hieritreritra momba ity fanontaniana ity rehefa mamaky ny Hebreo 5:4 sy ny fanekem-pinoana fahadimy izy ireo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asaivo zarain’ny ankizy amin’ny fianakaviany mandritra ny takarivan’ny mpianakavy ny soratra masina iray, na hira iray, na asa atao iray izay nianaran’izy ireo tao an-dakilasy androany.

Manatsara ny fampianarantsika

Afaka mamantatra ny fitaoman’ny Fanahy ny ankizy. Ampianaro ny ankizy fa avy amin’ny Fanahy Masina ny fahatsapana fiadanana sy fitiavana ary hafanana izay azon’izy ireo rehefa miresaka na mihira hira mikasika an’i Jesoa sy ny filazantsarany izy ireo. Afaka manorina ny fijoroana ho vavolombelona ananany ireo fahatsapana ireo.