Avia, hanaraka Ahy
28 ôktôbra–3 nôvambra. 1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona: -Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao-


“28 ôktôbra–3 nôvambra. 1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona:-Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“28 ôktôbra–3 nôvambra. 1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona:” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019

Sary
vehivavy telo mijoro eo ivelan’ny tempoly

28 ôktôbra–3 nôvambra

1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona

“Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao”

Halalino ombam-bavaka ny 1 sy 2 Timoty; Titosy; ary Filemona mba hianarana ny fomba ahafahana mampiasa ireo epistily telo ireo mba hampianarana ny ankizy ao amin’ny fahamarinana (jereo ny 2 Timoty 3:16).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy mba hiresaka momba ny olona iray izay ohatra tsara amin’ny “fianarana ho an’ny mino” ho azy ireo. Inona no ataon’izy ireo mba ho tonga ohatra tsara ho an’ny hafa?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

1 Timoty 3:1–2; Titosy 1:7–9

Mitarika ny paroasy ny eveka amin’ny maha-mpanompon’ Andriamanitra azy.

Nampianatra an’i Timoty sy Titosy momba ny maha-manan-danja ireo eveka i Paoly. Ahoana no ahafahanao mampianatra ny ankizy momba ny zavatra ataon’ny eveka? (Mitovy amin’ny eveka iray ny filohan’ny sampana iray.)

Asa atao azo tanterahina

  • Ataovy eny amin’ny solaitrabe ny sary tsotra maneho ny evekanareo. Angataho ny ankizy mba hilaza ireo zavatra fantatr’izy ireo momba ny eveka. Toy ny ahoana izy? Inona no ataony? Mitahy ny paroasy amin’ny fomba ahoana izy? (Afaka mahita ireo toetoetry ny eveka iray ianao ao amin’ny 1 Timoty 3:1–2 sy Titosy 1:7–9.) Eo am-pizaran’ny mpianatra ny heviny dia soraty eo amin’ny taratasy lavalava izany ary asaivo apetaky ny ankizy eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ilay sary izy ireny.

    Sary
    eveka ao amin’ny biraony, miresaka amin’ny zatovolahy iray

    Nantsoina mba hanolotra fitarihana ara-panahy ho an’ny mpikambana ao amin’ny paroasy ny eveka.

  • Soraty amin’ny taratasy kely ireo adidin’ny eveka iray, toy ny fandraisana ny fahafolon-karena sy fanatitra amin’ny fifadian-kanina, fanolorana antso fanaovana dinidinika amin’ireo mpikambana, fanampiana ny mahantra sy sahirana, ary fivavahana ho an’ny hafa. Apetraho ao anatina lovia jobo iray ireo taratasy kely ireo dia asao ny ankizy tsirairay mba haka iray avy. Dia ampio ny ankizy mba hilalao an-tsehatra ireo adidy ireo. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa nantsoin’ Andriamanitra ny evekanao.

  • Asao ireo ankizy hanao ny sarin’ny eveka manompo ireo mpikambana ao amin’ny paroasy. Toroy hevitra izy ireo hanome azy ny sary nataon’izy ireo mba hankasitrahana azy. Inona no azontsika atao mba hanampiana azy?

1 Timoty 4:12

Afaka ny ho “fianarana ho an’ny mino” aho.

Inona no azonao atao mba hitaomana ireo ankizy hahatoky ny fahafahan’izy ireo ho tonga “fianarana ho an’ny mino”?

Asa atao azo tanterahina

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny “Do as I’m Doing” (Children’s Songbook, 276). Asaivo manaraka ny ohatra asehonao ny ankizy amin’ny fanarahana ny fihetsika ataonao. Asaivo mifandimby mitarika ny ankizy ambiny ka harahina ny fihetsik’izy ireo. Vakio ny 1 Timoty 4:12, ary anontanio ny ankizy ny zavatra azon’izy ireo atao mba ho tonga ohatra tsara ho an’ny hafa.

  • Zarao ny traikefanao rehefa niezaka ny ho ohatra tsara ho an’ny olona iray ianao na rehefa naneho ohatra tsara ho anao ny olona iray. Ampio ny ankizy hahatakatra fa rehefa maneho ohatra tsara izy ireo dia afaka manampy ny fianakaviany sy ny namany.

2 Timoty 3:14–17

Hanampy ahy hianatra fahamarinana ny soratra masina.

Raha toa ka afaka manampy ny ankizy hianatra hitia ny soratra masina ianao dia hitahy ny fiainan’izy ireo mandritra ny taona maro ho avy.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa boky soratra masina ary ampio ny ankizy hizatra amin’ny ao anatin’izany amin’ny fampisehoana azy ireo ny pejin-dohateny ao amin’ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy. Asao ny ankizy iray mba hihazona ireo boky ireo rehefa mamaky ny 2 Timoty 3:15–17 ianao. Hazavao fa ny Ray any An-danitra dia nandidy ireo mpaminany nandritra ny tantara hatrizay mba hanoratra ireo fahamarinana izay nambarany tamin’izy ireo. Afaka mianatra ireo fahamarinana ireo isika rehefa mamaky ny soratra masina.

  • Asaivo milazalaza momba ny fananana tena tian’izy ireo indrindra ny ankizy. Inona no ataon’izy ireo amin’izany? Avelao izy ireo hifandimby hihazona ireo soratra masina sy hamadika amim-pitandremana ireo pejy. Ataontsika inona ny soratra masina? Nahoana no tokony hikajy azy ireny isika? Ampio ny ankizy hamorona fihetsika mifanaraka amin’ny hira iray momba ny soratra masina, toy ny “Sans tarder, je recherche mon Sauveur” na “Dans le Livre de Mormon” (Chants pour les enfants, 67, 62).

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

1 Timoty 4:12

Afaka ny ho “fianarana ho an’ny mino” aho.

Tena tanora tokoa i Timoty raha mpitarika ny Fiangonana, kanefa tian’i Paoly ho fantany fa mbola afaka ny ho fakan-tahaka izy. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hahatsapa fatokiana ny fahafahan’izy ireo maneho ohatra tsara.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny 1 Timoty 4:12, ary asaivo tadiavin’ny ankizy ireo fomba enina nolazain’i Paoly fa ahafahantsika ho tonga “fianarana ho an’ny mino”. Zarao tsiroaroa ny mpianatra ka asao ny ekipa tsirairay mba hieritreritra toe-javatra mitranga izay ahafahan’izy ireo ho tonga fianarana ho an’ny mino. Asaivo milalao an-tsehatra ny zava-mitranga amin’ny iray kilasy izy ireo.

  • Anontanio ny ankizy raha te hizara izay zavatra niainan’izy ireo rehefa notsapaina mba ho ohatra tsara ho an’ny hafa izy ireo. Lazao azy ireo ny fomba nampisehoan’izy ireo taminao fa fianarana ho an’ny mino izy ireo sy ny nahitanao azy ireo naneho ohatra tsara ho an’ny hafa.

1 Timoty 6:7-12

Tokony hitia ireo zavatra maharitra mandrakizay mihoatra noho ny vola aho.

Ao anatin’ny tontolo iray izay miha-tia zavatra bebe kokoa, ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hihazona ny fifantohan’izy ireo sy ny fitiavan’izy ireo mba hifototra amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy mba hilaza momba ny zavatra hovidian’izy ireo raha toa ka nanana ny vola rehetra eto amin’izao tontolo izao izy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky ny 1 Timoty 6:7–12, ary asaivo fintinin’ny ankizy hafa ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny vola. Dia asao ny ankizy mba hamaky indray ireo andinin-tsoratra masina, ka hitady ireo zavatra nolazain’i Paoly fa sarobidy noho ny vola.

  • Mametraha sarina zavatr’izao tontolo izao (toy ny vola, kilalao, na fialam-boly) ary zavatra maharitra mandrakizay (toy ny fianakaviana na tempoly). Asao ny ankizy mba hifantina ireo sary hizara roa: dia ireo zavatra izay mampanakaiky antsika amin’i Kristy sy ireo zavatra izay mety hanalavitra antsika amin’i Kristy raha toa ka tia izany mihoatra ny fitiavantsika Azy isika. Nahoana ny “fitiavana ny vola no fototry ny ratsy rehetra”?

2 Timoty 3:14–17

Nanome ny soratra masina ho antsika ny Ray any An-danitra mba hanampiana antsika hahafantatra ny fahamarinana amin’ny fahadisoana.

Ny ankizy dia afaka miaina ireo fitahiana avy amin’ny famakiana ny soratra masina. Rehefa mampianatra ny ankizy momba ny soratra masina ianao dia mitadiava fomba hamporisihana azy ireo hanana traikefa mahery vaika amin’ny tenin’ Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hamaky ny 2 Timoty 3:15–17. Mitondrà sary izay maneho tantara iray avy ao amin’ny tsirairay amin’ireo boky nankatoavin’ny Fiangonana, ary apetraho ao anatina boaty misarona iray izany. Asao ny ankizy maromaro mba haka sary iray sy hitantara ilay tantara. Anontanio ireo ankizy raha toa ka afaka mizara zavatra hafa momba izany boky soratra masina izany izy ireo. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny soratra masina “mampahendry [antsika] ho amin’ny famonjena”?

  • Asao ny ankizy hizara ny tantara tian’izy ireo indrindra na ny zavatra niainany rehefa nanampy azy ireo ny fahamarinana iray ao amin’ny soratra masina. Azonao atao ny mizara ny andinin-tsoratra masina tianao indrindra na ny zavatra niainanao manokana.

  • Asao ny mpianatra iray hamaky ny Môrônia 10:3–5. Inona no nampanantenain’i Môrônia ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Anontanio ireo ankizy ny zavatra nataon’izy ireo mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona fa marina ny soratra masina. Asao izy ireo hamaky na hihaino tsy tapaka ny soratra masina.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hizara amin’ny fianakavian’izy ireo ny zavatra nianarany momba ny soratra masina sy hitady andinin-tsoratra masina iray izay azon’izy ireo zaraina amin’ny iray kilasy amin’ny herinandro manaraka (ampian’ny ray aman-drenin’izy ireo, raha ilaina izany).

Manatsara ny fampianarantsika

Arindrao ireo asa atao mba hifanaraka amin’ny zavatra ilaina. Ho solon’ny fandraisana ireto rindran-damina ireto ho torolalana tsy maintsy arahinao dia ampiasao kosa itony mba hakana hevitra hampitsiry ny aingam-panahinao manokana rehefa misaintsaina ireo zavatra ilain’ny ankizy ampianarinao ianao. Azonao atao ny mampifanaraka ireo asa atao mba hampianarana ireo ankizy rehetra.